Veloma hatreo ny delestazy dia velona tokoa ny delestazy

2008-02-17 @ 17:32 in Andavanandro

Edrey izany kabarin'ny filoha Ravalomanana tamin'ity faran'ny herinandro ity. "Veloma hatreo ny delestazy" hoy ny teniny tamin'ny fanokanana ny gropy (velomina amin'ity solika efa mihalafo ity) izay ahafahana manome herinaratra 42 megawatts araka ny fitadidiako azy. Sendra izay andro ratsy anefa ity gropy ity fa dia noporofoin'ity andro ratsy mandalo ity fa tsy foana velively ny fahatapahanjiro fa tena "velona" tokoa.

Tapatapaka ny jiro eto Antananarivo amin'izao fotoana izao, na aiza io na aiza. Ny manodidina aloha dia mihafy amin'ny fahatapahana maharitra. Ny mahavariana ary izay no ampitahako aminy dia nototosaina soa aman-tsara ny lalao iraisam-pirenena  nihaonan'ny AS Adema sy ny Young African androany ary teo Mahamasina izany. Tsy orambe akory no eto andrenivohitra fa erikerika miverimberina sy rivotra somary mafimafy...

Tena efa antitra tokoa angamba ny fitaovana sa inona indray re no mety ho fialantsiny manaraka e?

Lasa aiza i jentilisa?

2008-02-09 @ 14:39 in Andavanandro

Tena miserana vetivety aho ry zareo. Milaza fa tsy farofy tsy migadra fa salama soa amantsara. Ny hany tsy anoratako dia tena sahirana mihitsy aho amin'izao fotoana izao ka na ny mivoivoy aza tsy mbola afaka. Na nisy nanoratra aza any amin'ny mailaka dia mbola tsy afa-niijery mihitsy aho. Na izany na tsy izany dia tsy maintsy miverina aho rehefa malaladalaka kokoa.

Ny vaovao tena be dia be fa noho ny fotoana mihitsy no tsy ahafaha-mampita azy. Ohatra: nohidiana ny "couloir de la mort" noho ny fanamboarana. Ny mampihomehy dia mbola eny amin'ny toerany soa aman-tsara ny mpivarotra rehetra amin'iny lalantery iny. Dia mandeha mizotra soa amantsara ihany koa ny mpandalo. Rehefa lazaina fa tapaka ny lalana tsy misy mino fa mandeha ihany. rehefa eo ampototra eo vao gaga hoe hay tapaka tokoa.

Dia tena eny tokoa angaha no mba toerana tokana ivarotany ka tsy hiteny aminao mihitsy izy hoe "mihidy ny lalana any". Zarany aza ianao mandalo eo amin'ny tsenany aloha. Dia izay vaovao fohy indrindra noho ny fotoana samborina izay no mba ampitaiko aloha fa amin'ny manaraka manao bebe.

Oniversiten'ny fampihorohoroana?

2008-02-01 @ 07:45 in Andavanandro

Rehefa ny fikambanana no miditra amin'ny fakana an-keriny olona atao takalon'aina dia tsy eken'ny mpanaja ny demokrasia ho ara-dalàna ny zavatra ataon'ilay fikambanana. Na ho inona na ho inona hamafin'ny zavatra mihatra tsy fanao izany afa-tsy hoe miditra amin'ny lojikan'ny ady ka raha maka takalon'aina aho dia mety tsy ho voasambotra aloha ho fitsimbinana ny ain'ilay takalon'aina fa raha votsotra kosa iny dia hifampitana amin'izay ny mpanao fanjakana sy ny mpanao takalon'aina. Izany hoe ny fakana takalon'aina dia efa fihantsiana ady sy fiokoana tanteraka. Amin'ny lafiny iray ihany koa dia efa ny fikambanan-jiolahy te-hifampitana amin'ny fanjakana sy/na miaro ny tenany tsy ho voasambotra no miditra amin'izany fakana an-keriny izany.

Ataoko fa efa maro amin'ny mpamaky ny nandalo na nianatra tamin'ny Oniversiten'i Madagasikara amin'ny ankapobeny. Efa maro no nahita ny fitokonana saiky fanao isan-taona tamin'ireny toerana ireny. Efa nisy ny nanao fanakanan-dalam-be na lalam-pirenena ihany koa ho fanehoam-pitakiana. Tsy mbola miresaka ny zavatra takiana mihitsy aho eto aloha.Mbola azo leferina ihany ny zavatra toy izany satria tsy manohintohina mivantana ny ain'olona hafa fa tena laviko sy melohiko tanteraka kosa ny fanaovana izany fakana olona an-keriny hatao takalon'aina izany na inona na inona antony. Hitantsika amin'ny gazety androany fa nanao takalon'aina tompon'andraikitra tao amin'ny Oniversite tao hoe ny mpianatra ... ary dia izay ihany koa dia nanaiky hifampiraharaha ny tompon'andraikitra hafa ... ho fitsimbinana ny aina angamba! nefa dia misy tsoa-kevitra mazava be mivoaka amin'izany dia hoe rehefa mitaky zavatra ianareo rankizy dia ataovy takalon'aina i rano na sy i ranona fa hivaha ho azy io olana io. Andeha atao hoe milamina aloha izany ny resaka tranon'ny mpianatra noho ny fanafahana ilay na ireo takalon'aina. Fa moa tsy hiverina vetivety indray io olana io afaka kelikely fotsiny? Dia tsy ho ela angamba dia ho be ny hihevitra fa noho ny fianarana naka takalon'aina tany amin'ny Oniversite no nahazatra ny sasany ho mpanao takalon'aina rehefa tsy mpianatra intsony.

Mampihomehy mahatsiravina ihany ny toe-draharaha. Ny fototry ny olana manko dia ny fahazoana taratasy nataon'ny tompon'andraikitra ao amin'ny Oniversite hialana amin'ny trano onenan'ny mpianatra. Taitra ny fikambanan'ny mpianatra ka nihetsika tamin'ny alalan'ny fikambanana isam-paritra. Dia lasa ny eritreritro manao hoe tena resaka trano ihany ve no fototry ny olana? marina fa sarotra ny mitady trano fa izaho koa mba mahita tsy rariny amin'io fizarana trano io raha mbola azo lazaina hoe fizarana trano no filaza azy.

Voalohany amin'izany tsy rariny izany ny tsy fahazoan'ny mpianatra avy amin'ny fari-piadidian'Antananarivo zo hahazo trano eny amin'ny Oniversite 'satria akaiky izy ireo'. Eritrereto ny mpianatra avy any Antsirabe, Tsiroanomandidy ary Anjozorobe fa any amin'ny an-jatony kilaometatra no misy azy ireny nefa tsy mety hahazo trano onenana, raha tsy diso aho dia efa roapolo taona mahery no nisian'izay trangan-javatra mbola mitohy mandraka ankehitriny izany. Samy mpianatra ihany ary samy malagasy ihany amin'izay fotoana izay. Efa karazana fanavakavahana mivandravandra mbola tsy nisy nanambara amphibemaso aloha iny.

Faharoa manaraka izany, ary ataoko fa ity no tena nahatonga ny fakana takalon'aina. Efa bizina ahazoam-bola be ny 'mivarotra' ny trano eo amin'ny samy mpianatra. Tsy misy manaiky hiala maina izany ireo mpianatra ankehitriny ireo raha toa ka efa 'novidiany' an'hetsiny eny efa mahatratra an'arivoarivony ariary any ho any vao nahazo io trano io. Ahoana moa izany? Ny mpianatra efa hiala ny toerana no 'mivarotra' izany hoe tsy azy ny trano fa an'ny Oniversite saingy raha misy mpianatra vaovao mitady tranon'ny mpianatra ipetrahana dia 'mividy' amin'io mpianatra hiala io. Izany hoe tsy lasanao akory ny trano fa soratana amin'ny anaranao na anaran'olon-kafa mbola mpianatra ihany koa saingy ianao no mipetraka 'tsy misy manelingelina ao'. Efa lasa fomba fanaon'ny mpianatra io tranga io fa tsy fantatro hoe efa ren'ny tompon'andraikitra ao amin'ny Oniversite ve? Izany hoe misy raharaham-bola mandehandeha ao ambadik'izao fanadiovana izao. Ny tena mahavariana dia misy izany toerana hita fa tokony ho kaboney tany aloha tany fa mahatratra telo na efatra hetsy ny 'vidiny' nefa ny velaran'ny toerana dia 4 metatra toradroa eo ho eo.

Mampahatsiahy an'i Keliberano

2008-01-31 @ 10:23 in Andavanandro

Ho an'izay tsy mahalala ny tantaran'i Keliberano na nampalaza an'i Keliberano dia fintiniko vetivety aloha ny zava-nitranga. Tany amin'ny faritra atsimo misy ny fari-piadidian'i Fianarantsoa sy Toliary iny nandritra ny repoblika faharoa dia nisy famonoana mahatsiravina mpandeha iray taxi-brousse (ampolony no dikan'izany) teo amin'io faritra Keliberano io. Manaraka ny lalam-pirenena fahafito iny izany. Tsy dia fantatra loatra ny antom-panafihana tamin'ny voalohany fa mpanao dabokandro iray no niteny fa izy no tena notadiavina sy nokendrena tamin'io fanafihana io. Vao avy nahalafo omby maromaro manko izy ka nikasa handray ilay taxi-brousse. Teo ampiaingana anefa ranamana mpanao dabokandro dia toa nahatsikaritra zavatra hafahafa teny amin'ny mpitandro ny filaminana teny an-tsenan'omby (mila mijery tantara indray mandeha angamba aho fa na Ambalavao ilay tsenan'omby na Ihosy). Noheveriny fa izy no noresahin'ny zandary tamina Talkie Walkie hoe lasa (tamina taxi-brousse iray). Niala tamin'io taxi-brousse io izy ary niandry fiara hafa indray handehanana.

Akory ny hagagany rehefa nandalo an'io faritra Keliberano io izy fa feno diam-bala ny taxi-brousse nialany ary maty voatifitra avokoa ny mpandeha rehetra tao anatiny. Rehefa notopazana ny tao anatiny dia voasavasava avokoa ny entan'ny mpandeha ary hita hoe nojerena avokoa ny tavan'ireo mpandeha notifirina ireo. Afa-doza ranamana saingy ny hafa no nidiran-doza. Noheverin'ny olona tamin'izany fotoana izany, satria tsy reko ny valim-panadihadiana tamin'izay nanao io heloka bevava io, fa "zandary" angamba no nanao ny sakana ary nijanona soa aman-tsara ny fiara. Ny fijanonan'ny fiara tamin'ny sisiny manko no nieritreretana izany. Vao nijanona dia nitaky ny hijery olona tao ireo "zandary". Vao tafiditra ry zareo dia norarafany notifirina avokoa na mpandeha na mpamily. Ny olona lazondazony rehetra ataoko fa mahatadidy ity raharaha ity. Ny noahiahian'ny be sy ny maro tamin'izany fotoana izany moa dia olona ambony manana anjara toerana tamin'ny fitondrana ihany.

Niverina tao an-tsaina indray izany rehefa nandre sy nahita ny fanafihana nitranga teny Ampangabe (vavahady fidirana an'Analamanga) aho. Saiky fomba fitafy miaramila na mpitandro ny filaminana sy fitaovam-piadiana voatokana no nentin-dry zalahy. Saingy hafa indray ny paika: fiara indray no nanaraka azy. Ny zavatra tsy itovian'ny tantara dia tsy naripaky ny ny 'jiolahy' ny mpandeha. Ny nanaovany azy kosa dia toy ny efa matihanina mihitsy ry zalahy. Ny akanjo sy ny fitaovana moa dia an'ny na mifanakaiky amin'ny an'ny mpitandro ny filaminana ihany.

Efa nomarihan'ny mpamily moa fa tsy azo atao ny mandeha irery amin'ity lalam-pirenena ity fa tsy maintsy mifampiandry mba hanao tohivakana. Fanaon'ny mpandroba manko ny mifandray amin'ny alalan'ny finday amin'ny faritra manodidina azy hahalalany raha misy fiara mety handalo eo amin'ny toerana hanaovana ny fanafihana ao anatin'ny telo minitra eo ho eo. Dia tratra indray izany aloha ny mpanao dabok'andro tamin'ity indray mitoraka ity. Ary manana sampam-pitsikikovana matanjaka mihitsy ny jiolahy raha tsy hoe ry zalahy no manana namana ao amin'ny sampam-pitsikilovana nefa sanatriavina anie izany.

Sao dia Ambohilavatandroka no izy?

2008-01-30 @ 08:52 in Andavanandro

 

Mbola tsy naheno anaran-tanàna Ambohitandroka aho fa ireto sary vitsivitsy ireto no anehoako aminareo hoe sao dia Ambohilavatandroka ary no anarana mety amin'ity tanàna asehoko eto ity. Mba Ambohitandroka ihany ny tanan-dehibe rehetra manerantany fa mba miavaka kosa ity tanànan'ny tanora amin'ny ankapobeny nefa tsy antsoina hoe Ambohijatovo ity na dia izany aza.

 

Ireo ny sary asehoko anareo: vinanio aloha hoe tokony ho sarina inona moa ireo manaloka ireo. Toa bararata toa zozoro nefa voatr'olombelona ireo fa tsy vita nanahary ry zareo a! Ireny tandroka maniry ohatry ny anana mameno ny tanàn-dehibe mankany amin'ny fandrosoana ireny anie no lazaiko anareo e! sa mbola tsy fantatra ihany?

 

Faritra ambony atsinanan'Antananarivo io asehoko anareo io ary mananontanona ny haavon'i Manjakamiadana aza io vohitra io na dia somary ivaiva kokoa aza. Izay mipetraka eny mahalala avy hatrany fa Ambohipo no lazaiko. Hitanareo ve ny mampiavaka io tanàna io indrindra fa eny amin'ny "cité" ary any amin'ny mpianatra? Ny halavan'ny tandroka no tiako lazaina anareo.

 

Takona an'Ambohimitsimbina manko ny ilany atsinanana amin'io vohitra io nefa mba te-hijery fahitalavitra ny sarambaben'ny olona sy ny mpianatra dia akarina avo dia avo ny tandro-pandraisan-dahatsary. Dia lazao fa diso koa ny teny gasiko! moa tsy tandroka no dikan'ny "antenne"?

 

Raha Zavaboary hatrany no hisintonana ny mpizahatany haketo Madagasikara, ny tandroka voatr'olombelona kosa angamba no azon'Ambohipo hisintonana mpizahatany na avy eto an-toerana na avy any ivelany. Ny mahavohitry ny fo an'Ambohipo aloha tsy fantatro loatra fa ny halavan'ny tandroka no hitako. Mba mananontanona ihany koa ny eny amin'ny sitey AnkatsoI sy AnkatsoII fa Ambohipo miavaka mihitsy e! Mampahatsiahy ny radio Netherland (oadray izany fahadisoan-tsoratra!) ery Langaina ireo tandroka maro ireo.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox