Karapanondro biometrika? Hazavao aminay!

2009-10-29 @ 20:24 in Ankapobeny

Atao maresaka indray amin'izao fotoana izao ity karapanondro biometrika ity. Fampidirana letrezana ho an'ny vahoaka malagasy iray manontolo. Ny mahagaga dia amin'ny dinika (forum)  izy io no itabatabana fatratra fa tsy dia nahitako famakafakana matotra, sy apetraka ho hitan'ny besinimaro amin'ny fotoana maharitra  kosa amin'ny lahatsoratry ny vohikala na amin'ny bolongana fantatra. Tsy fantatro loatra aloha izay antony, fa raha izaho manokana dia tsy mahafehy azy mihitsy, fikarohana etsy sy eroa amin'ny aterineto ihany no hanaovana famintinana sy adika ho amin'ny teny malagasy.

Eto aho dia manamarika mazava fa tsy idirako loatra, na dia mety voaroritra ihany aza, ny amin'ny pasipaoro biometrika izay efa nidiran'i Madagasikara fa ny karapanondro biometrika eto no tiako hananganana ny adihevitra. Ny Pasipaoro biometrika moa misy resaka iraisam-pirenena iny fa ilay sehatra firenena tsy misy idiran'ny any ivelany loatra no tiako resahina. Ny lahatsoratra etoana izany dia te-hahalala (fa tsy hoe te-hampahalala) ny momba ity kara-panondro biometrika ity, tiako ho mismisy kokoa ny fampahafantarana azy bebe kokoa ary mangetaheta izany manokana ny tenako.


Natao noho ny raharaha 11 septambra 2001

Rehefa niserasera maharitraritra ary aho tao anatin'ny andro vitsivitsy , ka indraindray mifangaro eny ho eny ny resaka pasipaoro sy karapanondro samy biometrika, dia nahatsikaritra zava-bitsivitsy mbola tsy mahafa-po ahy hanekeko ny hanatanterahina ity kara-panondro biometrika ity. Ny fiandohan'ny fampiasana ity (pasipaoro) biometrika ity dia noho ny raharaha 11 septambra 2001, andro nanafihan'ny mpampihorohoro an'i Etazonia tamin'ny alalan'ny fanjerana voromby ny Manda Kambana (Twin Tower) Foiben'ny Raharahambarotra Manerantany (World Trade Center). Nametraka fepetra i Etazonia fa tsy maintsy biometrika avokoa ny pasipaoron'ny vahiny hitsidika any aminy. Nilefitra avokoa ny firenenkafa, notarihin'ny vondrona Eoropeana, ary dia indreo fa miditra tsikelikely amin'ny fanovana ny pasipaoro ho biometrika ny firenen-drehetra.


Ny antony nanaovana izany, araka ny voalaza dia isorohana ny fidirana sisintany an-tsokosoko, izany hoe sakanana araka izay tratra ny fifindra- monina tsy ara-dalàna. Ary ialàna amin'ny fanaovana hosoka ihany koa dia heverina fa tsara ny manamboatra zavatra tsy azo alain-tahaka koa dia nampidirina ny fampiasana puce électronique. Nampidirin'ny OACI (Organisation de l'Aviation Civile Interationale) ho fepetra vaovao ihany koa ny fampiasana ny pasipaoro biometrika. Tamin'ny voalohany dia ny biby fiompy no nanaovana fanandramana nametahana ireny puce électronique ireny (hanaraha-maso ny toerana misy ny biby fiompy raha sanatrika ka very na nisy nangalatra sy hamantarana ihany koa ny tompony araka ny fahazoako azy), ary efa nanaovan'ny filoha Ravalomanana fampanantenana ny hametahana puce életronique amin'ny omby eto Madagasikara, saingy tsy tanteraka moa izany fampanantenana izany.


Atao inona ny karapanondro biometrika?

Araka ny iaraha-mahita dia tsy nilaza na inona na inona momba ity karapanondro biometrika ity ankoatra ny hoe hikarakarana ny fanaovana azy ireo milaza tena ho mpitondra fanjakana amin'izao fotoana izao hanomanana ny fifidianana ho avy hangarahara tsara sy tsy misy hosoka. Taty aoriana moa dia hita amin'ny gazety nambaran'ny praiminisitra vonjy tavan'andro amin'izao fotoana izao fa misy karapanondro 30 000 "maniditsidina" mivezivezy eto Madagasikara ka izay no mahamaika ny hanovana ny karapanondro ho biometrika. Hatramin'izao aloha amiko dia hevitra taingina hanerena ny hikarakarana ny hanaovana izany karapanondro biometrika izany fotsiny io hevitra io.

Tsy sahy niteny aloha izy hoe hosoka ireo lazainy fa karapanondro 30 000 mandehandeha ireo. Fony fotoana nanovana ny karapanondro manko dia efa nolazaina ny karapanondro "vaovao" tamin'izany fotoana izany fa tsy mety hanaovana hosoka io karapanondro io. Koa hampiteraka ahiahy fanampiny ho anay mpanara-baovao hatry ny fahakely raha niteniteny foana teo hoe "hosoka" ireo karapanondro maniditsidina ireo. Ampahatsiahiviko anefa fa ny nikendrena hanaovana ny soratra tamin'ilay karapanondro "vaovao" efa tonta mila soloina ankehitriny dia soratra vita milina avokoa. Rehefa mifampijerirejy karapanondro amin'ny hafa, indrindra fa ireo izay any ambanivohitra anefa ianao dia ho gaga fa be dia be ny karapanondro nofenoina tamin'ny sora-tanana ihany. Tsy natao ho amin'izany ilay karapanondro saingy nekena ihany izany noho ny tsy fananan'ny kaominina milina fanoratana.

Hay tokoa, mbola misy ny kaominina tsy manana milina fanoratana? efa niova ve izany toe-javatra izany amin'izao fotoana izao? Koa raha "sanatria" mbola misy ny Kaominina tsy manana milina fanoratana, ary ahiako mbola betsaka ny kaominina tsy manana jiro (tsy miresaka rano madio aho eto), dia ahoana izany ny fomba hikarakaranao ny fakan'ny olona ny karapanondro biometrika? Araka ny reko, raha ny tokony ho izy, dia any amin'ny toerana onenan'ny olona (Kaominina) no tokony amoahana ilay karapanondro biometrika, izany hoe tokony hisy fitaovana hikarakarana ny karapanondron'olona any amin'ireo kaominina 1400 mahery misy eto Madagasikara. Kaominina mbola misy tsy manana milina fanoratana no mety hikirakira solosaina izany! Enga anie! Enga anie ka hisy ny malagasy hahay hikarakara izany raha ho tontosa ihany izy ity fa tsy voatery hanafatra vazaha (avy amin'ny SAGEM izany hoe Frantsay) hanonta ilay karapanondro.


Natao hitoerana maharitra eo amin'ny fitondrana sy fomba fakana vola

Araka ny efa natsidiko dia heveriny fa hanomanana fifidianana no hikarakarany ny hanovana ny karapanondro misy amin'izao fotoana izao. Resaka mandany jiro izany araka ny hevitro mba hitoerana maharitra eo amin'ny seza azo. Mba mijerijery ny tena fa izay mikarakara azy ity toa mba mila fotoana an-taonany ihany (telo taona ny salanisa), ny antsika ity tadiavina hatao maimaika fotsiny amin'izao. Ny any amin'ny firenen-dehibe misy adihevitra vao mety ho tonga amin'ny fampiharana azy mba ho mora kokoa ny handraisan'ny besinimaro azy. Rehefa mandeha manko ny adihevitra dia tsy maintsy nisy ny fanovana ny zavatra sasantsasany ifanekena amin'ny farany.

Ny antsika fanapahan-kevitra mandritra ny filankevitra dia vita kabary. Na ny fampahafantarana ny mombamomba azy sy ny tena tombotsoany ankoatra ny dradraina ho fifidianana madio dia tsy misy intsony. Tahaka ireny hoe mahay ny momba azy ity avy hatrany ny vahoaka malagasy iray manontolo. Tsy mbola miteny aho eto hoe hanaovana ny karatra fa ny fikarakarana na fiomanana ny hanaovana azy. Izay aloha hatreto no ahazoako teny hoe hakana 6 miliara ariary latsaka kely aty amin'ny voalohany io. Eto izany dia antony isintonam-bola amin'ny kitapom- bolam- panjakana izy amin'izao fotoana izao. Izany hoe vao ny dingana voalohany fotsiny io araka ny fijeriko fa tsy ny totalin'ny vola holaniana velively hamitana ny karapanondro biometrika ho an'ny olona rehetra.

Farany sahady fa efa lava be izay, hanomanana ny fifidianana ho avy ny hikarakarana ity karapanondro biometrika ity, araka ny lazain'ny mpitondra vonjy tavan'andro. Tsy mbola nilaza izy hatreto hoe tsy hampiasaina intsony ny kara-pifidianana fa vitan'ny karapanondro ny amin'izany. Efa nisy ihany fotoana tany aloha tany ny hitakiana ny hanaovana ny kara-panondro irery ho karatra ahafahana mifidy saingy nitohy hatrany ny fampiasana ny kara-pifidianana. Koa raha mbola hampiasa kara-pifidianana ihany amin'ny fifidianana ho avy nefa ny kara-panondro no soloina dia zavatra tsy misy itombenany mihitsy. Fehiny: hatramin'izao aloha dia fomba fakana vola amin'ny kitapom- bolam- panjakana ny mody ilazalazana na itenenana karapanondro biometrika eto Madagasikara. Zavatra hafa ihany koa rehefa mitady hiditra amin'ny fanatanterahana azy ry zareo, ho fitaovana hitoerana maharitra eo amin'ny fitondrana aloha, taorian'ny fanomezam-bola ny orinasa fantatra avy hatrany fa vahiny mety hisahana ny fanamboarana sy ny fitsinjarana azy.

Hatreto dia tsy mbola niditra mihitsy ny momba ny karapanondro biometrika aho na dia izany aza ny fkasana voalohany nanoratanaity lahatsoratra ity. Mety mbola hitohy noho izany ny filazalazana raha tsy hoe misy mpamaham-bolongana hafa mihitsy hanoka-tena ihany koa hiresaka ny momba ny karapanondro biometrika kasaina hatao eto Madagasikara sy ny tranga efa misy manerantany.



jentilisa, 29 oktobra 2009, amin'ny 22: 29

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox