« | »

Tropicana II: Nahoana no mahasahy manome volabe ny fianakaviana?

2008-08-12 @ 02:17 in Ankapobeny

Toe-javatra anankiray tsy eken'ny fianakaviany ho loza tsotra hatramin'izao ilay loza nahafaty ireo shinoa Taipei mpandraharaha lazaina fa saiky hampiasa ny volany teto Madagasikara. Mahavariana tokoa hoe mpandraharaha avokoa ireo vahiny niara-dalana ka maty, na nanjavona, rehetra ireo. Mitady andinim-baovao mikasika azy ireo na momba izay nanjo azy ireo ny fianakaviany ary manamby volabe ho amin'izany ary tongany mihitsy hatraty Madagasikara. Nolazain'ny vaovao tany aloha fa nikasa ny hampiasa vola eto an-tanindrazana ireo shinoa Taipei ireo. Fa mampisalasala raha lazaina fa vao fikasana ihany ny azy ireo.

Raha vao re ny fanjavonan'ny sambo Tropicana II dia nandefa sambo hafa hitady azy ireo na ny sisany ny fahefana mahefa any amin'ny faritra nisehoan'ny loza. Nahavariana fa niharandoza ihany koa ireo mpitandro ny filaminana tao anatin'ity faharoa nikaroka ary nahafatesana olona ihany koa. Mizara roa ny eritreritry ny mpiresaka amin'ity raharaha ity. Ny voalohany amin'izany dia avy amin'ireo efa zatra ny faritra.

Niainga avy any Toamasina ho any Maroantsetra na ny faritra avaratra atsinanan'iny nosy iny ireto mpandraharaha ireto ka ny fitaterana an-dranomasina no noraisiny. Lazaina ary fa faritra manana ny fadiny iny fari-dranomasina iny, toy ny tsy fahazoan'ny vehivavy bevohoka sy/na anaty fadimbolana mandeha amin'ny sambo noho izay fady izay ka andrasana any amin'ny toerana iray voatondro ry zareo amin'ny fanohizana ny dia. Misy koa ny filazana fa tsy tokony ho taitaitra na hitsamboamboatra foana ny mpandeha raha mahita zavatra, toy ny hazandrano mitsambikina anaty sambo ohatra, fa amin'ny fotoana mampitsamboamboatra iny no iharandoza ny sambo andehanana. Misy karazany toy izany ny fombafomba amin'iny faritra iny ankoatra izay tsy voalaza ka raha heno ny fisian'ny loza dia  izay no ao an-tsain'izay mino sy mahalala izany. Finoana io noho izany. Tsy asiana resaka lava.

Ny hevitra faharoa kosa dia resaka volabe ranofotsiny. Tsy hoe nikasa handraharaha hampiasa vola ireto mpandraharaha ireto fa efa tao anatin'ny fampiasana ny volany mihitsy.Izany hoe efa niaraka tamin'ny volabe ry zalahy, ny efa zatra ilay tambajotra no miresaka fa rehefa mankany Maroantsetra ireny vahiny ireny dia hividy vatosoa no tena anton-dia voalohany. Izany mividy izany dia midika fa mitondra vola ry zalahy ary mazava loatra tsy ho kely velively ny vola entiny miaraka aminy. Amina sakaosy lehibe mihitsy aza izany vola izany. Marina fa natsahatry ny fitondrana ny fanondranana ny vatosoa, ny fampitsaharana anefa tsy voasakan'ny sisintanintsika tsy ampy fiarovana ka ahafahan'ny rehetra miditra sy mivoaka antsokosoko miaraka amin'ny zavatra na entana entiny miaraka aminy. Mety hisy noho izany no tratran'ny faikam-panahy amin'ireo niara-dalana rehetra ka nitady hevitra mba ho azy, na anaovan'ny iray teti-dratsy kopaka isasahana, ny vola toa hampanankohariana vetivety. Matoa ny fianakavian'ireo mpandraharaha nandà nyloza ho tsotra na voajanahary dia mirona kokoa ho amin'ny lafiny isian'ny heloka bevava ry zareo.

Sarotra ny fanadihadiana sady azo lazaina fa tsy olonolom-poana ireo nanjavona ireo ka mbola hitana ny sain'ny mpanara-baovao. Tombatombana ihany ny ahy ka tsy voatery ho marina. Ilaina anefa ny mamisavisa ny lafiny rehetra mba hahafaingana ny famahana ny olana. Fijerin'olo-tsotra ihany ny ahy ka azo tsy raisina mihitsy. Ny hevitrao no tsy fantatro amin'ity raharaha ity.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox