Aza Poizinina Ilay Sakafo Matsiro
Na dia kelikely ihany aza izay lany dia nianoka tanteraka tamin'ny fihinanana valala ny tena. Natsiro tokoa ilay izy nendasina . Tsy mba nitovy tamin'ny nanandramana nihinana fozaorana izay toa nisy plastika nihevotra izany ny nihinana ilay valala voaendy rehefa noesorina ny elany, fa lany daholo izy rehetra ary mirangorango hatrany. Dia gaga ihany ny tena hoe fa maninona no fendrahana fanafody shimika ny famonoana ny valala nefa ilay fanafody shimika tsy ny valala ihany no asiany fa ny landy sy ny tantely ihany koa. Raha azo atao, sady azo atao mihitsy, tsy aleo ve ajanona any ity hoe mandraraka fanafody shimika amin'ny alalan'ny fiaramanidina na angidimby ity fa fandaniam-bola amin'ny tsy misy dikany fotsiny?
Raha iverenana ny tantara hany fantatra dia nahazoana volabe (sy nandaniana volabe miaraka amin'izany) ity famonoam-balala ity nefa toa tsy mahomby na niniana natao tsy nahomby ilay izy mba ho fidiram-bola mitohy ho an'ireo mpandray anjara amin'ny famonoam-balala. Re siosio fa ny angidimby na ny voromby nofaina handrarahana fanafody, hatramin'ny repoblika faharoa indrindra indrindra, dia mihofa amin'ny ora fa tsy amin'ny velaran-tany vita ary niniana tsy tany amin'ny toerana efa fantatra fa mbola atorian'ny valala no fendrahana ireo fanafody fa toeran-kafa tsy misy na inona na inona, tanjona ny hoe miala eo amin'ny seranana mitondra fanafody ary rehefa mitody eo indray dia efa lany ny fanafody nentina.
Tsy fantatra moa fa mety ho efa nisy ihany koa ny fanaovana tatitra amin'ny hoe nandraraka fanafody tatsy Ananona nefa tsy nisy an'izany akory fa ny faktiora no kopaka ifampisasahan'izay mpiray tsikombakomba amin'izany, ahiahy izany nefa rehefa mahafantatra ilay toetran'olombelona (mba tsy itenenana hoe mahafantatra ny toetran'ny Malagasy) dia azo heverina fa mora tontosaina tokoa. Noho izany dia sady fanariambola am-baravarankely manome tombombarotra ireo orinasa vahiny tsy miraharaha ny fikolokoloana ny tontolo iainana ny fividianana fanafody shimika izay lafo rahateo no tsy mahasoa ny tany sy manimba ireo zavamanan'aina hafa, araka izay efa notenenina teo aloha.
Koa aza atao mahagaga raha misy ny tompon'andraikitra ambony noheverina hanirina vao maika nampivandravandra mody tsy maheno na tsy miraharaha ireo voka-pikarohana, niaraha-iombon'antoka tamin'ny vahiny hafa ihany koa, mandala kokoa ny tontolo iainana nefa tsy raharahiana mihitsy. Tsy mandalo any manko ny lalan'ny fitadiavam-bola mety hahazoana ampahany manokana ho an'ny tena ary sarotra kokoa ny handresy lahatra ireo mpampisambo-bola mety manana ny heviny ihany koa amin'ny fanafody tokony hovidiana nefa raha vao miresaka fanafody dia midika ho tsena-entambarotra ihany koa izany.
Fandrika iray tsy mampahomby ny fandripahana valala ihany koa, rehefa norarahana fanafody shimika ny tsy fahazoana mihinana azy satria poizina ho an'ny olona na biby mihinana azy ihany koa izany. Raha ny marina dia tena mifanohitra tanteraka amin'ny fomba fiheveran'ny Ntaolo malagasy izany fomba famonoam-balala izany, sady tsy ahitana fahafinaretana amin'ny tsy fahazoana mitsakotsako azy... Tsy mampety azy hafa ihany koa ny tsy fampandraisana anjara andraikitra ny sarambabem-bahoaka amin'ny fiadiana amin'ny fianahany izay mety hiteraka fahasimban'ny voly raha be loatra ry zareo fa sampan-draharaha iray ihany no tena misahana izany. Toa manandratra ambony avy hatrany ny vola heverina holaniana fa manao tsinontsinona kosa ny tsy voavidim-bola dia ny mety ho firaisan-kinan'ny rehetra miara-mandroaka na miara-mandraoka valala rehefa maraina.
Taloha raha misy ny andiam-balala dia miara-mirohotra avokoa ny rehetra amin'ny fiadiana aminy na amin'ny fanangonana azy hohanina ary mihinana daholo na olombelona na biby fiompy. Amin'ilay fendrahana fanafody shimika anefa dia tsy misy na inona na inona azo atao intsony amin'ny valala heverina ho efa misy fanafody afa-tsy amin'ny fandoroana fako na fandoroana tanety isian'ny setroka heverina fa hampiverin-dalana ny valala. Politikan'ny tsy mahalala fa fihinana ny valala izany toe-javatra izany ary tratra aorian'ny Malagasy izay mahalala fa be otrikaina sy mampatanjaka io zavamananaina iray io.
Mba fantatrareo mpamaky moa fa anisan'ny sakafo, na laoka, ankafizin'ny Ntaolo Malagasy tokoa izany valala izany? Mba fantatrareo moa fa raha "criquets" sy "sauterelles" [na fohy tandroka sy lava tandroka] (ampiana "grillons") no anaran'ny karazam-balala fiteny an-davanandro amin'ny teny frantsay ary "locust" sy "grasshopper" no anaran'ny karazam-balala fiteny an-davanandro amin'ny teny anglisy dia maro kokoa noho izany no anaran'ireo karazam-balala amin'ny teny malagasy? Misy aza moa no anarana tsy fandre intsony fa mba ampitaina aminareo fotsiny araka izay hita ao amin'ny rakibolana rakipahalalàna malagasy, ny adrisa no vavin'ny aketa ary ny mbola kely amin'izy ireo dia antsoina hoe tsimbotry. Izany no nisian'ilay fitenenana manao hoe "Tsimbotry niaraka ihany koa adrisa vao hifanary?" izay nisy namadika taty aoriana hoe "sola niaraka ihany koa brown [=ngita] vao hifanary?" Karazam-balala ihany koa ny tsingarangadona, ny tsipanga, ny ambolo, ny tsinombina, ny tsindahalakana ary ny valalavao (valala vahiny na valala sisa tavela tsy tafaraka intsony amin'ireo namany nanao andiany): ireo no voatonona ho karazany tena fihinan'ny Ntaolo. Tsy voatonona amin'ireo karazana ireo ny sompanga fa ny mety ho tsy ampoizinareo mpamaky dia ilazana ny filahiana ihany koa ny voambolana hoe valala, raha tsy matoky ianareo dia jereo ny rakibolana rakipahalalàna navoakan'ny Akademia Malagasy tamin'ny 2009. Izany hoe ity lazaintsika ho "Balita" ity izany dia mety hoe valala no niantsoan'ny Ntaolo azy fa ny nampalahelo moa dia tsy mbola hitako (afa-tsy amin'ny kisendrasendra koa angamba) hoe mba inona kosa no niantsoan'ny Ntaolo an'i "Bozy"?
Hamaraparanana dia hitantara ny tsikaritra etsy sy eroa mahatsikaiky na mampalahelo aho tamin'ny fisamborana na tsy fisamboran'ny olona valala teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Teo Analakely dia nisy tovovavy nihorakoraka sady nihazakazaka tahaka ny noenjehin'alika raha nipetrahan'ny valala ny akanjony, nihevitra ny manodidina tamin'izay fotoana izay hoe nisy nanendaka izy hay valala no nandosirany. Niaiky ihany koa ny vadiko fa natahotra valala tamin'ny voalohany fa tsy naninona avy eo. Raha nisy ireo ankizy navitrika aoka izany amin'ny fisamborana sady nameno ny tavoahangy plastika tamin'ny valala, dia nisy kosa ireo miangetsana araka ny fiteny ka sady matahotra no te-hisambotra, ny tanana mandroso haka valala moa ny vatana manontolo mihemotra tsy te-hahazo, miaraka amin'ny fonon-tanana misambotra valala. Misy no misambotra valala ny tanany ilany no mitampin'orona amin'ny tanany ilany, misy ihany koa ny sady misambo-balala no mikimpy tsy te-hijery ny zavatra samboriny. Misy ihany koa ireo mpamboly vary no namela ny tanimbariny hatorian'ny valala sady tsy nikitika mihitsy fa sao, hono, valala avy any Afrika ireny ka ifindran'ny aretina "Ebola" eo - tany Ampitatafika no nisy an'izany ary tsy nety noresena lahatra mihitsy ry zareo.
Izay no fohy, izay no lava fa ny fehin'ny resaka dia hoe nahoana no dia fendrahana poizina ity sakafo matsiro ankafizin'ny maro amin'ny olombelona sy ny biby ity? Tena hadalana ankitsirano sy famosaviana ankarihary ilay famonoam-balala amin'ny fanafody shimika fa atsaharo azafady. Fandrisihana sy fampandraisana anjara ny olona amin'ny fandroahana na fandraofana valala no ataovy mba ho sady fialamboly izany no sakafo maimaim-poana avy any an-danitra. Tsy ho vitanareo samirery velively ny hamono valala fa tokony ho raharaham-bahoaka io.
Jentilisa 31 aogositra 2014