« | »

Lycee Ambohimanarina tale nanaboridana mpianatra maro

2007-11-21 @ 16:01 in Ankapobeny

Tsy dia fanaoko loatra ny lohateny sahala amin’izao saingy misy ihany ny fotoana tsy maintsy miresaka azy. Ity tranga ity manko dia tsy mitovy loatra amin’izay famoakan’ny gazety nefa ahiana ho lasa fomba fanaon’ny sasany indray. Tranga eto Antananarivo renivohitra amin’ny sekolim-panjakana ka singanina kely hanairana ny tompon’andraikitra mahefa.


 


Ho fanasaziana ireo mpianatra amin’ny Lycée Ambohimanarina (Ambohimanandray), amin’ny tranga tsy notantarain’ny mpiantso loatra, dia nasain’ny tale niboridana avokoa ny mpianatra rehetra alohany idirana ao an-dakilasy na lahy na vavy. Silipo sy tatinono sisa no teny an-koditry ny tsirairay izay te-hiditra ao an-dakilasy fa izay tsy nanaiky nanao izany kosa dia nitodi-doha nody. Ranomaso ny an’ny maro niharan’izany herisetra ara-tsaina izany. Tsy ampy inona angaha ilay tale no mahavita izany fihetsika izany?


Ny antony anoratako azy etoana dia noho izy any amin’ny sekolim-panjakana no nanaovana ilay zavatra tsy mendrika. Matetika manko ny any amin’ny fanjakana raha misy ny manao zavatra tsy mahomby tahaka izao (na tsy azoazon’ny mpitondra ihany koa ilay mpampianatra na tale eo amin’ny sehatra politika) dia sazy famindran-toerana no azony ka alefa any ankodahoda any izy. Raha izao fahasahiana izao anefa satria eto An-drenivohitra izy no nanao ilay fihetsika dia tsy hijanona hatreo ny hadalany rehefa any satria ny any koa tsy ho afaka hiteny na inona na inona raha tsy hoe nisy namono na namorika angaha. Antso nalefa tamin’ny haino aman-jery io resaka io ary saiky tsy nety nilaza ny toerana ilay mpiantso raha tsy ny mpanentana no nisisika koa tsy maintsy hisy ny tohin’ity resaka ity na handà ny tale na hiara-hitory ny mpianatra, ary efa nisy tompon’andraikitra tamin’ny minisitera rahateo nahare ilay resaka.


Dia hoy koa aho hoe, nahare izay ataon’ny dokotera tany amin’ny toeram-pitsaboana ho an’ny mpiasa any amin’ny orinasa tsy miankina ary ve ratale nahavita io fanaboridanana mpianatra eo amin’ny fahatanorany io? Izao manko, ary efa niainako kosa ity, tsy maintsy mankany amin’ny toeram-pitsaboana ny mpiasa rehetra rehefa hiditra hiasa, ary atao isan-taona ihany koa io. Ny fanaon’ny dokotera, hanalana sorisory angaha, dia dokotera lahy no mandray mpiasa vavy ary dokotera vavy no mandray mpiasa lahy. Ry dokotera isany koa moa misy mbola tanora loatra angaha ny sasany ka misy mitsikanikany indraindray eny ihany.


Dia ahatsiarovako ny fanaon’ny dokotera maro (indrindra tany amin’ny fanjakana) tamin’ny taona 70 mahery tany koa. Isaky ny misy vehivavy marary manatona an-dry zalahy dia esory ny akanjo foana no teny voalohany nataon-dry zalahy. Fandraisna andraikitra henjana be angamba vao nampijanona io fanao io satria niarananajanona ilay fanao ny dokotera rehefa niainana ny taona 80. Tsaroako efa nolalaovin’ny mpanao tantara tamin’ny Radio Madagasikara mihitsy manko io tranga io noho ny halazany loatra. Araka ny efa nolazaiko ihany dia tsy tia mitantara zavatra tahaka izao loatra aho ndrao dia ataon’ny sasany fakana tahaka indray, nefa ho hita eo ny tohin’ity tranga teny Ambohimanarina ity aloha.

Hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox