Ikotofetsy sy Imahaka saiky hanao kapotandroka sy dontany

2007-12-11 @ 16:30 in Politika

Alohan’ny fitantarana dia mila hazavaina angamba aloha ity kapotandroka sy dontany ity. Fomba fianarana kabary izy io sady fifaninanana kabary rahateo. Ny olona hiditra ho tena mpikabary dia mandalo amin’io sehatra io. Rehefa vita ny anjaran’izy mirahalahy manao izany kapotandroka sy dontany izany dia misy ny elanelam-panahy avy eo mitsara ny resaka.


Ity tantara ity, hono, dia tamin’ny andro nanjakan-dRadama III, ary amin’ny mahaangano azy dia foronina ny fotoam-pitondrana e ! Indray mandeha, hono, dia nandrasan’ny olona fatratra ny kapotandroka sy dontany hataon’izy roalahy ireo, Ikotofetsy sy Imahaka izany. Imahaka dia efa niana-draharaha ho Sakaizambohitraihany fa Ikotofetsy koa efa niomana fatratra ho amin’izany toeram-boninahitra izany koa. Nitaky ny hanaovana ny dontany sy ny kapotandroka Ikotofetsy hahitana izay tian’ny olona kokoa sady fotoana hanendrena indray izay ho Sakaizambohitra io fotoana io. Nisy ary ny fotoana nanomezan’ny mpikarakara ny kianja filalaovana iray fa alatsinainy no hanaovana io kapotandroka sy dontany io. Niandry fatratra Ikotofetsy. Maro kosa ny manahy sahady fa tsy ho avy amin’io fotoana io Imahaka.


Manana anjara safidy izay ho mpisolo tenany ny vahoaka ary nizarazara be ihany ny hevitr’izy ireo. Samy nanangana ny mpilalaony (mpihira gasy) avy na Ikotofetsy na Imahaka. Nitety ny isan-tokantrano izy ireo hifidy ho azy tsirairay avy. Dia nisy ihany koa ireo nihazakazaka mba ho mpanohana mavitrika ny andaniny sy ny ankilany. Toy izany ohatra ny filohan’ny foko Airova antsoina hoe Ranaory izay nihazakazaka nankany amin’ny tarik’Imahaka. Efa nisy ihany ny nisalasala tamin’ireto Airova ireto satria ry zareo indrindra no efa nanana fifanolanana tamin’ny tarik’Imahaka ireo tamin’ny fotoan’androny (vao enintaona talohan’ity fotoana tantaraina ity) saingy hoy ny fombam-pitenenan’ny mpahay teny izay hoe « tsy Ikopa tsy akory ka tonga namana vao ho mavomavo ». Noraisina tamim-pitandremana ry zareo.


Hay inona ny nataon’ity filohan’ny tarika hoy ianareo ? Lasa izy nitety ireo mpiray foko aminy nilaza izao atsanga tsy aman’orana izao. Nampanantena vola ho vidintsafidy izy ry zareo a ! Hay moa ka dia efa nisy trangan-javatra toy izany tamin’ny fotoan’andron-dRadama III fa tsy hoe nahazo ny fahaleovantena isika Malagasy vao nitsontsorika toy izany ny toe-tsaintsika. Mahalasa saina hoe taranaky Esao ve izy ireto ka mivarotra ny fizokiana (zo ananana) amin’ny tsaramaso mena? Sa dia tsy mahatanty ny mena miraviravy tokoa ? Nefa rehefa dinihina dia hametsifetsy olona ho tezitra tsy hifidy an’Imahaka no tena tanjon’ity filohan’ny Airova ity. Mampahatsiahy an’i Rojo Rakotozanaka e ! fantatrareo ve i Rojo Rakotozanaka ? hoy Ikakipitantara tamiko. Tsy fantatro, hoy aho. Tsy maninona fa ataontsika hoe izay fotsiny ny anarany ary ny nataony dia saiky hanao ny tetika « Soavalin’Itelo ». Fantatrao ve ny tantaran’ny « Soavalin’Itelo » ? hoy indray Ikakimpitantara. Vao maika nihivingivina ny lohako. Toa tsy misy azoko ity lazainy nefa dia soratako ho anareo ihany aloha.


Nahoraka nanerana an’Imahamasina (famoriambahoaka tamin’ny andron’ny Mpanjaka ankoatra an’Andohalo) ity nataon-dRanaory ity ka natao haingana ny fanapahankevitry ny tarik’Imahaka. Aleo foanana avy hatrany ny fandehanan’Imahaka amin’ilay kapotandroka sy dontany fa ho fanalambaraka ranofotsiny no hitranga any fa tsy ny ventin-kabary tokony hatao akory hibahan-toerana ao. Sady nomena fotoana hitabatabana rahateo ny mpanatrika. Heverin’ny tarik’Imahaka ihany koa fa fandrika navelatry ny tarik’Ikotofetsy mihitsy ilay Ranaory io nefa ahoana moa no mety hitenitenenana foana eo raha lasa any ny vavambahoaka ? Hampihena ny isam-bato mety ho azo izany. Tankina kely teo ny vahoaka rehetra hoe fa ahoana indray ity mihemotra ity ? fa matahotra angaha ? sady ny Malagasy koa anie rey olona ka manambava e ! tsy mbola tsapanao ve ?


Fa tsy navelan’Ikotofetsy hiserana mihitsy io nataon-dRanaory tao amin’ny Airova io. Novoriany ny andro alatsinainy ihany ny mpitati-bolana hilazalazana ny nanjo ny foko Airova, entina hanehoana hoe mpividy olona anie no tena adin’ny tarik’Imahaka fa tsy mamela ny olona tena hisafidy araka izay tena tiany izy. Raha ny fanombanana azy dia io mihitsy no saiky hitarihan’Ikotofetsy ny kapotandroka sy ny dontany saingy efa nanao fialantsiny tsy ho tonga moa Imahaka. Tombanana ho tetika efa nomanina ihany nefa ny fanombanana moa mety ho diso ihany koa. Dia hitsara amin’izay ary ny elanelampanahy na dia tsy tonga aza Imahaka nefa mbola nasainy hisafidy aloha ny vahoaka rehetra. Dia nisafidy hono ny maro fa…


Nisy nitady tampoka Ikakimpitantara avy any ivelany any. Niangavy mafy azy aho hilaza hoe inona ny nataon’ny vahoaka nefa aleo amin’ny manaraka hoy izy fa aza maika ise… Tena tsy andriko intsony ilay manaraka mba marina mafy !

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox