Tsy halloween

2008-10-31 @ 21:24 in Finoana



Somary nahagaga ihany fa tsy re teto amin'ny tanàna tamin'ny dokambarotra na ny mifanahatahaka amin'izany loatra ilay fety malaza any Etazonia na Amerika avaratra... Tsy fantatro loatra antsoina hoe Halloween teto Madagasikara e! Nisy ve ny fandrarana sa inona ny antony? Tamin'ny herintaona manko noezahin'ny mpivarotra ihany ny hampalaza azy ity saingy lasa fetin'ny mpifankatia bis ihany ilay izy. Nentina nandaniana ny alina fotsiny. Levona tanatin'ny Zoma mahafinaritra tsotra fotsiny aloha izy tamin'ity taona ity. Tsy nisy fanamarihana manokana intsony.

Toa nisy ihany angaha ny fivezivezena eran'ny tanàna izany, saingy tsy nandre aloha aho, hoe asiana fety eny amin'ny araben'ny fahaleovantena amin'ity alina ity; nefa lasa ihany ny eritreritro hoe sao dia ilay fetin'ny fizahantany karakarain'ny Ortana ihany izany fa afangaron'ny olona heveriny fa hanamarika ny Halloween ny TGV. Izaho kosa tsy mihevitra ny mpitantana ny tanànan'Antananarivo haka tahaka be fahatany hanandratra kolontsaina vahiny tsy mahazo ny fon'ny Malagasy tahaka ny Halloween.

Nisy ihany ny radio niresadresaka momba azy ity saingy tsy nanaitra ahy mihitsy e! Ny fantatro dia tsy raharahan'ny besinimaro ihany koa, ary ny tena mahavariana na ny loterana aza tsy mahalala ny maro raha anontaniana. Tsy mba horakorahana ihany koa moa ilay izy fa nentina mangina. Ny mitataovovonan'ny 31 oktobra 1517 manko no nametrahan'ilay Mpanitsy fivavahana  Martin Luther (tsy King) ny petra-kevitra 95 teo amin'ny varavaram-piangonan'i Wittenberg (Lutherstad) ary nanoratra tany amin'ny arsheveka Albert de Mayence tsy hampivarotra ny indolzansy intsony. Noheveriny fa fitaka nentina hanaovana varotra fotsiny (hahazoana volabe ) io indolzansy io.

Raha tamin'ny teny Latinina no nanoratana ireo petra-kevitra ireo noho ny fahazarana sy ny fomba dia voadika haingana tamin'ny teny fantatry ny olona ihany (alemana eto). Nahoraka tamin'ny tanàna maro ny momba ity petra-kevitra ity izay nanaraka ny toriteny nafonja ihany koa. Ity indro ity no ilazan'ny mpahay tantara loterana azy hoe andron'ny filazantsara. Tsy ny indolzansy no notoheriny fa ny fivarotana azy (in dr.Theol. MARTIN LOTERA sy ny asany nosoratan'i LJ Danbolt ed faharoa p.63). Tsy nanao tsinontsinona ny  indolzansy izy, fa ny filazantsara no kosa no nasandrany ho ambony kokoa (in idem). Ny fiovana sy ny fanitsiana dia nandeha tsikelikely fa ity andro ity kosa no tena nisy fiantraikany goavana indrindra tamin'izay nataon'ity mpanitsy fivavahana ity.

Fa dia inona loatra koa angaha no nahatonga ahy hametraka indray ity tantara ity? Voalohany, teraky na zanaky ny reformasiona aho. Tsy hoe io no tonga lafatra fa mpanoro ny lalana tokony hodiavina ihany ho an'ny mpanara-dia an'i Kristy. Faharoa, tsy mba mpankasitraka velively ny fivavahana lasa raharaham-barotra itadiavam-bola mihoam-pampana aho. Tsy ny vola no mamelona ny fiangonana fa ny Fanahy Masina amiko. Mpanompo mahatoky ny vola fa Tompo lozabe. Mampalahelo anefa fa matetika takon'ny varotra mandrakariva ilay fetim-pivavahana (raha atao hoe fety ihany koa) ka izay mihetsika rehetra dia vidiam-bola avokoa. Tranga iray nanimba ny raharaham-barotra nifandraika tamin'ny fivavahana hiankina amin-javatra tsy mifototra amin'ny filazantsara ity 31 oktobra 1517 ity ka satry averimberiko mandrakariva. Aleo ihany manko amin'ny fahafoizan-tenan'ny tsirairay no anompoana fa tsy vidiam-bola akory ny lanitra.

Tsy namaly ny fanasan'ny filoha Ravalomanana Ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina?

2008-10-30 @ 21:26 in Politika

Raha ny fiheverako manokana dia tokony ho hita amin'ny gazety rahampitso (zoma) fa hanome "fanampiana" manokana amin'ny alalan'ny Fonds Local de developpement ny Kaominina an-tanandehibe 45 eto Madagasikara ny filoha Ravalomanana manomboka ny Janoary 2009 ho avy izao. Entina hanatsarana ny tanàna moa no anton'izany.

Tsy dia idirako lalina moa ny amin'iny fa ny nanaitra ahy tamin'ity toe-javatra ity dia ny tsy nahitana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo tamin'ity fivoriana manokana ity. Ny televiziona viva mihitsy anefa no narahiko tamin'io fotoana io ka tsy maintsy mampiseho ny salovantavan'ny tompony izy raha nanatrika tao io lehilahy io (lehilahy io satria efa mitantana an'Antananarivo fa tsy boay kely aza fady indrindra). Ny sary dia manambara zavatra bebe kokoa noho ny fitantarana na dia avy amin'ny mpanao gazety mahay indrindra aza.

Eo ary no mampanontany tena. Ny avy amin'ny fiadidiana ny Repoblika mihitsy ve no tsy nanasa ny Ben'ny tanànan'Antananarivo sa ny fiadidiana ny tanàna no nanadino nampitondra ny taratasy fanasana ho an'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo sa ny tao amin'ny fiadidiana ny Renivohitra no mihevitra fa tsy ilaina loatra ny nanatrika io fotoana fanararaotra io? Moa tsy ny fotoana tahaka ireny indrindra ve no tena anehoana ny fahavononana hiasa sa efa nanava-tena sahady Atoa Andry Rajoelina fa tsy hahazo anjara amin'io vola ikarakarana ny tanàna io velively? Tsy maintsy misy ny diso eto na ny iray amin'ny andaniny sy ny ankilany na ny roa tonta mihitsy?

Tsy sahy nanoratra ity velively aho raha fantatro fa tsy mbola tonga eto an-tanindrazana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Hitako tamin'ny tvplus anefa ny fahatongavany halina. Sa mbola reraka ny lehilahy taorian'izay dia lavalava izay. Tsy sasatry ny manontany aho satria toa mifandimby ny tsy vonona hiara-hiasa amin-kitsim-po na ny avy amin'ny fitondrana foibe na ny avy amin'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo renivohitra. Tsy hisy velively anefa ny fandrosoana raha samy mihatsaravelatsihy tahaka izao ny roa tonta.

Sa misy vondron'olona te-hanala baraka an'Antananarivo eto amin'ny fihaonana antampony hatrehina amin'ny taona ho avy iny sy ny manaraka? Raha efa fantatra fa tia ny politika madio ivelany araka ny filazan'ny Jeneraly Ramakavelo azy ny mpitondra ankehitriny, moa tsy eo indrindra ve no anararaotana hahazoana vola betsaka ikarakarana ny tanàna noho ny tamin'ny fanomanana ny lalaon'ny Nosy tamin'ny herintaona (2007) aza? Asa aloha fa dia nanolo-kevitra ihany aho na dia tsy nifidy azy aza noho ny fitiavako an'Antananarivo. Fa ilay fitiavana tokoa mampirediredy an!

Tsenan'Asabotsy Antsirabe: Hiodina ho aiza indray io $2 000 000 vao azo io?

2008-10-30 @ 08:19 in Toekarena


Dia variana tokoa aho amin'ny fahaizan'ny olona mitady vola. Misy ny tena henjana araka ny filaza. Efa lany tanteraka ny vola nanamboarana ny tsenan'Asabotsy io araka ny fahalalako azy na tsy nomena intsony noho ny fitantanana tsy mazava loatra. Dia tavela teo ny fanamboarana ny tsena ary efa nieritreritra aho fa tsy ho vita intsony izy io na dia ao anatin'ny 20 taona ho avy aza. Tsy nisy na dia iray aza ny fitaovana hanamboatra ny tsena. Kanjo ankehitriny dia re fa nahazo famatsiambola $2 000 000 indray ny fanamboarana ny tsenan'Asabotsy. Ary heverina fa ho vita amin'ny marsa 2009 amin'izay ny tsena.
Ilay tsena eo andalam-panamboarana nefa toa tsymisy na inona amboriarina nandritra ny fotoana nandalovako teny.

Ny faniriana moa tsy hisy intsony ny simenitra sy vy ary vato may ka tsy nahavitana intsony ny tsena teo aloha. Fa mbola tsy azoko hatramin'izao ny nahatonga ireo zavatra ireo ho may tao amin'ny fitehirizan'entan'ny Kaominina Antsirabe renivohitra nefa moa TIM no mpitantana koa zanak'i dada izany tsy miahiahy loatra ny hahazo olana ry zareo fa raha misy izany metyholasa any andafy tahaka ilay mpitantana tany Mahajanga ihany koa. Fa dia tena rediredy koa anie ny ahy izany fa ny hamisaisana ny ratsy hiavian'ny soa e!
Ny fikasana dia hoe hatao tahaka ireto trano vy ireto avokoa no mameno ny tsena. Toa nofinofy izany aloha raha ny fijeriko azy.

Dia mba hahazo toerana amin'izay ny mpivarotra fa mijaly loatra.
Mody any Ambalakisoa ianareo raha tsy diso aho. izany ô? An ghan! (Eny ô)

Aiza ary izao tanàna izao?

2008-10-28 @ 20:22 in Andavanandro

Mety ho misy ireo tsy miraharaha ny hahazo izany kaominina mendrika ifaninanana izany. Misy kosa anefa ireo kaominina ambanivohitra no tena mandray izany hanaovana ezaka manokana. Tsy dia lavitra loatra ny renivohitra ity tanàna asehoko anareo ity, nefa tsy ao anatin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra velively. Tao anatin'ny fotoana fohy monja dia niova endrika tanteraka ny endriky ny tsena sy ny fiantsonan'ny fiara amin'ity toerana ity.


Toerana fandehanako ihany, tsy tsaroako intsony ny endriny teo aloha fa mahafinaritra kosa ny mahita azy amin'izao fotoana izao. Mbola hita miharihary ireo fiara fitaterana maro manavaka ny maha-ambanivohitra ny toerana nefa lasa ny saiko manao hoe: Sao dia izy no tena mandroso ho amin'ny tanàna maoderina?


Endrey ireto tambanivohitra mipetrapetraka sy mialoka eo ambanin'ilay fialofana tsy misy dokambarotra na orinasa na iza na iza zary manimba ny endriky ny tanàna izay indraindray. Vao namaky boky iray izay aho ka tao no nahitako fa amin'ny tena hevitry ny voambolana jentilisa (raha heverina amin'ny teny hebreo angaha no tiany lazaina) dia hoe tambanivohitra. Dia soratako eto ihany aloha ho fitadidiako.
 

Fa ny tena tsikaritro ry zareo dia ireo andri-jiro mitovitovy karazana tamin'ireo teny amin'ny ranon'Anosy tsy hita nanjavonana ireny a! Teny Analakely koa tanatin'ny zaridaina manoloana ny arcades fipetrapetrahan'ny olona moa nisy karazany tena nahafinaritra mihitsy tamin'ny fiadidiana ny tanàna teo aloha fa efa ny fototra sisa niangana manamarika hoe hay moa nisy karazan-javatra tahaka izao koa teo Analakely teo.

Fa miresaka Analakely ihany dia manararaotra kely. Tena tsara endrika aoka izany ireo fefy fanitso ambony karazana entina mamefy ny zaridainan'ny Lapan'ny tanàna vaovao ireo an! tsy maintsy soloina ihany ireo fefy teo aloha indrindra ireo eo anoloana ireo fa efa simba sy manaratsy endrika ny tanàna loatra ny fefy teo aloha. Ny zavatra tsara tokoa aloha tsy maintsy miainga amin'ny fonony tena tsara sy maha-te-hijery e! Ho tsara fanomboka ity raharaha ity.

Tsy aleo ve tsy mivavaka akory?

2008-10-27 @ 20:48 in Finoana

Vao avy nandia faran'ny herinandro indray isika teo. Faran'ny herinandro hialan-tsasatra ho an'ny be sy ny maro. Fa misy ihany koa ireo mamonjy fiangonana amin'io fotoana io. Ny aty amin'ny ila-bolan-tany atsimo aloha mbola manana ny tanjany tsara io fivavahana io. Any amin'ny tany tandrefana no karazan'ny efa lefy mihitsy satria efa efa zary an-jaza izany amin'ny foto-pisainan-dry zareo.

Izaho manokana dia tsy mandà fa anisan'ny tena naharatsy laza ny fivavahana ny endrika famoronana natao handrendrika ny fisainan'ankizy tahaka ny dadabe Noely izay ho avy tsy ho ela indray. Efa mananontanona manko ny fetin'ny faran'ny taona. Rehefa mihalehibe ny zaza dia mahatsapa avy eo fa nofitahina tamin'ity resaka dadabe Noely ity. Mikisaka ho azy avy eo ny fisainana ka heverina koa avy eo fa mety ho noforoporonina ihany koa ilay Jesoa ifikiran'ny kristiana mafy. Mba efa nanaitra ihany aho tany alohaloha tany fa efa nahazo valinteny hoe dia ahoana indray no hamalifaliana ny ankizy? Dia ampiainana amin'ny lainga mandrakariva izy izany ho'aho koa.

Fa iray amin'izay tena mampihemotra ny fitoriana koa ny fihatsarambelatsihy ananan'ny maro amin'ny mpivavaka. Raha nahamarika isika dia io no teboka goavana iray tena famerimberin'ny olona tsy te-hiherika fivavahana intsony raha mijery ireo olona milaza azy ho mpivavaka manodidina azy izy. Ankoatra izay moa ny toetra hafa izay karazan'ny manambany sy miteny ratsy ary manompa mihitsy aza ireo efa lasa tsy mino an'Andriamanitra intsony. Rehefa dinihina dia entin'ny fo fotsiny. Matoa anefa ireny efa tsy mino ireny intsony manana ilay foto-pisainany tahaka izay dia efa lasa manana ny filozofiany noho ny fandinihana sy ny fandresendahatra tao anatiny tao indrindra rehefa mijery ireo heveriny fa mpino izy. Etsy andaniny anefa izany fandinihana lalina anaty izany (fandinihana ny tena sy ny hafa) toa tsy nandalo tamin'ny maro an'isa tamin'ny mpino fa ny mandray izay tany an-trano fivavahana izay very ny roatokony no heveriny fa fieritreretana nataony momba ny tenany.

Ankoatra izay indray moa ilay tantara laza ratsy nanalana baraka ny fiangonana an'arivony taona izao sy ity fisainan'ny fiangonana (tandrefana) ankehitriny efa mitsontsorika tanteraka ity. Miala tsiny aho miteny izany satria natao itoriana teny ihany koa ireo olona mivady amin'ny mitovy fananahana aminy sy ireo tsy manaiky ny nanaovan'Andriamanitra azy ho lahy na ho vavy fa izany tsy manome zo azy velively (amiko manokana) ho mpitari-pivavahana ihany koa nefa ny toetrany sy ny fironany mbola tsy miova akory. Tena mitsara indray aho eto ary azo kianina amin'ny fomba fihevitro. Ny mpitarika fivavahana manko dia fitaratra eo amin'ny manodidina azy. Matoa ny epistily nametraka fa tokony ho manambady tokana ny diakona sy ny mpitandrina ohatra dia misy jery ao tsy hitodihan'ny maso ho any amin'ny mpanankarena (lahy izay matetika mirona hanambady maro hatrany rehefa manambola izay) fa hiherika kosa any amin'ireo heverina ho mitandro tsara kosa ny hasin'ny ankohonana (ka manana ny fidelité). Izay fomba fijery izay dia ataoko fa mifangarika amin'ny fomba fijerin'ny be sy ny maro manerana izao tontolo izao amin'ny ankapobeny.

Fa hatramin'izao aho mbola tsy niditra mihitsy amin'ny anton-dahatsoratra akory. Hita tokoa aloha ankehitriny fa mbola misy ihany ilay endrika rebik'ondry manaraka ambokony izay izoran'ny be sy ny maro. Ny mampihomehy anefa dia ilay be sy ny maro ihany koa tsy manana tanjona mazava loatra. Ny tena ao an-tsaina dia araka ilay fomba fiteny malagasy hoe ny mitabe tsy lanin'ny mamba, ny akanga maro tsy vakin'amboa ary izay be no basy. Hany ka tsy hahagaga loatra raha misy ity tranga tantaraiko manaraka ity.

Misy tanora mitovitovy taona miaraka fiangonana, mifanakaiky dabilio na iray sampana dia lasa mpinamana ho azy eny. Lasa mpiresaka ary dia mora ho azy ny fifampitaritarihina. Tsy dia ho amin'ny tsara loatra ilay fifampitaritarihana fa miara-mibolisatra any ho any ka mampahatsiahy ilay hira "ô gorisa gorisa" somary lava iny fa manana tononkira miverimberina izay. Zavatra fahita isan'alahady izy ity na dia somary samy manana ny mampiavaka azy isam-paritra sy isam-piangonana ihany aza. Fiangonana eny ambonimbony eny eto Antananarivo no oharina eto ary tafiditra avokoa na ny fiangonana katolika na ny fiangonana protestanta. Misy fotoana leon'ny fizotran'ny fotoam-pivavahana ve ry zalahy (nefa maro an!) sa dia noho ny fahazaran-dratsy fa dia ireny miditra ao amin'ilay mpivaro-toaka avokoa. Feno ho'aho ny fivarotana ary misotro toaka avokoa ry zalahy nefa ny fitafy io ilay fitondra am-piangonana. Rehefa avy misotro ry zalahy dia mividy tsakitsaky sy na siligaoma avokoa mba hamono izay fofona mety ho tavela dia miditra am-piangonana indray. Mba jerijereo hoe ry zalahy ao ampiangonana ireny fa toa be mpitsako siligaoma rehefa avy noheverina ho "namonjy poritra" ireny.

Dia lasa amin'izay ny saiko hoe: tsy aleo ve tsy miangona tsotra izao toy izay mifamitaka tahaka izao? Iza no fitahina? tahotra ray aman-dreny angaha no nandehanana niangona tany? sa any am-piangonana no tena ahitana ny jôba ka izay ihany koa no tena mampazoto ho any fa tsy inona loatra? Sa mbola heverina fa izany mpiangona izany no ahazoam-boninahitra? Fatiantoka fotsiny ry zalahy ny mankany am-piangonana raha tahaka izany sady mandany fotoana fotsiny fa aleo ary mijanona any an-trano tsotra izao. Efa lalana mankany amin'ny tsi-finoana ihany aloha izany lalana izany rehefa mbola tsy nanaitra ilay feon'ny fieritreretana e! Any an-trano anie afaka mihaino izay tiana henoina, afaka mijery izay tian-kojerena ary afaka manao izay tiana atao e! Fa raha mijoro amin'ny maha-anao anao ianao no tsy menatra amin'izany ijoroanao izany mety hanana ny fiadanana anaty kokoa... dia ho tsapanao kokoa ny antony andehananao any ampiangonana na tsy tokony andehananao any intsony. Farafaharatsiny jerena ny namana izay tsy mitarika lava anao hivoaka ny fiangonana raha te-ho tamana ao ihany ianao.

Fahendrena fa tsy fahalalana no antoky ny Fitsarana

2008-10-25 @ 19:51 in Andavanandro

Be tamin'ireo nanaraka ny fitsarana ilay tovolahy nanana ny lazany tamin'ny setrasetra sy ny ditran'i Bad Boy tao Antsirabe ka nahafatesany olona mihitsy aza no tsy faly tamin'ilay didim-pitsarana navoaka. 20 volana sazy mihatra fotsiny sy onitra madinidinika, nefa tsy vao sambany ilay boay io no nandratra olona fa efa fanaony mihitsy sady afaka madiodio hatrany tamin'ny ditra nataony teo aloha rehefa niatrika fitsarana. Sambany izy tamin'ity indray mitoraka ity mba nahazo sazy mihatra. Efa nahemotra hatrany ny fotoam-pitsarana saingy rehefa tsapa fa tsy mihemotra hahalala izay didim-pitsarana ny maro dia notontosaina tsy fidiny ihany ilay fitsarana. Dia io no vokany. Mba rangitra koa izahay na dia aty amin'ny faritra hafa aty aza no mipetraka ary miahiahy fa misy fanaovana kolikoly ao na fahalalana olona mahatonga azy ho Tsimatimanota ka hirehareha mandrakariva.

Amin'ny lafiny ilany anefa toa tsy gaga indray amin'ilay toe-draharaha. Tamin'ny vanim-potoana taloha dia ny mpanjaka na ny tendriny no misahana izany raharaham-pitsarana izany. Tamin'ny ankapobeny ny olona napetraky ny mpitsara hisahana izany andraikitra izany dia olona mahay manadihady sy mamakafaka ny zavamisy na izay mety ho fizotrany tokoa. Misy fivoarany mandrakariva anefa ny olombelona. Tsy mivoatra ho tsara matetika fa mirona ho amin'ny fitongilanana. Na mba manapetra ihany koa ny olombelona fa tsy ary mahalala ny tokony ho rariny. Mety hisy ny sazy mifandaka tanteraka amin'ny heloka mitovy. Mety ho mati-kena-maso ihany manko ny mpitsara raha olona akaiky azy ny iray amin'ireo andaniny sy ankilany eo amin'ny raharaha iray. Tsy maintsy miaraka amin'ny fitsarana noho izany ny lalàna, ny fitsipika ary ny didy mba ho sazy mitovy na mifanahantsahana no ampiharina amin'ny heloka iray.

Nisy ihany koa ny fitsarana tamin'ny alalan'ny poizina zavamaniry (tangena) rehefa tsy hita intsony
izay tena marina sy diso amin'ny raharaha kanefa matetika araka ny tolo-bola ambadika ihany koa dia mety ho mahery na matsatso izany poizina sotroina izany. Amin'io fotoana io dia tsy araka ny fandehan'ny raharaha intsony no itsarana ny olona fa iantsoana ny hery hafa heverina ho ambony mba hamaly araka ny nataon'ny tsirairay ny herin'ny poizina. Karazandrazan'ny miakina amin'ny vintana sy ny tanjaky ny hery fiarovana ao amin'ny tsirairay ihany noho izany ity fomba fitsarana ity. Tsy dia idirantsika lalina loatra ny amin'ity tangena ity satria tsy misy mampihatra loatra intsony tsinona.

Fa nivoatra tsikelikely ny fomba fitsarana. Efa mipetraka ny lalàna koa dia manodidina ny lalàna sy ny fampiharana azy no tena nimasoana. Nilana fianarana manokana ny fahalalana izany lalàna izany. Manana ny manampahaizana manokana momba azy ny lalàna ka ireny olona ireny no heverina ho mendrika ny hisahana ny raharaham-pitsarana. Lasa asam-boninahitra ny misahana ny raharaham-pitsarana, tsiriritin'ny maro na mahantra na manankarena izany asa izany. Tsy dia misy loatra ny lafy ratsiny amin'izay toe-draharaha izay ankoatra ny fitadiavan'ny sasany hahazo izany asam-boninahitra izany amin'ny fomba rehetra, eny fa na dia ividianam-bola ny diplaoma manamarika izany aza.

Ny diplaoma azo tamin'ny kolikoly anefa tsy mijanona hatreo, mitady fitadiavan-tombotsoa ankoatra izay omen'ny fanjakana izany. Matoa koa notsiriritina ilay toeram-boninahitra heverina ho mifanaraka amin'izany ihany koa ny fidiram-bola tafahoatra aza. Manomboka eo ny ranomodin'ny tsy rariny. Ny herin'ny vola no manjaka. Ny fandio iray siny tokoa tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka. Tsy fantatra intsony ankehitriny izay ao amin'ny fandio sy ao amin'ny fandoto fa mihevitra ny maro fa be loatra ny tsy rariny avoakan'ny fitsarana... Tsy dia ataony mahagaga intsony raha misy ny mpanao ratsy afaka mandrakariva satria raha misy ny fitsarana diso dia tsy meloka ny amin'izany ny mpitsara fa ny fitsarana fotsiny no akarina ho amin'ny dingana ambony kokoa.

Eritreritra tsy tana ny ahy, eny fa na dia io heverina ho tantaran'ny fitsarana amin'ny ankapobeny io aza. Mba hitandroana ny rariny, tsy mba misy ve ny fanaraha-maso ireo mpamoaka ny didim-pitsarana ireo? mampanao ho sazy mihantona ny tokony ho asa anterivozona na tokony famonoana ho faty mihitsy aza! maninona raha arahi-maso tsirairay ny mpitsara? Jerena avokoa ny didim-pitsarana navoakany nandritra ny fe-potoana voafaritra ahitana izay nataony! sa tena tsy azo tanterahina mihitsy ny tahaka izany?

Fa raha sarotra ny manatanteraka izany eritreritro izany, maninona moa raha tsy maintsy ampitaina ho fantatry ny rehetra ny anaran'ireo mpitsara misahana ireny raharaha mafampana ireny ho fantatry ny be sy ny maro? Amin'izay fotoana izay ho fanta-bahoaka ho azy ireo mpanao fitsarana miangatra tsy mahalala afa-tsy ny herin'ny vola sy ny fahalalana olona akaiky. Amin'izay fotoana izay tsy ny Fitsarana amin'ny ankapobeny intsony no ho afa-baraka fa izay minia manao fitsarana diso matetika. Mba ho faly na ho kivy mialoha ihany koa izay miatrika ny fitsarana ataon'ireny karazan'olona ireny.

Nareo vehivavy ireto tena tssssssss...hihihi

2008-10-24 @ 12:44 in Andavanandro

Tena faly hanadrohadro an'i Kdaombaramita mihitsy aho eto. Tsy izaho aloha no namoha fady fa te-hitsikanikany kely fa tsy hanembona lava isaky ny zoma hariva izao. Fa tsy maintsy hamoaka tononkalo ihany amin'ny manaraka!

Inona indray no tsy mety ataon'ny vehivavy e? Aiza kosa ve rehefa maraina ireny dia Ar10 000 foana no mody omena ny resevera rehefa mandeha betax dia mody asiana indray hoe etsy ananona etsy aho no miala? Maninona raha tsorina hoe maninona letsy aho raha tsy ampandoavin'ialahy sarandalana? Dia eo indray izany mody Ar100 fotsiny indray no omena fa hoe akaiky no miala. Na dia inona koa aza?

Ny tena mahavariana aloha dia vehivavy daholo no tena mpanao azy. Tsy mbola nahita aloha aho ka hoe lehilahy no nanao izay fomba izay. Farany, tena lazaiko fa hanadrohadro an'i Kdaombaramita (heveriko fa viavy tsara matoa misy mikitika) no nanoratako ity. hihihi...

Ny soritra manambara fa marary i Jacques Sylla

2008-10-23 @ 00:45 in Politika

Efa nisy ihany ny fotoana namoahan'ny fampahalalam-baovao iray fa narary ny filohan'ny antenimierampirenena ankehitriny Jacques Sylla ka voatery nitsabo tena tany ivelany. Andro iray na roa taorian'ny filazana anefa dia nambaran'ny haino aman-jery hafa fa nandray masoivoho roa ny tenany toy ny ilazana amin'ny besinimaro fa tsy marina ilay filazana an-gazety. "Toy ny ilazana" fotsiny izany fa tsy nisy fanambarana nataony tamin'ny mpanao gazety tsy akory mandiso ny vaovao niely teo aloha.

Izay nahita ny fandraisam-bahiny roa nataony dia nanontany tena ihany hoe tsy marary ve izany izy? Efa nananontanona ihany anefa ny fanokafana ny taom-piasan'ny solombavam-bahoaka izay entiny amin'izao fotoana izao. Tranga roa avy hatrany no tao an-tsaina raha vao nahita izay fivoaran-draharaha izay. Ny voalohany dia tena narary tokoa izy fa miezaka ny manafina, satria toa mora ny hanalana ny olona amin'ny toerany raha vao hita ny fahalemeny. Mbola tarazo amin'ny mpitondra ankehitriny manko ny manafina ny aretiny amin'ny vahoaka, indrindra fa manoloana ireto mpanohitra mitady izay fomba rehetra hamelezana anao na dia amin'ny zavatra tsy misy dikany ireto aza. Faharoa, te-hisongadina kely izy na manana zavatra tian-kambara (na amidy raha toa ka artista izy) dia mody atao ny filazana fa marary izy na nisy zavatra toy izao na izatsy nahazo azy. Sarotra ihany anefa ny ilazana fa te-hanao ity tranga faharoa ity izy na dia eo aza ny fanambarany ny karazam-pahasahiranana mianjady amin'ny vahoaka izay tsy misy azo lavina nataony tamin'ny fotoam-panokafana teo.

Tonga tokoa ary ny fotoam-panokafana. Dia nitatitra ny nolazainy ny haino aman-jery nihazakazaka tany amin'ny filazana ny zavatra nolazainy. Dia variana tany avokoa ny mpamaky sy ny mpijery ary ny mpihaino fa mety ho vitsy ny olona nahatsikaritra ny fomba nampitan'ny filohan'ny Antenimierampirenena ny resaka. Ny kabary nataony tamin'ny radiom-pirenena ihany, eny tompoko mihaino dia mihaino ary mpanaraka ny vaovao atoandron'ny Radio Madagasikara aho, no nahafahana nahatsikaritra fa farim-peo dia farim-peo ny lehilahy ary toy ireny tsy hahatafavoaka feo ireny aza fa manery tena tsotra izao hamita ny kabariny araka izay tratra. Tena niova ny feony, tsy azo nafenina io indrindra fa mpiteny sy mahay mandaha-teny izy ka mahatadidy tsara ny feony taloha aho. Asa ianareo raha mahatadidy fa nisy ny filazana tany alohaloha tany ny tsy amoahana ny teniny mihitsy amin'ny haino aman-jerim-panjakana. Nahagaga anefa tamin'ity indray mitoraka ity fa nivoaka ny kabarim-panokafana nataony. Ny aiza no tena tian-kavoitra? ny filazana ny fahasahiranam-bahoaka sa ilay feony farina nilaza ny fahasahiranany niteny?

Marihina moa fa zanaky ny Minisitry ny raharaham-bahiny tamin'ny andron'i dadabe Tsiranana Atoa Albert Sylla ny lehilahy, efa nandray ny fitantanana izany minisitera izany ihany koa izy (nanaha-dray?) tamin'ny fotoana nitondran'Atoa Zafy Albert ary efa praiminisitra nandritra ny vanim-potoana voalohany nitondran'ny filoha Ravalomanana mitondra ankehitriny. Misy hosinganina ihany koa ny tranga nahazoany ny toerana mahafilohan'ny Antenimierampirenena azy amin'izao fotoana izao. Io manko no toerana azo lazaina ho tsy tinendrin'ny Filoha ankehitriny na baiko avy aminy fa tolona manokana tamin'ny alalan'ny fampiasana ny haino aman-jery indrindra fa ny karajia tamin'ny fotoan'androny. Niverimberina matetika manko fa noho ny efa maha-protestanta (refôrme) ny filoha sy ny praiminisitra dia tsara raha mba katolika kosa no filohan'ny antenimierampirenena. Terin'izay fandresen-dahatra izay, araka ny fijeriko azy ny mpitondra mpanatanteraka, no nahatonga azy nanaiky tsy fidiny hamela io ho azy. Sandan'izay moa, dia nofandrihana sy nandrasana kendry tohina ny fandaharana karajia tsy hanasongadina olona tsy avy amin'ny sitrapon'ny mpitondra mahefa intsony.

matv: Sary ahetsika asolo ny sarimihetsika

2008-10-21 @ 09:25 in Kolontsaina

Tena mifaninana sy mitady fandaharana vaovao hatrany ny haino indrindra fa ny JERY eto Madagasikara. Efa mahazatra antsika ohatra, noho ny hala tahaka avy amin'ny reny malala mba ho amin'ny valo ora alina ny vaovao amin'ny alina amin'ny ankamaroan'ny fahitalavitra eto an-drenivohitra. Efa ifaninanana ihany koa ny mandefa fandaharan-kolotsaina avy eo Madagasikara na  tontosaina eto Madagasikara isaky ny faran'ny herinandro. Fa ity an'ny matv ity indray no hafa.

matv na madagascar television moa no fahitalavitra tsy miankina ara-dalana nijoro voalohany indrindra eto Madagasikara nefa tsy voatery ho izy no be mpanaraka indrindra. Ny rta aloha no manana ny lazany indrindra hatramin'izao araka ny fijeriko azy na dia tsy mpanaraka azy io loatra aza aho. Ny tena marina moa dia tsy mpijery fahitalavitra loatra ankoatra ny vaovao tsindraindray angaha aho. Fa inona aloha ilay hafa ataon'ny madagascar television?

Matetika aorian'ny vaovao alina dia oronantsarimihetsika no alefan'ny televiziona amin'ny ankapobeny. Lahatsaripika tena sariolona sy tanàna nopihina mitohy fa tsy sary novolavolaintanana na tamin'ny alalan'ny computer. Mba ho karazana fitarihandalana ary dia sary ahetsika (déssin animé) indray no hitako nalefan'ny matv tamin'ny zoma sy ny sabotsy alina aorian'ny vaovao. Tsy fantatro ny andro manaraka fa tsikaritra ihany io. Sary ahetsika mpandeha amin'ny ora iasana ihany fa mety tsy ho hitan'ny olondehibe (mihoatra ny 25 taona) noho ny anton-draharaha. Tahaka ny mampihomehy ny mieritreritra ilay izy saingy fantatra tsara kosa fa be amin'ny olondehibe no mpakafy sary ahetsika... fa ilay mahatsikaiky aloha no tena ankafiziny e!

Efa nosiahan'ny Malagasy ihany koa ny La Marseillaise

2008-10-19 @ 18:06 in Spaoro

Nanana ny akony nahatonga ny filoha Frantsay handray fanapahan-kevitra hanajanona avy hatrany ny lalao ny fisiahana ny La Marseillaise hiram-pirenena Frantsay mandritra ny lalao iraisam-pirenena iray ilalaovan'ny ekipam-pirenena Frantsay amin'izay mifanandrina aminy (any amin'ny taniny).Izany dia tohin'ilay toe-javatra nitranga tao amin'ny Stade de France nihaonan'ny ekipam-pirenena Frantsay tamin'ny ekipam-pirenena Toniziana izay nozanahin'ny Frantsay taloha tamin'ny talata 14 oktobra 2008 lasa teo.

Ny tena tsy levon'ny vavonin'ny Filoha Frantsay sy ireo antoko lehibe UMP sy PS tamin'ity fisiahana ny hiram-pirenena Frantsay ity manko dia ny karazana famadihana ataon'olona mizaka ny zom-pirenena Frantsay ihany. Miharihary eo imason'ny rehetra manko fa ireo mpijery Arabo nanatrika ity lalao ity dia mizaka ny zom-pirenena Frantsay ny ankamaroany. Tena manafintohina tokoa raha ianao izay nitady ny zom-pirenena Frantsay ka nahazo izany no misiaka ny hiram-pirenena Frantsay mandritra ny fihaonana ara-panatanjahan-tena iray. Eritrereto anie ka ny Tanindrazanay Malala no anaovan'ny Malagasy toetra toy izany e!

Ny teto Madagasikara moa dia tsy nahita ity lalao ity, sy ny Champion's league ihany koa, satria toa misy tsy fifankahazoana lalina eo amin'ny CFI sy ny TVM, na eo amin'ny mpitondra Frantsay sy ny mpitondra Malagasy ihany koa saingy tsy mivandravandra loatra izany; fa na izany aza dia tonga taty ny akony noho ny vaovaon'ny TF1 alefan'ny televiziona sasantsasany eto an-toerana. Raikitra ihany koa ny adi-hevitra eo amin'ny mpinamana na mpihavana ny amin'ny mahamety na tsia ny fihetsika nataon'ny Arabo nisiaka ny hiram-pirenena Frantsay ity. Eken'ny rehetra manko fa mafana ra ny Arabo. Etsy andanin'izany, raha misy ekipa Malagasy tonga any amin'ireny tany vaventy ireny dia hotohanan'ny Malagasy monina any ireny, eny fa na dia mizaka ny zom-pirenen'io firenena io aza izy. Hafa manko ny akaikin'ny fony raha mbola teto Madagasikara ihany koa no nahalehibe azy. Hafa mihitsy indray ny sain'ny ankizy raha tsy mba nohalehibiazina teto Madagasikara izy. Fa eo amin'ilay fisiahana ny hiram-pirenena mihitsy no mampisara-kevitra ny maro.

Fa olona efa retirety kosa no nilaza, izaho tsinona tsy nahita, fa efa nosiahan'ny Malagasy ihany koa ny Hiram-pirenena Frantsay raha sambany mba nisy ekipa avy any Lafrantsa mihitsy fa tsy avy ao La Réunion nandingana ny kianjan'ny Mahamasina tamin'ny taona 80 tany ho any. Mbola nisy tavela izany ny fankahalana Frantsay nandritra io fotoana io na dia efa tanaty fahasahiranana aza ny Malagasy. Vao nanomboka hoy izy ny La Marseillaise dia nisy olona maromaro nisiotsioka ilay hiram-pirenena. Nifampijerijery, hoy izy, ireo niaina tsara izany Fanjanahantany izany. Voakapokapoka karavasy sy mety higadra mihitsy izay mbola tratra mihetsiketsika mandritra ny La Marseillaise, na izay lehilahy tsy manala satroka ihany koa. Tsy azo natao ny miresaka fa manaja tsara ilay hira ihany no zava-dehibe. Ankehitriny (tamin'io fotoana io) dia toa tsapa tokoa fa tsy voafehin'ny Frantsay hay ny Malagasy ka azo natao na dia ny nanompa ny hiram-pireneny La Marseillaise aza.

Fandalovana ihany anefa ilay vanim-potoana satria nandritra ny Lalaon'ny Frankôfônia notontosaina teto Madagasikara ka nanao ny famaranana tamin'ny basket ny Frantsay sy ny Senegaly dia naka Frantsay avokoa ny 98%n'ny mpijery Malagasy. Tsotra ny antony, Ny senegaly manko no nandresy ny Malagasy tany amin'ny dingana talohaloha tany. Izaho kosa no tao anatin'ilay 2% nanohana ny Senegaly satria fiaraha-mientana Tatsimo sy Afrikana ary samy nozanahin'ny Frantsay no tao an-dohako. Izaho izany ilay nihoraka mafy rehefa nandrombaka ny amboara ny Senegaly fa toy ny nivoaham-paty kosa ny ankamaroan'ny Malagasy. Na ireo namako niara-nijery ny lalao tamiko aza lasa nisy niavona tamiko rehefa nody, nefa aho amin'io mbola nanadrohadro ihany.

Ny tena nahavariana ahy dia ny tamin'ny lalaon'ny nosy notanterahina tamin'ny herintaona teo (Aogositra 2007). Tena tsy menatra ny manohana La Reunion mihitsy ireo vehivavy Malagasy manambady Frantsay na dia Malagasy izao aza no ifanandrinany. Tena babon'ny Frantsay tokoa, hoy aho, ny fo amam-panahiny ka tsy nanafina mihitsy ny fankamamiany Frantsay ry zareo. Dia hoy aho namarana hoe, tena hafa mihitsy ny Malagasy mizaka zom-pirenena Frantsay raha ny tahaka azy ireo. Miala tsiny aminareo vehivavy manambady vazaha aloha fa tsikaritra sy nivandravandra mihitsy io tamin'ny lalaon'ny Nosy ranomasim-be Indiana farany teo, ka tsy vitsy ny bandy no letra sy nanompa azy ireny mihitsy aza saingy safidy io ka tsy ifanerena no tena marina.

Ny e-bit 12 tsy hitan'ny besinimaro

2008-10-18 @ 22:38 in Andavanandro

Malaza ihany ny e-bit amin'izao fotoana izao. Eo manko no ifaninanan'ny mpanome tolotra ny hiaka farany amin'ny sehatra misy azy tsirairay avy. Efa andro natokana ho an'ny besinimaro moa ny faran'ny herinandro ka ny fitaovana isankarazany no arantiranty mba hamidy. Ao amin'ny lapan'ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina moa no anatontosana ity hetsika ity.

Ny zoma teo kosa ny ahy no tantaraiko. Zoma, fotoana natokana hitsidihan'ny mpianatra madinika sy lehibe ity hetsika ity. Mazava loatra fa ny hijerijery no tena ataon'ny mpianatra fa tsy ny hividy loatra. Mety hifanindran-dalana amin'izany ny tsy iraharahian'ny mpivarotra ireto mpitsidika ireto. Tsy misy vola miditra loatra manko no dikan'izany. Ireo nandray anjara tamin'ny Barcamp teto Antananarivo tamin'ny 4 oktobra 2008 lasa teo kosa dia nomena toerana malalaka tany amin'ny efitra kelikely kokoa fanaovana fanazarantena an-trano io atsinanan'ny Lapaben'ny Kolontsaina io. Io andro zoma io ihany manko andro nandraisan'ny "Quartier Libre" (ireo nandray anjara mavitrika tamin'ny Barcamp teto Antananarivo) anjara tamin'ity hetsika ity. Hampiseho sy hanazava ary hanorotoro fa tsy hivarotra tahaka ny hafa rehetra sy zatra ny hetsika toa tsy misaraka amin'ny varotra.

Indreo ary ny tanora erotrerony maro avy amin'ny foko-madagascar (foko blog club) avy any amin'ny faritany, avy eto an-toerana ary avy any ampita no maro an'isa sy miavaka indrindra indrindra noho ny tee-shirt fotsy misy ny famantarana ary nomena ny andraikiny tsirairay avy tamin'ity hetsika ity. Toy ny olona tsy mahalala vizana mihitsy i Jogany mivezivezy etsy sy eroa mikaro-bahaolana noho ny toe-javatra tsy ampoizina isan-karazany. Tena deraiko manokana kosa izy tsy nitandro hasasarana sy nividy izay fitaovana rehetra mety ilaina eo noho eo hampahafatarana araka izay azo atao ny hetsika "Quartier libre" (foko, telomiova, c3lf, amul, Madagascar au temps TIC,...) izay sady tsy nampahafantarina ampahibemaso loatra no toa natao an-takonana tsy fantatry ny atsy amin'ny efitra lehibe akory ny fisiany, enga anie mba ho diso tanteraka ny hevitro eto.

Raha efa niomanana ny hanaovana videoprojecteur ho an'ny Quartier libre dia tsy nisy tampoka ny fanamafisam-peo itenenana. Raha tonga ary ny andiany voalohany tamin'ny mpianatra dia tsemboky ny niteny mafy avokoa ireo tokony ho mpanentana nefa toa tsy ren'ny ankizy loatra izany. Ny tena fotsiny no tsemboka, soa aloha fa voavaha ihany ny tamin'iny avy eo. Manaraka izany dia mifanila aminay moa ny Minisiteran'ny inona angaha (fahasalamana sa mponina sa fampianarana fa resaka ady amin'ny SIDA aloha no fototra). Nisy lahatsary fohy naseho ary dia nanontany ny mpianatra avy teo. Noho ny dokambarotra niseho tetsy sy teroa ary dia zavatra hafa ihany no voatazon'ny sain'ny ankizy. iray aloha mampiasà kapaoty (fimailo io). Toa nisy fanontaniana nipoitra tampoka nomena ny ankizy ary hoe fa firy taona dia efa mahazo manao firaisambatana. Nisy ny namaly hoe 16 taona, nanontaniana izay mitovy hevitra tamin'ilay namaly fa be no nanangatanana. Oay lehiretsy! nihomehy fotsiny ny olondehibe. Efa nilaza ny ao an-tsainy aloha ny ankizy e! dia hitanareo ny nosaininy tany anatiny tany!

Henoko tsara io satria gaga aho tamin'ny fanakanana ireo ankizy tsy hiampita tety amin'ny Quartier libre raha toa tsy nahaliana azy ny resaka. Tsy maintsy mihaino ny resaka fanasana tanana (andron'ny fanasana tanana amin'ny savony tokoa moa? atidoha hatramin'ny farany aloha ny mpianatra vao mahazo miala teo. Hitako tsy tratran'ny minisitera mihitsy ny tanjona satria tsy tafajanona ela teo intsony ny ankizy manaraka ary nony farany aza tamin'iny maraina iny dia nihanjahanja nampalahelo teo ny habaka lehibe nisy azy. Rehefa nandalo hitafa amin'ny mpanao gazety vetivety ny sekretera jeneraly no niangaviana izahay tsy hampiasa fanamafisam-peo aloha fa tsy mampihena ny fifantohan'izy ireo. Izahay anefa tsy nitabataba ahoana akory saingy nahatsiaro ho difotra ihany koa noho ny fanontanian'ny ankizy isankarazany sy ny fahamaroan'izy ireo.

Resaka fanentanana sy fanazavana izany ny tao amin'ny lapakely atsinanana fa tsy misy zavatra amidy. Mba hiavahanay tamin'ny besinimaro sy hanatonan'ny olona anay hiresahany aminay dia naka teeshirt foko ihany koa izahay (nanaronako ny teeshirt telomiova nanaovako) hanaovana hitovin'ny akanjon'ny mpanentana sy ny mpikatroka rehetra. Nisaotra hatrany an'i Jogany tsy sarotiny. Tsy maintsy noheverina manokana ny nametrahana afisy teo ambaravarana hamantaran'ny ivelany fa misy zavatra mety hahaliana azy ireo ihany koa tamin'ity e-bit ity fa tsy voatery ho CITIC nafindra toerana fotsiny ilay hetsika. Isaorana ihany ny mpikarakara nanome fotoana ho anay tamin'io andro io.
 
Ny maraina moa izahay no teo fa tsy maintsy namonjy ny lahasa andavanandro kosa ny tolakandro. Ny tolakandro indrindra anefa no tena misy ny fanentanana, ny atrikasa (ateliers) mety nahaliana ny besinimaro hiresaka zavabaovao amin'izy ireo. Tsy afaka milaza izay tsy natrehako no sady tsy nahazoako fitateram-baovao momba ny tolakandro aho. Marihina fa efa ady sy tolona (resaka sy fifandraharahana ary fifanazavana), miandry valiny mivory hatramin'ny folo alina ny alarobia, hatramin'ny valo sy sasany alina ny alakamisy vao nahazo io fotoana zoma io ny Quartier libre. Isaorana hatrany ireo rehetra avy amin'ny Quartier libre niady varotra mba hahazoana anjara toerana ho an'ity andro tokana ity.

Ny dina ifanaovana

2008-10-17 @ 22:11 in Kolontsaina

Tononkalo iray efa nosoratako tany amin'ny sehatra hafa nefa voafafa no averiko etoana. Efa voasoratra koa ny lohateniny. Eo anila moa dia misy soratra nataoko nanao hoe:"Noho ianao ve no nampiova ahy? Tsia, ny fisainako momba anao sy te-hanana anao". Tsy fantatro ny andro nanaovako io fanamarihana io fa ny tononkalo kosa hovakianareo etsy ambany ihany.

Ny dina ifanaovana

 

Raha amin'ny fiainako ety an-tany
Ianao irery ihany no aina
namelona indray fanahy saiky maina
nanome hery ilay fo nitaraina
nanaitra izato foko, nandrisika ny saina
Eny e! tsy hay faritana raha izany no lazaina

Ianao irery ihany anie ry Tiana
Ilay hany olo-tokana izay nofidiana
Tiako itantarana ny gejam-pahoriana
sy iaraha-manandratra ny hehin-kafaliana
Tsy misy olon-kafa afa-tsy ianao irery ihany
Ianao no fiononako raha toa aho mitomany

Tiako raha ny fontsika no miara-mitempo
miara-manina sy miara-misento
Eny, fantatrao
Tao aminao Rahavana
no nahitako fitia iriko tsy ho lany
Ka ny fandalovana ety hiarahantsika hatrany

Mety ho adala ny fihevitrao ahy
Tsy isalasalako izany ary tsy misy ahiahy
Eny efa fantatrao
Tsy voafehiko intsony izay tsy tokony atao
Tsy mampaninona raha izany
satria ny hiadaladalako ianao irery ihany

Ny foko mihitsy no manome toky
ny teny omeko tsy tenim-boloky
fa raha ny finoako
tsy hohelezin'ny rivo-mifofo
sady tsy hiova no tsy mety hiofo
ny dina ifanaovana tsy misy soloky

Jentilisa, 07 desambra 1992

 

 

Moa ve ho tafaray ny polisy sy zandary mpifandrafy any ambadika any?

2008-10-16 @ 20:31 in Politika

Baikon'ny filoha faratampon'ny foloalindahy ny hanambàrana ny polisy sy ny zandary ho deparitemanta iray. Ny antony araka ny filaza dia mba hahombiazana kokoa eo amin'ny asa fitandroana ny fandriampahalemana anatiny eto amin'ny firenena sy hamerenana ny hasin'ny mpitana fitaovam-piadiana ary ny hisian'ny fifampifehezana matotra kokoa.

Mpifanerasera amin'ireo vondron'asa mpitazona fitaovam-piadiana roa ireo ny tena. Mpitam-piadiana ny roa tonta ka manana ny heriny avy. Azo ambara aza fa samy miaro ny vondrona misy azy avy ny tsirairay ary mifanindry mihitsy aza, tafiditra koa eto ny miaramila. Politika napetraky ny mpitondra teo aloha nampanjaka ny zarazarao hanjakana ny nijoroan'izy ireo ho samy manana ny azy. Fiarovana ny sezany mahomby tokoa izany. Raha toa manko mitady hanongam-panjakana ny ao amin'ny polisy sanatrian'izany dia tsy maintsy hanao izay hanakanana izany ny ao amin'ny zandarimaria na ny mifamadika amin'izany. Izay no nahatonga ny hadihady hoe raha tafaray eo ny fanapahana sy ny fifehezana mety ho mora kokoa ny fanonganam-panjakana satria tsy misy hery mifandrafy loatra intsony.

Nahoana ary no najoro ny baraingo amin'izay ho fahombiazan'ny fampitambarana ny polisy sy ny zandary? Ohatra vitsivitsy: Any amin'ny polisy, araka ny tatitry ny zandary sasany, vao any ampiofanana dia efa masahina ao an-dohan'ireo mpianatra ho polisy ireo amin'ny taranja tantara fa ny zandary no namono ny polisy tamin'ny rotaka 1972 (fony FRS na Forces Republicaines de sécurité) sy tamin'ny 1975 (fony Groupe Mobile de Police na GMP) tamin'ny fiokona nataon'izy ireo tetsy Antanimora ka niampangana azy ireo ho namono ny filoham-panjakana. Avy amin'ny zandarimaria indrindra anefa tamin'io fotoana io ny filoha nitondra ny firenena. Noho izany efa nomanina ho hery mpifanandrina amin'ny zandary sahady ny polisy. Etsy ankilan'izay dia mirehareha amin'ny fiofanana vitany kosa ny zandary fa ny asan'ny polisy rehetra dia vitany raha ampanaovina azy fa ny polisy kosa ho be ny asa tsy ho vitany raha ampanaovina ny asan'ny zandary ireny. Ny vola fandrain'ny roa tonta anefa toa mifamadika amin'izany. Ny lasitra famolavolana ny roa tonta izany dia tsy mitovy velively. Sarotra ny hahombiazan'ny fampitambarana raha tsy ny toby fiofanana mihitsy aloha no raisina.

Ankoatra izay, mety tsy ho eken'ny eritreritry ny polisy velively ny ho baikon'ny zandary ary mihivingivin-doha tanteraka ny zandary ka hoe eo ambany fifehezana manamboninahitra polisy. Mifampihevitra ny ho sakamalaho sy havozo manko ka samy manana ny hanitra ho azy. Be ny mihevitra fa noho ny baikon'ny filoha dia manaiky ambava ny manamboninahitra avy amin'ny roa tonta fa any anaty any kosa mety ho efa mivonto ny fo.

Manaraka izany indray ny fipetraky ny rafitra an-tanan-tohatra. Ny avy amin'ny polisy dia mahita avy hatrany fa ny Praiminisitra no eo amin'ny faratampon'ny rafitra vaovao. Amin'izao fotoana izao anefa dia manamboninahitra jeneraly avy amin'ny zandary no mitazona izany toeran'ny praiminisitra izany. Singa eo amin-dry zareo izay hilazana fa tadiavin'ny zandarimaria atelina tanteraka ny polisy. Etsy ankilany indray anefa toa vitsy ihany miohatra amin'ny zandary ny polisy manana laharam-boninahitra ambony ka tsy misy isafidianana loatra hitana andraikitra ambony, hany ka na sanatria aza mety hisy ny tsy fahombiazana eo amin'iny olona iny dia tsy misy ihany na dia izany aza ny mahasolo azy.

Tohin-dresaka ihany dia maminavina aho ny amin'ny antony mahatonga izao fanapahan-kevitry ny filoha izao. Heveriko fa noho ny nataon-dRazafindrazaka Emmanuel fantatra amin'ny mampalaza azy hoe Bôlô izay manamboninahitra ambony ao amin'ny polisy no nandraisana ny fanapahan-kevitra hitelemana ny polisy ho zandary izao. Kely ihany ny herijikan'io vinavina io na dia izany aza. Be ny mihevitra fa ny deparitemanta ihany no ho iray fa samy hiolonolona amin'ny misy azy avy ny roa tonta. Tsorina fa fanahiana goavana amin'ny mety ho fipoahan-javatra tsy ampoizina no ho vokatry ny fanapahan-kevitry ny Filoha izao raha tsy mitandrina izy. Arakaraky ny seza very ao amin'ny manamboninahitra avy amin'ny roa tonta manko nomety hisian'ny fifanandrinana. Fa enga anie ny hamisavisana ny ratsy hiavian'ny soa na dia izany aza.

Farany, tsaroako tsara fahakely fa tena tiako mihitsy ny hanao izany asana zandary izany. Asa inona loatra angaha no nahatonga izany? Soa ihany fa sady keliray ny tena no kely endaka fa teo amin'ny fahaizana mitifitra ihany no tsy azo novazivaziana (tsy niraty tifitra aho fony izaho SN teny Langaina vao sambany nanao izany).

Omeo vehivavy hendry aho...

2008-10-15 @ 22:39 in Finoana

...hananganako firenena vanona. Noheveriko ho teny ao amin'ny baiboly izy io; kanjo diso hevitra aho. Tenin'olona tsotra izy io. Tsy nahita azy io tao amin'ny baiboly aho, na izaho no tsy nahay nikaroka azy...nefa nandany fotoana ihany hijery azy tao amin'ny kônkôrdansa. Amin'ny ankapobeny anefa dia nampidirina ho anisan'ny soatoavin'ny mpandala ny baiboly ny teny ary matetika no karazana atao ho lohahevitra mihitsy aza. Ekeko ny fahamarinan'ny teny sy ny lanjany. Tsy mba tahaka izany kosa anefa fa laviko kosa ny fanandratana ny teny hoe "Ampio ny tenanao dia hanampy anao ny lanitra"na ny "Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany". Fa mitady hivaona amin'ny resaka tiako fotorina aho izany.

Mametraka sahady fa ny vehivavy hendry no fototry ny firenena vanona. Ny vehivavy manko no miteraka ary mahatsapa ny vesatra sy ny fijalian'ny fiterahana. Rehefa tontosa anefa ny andro iterahana ka tonga ny zaza, iny no lasa mamy indrindra ho an'ilay niteraka azy. Mamy tena mamy raha zanaka niriana fa fanorisorenana kosa raha vohoka azo tsinahy noho ny fahafinaretana fotsiny ihany. Taonjato anjakan'ny fahafinaretana tokoa izao iainantsika izao nefa miara-dalana aminy ihany koa ny voninahitra. Matetika raha misy ny vohoka tsy nirina na ivelan'ny fanambadiana nefa mba manana ny hajany ihany ny ray aman-dreny no karohana mandrakariva izay hanalana iny zaza am-bohoka iny. Lasa ambany noho ny voninahitra na ny fahafinaretana ny aina. Ny aina izay sarobidy indrindra eo anatrehan'Andriamanitra. Te-hahalala anefa aho etsy ankilan'izay hoe firy isan-jaton'ireny nanala zaza ireny no nanenina tamin'izay nataony avy eo? Raha olona tsy mahalala afa-tsy ny fahafinaretana aloha mety tsy hanenina mihitsy, mitohy am-pilaminana indray manko ny revy. Fa raha olona notezaina ho olom-banona ihany na tonga amin'izay amin'ny faniriana hananjanaka amin'izay no lasa afa-jaza hatrany avy eo? Deraiko manokana noho izany ny vehivavy nisafidy ny hitazona ny zanany na dia nofitahin'ny sakaizany nanaovana filan-draha tsy mahita fotsiny aza. Tsy miresaka fandrindram-piterahana ivelan'ny voajanahary kosa indray aho.

Manaraka izany, eto ampanoratana aho no mahita fa toa mifandaka ny fahafinaretana sy ny fandraisana andraikitra hametraka fanorenana maharitra sy mitohy. Efa manjaka amin'ny Tandrefana sy ny mpandala faratampony ny kolontsainy miridana toa soavaly tapa-kofehy fa tsy maharitra velively izany fanambadiana izany. Resaka fahafinaretana ara-pananahana sy fianohana anaty vola aman-karena no heveriko ho fototr'izany. Ny tsapan'ny olon-dehibe ihany no lanjalanjainy, ny fitiavan-tenany hikaroka hatrany ny fahafinaretany no asandratra hany ka tsy noheverina velively tao anatiny ny ratram-po mahazo ny zanaka iharan'ny fisarahan'ny ray aman-dreny. Mizaka ny safidin'ny fitsarana amin'izay hitaiza ny zaza sisa no mba zon'ny ankizy.

Omeo vehivavy hendry aho hananganako firenena vanona. Toa mametraka fa andraikitry ny vehivavy ihany no hahavanona ny taranaka handrafitra ilay firenena rahampitso. Fahadisoan-kevitra izany: efa manamarika sahady ny fahavononan'ilay miteny heverina ho lehilahy mihevitra hanorina, hanangana, hanohy izay hahavanona ny firenena izany. Manambara fa tsy vitan'ny lehilahy irery ny manangana io firenena io fa tsy maintsy manana ny anjara toerany lehibe ny vehivavy. Tsy lehilahy sy lehilahy no hiandraikitra amin'ny fanorenana ilay ankohonana fototry ny firenena ary tsy vehivavy sy vehivavy ihany koa fa lehilahy sy vehivavy. Lehilahy iray sy vehivavy iray miara-mibanjina ny hoavy ho an'ny ampitsony sy ny taranany.

Mandrapahazoako fahana moov

2008-10-13 @ 14:48 in Toekarena

Amin'izao fotoana izao dia manana tolotra vaovao indray ny dts amin'ilay hoe moov yes. Araka ny haitao adsl araka ny filazany moa io tolotra io ka 200Mo ny vesatra ambony indrindra zakan'ny 49 000Ar. Mifanaraka amin'izany anefa dia tsy ahitana fahana intsony eny amin'ny fivarotana mahazatra amin'izao fotoana izao. Na dia efa nandalo tao amin'ny masoivoho tetsy Analakely aza aho dia mbola tsy nahazo fahafaham-po fa ny valiny dia hoe tokony hisy tonga androany fa mbola tsy hita. Tamin'ny herinandro io fandalovako tao io. Mikatso tanteraka izany ny zavatra ataoko amin'izao fotoana izao mandrapahazoako fahana vaovao. Nisy fetr'andro tokoa manko ny fahana teo aloha ka amin'ity volana ity no azo ampidirana azy farany. Dia miandry ny sitrapony izany izahay efa nifidy azy aloha.

Vatosoa: Halaza koa ve ny orika (scandale) bolongam-batosoa 383kg hafa indray?

2008-10-11 @ 10:46 in Toekarena

Raha nanana ny lazany ka nandraisan'ny fitondram-panjakana fanapahan-kevitra ny hampitsaharana hatreo ny fanondranana vato, indrindra ny vatosoa dia tsy mampihena velively ny fandraharahana amin'ity sehatra ity izany. Mody nampandriana adrisa ny rehetra tamin'ny lahatsoratra an-gazety fa manomboka miala amin'ity sehatra ity izay zatra izany teo aloha satria tsy afa-manondrana intsony nefa tsy nisy kelimaso nody tany amin'ny taniny velively teo.Toa vao maika aza miroborobo ny varotra.

Raha eo amin'ny resaka vatosoa manko dia eto 67ha indray no karazana Ilakaka (tsy mbola nahita ilakaka mivantana aho) vaovao eo amin'ny fandraharahana. Ny any Ilakaka resaka safira fotsiny fa ny eto kosa rehefa vatosoa mandeha daholo. Mahavariana fa kelimaso daholo ireto mpividy vato eto amin'ny tanàna ireto. Mampieritreritra hoe sao dia ity indray ary no fifanarahana miafina teo amin'ny Malagasy sy ny Shinoa amin'ny fananganana ireo Hotely ny trano ho an'ny filoham-panjakana hivory eto Madagasikara amin'ny herintaona? Ahiahy io fa tsy hoe ny marina tsy akory fa zarako aza diso hevitra aho ny amin'izay.

Eto amin'ny manodidina ahy manko raha misy elanelana mifanalavitra indrindra amin'ireto mpividy vato ireto dia 100 metatra ihany. Mety ho azo eritreretina ihany ny hoe mifaninana izy ireto raha hividy nefa mahita tsara aho fa dia mifampiresaka sy mifampitsiditsidika izy rehetra; mety hoe mifampitsilo nefa manahy aho fa toa iray ihany ny lehiben'izy rehetra.

Manaraka izany, mahita tsara aho fa tena be tokoa ny mivezivezy mivarotra izay hitany ny Malagasy mitondra ny entany any amin'ireny Kelimaso ireny ka raha tombanana efa tokony ho hipoka tanteraka ny tranon-dry zalahy mpividy ireto nefa dia toa mahita toerana ametrahana ny entana tonga hatrany ry zalahy. Mazava loatra fa misy ny foiben-toerana andefasany izay entana azony. Tsy anjarako, sady tsy manam-potoana amin'izany aho, ny mijery ny lalana alehany rehefa miala eto 67ha fa ny mahalasa saina ahy dia hoe tsy mba tsikaritry ny minisiteran'ny harena an-kibon'ny tany mihitsy ve fa eto daholo no ivantanan'ny entana entin'ny malagasy ho an'ny Shinoa ary hatreto indray ny entana no miainga ho amin'ny sehatra avoavo kokoa? Raha tiana ny hifehezana ity sehatra ity, moa tsy eto ve no arahi-maso voalohany, afa-tsy hoe efa nisy ho'aho ny fifanarahana teo amin'ny fitondram-panjakana malagasy sy shinoa?

Hamaranana: ahoana moa ny anton'ny lohateny? Androany sabotsy dia ilaharana indray ny mitondra vato na aiza io na aiza amin'ireo kelimaso mpividy vato ireo. Izay no ahitana taratra fa mijery andro ny ankamaroany raha tsy izy rehetra, omaly anefa dia mipetrapetraka sy miresadresaka niaraka avokoa ireo mpividy vato ireo. Fa ilay vatobe iray nanalana tanteraka vavahady vy hampidirana azy izay no tsy matiko lolo. Ngeza izany raha vato! dimy lahy ry zalahy no manakorisa azy amin'ny kodiarana fa mila tsy hahakisaka. Hita ho nolokoina maitso ilay ato nefa tena madio dia madio ahiako ho  vato lafovidy hafa ilay izy afa-tsy hoe vato efa namboarina (izany hoe efa maty hasina indray). Tsy azo heverina anefa izany satria mailo dia mailo ireto Shinoa ireto rehefa hividy. Matoa novidiany dia fantany ny lanjany sy ny sandany. Tsy mety fay mihitsy aho izany mitantara nefa mety ho ny aina mihitsy no manefa raha mbola be tantara eo! Sa izay tokoa ilay hoe maharesaka?

Nisy zavatra... [fangaron'ny 1991 - 1995]

2008-10-10 @ 11:58 in Kolontsaina

Ity tononkalo nosoratako ity dia fitambarana tononkalo
Nosoratana tanelanelan'ny taona 1991 sy 1995
izany hoe tamin'ny taona 1995 no nanambarana azy ho toy ny iray.
Marihiko hatrany fa tia nanoratra tononkalo aho aloha
vao nivadika ho amin'ny lahatsoratra malalaka ahafantaranareo ahy.
Mazotoa mamaky amin'izao andro zoma mahalasalasa ambiroa matetika izao.

Ny fanombohana dia efa notsikerain'ny tenako sahady taty aoriana
Efa voasoratra anefa ilay izy: ny fahazazana tsinona sehatra hafa sy tontolo hafa

Nisy zavatra nanala tamiko
ny voaly
mainty ngalin'
ilay fahazazana
ka nidirako fiainana vaovao

Nisy zavatra nanaitra ahy
nandaitra
hampifaly ny foko
hanary toloko
raha toy ny nanjoko aho tao ho ao

Nisy zavatra nanaitra ahy
hampahery vaika
sy hampiriotra
isa-minitra
ka nampanadino ny kitra tanatiko tao

Nisy zavatra nanasoa ahy
tsy hikoa
ka nizorako mangina
ny lalam-pihafiana
Izay miditra mankao

Nisy zavatra nanala tamiko
ary nanjaka
teo anivon'ny laka
ka tsy hihambakavaka
na iza hisompatra na iza hikaka

Eny, nisy zavatra namonjy ahy
Raha saiky voaronjin'
ny fialonana
sy ny sotasotan'
izao tontolo izao aho

Saingy nisy zavatra nanampoka ahy
hidaraboka
raha nananika
ny andry natsatoka
nefa io no nenti-nijoro tsy hataho-draorao

Nisy zavatra nampitombina ahy
hikombona
ary raha irery
tsy mitsahatra ny manjombona
marina moa raha maha-te-hijery!

Fa nisy zavatra nandrisika ahy
sy mbola misisika
hioko
mitady toky
fa sendra raho-mitatao

Nisy zavatra nandavo ahy
nandrava ny
herintsaina
ho be taraina
ny nantenaina no nanjavona tsotra izao

Nisy zavatra tsy nampihetsika ahy
fa nandetika
Ilay sambo nentiko
ho fefika
voateny ho azy ny tafita vao rendrika

Nisy zavatra nampatory ahy
tao anaty sorisory
izay rehetra nomanina
tsy nisy vanona
satria tsy tao ny solika nanodina milina

Nisy zavatra nandrotika ahy
tsy hikofoka;
fo lotika
no namotika
ny fiainako zary mahatofoka

Nisy zavatra nampimalo ahy
mihalohalo;
tsy tanty
ny eritreritra ao anaty
fa izaho irery no mijaly toy izao

Nisy zavatra nampiala nenina ahy
hiverina
hitodi-doha
amin'ny Ray Tsitoha
ary hiankohoka eo anatrehany tokoa

Nisy zavatra nampiarina ahy
tsy hisonanina
anaty arina
izay namihina ahy teo
tsy nahavitana na inona na inona

Nisy zavatra nanala ahy
tsy hivoajamala
anaty valan'ny
fahadalana
fa nampihiratra ny masom-panahiko hatrizao

Nisy zavatra nampitony ahy
tsy hitomany intsony;
novonoiny
irony
fampijaliana nampitalaho

Nisy zavatra nitaiza ahy
tsy hitako hoe aiza
nefa hainy
ny nihaino
ny taraina nihorona tao amin'ny miafina.

Nisy zavatra nampanetry tena ahy
izay ekena
fa nampitombo fahendrena
izany no fandresena
lehibe noho ny fahitana volamena

Nisy zavatra nanova toetra ahy
tsy ho mora letra
amin'ny zava-drehetra
ny halako avy
no nataony ho zakako sy ho namako.

Nisy zavatra naniraka ahy
hampahery ny vizaka
sy ny voahitsaka
mbamin'ny voafitaka
hanadinoany ny zava-nampangitakitaka

Nisy zavatra nandranitra ahy
hiaritra
sy haharitra
satria mahafinaritra
ny mitory hatrany ny fanjakan'ny lanitra

jentilisa

Barcamp Antananarivo 2008 Madagascar araka ny sisa tadidiko

2008-10-08 @ 06:00 in Ankapobeny

Tsy hohadinoina velively tsy akory ity vanim-potoana iray nandalo teto Antananarivo tamin'ny Asabotsy 4 oktobra 2008 ity. Sambany rahateo ka mety ho be ny ny tsy mahalala izay tena nitranga nandritra ny tontolo andro. Tsy nandray naoty na tamin'ny penina sy ny taratasy aho na tamin'ny findain-tsolosaina nefa hosoratako aloha ny fandehan'ny raharaha tao araka ny tadidiko.

Voalohany, miainga amin'ny zavatra somary mahatsikaiky ihany aho. Fantatro tsara fa ho maromaro ihany ny hitondra solosaina finday. Mazava loatra fa tsy entina miharihary iny fa entina anaty kitapo kosa. Izao anefa, na dia mihamora aza ny vidin'izy io noho ny fidinan'ny sandan'ny vola dôlara dia tsy mbola nividy aho no sady mety mbola tsy mahatakatra ihany koa. Ahoana ary ny nataoko. Nitondra kitapo ihany aho, fa boky lehibe misy izay nosoratako nandritra ny taona 2006 sy 2007 no nataoko tao. Mitovitovy habe nefa mety hitovy lanja amin'ny findan-tsolosaina io boky io ka nihomehy anaty ihany aho nitondra ilay izy. Sahala amin'ny nde mba hoe manko.

Ny nanokatra ny raharaha moa dia i Diana Chamia, tovovavy mpianatra mpanao gazety avy any Mahajangà any. Tiany ny manampy ny mpiara-belona aminy ka izay no nahatonga azy nanao izay hanampiana ny renin'i Kamba (Kamba izay misy toy ny trafo ao amin'ny handriny) tamin'ny alalan'ny bolongany aloha, hitan'ny Malagasy mpiara-belona manerantany iny ka nampihetsika ny fanampiana io zaza io sy ny reniny. Fikambanana maro no nihetsika fa ny fantatro aloha eto amin'ny serasera dia ny Namana serasera (na ampielezana na eto an-toerana) sy ny foko-madagascar. Fantampantatra ihany fa mbola misy ny hetsika hafa saingy misy moa no tsy dia loatra ny itantarana azy nefa dia isaorana mandrakariva ny karazan'olona tahaka ireny manampy ny mpiara-belona aminy sy manaporofo fa mahay mifanampy ihany koa ny samy Malagasy.

Nifandimby amin'izay ny mpampiasa ny software na mpandrindra ny momba ny rindrakajy (araka ny infogasynet sy i Mahefa) na ny rindrambaiko araka an'i Di... (Henry Rahaingoson). Ny tena tafalentika ao an-dohako aloha dia ny hoe hafa ny rindrambaiko na rindrankajy malalaka sy maimaipoana sy ny rindrankajy na rindrambaiko malalaka fotsiny (logiciel libre et gratuit sy ny logiciel libre fotsiny). Ny faharoa dia mety hoe amidy aminao ny entana ary omena anaoihany koa ny lakileny hifehezanao azy manontolo. Tsy lazaina moa amin'izany ny rindrambaiko na rindrankajy manatompo. Mihaino tsara fotsiny aho fa mety ho azoko ihany ny momba azy rehefa tena liana aho. Nifandimby niresaka teo ny avy amin'ny C3lf Fianarantsoa sy ny amul ary ny eboons. Mety hozokoa ihany manko izay nambara fa tsy ahiko kosa ny mampita azy rehefa tsy nisy ny fitaovana manokana ho amin'izany.

Ny tena tadidiko teto dia ny resaka nataon'i Haja Ramboasalama filohan'ny Amul araka ny reko momba ny IXP. Tsotra ny fanazavany azy: raha misy olona roa samy eto Madagasikara mampiasa FAI (Fournisseur d'Acces  l'Internet na mpanome tolotra ifaneraserana) samihafa dia izao no zavamisy: Mampiasa FAI iray i Koto hampita hafatra amin'i Soa mampiasa FAI hafa kosa. Mankaiza ny lalan'iny hafatra iny? Miainga eto Madagasikara ilay hafatra dia mankany amin'ilay FAI ampiasain'Ikoto dia lasa any Alemaina mandalo any Etazonia vao miverina eto Madagasikara mankao amin'ny FAI misy an'i Soa vao tonga any amin'i SOa. Izany hoe lasa lavitra ny lalana, elaela kokoa vao tonga ny hafatra sady lafolafo kokoa ny saran'izay. Tsy mahagaga raha sady vitsy mpampiasa aty Afrika no aty Afrika ihany koa no lafo indrindra ny saran'io serasera io. Arakaraky ny habetsaky ny mpampiasa rahateo izany. Tranga faharoa, Misy vitsivitsy maromaro ny FAI mifanaraka mba ho kely kokoa ny fandaniam-pifaneraserana. Misy hatrany anefa ny FAI tsy miditra anaty fifanarahana, mbola hisy ny olana rehefa tsy ny FAI no mifanaraka.

Inona ny vahaolana natolotra? io IXP io izay manana anarana hafa maromaro ihany koa saingy noadinoiko tanteraka. Eo amin'ny Besinimaro dia karazana foibe iray mitovy asa amin'ny Switch (internet) goavana dia goavana io IXP io ka izay te-hanamora ny fifandraisana rehetra dia mifandrohy aminy avokoa. Inona ny tombotsoa azo avy amin'ny fampiasana ny IXP? Tsy voatery mankany Alemaina, Frantsa, Etazonia ny lalankafatra vao hiverina eto Madagasikara indray fa eto Madagasikara ihany ny fivezivezeny. Faharoa, raha sanatria misy manapoaka na mikatso tanteraka ny zanabolana (mety mitranga izany ary azo heverina mihitsy ny hisiany) dia mbola afa-miasa ihany ny aterineto eto Madagasikara fa tsy hiaramaty amin'ny an'izao tontolo izao. Mbola afaka hiasa avokoa ny banky ny sy karatra solombola rehetra hifandraharahana ary ny orinasambarotra mampiasa serasera rehetra. Fanirian'ny mpanolotra mba tsy ho tratra aoriana tahaka ilay hazondamosin-tserasera (backbone) nandalo tao atsimon'i Faradofay folo taona lasa izay ny fieritreretana ity IXP izay tokony ho tombotsoa lehibe ho an'ny Malagasy manontolo io.

Nanaraka indray i Pierre Maury niresaka momba ny boky avoakany amin'ny alalan'ny aterineto, ka ireo boky efa tsy ananan'ny taranaky ny mpanoratra zo intsony, talohan'ny fitopolo taona lasa izay (1938) no avoakany. Mazava loatra fa noho ny tsy-fifehazany ny teny malagasy dia izay boky amin'ny teny frantsay ihany no avoakany ao amin'ny bolongany sy ny vohikalany. Asa, anjaran'ny hafa indray izany ny miresaka momba ny boky nivoaka tamin'ny teny malagasy. Mazava loatra fa mba tsy handikana ny lalàna dia izay efa lasa fananambahoaka ihany no azo avoaka, izany hoe izay rehetra talohan'ny fanjanahantany sy izany nandritra ny fanjanahantany hatramin'ny taona 1937.

Niditra indray i Avylavitra efa nahiako tsy hoavy, soa fa tonga na dia fantatra aza ny fahasahiranany, niresaka momba ny fahalalaham-pitenenana sy fahalalana mamoaka vaovao eto Madagasikara. Nolazainy fa miditra ho elanelam-panahy izy, tsy mpanohitra bontolo ary tsy mpanohana be fahatany. Resaka politika izany lazainy izany! Eto moa dia efa taratra sahady fa mifankahita tsara amin'izay ny mpampiasa ity kajimirindra ity nefa samihafa ny tontolo iainany sy ny fampiasany ny solosaina. Samy miezaka mahazo ny ataon'ny ankilany ny andaniny avy. Asehon'ny mpamaham-bolongana fa haingana kokoa ny famoaham-baovao avy amin'ny olotsotra mampita vaovao noho ny an'ny gazety izay mbola miandry fankatoavana avy amin'ny tonian'ny fanoratana. Ny mpamaham-bolongana kosa dia araka ny sitrapony ihany na hamoaka ny vaovao izy na tsia. Ny ahy moa tsy hitako loatra izay lazaina. Nilaza ny fivoriana vao natrehiny tany Brussels notohan'ny Rising Voices kosa i Pati (et toi).

Nilaza izay tokony atao raha tiana ho hita amin'ny aterineto kosa i Ariel ary nolazainy fa ny soratra na fihetsiketsehana iray dia telo volana mialoha ny fotoana no tsara anoratana azy mba ho hita tsara izy amin'ny andro ilàna azy.

Ny zavatra iray mila avoitra ihany koa dia ny ezaka manokana ataon'i Mahefa hametrahana tsikelikely ny fanitsiana ny teny malagasy izay mitady fanampiana amin'ny namana rehetra mahafehy ny teny malagasy sy ny rindrankajy na rindrambaiko hiara-manatontosa io tetikasa fampiroboroboana ny teny malagasy io. Asa izy raha afaka manome fanazavana bebe kokoa satria tsy tokony hiasa irery amin'io tetikasany io ary ho hitako ihany koa ny hanampiana azy. Izay sy izay aloha ny tena tadidiko, misy dia misy ny tsy voalazako toy ny an'i Herizo sy Tosoa saingy rehefa tsy voafehiko ny resaka aleo mangina.

Haveriko ve? [haisoratra]

2008-10-07 @ 10:15 in Kolontsaina

Ny endri-baliakan'ny androko omaly
Nokitihin'ny tsiky nampihetsika fo
Hotodihina indray ve ny fahazazana
Dia ny fiainana goanan'ny tsy fahalalàna?
Haveriko ve?

Ny haitraitra madinika niravahakohatrany
nikarohana retsika tsy fantatra loatra
ka iniana amin'izao... odian-tsy tsaroana
ny fo tsy afa-tsaona tamin'izany fotoana?
Haveriko ve?

Ny fientanetanana toa rano mandroatra
hihetsika nefa toa tsy zatra ady
be fikirizana fa tsy afa-nanoatra
sehatry ny tolona tsy omby tratra?
Haveriko ve?

Ny manampi-tsofina amin'ny eso sy latsa
hanandratana ny afon'ny fanantenana
ka miandry ilay minitra ivadihan'ny rasa
mba hanatanterahana izay nokinasa?
Haveriko ve?

Ny vetso mangina nameno ny loha
nanosika ny saina hiriorio any hoany
mikaroka hevitra tsy hampikoa
ny androany no ita fa rahampitso mitohy?
Haveriko ve

jentilisa - 1995 -

Ny mpanao gazety malagasy sy ny mpampihorohoro

2008-10-06 @ 06:04 in Politika

Ny mpanao gazety malagasy amin'ny ankapobeny mihitsy no nahatsiaro ho voatsindrona tamin'ny tenin'ny praiminisitra niantsoana azy ireo haingana tao anatin'ny fotoana fohy ka nandrenesana ny hoe ao anatin'ny fampihorohoroana eo anatrehan'ny praiminisitra ny fampielezana vaovao tsy marina (na "mampihorohoro") ataon'ny mpanao gazety. Fampihorohoroana ny fanakatsakanana tsy hanatanterahan'ny governemanta ny fandaharan'asany na ny fanatontosana ny MAP. Hafa avy hatrany moa ny handraisan'ny mpampita vaovao ny resaka ary dia hiditra nanatsipalotra azy aho na dia efa fantatro fa nampihena ny mpamaky ahy aza ny fidirako resaka politika izay mampisara-kevitra, nefa tsy Maharesaka ny Maharesaka raha tsy miresaka azy aloha.

Ny tao an'eritreritra dia hoe mitady hanapa-kevitra samirery ny fitondrana fa tsy mba mihevitra ny hiara-midinika amin'ny vondron'olona mety ho voantohintohina ny tombotsoany na ny fiainany. Nefa ny mpanara-baovao dia tokony tsy hody fanina mihitsy tamin'ny vaovao navoakan'ny "La gazette de la Grande île" momba ilay hoe Alemana novonoina tao amin'ny fari-dranomasin'i Nosy Be miaraka amin'ny sary ahitana ny loha tapaka sy natao teo anelanelan'ny tongotr'ilay olona ny lohany teo amin'ny takila voalohany indrindra (tena natao haharikoriko mihitsy matoa naovaka pejy voalohany ny sary). Nalahelo moa ny masoivoho Alemana tamin'io sary io satria voalohany, tamin'ny taona 2005 io toe-javatra io no nitranga. Faharoa, ny filazana ofisialy no nanambarana fa namono tena io lehilahy. Fahatelo, misy andiana mpandraharaha indridra mitsidika ny Nosy tamin'ny fotoana namoahana ny vaovao. Midika izany fa nokendrena hampihemotra ireo mpandraharaha ireo tsy hampiasa vola eto Madagasikara ny vaovao. Io toe-javatra io no nanafintohina ny praiministra araka ny fijeriko azy ka nahatonga ny teniny fa tafiditra ao anatin'ny "fampihorohoroana" ny famoahana ny vaovao manakatsakana ny asan'ny goverinemanta. Misokatra indray ary ny adihevitra e!

Barcamp Antananarivo Madagascar 2008: Saiky nolazaiko fa novako!

2008-10-04 @ 21:02 in Ankapobeny

Izany tokoa angaha no atao hoe eo ampandrasana no mahita ny atiny. Nisy ihany manko ny fanomanana nataoko tamin'ity Barcamp notontosaina tao amin'ny Ivotel Ambohidahy manana ny kintana telo androany 4 oktobra ity. Efa nanomana soa amantsara ny amin'ny GlobalVoices Online sy ny mombamomba azy ary ny zavatra ataony aho; kanjo hitako amin'ny mpanatrika fa bebe ihany ireo tsy mahalala akory ny amin'ny atao hoe Blog na blaogy na bilaogy na bolongana. Tsapako mazava tsara anefa fa tsy ho azon'ny maro mpanatrika akory izay holazaiko raha tsy milaza ny amin'ny blog sy ny mpamaham-bolongana aho aloha. Karazana fifanakalozan-kevitry ny mpamaham-bolongana maromaro manko no mampiorina ny GVO. Tery aho noho izany hilaza tsotsotra ny fanaon'ny mpamaham-bolongana. Izany no tena atao hoe izay tonga ao an-tsaina fotsiny no lazaina, tsy fantatro izay fidonany any amin'ny mpanatrika fa tsapako ho be ihany ny zavatra noadinoiko indrindra fa ny fanentanana izay manana fahafahana kely hiara-dalana handika ny GVO ho amin'ny teny malagasy. Mety hitohy ny filazalazako ity Barcamp notanterahina teto Antananarivo ity.

Na izany aza nahafinaritra ny fiarahana tao. Ity napetrako eto ambany ity na dia izany aza ny saiky holazaiko tamin'io fotoana io izay novaina taminn'y fotoana farany mialoha indrindra ny handraisako fitenenana:



Misaotra izay rehetra nitoto nahafotsy nahandro nahamasaka ity fihaonana ity aho nahatonga antsika ho vory etoana - sy nanolotra anjara fotoana ho anay - hiara-mitapatapak’ahitra amin’ireto vato nasondrotry ny tany, trafo nasongadin’ny vozona eo amin’ny fikirakirana ny kajimirindra , ny serasera ary ny fifandraisana izao. Tsy ho afaka ny hihambo ho tahaka azy ireo izahay fa mpampiasa tsotra ihany ka izay kely fantatray ihany no holazalazainay. Koa aza tsiny indrindra re raha toy ny mipasoka ny efa malama izahay eto anatrehanareo. Aza fondro ihany koa raha amin’ny teny malagasy no hanaovanay izao famelabelarana izao fa io ihany no tsy mba mahavotsa vava anay. Hay renesina sy vakiana ihany manko ny teny frantsay sy ny teny anglisy fa mampiahotrahotra kosa ny miteny azy noho ny tsy fahazarana indrindra. –indrisy-

Manaraka izany, tsy tonga teto amim-pahatezerana akory izahay na nigadona teto tamim-pahavinirana ka hanadino ny fomba tsotra indrindra koa miarahaba ny andriambavilanitra sy ny andriandahin’ny tany rehetra na ny avy eto an-toerana na ny avy lavitra na ny avy any ampita. Miarahaba ry Malagasy,miarahaba ry vahiny.

Izay re no ela, fa ny lohahevitra lazaiko eto dia ny momba ny globalvoices online amin’ny teny malagasy. Tranokalan-tserasera anankiray izany no holazaiko aminareo. Tandra vadin-koditra amin’ny Globalvoices online amin’ny teny malagasy ny Globalvoices Online amin’ny ankapobeny ka tsy maintsy hazavaina etoana.

Nitsangana nandritra ny fihaonan’ny mpiserasera avy amin’ny vazantany efatra sy ny firenentsamihafa nangetaheta ny hanana sehatra iray ifampizarana sy ifanakalozankevitra tamin’ny volana desambra 2004 ny GVO.

Antom-pisian’ny GVO ny manangona, ny manadio na ny mifantina, ny mampivoitra ary ny mamoaka ny vaovaon’ny toerana sy ny vaovaon’ny mponina tsy voaresaky ny fampahalalambaovao lehibe sy malaza amin’ny ankapobeny (ny fampahalalam-baovao tandrefana izany). Izany no antony tsy ahitana loatra izay soratan’ny olona tia mampita vaovao sy hevitra avy any Eoropa andrefana sy Amerika avaratra ao amin’ny GVO. Kendreny izany izay hampisongadina ny vaovao heverina ho manan-danja sy lehibe amin’ny olona any amin’ny faritra tsy nosahanina na tsy hitan’ny mpampahalala vaovao lehibe tandrefana voalazako teo ihany. Amin’ny teny anglisy no amoahana ny lahatsoratra ao amin’ny GVO nefa ny loharanom-baovaony tsy voafetra ho teny anglisy ihany fa mety ho avy amin’ny teny frantsay, na esipaniolona, Paortigey, Swahili, persa, Shinoa eny fa na dia amin’ny teny malagasy aza. Tombony lehibe ho antsika manko ny fananantsika Malagasy roa mandray anjara ao. Olona samy mipetraka sy miasa any Etazonia ireo olona ireo. Koa aza atao mahagaga anao intsony rehefa mitsidika ny GVO ianao ka mahita ny vaovao na fifanakalozankevitra na adihevitra eo amin’ny Malagasy eto an-toerana na any ivelany izay misy Malagasy ihany koa.

Ahoana indray moa ny amin’ny fampitan’ny GVO vaovao sy resaka ? Isika eto Madagasikara aloha amin’ny ankapobeny dia mbola anatin’ny fari-tserasera miadam-pifandraisana. Misy ihany ny serasera haingam-pifandraisana saingy mbola nofinofy ho an’ny sarambambe ihany izany noho ny halafony. Noho izany antony izany no tsy ahitan’ny maro karazam-pampitam-pifandraisana ankoatra ny soratra sy ny saripika na ny sariitatra amin’ny Blog, bilaogy na Bolongana hoy aho izay. Misy isankarazany anefa ny fampitan-kafatra azo atao. Eo ny fampitam-peo, ny saripika ifampizarana efa voalaza teo sy ny lahatsary na oronantsary hoy isika. Io lahatsary io aloha no mbola olana manokana amintsika eto satria sakana ho antsika ny halakim-pifandraisana takatry ny besinimaro amin’izao fotoana izao. Ampiasain’ny GVO avokoa ireo fomba fampitan-kafatra fototra ireo.

Raha eo amin’ny endrika indray dia misy karazany roa ny lahatsoratra hita ao amin’ny GVO. Voalohany ny endri-dahatsoratra fohy antsoina hoe Link na Lien na Rohy izay mamintina avy hatrany ny ambaran’ny lahatsoratra na lahatsary na saripika na fandraisam-peo voarohy. Amin’ny ankapobeny dia eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 10 isan’andro eo ny Rohy avoakan’ny GVO. Ny endrin-dahatsoratra faharoa kosa indray dia somary lavalava kokoa antsoina hoe weblog ka mety ho hita ao avokoa ny karaza-pampitam-baovao rehetra ary mety hifandrohy amina lahatsoratra vitsivitsy maromaro ihany koa io weblog io.

Manana lahasa hafa ihany koa anefa ny GVO amin’ny alalan’ireo tetikasa ao aminy. Samihafa be ihany aloha ny fahaizana amam-pahalalan’ny olona rehetra. Noho izany misy ny lasa aloha ary misy ny tratra aoriana. Ny lasa aloha moa dia efa tombondalana ho azy izany. Ny GVO kosa dia mitodika amin’ireo tratra aoriana amin’ny fahalalana itony fitaovam-piseraserana itony. Manoro lalana sy manazatra ireo izay liana amin’ny fampitam-baovao ny GVO amin’ny alalan’ny sampana mpirotsaka an-tsehatra dia ny Rising Voices izany. Manorotoro ny fomba fampiasana ny fitaovam-mpampitam-baovaon-tserasera rehetra izy ka raha ny eto Madagasikara no resahina dia ny fikambanana tsy miankina FOKO no miara-miasa amin’ny Rising Voices. Fahasoavana ho antsika toy ny ilo mby an-doha izany ka enga anie tsy hiraraka foana hanala baraka antsika.

Manaraka izany, tsy mitovy fahalalaham-pitenenana sy fahalalahana hihaino ihany koa ny olon-drehetra manerantany. Mbola misy ireo mponina voageja tsy afa-miteny sy tsy omem-baovao any rehetra any. Enjehina, samborina, gadraina izay sahisahy miteny manambara izay tian-kafenina. Manana sampana misahana ny tranga-javatra tahaka izany ihany koa ny GVO dia ny GlobalVoices Advocacy izany. Karazana mpisolovava ny GVO amin’izay fotoana izay nefa manana torolalana ho an’ireo mpamaham-bolongana voatampim-bava ihany koa izy. Tsy dia ataontsika resaka lava loatra ny amin’iny raha tsy amin’ny fotoanany angaha satria mbola mahatsiaro afa-miteny na afa-manoratra aloha aho amin’izao fotoana izao.

Mamaramparana isika, nivoatra ny lahasan’ny GVO. Tsy nionona intsony tamin’ny famadihana izay teny fantany ho amin’ny teny anglisy ny GVO. Hetahetan’ny Mpamaham-bolongana Frantsay vitsivitsy nandritra ny fihaonamben’ny GVO tany Delhi tany Inde tamin’ny 2006 ny hananganana GVO ho amin’ny teny Frantsay tahaka ny amin’ny teny Shinoa izay nitari-dalana tamin’ity raharaha ity. Liana ny hanao tahaka izany ihany koa ireo amin’ny fiteny hafa toy ny Esipaniolona, ny Paortigey, ny teny Japoney. Nanomboka teo no nametrahana ny GVO Lingua. Iray ao anatin’ny 15 mamahana ny Lingua amin’izao fotoana izao ny Globalvoices amin’ny teny malagasy.

Tsara ny manamarika fa ny GVO amin’ny teny malagasy no fandikanteny voalohany ho an’ny tenin’ny mponina aty amin’ny ila-bolantany atsimo ka tokony ireharehantsika izany. Miezaka izahay mpandika teny hanao izay hahaliana anareo amin’ny vaovao rehetra manerana izao tontolo izao (indrindra fa ireo tsy dia misy miteny loatra). Tanjona napetrako manokana ny fanamby hahadika lahatsoratra amin’ny teny malagasy madiorano. Lalantsarotra sy lavitra dia lavitra anefa izany. Koa manentana anareo aho ; voalohany, hamaky ny GVO ka aza adinoina ny GVO amin’ny teny malagasy, mametraha hevitra na tsikera fa izany no fampirisihana masina ho anay indrindra. Faharoa, olombelona ihany izahay, manana ny fahalemenay sy ny harerahanay, ka mampirisika anareo izay manana fahaizana teny vahiny hanao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja amin’ny fandikanteny ho amin’ny teny malagasy ihany koa, na ho amin’ny teny frantsay, ataoko fa tsy mampaninona ny miteny izany. Ataoko fa raha maro isika no manolotena ho amin’ny fandikanteny, eny fa na dia ho iray isan-kerinandro monja aza izany dia karazan’ny fampiroboroboana ny teny malagasy ho tsy mena-mitaha amin’ny teny vahiny matanjaka amin’izao fotoana izao. Tsy afenina ry havana fa sarotra ny mandika teny, ary mijery rakibolana fandikanteny matetika aho isaky ny mamadika lahatsoratra ; nefa fanazarana ny tena ihany koa izany hahalala voambolana hafa noho izay fahitantsika na fandrentsika andavanandro. Koa alao hery ary tompokolahy, Mahereza ary tompokovavy fa fampiroboroboana ny teny malagasy haharaka ny zavamisy amin’izao fotoana izao ny famakiana arahin-tsikera ny GVO teny malagasy te-ho mpiray dia amin’ny famoaham-baovao misy eto an-toerana amin’izao fotoana izao. Mankasitraka Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy.

Fiainana voasoratra mialoha?

2008-10-02 @ 16:04 in Ankapobeny

Zavatra mampieritreritra ahy mandrakariva amin'ny fiainako manokana indray no hotantaraiko eto. Fahakely aho dia manana izao tranga manaraka izao: amin'ny atoandro aho dia manana ny fiainako andavanandro, amin'ny alina ihany koa anefa dia toy ny manana fiainana mitohy anaty nofy (izay efa nanaraka ny bolongako hatramin'ny roa taona sy tapany izao mety efa nahalala tranga hafa). Ahoana moa izany? Ny atoandro toy ny an'ny olona rehetra ihany... mitohy ny fiainana, ny alina kosa raha nanonofy zavatra na fiainana iray aho omaly halina dia nitohy halina iny nofy iny. Toy ny hoe matory amin'ny fiainana eto an-tany aho fa nifoha kosa tamin'ny fiainana ara-nofy. Tsy nofy teren'ny saina hoe ataoko tahaka izao na tahaka itsy fa toy ny fiainana andananandro ihany koa. Fa ity eto ity no sambany niaraka tamin'ny sary. Saripika nalaiko tany Mahajangà nandritra ny fiarahan'ny namana serasera dago (NSD) nandritra ny fiovana rivotra tamin'ny volana aogositra teo.

Toerana iray teo an-tampontanànan'i Mahajangà. Tsy dia tiako holazaina loatra hoe aiza marina fa aleo amin'izao. Niserana teo anoloan'ireto zazavavy ireto aho no niantsoantso ahy ilay zandriny indrindra. "Eh! Piho sary izahay". Hitany manko ny fakantsary niomerika teny an-tanako. Tsy naka sarotra aho satria fanaon'ny ankizy aty mihitsy ny mangataka alaina sary dia jereny avy eo ny sary. Eo amin'ny lafiny zon'olombelona izany dia nandika lalàna aho. Ny resaka nifanaovanay no nahatadidiavako fa efa niainako tamin'ny nofy fahazaza ity tantara ity. Tadidiko tsara manko ny resaka tamin'ny nofy ary naverin'ilay zaza (zandriny indrindra) soa amantsara. Rehefa niantso ahy ary ilay zaza ka niangavy ahy halaina sary dia hoy aho nanontany hoe:"Ianao irery sa ianareo rehetra ireo?" Namaly ilay zaza hoe izahay jiaby. Nanontany ireo zokiny aho: Ekenareo ve izany? Izay izany! hoy ny iray. Eny ary ho'aho. Nopihina ny sary ka rehefa naseho azy rehetra dia nojeren'ilay zandriny indrindra akaiky dia norohany teo amin'ilay sary amin'ny fakantsary. Nihoraka izahay rehetra nanatrika teo.

 

Fa naninona no norohanao ny sary? tsy tadidiko intsony izay nanontany na saiky niara-nanontany izahay rehetra. Tiako be ny sary, hoy izy namaly tsy taitra. Notohizany avy eo, sady tiako i..., tiako i... sady nanondro ireo "zokiny" tsirairay izy. Tiako aho. Tiako jiaby izy rehetra ireo. Hay... hoy aho nahatsiaro indrindra ilay nofy.

Ny tamin'i Nofy ve? izaho no teo amin'ny toeran'ilay zandriny indrindra niteny tsirairay ny anaran'ireo zazavavy nanodidina azy. Tadidiko tsara fa olona fotsy be iray ilay noresahiko, noheveriko vazaha aza raha ny eritreritro tao amin'ilay nofy ilay olona nanatona anay. Izay ilay zava-nitranga nahavariana ahy. Sambany aho hatrizay niainako no tany Mahajangà nefa toy ny efa fantatro ihany fa hisy zavatra mitranga tsy dia mahazatra niandry ahy tamin'ity toerana ity. Nanaraka izay dia nisaraka izahay, nandray fiara fitaterana aho hody. Teo amin'ny fiatoana voalohany dia tsaroako tsara indray ilay nofy fa toy ilay niainako indrindra. Nisy hafatra nomena ahy tamin'ny nofy fa tsy tadidiko intsony amin'izao fotoana izao. Raha nifoha aho tamin'ny andro nanofisako ity tranga ity dia tadidiko tsara ilay hafatra fa efa adino tanteraka izany amin'izao fotoana izao. Ny hany eritreretiko amin'izao fotoana izao dia hoe nosoratako ve ilay hafatra nomena ahy tamin'io fotoana io?

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2008 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox