« | »

Antananarivo mibilaogy 4.0 sa ny ONG Foko?

2007-10-19 @ 08:59 in Ankapobeny

Araka ny efa nolazain’ny namana hafa any amin’ny bilaoginy any dia notontosaina omaly ny fihaonana fahaefatra teo amin’ireo mpibilaogy mipetraka sy mandalo eto Antananarivo. Azo lazaina fa ity no nahavoriana mpitoraka betsaka indrindra nefa nahitana mpamaky vitsivitsy ihany koa. Araka ny efa fantatra moa dia teny Soavimbahoaka no nanatanterahana ity fihaonana ity ary sambany araka ny nolazain’I Barijaona (erantany aza io) no natao tany an-tranona mpibilaogy iray izany fihaonana izany fa tsy tany amin’ny efitrano fisakafoanana na trano fivoariana hafa. 

Araka ny fijeriko azy dia sambany ihany koa no avy amin’ny blaogin’ny namana serasera no maro an’isa indrindra raha atambatra ny mpibilaogy sy ny mpamaky eo amin’ireo vavahadin-tseraseram-blaogy rehetra misy (maneran-tany!). Efa nolazain’I Tsikisariaka ao amin’ny blaoginy (manareta soa e!) moa ny hafa. Misy ireo izay azo soratana anarana ny fahatongavany, ataoko fa tsy olana ho azy ireo na dia tononina eto aza izy. Izany hoe ny avy amin’ny namana serasera ihany no iniako tsy tononina eto aloha (nefa dia tena misy mpamaky ny blaogy atorako tokoa fa aleo izy no hilaza ny tenany eo amin’ny fametrahana hevitra eo [he!he!] ;) ). 

 

Ireo mpibilaogy ihany ary no holazaiko amin’izay azo tononina. Voalohany amin’izany ny nanapa-kevitra hamory ireo mpibilaogy dia I Tattum sy ny nampiantrano ny fihaonana, Elorediana. Manaraka izany, efa voatonoko ery amin’ny fehezankevitra voalohany ny zokilahin’ny fitorahana bilaogy (araka ny efa nisy nanoratra tany ambadimbadika tany dia anisan’ny mpibilaogy 20 voalohany indrindra manerana an’I Afrika). Ary ny holazaiko farany dia I El Saigon Sifaka sy Mia Casa ary ny vadin’I Mia. Ny ankoatra izay dia ao amin’ny namana serasera sy ny blaoginy roa tonta.

Aleo fintinina avy hatrany ny resaka aloha fa mety mbola hisy ny fanazavana lava kokoa. Mbola hisy manko ny fihaonana manaraka amin’ny sabotsy 27 oktobra ho avy izao eny Ankadivato noho ny vinavina natolotra sy ny fahitana fa fohy loatra ity fihaonana ity na dia efa saiky nananika ny sasakalina aza izahay vao tafasaraka. Efa ny 20 oktobra ho avy io no saiky hanaovana azy saingy noho ny fotoanan’ny namana serasera efa raikitra amin’ny sabotsy ho avy izao izay hitsangatsangana any Ambanintsena dia nahemotra herinandro ny resaka. 

 

Manaraka izany indray dia fantatra ihany koa ny fisiana mpibilaogy hafa tsy tonga nanatrika ny fotoana (noho ny toerana ve sa noho ny mahaalina loatra ny andro?) nefa fantatra fa nandalo na mbola eto Antananarivo. Resaka fifandraisana ve no mety ho antony sa samy manana ny itondrana ny lalana?  Marihina fa samy tsara avokoa ny vinavinan’ny telo tonta amin’ity resaka ity ka tsara ihany ny isian’ny fiaraha-miasa. Araka ny nolazain’ny Madagascar Tribune nivoaka androany dia nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly ny namana ao amin’ny “foko” izay nampijoro fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana hisahana manokana momba ny fampandrosoana eto Madagasikara sy hanampiana ny mpiara-belona eto Madagasikara. Efa tany Kelilalina ry zareo tamin’ity herinandro ity ho fandraisana anjara mavitrika tamin’ny andro iraisam-pirenena handavana ny fahantrana lalina ary mikasa hampahafantatra bebe kokoa ny momba ny blaogy na aterineto amin’ny Sabotsy maraina amin’ny 8 – 10 ora ho avy izao ao Ampasamadinika (sa Isoraka e?). 

 

Na izany na tsy izany dia mahafinaritra avokoa ny fikarakarana sy ny fandraisana an-tanana ataona Malagasy amin’ny zavatra ataony.

Hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox