« | »

Ndao Hihazakazaka: Gidragidra notadiavina

2008-06-09 @ 18:24 in Spaoro

Efa nanoratra teto aho fa handray anjara amin’ny hetsika “Ndao hihazakazaka” (Alahady maraina ningitrika fiangonana sy sekoly alahady). Mazava loatra fa nahita ny ankamaroan’ny zava-nitranga tamin’io hetsika io aho. Marihina fa raha ny fandraisana anjara aloha dia tsy 15 000 fotsiny ireny fa mihoatra be (mihevitra aho fa manodidina ny 30 000 ireny satria maro loatra koa ny tsy nahazo tapakila intsony no nandray anjara hatrany). Eo amin’io lafiny iray io kosa aloha dia fahombiazana tanteraka ny hetsika. Maro aza ireo orinasa no tsy niraika loatra tamin’ny tsy fahazoana tee-shirt izay tantara manokana amin’ity hetsika ity. Izahay indray, satria mpiara-miasa ihany koa no nifanentana tsy niaraka tamin’ny debadeba, nanadino nitondra sora-baventy na tsy nieritreritra hikarakara izany mialoha (tsy nisy sampana na tompon’andraikitra tamin’ny serasera sy na dokambarotra tsinona niaraka taminay)...

 

Faharoa manarakaraka izany, mialoha ny hidirana amin’ny resaka somary mangidingidy kokoa, dia nampihomehy ihany ny mahita ilay hazakazaka niato teo amin’ny hidin-dalam-by Ampefiloha satria nisy fiaran-dalam-by mpitondra entana sy solika niserana tsimoramora. Tompon’ny lalana tokoa angaha, nefa na izany aza moa tsy efa noeritreretin’ny tompon’andraikitry ny Madarail ihany koa ve ny hisian’ity hetsika ity? Tsy hoe feno dia feno tsinona ny fandaharam-potoana iasan’ny masinina araka ny fahalalako azy.

 

Fahatelo, nisy sampana tsy nanatontosa ny anjarany antsakany sy andavany tamin’ireo mpikarakara ny hetsika. Efa naverimberina manko fa tokony ho tamin’ny enina ora maraina ny fizarana ny tee-shirt sy ny laharam-pihazakazahana ho an’izay manana tapakila efa azo herinandro mialoha. Maro noho izany ireo tonga mialoha ka nieritreritra fa izay tonga dia mahazo avy hatrany ny anjarany sady tsy te-hisisika amin’ny taratara sady fantatra rahateo ny tsy mbola fahaizan’ny Malagasy mandrindra zavatra loatra. Tsy tonga anefa ny fiara mpitondra ireo zavatra tokony hozaraina raha tsy tamin’ny valo ora latsaka fahefany, izany hoe adiny roa latsaka taorian’ny fotoana nifanarahana. Ora iray sisa izany no fetra hizarana ny tee-shirt ho ana olona 15 000 araka ny nambara ombieny ombieny. Izany hoe tokony hahazara tee-shirt, na zavatra hafa, 250 isa-minitra ny mpikarakara farafaharatsiny. Aoka aloha holazaina fa efa maro tamin’ireo tokony hizara no tonga aloha ihany koa fa ireo fiara mihitsy no tratra aoriana. Tsy mahatratra 100 anefa ireo mpizara ny entana raha ny fanombanako azy (ahiako tsy hahatratra 50 akory aza). Noho izany ankoatra ny fanamarinana kely madinidinika eo ampizarana dia tsikaritra fa tsy ho voazara ara-potoana velively ireo zavatra efa nampanantenaina ny mpandray anjara. Vokany, tamin’ny valo ora dia ravan’ny fifanosehana sahady ny toeram-pizarana iray (tranolay iray amin’ny enina hitako teny an-toerana). Folo minitra taorian’izay raha ela dia rava ihany koa ny toeram-pizarana roa teo akaiky teo ihany. Rava avokoa izany ny fizarana telo teo anoloan’ny Instat. Ny roa hafa kosa dia eo amin’ny sampanan-dalan’ny Fitsarana amin’ny ady amin’ny fanjakana sy ny Fitsarana Tampony (mbola eo ampanamboarana saingy efa manakaiky ny fahavitana kosa).

 

Fahaefatra, aoka tsy hohadinoina fa tsy nisy resaka mihitsy ny amin’ireo mbola te-hisoratra anarana tamin’io fotoana io ary efa nilazana mialoha fa tsy hahazo na inona na inona intsony. Maro dia maro anefa ireo olona ireo (sady tanora avokoa ny ankamaroany). Noho ny tsy fahampian’ny serasera dia nifangaroharo teo ny filaharan’ny te-hahazo tapakila sy ny efa manana tapakila fa miandry tee-shirt. Asa efa be angaha ny azo ka tsy noraharahiana intsony ny vola hafa mety mbola ho azo.

 

Fahadimy, nampanantenaina ireo efa manana tapakila fa rehefa tsy azony teo anoloan’ny lapan’ny fitsarana ny tee-shirt na zavatra hafa dia eny Alarobia ny fotoana. Nampanantenaina ny rehetra fa tsy maintsy mahazo ny anjarany avokoa ny rehetra fa tehirizina tsara ny tapakila. Nisy anefa ny fifandraisana tsy nifankahazo satria samihafa tanteraka ny dikan’ny teny hoe tsy maintsy mahazo ny anjarany avokoa ny rehetra sy ny hoe tsy maintsy zaraina amin’io fotoana io avokoa ny zavatra rehetra. Teny an-dalana manko ireo fiara mpizara zavatra (ilay kamiao mena io) dia efa nanapariaka tee-shirt tamin’ireo mpijery maro teny an-dalana. Niahiahy avy hatrany aho fa endrika fanodinana ny zavatra tokony hozaraina izao toe-javatra izao. Mbola teny an-dalana tsy nisy olon-kafa niditra an-keriny tamin’ny fiarabe mihitsy izany. Nisy fiara madinika izany niara-dalana (205 volombatolalaka) niara-dalana tamin’io fiarabe mena io ary nanmpidinana tee-shirt maromaro teny ampandehanana mbola ho eny Alarobia. Ry zalahy amin’io maro no be kibon’ny tee-shirt maro tahaka an’i Obelix ara-bakinteny.

 

Fahaenina, hiresaka ny amin’ny mpizara indrindra ao anatin’izany tantara izany. Misy ny manombana ireo mpizara ireo ho olona tsy azo itokisana loatra ny fijery azy. Misy moa ny mahasahy mampitaha ireo mpizara ireo amin’ny endrika mpangaro-paosy sy ny mpanendaka sanatria, amin’ny fomba fitenin’ireo teo akaikiko manao hoe: jereo amin’ny endriny fotsiny fa raha ireo no mpizara tsy mahagaga raha tsy voazara amin’ny tokony ho izy ny entana. Masiaka loatra io teny io nefa mampandinika tokoa raha mahita ny ataon-dry zalahy nitady ilay gidragidra tokoa. Raha iverenana manko ny nahatonga ny faharavan’ny toeram-pizarana faharoa sy fahatelo nolazaiko teo dia nisy tovolahy nampidina tee-shirt maromaro avy any ambonin’ny tafon’ny fiara ka tsy ilay mpizara tao ambany no nandray azy fa ireo mpifandrombaka. Mazava loatra fa voatery niala ilay fiara (mazda manga ilay tsikaritra any amin’ny sary hafa ihany).

 

Fahafito, rehefa teny am-pahatongavana teny Alarobia. Mbola tsy nisy na inona na inona vanona ihany. Eny amin’ny fiara ry zalahy no mieriteritra ny hizara indray ny tee-shirt sy ny zavatra hafa. Nahavariana ny fahamaroan’ny olona vao notazanina lavitra fotsiny. Maro manko ireo efa tsy tafiditra intsony tao amin’ny kianjan’Alarobia satria hipoka tanteraka ny tao anatiny teo akaikin’ny fiara mpizara. Indro fa niala niaraka tamin’ny entana tao anatiny sy teny amboniny indray ilay mazda manga efa nitsoaka tery Anosy. Ilay fiarabe mena sisa no tsy afaka ary dia raikitra ny fandrombaka. Mazava loatra fa zara raha nahazara ny entana tokony ho nozarainy ny mazda manga nolazaiko teo ambony ihany. Namana iray teny an-dalam-podiana no nilaza tamiko fa nanipy vitsivitsy teny an-dalana io fiara mazda manga io sady nirifatra ihany. Amiko manokana entina ialana bala iny hilazana fa nizara ihany koa izy teny an-dalana.

 

Fahavalo, zavatra iray saiky adino. Teny an-dalana dia misy ireny rano zaraina amin’ny mpihazakazaka ireny. Nolazaina fa ny ‘Eau vive’ no mpanohana ofisialy amin’ny fanomezan-drano. Be loatra tsy araka ny nampanantenaina ve ny mpandray anjara fa tamin’ny fizaran-drano telo voalohany hitako dia tsy misy rano zaraina intsony rehefa nandalo teny izahay. Nisy moa ny niteny fa tsy eau vive intsony no nozaraina fa rano vao natsakaina ilay izy. Nisy aza ny nahasahy nilaza (mety ho noho ny lonilony koa) fa rano efa masiso no nozaraina tamin’io fotoana io. Satria moa izahay efa tsy nahatratra rano intsony nefa izahay amin’io afovoamboan’ny fihazakazahana dia nividy eau vive teny amin’ny mpivarotra tompoko.

 

Fahasivy, mikorontana ihany ny serasera ny ampitson’ny toe-draharaha. Efa nisy ny fialan-tsiny natao tamina fahitalavitra iray nataon’ny mpikarakara (media consulting) fa tsy mbola nahazo alalana hizara ry zalahy nefa dia nanao be loha. Maro tamin’ireo tsy te-higidragidra teny Anosy na Alarobia manko no efa nanapa-kevitra (noho ilay fahitana ny fiara mazda tsy nahazara ny entana ohatra) fa hankeny Ankadivato misy ny foibeny miaraka amin’ny tapakila. Tsy maintsy valinteny fialana no azon’izay mankeny toy ny hoe mbola eo an-dalam-pivoriana izao sy ny hoe tazonin’ny fivondronana ireo tee-shirts maro tsy voazara tany amin’ny fiara. Raha ny hoe mbola mivory handinika izay hatao efa mahazatra ihany fa ny hanilika ny anjara eny amin’ny fivondronana kosa efa zavatra hafa ny amin’izay.

 

Fehiny: Samy tompon’andraikitra avokoa ny rehetra saingy heveriko fa niniana natao ilay tsy filaminana ahafahana manodina entana maro araka izay azo natao. Hitako mivantana, kaofy boay iray hita fa mpikotrana satria bokony dia bokony avy any ampifandrombahana tany mitondra tee-shirt efa tsy latsaky ny folo, ny sigara (tokoa ve sa maoly?) amin’io tsy miala eny ambava mihitsy. Mety ho tsy nisy sahy nikitika ranamana na dia ny mahita azy fotsiny aza. Lazaiko etoana fa nalain-dry zalahy tao amin’ny mazda manga avokoa ny ankamaroan’ny entana nentiny raha sahy milaza any amin’izay anaovana tatitra izy fa voazara avokoa ny nentiny. Asa manao ahoana re izao ny hamaroan’ny tee-shirt ‘Ndao hihazakazaka’ amidy eny an-tsena amin’izao fotoana izao? Izay nahazo teny Alarobia aloha dia ny Be sandry ihany no nahazo sy ireo nahasahy nandroba tany amin’ny fiara fizarana ny entana.

 

Tee-shirt ve no nihazakazahana? Misy ny mitsikera fa matin-kani-kely ny malagasy raha ny tee-shirt no niadiana. Ambara fa mariky ny fahantrana ilay fandrombaka nifanaovan’ny olona tamin’iny fotoana iny. Isika angamba no tsy mba zatra loatra ny mametraka fahatsiarovana amin-java-dehibe iray ankoatra ny sary. Nisy tamin’ireo te-hifandrombaka no tsy te-ho bedin’ny any an-trano satria ny fananana ilay akanjo no marika ahafantarana fa tany tokoa ny tena ary nihazakazaka tokoa. Ny tsy nahazoana mari-pahatsiarovana nampanantenaina noho izany dia mahatonga ny saina hieritreritra fa niodina fotsiny ny tena ka ny ‘Ndao hihazakazaka’ no nentina nialana bala. Io lafiny io no tsy mba nosain’izay nitsikera fahatany amin’ny fandrombaky ny nanao izany. Hita ihany rehefa fotoan-dehibe toy ny lalao lehibe ireo manao satroka taratasy (cotillons) misy soratry ny lanonana na hoe Barea na Ajesaia na Rossy saingy matetika dia amin’iny andro iny dia mety ho potika ireny satroka taratasy ireny. Heveriko fa karazany saiky sambany ilay mari-pahatsiarovana saiky nozaraina saingy indrisy moa. Amin’ny manaraka aleo amidy ny mari-pahatsiarovana mba hialana amin’ny fifandroritana fa tssy tokony atao lafobe tahaka ny tamin’ny lalaon’ny nosy izay fanararaotana tafahoatra kosa.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox