Sary azoko fitokanana roa sosona Asabotsy 11 desambra 2010

2010-12-12 @ 12:20 in Ankapobeny

 
Sarin'ny Lapan'ny Tanàna nandritra ny fitokanana azy
 
 
Ny sarin'ny Lapan'ny tanàna teo aloha naranty teny Analakely kosa 
 
 
Tsy dia lazalazaina kosa fa ny fijoroan'ny repoblika fahaefatra no tena anton'ny fety. 
 
Araka ny hitan'ny besinimaro moa dia nifangaroharo teo ny fitokanana roa sosona notontosaina ny Asabotsy 11 desambra 2010 teo. Henjakenjana ihany ny fikarakarana mialoha sy nandritra ity fotoana ity satria tsy maintsy notandrovina ny filaminana sy ny fiarovana. Tsikaritra ny andron'ny Zoma moa dia ny nitetezan'ny mpiasan'ny Kaominina ny tranon'olo-tsotra sy orinasa na tranombarotra rehetra manodidina an'Analakely fa tsy tokony hisy fiara hijanojanona aloha ny tontolo andron'ny zoma sy ny asabotsy, eny fa na dia nahazo alalana manokana momba izany fiantsonana fiara izany aza ny tsirairay. Ny fiantsonana amin'ny arabe moa no tena voatondro tamin'izany. 


Tsy dia azon'izany fepetra izany loatra kosa ny mpivarotra amoron-dalana ankoatra ny tao ambadiky ny Lapan'ny tanàna saingy tsy nampiala velively ny fitohanana izany ny zoma raha tsy efa niala avokoa ny ankamaroan'ny mpivarotra amoron-dalana nametraka ny entany tany anaty arabe. Hitanareo fa tsy maintsy tsinjovina ny "madinika" na dia mahasorena mihitsy aza ny ataon'izy ireo amin'ny fanelingelenana ny fifamoivoizana. Ny tontolo andron'ny Sabotsy aza moa dia azon-dry zareo tanteraka ny atsasaky ny arabe manoloana ny Gauloise taloha iny satria tsy afa-nivezivezy loatra ny fiara. Nahatsapa ihany angamba ny mponina teto an-drenivohitra fa tsy dia nivandravandra loatra ny nahafety ny andro raha vao miala amin'ireo toerana nanaovan-dalonana ny tsirairay ankoatra ny fahavitsian'ny fiara kokoa izay miendrika andro alahady moa izany.


Dia hampitaina amintsika izany ny sary voaraiko ny Asabotsy maraina fa tsy afa-naka sary velively ny Asabotsy tolakandro sy ny takariva aho noho asa izay miandry. Ny olona no tsy miasa fa ny tena kosa tsy mahalala izany fa zara aza mbola manana anton'asa moa. Handeha eny an-tsefatsefany eny ihany ny hevitra moa ary mety hivoaka tsikelikely eo ihany. Sary efapolo no aseho anareo eto.
 
 
Tsy haiko fa tiako hatrany ny maka sary hatreto
 
 
Hatraty ny fiantsonan'ny fiara ho an'ireo rehetra nasaina
 
 
malalaka ny lalana fa ny mpandeha an-tongotra no mahazo vahana
 
 
 Misy fefy manasaraka ny nasaina sy ny te-ho tonga tamin'ny nahim-pony
 
 
Ny ora angamba no tena tiako nalaina sary sa ny soratra? ireo tsy nasaina!
 
 
 Tian'ny olona ny mivezivezy fa tsy mijanona loatra amin'ny toerana iray
 
 
 Hitanareo ve ny efijery goavana eo ankavanana nitsidihan'ny PHAT ny teny an-drova?
 
 
 Ireo olona miandry ny avy eny an-drova
 
 
Aty amin'ny ilan'ilay nalaiko sary eo ambony kosa
 
 
Sary teo ambony somary notomorina kokoa 
 
 
 Sary hatreo avaratry ny tsangambaton-dRalaimongo
 
 
Vavahadin'ny fanaovam-pety?
 
 
 Manemitra ny amoron'arabe avokoa ireo mpitsena
 
 
 Ary toy ny hoe vahoaka be hatrany rehefa alaina sary akaiky e?
 
 
 Iny lalana iny...
 
 
 Lala-migodàna
 
 
 Ireo mpandihy nitari-dalana
 
 
 Mitotorebika
 
 
Mihorakoraka
 
 
 
 Kilaoty hono no solon'ny salaka fahiny!
 
 Fa angaha tsy mena ny lokon'ny akanjon'ny tafi-dRadama Manjaka?
 
Fa tokony hitovy amin'ny lokon'ny akanjon'ny mpihiragasy ireny ny didin'akanjo ka!
 
 
 Tena "carnaval" kosa an! sa ahoana?
 
 
 Ireo somary aoriana nataoko mazava ireo ny Andriamanjaka Mivady
 
 
Ny kiraro sisa no tsy nitovizana
 
 
 Ny Andriamanjaka Andry Rajoelina sy ny Ranavalona Mialy Razakandisa vadiny
 
 
 Loko manga fotsy mena no tazako eto an!
 
 
 Sary nalaina hatreny ambony!
 
 
Tamin'ny fotoana nahatongavan'ny Andriamanjaka
 
 
 Toy izao ny fahamaroan'ny olona indrindra tamin'io Asabotsy maraina io satria teo ny fotoana nahatongavan'ny Andriamanjaka mivady
 
 
 Andeha atao hoe folo minitra taorian'ny diabe
 
 
 Tsy misy manitsaka ny zaridaina satria voafefy io
 
 
 Ny tsy voaasa mitsangana nefa betsaka ihany ny seza banga
 
 
Mivadika avokoa ny lokontsaina amin'ny satroka rehetra
 
 
 
 Io dobo io indray no tena tian'ny olona hojerena! mariho fa efa hitanao niova akanjo indray eto ny Ranavalona Mialy Razakandisa Rajoelina an! Dia izay ny sary rehetra!
 
Jentilisa 12 desambra 2010, amin'ny 14:20

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox