Sady boto no mpanaramaso

2007-11-02 @ 15:36 in Toekarena

Tantara marina hita tamin’ny fahitalavitra teto an-toerana no vahavahako kely eto ary momba ny fandraharahana madinika sy salantsalany no horesahina.

 Fomba fiteny vary amin’akotry no nodioviko ho teny malagasy ranoiray. Mety ho efa any an-tsaintsika avy hatrany ilay teny noho ny fahazarana. Minia kosa aho ny tsy hanoratra azy eto aloha. Izay manaraka ny fandaharana safidy ao amin’ny malagasy broadcasting system (mahagaga ahy fa tsy dia mpanaraka fahitalavitra loatra intsony aho saingy rehefa manaraka aho dia mahaliana ny votoatiny, vintana tsara sa fandaharana tsara toerana?) dia hiara-milaza fa ahitan-javatra tokoa io fandaharana mody tsy mahatratra atsasak’adiny akory io nefa mafonja dia mafonja izay raketiny. Ny mpitantana ny orinasa melodie Gam izay vehivavy misarindahy antsoina hoe Ratsimbazafy Vololoniaina (enga anie tsy ho diso ny anarana satria tsy nandray naoty aho) no nampiantrano ny fandaharana tamin’izany.


Mpitantsoratra no asa nidiran-dramatoa tamin’ity vahiny iray mpikarakara ny momba ny fambolena sy ny sakafo. Ny momba ny hena no tena nosahanin’ity vahiny ity saiky nampiandraiketiny an-dramatoa saingy naronany hiandraikitra ny sehatry ny voankazo masa-tsiramamy (confiture ho an’ny tsy mahazo loatra ny teny malagasy) izy. Hitany tsara sady nampianarina azy rahateo moa ny mombamomba ny nahandro mamy ity ka roboka tamin’ny fiandraiketana mivantana tsy mialokaloka teo ambanina iza na iza izy. Talohan’ny nidirana tamin’ny sehatra anefa dia nianatra nahandro azy tao an-trano aloha izy ahitany tsara izay mety ho lesoka tokony harenina nandritra ny herintaona.


Nanomboka tamin’ny taona 1992 ary izy no niroboka tamin’izay ka navoitrany fa niainga tamin’izay nisy teo am-pelantanana izy fa tsy nanantena ny hahazo tany amin’ny banky mihitsy. Tsy manana antoka manko izy ka ho sahirana fotsiny raha hanantena izany ary taty aoriana moa dia namporisihany mihitsy izay rehetra miofana any aminy hiezaka araka izay ananan’ny tena tahaka izany. Raha nanofa trano ihany koa izy tamin’ny voalohany dia niezaka nividy tany sy nanangana trano rehefa nirotsaka kelikely tao amin’ny sehatry ny fandraharahana.


Ataoko fa toy izany avokoa ny an’ny ankamaroan’ny mpandraharaha fa inona kosa izay mampiavaka azy amin’ny hafa ka naharoboka ahy hanoratra etoana?


Voalohany dia ny fametrahana ny orinasa toy ny salantsalany sy madinidinika nefa raha ny lazany dia efa mba re ihany na dia hoe ny anarany fotsiny aza angaha ho an’ny maro na dia mety ho tsy mpihinana aza izy. Iza no tsy efa nandre ilay anarana Melodie Gam? Tamin’ny fotoana nampalaza ny tsorabitsika indrindra indrindra dia fandre ny loka avy aminy. Tsotsotra nefa tena nandona sy nahafaly izay nandray azy tokoa. Ataoko fa tena nahay nanao dokambarotra ny orinasa tamin’iny indray mandeha iny. Ny vokatra ihany koa moa araka ny fahazoako azy dia misy karazany roa, dia ho an’ny vahiny sy ny malagasy ambony sy ny ho an’ny sarambabem-bahoaka. Tsy hoe samihafa noho izany ny tsirony fa ny fonony ihany no tena mampiavaka azy roa ireo. Hafa koa iny.


Manaraka izany dia tsy manana tale maro izany na sefo kely akory aza ity orinasa ity fa izy avy hatrany no eo ambonin’ny mpahandro ampolony ao anatin’ny orinasa. Nolazainy fa raha hainy sy vitany ny asa dia tsy hitany izany hakana olona ho amin’ny asa. Izaho moa manao hoe heveriny ho fandaniam-bola ho azy koa angaha ny olona mpitana birao matoa tsy mametraka izany ao anatin’ny rafi-pitantanan’ny orinasany izy. Nolazainy kosa fa misy ny asa fantany fa tsy ho vitany mihitsy ka ireny no ilany olona toy ny fanondranana sy ny fanafarana entana any ivelan’ny firenena izany sy rehefa mihabetsaka ny ao amin’ny raharaham-bola eo. Izany hoe tsy hamono tena amin’ny tsy ho arany mihitsy izy. Ataoko fa mety ho maromaro ny mpanao izany fa ny ilay lohateny no mbola tsy voalaza hatramin’izao. Ahoana io?


Rehefa entina any amin’ny mpamongady na mpaninjara ny vokatra dia izy ihany, na misy olona hafa miaraka aminy, no sady saofera no mpibata entana. Antony, efa nisy fitarainana momba ny vokatra ka hitany fa mety nitombina ilay fitarainana ka dia naleony izy mivantana no mihaona amin’ireo mpifampiraharaha aminy. Tiany ho henony mivantana ny hevitry ny olona amin’ny vokatra amidiny ary mazava loatra fa akaiky dia akaiky ny fanaraha-maso ary tsy misy migiaka eo anoloany.


Farany moa dia momba ny vokatra mihitsy no nanontanian’ny mpanao gazety: Manara-penitra ve? Notsoriny fa tsy dia fantany loatra ny amin’izay fa ny araka ny lalàna ny azy no apetrany ary tazoniny hatrany ny taharo fa tsy ovaovainy izany, izay lesoka ananan’ny mpanao asa tanana malagasy amin’ny ankapobeny, izay taharo tamin’ny voalohany sy ny habetsany dia izay ihany no tazoniny hatramin’ny farany. Eo amin’ny lafiny hoe mora simba ve na azo tehirizina anaty vata fampangatsiahana ve dia nolazainy fa natao ho lany anatin’ny roa andro ny vokatra amidy anaty tavoahangy kely ka tsy hitany izay hitehirizana ny vokatra ao anatin’ny fotoana ela. Dia izay sy izay ny amin’ity mpandraharaha manana ny maha-izy azy ity na dia vao omaly alakamisy aza no nahitako azy sy ny momba azy voalohany.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox