« | »

Ikotofetsy sy Imahaka niady tsodranondRanakombe

2007-11-24 @ 10:50 in Politika

Ataoko fa efa nahenoheno kely ny momba ny anganon’Ikotofetsy sy Imahakà daholo isika. Ary ankoatra izay dia mety ho efa fandrentsika amin’ny angano malagasy maro hafa izany anarana Ranakombe izany. Any no fitarain’ny olona maro manana olana. Betsaka ny zavatra omen-dRanakombe tahaka ny fanafody, torohevitra maro isankarazany. Noho ny toerana misy azy dia hajain’ny olona fatratra Ranakombe sy ny fianakaviany. Tsapan’Ikotofetsy sy Imahaka indrindra izany ka dia samy nanana ny paikany indray izy mirahalahy.



Samy miezaka izay hahabe ny vondrona misy azy avy Ikotofetsy sy Imahaka. Nihazakazaka mamory ny tanora hatrany Ikotofetsy. Ny tanora no maro an’isa ao an-tanànan’i Vohitsara, ny mitabe tsy lanin’ny mamba ary izay be no basy hoy ny fombam-pitenenana Malagasy izay. Ny fahamaroan’isa rahateo no antoka iray hahazoana ny fandresena amin’ny fifidianana hitondra ny tanàna. Endrika tanora re izany miaraka hita amin’Ikotofetsy izany. Raha jerena amin’izao tokoa dia tahaka ireny hoe efa lasan’Ikotofetsy ireny avokoa ny tanora rehetra.



Ireo Zoky ray aman-dreny kosa no vangian’Imahakà matetika satria heverina fa ray aman-dreny toavina izy ireny raha te-handrindra ny fiaraha-monina mahamalagasy. Efa tany amin-dRanakombe misatrobory izy, efa namangy an-dRanakombe Richard (gaga be aho nahita fa efa nisy nanana anarana vazaha ny Malagasy raha vao nisy tonga fotsiny teto Madagasikara). Tsy dia nahataitra ny olona loatra ireny fa ny fatratra dia Imahakà no tafahoana voalohany tamin-dRanakombe Odon izay tena Olombe tao amin’ny tanàna tokoa. Fatratra ery ny fakana ny sary tamin’ny fihaonana, folo minitra (mbola tsy indray fa atsasaky ny mahamasabary) ny halavan’ny fotoana. Fangatahana tso-drano moa no natao ka dia nitso-drano amin’ny mahampitaiza azy Ranakombe. Taitra avokoa ny taizan-dRanakombe Odon rehetra fa nisy filazana manko tamin’ny afisy hoe “tsara raha tohizanao ny asa tsara efa natombokao”. Toy ny milaza manko izany, na dia tsy nisy aza ny filazana izany fa fantatrao ihany izany hoe Imahakà amin’ny maha-Imahakà azy, hoe manohana anao aho ry Imahakà. Efa nisy fihaonana nataon’ny taizan-dRanakombe Odon rehetra manko teo amin’ny tokotany malalaka iadidian’Imahakà ary nahazo fankasitrahana manokana izy tamin’iny fotoana iny. Tombon-dalana azon’Imahakà manokana aloha iny.



Tonga koa ny ampitso dia nihaona tamin-dRanakombe Odon koa Ikotofetsy. Tamin’ny ankapobeny dia ity no karazana ray aman-dreny lehibe nohatonin’Ikotofetsy voalohany. Variana nitodika tany amin’ny tanora ny anao lahy, sady nataony hoe Tanora Vonona ihany koa moa ny vondrona misy azy, ka tsy hitany ny fipelik’Imahakà mody manantona karazana ray aman-dreny. Nangataka tso-drano koa izy ary dia nomen-dRanakombe Odon ihany koa amin’ny mahampitaiza azy, moa Ikotofetsy koa milaza fa Ranakombe Odon mihitsy no mpitaiza akaiky azy indrindra. Nivoaka tao amin’ny tranon-dRanakombe Odon izy dia milaza fa noho ny mahaavy amin’ny fitaizan-dRanakombe Odon azy dia namporisika ireo taizany rehetra, hono, ity ray aman-dreny ity hiaraka aminy amin’ilay fotoana malaza. Nahare sompirana izay resaka izay Ranakombe tao an-trano dia nampiantso ireo tia tati-bolana rehetra, satria ireny manko no afa-mampiely haingana ny vaovao, ho eo an-tokotany hiresaka vetivety aminy.



Nomarihin-dRanakombe amin’izay ary fa amin’ny maharay aman-dreny azy dia mitso-drano ny zanaka rehetra mangata-tso-drano izy. Na iza na iza afa-mangataka fihaonana aminy avokoa. Tsy manao tombo sy hala zanaka izany izy. Fatratra amin’izay ny nanaovan’ny mpitati-bolana izany tany amin’ny vahoaka. Lazainy fa nahitsin-dRanakombe ny filazana re momba ny nataon’Imahakà. Tsy nanao fiangarana mihitsy Ranakombe Odon. Fa dia niray saina ve ny mpitati-bolana sa efa nanana eritreritra hafa any ambadika any fa na Imahakà na Ikotofetsy samy tafiditra amin’izay lazain-dRanakombe avokoa. Tsy nety nalaza manko ny nandalovan’Ikotofetsy tao amin-dRanakombe ka dia nihevitra avokoa izy ireo fa Imahakà ihany no voakasiky ny resaka. Dia toy ny voafandrika izany Ranakombe Odon tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy Imahakà ihany no nahafitaka azy fa Ikotofetsy ihany koa, saingy amin’ny mahafetsifetsy azy dia tsy nitantara loatra intsony ny fandalovany izy mba hahavoa irery an’Imahakà.



T
sy mba niangatra manko Ranakombe. Asa ianareo raha mahalala ilay tantara ao amin’ny Baiboly momba an’I Esao sy Jakoba iny. Naniraka an’i Esao i Itshaka hihaza biby ho azy hohaniny dia hotsofin-drano izy. Vao lasa Esao dia Jakoba no nody nitondra haza ka nahazo ilay tso-drano saika omena an’i Esao. Tsy nahazo tso-drano tena tsara intsony i Esao fa nataon’Itshaka ambanin’i Jakoba. Noheveriko ho ity no nafangaraon’Ikakimpitantara, hay hafa ilay izy na dia mitovitovy aza. Angano angano à rire à rire…tsy fantatro na mbola misy tohiny hataon’Ikakimpitantara fa hampitaiko eto ihany raha misy izany. Miezaka ny mitati-bolana araka ny hitsiny eo fa tsy hitongilana be fahatany e!

Hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox