Ikotofetsy sy Imahaka koa hirotsaka hofidiana

2007-11-23 @ 06:39 in Politika

Miomana fatratra amin’ny fifidianana ho Ben’ny tanàna ny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Dia nahatsiaro Ikakimpitantara fa nisy angano miresaka fifidianana ho Ben’ny tanàna indrindra tsaroany ka mba hozarainy tamiko. Tsy tiako ho izaho irery no handre ilay tantara fa dia nosoratako mihitsy ilay izy mba ho an’ny fara aman-dimby ihany koa. Indray maka izay, hono, ry zareo dia hifaninana izay ho Ben’ny tanàna tao amin’ny tanàna lehibe antsoina hoe Vohitsara i Ikotofetsy sy Imahakà. Olona mifankafantatra tsara ry zareo ary tsy mifanalavitra loatra ny taonany. Toerana ho an’ny olona iray ihany manko no iadiana ka izay no mampifandrafy azy mirahalahy ireto tamin’ity indray mitoraka ity. Jereo amin’izay ange ny paika ataon’ny tsirairay hifidianan’ny olona azy e!



Imahakà aloha no efa napetraka teo amin’ny toerana hikarakarana ny tanàna indrindra fa nisy fifaninanana kabary lehibe izay natao tao. Vory lanona avokoa ny avy tany amin’ny lafy valo ary tsy vitsy no hahita izany Vohitsara tanàna malaza. Nokarakaraina fatratra ny tanàna ka dia tena nisy tokoa ny fiovana. Feno zaridaina mahafinaritra ny tanàna, asa efa natomboky ny teo alohany ihany io. Nanjary nisy ny “jet d’eau” tao Vohitsara raha efa tsy niasa intsony izay efa tao taloha be. Ny atsasaky ny mponina mahery koa moa tsy nahita izany rahateo. Ny tsena izay toeram-pihaonan’ny mponina tao ihany koa dia saiky nohavaozina avokoa ka moa va tsy tahaka ireny lapan’andriana ireny? Ny tetezana hoan’ny olona, satria mbola mpandeha tongotra ny ankamaroan’ny mponina any, ilay ratsy, mihozongozona, vita amin’ny hazo efa boboka iny dia nosoloina misy andry vy miloko mahafinaritra ka satry foana hijoro eny raha tsy ny fofona mbola mantsina amin’ny rano andalovany angaha. Ny toeram-pidiovana moa dia tahaka ireny tany efa mandroso ireny mihitsy no misy an’i Vohitsara. Efa misy mpikarakara manokana rahateo fa noho ny toe-tsain’ny maro dia ahiana hisy hisompatra hatrany ireny toerana ireny.



Mba nihevitra ihany ny olona fa mialoha sy mandritra ny kabary nahatongavan’ny vahiny be dia be hitsidika an’i Vohitsara ihany no nanaovana ireo fikarakarana ireo. Hay mba nitohy ihany izany fikarakarana ny tanàna izany na dia efa lasa aza ireny vahiny be dia be ireny. Nanjary nirehitra jiro mandrakariva indray ny lalambe (ilay tena lehibe fa tsy lalana antonony an!) mamakivaky ny tanàna hatrany atsimo ka mipaka any avaratra, dia misy koa avy ao afovoamboany ao mianandrefana dia tena miravaka jiro any izany. Sahala an’ireny tsy mba manana fahatampahanjiro izany mihitsy i Vohitsara amin’ireo jiro ireo ka nahatsiarovan’ny olona efa lehibe ilay Kalon’ny Ntaolo manao hoe “Mba tazano somary alaviro, Vohitsara mirehitra jiro…” Raha mahita ireo zavabita ireo aloha dia efa nihevitra mihitsy Imahakà fa dia izy mihitsy no hofidian’ny olona. Tsy nitovy hevitra taminy anefa Ikotofetsy satria tsy te-ho ambany fifehezan’Imahakà izany izy. Ahoana indray ny nataony?



Bandy tia mampirevy ny tanora tahaka azy izay Ikotofetsy ity ka be ny nankafy ny zava-bitany. Tia mampiranty akanjon’olona amidy ihany koa izy. Izany hoe izay olona te-hivarotra ny akanjony dia manofa fanantonan’akanjo aminy. Nandeha dia nandeha tokoa ny tsenany satria saiky azy irery ny fanantonana akanjon’i Vohitsara. Ny anton’izany manko dia an’ny tanànan’i Vohitsara mihitsy ireny fanantonana akanjo ireny no azony avy eo. Ny tsaho moa no nilaza fa fony anisan’ny mpitantana an’i Vohitsara ny malaza ho reniny no nosoratana tamin’ny vadin’Ikotofetsy ireny fanantonana akanjo ireny. Tsaho moa izany, ary angano koa ity, ka tsy dia raharahantsika loatra nefa aleo soratana ihany sao marina. Izany, hono, no nahatonga an’Ikotofetsy nifehy manontolo ny fanatonan’akanjon’i Vohitsara izay tsena mandeha tokoa ao amin’ity tanàna ity. Tsy nanaiky io toe-javatra manjaka tokana io ny dadaben’Imahakà mpitondra ny firenena ka nampanaisotra ny fanantonan’akanjon’Ikotofetsy maro ary namela ny mpifato-drà amin’ny dadaben’Imahakà hisolo tsikelikely ny toerana nisy ny fanatonan’akanjon’Imahakà. Ivereno kely aloha hatreto raha misy tantara tsy araka fa sao tsy ho azo mihitsy ny fandehan’ny tantara avy eo.



May ny endim-boanjon’Ikotofetsy (tena niezaka aho namerina namaky teny hoe taiza ho aiza moa Ikotofetsy no nanendy voanjo sa Ikakimpitantara no nandingan-dresaka?). Hainy ihany koa ny nanararaotra ka dia nikabary tamin’ny vahoaka izy, niantso hoe jereo anie ity haratsian-toetran’Imahakà e! endahiny daholo fanatonan’akanjonay dia ny an’ny mpifamato-drà amin’ny dadabeny no apetrany eny indray avy eo. Tena tezitra tamin’Ikotofetsy tokoa ny vahoaka nandre ny kabarin’Imahakà ka maro no nanentana hoe mirotsaha ianao hofidianay fa mitady hanao ny tsy rariny eto Vohitsara mihitsy ireto fianakavian’Imahakà ireto. Maromaro ihany manko no sosotrosotra tamin’ny dadaben’Imahakà satria ny zavatra amidy any an-tsena rehetra tadiaviny ho avy aminy ihany. Somary tia manikilika izay tsy avy amin’ny fianakaviany izay ihany koa izy io nefa ny any lavitra indray no takariny ho namana. Sahy miteny ity Ikotofetsy ity, hoy ny sasany ka aleo ataony eo fa samy manambola ihany koa anie e!



F
a angaha moa izay ihany? Raha ny tokony ho izy dia andro tsena ihany no miakatra eny an-tsehatra ny mpifaninana ho Ben’ny tanàna saingy izy mirahalahy ireto dia mangalatra fotoana sahady. Imahakà moa mihevitra fa zanaky dadabe dia manararaotra hoe iza koa no ho sahy hanameloka ahy eo. Nataony feno fandokafana azy avokoa ny sehatra rehetra amin’ny alalan’ilay hira manao hoe “haody ry Vohitsara”. Raha ny tokony ho izy dia ny momba ny tanàna ihany no lazaina anaty hira fa efa niova ny tonony amin’izao fotoana izao. Isaky ny andalana manko dia ahitana Imahakà kely foana. Mampiseho tahotra matoa manao izao fihetsika izao, hoy ny mpitazana.



Nefa Ikotofetsy koa manovokovoka mangala-potoana ihany koa. Feno ny momba azy ranofotsiny ny sehatra itsanganany. Raha vao misy mitady hiteniteny ahy eo hoe fa maninona ianao miakatra eny an-tsehatra tsy andro tsena dia valiako hoe jereo ary ny ataon’Imahakà. Ny afisy izany moa (satria fampitan-kevitra any Vohitsara koa ny afisy) dia tsy maintsy ahitana ny anaran’Ikotofetsy isan’andro afa-tsy izay avy amin’ny dadaben’Imahakà irery ihany. Saingy ny mahagaga dia tsy miteny loatra izay ataon’Ikotofetsy io loatra ny mpanaty ran-kena (hay hatrany Vohitsara ihany koa no misy an’ity mpananty ran-kena ity mba hanaovana rondronony (ro miverindroa ry zareo a!). Efa mivezivezy eran’ny tanàna sahady moa na Ikotofetsy na Imahakà. Raha jerena amin’izao dia tahaka ny hoe izy mirahalahy irery no mifaninana. Dia nandroso alina moa ny fotoana ka efa somary efa reradreraka ihany na Ikakimpitantara na izaho ka aleo, hono, amin’ny manaraka indray tohizana ny angano. Dia asa re rahoviana indray izahay mianaka vao ho tafahoana hahitana ny tohin’ny angano, satria tsy mbola henoko manko ity angano ity. Na izany aza tonga dia ampitaiko aminareo ihany ny tohiny rehefa tafahoana izahay mianaka. Fa sao dia manana tantaran’Ikotofetsy sy Imahakà mbola tsy henon’ny Besinimaro ihany koa aloha ianareo na dia izany aza e! ifampizarantsika eo manko! Na izany na tsy izany dia angano angano à rire à rire! Tsy izaho no mpandainga fa mahita resahina koa anie ny Ntaolo e!

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox