« | »

Tambajotra matanjaka

2007-10-12 @ 14:44 in Ankapobeny

Miditra amin’ny andiany faha-11 ny fihetsiketsehana momba ny hairaha manara-pandrosoana Ebit fanao eto Madagasikara isaky ny volana Oktobra. Amin’ny ankapobeny dia ny resaka manodidina ny solosaina, ny vitany ary ny fifandraisan-davitra sy ny serasera azo ampiarahina aminy no iompanan’ity fihetsiketsehana ity. Ny lohahevitra banjinina amin’ity taona ity moa dia hoe “Haut débit” na Tambajotra matanjaka… ny gazety taratra no nahitako io dika teny malagasy io fa tsy fantatro raha izay mihitsy no nomen’ny mpanetsiketsika na ny mpanao gazety no nitady sy nametraka ny dikany tao anaty takelaka omaly. 

 

Somary nahagaga ahy ny nandikana ny teny (loza koa fa tahaka ny aretina tsy ho afaka ilay fandikan-teny hatramin’ny nanaovana ny globalvoices teny malagasy izay). Naka rakibolana mihitsy aho, io moa no fanaoko fa izaho angaha mba mahay teny vahiny mankaiza loatra e! ny teny malagasy fotsiny no mba atao metimety ao ary asiana fitohizany tsara ho tahaka ny lahatsoratra teny malagasy ihany. Ilay rakibolana frantsay malagasy notontosain’I François Rakotonaivo iny no nosokafako ho eo amin’ny débit ny takelaka. Toy izao ny fanazavany azy amin’ny teny malagasy: habetsahan-koriana (isem-bentim-potoana). Dia misy resaka momba ny kajimirindra ihany koa ao manao hoe Refi-kabetsahana izany hoe ny isa mivoaka sy miditra ara-potoana ao amin’ny solosaina. Ho an’izay mety tsy hahazo ny teny dia renirano na rano no mikoriana. Eo amin’ny paompy dia na mitete ny rano raha mitsitapitapy ny fivoahany ary misasasasa kosa raha raha be dia be ny rano indray mivoaka. 

 

Teny telo izany no ifotoran’ny fandikanteny avy amin’ny frantsay ho malagasy, dia ireto avy izany: refy, habetsahana ary koriana. Raha mijery ny nandikan’ny gazety azy indray isika dia teny roa ihany no tiany tazonina. Amiko noho izany dia azo ajanona ny teny hoe refy ka ny habetsahana sy ny koriana sisa no tavela. Raha jerena indray ny teny frantsay miaraka amin’ny teny hoe “débit”  dia tsy hoe “beaucoup de débit” no nataony fa “haut débit” izany hoe raha adika “avo fikoriana” na “ambony ny fahateteha-mpivoahan-drano” ohatra[mba lava loatra kosa izany ka!]. Milaza tsara ny fisiana refy ao anatiny nefa raha adika teny malagasy fotsiny amin’izao dia tena tsy misy dikany na tsy ho azon’ny tsy mbola zatra aterineto mihitsy. 

 

Raha raisina indray ny teny anglisy raha miresaka ity resaka “haut débit” ity ihany dia fast connection no hitakitako tany ho any. Mahalaza tsara ny zavatra lazainy ihany koa izay resaka izay nefa tena tsotra dia tsotra tokoa: “haingam-pifandraisana”. Samy manana ny filozofian’ny teniny na ny anglisy na ny frantsay eny fa na ny teny malagasy ihany koa aza. Samy azo raisaina avokoa ve ireo teny roa ireo ho amin’ny teny malagasy, izany hoe mifanaraka amin’ny kolontsaim-pitenenana malagasy ve ny avy amin’ny teny anglisy sy frantsay? Raha eny moa tsy tsara ve fa raha tsia kosa dia iza no raisina ary iza kosa no ajanona? 

 

Dia mitodika any amin’ny tantara indray izaho manokana. Resaka fandrosoana no atao eto ka izay tranga nisiana natao hoe fandrosoana “araka ny fijery tandrefana” tamin’ny vanim-potoanany ny hobanjiniko. Handray ny teknikan-dRadama Rainy fony hametraka ny abidia malagasy aho. Ny endri-tsoratra aloha dia nisafidy ny maritsoratra latina izy fa najanony kosa ny maritsoratra arabo nianarany tamin’ny Antemoro Anakara izay nolazainy fa sarotra raisina ihany araka ny fiheverany. Avy eo indray dia mbola nisafidy tamin’ny fomba fanononana ireo abidia ireo indray izy. Ny fanononana ny renintsoratra dia nalainy tamin’ny anglisy ary ny fanononana ny zanatsoratra no noraisiny tamin’ny teny frantsay. Izay tsotra sy hitany fa mety no nataony tamin’izany fotoana izany. 

 

Eto koa dia heveriko fa mitovy amin’izany famahana izany ihany no ataoko. Ampivadiana ihany ny dika avy amin’ny teny anglisy sy teny frantsay… efa samy teny ofisialy eto amin’ny tanàna ihany koa moa ireo ka tsy hitako loatra izay olana. Amin’ny teny anglisy andeha atao hoe efa fiteny mankaleo aza ny teny hoe fifandraisana ka ajanoko, raisiko kosa ny teny hoe haingana. Ny avy amin’ny teny frantsay kosa mbola tsy fandre loatra ny teny hoe koriana afa-tsy amin’ny rano ihany ( fa inona indray moa no fanaon’ny voalavo ry jentilisa?), saingy izao raisina hoe fikoriana ilay teny eto. Efa karazandrazan’ny vonona ihany izany ny teny roa horaisina fa ny fandaharana azy no sisa: Fikoriana haingana sa haingana fikoriana? Mampiavaka ny teny malagasy (nefa mahasarotra ny fikarohan-javatra amin’ny aterineto) ny fanakambanan-teny. Ny teny faharoa no hitako metimety kokoa sy manara-penitra ho amin’ny fanakambana-teny ka manome ny “haingam-pikoriana”. Io teny farany io noho izany no heveriko ho mahasolo ny teny hoe “haut débit” fa tsy tambajotra matanjaka. 

 

Nahoana ary aho no tsy manaiky ny teny navoaka tao amin’ny gazety? Ny tambajotra dia fitambaran-teny roa ihany koa dia ny teny hoe tambatra sy ny zotra. Ny aterineto iray manontolo manerana izao tontolo izao dia efa tambajotra ary tsy misy matanjaka tahaka ny aterineto aloha amiko satria izy no mahavory olona betsaka indrindra manerantany. Raha mivoivoy ianao io sy izaho ity dia efa ao anatin’ny tambajotra isika izay. Izaho mety mandeha miadana ary ianao mety handeha haingana nefa samy ao anatin’ny tambajotra matanjaka isika. Noho izany tsy mahalaza ny hevitry ny teny hoe “haut débit” mihitsy amiko ny tambajotra matanjaka. Fandikan-teny diso toerana ka tsara kantsanana dieny ety ampanombohana. Tsy mpandalina ny teny malagasy akory aho fa mpandala azy kosa ka izay no isahiranako manao izao fanazavana lava dia lava izao.

Hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2024 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox