« | »

Barcamp Antananarivo Madagascar 2008: Saiky nolazaiko fa novako!

2008-10-04 @ 21:02 in Ankapobeny

Izany tokoa angaha no atao hoe eo ampandrasana no mahita ny atiny. Nisy ihany manko ny fanomanana nataoko tamin'ity Barcamp notontosaina tao amin'ny Ivotel Ambohidahy manana ny kintana telo androany 4 oktobra ity. Efa nanomana soa amantsara ny amin'ny GlobalVoices Online sy ny mombamomba azy ary ny zavatra ataony aho; kanjo hitako amin'ny mpanatrika fa bebe ihany ireo tsy mahalala akory ny amin'ny atao hoe Blog na blaogy na bilaogy na bolongana. Tsapako mazava tsara anefa fa tsy ho azon'ny maro mpanatrika akory izay holazaiko raha tsy milaza ny amin'ny blog sy ny mpamaham-bolongana aho aloha. Karazana fifanakalozan-kevitry ny mpamaham-bolongana maromaro manko no mampiorina ny GVO. Tery aho noho izany hilaza tsotsotra ny fanaon'ny mpamaham-bolongana. Izany no tena atao hoe izay tonga ao an-tsaina fotsiny no lazaina, tsy fantatro izay fidonany any amin'ny mpanatrika fa tsapako ho be ihany ny zavatra noadinoiko indrindra fa ny fanentanana izay manana fahafahana kely hiara-dalana handika ny GVO ho amin'ny teny malagasy. Mety hitohy ny filazalazako ity Barcamp notanterahina teto Antananarivo ity.

Na izany aza nahafinaritra ny fiarahana tao. Ity napetrako eto ambany ity na dia izany aza ny saiky holazaiko tamin'io fotoana io izay novaina taminn'y fotoana farany mialoha indrindra ny handraisako fitenenana:



Misaotra izay rehetra nitoto nahafotsy nahandro nahamasaka ity fihaonana ity aho nahatonga antsika ho vory etoana - sy nanolotra anjara fotoana ho anay - hiara-mitapatapak’ahitra amin’ireto vato nasondrotry ny tany, trafo nasongadin’ny vozona eo amin’ny fikirakirana ny kajimirindra , ny serasera ary ny fifandraisana izao. Tsy ho afaka ny hihambo ho tahaka azy ireo izahay fa mpampiasa tsotra ihany ka izay kely fantatray ihany no holazalazainay. Koa aza tsiny indrindra re raha toy ny mipasoka ny efa malama izahay eto anatrehanareo. Aza fondro ihany koa raha amin’ny teny malagasy no hanaovanay izao famelabelarana izao fa io ihany no tsy mba mahavotsa vava anay. Hay renesina sy vakiana ihany manko ny teny frantsay sy ny teny anglisy fa mampiahotrahotra kosa ny miteny azy noho ny tsy fahazarana indrindra. –indrisy-

Manaraka izany, tsy tonga teto amim-pahatezerana akory izahay na nigadona teto tamim-pahavinirana ka hanadino ny fomba tsotra indrindra koa miarahaba ny andriambavilanitra sy ny andriandahin’ny tany rehetra na ny avy eto an-toerana na ny avy lavitra na ny avy any ampita. Miarahaba ry Malagasy,miarahaba ry vahiny.

Izay re no ela, fa ny lohahevitra lazaiko eto dia ny momba ny globalvoices online amin’ny teny malagasy. Tranokalan-tserasera anankiray izany no holazaiko aminareo. Tandra vadin-koditra amin’ny Globalvoices online amin’ny teny malagasy ny Globalvoices Online amin’ny ankapobeny ka tsy maintsy hazavaina etoana.

Nitsangana nandritra ny fihaonan’ny mpiserasera avy amin’ny vazantany efatra sy ny firenentsamihafa nangetaheta ny hanana sehatra iray ifampizarana sy ifanakalozankevitra tamin’ny volana desambra 2004 ny GVO.

Antom-pisian’ny GVO ny manangona, ny manadio na ny mifantina, ny mampivoitra ary ny mamoaka ny vaovaon’ny toerana sy ny vaovaon’ny mponina tsy voaresaky ny fampahalalambaovao lehibe sy malaza amin’ny ankapobeny (ny fampahalalam-baovao tandrefana izany). Izany no antony tsy ahitana loatra izay soratan’ny olona tia mampita vaovao sy hevitra avy any Eoropa andrefana sy Amerika avaratra ao amin’ny GVO. Kendreny izany izay hampisongadina ny vaovao heverina ho manan-danja sy lehibe amin’ny olona any amin’ny faritra tsy nosahanina na tsy hitan’ny mpampahalala vaovao lehibe tandrefana voalazako teo ihany. Amin’ny teny anglisy no amoahana ny lahatsoratra ao amin’ny GVO nefa ny loharanom-baovaony tsy voafetra ho teny anglisy ihany fa mety ho avy amin’ny teny frantsay, na esipaniolona, Paortigey, Swahili, persa, Shinoa eny fa na dia amin’ny teny malagasy aza. Tombony lehibe ho antsika manko ny fananantsika Malagasy roa mandray anjara ao. Olona samy mipetraka sy miasa any Etazonia ireo olona ireo. Koa aza atao mahagaga anao intsony rehefa mitsidika ny GVO ianao ka mahita ny vaovao na fifanakalozankevitra na adihevitra eo amin’ny Malagasy eto an-toerana na any ivelany izay misy Malagasy ihany koa.

Ahoana indray moa ny amin’ny fampitan’ny GVO vaovao sy resaka ? Isika eto Madagasikara aloha amin’ny ankapobeny dia mbola anatin’ny fari-tserasera miadam-pifandraisana. Misy ihany ny serasera haingam-pifandraisana saingy mbola nofinofy ho an’ny sarambambe ihany izany noho ny halafony. Noho izany antony izany no tsy ahitan’ny maro karazam-pampitam-pifandraisana ankoatra ny soratra sy ny saripika na ny sariitatra amin’ny Blog, bilaogy na Bolongana hoy aho izay. Misy isankarazany anefa ny fampitan-kafatra azo atao. Eo ny fampitam-peo, ny saripika ifampizarana efa voalaza teo sy ny lahatsary na oronantsary hoy isika. Io lahatsary io aloha no mbola olana manokana amintsika eto satria sakana ho antsika ny halakim-pifandraisana takatry ny besinimaro amin’izao fotoana izao. Ampiasain’ny GVO avokoa ireo fomba fampitan-kafatra fototra ireo.

Raha eo amin’ny endrika indray dia misy karazany roa ny lahatsoratra hita ao amin’ny GVO. Voalohany ny endri-dahatsoratra fohy antsoina hoe Link na Lien na Rohy izay mamintina avy hatrany ny ambaran’ny lahatsoratra na lahatsary na saripika na fandraisam-peo voarohy. Amin’ny ankapobeny dia eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 10 isan’andro eo ny Rohy avoakan’ny GVO. Ny endrin-dahatsoratra faharoa kosa indray dia somary lavalava kokoa antsoina hoe weblog ka mety ho hita ao avokoa ny karaza-pampitam-baovao rehetra ary mety hifandrohy amina lahatsoratra vitsivitsy maromaro ihany koa io weblog io.

Manana lahasa hafa ihany koa anefa ny GVO amin’ny alalan’ireo tetikasa ao aminy. Samihafa be ihany aloha ny fahaizana amam-pahalalan’ny olona rehetra. Noho izany misy ny lasa aloha ary misy ny tratra aoriana. Ny lasa aloha moa dia efa tombondalana ho azy izany. Ny GVO kosa dia mitodika amin’ireo tratra aoriana amin’ny fahalalana itony fitaovam-piseraserana itony. Manoro lalana sy manazatra ireo izay liana amin’ny fampitam-baovao ny GVO amin’ny alalan’ny sampana mpirotsaka an-tsehatra dia ny Rising Voices izany. Manorotoro ny fomba fampiasana ny fitaovam-mpampitam-baovaon-tserasera rehetra izy ka raha ny eto Madagasikara no resahina dia ny fikambanana tsy miankina FOKO no miara-miasa amin’ny Rising Voices. Fahasoavana ho antsika toy ny ilo mby an-doha izany ka enga anie tsy hiraraka foana hanala baraka antsika.

Manaraka izany, tsy mitovy fahalalaham-pitenenana sy fahalalahana hihaino ihany koa ny olon-drehetra manerantany. Mbola misy ireo mponina voageja tsy afa-miteny sy tsy omem-baovao any rehetra any. Enjehina, samborina, gadraina izay sahisahy miteny manambara izay tian-kafenina. Manana sampana misahana ny tranga-javatra tahaka izany ihany koa ny GVO dia ny GlobalVoices Advocacy izany. Karazana mpisolovava ny GVO amin’izay fotoana izay nefa manana torolalana ho an’ireo mpamaham-bolongana voatampim-bava ihany koa izy. Tsy dia ataontsika resaka lava loatra ny amin’iny raha tsy amin’ny fotoanany angaha satria mbola mahatsiaro afa-miteny na afa-manoratra aloha aho amin’izao fotoana izao.

Mamaramparana isika, nivoatra ny lahasan’ny GVO. Tsy nionona intsony tamin’ny famadihana izay teny fantany ho amin’ny teny anglisy ny GVO. Hetahetan’ny Mpamaham-bolongana Frantsay vitsivitsy nandritra ny fihaonamben’ny GVO tany Delhi tany Inde tamin’ny 2006 ny hananganana GVO ho amin’ny teny Frantsay tahaka ny amin’ny teny Shinoa izay nitari-dalana tamin’ity raharaha ity. Liana ny hanao tahaka izany ihany koa ireo amin’ny fiteny hafa toy ny Esipaniolona, ny Paortigey, ny teny Japoney. Nanomboka teo no nametrahana ny GVO Lingua. Iray ao anatin’ny 15 mamahana ny Lingua amin’izao fotoana izao ny Globalvoices amin’ny teny malagasy.

Tsara ny manamarika fa ny GVO amin’ny teny malagasy no fandikanteny voalohany ho an’ny tenin’ny mponina aty amin’ny ila-bolantany atsimo ka tokony ireharehantsika izany. Miezaka izahay mpandika teny hanao izay hahaliana anareo amin’ny vaovao rehetra manerana izao tontolo izao (indrindra fa ireo tsy dia misy miteny loatra). Tanjona napetrako manokana ny fanamby hahadika lahatsoratra amin’ny teny malagasy madiorano. Lalantsarotra sy lavitra dia lavitra anefa izany. Koa manentana anareo aho ; voalohany, hamaky ny GVO ka aza adinoina ny GVO amin’ny teny malagasy, mametraha hevitra na tsikera fa izany no fampirisihana masina ho anay indrindra. Faharoa, olombelona ihany izahay, manana ny fahalemenay sy ny harerahanay, ka mampirisika anareo izay manana fahaizana teny vahiny hanao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja amin’ny fandikanteny ho amin’ny teny malagasy ihany koa, na ho amin’ny teny frantsay, ataoko fa tsy mampaninona ny miteny izany. Ataoko fa raha maro isika no manolotena ho amin’ny fandikanteny, eny fa na dia ho iray isan-kerinandro monja aza izany dia karazan’ny fampiroboroboana ny teny malagasy ho tsy mena-mitaha amin’ny teny vahiny matanjaka amin’izao fotoana izao. Tsy afenina ry havana fa sarotra ny mandika teny, ary mijery rakibolana fandikanteny matetika aho isaky ny mamadika lahatsoratra ; nefa fanazarana ny tena ihany koa izany hahalala voambolana hafa noho izay fahitantsika na fandrentsika andavanandro. Koa alao hery ary tompokolahy, Mahereza ary tompokovavy fa fampiroboroboana ny teny malagasy haharaka ny zavamisy amin’izao fotoana izao ny famakiana arahin-tsikera ny GVO teny malagasy te-ho mpiray dia amin’ny famoaham-baovao misy eto an-toerana amin’izao fotoana izao. Mankasitraka Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox