Antso ho an'ny mpitondra, Arovy i Andry Rajoelina

2009-01-29 @ 08:34 in Politika

Misy ny antso ataon'ny namana hanagadran'ny mpitondra ny Ben'ny tanànan'Antananarivo noho izao toe-java-misy izao. Na dia nanohitra ny TGV mafy aza aho dia hafa mihitsy kosa ny ahy no takiako, aoka ny mpitondra mihitsy no hiaro an'i Andry Rajoelina satria tsy tombotsoan'ny mpitondra na oviana na oviana ny hanagadra azy amin'izao fotoana izao. Manjary mikorontana mitady fitakiana indray ny sasany na ny maro amin'ireo mpanaraka azy, zara aza mba milamindamina aloha ny toe-draharaha fa mijaly loatra ny fandraharahana maty antoka noho izay telo andro misesy tsy niasana izay. Fa raha samborina i Andry Rajoelina sao lasa indray ny filazana fa mbola gadrain'ny mpitondra hatrany ny 'demaokrasia'.

Efa karazan'ny "fahadisoana" ny nisamborana ireo mpianatra telo lahy "TGV" nampangaina ho nitoraka cocktail molotov ny tranon'ny minisitera roa sy ny trano fiofanana ho mpitsabo tetsy Befelatanana, nanararaotan'ny TGV hitakiana ny famoahana azy ireo teny amin'ny fitsarana kanjo nivadika ho fandrobana sy fandoroana ny tranon'ny TVM sy ny RNM izany. Efa "fahendrena" ny tsy nitifirana ireo mpilahatra sy mpandroba nandrava ny fananam-panjakana sy fananan'olo-tsotra ka ny an'ny filoha no tena maro tamin'izany nanerana ny firenena tamin'ny andro voalohan'ny fandrobana (alatsinainy), araka ilay teny nataon'ny filoha hoe "raha ny fananana rava mbola azo averina ihany fa ny ain'olona kosa tsy ho tafaverina mihitsy".

Miangavy ny filoha kosa aho mba hatsahatra hatreo ny "fireharehana" sy ny "fandrahonana" hisambotra an'izatsy na izaroa, fa raha hisambotra dia "tampohana" ihany no hanaovana azy. Aleo antso ho an'ny rehetra hanarina ny simba sy hiverina amin'ny asa andavanandro no lazaina fa tsy manisy teny akory izay ataon'ny ankilany na hanameloka ny ankilany amin'izao andro izao. Aoka ny rehetra samy "ho latsa-panenenana" tamin'izay fahadisoana nataony avy fa tsy hanondro ny hafa ho manana ny diso. Rano raraka tsy azo raofina ny nitranga teto amin'ny firenena ka samy hitandrina amin'izay ataony avy ny rehetra amin'ny andro ho avy.

Mangataka ny roa tonta aho hifanatona sy hifampindinika fa tsy misy manana ny tombony samy resy ianareo mpitondra ny firenena sy mpitondra an'Antananarivo amin'izao fotoana izao ary ny maty antoka indrindra dia ny vahoaka ihany. Rehefa mifampidinika re aoka tsy hisy fepetra mialoha fa ny tombotsoam-bahoaka tsinjovina, aoka ny filaminan'Antananarivo sy ny fampandrosoana azy sy ho an'i Madagasikara mihitsy no jerena. Aoka samy hanana ny anjara toerany ka ny mpitondra ny firenena hisahana ny firenena ary ny mpitondra an'Antananarivo hisahana an'Antananarivo ary aoka samy hamita ny fe-potoana iasany avy ny roa tonta. Omeo an'Antananarivo ny anjara volany, ampahafantaro ny besinimaro eo anatrehan'ny roa tonta izany, dia anjarany ny mamita ny asany. Avelao hiasa ny mpitondra, tsikerao izy eo am-pandraisana fanapahan-kevitra mety hivily lalana fa samy hotsarain'ny vahoaka ihany rehefa tonga ny fotoam-pifidianana.

Ny mpivavaka amin'ny vahoaka kosa aoka hivavaka ho an'ny firenena, ny rehetra samy hiverina amin'ny asa andavanandrony indray. Fa na dia torotoro noho ny zava-mitranga ankehitriny aza isika vahoaka, tompon'andraikitra ihany koa tamin'ireny seho rehetra ireny. Tompoon'andraikitra avokoa isika rehetra ka tsy misy afa-miala amin'izany fa izay mandà izany ahiako mbola hahavita hadalana indray. Mankasitraka izay nahavaky ny lahatsoratra hatramin'ny farany!

 sary nalaina tamin'i Madainitiatives's Blog io ilay nolazaiko omaly
 
 
 
 
jentilisa, 29 janoary 2009

Maty ve hoe Ratsiraka Didier? sy Fanambaran'olo-tsotra vory TSINAHY teo @ RNM androany maraina

2009-01-28 @ 15:02 in Politika

Fanampiny: Namana nisy niantso avy any Frantsa nilaza fa nodimandry hoe Ratsiraka Didier ka mitady valiny avy aminareo any andafy any aza fady indrindra 

 

Asa noho ny fahalalana fa ho avy teto ny filoham-pirenena ve sa hijery ny fahavoazana mahazo ny fananam-bahoaka no nahatonga ireto olona teto anoloan'ny RNM ireto nanapa-kevitra ny haneho ny heviny manoloana izao toe-draharaha izao, eny fa na dia efa voarara aza ny fivorivorian'olona. Olona tsy nivonona ny ho eny amin'ny kianjan'ny 13 mey mihitsy izy ireto, fa mety ho tahaka ahy izay naka andro ihany koa handalo hamototra akaiky (ho avy eo ny sarin'ny tao anaty trano) ny zavamisy.

Somary elaela ny adihevitra fa dia tapaka fa hamelatra sora-baventy eo ampitan'ny RNM no atao. Tsy manao fanamelohana avy hatrany fa miangavy kosa ny hisian'ny filaminana eto amin'ny firenena, mitady kosa ny hialana amin'ny  savorovoro izay lasa manapotika ny fananam-bahoaka. Re tamin'ny RDB ihany ny vokatr'izany fametrahana ny sora-baventy izay izay novakiany tao hoe: "Ry Tia Tanindrazana, aza potehina ny firenena". Sora-baventy nataon'olona tafavory kisendrasendra mitady ny filaminana eto Madagasikara io ka tsy te-hanameloka ny andaniny sy ny ankilany izay mety handratra ny fo sy hampihetsika ny hambom-po hamotika indray. Ary ahoana kosa ny hataonao manoloana izany fanapahan-kevitra nioaka izany?

Izay ny amin'iny fa hamoaka ny sary fahapotehana ihany koa aho! Ka tsy hamerimberina foana izay mety ho efa navoakan'ny hafa, sarin'ny fahamaizan'ny Magro Antsirabe tazanindavitra, ny Courts Antsirabe anakiroa ary ilay tetezana maomaoriina kely potika etsy amin'ny Cenam 67ha sy ny endriny teo aloha (efa nanahy manko aho fa tsy maintsy ho avy hatrany ny fanapotehana ireny indray andro any kanjo dia io tokoa izy io.

Nandritra ny fahamaizan'ny Magros Antsirabe

sary eo ambony ihany fa somary notomorina kokoa

Magros Antsirabe ihany fa joro hafa kosa

 

Shoprite Antsirabe indray, natahotra naka sary ilay namanantsika  satria mbola vaovao be amin'ny fakam-baovao

 Shoprite Antsirabe

Courts 67 ha tampoka ity eto ity e!

Tetezana ho an'ny olona mbola tsy potika tetsy @ 67ha Cenam

izao kosa izy rehefa potika, tsy azo tsara noho ny fandehanan'ny fiara mafy loatra 

Courts Karmaly Antsirabe

Courts Antsirabe, Antsenakely...

Manomboka eto kosa ny sary dia ny tao amin'ny RNM sy TVM no hovangiana!

 

sary tebokaefatra ity ambony ity sy ny roa eto ambany

 

jentilisa 28 janoary 2009

TGV sy EMMO NAT: Tontosa ve ny fanonganam-panjakana?

2009-01-27 @ 19:05 in Politika

Nahagaga sy nahavariana tokoa ny fahasahian'ny Heil nandritra ny andro vitsivitsy izay. Nahavariana ihany, tsy dia mahalala ny lalàna aloha aho fa aoka hojeren'ny mpahay lalàna izany, fa "réquisitionné" eo ampelatanan'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo ankehitriny ny mpitandro ny filaminana rehetra. Niteny ihany koa ny Heil fa efa nihaona mivantana tamin'ny EMMO NAT araka ny teniny, entina mandamina ny tanàna anatin'ny "couvre feu" izay napetraky ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, manomboka amin'ny 9 ora alina ka hatramin'ny 4 ora sy sasany maraina. Mbola tsy milamina mihitsy moa ny eto amin'ny tanàna hatramn'izao na dia efa mihamaromaro ihany aza izay maty nandritra ny fandrobana izay.

Toa mihamazava ny tetika, nataony izy tenany ireo korontana rehetra ireo mba hahazoany ny hery vondro-tafika eo ampelatanany, Holazainy fa rehefa nanome baiko ny miaramila izy no nanaraka ny baikony ireo hery mitam-piadiana rehetra ireo. Ny tena mahatalanjona ahy manokana dia ny EMMO NAT ve ny mifampiraharaha amin'ny mivantana fa tsy mba ny EMMO REG na ny EMMO FAR? Moa ve tsy efa midika zavatra ilay sehatra fitantanana ara-miaramila eo ampelatanan'ny Heil? ary moa ve tsy efa fantampantatra ihany fa karazandrazan'ny hoe "efa ampelatanantsika ny fahefana ara-miaramila manerana ny firenena amin'izao fotoana izao" no ho fanambarana lehibe holazainy eo amin'ny kianjan'ny 13 mey rahampitso? andro iray sisa no andrasantsika hahitana ny tena marina! Efa feno fifaliana izay ny mpanohana ny TGV sy ny mpialokaloka rehetra any ivelan'i Madagasikara any. Fihetsiketsehana no natao hatrizay fa efa vita omana hatry ny ela ny fanonganam-panjakana. Tsy mahagaga loatra raha tsy nanaiky ny hifampiraharaha amin-dRavalomanana intsony izy.


fanazavana: EMMO : Etat-Major Mixte Opération

Vaovao farany, ny ao amin'ny EMMO REG no nitafa tamin'ny mpanao gazety nilaza fa hotontosainy ny fampiharana ny "couvre feu", nomarihin'ny jeneraly ... tsy voaraiko tsara ny anarany dia ny Kaominina Antananarivo renivohitra no tena hanampy be dia be amin'ny fampitaovana azy ireo. Nolazainy ihany koa fa tsy hanakana velively ny famoriam-bahoaka hotontosaina rahampitso izy. Mbola afaka mieritreritra tsara izany zavatra re izany tsara isika na dia izany aza!

jentilisa 27 janoary 2009

Fandrobana: raikitra ihany koa ny any amin'ny faritra samihafa!

2009-01-27 @ 09:25 in Politika

Vaky vao maraina ihany ny fandrobana ny toeram-pivarotana rehetra any Mahajanga. Efa niomana hanao fihetsiketsehana (sanatria hiafara amin'ny fandrobana koa ve) ny any Toliary (vaky koa ny magro toliary 11:20) , ary nanambara i Roland Ratsiraka fa tsy maintsy hisy fihetsiketsehana any Toamasina (vaky koa ve!) Anio...Ao Antsirabe efa nalaina hody avokoa ny mpianatra rehetra satria ho avy sy handrasana ao amin'ny tranompokonolona ilay razana taty amin'ny fanafihana an'Anosipatrana (MBS). Vory ny "jiolahimboto" rehetra ao amin'ny tranompokonolona izay akaiky dia akaiky an'Antsenakely. indrisy ry fireneko! tsy hanome vaovao lava intsony aho na dia efamanana lahatsoratra lava aza. Aleo amin'ny manaraka fa ontsa loatra ny fo! Tsy mety miditra an-tsehatra kosa ny mpitandrony filaminana rehetra!


jentilisa 27 janoary 2009

Vaky ny Tiko Ambanja 12:00 
 
[Na dia tsaho tsy azo hamarinina aza dia aleo soratana ihany fa sao sanatria marina: Heno fa tsy manaiky hifampiresaka amin-dRavalomanana indray Rajoelina raha tsy tetezamita no resaka, ary ny manaraka izany dia nampitandrina izy fa izay faritra rehetra tsy mihetsika (sa tsy mandroba no marina kokoa?) dia tsy hahazo anjara minisitra amin'ny tetezamita ho avy eo), Avy eo isika manamarina azy] 
 

Nasaina nigafy ny mpomba ny TGV dia tsy voafehy intsony!

2009-01-25 @ 22:59 in Politika


Manamarika dieny mialoha aho fa ady amin'izao fotoana izao izany mampita vaovao izany. Samy manana ny paik'adiny ny andaniny sy ny ankilany ka tsy fantatra intsony izay marina sy tsy marina. Niniako navela mihitsy ny lahatsoratra nialoha ity hahitanao ny hafainganan'ny fivoaran-javatra amin'izao fotoana izao. Raha nanova lohateny aho dia loharano azo natokisana no nahazoako azy. Efa fivorian'ny mpikambana ao amin'ny governemanta no hanaovana izany fa tsy tonga dia tanterahina avy hatrany ny fanatanterahana azy fa miandry "ilay feo" tsy avy amin-dRavalomanana fa avy amin'olon-kafa sy olo-maro. Efa tao anatin'ny tanjona ihany koa ny hitabataban'ny mpanohana ny filoha ny hisamborana ny Ben'ny tanànan'Antananarivo; araka ny fanaon'ny mpanohana ny TGV ihany koa hamaliana azy araka ny fijeriko azy satria ry zareo ihany manko no nitatatata teny amin'ny 13 mey fa "ny feon'ny vahoaka feon'Andriamanitra"(ka mitaky ny hisamborana azy ny vahoaka amin'izao fotoana izao! quelle logique mais c'est ainsi!).

Nanao ahoana ary ny fandehan'ny fitsenana ny filoha Ravalomanana androany alahady 25 janoary 2009? Raha ny hamaroan'ny olona dia vasoka tanteraka ny an'ny TGV omaly sabotsy, hany ka tsy mahagaga raha nanomana gafy ry zareo. Na dia ny hamaroan'ny fiara mitandahatra manaraka ny arabe efa notononina mialoha handalovan'ny filoha aza dia efa nahaletra ny sasany efa fanatika loatra ka tsy mahatandrina izay ataony intsony. Nandeha ny fiarabe nitondra fanamafisam-peo nivezivezy nanerana ny lalana mandefa hira fankalazana ny TGV sy mihorakoraka TGV, ninia nandalo ireo olona miandry ny fandalovan'ny filoha ireo manana fiara avy amin'ny TGV ka mandrangarana ilay "heil..." efa mihamalaza amin'izao fotoana izao. Mba nisy ihany ireo tapikan'olona nihorakoraka ny maha-TGV azy ireo fa tsy nokitihin'ny mpomba ny filoha rehefa tsy nanakana ny lalan'ny filoha. Mandrangitra mandrakariva ny mpomba ny TGV fa nitony hatrany ny mpomba ny filoha. Teto 67 ha dia ankizy eo ho eo amin'ny 10 - 12 taona eo ary miisa 60 any ho any no nampanaovina akanjo TGV nampihorakorahana TGV teo anoloan'ireo mpomba an-dravalomanana mbola miandry ny fandalovany. Mba fantatr'izay ireo ve ny zavatra ataony? Nefa rahampitso dia ampianarina ny atao ny ataohoe "demaokrasia" hoe ny mpianatra rahampitso aorian'ny fanaovana kidnapping lehibe.  

Nivadika kosa ny toe-draharaha teo Ambohimanarina, maro dia maro manko ny mpitsena tao kanefa teo ihany koa ary tsy vitsy ny mpanohana ny TGV. Nobahanan'izy ireo fanariam-pako lehibe ny arabe tokony handalovan'ny filoha eny amin'ity faritra ity. Mazava loatra fa tsy maintsy nakisaky ny hafa izany barazy izany. Rehefa nandalo ary ny mpanara-dia ny filoha dia nisy vitsivitsy tamin'ireo mpihorakoraka TGV no nitora-bato ny fiaran'ny fiadidiana ny Repoblika. Nentanin'ny fo loatra ve sa voakarama? ny ampitso no hanambara azy. Nahita izany ireo hafa mpihoraka tsy maintsy nandositra ihany koa... saingy ny hafanam-po mialoha ka nahazoana ny sarin'izy ireo no itsimponana azy ireo tsirairay any amin'ny misy azy any amin'izao fotoana anoratana izao (miasa tokoa ny sampam-pitsikilovana amin'izao fotoana izao).
 


Teto amin'ny 67ha, rehefa niala tamin'ny toerana nisy azy amoron'arabe ny mpanohana ny filoha, dia nanangana ny "andrimasom-pokonolona" baiko avy amin'ny VIVA radio kosa ny mpanohana ny TGV, amin'ny fibahanana ny fiara rehetra tsy hahazo miezivezy mbola andro mazava. Horakorahan'izy ireo (25 eo ho eo ny isany) sy rahonany hotoraham-bato izay fiara mbola mitady hikiry handeha amin'ny arabe manaraka ny lalam-baovao hany ka miverin-dalana tsy fidiny avokoa ny fiara rehetra. Marihina fa fanentanana ataon'ny VIVA radio izany rehetra izany. Na ny fiaran'olona mipetraka eto 67ha aza dia tadiaviny tsy avela mody... indrisy! ny vitsy an'isa sa ny maro an'isa no manao izany? (ny antson'ny mpihaino ihany no nahalalana fa efa nitora-bato mihitsy ry zalahy ireo ka maro no vaky fitaratra ny fiarany teto 67ha) izaho mipetraka eto 67ha aza efa nojerijeren-dry zalahy akaiky saiky hotomoriny saingy hitany tsy nisalasala angaha dia tsy sahy nokitihina, na dia nantsoitsoina aza.

Mandeha dia mandeha moa ny fanentanana amin'izao fotoana izao (26 jan @ 00: 30 ora Antananarivo) fa efa mananika an'Ambohimitsimbina sy Ambodivona ny miaramila ka manentana ny rehetra hirodorodo. Misy ireo mpiantso no tezitra fa toa tsy miraika akory ny olona antsoina... Entanina koa amin'izao ora anoratako izao ny olona (mpiantso no manentana) mba hosamborin'ny "fokonolona" avokoa ny mpitondra fanjakana (minisitra, praiminisitra, filoha,...) rehetra mipetraka eny akaikiny eny satria mba mahay misambotra koa ny vahoaka raha mitady hisambotra an'i TGV ry zareo. Misy ihany anefa no lasa mihoa-pefy ireo "andrimasom-pokonolona" ka mitora-bato avy hatrany izay fiara "ahiahiana", teny amin'iny faritra Ambatonakanaga iny no nisy izany... Nanala tena avy hatrany ny tao amin'ny VIVA fa tsy tokony ho ny TGV velively no manao izany fa fanasoketana ihany izany. Mbola velona ihany koa anefa ny fanentanana ataon'"olom-pirenena" ao amin'ny VIVA Radio hanafihana ny tobin'ny MBS izao alina izao (00:48 ora Antananarivo).

Malahelo avokoa na dia ireo mpanohana ny TGV aza amin'izao fihoaram-pefy tafahoatra izao. Manala tena ny TGV satria mpihorakoaraka hoe TGV migafy sy mitoratoraka ireto olona ireto. Miezaka ny hiampanga ny TIM na ny mpitondra izy ireo saingy ny hita teny Ambohimanarina moa no manao ahoana satria ny tao amin'ny VIVA ihany no niteniteny fa "misy amin'izao fotoana izao ny fisamborana ny ankizintsika niantsoantso TGV no samborina amin'izao fotoana izao". Hay tena nirahin'ny tao amin'ny VIVA na ny TGV mihitsy ireo olona teny Ambohimanarina niantsoantso TGV ka nisy nitora-bato avy eo ireny!

Hamarana ihany aho fa mbola hiasa maraina ka andeha aloha hatory... Mahasahia izay mpihaino VIVA mandà ireo teny tao amin'ny VIVA radio ka voatsimpona teto ampanoratana ireo (mbola mandeha manko ny antso fanentanana amin'izao 00:56 ora Antananarivo izao. Ho voasamboatra ao anatin'ny ora vitsivitsy ve i Andry sa tsia? Na ho tsia aza ny valiny, mety ho sahirana ihany izy handeha eny amin'ny kianjan'i 13 mey rehefa mazava ny andro!


jentilisa, 26 janoary 2009

[update] Hosamborina tokoa i Andry Rajoelina sy hotsenaina makotroka ny filoha anio

2009-01-25 @ 08:29 in Politika

Mbola tsy mitsahatry ny hangina ny resaka politika eto Madagasikara. Noho ny fahombiazana azon'i Andry Rajoelina Ben'ny tanànan'Antananarivo tamin'ny fitetezana an'Analakely (moa ve tsy efa torohevitro rahateo izany? vakio ny hevitro tany amin'iray amin'ireo nampidirina faramparany ireo) nandalo an'i Behoririka, Andravoahangy ary nifarana teny Ambodivona misy ny foiben'ny VIVA omaly sabotsy 25 janoary 2009 iny dia hamaly avy hatrany ny filoha Ravalomanana.

Mihamafana ny toe-draharaha ka tsy ho tafatombina any Durban amin'izao hafanana politika izao, noho ny fahazoan'i Andry Rajoelina ny laka noho ny nahazoany mora tsy nisy fanoherana ny kianjan'ny 13 mey, no nampiverina azy haingana hanadinoany ny fihaonana an-tampony izay saiky hatomboka rahampitso, ny filoha Ravalomanana. Tsy maintsy androany tokoa no hanaovana izany fitsenana izany mba tsy hanelingelenana ny tokony hiasan'ny olona rahampitso hanome vahana ny antso fitokonam-be nataon'i Andry TGV manomboka rahampitso. Haingana dia haingana ny vali-bontana, resaka hamaroan'olona izany no ifaninanana amin'izao fotoana izao. Andro saropady ho azy ihany koa satria mba afaka ny mihora-panesoana ihany koa ny mpanohitra azy, saingy samy manana ny toe-tsaina "Ceux qui risquent gagnent" (izay sahy maty mifono lambamena) moa ireto mpifanandrina ireto. Manaraka izany ihany koa dia mbola tsy misy gazety mivoaka androany alahady eto Madagasikara ka tsara ihany koa ny hampifanentana ny hamaroan'ny olona hivoahan'ny sary rahampitso farafaharatsiny. Manahy anefa aho fa hovidian'ny mpanohana ny filoha ny lohateny lehibe rehetra amin'ny gazety raha mbola azony atao izany.

Mampihomehy ihany ny toe-draharaha satria tena fampielezan-kevitra mivantana no tsapa amin'izao ora anoratana izao ao amin'ny MBS radio. Niverina avokoa manko ireo hira nalaza nampiaka-danja ny filoha Ravalomanana hatrizay, indrindra fa ny "samy mafoaka" an'i Jerry Marcos. Tsara ho an'ny filoha aloha izay zava-nitranga rehetra izay ahafahany mamisavisa izay tokony hataony amin'ny manaraka fa tsy mieboebo sy manao izay tiany atao. Hahay hihaino ny olona sy ny fitarainany amin'izay ve izy? Nihomehy ihany aho, fa fony nandalo tany Morondava ny lehilahy dia nilaza hanome vary "hamidy mora"; ny olona anefa zatra omena fotsiny rehefa mihevitra ny tenany ho tra-boina fa tsy mieritreritra ny hividy izany satria tsy manana hosarangotina intsony anie e! Hita hoe mpivarotra mihitsy!

Ho an'izay mbola hanome fitokisana ny filoha Ravalomanana hitondra ny fampandrosoana ary dia amin'ny roa ora folakandro no higadonan'ny filoha eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Handalo an'i Mandrosoa, Talatamaty, Ambohibao, Ambohimanarina, Boulevard de l'Europe (67ha), Andohatapenaka, Ampefiloha, Antaninarenina, Faravohitra ny lehilahy ka entanina ny manodidina ireo lalana ireo hanemitra ny arabe handalovany. Hisy ihany koa ny hafatra hataon'ny filoha any amin'ireo toerana handalovany ireo araka ny voalaza. Moa ve tsy mampahatsiahy ny fotoana niverenan'i Madagasikara ho ao anatin'ny Firaisambe Afrikana izao haverina anio izao? Miaiky aho fa tena mahay ny sehatry ny serasera ny roa tonta aloha!

Etsy ankilan'izany dia miantso ny olona amin'ny fomba ankolaka kosa ny mpanohana an'i Andry TGV fa efa any hoe ny taratasy fampisamborana azy (ny bolongan'i news2dago kosa no nataoko ho loharanom-baovao). Manahy mafy aho fa tetika sy fanodikodinan-doha indray izany resaka izany, araka ny efa nambarako taloha (fakana ny TV VIVA) ihany satria tsy hisy taratasy fampisamborana izany mihitsy atao mandritra ny tany mihotakotaka tahaka izany raha tsy efa voasamboatra aloha ilay olona vao atao ny sonia ka mivoaka ny taratasy, averiko indray fa na dia tsy voalaza ho latsaka an-katerena aza amin'izao fotoana izao ny firenena dia efa arabirabin'ny resaky ny mivonto fo hatrany. Tsy te-hilaza mivantana ry zareo hoe andao isika hifanisa amin'ireo mpanohana an-dravalomanana ireo fa paika hafa nohanaovana azy hanaitra araka izay tratra ny mpanohana azy. Mihahaingana tahaka ny ho vita vetivety kosa izany raharaha izany.
14:00 :Loharanombaovao ambony dia ambony nonandrenesako fa hosamborina tokoa ny Ben'ny tanànan'Antananarivo, Andry Rajoelina. Dia efa miomna ianareoandrimasom-pokonolona ô! HEHEHE!

jentilisa 25 janoary 2009

[updated]Izay fantatro tamin'ny tontolon'ny Asabotsy 24 janoary 2009

2009-01-24 @ 11:06 in Politika

Heil...! 

Mialoha ny ilazana ity andro ity dia tsara ihany ny manamarika ny andro fiomanana aloha. Nandritra ny tontolo tolakandro isaky ny adiny iray dia nivoaka hatrany tamin'ny RNM sy ny radio MBS ny fanambarana nataon'ny Prefe teto Antananarivo milaza ny tsy maha-ara-dalàna ity fivoriana hotontosaina ny andron'ny Sabotsy ity. Nivoaka tamin'ny TVM matetika ihany koa ilay filazana fa tsy fantatro loatra ny fahatetehany. Saiky ny fampielezam-peo sy ny fampielezan-tsary rehetra teto Antananarivo tsy misy anavahana kosa no namoaka ny fanambarana rehefa tamin'ny fotoanan'ny vaovao takariva isak'ireo foibe ireo. Fantatra mazava tsara izany fa fampitahorana ny olona tsy tia ra latsaka ho tonga eny, na ireo manahy ny sao ho faty ho tonga eny. Na ahoana na ahoana filazan'ny hafa vitsy noho ny olona nanatrika teny Ambohijatovo tamin'ny heriny ny olona tonga teny Ambohijatovo tamin'ity indray mitoraka ity. Mariho tsara fa tsy milaza toeran-kafa velively aho (13 mey na Behoririka izay tsena isan'andro ampovoan'arabe sy manakan-dalana mihitsy aza indraindray) fa ny eo Ambohijatovo, ilay toerana nivoriana ihany no lazaiko etoana.


Mbola ho avy ny sary hafa nefa mampahatsiahy ny 1939-1945 kosa izao sary avoakako izao!

 

Tamin'ny gazety "Ny Vaovaontsika" omaly ihany koa no nahitana fa nanao valandresaka tany Antsiranana ny Ben'ny tanànan'i Toamasina teo aloha Roland Ratsiraka, ary tany no efa nilazany sahady fa hitondra ny tolona hatramin'ny farany ny Ben'ny tanànan'Antananarivo amin'izao fotoana izao. Tsy mahagaga loatra noho izany raha efa nitabataba sahady ny zavatra tokony hijanona ho tsiambaratelo ny lehilahy. Nahasahy niteny aza izy fa izy Roland Ratsiraka no nanolo-kevitra an'i Andry Rajoelina hanao ilay fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notontosaina tamin'ny 11 janoary lasa teo, tsaroako avy hatrany ilay lohateny efa nosoratako teto hoe: "Sao vavaka fihatsarambelatsihy?". Ho fiarahana mitolona hoy ny lehilahy, na dia tokony hanao tolona isam-paritra aza ny mpanao politika dia tsy hitarika ny ao Toamasina izy fa aleony mamonjy an'Antananarivo, tahaka ny milaza hoe: "hanara-maso an'i Andry Rajoelina aho sao dia tsy manao izay noteneniny akory izy!". Mahalasa vinany ahy ihany manko ny itiavany mankaty, sa entina ilazana amin'Antananarivo fa manohana an'i Andry ny any amin'ny faritany?
 

Miresaka faritany izay ihany, dia efa nanambara mialoha ny tao amin'ny VIVA Radio fa efa betsaka ny avy any amin'ny faritany no ho tonga hanatrika io andro sabotsy io, ary misy ohatra ny avy any Vakinankaratra sy ny teraka avy any no ho avy eo; toy izany ihany koa ny terak'i Toliary. Ny andro mialoha io koa anefa dia misy ny fikambanan'ny avy any amin'ny faritra any, fikambanan'ny tangalamena manana ny anarana hoe "miverina an-doharano", milaza ny fanohanany an'i Andry Rajoelina satria mitondra ny mafaitra tokoa izy ireo raha roahina amin'ny tanindrazany (ilevenana) fa ny vahiny indray no manjaka ao. Mahatsikaiky ity toe-javatra iray ity: raha efa naka ny any amin'ny faritany ny ao amin'ny TGV hanatrika ny fotoanany eto Antananarivo tsy manan-jò intsony hanameloka na hiampanga ny TIM ho maka olona avy any amin'ny faritany amin'ny herinandro ho avy io raha hanatontosa ny azy ihany koa ry zareo amin'ny Asabotsy 31 jnaoary. Ny fanaon-dRatsiraka, fony nitokona 1991 ny teto Antananarivo no nataony ho toy ny fampifanandrinana ny mponin'Antananarivo amin'ny avy any amin'ny faritany. Hevitrevero anie raha Ravalomanana no naka 'tangalamena' hilaza fanohanana azy tahaka izay nataon'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo tamin'ity fotoana ity.
 

 

Noho ireo toe-javatra ireo, ataoko fa nitaintaina ihany ny roa tonta hiatrika ity andron'ny androany ity. Inona no hitranga? Tamin'ny 5:30 maraina, avy kely ny orana, fa nisava ihany izany avy teo. Ny zoma anefa efa nisy orana naharitraritra ihany ny folakandro. Ho ratsiratsy izany ny bozaka eny Ambohijatovo. Tonga ny ora nandrasana, samy mamatrapatraka ny "fanadihadiana" ataony amin'ny radiôny tsirairay amin'izay ny roa tonta mifanandrina eto amin'ny tanàna. Ny Viva radio sy ny Radio Mada (tsy RNM velively ity Radio Mada ity fa ny radion'ny Groupe Tiko voalohany araka ny fahalalako azy ary mifanila na iray birao amin'ny radio fahazavana aza). Misy hafetsena ihany ny nanaovana ny Radio mada hifamaly ara-panadihadiana amin'ny VIVA radio, fa tsy ny MBS no nanaovana izany fifamaliana izany: ny Radio mada manko dia miorina eny Faravohitra ary ampitan'ny tranon'ny filoha aza araka ny fahalalako azy. Mampihomehy ny ataon'izy ireo: ny iray milaza hoe efa feno olona ety Ambohijatovo amin'izao fotoana izao moa ny iray kosa mamaly hoe mbola vitsy dia vitsy ny olona tonga ao Ambohijatovo ao. Ny iray efa miteny fa amin'analina no vory lanona, ny iray kosa manambara fa tsy mbola nahazo ny olona azony tamin'ny heriny akory i Ambohijatovo. Fa inona moa no mitranga?
 

Amin'ny ankapobeny dia mizara roa ireo mpitolona, ny sokajy voalohany dia ireo tsy matahotra ny hipetrapetraka anaty fefy (tena sarotra tokoa ny fivoahana avy ao amin'ny zaridaina raha misy ny loza araka ny fomba fiteny) ka ilay fanaovam-pety ery ambony atsinanana ery no misy azy ireo. Ny sokajy faharoa kosa dia ireo olona mijoro afovoan'arabe manoloana ny Planete terrasse na la marquise teo aloha ka hatreo amin'ny zaridainan'ny tsangambato MDRM miandry ny fihavian'ny Ben'ny tanàna sy manakana ny fiara rehetra tsy hananika an'Ambohijatovo. Tsy tokony ho nisy olana akory anefa raha nizotra tamin'izany ihany ny fiara ankoatra ny tahotra fandrao mahatsiaro vasoka amin'ny isan'ny olona tonga teny angaha raha hitan'izay mandalo eo. Ny eo antenantenan'ireo sokajy roa voalaza ireo dia babangoana ihany. Izay no asehon'ny sary ary jereo tsara ny aloka sao dia lazaina ho tamin'ny 9 ora io nefa ny TV Plus madagascar dia nanambara mazava fa tamin'ny folo maraina vao nanomboka niditra ny olona noho ny tahotra sao dia misy mpitandro ny filaminana ihany mety handrava azy ireo. Io ihany koa no mety mahatonga ny olona tsy mety hiditra ny kianjan'ny demaokrasia (iniako soratana hoe demaokrasia fa tsy demokrasia).

 

Mazava loatra fa midelira mihitsy ny mpanohana azy rehefa tonga ny Ben'ny tanàna tamin'ny 11 sy sasany, mampieritreritra ahy hanao hoe izany tokoa ve moa rehefa entin'ny fo? Eo amin'ny sokajy faharoa nolazaiko teo isika: Raikitra amin'izay ny Ben'ny tanàna manao ny marika V, fa ny tsy azoko ny ankamaroan'ny sary azo tamin'io fotoana io dia nampahatsiahy ahy olona hafa saingy tsy misy ilay volombava kely, ilay ambany orona izany, iny fotsiny (fahatsapana noho ny fankahalana kosa angamba ny ahy?) nefa tena mahatalanjona ny fitoviana. Miara-miakatra mamonjy ny sokajy voalohany amin'izay ny mpitsena sy ny tsenaina. Izaho kosa mbola variana tamin'ity sary azoko, sady nihomehy ihany hoe: ahoana koa ity? Nanapa-kevitra ny hody avy hatrany aho handefa ny sary azoko... sady tsy noraharahiako intsony izay hamaroany any. Izany fodiako izany, satria tsy mieritreritra ny hahita zavatra hafa aho no nahatonga ahy tsy hanana ny sarin'ny teny @ 13 mey androany Asabotsy 24 janoary 2009. Mbola hitady any amin'ny namana hafa anefa aho na dia izany aza.


Fa nahoana angaha no  nifindra teny @ 13 mey ry zareo? Voalohany, sarotra be io kianjan'Ambohijatovo io noho ny fefy manodidina azy. Faharoa, mety ho tsikaritra avy hatrany fa nihena ny isan'ny olona tonga ka mety hahakivy izay manatrika eo raha hiverimberina ela loatra;ny vahaolana amin'izany dia ny fitadiavana fanentanana ny olona indray ka ny fandehanana mankeny amin'ny 13 mey no vahaolana amin'izany. Ny fahatongavana eny @ 13 mey ihany koa dia manambara ny finiavana hanongam-panjakana sady mampangovitra hatrany izay mpitondra fanjakana anaovana izany. Nitaky ny fialan'ny mpitondra rehetra amin'izay izy: tsy mahalala ny antony aho satria mba nomeny antony ihany izay fitakiana rehetra. Efa noalzaiko ihany moa tamin'ny voalohany fa nikorokotroka ny varatra tamin'ny fotoana nanambarana ny fankanesana ho any @ 13 mey ary tamin'io fotoana io ihany no nisy izay tao anatin'ny ora maromaro.


Nilaza amin'izay izy fa mikatona ny sekoly rehetra, na miankina na tsy miankina na ara-pinoana manomboka ny alatsinainy... ny resaka an-trano no mamehy fa tsy hisakana an'izany velively ny sekoly katolika nefa amin'ny alatsinainy isika mahita azy. Ny fanontaniana dia hoe ahoana no hanidian'ny TGV ny sekoly amin'izay? Hitety sekoly ve ka haka izay mianatra ao? (io ilay teneniko hoe kidnapping satria halain-dry zalahy izany ny zaza tsy ampy taona raha tsy misy anavahana ny sekoly hakatona). Ny fanao any amin'ny Anjerimanontolo migafy izany no atao raha tsy manaiky ny olona? "Vive la democratie!". Antsoiny ihany koa ny mpiasam-panjakana ary nambarany fa efa vonona amin'izany ny mpiasan'ny Jirama ohatra (kisendrasendra ve fa indroa tapaka ny jiro ny zoma ka tao anatin'ny fotoanan'ny vaovao hariva no nahatapahan'izany teto an-tanànanay ary ny fahatapahana faharoa kosa dia tamin'ny fotoana hanombohan'ny fandaharana invité du zoma tao amin'ny TV Plus nanasana ny mpitondra tenin'ny TIM.



Fa ny zavatra iray mahavariana dia hoe: Nahoana ary ny Ben'ny tanàna no toa sahisahy tsy matahotra ny hosamborina aza raha ny fijery azy? Misy ihany ny ahiahy fa mety manana hery miaramila ambadika ny lehilahy matoa tsy sahy kasihina. Asa anefa?

Politika fanorona: Resin-d Ravalomanana Marc aloha izao i Andry Rajoelina

2009-01-21 @ 21:52 in Politika

 tsy valintafo io labasy hitanao io fa tafo
 
Antony vitsivitsy no ahafahako milaza io toe-javatra io. Alin'ny alarobia 21 janoary 2009 izaho no manoratra aminareo. Nahatsiaro ny anaran'ny bolongako tany amin'ny blogger aho amin'izao fotoana izao, indrindra fa mihamafana indray ny taimbava politika. Mamantsy i Andry dia mamaly i Marc, anjaran'i Andry amin'ny Sabotsy indray ve? Ny fanorona manko tsy tahaka ny echec fa afaka mitohy mamely hatrany ny iray raha mbola afaka mamely na tiany ny mamely ny andaniny na mijanona antenantenany izy, tsy maintsy mihinana anefa raha misy ny azo hanina fa tsy afaka mijanona hoe izaho tsy hihinana. Isaky ny sabotsy ihany ve i Andry sy ny tariny no mametraka ny vatony fa ny andro hafa kosa anjaran'i Marc sy ny ekipany? Izany hoe mampihinam-bela ve i Andry? Inona no ho vitany indray mihetsika, andro iray dia ny sabotsy? Heveriko aloha fa voa i Andry eo amin'izay lafiny izay! Eo ihany koa ny toetr'andro izay nifanojo tamina rivo-doza roa aloha amin'izao fotoana izao.
fenoy rano io tafo io dia ho hitanao ny lozanao 
 
Faharoa, finoanoam-poana: mbola tsy afaka amin'ny Malagasy aloha io amin'izao fotoana izao. Misy mihintsana ny soratra hoe Antananarivo narantiranty tery Ampamarinana. Nisy rivotra mahery hoe dia niendaka ny sasany, tsy mampino ihany aloha e! tsy  maintsy hieritreritra hoe sabotazy kosa io. Toy izany ihany koa, nisy hazo nianjera tao amin'ny kianjan'ny demaokrasia, noho ny fahanterany mazava loatra (tatitra heno tamin'ny radio tana, kidaona maraina) nefa misy manadrohadro hoe "lazao fa sabotazy ihany koa e!"; eo indrindra isika, fambara zavatra amin'ny hafa hatrany ny zavatra toy izany na dia tokony ho tsy misy dikany aza. Eo amin'ny toe-tsaina minomino foana mbola ananan'ny maro dia mbola fampitandremana aloha izay, velona ny fanontanana anaty hoe hotohizana ve ny tolona? (hafa isika mpiserasera manam-pahaizana an!)

Ity lafiny fahatelo ity dia raisiko manokana. Efa rentsika ihany fa nianjera ny tafon'ny sehatra saiky hanaovana kianjan'ny mpihira gasy, izay vao notokanana tamin'ny fiandohan'ity taona ity, nilaza ny andaniny fa manify loatra ny rindrina no antony, tsy ekeko io fa rindrina 22 ihany ilay izy fa tsy 11 tsy akory rehefa hita ny sary. Laviko ihany koa anefa ny filazana fa nohozongozonin'ny mpiambina an'i Marc ny tafo na hoe nisy poteau nendahina no nampianjera ny tafo, niovaova ihany moa ny fiampangana fa anjarany izany. Tsotra ihany ny fanazavana:
Afaka manamarina any amin'ny iarivo-town isika raha tsy tafavoakako ny sary, jereo tsara fa labasy ny tafo nanaovana ny lampivato; io no fahadisoana, izany hoe teo amin'ny famolavolana ny trano no fahadisoana fa tsy hoe tanjaky ny rindrina na hoe sabotazy ihany koa. Raha natao labasy io tafo io dia tokony ho mora very ny rano avy aminy ary hihenjana ilay tafo (jereo ny an'Antsahamanitra) sady tsy atao manakaiky ny marindrano ny fametraka azy; fa tsy mivalombalona mora iangonan'ny rano ka mahatonga ny fisiana dobondrano ambony tafo. Ataoko fa azonareo avy hatrany ny tiako lazaina. Rehefa avy ny orana dia miangona amin'izay faritra ambany ny rano, ny labasy anefa tsy tatera-drano loatra ka tsy hitsika io. Vokany, lasa mavesatra ilay tafo satria mavesatra noho ny beton anie no zakainy e! Tsy mety maina mihitsy ny rano miangona ao, koa raha adinon'ny mpikarakara ny manosika (manary) ny rano avy aty ambany dia ao mandavataona io. Tsy atao mahagaga noho izany raha indray nianjera ny tafo satria be loatra ny rano teo amboniny. Averiko indray, fahadisoana teo amin'ny famolavolana ny nanaovana ny tafo ho labasy ary mbola hianjera foana io raha mbola ifikirana tsy hanovana azy ho fanitso na beton avy hatrany. Asa! mbola tenim-pankahalana hatrany ve ny ahy?

Fahatelo sady aleo faranana ny resaka, toy ny tsy afa-mihetsika fa ambenana toy ny managadra tena sahady i Andry rehefa ankalazaina fatratra izao siosion-dresaka hisamborana azy izao. Maro dia maro ve ny olona vonona hanolo-tena hiaro azy? tsy ho reraka ve ireo? Tadidio tsara, tamin'ny Sabotsy dia saiky handeha an-tongotra ny tenany hiditra ny kianjan'Ambohijatovo saingy noho ny raharaha dia niangavian'ny mpiambina izy hiditra ny fiara satria lasa sarotra dia sarotra ny miaro azy.
Tsy ho mora noho izany ny miambina azy rehefa eny an-dalana izy. Noho izany, sarotra ny ifampiresahany amin'ny vahoaka afa-tsy amin'ny toerana azo antoka amin'ny fiarovana. Etsy ankilan'izany anefa, noheverina ihany fa tsy ho sahy hivezivezy an'Antananarivo intsony izao Marc izao fa dradradradraina ho tsy tian'ny olona intsony ka mety ho voaompa (sa voatoraka kiraro?) kanjo dia ny eny ambany tanàna araka ny filaza no nandehanany. Nahay nihetsika i Marc androany satria tsy nihazakazaka nankany anindrana izy ka hoe tsy raharahako izay Antananarivo. Endrika fampifanoherana tahaka izany hatrany manko no narangaranga raha vao misy voina any ivelan'Antananarivo tokony handehanan'ny mpitondra fanjakana ka mety hahatonga ilay fihevitra fa zanak'Ikalahafa ny eto Antananarivo rehefa tsy nifidy izay napetrany hofidiana.

Noho izany, tokony hanana paik'ady matotra ny tariky Andry raha te-hahazo olona hafa tsy mankeny Ambohijatovo. Raha mahavita aza izy dia hiezivezy an'Antananarivo mihitsy ny asabotsy rehefa tsy afaka ihany ny andro hafa. Hevitra ihany ny ahy fa raha mbola lazaina ho fankahalana ihany dia tsy hitako intsony. Raha toa indray moa ka hitanao ny lafiny hitanao fa i Andry no mahazo vahana aloha eo amin'ny politika fanorona amin'izao fotoana izao dia apetraho ary ny hevitrao.

Fanamarihana: Misy ny mitaraina fa misy tsy mety ny fametrahana hevitra, fantatro tsara izany. Ny tsotra indrindra hitako aloha dia izao: Rehefa vita vaky ny lahatsoratra dia tokony ho vonona ihany koa ny lahatsoratra raha lavalava mety ataonao dia "actualiser"-o aloha ny lahatsoratra, ankotrihina hoy aho izay dia adika (copier) ilay lahatsoratra novononinao dia soratana ny anarana na solon'anarana ary averina ny marika lazain'ny Authimage dia alefaso amin'izay. Enga anie ho tafitra ny hafatrao!



jentilisa 21 janoary 2009

[updated 09:30 alatsinainy] Voafitaka hatrany ny VIVA dia namitaka hatrany tsy fidiny?

2009-01-18 @ 18:49 in Politika

7:30
Nanandrana nitsapa ny VIVA TV aho ary tsapa fa mandeha ny herinaratra ao amin'ny foibe fandefasantsary ao. Tsy nametraka sary na inona na inona anefa ry zareo fa mainty be fotsiny ny efijery! Midika izany fa efa nidirana ny biraon'ny fampielezan-tsary. Efa mandika ny didy fandrarana fandefasana azy izany ny mpitolona.

9:30
Nojerena indray ny fantsona misy ny VIVA TV ka efa misy tokotanin-doko manga ary sisiny laoranjy ny sary!

10:30
Niverina nitsapa hatrany aho ka manjavozavo ao anatin'ny loko voalaza teo ny sarin'i Andry TGV tamin'ny biletà faran'ny taona 2007 iny. Miandry ny fanombohana fotsiny sisa izany ny rehetra! miandry ny mety ho fiambenana ataon'Antananarivo ity toby ity ihany koa aho.

10:35
Tapaka ny feo tao amin'ny VIVA Radio, tsy herinaratra tapaka fa mety ho tsy fetezana teknika! naharitra atsasak'adiny izany fatahapahana izany ka tamin'ny 11:05 indray vao niverina ny hirahira. By the river on Babylon nohirain'i Boney M no nisantarana ny fiverenan'ny feo!

Tapaka nandritra ny ora telo mahery ny jiro ny teto amin'ny faritra misy ahy eto Antananarivo. Nanomboka tamin'ny efatra ora sy sasany izany fahatapahana izany ka tsy niverina raha tsy tamin'ny fito ora mahery teo. Maro ny faritra tapaka jiro tahaka izany teto an-drenivohitry Madagasikara. Tsy hoe fahatapahana maina tsy akory io fa orambatravatra kosa no nisy teto amin'ny tanàna e! Nandritra izany fotoana izany no niantsoan'ny namana ny tena fa noraofin'ny miaramila izany hoe ny fitaovam-panapariahan-tsarin'ny Viva teny Ambohimitsimbina tokony ho tamin'ny telo ora tolakandro teo ho eo. Nisy ny antso sy resaka nataon'ny mpanao gazetin'ny Viva tamin'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo izay nanentana ny vahoaka hirodorodo hiambina ny foiben'ny Viva eny Ambodivona.

Anjatony araka ny filazan'ny mpanao gazety tao ihany moa no tonga teny na dia mbola avy aza ny orana. Resaky ry zareo avy eo ny filazana fa karazana halatra mihitsy no natao, na dia mpitandro ny filaminana aza izy ireo, satria tsy misy taratasy ofisialy akory nakana izao fitaovana izao fa taratasy blocnote kely fotsiny no navelan-dry zalahy rehefa nandeha izy. Tamin'ny fito ora sy fahefany anefa dia niova indray ny resaka ka i Rolly Mercia no nanonona fa misy taratasy ofisialy nosoniavin'ny minisitry filazam-baovao Bruno Andriatavison nanambara fa noesorina tamin'ny VIVA TV mihitsy ny fahazoan-dalana hampiely sary ary noraofina (réquisitionné) avokoa ny entana tao anatiny, ary ny taratasy faharoa dia ilay blocnote teo ihany izay mitanisa kosa ireo entana rehetra noraofina. Izany ary no izy hoy ny mpanao gazety hafa koa aoka tsy hisy filazana hafa intsony na tsaho hafa intsony izay miely be loatra amin'izao fotoana izao. Tratra fanindroany indray izany ny VIVA Radio fa nampiely vaovao tsy marina tsy fidiny saingy tsy tezitra amin'izany aloha aho e!

Zavatra hafa manaraka indray, efa nisy ihany koa ny filazana tamin'ny Radio VIVA niaraka tamin'ny fandraofana ny entana teo manonona fa "mangoron'entana amin'izao fotoana izao ny ao amin'ny MBS". Mbola maty jiro moa aho amin'io fotoana io fa nampita ilay vaovao teo tamin'ny namana hafa tany amorontsiraka tany. Io namana nantsoina io no nilaza tamiko fa mandeha soa amantsara ny tele MBS aloha. Efa notsapaiko tamin'ny finday anefa fa dia mandeha soa aman-tsara ihany koa ny Radio MBS. Mahalasa saina ihany raha olona lazaina ho mangoron'entana no mbola mandefa sary sy feo ihany. Mahalala namana any Anosipatrana mipetraka akaikin'ny foiben'ny MBS mihitsy aho, nanontaniako indray io ary dia nahafantatra avy hatrany ny tiako hanontaniana. Namaly ahy avy hatrany izy fa efa nandeha nanamarina mihitsy teny amin'ny foiben'ny MBS ka tsy mahita izay fangoronan'entana nolazain'ny VIVA Radio izany fa miasa soa amantsara ny olona ao. Mbola tratra fanintelony indray ny Radio VIVA. Aleo ny mpanaraka ny VIVA Radio no hanamarina na handiso izay nolazaiko izay satria mba mpanara-baovao ihany no nanome ahy izany bolongam-baovao izany.

Lafiny hafa indray, Nitsidika olona maratran'ny trano nianjera nefa vao notokanana tamin'ny sabotsy heriny teo tany amin'ny hopitaly ny minisitry ny fahasalamana, hoy ny TVM. Io trano nirodana io dia ao anatin'ny faritry ny zaridainan'Andohalo mahafinaritra dia mahafinaritra iny. Ny nampirodana azy araka ny nolazaina dia noho ny hanifin'ny rindrina ihany ka raha vao naherihery ny orana androany dia tsy zakany intsony ny hijoro ho reharehan'Iarivo. Maty aho 88 000€. Tena tsy mety marina mihitsy tokoa izany fampandrosoana haingana sy maharitra izany satria rehareha ilay hoe latsaky ny herintaona dia vita ny zaridaina sy ny mombamomba azy. Voalaza fa hiantohan'ny fanjakana manontolony fikarakaraka ity maratra ity.

Raha nantsoina hirodorodo hamonjy an'Ambodivona ny vahoaka hiaro ny foiben'ny VIVA dia nasaina nody indray satria be loatra angaha fa aleo 50 ihany no hiambina ao, 50 hafa no hiambina ny eny Ambodivona. Tenin'ny Ben'ny tanàna izany. Nanditra izany fotoana izany nanambara ny Ben'ny tanàna fa ny Radio VIVA ihany no tokony henoina fa ny radio VIVA ihany no milaza ny vaovao marina. Noadinoiny indray ny Radio Antsiva izay mba nolazain'ny mpanao gazetin'ny VIVA tokony hambenana! Dia lasalasa indray ny eritreritro hoe fa ny fahalalaham-pitenenana ve no tena tiany arovana sa ny tombotsoan'ny tenany ihany... noho io fanadinoana "kely" io. Mampieritreritra ny tolona! Toa lalaovina ny vahoaka araka ny fijeriko azy na dia lazaina ho fomba fandaminana ihany aza izany. Raha misy moa ny mahay manazava azy ianareo arahaba soa arahaba tsara tompoko fa izany indray no ampitaiko.

Saika adino, resaka VIVA TV sy Radio fotsiny no tena nivalampatra nandritra ny savaravina nifanaovana tamin'ny Depiote Raharinaivo Andrianatoandro.

Mbola nantsoina indray mandeha indray ny vahoaka halina, afa efa natory aho aloha! antsoina, ampodiana dia antsoina indray! tsy naleo ve niambinia daholo satria alina voalohany? Tena zary kilalao e!

Filazam-baovaon'ny onjam-peo tsy miankina any amin'iny faritra Atsinanana iny no nandrenesana nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona omaly alahady tao amin'ny Faritra ny kabarin'ny Lehiben'ny Faritra Atsinanana izao teny manaraka izao: "Maro ny asa hatrehin'ny faritra amin'ity taona vaovao 2009 ity, voalohany amin'izany ny fandrakofana ho tara (goudron) ny lalan'ny tampontanànan'i Mahanoro, manaraka izany ny fambolena voanio (palme) izay hiaraha-miasa amin'ny orinasa Daewoo Logistic, ka amin'ity taona ity izany no atomboka..." Mampieritreritra ry zareo izany vaovao izany raha marina tokoa... efa ady koa manko ny filazam-baovao amin'izao fotoana izao saingy ny eto moa manakaiky ny mivantana mandrakariva ny hamoahana azy. 

Alatsinainy 19 janoary 2009

09:30
Miverina amin'ny filazany indray ny ao amin'ny Radio VIVA. Odiany tsy fantatra indray ilay taratasy misy sonian'i Bruno Andriantavison, Minisitry ny fampahalalam-baovao. Nijery ny lafiny lalàna ny amin'ny nakana ny kojakojam-pampielezam-peo sy sary teny Ambohimitsimbina indray ry zareo. Nambara indray araka ny fanazavana fa famakiana trano no natao teny Ambohimitsimbina iny ary azo sary ny namakiana ny trano tamin'izany. Soa ihany aho fa efa nitantara, nihafiana tsy nandehanana nivavaka tany am-piangonana mihitsy hitandroana ny marina sy ny fandehan-draharaha omaly alahady ka nahita mazava ny efijerin'ny fantsona Viva TV misy ny sarin'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo.

Tsy misy ilàna izany famakiana varavarana izany intsony satria ry zareo ao amin'ny VIVA ihany no efa namaha ny fitomboka nanidy ny varavarana tsy idirana amin'ny biraon'ny VIVA TV; efa nandika lalàna mazava sady azo lazaina hoe tratra ambodiomby, satria mbola tsy tena any aminy aloha ny fahefana, ny ao amin'ny VIVA ka tsy hitako intsony izay mbola lazaina fa tokony hiandry ny didim-pitsarana ny ao amin'ny fitondram-panjakana raha hanala ao anatin'ny fotoana tsy voafetra ny fahazoan-dalan'ny VIVA TV.

Fa inona moa no tena ady miafina mangotraka tao ambadik'ity fakan'ny miaramila ny kojakojam-pampielezam-peo sy sarin'ny VIVA ity (marihina fa mbola mandeha soa aman-tsara izany ny VIVA Radio amin'izao fotoana izao matoa miresaka ry zareo). Nametraka fanamby ny tompon'ny VIVA fa tsy maintsy handeha ny VIVA TV amin'ny alahady amin'ny fito ora tolakandro, tsy niteny ny avy amin'ny fitondram-panjakana nefa fantatra kosa fa misy zavatra kononkononina ao ambadika ao. Mazava loatra fa tsy nahatontosa ny fanambiny ny Ben'ny tanànan'Antananarivo rehefa nalain-dry zalahy ireo kojakojam-pampielezan-tsary ireo.

Manaraka izany dia voizina mafy dia mafy ihany koa ny tokony hanakatonana ny MBS amin'izay satria io no tena mandika lalàna voalohany amin'izao fotoana izao. Mety ho avy izany afaka kelikely eo ny fanafihana ny MBS izany efa nodradradradraina omaly fa nangoron'entana nefa mbola samy mandeha na ny radio na ny tv.
 


Jentilisa, 18 janoary 2009

[Mitohy ny tantara alahady]: Ambohijatovo hitokana ny kianjan'ny demaokrasia

2009-01-17 @ 09:18 in Politika

Tsy hoe miova manontolo ny lahatsoratra nosoratako androany ity. Na misy aza ny tsikera azoko tamin'ny nanaovako azy mivantana dia misy lafiny mahatsara azy ihany koa satria mba hita ihany koa ny fahadisoana nataon'ny mpampita vaovao nohenoiko (ary tafiditra anatin'izany ny Viva radio). Nahafinaritra mihitsy ny fisian'ny ora tamin'ny fakantsarin'i Avylavitra sy ny fiezahany hipika ny sary amin'ny lafiny misy olona sy tsy betsaka olona loatra. Afaka jerena ao tsara hoe ahoana izany feno nolazain'ny Viva Radio izany tamin'ny folo ora sy sasany (raha tsy hoe diso atasak'adiny angaha famataran'andron'ilay fakantsary). Marihina fa sary nalain'ny namana hafa kosa ny sary avoakako eto na dia tsy tomombana loatra aza ilay fakantsary. Marihina ihany koa fa fantatra amin'ny fanohanana ny mpitondra kokoa aho no mitantara mivantana aminareo. Ilay lazaina ho mpisolelaka e! Mazava loatra fa tsy maintsy mandray ny andraikitra satria hitako fa tratran'ny sivana ny mpanohana ny TGV ao amin'ny Moov. Manome sehatra azy ireo kosa aho eto amin'ny fanehoan-kevitra mba hamoaka ny vetsovetsony sy ny fomba fijeriny. Ataoko fa sambany teto an-tany no nisy fitantarana mivantana ataona tsy mpankasitraka izay manao izany fihetsiketsehana izany. Tsy nanatri-maso aho fa nampitam-baovao.

9:15
Nisy mpiantso iray, fantatra amin'ny fanohanany ny fitondrana, nilaza fa mpandrangitra no tena ataon'ny mpanao gazetin'i Viva satria lazaina fa lasa nitsoaka niafina any amin'ny Banky foiben'i Madagasikara any Mahajanga ny filoha Ravalomanana. Ndry! fa angaha moa tsy Madagasikara any Mahajanga? Avelao kosa izy mba ho any e!

10:30
Nilaza ny radio viva fa hipoka tanteraka ny kianjan'Ambohijatovo. Niantso ny mpanome vaovao ahy fa mbola nalalaka be izany afovoany izany.(hamarino amin'ny ora ao amin'ny flickr avy lavitra izany hoe feno izany)

10:38
Nilaza ny viva fa sakatsakanana ny lalam-pirenena tsy handehanan'ny olona avy any amin'ny faritra tsy hanatrika ity fotoana eto Antananarivo ity. Mitady fialantsiny amin'ny tsy tena fahazoany olona ry zareo: miampanga ny tsy fahombiazana sahady angaha ry zareo? Efa asa fanaon'ny mpitandro ny filaminana anie ny misava ny entana rehefa misy ny mampiahiahy.

10:45
Hirahira no mandeha eny an-kianja, Ra-chicky no miditra ny sehatra mandimby an'i Bekoto! Hirahira hafa kosa no mandeha amin'ny radio Viva.

11:00
Polisy monisipaly maherin'ny 50 sy tanora maherin'ny 2000 no mitafy sivily no misahana ny filaminana eny, hoy ny Viva! Amin'izao ora izao no feno ny kianjan'Ambohijatovo araka ny nampitain'ny mpanome vaovao ahy. Misy atsasak'adiny ny fahasamihafan'ny filazana hoe feno ary samy manana ny lazainy hoe feno. Fomba fijery izany! (Dia mamerina hatrany aho hoe jereo indray mandeha ny sary navoakan'i Avy lavitra misy ora)

11:06
Hiram-pitolomana na malaza amin'ny fitolomana hatrany no mandeha amin'ny radio Viva amin'izao fotoana izao. Ny hiran'ny Rossy no tena miverimberina. Efa mandeha amin'ny viva isan'andro rahateo moa ny hiran'ny Rossy indrindra fa manomboka amin'ny valo maraina eo ho eo.

11:08
Averina fa fantatra ny nampikatso ny fiara fitaterana avy any Antsirabe sy Toamasina!

11:15
mitatitra ny namana fa ny sora-baventin'ny FCD no hita any aloha hatramin'izao. "Herin'ny fanovana ho amin'ny demaokrasia mandrava ny jadona". Nolokoina mainty ny fefy vy avy any amin'ny vavahady ambanin'Ambohijatovo!

11:27
Miditra ny sehatra any Ambohijatovo i Samoela! Milamina miandry ny fahatongavan'ny tompon'andraikitra voalohany ny rehetra!

11:35
Lazain'ny mpitantara mivantana fa maro dia maro ny avy amin'ny farintany no tonga amin'ny fanokanana ny kianjan'ny demaokrasia. Izay ary no misy aty fa ampitaina aminareo any Anosy (an!) any Ambodivona ny fitenenana! hoy ny mpanao gazety iray tao amin'ny Viva, mpiasa tao amin'ny RNM angamba izy io taloha!

11:55
Miverimberina hatrany ny hiram-panentanana amin'ny radio viva, misy ny miverina in'efatra, in-dimy na mihoatra, indrindra fa ny hiran'i Rossy. Nolazain'ny mpitantara mivantana moa fa hitany any ny mpanao gazetin'ny TVM sy ny MBS ary ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny avy amin'ny fokontany... Antso amin'ny alalan'ny finday tsikelikely manko no ataon'ny radio Viva fa tsy fitantarana manontolo na hoe tsy mitsahatra.

12:05
Misy fiara 4x4 niditra ny vavahady ambany ka ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina izany! Mizotra mandeha an-tongotra izy hamakivaky ny kianja saingy nasain'ny mpiambina niditra ny fiara indray ka eny ambaravarana no mitsangana manofahofa tanana amin'ny mpanohana azy!

12:07
Horakoraka hoe:"io ny anay! io no anay! TGV! TGV!" no re ary misy koa ny mihorakoraka hoe "prezidà! prezidà!" araka ny hita sy re tao amin'ny TV Plus Madagascar. Handray ny toerany ery ambony sehatra ny Ben'ny tanàna!

12:15
Mitety ny olona ny lehilahy manao "bain de foule" ary ny nataon'ny filoha Ravalomanana tamin'ny 2002 mihitsy no naveriny, hoy ny tatitra nataon'ny namana mpampita amiko!

12:23
Redonina ny hiram-pirenena!

12:26
Miditra ny kianja ny Ben'ny tanànan'i Toamasina teo aloha Rolland Ratsiraka! ny mahavariana amin'izy ity dia ny fidirany aorian'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo. Inona avy hatrany ny ao an-tsaina? Rolland Ratsiraka ve izany no hirotsaka ho filoham-pirenena? Ny hafa kosa efa saiky tonga taloha avokoa fa izy kosa no nigadona farany

12:30
Tsy nilaza mihitsy ny fahatongavan'ny Ben'ny tanànan'i Toamasina teo aloha io ny radio viva. Nadine Ramaroson ao amin'ny Conecs no mikabary momba ny hoe fivarotana tanindrazana amin'ny vahiny. Tsy mandeha mivantana amin'ny radio ny kabary fa fampitana ataon'ny mpanao gazety VIVA ihany no itondrany azy!

12:40
Nolazain'ny radio nasionaly malagasy (radiom-panjakana) tamin'ny vaovao ity lanonam-pitokanana ity. Nolazainy moa fa nanomboka tamin'ny 10 ora ny lanonana, hoy izy, ka nafanain'ny mpanakanto maro izany, ary amin'izao fotoana izao hoy izy dia mandeha ny kabary sy ny fanentanana maro samihafa! sao dia misy milaza indray fa tsy lazaina amin'ny radiom-panjakana mihitsy ity zavatra ity.

12:45
Ny solontenan'ny faritra 22 indray no mifandimby amin'ny fandraisana fitenenana amin'izao fotoana izao araka ny tatitra nataon'ilay namana hatrany. Tena miankina be dia be taminy aho izany. Toy ny filoham-pirenena sahady izany ny lehilahy mihaino ny mpanohana "avy any amin'ny faritra atsimo" ary toa nolazaina aza fa tangalamena tamin'ny fotoanan'ny mivantana nataon'ny mpanao gazetin'ny VIVA!

13:04
Fotoana lavalava izay dia nivadika hoy toy ny radio evanjelika tampoka teo ny radio viva. Hafa indray iny! mitondra am-bavaka ny fotoana angamba! marihina hatrany fa tsy miampita mivantana ny zavamisy any Ambohijatovo fa antso finday tsikelikely... amin'ny fifandraisana mikasokasoka no amintinany izany misy eny! Efa mihasarotra amin'io fotoana io ny fifandraisana.

13:10
Hitsangana ny mpanatrika hiredona ny Madagasikara Tanindrazanay!
Hikabary ny Ben'ny tanàna Andry Rajoelina!
Anisan'ny voalohan'ny teniny ny hoe "Nitsangana Antananarivo, nijoro ny Iarivonay, Nitsangana ny Vahoaka malagasy. Manomboka anio dia antsoina hoe kianjan'ny demaokrasia...Tsy maintsy aongana ny jadona (naverina indroa!)... Asongadiny mazava tsara koa fa tsy azo samborina i Andry Rajoelina!
Toy izao ny tatitra nampitainy nandritra ny herintaona niasany:
Satria ny Ben'ny tanàna no tsy tiana dia ny vahoaka no faizina, tsy ekentsika izany! Na ho betsaka aza ny fanakatsakanana dia mbola hijoro i Andry TGV... Mahavariana fa voatery tapaka an-tenantenany ny fampitana ny kabary satria tsy tomombana ny fitaovana hoy ny mpanao gazety! (eto no nolazain'ilay namana iray milaza ny heviny ery ambany ery hoe nanadino io filazana io ilay mpampita vaovao ahy! marihina fa tsy nahazo azy tamin'ny finday intsony aho ary izy koa nilaza fa tsy nisy intsony ny fandehanan'ny tambajotra teny na Zain io na Telma na Orange). Efa noalzainy moa izay nolazainy fa ny ampitaiko eto kosa dia ny fitakiana ny hialan'ny Minisitra roa eo amin'ny governemanta dia ny Minisitry ny vola sy ny minisitry ny fanajariana ny tany. Andrasany hatramin'ny alarobia ny valin'izany! Takiany ihany koa ny hamoahana ny sary amin'ny TVM rehefa tonga eny an-toerana ihany ry zareo!

13:40
Gaga amin'ny fomba fiteny aho satria raha miteny ry zareo hoe Andry Rajoelina ity mikabary ity ny feo re na dia ratsy dia ratsy aza ny fifandraisana dia Rolland Ratsiraka mihitsy. Tratra koa teto ny mpanao gazetin'ny Viva nijanona tany amin'ny toby fiasany any Ankorondrano nilaza fa Rollanda Ratsiraka izao mikabary izao! Marihina hatrany fa tsy voampita mivantana mihitsy ny kabary noho ny haratsian'ny fifandraisana!

13:57
Tapitra ve ilay kabary teo? Tsy mazava mihitsy ny teny re: Hosokafana (iniana) ve ny VIVA TV? Tsy mety azoko intsony ihany ka ny mpanangom-baovaoko! Raha niteny ny fitakiana ny hanokafana ny Viva TV angaha ny Ben'ny tanàna dia nisy ireo andian'olona niteny hoe "izao dia izao"; mieriterritra aho fa fandrika io! Hitokana ny kianja amin'izay aloha ny rehetra!

14:22
Feno olona mandehandeha Analakely hoy aho tampiandohana! hay moa hizotra ho any Ankorondrano ry zalahy! Niniana ny nandalo ny magro Antanimena na ny misy ny le Calumet taloha! Miadana ny dia miadana ny faneha raha ny fanombanako azy!

14:40
Mizotra ho any amin'ny fampielezan-tsarin'ny VIVA amin'izay ny olona, notarihina, hanokatra ny viva tv.

15:00
Tonga any amin'ny foiben'ny VIVA amin'izay ny olona. Amin'ny firy ary izy ity no handeha e! fantatra amin'izay fa brouillé tanteraka ny antso rehetra nandritra ny kabarin'ny Ben'ny tanàna teny ambohijatovo. Mbola tsy hitsahatra ity vaovao ity fa hivoatra haingana dia haingana angamba.Voalaza ary izao fa naparitaka ny olona fa aleo milamina miandry ny hatramin'ny alarobia fe-potoana farany. Misy miaramila roa kamiao manko niandry fa niditra tamin'ny tsy ara-dalàna avy hatrany raha vao namaha teo.

18:00
Nampilaza ary ny tao amin'ny radio VIVA fa hisokatra rahampitso alahady ny VIVA TV (Endrey! efa vonona ny hiambina sahady lahy ny vahoaka!). Nandritra ny kabary natao ihany koa no efa nilazana fa hifamotoana indray eny amin'ny kanjan'ny demaokrasia ry zareo amin'ny Asabotsy ho avy izao. Izay ary aloha no azo ambara hatreto. Rahampitso ve izany dia hiditra amin'ny tsy ara-dalàna amin'izay ry zareo? Moa ve ahafahana milaza sahady ireny olona tonga ireny fa tena maro? Na izany na tsy izany dia tsy nilaza isa mihitsy aho eto. nosoratana koa izao ho tahirin'ny tantara!

19:30
Saiky noadinoiko, nandeha tamin'ny TVM ny vaovaon'Ambohijatovo sy ny sary saingy be no tsy nahita satria tapaka jiro Antananarivo iray manontolo. Niverina ny jiro vantany vao vita ilay vaovao nitranga teny Ambohijatovo! Ny nahitanay sary dia satria mandeha amin'ny bateria avy hatrany ny tele fijerenay vantany vao tapaka ny jiro. Aiza avy hatrany moa ny saina? niniana ve ny fahatapahana?

Eto izany, ity mivantana nosoratako ity dia mivantana avy amin'ny olona tsy nanatrika teny an-toerana fa tamin'ny alalan'ny radio viva aloha sy ny radio hafa ihany koa ary farany ilay mpampita vaovao amiko! Tena samihafa mihitsy ny fiantraikan'ny olona nanatrika sy ny tsy nanatrika. Ny Nanatrika manko nahazo ambiance moa ny tsy nanatrika kosa afaka manao recul hoy ny fiteny izay!

 

jentilisa, 17 janoary 2009 - Marihina fa tsy Avy lavitra mihitsy ny mpampita vaovao ahy tamin'ity fotoana ity fa olona hafa mihitsy!

 

Kianjan'ny demaokrasia: hotokonana foana io na inona na inona nitranga!

2009-01-15 @ 06:35 in Politika

saritatra gazety Ao raha 14 janoary 2009
 

Na nosokafana na tsia ny VIVA TV, efa niomana ny hitokana ny kianjan'ny demaokrasia hatrany ny eo amin'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo Renivohitra. Lalana efa noraisina iny (fanapahan-kevitra efa noraisina) ka inoana fa hotohizany ny fanarahana azy! Artista manandaza maro no nalaina mba hanafana izany fitokanana ny kianjan'ny demaokrasia hotontosaina ny Asabotsy 17 janoary 2009 izany. Io sisa no fomba mahomby eo ampelatanan'ny fiadidiana ny tanàna hanangonana olona maro, efa nataony manko io tamin'ny famalifaliana faran'ny taona teo amin'io kianja io ihany. Ny sisa mampanontany tena dia hoe ho tonga hanatrika fety ve ny olona rehefa ampiarahina ny hira sy ny politika (na rehefa manahy ny hisian'ny savorovoro kosa ny olona)?

saritatra gazety Taratra 14 janoary 2009
Nanandrana hatrany hamantatra izay hanara-dia azy hatramin'ny farany ny ao amin'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo teo ho eo. Raha ny olona tonga no jerena, jereo ny vohikala ofisialin'ny tanàna, tamin'ny nitokanana ny kianjan'Andohalo dia vitsy tsy araka ny nantenainy ny sarambamben'ny olona tonga nanatrika teny. Raha nitohy izany ny alahady nataony fiaraha-mivavaka ho an'ny firenena sy ny mponin'Antananarivo, na dia hita ho maro jerena aza ireo olona tonga ireo, dia mbola vitsy tsy araka ny nantenainy... sy araka ny fijerin'ny filoha Ravalomanana ihany koa nahasahy niteny ireny hoe mpampihorohoro sy mpaka takalon'aina ireny. Omaly indray dia ninia nanely tsaho ny avy amin'ny fiadidiana ny tanàna na ny mpanara-dia azy fa ho avy hanakatona ny radio VIVA ny mpitondra fanjakana amin'ny alalan'ny zandary sy miaramila, saingy tanora 20 raha be indrindra no namaly ny antso, tanora TGV mazava loatra vonona hiaro an'Ambodivona (foiben'i VIVA). Tena tadiavina mandrakariva ny handrangitana ny vahoaka e!

sary zaridainan'Analakely faran'ny taona 2008 fony tapabolana tsy nisy orana teto

Fa inona no nitranga raha nosokafana ny VIVA TV? Vao maika hieboebo ny Ben'ny tanàna fa mahomby hatrany amin'ny zavatra takiany ka hotohizany ny fananganana marina tokoa ny demaokrasia. Mbola misy anefa ny radio hafa mikatona (any Toamasina izay nisy nalaza tamin'ny fampiroboroboana ny fankahalana Merina) ka mitohy ny tolona amin'ny fitokanana ny kianjan'ny demaokrasia. Ny Malagasy indray anie tia mirevy foana ka rehefa mahazo olona amin'io sabotsy io dia hahazo toky tsara amin'izay. Lasa tombony sy fitaovam-pifanandrinana lehibe eo ampelatanan'ny TGV izany ny fahitalavitra raha nisokatra satria ny sary no manintona indrindra. Mbola fatiantoka amin'ny mpitantana ny tanàna noho izany ny tsy fisokafan'io VIVA TV io. Azo lazaina noho izany fa tena mahay milalao fanorona politika ny mpitondra fanjakana raha fantatra fa tsy hanokatra velively io fahitalavitra io!

sangisangy gazety inona ny vaovao 14 janoary 2009

Fa mismisy ihany ny manana alahelo amin'ny fanaovana an'Ambohijatovo ho kianjan'ny demaokrasia, satria eo no fialan-tsasatry ny mpianatra sy mpiasa maro lavi-podiana rehefa atoandro, ka manahy ry zareo hikatokato-poana ny toeram-pialantsasatra sisa afovoan-tanàna ho an-dry zareo.

 

jentilisa, 15 janoary 2009

 

Breaking News: May ny fonjan'Ambalatavoahangy (Toamasina) sy tohin'ny an'ny Andry Rajoelina

2009-01-13 @ 11:12 in Politika

Vaovao vao mipoaka mihitsy ity atolotra anareo ity. May ny fonjan'Ambalatavoahangy, anisan'ny fonja fonja vaky tamin'ity volana janoary ity, any Toamasina izany. Setroka tsy ifankahitana no ao amin'izao fotoana izao, araka ny tatitra nalefan'ny namana mpampita vaovao tamiko amin'izao fotoana anoratana izao. Nisy poa-basy mihitsy ren'ny manodidina ka afaka fotoana fohy isika mahita ny tohin'ny tantara avy amin'ny karazana mpampita vaovao samihafa eto Madagasikara.

Fa inona moa ny zavamisy ao Ambalatavoahangy ao amin'izao fotoana izao. Misy trano amboarina manko ao amin'ity fonja ity, ka nanagorobahana ny rindrina ivelany ifamezivezen'ny fiarabe mitatitra ny fitaovana hanorenana ireo trano lehibe roa ireo. Ny mpijery manodidina dia efa niahiahy be ihany fa mora ny hanaovana fandosirana noho io rindrina nogorobahana io. Tsy fantatra hoe mpiasa tsotra ve no manamboatra ny trano sa ny voafonja ihany? Na ahoana manko na ahoana, hoy ny namana mpampita vaovao dia fakam-panahy lehibe ho an'izay migadra ny mahita izany rindrina mitanatana izany (eny fa na dia lazaina ho roa sosona aza ny rindrina).

Vaovao faharoa ampitaina aminareo ihany koa, nitsidika tampoka ny hopitalin'ny Befelatanana ny filoha Ravalomanana mba hijery ny zavamisy ao. Izay no filazana ofisialy fa ny tena marina dia hiresaka amin'ny mpanao gazety no tena tanjony, ka amin'ny maha-mpanao gazety ny mpanao gazety dia tsy maintsy nanontany ny filoha momba ny Ultimatum nataon'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo ry zareo. Io fanontaniana io no tena nandrasany. Toy izao ny sombin-dresaka nampitain'ny radio nasionaly malagasy momba ity raharaha ity:

Amin'ny fanombohan'ny taona tahaka izao dia tokony ho anjaran'ny zanaka no mitsidika ny ray aman-dreny. Misy anefa ny zanaka no tsy afaka mamangy ny ray aman-dreny noho ny tsy fahasalamana. Raha izay nanombohany niteny izay dia fantatra avy hatrany fa ny Ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra no nasiany voalohany satria salama tsy marofy ny lehilahy nefa tsy nitsidika ny ray aman-dreny. Raha manotany ny fanapahan-kevitry ny filoha sy ny fitondrana amin'ny Ultimatum ny filoha dia hoy ny navaliny: Ny olona mpaka takalon'aina no mpanao izany Ultimatum izany, ka matoa efa miditra amin'izany dia efa vonona ny hamita hatramin'ny farany, koa vitao ary. Raha hanontany izay tohiny ianareo dia anontanio izay nanao izany fa izy no mahalala ny tohiny. Efa niantso azy ihany aho tamin'ny zoma teo fa izy no tsy tonga.[...] Tsy fanao ireny Ultimatum ireny...

Ataoko fa ampy hieritreretantsika rehetra izay voalaza izay, vangivangio ihany eto fa mety hisy ny vaovao fanampiny atolotra anareo raha misy izany... mihamafana tokoa ry zareo ny toe-draharaha an!



jentilisa, 13 janoary 2009

Andry TGV: Sao Vavaka fihatsarambelatsihy? (updated at 23:45 Antananarivo)

2009-01-11 @ 09:16 in Finoana

Mety ho maro no ho tezitra fa dia izay no fijeriko azy. Niniako nosoratana talohan'ny fotoam-pivavahana (jereo ny afisy) hotontosaina raha tolakandro alahady 11 janoary 2009 izy ity fandrao raha mahita ny hamaroan'ny olona aho dia hihemotra indray amin'ny fanehoako hevitra. Mananjo hatrany anefa aho haneho ny hevitro na dia tondroina ho fahavalom-bahoaka aza matetika, na mpanakatsakana no filaza azy ankehitriny. Nahoana ary no lazaiko fa vavaka fihatsarambelatsihy no ataon'i Andry Rajoelina sy ny tariny rahariva?  
 

Sary nangalarina tamin'ny gazety Ao raha nivoaka ny sabotsy 10 janoary 2009 teo mba ho hitanareo any ivelan'i Madagasikara.

Voalohany, tratran'ny fihatsarambelatsihy aloha ny Ben'ny tanànan'Antananarivo raha namindra ny fifampiarahabana saiky hotontosaina ny alarobia teo hifanontona amin'ny fifampiarahabana izay fanaon'ny eny Iavoloha isaky ny Zoma voalohany na faharoa amin'ny taona ho fialana sirika. Tsy nihatsaravelatsihy izy raha nataony alarobia ihany ny fifampiarahabana teo amin'ny mpiara-miasa aminy ka tsy tonga fotsiny izao, tahaka ny fanaon'ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert, tsy manana antony manokana afa-tsy ny tsy fitiavana ho any izy ny zoma 09 janoary 2009 lasa teo. Efa fanehoana fahalemena sahady iny fomba nialana iny nefa ianao hilaza hanatontosa fotoam-pivavahana ho an'ny Firenena sy ny tanànan'Antananarivo ny alahady 11 janoary 2009.

Mazava tsara anefa ny lazain'ny baiboly raha misy ny toe-javatra tahaka izao ka heverina fa manana olana amin'ny fitondram-panjakana foibe ianao, noho ny faneriterena sy ny fanakatsakanana isan-karazany; Baiboly ao amin'ny bokin'i Matio toko faha-5 adininy 23 sy 24: "Ary amin'izany, raha mitondra ny fanatitrao ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin'ny rahalahinao, ary rehefa miverina vao atero ny fanatitrao." Hanomana fotoam-pivavahana ianao, nefa tsy nanana fanajana ny mpitondra anao tamin'ny famaliana ny fanasana... eny fa na dia tsy mifankahazo aza ianareo... dia efa fahadisoana lehibe eo anoloan'ny vavaka izay kasainao hatao. Misy soratra ao amin'ny Baiboly misy ny taratasy voalohany nosoratan'i Jaona toko faha-4 andininy 20 sy 21: "Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa ataony ahoana no fitia an'Andriamanitra izay tsy hitany raha mankahala ny rahalahiny izay hitany izy? Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa." Heveriko noho izany fa na notoroana hevitra diso ny Ben'ny tanànan'Antananarivo hijabaka any amin'ny tsy tokony alehany na tena zavatra hafa mihitsy no nokendrena hatry ny ela.
 
 Sary afisy nopihana tamina toerana tsy azo ametahana afisy tahaka ny nalain'ny mbs tamin'ny rindrin'ny kianjan'i Mahamasina sady tsy azo ametahana afisy no voarara ihany koa ny fanoratsoratana azy. indrisy!

 
Manaraka izany, sao lasa mivadika ho toriteny izy ity, dia misy zavatra azo tsoahina ihany koa ny votoatin'ny afisy: Soratra voalohany indrindra ery ambony ery: Antananarivo mijoro... Nahoana no tsy natao hoe Antananarivo mivavaka ohatra? Toa hafa avy hatrany ny ao ambadiky ny teny: Antananarivo manohitra, manohitra ny fangejana ataon'ny mpitondra azy? Sa mijoro manakory tsara moa izy ity? Fa angaha moa tsy fotoam-pivavahana izy ity no asiana tarigetra toa tsy mifanaraka akory amin'ny zavatra izay kasaina hatao? Dia eo ihany koa ny hoe hitondrana am-bavaka ny firenena sy ny mponin'Antananarivo renivohitra. Ny ankamaroan'ny fiangonana dia efa manana fotoana iraisana isaky ny 29 marsa sy ny fetin'ny fahaleovantena hanaovana izany fitondrana ambavaka ny firenena izany... ny hoe ny mponin'Antananarivo renivohitra indray aloha tsy mbola misy nandraikitra izany manokana... saingy mazava fa tsy vonjy tavan'andro no tokony hanaovana zavatra tahaka izao fa fotoana raikitra mandrakariva... noho izany, tokony ho efa nahalala ny fotoana fanaovana izany fitondrana am-bavaka ny firenena fanaon'ny maro amin'ny fiangonana izany ny ekipan'ny Ben'ny tanàna ankehitriny ka mba nahay niandry izany afa-tsy hoe manan-javatra hafa hokendrena (manao ho fitaovana politika ny fivavahana), na tsy mahalala ireo fotoana ireo akory... ka dia nampiharihary amin'ny hafa ny tsy fahalalany akory ny fivavahana izay hataony.

Farany, tsy atao ho olana velively ny fanentanana ny olona hiakanjo fotsy amin'io fotoana io, fa mba fanao ihany izany, saingy araka ny fijeriko toa tsy ho amina fanompoam-pivavahana velively no handehanan'izay rehetra hankeny amin'ny Kianja mitafon'i Mahamasina fa ho endrim-panohanana fotsiny ny Ben'ny tanàna. Mampiahiahy ahy ihany koa fa tsy tena ilay fotoam-pivavahana no tanjon'ny mpikarakara fa hijery na hanombana ny hamaroan'izay mety hanohina raha avy ny fotoana hihetsiketsika ry zareo hanohitra ny jadona sy ny fanakatsakanana ny fahalalaham-pitenenana... Ka hirosoana na hiatoana amin'ny dingana manaraka... ary dia mbola endrika fanahy tsy madio ihany koa izany. Dia ho inona daholo ary izany raha marina tokoa fa tsy endrika vavaka fihatsarambelatsihy fotsiny?
 
Fanampiny rehefa vita elaela ny fotoana!

Nizotra tsy nisy sakatsakana ny fandaharana rehetra notontosain'ny ffkm Antananarivo renivohitra araka ny filazana azy nandritra ity folakandron'ny 11 janoary ity (efa alina kosa aho no manoratra ho vaovao sy fanehoan-kevitra ho anareo). Tsy nahay naka sary tsara ve ny tao amin'ny iarivo-town satria tsy hita tsara ny sarin'ireo mpitondra fivavahana nitarika ny fotoana sa lavitra loatra ny alitara (ôtely)? Olona roa amin'ireto voatonona manaraka ireto no fantatro endrika tsara saingy toa manjavozavo mampisalasala izy ireo amin'ny sary (ireo anaty fononteny):

Mitarika : Révérend Père Rakotondrasoa Jean Thimoté
Mitoriteny : Pasteur Rakotobe Rajaomanjato (Fjkm Ziona Ambohipo)
Vavaka : Pasteur Ranaivoharivony Herimalala
Soratra Masina : Pasteur Rakotomahandry Ivola (Flm Ambatovinaky)
Tonombavaka : Pasteur Ramaroson Oelinirina
Teny Fisaorana : Ben’ny Tanànan’Antananarivo

Ao amin'ny iarivo-town ny sary: Samy manana ny fijeriny ny tsirairay, mety noho ny fahalalana fa tsy ho tafiditra anaty trano no nahakamo ny sasany... nefa fanehoan-kery no tanjona hahitana ny hamaroan'ny olona hanaraka. Izaho kosa milaza hoe: pour un début, c'était déjà bon!

Tsy nahalala nitatitra ny teny rehetra ankoatra ny an'ny Ben'ny tanàna ny mpanao gazety (satria ny fankalazana ny Ben'ny tanàna angaha no tanjona?) koa dia omena anareo ihany ny teny voasoratra ao amin'ny fandaharam-potoana (marihina fa tsy teny aho noho ny asa aman-draharaha alahady ka namana nahangom-baovao tampoka no nampita tamiko):

Vakiteny 1: Jeremia 31: 1 - 6, Isaia 41: 1 - 4
Vakiteny 2: I Korintiana 13: 4 - 13
Vakiteny 3: Jaona 15: 9 - 16

Araka ny notaterin'ny radio france international androany 11 janoary 2009 tamin'ny folo ora sy sasany alina (ora Antananarivo, Madagasikara) dia ampolo arivony (diso ihany izany raha ny sary no jerena!) indrindra fa ny tanora no tonga nanatrika ny fotoana. Mazava rahateo ny tian'ny rfi nampitaina na izay notsongaina tamin'ireo noraisiny feo:

Ny iray nanambara fa tonga eo izy ho fanombohana fotsiny ihany fa mbola miandry ny manaraka ihany koa izy... izany hoe ny tiany lazaina raha ny fahazoako azy dia efa vonona izy ny hilahatra sy hitokona raha miantso ny Ben'ny tanàna. Ny iray hafa manambara fa tsy tena hivavaka no andehanany tao fa hanohina ny antson'ny Ben'ny tanàna, fa raha hivavaka izy dia efa vitany ny maraina tany am-piangonana izany. Ny iray milaza fa Miozolmana izy ka mandray anjara ao ihany koa amin'ny maha-mizaka ny zom-pirenena azy. Ary ny farany dia manohana ny Ben'ny tanàna izy amin'ny maha-tanora azy satria ilaina mifanampy ny tanora...hehehe.

Ny zavatra hafa voamarika ihany koa dia ny fisian'ny tehaka nandritra ny toriteny satria nahafinaritra dia nahafinaritra tokoa hoe ny toriteny [mahay mitoriteny kosa aloha ny Pasitera Rajaomanjato e!], tsy dia fanao manko izany, indrindra fa ho an'ny protestanta saingy dia nierimberina hoe ny tehaka. Raha manam-potoana hamakiana ireto andinin-tSoratra Masina ireo ianareo dia tahaka ny misy finiavana ho amina hetsika mesianika ny resaka [mesia vaovao tokoa moa ny Ben'ny tanàna? fanaon'ny olona hatrany izany rehefa tena manantena iny olona iny izy, ny Mesia andrandraina koa moa matetika sady fahefana politika iny no fivavahana]



Jentilisa, alahady 11 janoary 2009

Lasan'ny TGV angaha ny jirama? sy ekena ny 11 janoary saingy...

2009-01-08 @ 11:27 in Andavanandro

Gaga aho raha nandray ny faktioran'ny Jirama androany fa ny lokony no nanaitra ahy voalohany. Jereo anie:

Tsy fahotana velively na lasany aza, mety ho izay koa no mba tian'ny mpitondra. Fa mahavariana ihany na dia izany aza amin'izao toe-draharaha heverina ho mafana izao. Ny loko mavokely no loko namantarana ny Jirama hatrizay. Hiova ho manga antitra ve izy sa hampiaraka ny manga antitra sy ny mavokely izay loko famantarana ny fikambanana TGV rahateo? Ny ho avy no hanambara azy.

Vaovao hafa ankoatra izany, nanambara ny lehiben'ny faritra Analamanga sy ny Prefen'Antananarivo renivohitra amin'ny fotoam-pivavahana tian'ny Kaominina Antananarivo renivohitra hotontosaina fa ekeny no hanaovana izany, saingy anaty trano... mba hahamora ny fandaminana sy hisamborana ireo gadra nandositra izay mety hanakorontana anaty vahoaka amin'ireny fivoriana ankalamanjana ireny. Efa mananontanona ho'aho ny fifandonana.

Zavatra iray hafa ihany koa, nifanontona ny fifampiarahabana nahatratra ny taona eny Iavoloha sy ny karakarain'ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin'ny zoma (rahampitso) 9 janoary 2009 ho avy izao ka ahiana ny tsy hahatongavan'ny Ben'ny tanàna any Iavoloha indray. Gazety hafa anefa no nanambara fa saiky notontosaina omaly io fifampiarahabana tao amin'ny Kaominina Antananarivo io fa (izaho indray no manohy) mba ho fialana bala tsy hahatongavan'i Andry Rajoelina any Iavoloha dia aleo hahemotra rahampitso izy io. Tena tokony hosolàna ilay Ben'ny tanànanay fa ahiako misy mitondra amin'ny sangany!

Farany, ompa nataona mpihaino iray tao amin'ny kidaona maraina androany alakamisy 8 janoary 2009 ihany: Be dongidongy tamin'ny mpanjaka, hono, ity zanak'andriana (tsy iray fianakaviana amin'ny mpanjaka) iray nifehy tanàna somary lehibebe ihany ka niteny azy ny mpanjaka hoe: Fa inona no tadiavinao amin'ity be dongidongy ity e? Namaly, hono, ilay zanak'andriana hoe: Tsy mitady na inona na inona aho fa ny tadiaviko dia ny mandiky eo amin'ny seza fiandriananao! Eny ary, hoy ny mpanjaka, fa izao: mahazo mandiky soa aman-tsara eo amin'ny seza fiandrianako ianao fa tsy mahazo mivalandrano... koa ataovy ary!

Operation Prison Break sy mandika ny lalàny ny FFKM raha...

2009-01-06 @ 06:02 in Politika

Roa andro aty aorian'ny fahavakisan'ny fonja telo (Tsiafahy any Ambatofotsy Gara tamin'ny telo ora maraina sy Ambalatavoahangy any Toamasina tamin'ny telo ora maraina ary Betroka tamin'ny folo ora alina) tao anatin'ny alina iray monja (Asabotsy mifoha Alahady) dia miharesy lahatra ny maro fa tsy kisendrasendra intsony izao toe-javatra izao. Heverina ho misy ny atidoha nikotrika ny raharaha ary olona ivelan'ny voafonja ny atidoha, satria tsy tokony hanana finday na fitaovan-tserasera hafa ireo voafonja ireo handosirana tao anatin'ny indray alina. Tarataratra ho fitadiavana hanakorontanana ny firenena amin'ny alalan'ny tsy filaminana no tanjona na fanindriana ankolaka ny olona tsy hihetsika satria hanampy isa ireo olona natao hanakorontana fotsiny (A qui profite le crime?). Hisy raharaha ity volana Janoary sy ny tohiny ity izany koa!
sary nangalarina tamin'ny gazety Taratra  alatsinainy 05 janoary 2009

Zavatra faharoa, Nisy ny taratasy nalefan'ny Kaominina Antananarivo renivohitra tany amin'ny fiangonana maro samihafa tany. Nisy ny nilaza azy tamin'ny raharaham-piangonana, fa misy koa ny fiangonana tsy nilaza io velively. Taratasy fiantsoana ny fiangonana rehetra, hanatrika ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana hotontosaina eo amin'ny kianjan'ny demaokrasia Ambohijatovo ny alahady 11 Janoary 2009 folakandro (na any amin'ny tranompokonolona ve raha avy ny orana?). Manomboka eto no tsy mazava intsony: iza no mitarika ny fotoana? Raha ny FFKM dia mandika ny lalàna napetrany ihany izy. Noho ny fifandroritana politika be loatra nisy hatramin'izay manko dia nametraka arofanina ry zareo. Izao izany arofanina izany: Ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tarihin'ny FFKM eo anivon'ny firenena dia fotoana telo ihany ao anatin'ny taona. Efa voafaritra mialoha ihany koa ireo fotoana telo ireo.

Ny Fotoana voalohany dia ny herinandro fiaraha-mivavaka fanao isaky ny 18-25 janoary izay toa tsy fantatsika loatra intsony amin'izao fotoana izao. Mandritra ny herinandro no hanatontosana io fotoana io ka mifandimby mampiantrano ny fotoana ireo fiangonana mifanakaiky. Ny fotoana faharoa dia isaky ny fahatsiarovana ny 29 marsa 1947 izay atao isaky ny daty voalaza mazava loatra. Ary ny fotoana fahatelo farany, fotoam-pivavahana iraisam-pinoana eo amin'ny sehatry ny firenena, izany hoe rehefa mifandraindraika resaka politika ny fotoana, dia amin'ny fetim-pirenena isaky ny 26 jona. Ny ankoatra izay dia heverina ho fotoam-pivavahana iraisam-pinoana tsy ara-dalàna mitady hanimba ny fiaraha-miasa.

Koa raha mpitarika ny fotoana ny FFKM amin'ny fotoam-pivavahana tarihin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra ho avy io dia tsy manara-dalàna, amin'ny fitsipika napetrany ihany, izy. Raha ny roa amin'ireo no mitarika dia tsy olana loatra izany, saingy tsy afaka milaza tena na misolo tena ny FFKM na oviana na oviana izy. Raha toa izany mitarika ny fotoana amin'io fotoana io ny Arshevekan'Antananarivo, na dia izy aza no filohan'ny FFKM amin'ity taona 2009 ity dia tsy afaka misolo tena ny FFKM ny lehilahy. Enga anie mba hazaa amin'ny maro tsara izay fanavahana izay.


jentilisa, talata 06 janoary 2009

Nandalo Zafy Albert: Vaky ny fonjaben'i Tsiafahy![updated]

2009-01-04 @ 10:49 in Andavanandro

Soa ihany, na dia zava-dratsy aza no nahafantarana azy fa, heno hoe nandalo teny amin'ny fonjaben'i Tsiafahy ny filoham-pirenena teo aloha tamin'ny faran'ny taona teo. Ny toe-javatra notaterin'ny gazety manko dia hoe nipoaka tao anatin'ny fonja ny basin'ny mpiambina ny filoha teo aloha Zafy Albert. Gaga ny rehetra! Nahoana no tafiditra tao anatin'ny fonja ny basin'ny mpiambina ny filoha nefa dia oarara tanteraka izany?

Nanomboka tamin'ny namakiako io vaovao nipoahana basy io dia efa niandry fotsiny ny fahavakisan'ny fonja aho ary dia tontosa izany androany alahady maraina 04 janoary 2009 tamin'ny telo ora. Tena miala tsiny raha nampifandrayireo toe-javatra roa ireo satria izay no lojika tao anatiko tao na dia efa talohan'ny fahavakisana aza... noho ireny fahavakisana efa nisesisesy tetsy sy teroa ireny! Sarotra ho ahy koa noho izany raha tsy nampifandray ity toe-javatra ity ami'ny toe-draharaha politika mety hitranga atsy ho atsy! Tsy nisy nolazaina ny mombamomba ireo 21 nandositra, nisyy oatifitra nandritra ny fitsoahana fa mbola misy 16 no miriaria any ho any!
 
fanampiny:

toy izao io lahatsoratra io:
 
Taitra ny rehetra, na ireo gadra na ny mpiandry fonja, hatramin'ireo mpamangy naheno ny poa-basy tokana nirefotra tao amin'ny fonjan'i Tsiafahy ny 31 desambra lasa teo, tokony ho tamin'ny 3 ora tolakandro. Miaramila iray no voatifitra teo amin'ny takibany. Basin'ny mpiambina an'i Zafy Albert tonga namangy- tao an-toerana ity nipoaka ity.

Araka ny fanazavana, niaraniditra tamin'ny profesora Zafy tao amin'ny fonja ny mpiambina azy izay nahazo alalana hitondra ny basiny, na dia tsy tokony hisy fitaovam-piadiana tafiditra aza ao anatiny. Nifampiresaka tamin'ny miaramila iray namany ity mpiambina nanana basy ka taorian'ny resaka nifanaovan'izy ireo no nirefotra ny basy. Tsy nisy nahita mazava izay tena nitranga ny rehetra, na ny tompon'andraikitra tao amin'ny fonja na ingahy Zafy Albert, fa ny basy efa latsaka teo amin'ny tany no tazan'izy ireo taorian'ny fipoahana.

Nalefa teny amin'ny Hjra avy hatrany ilay naratra. Avotra soamantsara izy ary afaka ny bala tafiditra teo amin'ny takibany. Taorian'izay no nahalalana fa latsaka ilay basy ary izay no nampipoaka azy ary nandratra olona tsy nahy. Mifankahalala rahateo ireo miaramila roa ireto, ny iray mpiambina an'i Zafy Albert ary ny faharoa mpiambina ao Tsiafahy. Mara-nianatra izy roa lahy, samy zandary kilasy faharoa.

Marihina fa saro-pady ary avo lenta ilay basy nipoaka, marika Tamas. Olona manokana vao afaka mampiasa azy.

Tonga teny amin'ny fonjan'i Tsiafahy ny androtr'io ihany ny tompon'andraiki-panjakana nizaha ny zava-misy. Efa ny 1 janoary tamin'ny 3 ora maraina izy ireo vao niala teny an-toerana. Mandeha ny famotorana...

Yves S. (Mariho fa 2 janoary 2009 ity gazety Taratra nanatsoahako ny vaovao ity)

Fanendrena Minisitra:

Ireo Minisitra telo notendrena Androany alahady moa dia avy amin'ireo efa teo ihany dia: Atoa Bezary manase (fanapariaham-pahefana) sy Désiré Rasolofomanana ary Rakotonirina Gervais izay tsy arako ny toerana nanendrena azy.
 

jentilisa, alahady 04 janoary 2009

Fanambaran'ny Sefafi 24 desambra 2008 momba ny Viva

2009-01-03 @ 10:26 in Politika

Araka ny maha-VETO ny VETO dia miezaka ny hampita izay rehetra mety hifandraika amin'ny tantaram-pirenena izy, na dia misy aza ny tsy fitovian-kevitra. Ity soratako eto ambany ity ary ny fanambaran'ny Sehatra Fanaraha-maso ny fiainam-pirenena na ny SeFaFi (Observatoire de la Vie Publique) manana ny foiben-toerany ao amin'ny Lalana Rajakoba Augustin Ankadivato Antananarivo. Sofindavitra: 22 663 99 sy Fax: 22 663 59 ary ny adiresy imailaka [email protected]

Marihina fa nadika tamin'ny gazety amin'ny teny malagasy iray nivoaka androany 3 janoary ity fanambarana ity.


RAHARAHA VIVA : TODIKA AMIN'NY FILAMINAM-BAHOAKA SY NY FAHALALAHANA MITENY

Ny asabotsy 13 desambra 2008 tokony ho tamin'ny 8 ora alina, ny Antokona fahitalavitra VIVA dia nandefa nandritra ny 45 minitra raki-peo sy sarin'i Didier Ratsiraka, filohan'ny Repoblika teo aloha; tokony ho tamin'ny 11 ora alina, tonga tao amin'ny toeran'ny fahitalavitra ny olon'ny mpitandro ny filaminana mba hanao ny fanakatonana azy. Teny amin'izy ireo ny fanapahan-kevitry ny Minisitry ny fifandraisan-davitra, ny Paositra ary ny fifandraisana, Filohan'ny Vaomiera manokana amin'ny Fifandraisana amin'ny haino amanjery, izay toy izao no sorany: " Tohin'ny fandefasana tamin'ny antokona fahitalavitra VIVA ny raki-peo sy sary misy ny tenin'ny filoham-panjakana teo aloha Didier Ratsiraka mialokaloka any Frantsa tao amin'ny vaovao an-tsariny ny asabotsy 13 desambra 2008 tokony ho tamin'ny 8 ora alina, izay teny mety manohintohina sy ny fandaminana sy ny filaminam-bahoaka, ny antokona fahitalavitra VIVA dia voarara tsy hiely".

Manoloana io toe-javatra io, ny SeFaFi dia manaitra ny manampahefana, sy ny hevitry ny olom-pirenena koa, eo amin'ny loza mety hitranga mazava amin'ny fahalalahan'ny olom-pirenena izay miharihary ankehitriny eto amin'ny firenena. Satria ny SeFaFi dia manohana ny soatoavina demokratika hatramin'ny niorenany, manohitra amin'ny zava-mitranga mety hanohintohina ny fahafahana sy ny zon'ny olom-pirenena ; ivelan'ny olona sy ny rafitra, izy dia miaro ny soatoavina iraisan'ny eran-tany izay nirotsahan'i Madagasikara.

Tokony ho tsiahivina eto ve fa ny fandraisana anjara voalohan'ny SeFaFi, tamin'ny 2001, dia niompana tamin'ny fiarovana ny fahalalahana mivory ? Ny ben'ny tananan'Antananarivo Atoa Ravalomanana Marc, dia nikasa tamin'izany nanao fihetsiketsehana, noho ny 1 mey, ny fankalazana mahazatra ny fetin'ny asa teo amin'ny kianjan'ny 13 mey, fa nifandona tamin'ny fanoheran'ny Prefen'ny polisy. Ny 28 avrily 2001, ny SeFaFi dia nandefa tamin'io farany io taratasy maneho ny fiahiahiany mikasika ny fampiharana ny zo hivory sy ny fihetsiketsehana, izay samy iantohan'ny Lalampanorenana sy ny fifanarahana iraisam-pirenena neken'i Madagasikara. Ny dika mitovy amin'io taratasy io dia nalefa tamin'ny ben'ny tanàna. Nony tonga ny andron'ny 1 mey, dia nanapakevitra ny ben'ny tanàna mba hisorohana ny fifandonana amin'ny polisy ka namindra ny toerana nanaovana ny fihetsiketsehana teny amin'ny kianjan'Ambohijatovo ; teo ankilany, ny Prefe dia nanaiky fa ny filaharan'ny mpiasa dia atao amin'ny lalana manamorona ny kianjan'ny 13 mey ary delegasiona iray no mametraka fehezam-boninkazo famantarana eo amin'ny toerana. Manampy amin'ny famahana ny olan'ny mpifanandrina amin'ny alalan'ny marimaritra iraisana tsy an'ady sy ampandinihana no isan'ny antom-pisian'ny SeFaFi.

Fahahalahana miteny sy fahalalahana fototra momba- ny filaminambahoaka:

Ny fahalalahana miteny, miaraka amin'ny fahalalahana manao fivoriana sy ny fivezivezena, dia isan'reo fahalalahana fototra voafaritra sy arovan'ny Dina iraisam-pirenena momba ny Zon'olombelona, ny Fifanekena iraisam-pirenena momba ny zon'ny Isam-batan'olona sy Zo Politika, ny Dina afrikana momba ny Zon'ny olombelona sy ny vahoaka, ny rijan-teny fototra izay nataon'i Madagasikara sonia sy nekeny ary heverin'ny Lalampanorenantsika ao amin'ny Savaranonando fa « samy raisina ho isan'ny lalàna velona ». Ny andininy 10 amin'ny Lalampanorenana dia miantoka ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny, ny fahalalahana amin'ny fifandraisana, ny fahalalahana amin'ny fanaovan-gazety, ny fahalalahana hiditra amina fikambanana na hanorina fikambanana, ny fahalalahana hivory, ny fahalalahana mivezivezy, ny fahalalahana amin'ny fieritreretana sy amin'ny finoana. Fanampin'izany, ny andininy 11 dia manaiky fa manan-jo hahalala vaovao ny tsirairay.  Ny fanohintohinana amin'ireo fahalalahana fototra ireo, na dia kely aza, dia midika fandikana ny Lalampanorenana, izay ny Filohan'ny Repoblika no mitandro ny fanajana azy. (Andininy 44 amin'ny Lalampanorenana).

Ny fahalalahana miteny dia tokony iantohana ho an'ny olom-pirenena rehetra, ary koa ho an'ny vondron'olona, indrindra fa ho an'ny sampana misahana ny asan-gazety izay manana iraka hampahalala vaovao sy hitaiza ny mponina amin'ny maha tompon'andraikitra feno sy amin'ny fomba matihanina. Amin'io sehatra io, tsy maintsy ambara fa i Madagasikara dia mbola tsy manana ihany Sata mifehy ny Fifandraisana izay manaraka ny vanim-potoana, ka izay no mahatonga ny fibirioka na avy amin'ny Manampahefana na avy amin'ny mpanao gazety.

Ny fitoviana manoloana ny lalàna dia foto-kevitra iray lehibe tokony ho hajain'ny Fanjakana demokratika rehetra izay, indrisy, tsy mbola mihatra tanteraka eto Madagasikara. Inona, ohatra, no ambara amin'ny ampihimamban'ny fandrakofana nasionaly tanan'ny antokom-panjakana mpampita vaovao tamin'ny fotoan'androny izay manaiky fa ny fifandraisana dia fitaovana tena ilaina amin'ny fampandrosoana ? Ary inona no ambara amin'ny antoko tsy miankina MBS izay mampiely ny fandaharany manerana ny tany malagasy ka tsy miraharaha izay fandraràna, atao fialofana ny fanandramana teknika nohalavaina hatramin'ny 2002 ? Io fanavakavahana misy fironana io dia manaratsy ny tontolo politika, ny tontolon'ny ara-dalàna sy ny tontolon'ny fampitam-baovao eto amin'ny firenena.

Ny fanapahan-kevitra miteraka io fanoheran'ny SeFaFi io dia milaza ny fitandrovana ny filaminam-bahoaka ho tahaka ny iray amin'ny antony na ny tena antony misongadina- notsiahivina mba hanamarinana ny fanakatonana ny antokona fahitalavitra VIVA. Ilaina izany ny mitondra fanazavana sasany momba ny fahalalana fototra mikasika ny filaminam-bahoaka. Ny zo sy ny fahalalahana fototry ny olona dia azo fehezina amina ohatra mazava izay nofaritana tany Syracuse tamin'ny avrily sy mey 1984, teo ambany fiahian'ny foiben'ny Firenena mikambana momba ny Zon'Olombelona. Ireto avy ny fepetra mamehy izany: ny filaminam-bahoaka, ny fahasalamam-bahoaka, ny moralin'ny olom-pirenena, ny fiantohana ny filaminana nasionaly sy ny fitandroam-pilaminam-pirenena, ny zo sy ny fahalalahan'ny hafa, ny zo na lazan'ny hafa ary ny fepetra amin'ny fanaovana dokam-barotra amin'ny fitsarana. Ny filaminam-bahoaka izany dia mifandraika amin'ny vondrom-pitsipika izay miantoka ny fihodihan'ny fiarahamonina, ary amin'ny fitambaran'ny foto-kevitra fototra izay iankinan'ny fiarahamonina. Amin'io lafiny io, ny fanajana ny zon'olombelona dia ao anatin'ny filaminam-bahoaka. Amin'ny Fanjakana demokratika na izay te ho demokratika, ny fahalalana fototra momba ny filaminam-bahoaka dia natao tery araka izay azo atao ary ny famerana ny fahalalahana noho ny antony manohintohina ny filaminam-bahoaka dia hatao eo ambany fanaraha-mason'ny tribonaly tsy miankina.

Ny manampahefana dia manombana fa ny fampielezana ny tenin'ny filoham-pirenena teo aloha Didier Ratsiraka dia mety hanohintohina ny hevi-bahoaka. Fa ny firotorotoana nasehon'ny Minisitry ny fifandraisan-davitra, ny Paositra ary ny fifandraisana ka nakany fanapahan-kevitra hanakatona ny antokona fahitaiavitra VIVA dia mampiseho indrindra ny tsy fisian'ny fandinihana lalina eo amin'ny fiantefan'ny fanapahan-kevitra. Tena misy marina ve ny loza mety hitranga manohintohina ny filaminam-bahoaka, kanefa nisy fampitambaovao hafa efa namoaka ampahany tamin'io kabary io fa tsy nisy resaka fanasaziana ? Inona no hevitra omena, ankehitriny, ny antsoina hoe fahalalahana miteny" ? Ary raha ny mety ho loharanon'ny fanohintohina na dia tsy ny anton'ny fanapahan-kevitra avy amin'ny minisitra, fa io fanapahàn-kevitra io ihany ?

Amin'io toejavatra io, ny SeFaFi dia miantso ny olona rehetra (fanjakana, tsy miankina ary olom-pirenena tsotra) eo amin'ny fiaraha-monina malagasy mba hanaja ny soatoavina demokratika izay mandrafitra ny fototry ny Fanjakana tan-dalana. Miantso ny fahefam-panjakana izy mba handray indray miaraka amin'ny fanajana ny soatoavina demokratika nentin'ny fihetseham-bahoaka tamin'ny 1991 sy tamin'ny 2002. Tsy fotoanan'ny kabary soa intsony izao fa ny asa mivaingana. Ity vanim-potoanan'ny fety ity anie hanome ny tsirairay fieritreretana momba ny zava-nitranga farany, mba hanarenana eo anatrehan'ny fahalalana tsara ny antonjavatra ny hadisoana na ny fikorontanana mety hisy.

Antanarivo, faha 24 desambra 2008


Nadikan'i jentilisa 03 janoary 2009

Nahatratra ny taona 2009 e!

2009-01-01 @ 08:38 in Ankapobeny

Miarahaba antsika rehetra nahatratra ity taona vaovao 2009 ity indray. Fifaliana mandrakariva izany na taiza na taiza, na inona na inona natao hiandrasana izany taona vaovao izany. Tsy ny fahantrana na ny fahasahiranana velively sanatria no idifiana fotoam-pifaliana tahaka ny amin'izao fotoana izao. Mirary fahasalamana, fahavitrihana, fahombiazana, fifaliana, fahasambarana ho anao izay mandalo amin'ity sehatra ity ny tenako.

Ho tso-drano mandrakariva ho an'ny eto Antananarivo ihany koa anie ny orana nilatsaka halina mba hampangatsiatsiaka ihany koa ny tontolo izay naha-ana loatra teo aloha teo. Dia hanoratra lava be indray aho amin'ny manaraka fa izao fohy ihany ny hafatra atao aloha!



jentilisa, 01 janoary 2009

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox