Lalana ankodahoda: Isahafa - Ambatoharanana - Imerimandroso

2019-05-03 @ 10:06 in Ankapobeny

Nitsangatsangana niaraka tamin'ny fiangonana misy eto an-tanànan'Isahafa Avaradrano izahay mianakavy kely tamin'ny voalohany mey. Nandeha toerana hafa kokoa (Imerimandroso) izahay. Lalantany hatrany no naleha raha mivantana avy eto Isahafa mankany Imerimandroso, izay mandalo an'Ambatoharanana, toerana voalohany nijoroan'ny misiona Anglikana teto Madagasikara. Maro anaka kely ny tena ka nandeha fiara madinika manokana fa tsy niaraka tambabe tamin'ny fiara iombonana.


Efa nampiomanina mialoha fa somary ratsiratsy ihany ny lalana ka raha fiara madinika no andehanana dia aleo aloha mihodina mihitsy mankany Sabotsy Namehana mandalo Ambohinaorina dia manavatsava ny vahalava mizotra manatona ny lalambaovao mankany Ivato iny fa manaraka lalantany ihany ka mandalo an'Ambodifasina, Ambatolampy Tsimahafotsy, mandalo ny ozinina shinoa mpanao vato(fanaovana cross taloha) vao mitady hoe aiza ny lalana mankany Imerimandroso.


Ora roa no nanaovana ny lalana satria mbola tratran'ny fitohanana tamin'ny niditra ny tanànan'i Sabotsy tamin'ny naka solika. Mba tsara ihany ny lalana tamin'ireo toerana nolalovana voalaza anarana ireo fa niova tampoka izany rehefa avy eo. Mikintoatoana tanteraka sy feno dongona nisy fiantraikany tamin'ny fiara. Tsy mampaninona loatra ny kodiarandroa izany lalana izany nefa mba manao ahoana ny famoahana vokatra amin'izany? Tsy misy firy kilaometatra an'Ivato Seranana izany dia efa ankodahoda sahady.


Rehefa samy ho ratsy ihany ny lalana dia naleo indray miara-dia amin'ny besinimaro fa mba samy mandady eny ihany rehefa mody. Dia tena izany tokoa no natao niainga avy eo Imerimandroso, mandalo an'Ambatoharanana sy andeha atao hoe miafara avaratr'Imahatsinjo. Vitesy voalohany hatrany tamin'ny lalana tokony ho vita ampahaefatradiny raha ela indrindra amin'ny lalana tsara. Tena tsindraindray vao mba miditra vitesy faharoa. Tsy mahita izay tanàna manodidina ny saofera fa ny lalana ihany no ifantohana, mijery hoe aiza indray no tsara andadizana. Adiny iray sy fahefany no nahavitana azy. 


Rehefa mahazo ilay sampanana be dia be ahitana ireo lalana mankany Ambohimanga, Ambohimiaramasoandro, Anosiarivo, Mahatsinjo (ilay nosoratako hoe Imahatsinjo) vao tsara ny lalana, na dia lalantany aza, ka ny mizotra mankany Iavoambony no naleha rehefa mody satria mifampitazana ihany manko Isahafa sy Iavoambony. Saingy mbola mivadika ratsiratsy indray ny lalana rehefa hiditra ny tanànan'Iavoambony. Tsikaritra ihany anefa eny antsefatsefany eny fa nisy totovato ny lalana fa efa simba tanteraka izany.


Efa mba nandehanako ihany koa ilay lalana avy eo amin'ny sampanana maro nolazaiko io mankany Ambohimanga fa dia tena tsy fanao ianao ny ampahany sasany ary na kodiaran-droa aza sahirana ihany rehefa tsy sahy mandeha amin'ny sakelika mitovy habe amin'ny tahalaka an-tanimbary, raha mianjera kosa aloha dia hihosina tanteraka sady toy ny latsaka an-kady ka ho sarotra ny ivoahan'ilay kodiaran-doa mianjera ao. Lazaina fa Lalan'ny misionera voalohany izany ampahan-dalan'Ambohimanga mankeo amin'ny sampanana maro izany.


Teo no nahatsapako fa hay mba tsara ihany ny lalana avy eto Isahafa mankao Lazaina na dia mikitaotaona aza ny eny amin'ny Vahalavan'Andranomasina. Teo no nahitako fa tsara raha atao taranja ampianarina any an-tsekoly ny fanaovan-dalana ambanivohitra mba hahaizana mikojakoja ilay lalana farafaharatsiny sy hanekena fa tsy maintsy asiana ny tatatra ivoahan'ny rano fa tsy ho tia tena hanampina ilay fivoahan-drano satria zary mivarina an-tanimbary ny ranon'orana, dia ny lalana no ratsy tanteraka avy eo. Tsy azo antenaina ny manampahefana hanao izany lalana lazaiko izany satria faritra efa avela ho ankodahoda izany, ary misy ny manana tombontsoa amin'ny faharatsian'ny lalana satria mbola mora lavitra noho ny "vary mora" ny vidimbary vokatra any.  


Resaka lalana fotsiny izany lazaiko izany ary ampitaiko eto fa tsy izay fahasahiranan'Antananarivo renivohitra ihany tsy akory no fahasahiranan'i Madagasikara (sa tsy mahazo manoratra an'izany aho?). Be loatra ny olona mijaly noho ny faharatsian'ny lalana sy ny tsi-fandriampahalemana aterak'izany ary tsy mahagaga loatra raha mivangongo ao Antananarivo ny olona.

Soratra aoriana: 18 kilaometatra ny totalin'ny lalana vita tamin'io fotoana io...

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox