Tsy vahaolana ny miraviravy tanana!

2009-04-06 @ 23:06 in Politika

Misy ny manoratra any ho any hoe: "tsy vahaolana ny mikiry biby!" (le jusqu'au boutisme n'est pas une solution). Misy ny mamerimberina mandrakariva any amin'ny fampielezam-peo milaza ho mpanao famakafakana politika sy toe-karena ary sosialy any fa efa mihamilamina sy mihamiverina amin'ny laoniny ny fiainana andavanandron'olona. Lazainy fa toerana vitsivitsy kely tsy dia manao ahoana sisa no mbola miezaka ny manakorontana ny toe-draharaha eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Minia mijery ivelany araka izay azo atao izy ao anatin'izany famakafakana izany fa ny iniany tsy jerena dia toerana manan-danja eo amin'ny lafiny politika sy sosialy indrindra ireo toerana lazainy fa vitsy tsy dia manao ahoana ireo. Ny fivezivezen'ny olona eny an-dalana mihamaro sy ny fitohanan'ny fiarakodia manerana an'Antananarivo, izay lasa voninahitra indray fa tsy henatra noho ny tsy fahaiza-mandamina sy tsy fahaiza-mitsinjo ny fandaminana ny fifamoivoizana, no tiana asongadina mandrakariva. Minia tsy mijery izay any an-tranon'ny olona any izy mamelabelatra izay tiany tenenina. Izaho koa etsy andanin'izany tsy afaka mihambo ho mahalala izay any an-tokatranon'ny olona tsirairay any fa dia tery hilaza izay fantatro kosa.

Ny asanay mpiray tampo... mihapotika avokoa!

Tsy nahazo alalana tamin'ny rahalahiko aho manoratra izao zavatra izao. Telo mirahalahy izahay no mpiray tampo, tsy manana anabavy. Samy nanana ny asanay avokoa izahay. Tsy misy itovizany avokoa ireo asanay ireo ary samy manana ny lehibeny ihany koa. Ny iray dia (cadre) miasa amina orinasa malagasy manana ny lazany (efa hotononina hoe nanana ny lazany atsy ho atsy raha tsy misy ny fiovana). Ny vadiny dia niasa tamina orinasa frantsay manana ny lazany eto Madagasikara saingy niala roa taona lasa izay noho ny karazam-paneriterena isan-karazany sy noho ny karama kely loatra indrindra indrindra (manontany izay Malagasy rehetra miasa amina frantsay eto Madagasikara aho, mba manao ahoana tokoa ny karamanao raha miohatra amin'ny andraikitra sahaninao?) ... ampy namelomana ihany manko ny karaman'ny lahy fa mivadika moa ny tantara ankehitriny...  Ny iray hafa kosa indray (cadre) miasa amina tetikasa eto Madagasikara, mpitaintaina isaky ny faran'ny taona fa mety ho voaroaka noho ny vokatra mety tsy hahafa-po araka ny fijerin'ny lehibe azy. Noho ny toe-draharaha politika misy amin'izao fotoana izao dia tapaka tarangana ny famatsiam-bola ho amin'izany tetikasa izany. Nitsahatra izany ny asany amin'izao fotoana izao ary tsy fantany intsony izay mety ho avin'ny tetikasa sy ny ho avin'ny fiainany, tsy miasa intsony izy amin'izao fotoana izao. Any ivelan'Antananarivo avokoa ireo rahalahiko roa ireo no miasa sy monina. Ary izaho kosa mba manao ahoana?

Ianareo mpamaky dia mahafantatra tsara fa tena tsy tiako velively ny milaza ny mombamomba ny asako ary tsy tokony atao velively ihany koa aza izany. Mampisy olana eo amin'ny mpiara-miasa sy ny mpampiasa manko izany toe-javatra izany ( ary mety hisy fiantraikany amin'ny mety ho asako rahampitso ihany koa) , ny tena loza dia efa nampiseho ny sariko aho ka mety misy ihany koa ny mahafantatra hoe aiza moa aho no miasa. Halohalika anefa ny ranombary hoy ny fitenenana izay, tsy fantatro intsony izay hitranga rahampitso. Koa raisiko ho andraikitro manontolo ny zavatra soratako etoana. Miasa amina orinasa frantsay aho, lazaina hoe (cadre) saingy anarany fotsiny aho (azo hanambakana amin'ny ora iasana nefa tsy handraisana "ora fanampiny") . Amin'izao fotoana izao dia mbola mihazohazo eo ambony hatokay ny antsoina hoe "chômage technique", fa efa mifandimby maka "congé" avokoa moa izahay amin'izao fotoana izao mandrapahalanin'ny zonay  amin'io zavatra iray io, tapitra izay dia tonga ny "tsy fisian'asa" ary dia tsy mandray karama araka ny andro tsy iasana mazava loatra ary mety hiafara amin'ny "fandroahana tanteraka" rehefa avy eo. Ao ambadik'izany rehetra izany dia voatery hiasa mafy ny rehetra raha tsy te-ho voaroaka, dia mety ho adino tsikelikely ihany koa ny zon'ny mpiasa (sanatriavina). Azo lazaina ihany koa eto fa mihozongozona ny asako amin'izao fotoana izao. Dia raha sanatria moa izany...? nefa dia lazaina fa ny (fitondram-panjakana) frantsay no ao ambadiky ny fanonganam-panjakana nisy teto Madagasikara sy miezaka mafy mba haneken'izao tontolo izao ny "tetezamita" ankehitriny, izany hoe ny orinasa frantsay no hahazo vahana sy tombony indrindra mandritra izany fotoana izany farafahakeliny.

Ny azo lazaina ho tigetranay teo amin'ny fiainana

Efa nosoratako ihany tany aloha tany fa tsy mba nanofinofy izay hivoaka any ivelan'i Madagasikara mihitsy izahay telo mirahalahy ireo. Tsy fantatro loatra ny anton'izany fa tsy mba nampitsiriritra anay mihitsy izany hivoaka an'i Madagasikara izany, ary tsy nihevitra velively ny any ivelan'i Madagasikara ho paradisa izahay, noho ny fitaizana angamba. Ny mety ho tsy zakanay ihany koa dia ny fanandratana ny teny frantsay ho ambony indrindra, koa na tsy mahay na inona na inona aza nefa mahay teny frantsay dia izay no atao hoe mahay. Nampianarina teny frantsay manokana mihitsy anefa izahay telo mirahalahy ary tahaka ny mihaino teny Malagasy ihany ny hihainoanay teny frantsay amin'ny ankapobeny. Nefa dia karazana fahafinaretana ho anay mihitsy izany fandaharana niresaka Madagasikara tamin'ny fahitalavitra izany taloha. Andeha ataonay hoe faharesen-dahatra tao anatinay ny fahitana fa eto amin'ity Madagasikara ity ihany no tena ahitana zavatra maro mahafinaritra.

Etsy ankilan'izany ihany koa, tsy nampazoto anay velively izany hiasa amin'ny fanjakana izany na dia nandresy lahatra anay matetika aza ny rainay, any manko azo antoka ny karama sy ny retirety. Asa! Ahoana koa angaha ny anton'izany? Izy mivady ray aman-dreninay dia samy mpiasam-panjakana avokoa, mpiasam-panjakana niasa amin-joto fa tsy mba irony nanao hoe telopolo andro ny iray volana irony. Renay matetika fahakely ny menomenona ny afera maizina ataon'olona sasany, halatra mivantana amina miliara, nefa dia afaka eny amin'ny fitsarana hatrany rehefa toriana sady misy fanampiny hoe tsy maintsy averina amin'ny asany ary omena azy avokoa ny karama sy ny tambin-karama rehetra izay tsy mbola azony fa fotoana nampigadra azy ireny. Mety hialanay amin'izany fositra mety hiteraka lonilony izany angamba no tena nandrisika anay tsy te-hiditra ho mpiasam-panjakana mihitsy... Nefa amin'izao fotoana izao toa iniana ampanjakaina miharihary eto amin'ny firenena izany gaboraraka izany ary tadiavina tsinontsinoavina  ny lanjan'ny asa sy ny fahazotoana miasa, fa ny mangalatra sy ny manendaka ary ny mandroba no fomba mora sy tsotra indrindra hampanakarena, ary ny mpanao izany no ampanjakaina eo amin'ny fiainana andavanandro!

Raha ireo no tantaraiko aminao, tsapanao ve fa nahazo tombontsoa izahay nandritra ny fotoana nitondran-dRavalomanana? Koa raha andeha ihany atao hoe izany, toa ny antom-pivelomanay mihitsy no potehina amin'izao fotoana izao? Mba azonareo eritreretina ve ny fiantraikan'izany hoe niasa izahay teo, nefa samy tsy hanana asa avokoa (100%) rehefa avy eo (izaho irery sisa nefa efa ambivitra ihany koa!)? Dia tahaka ny ahoana araka ny fijerinareo ny mety ho fihevitray raha mahita soratra manao hoe "tsy vahaolana ny mikiry biby!" (le jusqu'au boutisme n'est pas une solution) izahay? Azonareo vinaniana ve ny zavatra mety ho vitako rehefa tonga ilay sanatria? Noho izany, raha mandray anjara mavitrika amin'ny fihetsiketsehana aho (terena haka congé tsinona) dia ny hamerenana ny hasin'ny asa sy ny ezaka ataon'ny tsirairay no anton'izany fa tsy ny halatra no ampanjakaina eto amin'ny firenena. Raha mandray anjara mavitrika amin'ny fihetsiketsehana aho, noho ny tsy fanekeko na oviana na oviana ny fanitsakitsahana zoko tamin'ny fifidianana ary tsy hampazoto hifidy mihitsy raha toa ka tafatombina izao fitondrana nangalarina mivantana izao satria ho zary fanao eto amin'ny firenena. Izay tian'ny firenena hafa atao eto Madagasikara ihany ve izany no tsy maintsy tanterahina? Izany hoe miverina ho zanatany izany i Madagasikara! Fitaovana lehibe nampanjanahana an'i Madagasikara dia ny Malagasy ihany ary ny lohalaharana amin'izany dia ny avara-pianarana mihitsy... indrisy, ary ahiako ho mizaka ny zom-pirenena frantsay avokoa ireo rehetra ireo.

Dia hanaiky lembenana ary ve?

Mety hisy aloha aminareo mpamaky ny hieritreritra hoe, mafy toy izany ve dia nahoana no mbola afaka mivoivoy amin'ny aterineto ihany? Efa nambarako hatrany fa ny lesoka lehibe eo amin'ny mpitolona hiverenan'ny "ara-dalàna" dia ny tsy nahaizana nifehy ny fifandraisana sy ny serasera ary anatin'izany ny aterineto, raha mbola manana izay kely anananako aho ka ahafahako mitolona izany dia ataoko soa aman-tsara, raha sanatria tonga ny tsy fidiny tsy afaka mivoivoy intsony akory atao fa efa karazan'ny resy tanteraka izany. Sao koa misy mieritreritra fa mandray vola aho mamelona ity bolongana ity? Eto no maharesy lahatra ahy amin'ny fandraisako anjara amin'ny famerenana ny ara-dalàna ka dia ikirizako hatrany raha mbola azoko atao ihany koa. Eto ihany koa aho no miteny tsy misorona ho an'ny hafa rehetra! Ataoko fa tsapanareo amin'ny gazety ihany ny fivakisana efa nolazaiko teto mialoha ny nivoahan'ireo gazety ireo. Manao arofanina aho raha manoratra ireny fa tsy voatery hoe manoratra noho ny fahakiviana!

Ny ampaham-piainanay ihany no notantaraiko anareo teo, fa mba manao ahoana avokoa ny fiainan'ireo manao fihetsiketsehana amin'izao fotoana izao ireo? Fa inona ny tombotsoa azonay tamin-dRavalomanana raha lazaina fa nangoniny ho azy samirery ny tombotsoa teto Madagasikara? Raha nangoniny ho azy samirery anie ny tombotsoa dia mba tsy nahazo tombotsoa ihany koa izahay e! Ny hita aza dia nivadika tamin-dRavalomanana avokoa ny mety ho nahazo tombotsoa taminy rehetra nefa very teny antenantenany teny izany tombotsoa izany. Koa nahoana moa izahay no tsy mba nivadika tahaka ireny very tombotsoa ireny? Ny antony hitolomanay tsy hamerina an-dRavalomanana amin'ny maha-Ravalomanana azy loatra (izay aloha no hitako amin'ny ankamaroanay) eo amin'ny toeran'ny filohan'ny Repoblika loatra fa ny hamerenena ny hasin'ny fiandrianam-pirenena nohosihosen'ny vola sy ny famerenana sata repoblikana navadiky ny miaramila tena mpamadika ny tanindrazana tsotra izao noho ny tombotsoa frantsay ary ny hanajana ny lanjan'ny demaokrasia nataonay tamin'ny alalan'ny latsa-bato fanao amin'ny alalan'ny fifidianana. Koa diso hevitra izay mihevitra fa hihena tsikelikely ny mpanao fihetsiketsehana satria "tsy misy intsony ny vola hamatsiana ny tolona", tsy nisy nandray vola noho ny fandraisana anjara amin'ny fihetsiketsehana mihitsy ireo olona ireo, fa ny herisetra mihatra amin'izy ireo isan'andro ihany no mety hampihemotra azy, saingy mihemotra amin'ny fandraisana anjara hita maso fotsiny izy fa mety tsy ho zakanao kosa ny fanapahan-kevitra mety ho vitany rehefa avy eo. Aza maniry ny hahalala izany fanapahan-kevitra izany velively anefa!

Manao ahoana ny dingana manaraka?

Voatery nilaza tamin'ny kabariny Atoa Tata Ambroise Ravonison fa tsy mivakivaky velively ny hetsika atao amin'izao fotoana izao. Mampiahiahy be ihany anefa ny zavatra ataony indrindra fa ny fiantsoana mpanao gazety manokana ataony amin'ny alalan'ny CSD_M (Comité Supérieur de la Démocratie à Madagascar). Azo heverina manko fa izy no manana vola nafafy be indrindra amin'ity tolona ity, mieritreritra ny fifidianana ho avy angaha izy! Tokony hieritreritra izy ny tsy hisehoseho be loatra fa manjary manimba ny tolona. Manahirana ahy ihany koa ny fitatatatany sahady ny zavatra tsy mbola tokony havoaka akory toy ny fialzana fa efa an-dalana ny filoha Ravalomanana. Tahaka ny manome sopapa ny miaramila izy hoe miasà ianareo miaramila sao tonga tokoa ny "Dada"n-dry zalahy ireto. Mba mahalala tsiambaratelo ihany koa anie izahay nefa izany tsy ihazakazahana holazaina mihitsy toa anambarana amin'ny besinimaro fa akaiky an'i "Dada" anie aho e! Sa natao hampitaintaina ny miaramilan'ny Capsat no anaovana ireny fanmbarana ireny? Mba heno ihany manko fa vao nosimbain'ny miaramila fatratra ny lalan'ny (piste) seranana fidinana sy fialan'ny fiaramanidina ao Antsirabe eo an-dalam-panamboarana io saingy raisiko ho tsaho ihany aloha izany.

Ny dingana sarotra manaraka dia ny fanendrena izay ho praiminisitra, voakabary teny Ambohijatovo, fa hataon'ny filoha Ravalomanana amin'ity herinandro ity rehefa tsy hisy ny dinika eo amin'ny roa tonta. Amin'ity fotoana ity dia tsy maintsy mametraka ny fifandanjam-paritra ihany koa ny filoha Ravalomanana fa tsy azony atao intsony ny manendry olona avy eto afovoantany. Tsy azony atao intsony ihany koa ny manendry olona efa hita fa "nivadika" taminy. Mora sarotra ny mitady olona avy any anindra-tany hotendreny amin'izany toeran'ny praiminisitra izany. Mora raha toa ka fantatra fa tsy mbola nivadika taminy izany olona izany, sarotra kosa raha toa ka efa mivadika aminy na matahotra ny handray andraikitra kosa izany olona izany... eto manko dia tsy mbola fantatra mihitsy ny ho avy politikan'izay hotendreny ho praiminisitra izay. Mety hisy ny hanana soso-kevitra amin'ny olona tokony hotendreny fa ny hitako aloha izao, raha mbola tsy nivadika izy dia Atoa Mahafaritsy Samuel, ilay nasolo an'i Lahiniriko Jean. Asa ianareo mpamaky,iza no heverina fa tokony ho praiminisitra?

Avelao hirehareha foana eo!

Hiresaka zavatra hafa indray aho. Efa niarahan'ny rehetra namaky angamba ny vaovao nilaza fa nisy miaramilan'ny praiminisitra voatifitry ny zandary tao Mahitsy tao. Tsy nanafina ny fitaovam-piadiany izy na dia efa tsy nanao fanamiana intsony aza (naderadera aza!) ary fandikana ny fifampifehezana eo amin'ny samy miaramila sahady izany. Manaraka izany dia tsy niraharaha ny sakana nataon'ny zandary tany an-toerana ihany koa, ny lalany ihany no notohizany. Porofo manambara ny fanjakazakany eto amin'ny firenena izany fihetsika nataony izany. Marika ihany koa hampitana amin'ny olona ny fihoaram-pefy ataon'izy ireo. Ny ahy moa lasa lavitra dia lavitra mihitsy ny saiko hieritreritra fa saika "hanao mission" indray ry zalahy miaraka amin'ny pick up mahazatra (nahamarika aho fa betsaka amin'ny fiaran-dry zalahy no tsy mipetaka ny laharan'ny fiara entiny).

Zavatra hafa ihany koa ny fandrahonana nahazo ny mpiasan'ny SAF FJKM nataon'ny miaramila hatrany, noho ny fanadihadiana ny loharanombolan'ity Sampan'Asa Fampandrosoana tantanin'ny FJKM ity. Asa hanao ahoana re ny mety ho fiantraikan'ny raharaha raha toa ka ny Akamasoan'i Pere Pedro no anaovan'ny miaramila toy izany? saingy tsy hisy izany satria manohana ny fitondrana tetezamita ry zareo! Tsy anjaran'ny miaramila mihitsy ny manao izany fanadihadiana izany e! Fa inona moa no tena kendren'ireto miaramila ireto? Ny hahalao monina izay tsy mifanaraka amin'ny heviny sy ny tadiaviny. Tetika hialan'ny QMM ireny mody fisavana ny orinasa manontolo sy ny entana rehetra tany Faradofay ireny. Efa andala-piasana manko izy ity ka tian'ny Frantsay horombahina amin'izay. Sotasota hanaovana izay hikatonan'ny tiko ireny fisavana ny fiaran'ny tiko noahiahina ho mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireny (fa noho ny zavatra nokitikitihan'ny saofera tao anaty fiara tao dia lasa nivadika glace ny basy? Eisy aho hoe e). Ary fanenjehana mivantana ny FJKM ny fisavana ny entana sy ny fanadihadiana ny fihavian'ny vola hamelomana ny SAF FJKM.

Efa mba renay ihany koa fa efa nalaina ny vary sy ny zavatra hafa any amin'ny birao misahana ny loza voajanahary (toy ny rivodoza) satria manko efa hifarana ihany izany fotoanan'ny rivodoza izany kanjo moa dia indro tonga tampoka i Jade... Hisy ve ny sakafo fanampiana izay mety ho tra-boina amin'ity rivodoza ity? Efa mba renay ihany koa ny fakana ny varin'ny voafonja (vary nambolen'ny voafonja) mba hohaniny tahaka ny any amin'ny faritra boeny, saingy mbola ambany zo noho ireto mitady hovelomim-potsiny ireto moa ny voafonja ka dia adino teo ny mba fisasaran'ny hafa. Mba nosainina ve fa mety haharesy lahatra ireto voafonja ireto indray izany zaatra mihatra aminy izany ka hiheverany hoe aleo ihany mangalatra raha izany fa izay mba nisasarana ity toa alaina aminay ihany koa? Na izany aza aloha, aleo hisokatra ny fanadihadiana fa mba manome sopapa ny mpanao gazety izahay raha mahasahy miditra lalina ry zareo. Efa lava loatra ihany koa izany lahatsoratra izany fa aleo indray amin'ny manaraka. Averiko indray: raha hametraka hevitra ianao dia soraty vakiraoka (brouillon) aloha izay tianao ampitaina dia ankotriho (actualiser) ny lahatsoratra vao apetakao ny solon'anarana sy ny hafatra ary averinao ny marika angatahin'ny authimage.




jentilisa, talata 7 avrily 2009 amin'ny 01: 06 maraina

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2022 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox