Lettre ouverte à "Monsieur le President de la haute Autorité de Transition"
Monsieur le Président,
Le 27 avril 2009, mon époux, RALITERA Andrianandraina, Directeur de la sécurité de la Haute Cour Constitutionnelle de la République de Madagascar, a été arrêté par des militaires du CAPSAT, dans son lieu de travail et dans des conditions humiliantes, bafouant les principes fondamentaux des droits de l'homme.
Il est aujourd'hui détenu secrètement avec trois de ses collaborateurs, accusé d'être l'auteur et le commanditaire de Coup d'État, de complots, de détention illégale d'armes de guerre, d'assassinats, et de tuerie de masse. Un journal va plus loin en l'accablant d'être le tireur d'élite dans la "tuerie d'Ambohitrorohitra".
Au regard de telles accusations, il est passible de la plus lourde peine jamais appliquée à Madagascar. Dans d'autres pays, il subira la peine capitale.
La justice sortira la vérité sur cette affaire.
Ayant pour ma-part, la conviction de l'innocence de mon mari, permettez-moi en toute humilité, de vous rappeler qu'en vertu de ses responsabilités de directeur de la sécurité de la HCC, il fût celui qui a reçu à la HCC, vos émissaires, porteurs de votre lettre en date du 17 mars 2009 dont l'objet était de demander la validation des transferts des pouvoirs en votre faveur.
Permettez-moi aussi de vous rappeler qu'il fut celui qui a coordonné votre sécurité lors de votre "installation officielle " à Mahamasina. En tant que premier responsable de la sécurité pour les événements sous l'égide de la HCC, il lui revenait cette mission combien délicate de garantir votre sécurité au Stade de Mahamasina. A ce titre, il fût celui qui a vérifié que le collier du « Grand Croix », la plus haute distinction de notre République, que vous avez porté ce jour, soit sûr et que votre sécurité soit garantie dans les moindres détails.
Ceux qui connaissent mon mari savent combien il est fier d'avoir accompli, en toute loyauté envers ses supérieurs, les missions qu'on lui a confiées, et cela en dépit de ses convictions de citoyens et au prix de sa vie. "Ndrema" rappelait toujours à ses interlocuteurs que la HCC est la seule institution de la République d'où aucune balle n'a jamais été tirée depuis qu'il était le responsable de la sécurité. Il a été celui qui a ramassé la grenade lancée sur la HCC et qui n'a pas explosé dans le parking et qui constitue aujourd'hui une preuve contre lui (voir photo dans les média).
Ce premier responsable de la sécurité de la HCC, Institution qui vous a porté aux pouvoirs, est aujourd'hui sur l'hôtel du sacrifice. Il porte sur ses épaules, les contradictions de cette Transition.
« Toute personne accusée d'un acte délictueux est présumée - innocente jusqu'à ce que sa culpabilité ait été légalement établie au cours d'un procès public où toutes les garanties nécessaires à sa défense lui auront été assurées. » Art. 11 de la Déclaration Universelle des Droits de l'Homme
Par cette lettre, je vous invite à réfléchir sur les droits de l'homme et notamment à l'Article 5 de la Déclaration Universelle des Droits de l'Homme, « Nul en sera soumis à la torture, ni à des peines ou traitements cruels, inhumains ou dégradants. » et à l'Article 11 et l'article 12, « Nul ne sera l'objet d'immixtions arbitraires dans sa vie privée, sa famille, son domicile ou sa correspondance, ni d'atteintes à son honneur et à sa réputation. » Notre vie privée est aujourd'hui touchée, notre domicile saccagé, nos biens personnels volés par les militaires qui l'ont arrêté, nos enfants terrifiés par tant de violence et de menace.
Mais nous défendrons nos droits tels que la Constitution de notre pays et nos lois nous l'accordent. C'est cela, Monsieur le Président, le legalisme. Nous nous battrons au côté des millions de malgache pour que les droits fondamentaux de tout un chacun soient respectés. Je me battrai pour restaurer l'honneur et la dignité de mon mari et de ma famille et pour que la vérité dans cette affaire soit connue.
Monsieur le Président,
La population de la Capitale dont vous étiez le premier magistrat pendant deux ans, ne se trompera pas d'ennemis. Elle a vu et connait les véritables auteurs des massacres qu'elle endure, et les barbaries des apprentis sorciers qui sèment la terreur en votre nom.
Dans votre capacité, vous pouvez encore changer le cours de l'histoire de notre pays.
En reecoutant votre prestation de serment du 21 mars 2009, je ne doute pas que vous avez ce courage.
Je vous demande donc, en toute humilité, d'agir pour sa libération et de ses collaborateurs.
Ihanta Randriamandranto
Fanamarihana: ity taratasy misokatra amin'nyteny frantsay ity dia hita tao amin'ny gazety taratra nivoaka ny alakamisy 30 avrily 2009 laharana 1573 takelaka faha-11. Tsy hitako mivoaka aty amin'ny sinibentserasera manko izy ity ka izay no namoahako azy manontolo. Ihanta Randriamandranto manko no heverina ho mpitarika ny vehivavy manohana ny ara-dalàna amin'izao fotoana izao ary nosamborina niaraka tamin'Atoa Manandafy Rakotonirina tao amin'ny Carlton Madagascar ihany koa.
Zavatra hafa manaraka: Nahomby tamin'ny antsoavo nataony tao amin'ny radio fahazavana ary nampitaiko teto omaly ihany koa i Constant Raveloson. Tsara ny manambara fa kely dia kely ihany no tsy mety henoko tamin'ny nambaran'i Constant Raveloson ka ireny no tsy voasoratro omaly. Inona moa no nokendren'i Constant raha nanambara ihany teny hoe misy teny sahady manambara fa maty nisy nitifitra ny praiminisitra Manandafy? Tsy nilaza velively izy hoe maty ny praiminisitra fa nasongadiny ny hoe misy teny renay... sady nasehony ihany koa fa misalasala ny amin'izany izy.
Fikendrena ireny fampisalasalana ireny mba tsy handratrana an'i Manandafy sy ireo mpiaraka voasambotra taminy. Nihazakazaka avy eo ny teny amin'ny birao niantso ny mpaka sary sy nympanao gazety nampiseho fa indro mbola velona ny lehilahy. Ny tanjona moa dia ny hampisehoana ny gadra rehetra saingy i Manandafy ihany no naseho. Tanjona ny tsy handratrana ireo gadra ireo... saingy baraingo tanteraka aloha izany ho an'izay tsy naseho olona to aan-dRamatoa Randriamandranto Ihanta sy ireo mpiambina nosamborina. Noho izany, Herimpo tokoa ny an'ny vehivavy mpanohana ny ara-dalàna raha nahavita nanao filaharana nankeny Ambohibao ry zareo ary avy eo indray dia namonjy nankeny amin'ny Fitsarana Anosy satria halaina ambavany ireto olona nalaina an-keriny ny alarobia alina ireto.
Mety hahagaga izay nahare ny vaovao koa ny fijoroana vavolombelona nataona vehiavy iray teny amin'ny fivorian'ny mpandala ny ara-dalàna teny amin'ny magro Ankorondrano tamin'ity andron'ny alakamisy 30 avrily 2009 ity. Nisy miaramilan'ny Capsat iray manko tratran'ny mpitolona nitsikilo tao. Voaporofo atmin'ny alalan'ny antotantaratasy momba azy mihitsy izany. Tsy nokasihina mihitsy anefa io miaramila nasaina nitsikilo io fa nalefa fotsiny tamin'izao, ary naka azy teo am-bavahady ny 4*4 pick-up fotsy an'i Capsat efa nihaodihaody teny amin'ny manodidina ihany koa. Nahavariana ny mpitazana ny nahatongavan'ny fiara teo sahady ka nieritreretana fa misy "mpamadika' mbola mifangaro amin'ny olona ao. Misy zavatra azo tsoahina ihany koa amin'ity toe-javatra ity.
Fantatra fa be dia be ny mpitsikilo any anatin'ny hetsika rehetra ataon'ny mpanohana ny ara-dalàna, miasa dia miasa ny fitaovan-tserasera ahafahana manao zavatra haingana dia haingana. Noho izany, amiko manokana, tsara ny mandray fepetra hentitra raha tiana hahomby ity tolona ity. Ohatra, tsy azo atao ny miantso am-pinday, na mandefa sms, mandritra ny fotoam-pivoriana. Ny mpanatrika rehetra ihany koa dia tsy mahazo mitondra ecouteur na fihainoana amin'ny sofiny. Tokony ho maty (tsy mandeha) avokoa izany ny fitaovam-pifandraisana mivantana rehetra. Fantatro dia fantatro fa sarotra tanterahina izany, eo amin'ny asam-panaovan-gazety ohatra, fa tsara raha atao fitsipika anatin'ny tolona io fepetra io. Efa anaty ahiahy rahateo fa misy any anatin'ny ambaratonga rehetra ny mpitsikilo sy mitetika ny handrava ny tolona. Efa hita ihany koa fa toa tsy misy mampita izay vaovao akory ny mampita vaovao rehetra... Hevitra fotsiny ny ahy ary fampieritreretana ny mpitarika rehetra fa anajran'ny rehetra ihany ny miara-manapa-kevitra.
jentilisa, 30 avrily 2009 amin'ny 23:02
Ataoko fa efa novakian'ny mpiserasera Malagasy manara-baovao politika rehetra fa nisy mpitari-tolona maromaro no nosamborina tao amin'ny Carlton Madagascar ny andron'ny Alarobia 29 avrily 2009 fiandohan'ny alina maizim-pito teto Antananarivo. Anisan'ny voasambotra tamin'izany ihany koa Rtoa Ihanta Andriamandranto mpitarika ao amin'ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna eto Madagasikara. Efa nendahan-dry zalahy hatramin'ny nisamborana azy avokoa ny akanjon'ireo nosamborina ankoatra ny an'i Manandafy ny Ihanta. Efa tsy zoviana intsony fa ny Komandà Charles Randrianasoavina no nitarika ny miaramila hisambotra ireto mpitari-tolona ireto. Io Komand io no nitazona tamin'ny vozon'akanjony ny praiminisitra Manandafy sady niedinedina hatrany niteny hoe : "Ahy ialahy manomboka androany! Ahy ialahy manomboka androany!". Teo anatrehan'izany dia nanao antso avo ho an'ny mpitolona Raveloson Constant mpitondra tenin'i Manandafy sady mpitari-tolona efa fantatry ny mpanaraka ny ara-dalàna rahateo. Indro omena antsika eto ny voalaza nandritra ny antso avo naverimberina tao amin'ny radio fahazavana ity ny alin'ny alarobia 29 avrily taorian'ny fisamborana :
...tamin'ny nanaovan'ny miaramila (ny fisamborana) ny praiminisitra Manandafy sy ireo mpiaraka aminy, miara-miasa sy miaro azy tamin'ny nanaovana habibiana, naboridana, novelesina teo imason'ny filazam-baovao sy ny sary aman-jery ary efa hitan'izao tontolo izao sahady amin'izao isika miteny izao. Ary tany amin'ny toerana nitondrana azy moa dia noterena hitelefonina hanotany amiko ny toerana misy ahy sady arahina ompa sy teny ratsy. Izay rehetra izay no lazaina amintsika dia hanehoana amintsika fa efa tena tonga amin'ny tsotsori-mamaba hisarahana tanteraka amin'ity fitondrana nanongam-panjakana ity isika izay misora-tena ho "Haute Autorité" na HAT. Ny zavatra tiana apetraka sy iantsoana antsika vahoaka rehetra rehetra: Raha izahay no voasambotra, dia tokony hisy folo, zato, arivo ohatra anay indray hitsangana.
Koa manomboka izao ny fiadiana amin'ny fanjakana sy ireto toa miaramila kanefa mianao habibiana amin'ny mpitady ny ara-dalana ireto. Antso avo tsy misy hatak'andro ho antsika, tsy hijanona intsony ny fihetsiketsehana raha tsy miala izao fitondrana manao habibiana tsy roa aman-tany izao. Antso avo hanara-maso akaiky ny nanjò ireo namanareo satria izao sahady dia efa misy feo (teny) milaza fa nisy nitifitra namono ny praiminisitra Manandafy. Asa ny fahamarinan'izany, anjaran-dry zareo nisambotra sy nangalatra azy no mampiseho fa tsy nisy tohina na kely aza ny PM sy ireo olona miaraka aminy.
Mieritrereta ianao ry ingahy Rajoelina satria avy aminao no nahatongavan'izao rehetra izao. Ny hambom-po diso toerana, ary ny fiheverana fa afaka manao ho mpanjaka eto Madagasikara ianao. Tonga ny fotoana hiheveranao amin'ny vokatry ny fanapahan-kevitrao, mbola ianao ve no nampanao an'izao zavatra izao? Anjaranao ny miteny,mitsara anao ny vahoaka. Ny anay kosa efa fantatra ny zavatra miandry anay, efa nambaran'ny miaramila anay izany ka tsy maintsy mitohy ny hetsika ary tsy hahatapitra ny vahoaka Malagasy akory ianareo. Tsy maintsy mitohy ny hetsika ary ny ... amin'ny fitakiana raha tsy miverina ny ara-dalàna eto amin'ny tany sy ny firenena iarahamanana. Ny Fahendrena dia ny amin'ny manao ny fifandaminana mba hisian'ny firenena afaka mandroso. Tsy maintsy avoaka eto ihany ny vaovao araka ny fitohizany, manaramaso izao ny namana erantany, ny depiote. Efa niantso ny tany amin'ny International Liberal izao ary dia ho hitantsika eo ny fivoaran-draharaha. Samia manomana ny toromarika sy ny baiko fa tsy maintsy hitantsika ny fomba hanohizana ny tolona. Misaotra tompoko.
Vita izay antso izay dia nitsahatra ihany koa ny radio fahazavana nanomboka tamin'ny 11 sy sasany mahery teo tamin'ity alina ity. Hitantsika fa tsy voafaritra mazava ny tokony hataon'ny tsirairay. Ny hevitro manokana moa dia hoe tsy mety loatra intsony ny fidinana an-dalambe raha mbola matahotra ny maro hanohitra ireto herim-pamoretana ireto. Tsy maintsy miainga any amin'ny isam-batan'olona hatrany anefa ny fanapahan-kevitra manoloana izao fisamborana ny mpitarika izao. Efa niainana ny fahanginan'ny lehibe raha olon-tsotra no nanainga ity tolona nitsipahana ny fanjakana nalaina tamin-kery ity... miverina hatrany indray isika amin'izao fotoana izao, dia ny fijoroan'ny olon-tsotra mahasahy mijoro. Hampitombo ny lonilony efa voatahiry any amin'ny maro any izao fihetsika ataon'ny miaramila mitam-basy mampihorohoro olon-tsotra izao. Aleo samy hieritreritra ny tsirairay manolonaa izao zava-misy izao.
jentilisa, 30 avrily 2009 amin'ny 00:37
Mitohy ny tolona fa amin'ny endrika hafa, na mitsahatra aza ny eny an-dalambe noho ny tsy fitiavan'ny ankamaroan'ny mpanohana ny famerenana ny ara-dalàna sy ny fitsipahana ny fanjakana nalaina tamin-kery GIDRAGIDRA dia mbola manohy azy kosa ny tsirairay. Tahaka izany ny tenako amin'ny fampahalalam-baovao madinidinika ho an'ny rehetra eny. Tena tiana tokoa ny mijery baolina fandaka ary dia ady sahala samy tsy nisy nitoko moa iny ny Barça sy ny Chelsea, ady an-kafetsena ireny. Mankafy zavatra mahafinaritra rahateo ny tena.
Misy ihany moa ny zavatra adino tsindraindray ka tsara ihany ny mampita azy, fa eto an-toerana koa tsy diso anjara amin'ny fanarahana vaovao. Voalaza moa tany Antsirabe fa tsy nisy ny famorian'olona tany ny talata 28 avrily 2009. Resaka tamin'izay olom-pantatra hafa tany no nahalalana fa izay ry zareo tany vao nifanehatra tamin'izany baomba mandatsa-dranomaso maro dia maro sy ny baomba mankarenintsofina maro izany. Tanàna milamina sy mangina ihany manko i Antsirabe amin'ny ankapobeny. Ny talata raha feno miaramila ny manodidina ny tsangambato (gara hatrany moa no ilazan'ny olona azy) dia tany Tsarasaotra kosa ny mpanohana ny ara-dalàna no namory olona ary tany ry zareo tsy nisy nanelingelina. Re ihany koa fa nisy ireny andian-jatovo mpihantsy mpitandro filaminana ireny koa tany Antsirabe ka izay no tena niasan'ny mpitandro ny filaminana. Izaho kosa moa nanao hoe efa voarara manerana an'i Madagasikara ny fihetsiketsehana an-dalambe ka izany no baiko azon'ny miaramila. Nitomany noho ny tsipoapoakan'olon-dehibe avokoa moa ny mpianatra madinika tany, ary mbola tsy nianatra ny mpianatra io andron'ny talata io. Asa hanao ahoana angaha ny ho tohin'ny tolona amin'ny manaraka (ny fantatro dia tsy isan'andro no anaovana ny tolona any fa andro mifandimby).
Ny vaovao manaraka nolazain'ny vaovaon'ny matv kosa indray moa dia ny fisodisodiana nanodidina ny tranon'i Avoko, mpitarika ny ANAWI, nataon'ny mpitandro ny filaminana hatry ny andron'ny alatsinainy folakandro ka hatramin'ny talata folakandro. Miverimberina matetika eny ry zareo, ary araka ny voalaza aza moa dia efa nisy fotoana teny am-bavahady mihitsy ny miaramila no nisy niantso tampoka indray. Siosion-dresaka moa no mandeha fa tahaka ny ao anatin'ny lisitry ny ho minisitra ao amin'ny governemantan'ny ara-dalàna no antony saiky hisamborana azy fa tsy noho ny fanakianana mivaivay nataon'ny tamin'ny mpitondran'ny HAT tao amin'ny fandaharana "resabe" (matv isaky ny zoma alina) loatra. Mpanara-baovao iray moa no nihevitra fa noho ny fisian'ny ordres sy contre-ordres (tahaka ny tamin'ny nanenjehana an'i Andry TGV fony nanao ny tolony) no mahatonga io tsy fahafaha-manapa-kevitra hentitra amin'ny fisamborana an'i Avoko io. Endri-pitarafana ny fivakisan'ny miaramila ihany koa io fa tsy mivandravandra loatra.
Fa mitady ho adino moa ny anton-dresaka, ady amin'ny lainga no lohateny ary tena miroborobo mihitsy izy io amin'izao fotoana izao. Misy moa dia tsy manana henatra intsony amin'ny fampielezan-dainga fa sao mba mahavoa ihany ny goavy manta, sady ny ohabolana malagasy rahateo manambara fa ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra. Ny nampihomehy ahy dia, tsikaritra ahy manokana hatrany izy ity an, ny fitovitovizan'ny vaovao mivoaka amin'ny haino aman-jery amin'izao fotoana izao, sy ny olona hita isan'andro amin'ny raharaha mafampana rehetra. Rehefa misy ny fisamborana olona somary malazalaza na ambonimbony dia misy dian'asan'izany Komandà Charles Randrianasoavina izany hatrany ao. Efa nisy moa ny sehatra nampalaza ny lehilahy hany ka izay lazainy rehetra lasa tsy misy azo inoina intsony, zatra ny mamoro-marina moa izy (eritrereto ilay fomba filazako azy!) nefa tena mahafalyny mpanohana ny tetezamita kosa aloha ny zava-bitany e!
Ohatra iray ary: ny vaovaon'ny tvplus indray mandeha no nanambara ny fisaina bois de rose amina trano iray eny Amboanjobe, Antananarivo atsimondrano. Nambara fa avo nofain'ny zanaka lahin'ny mpiutondra teo aloha Josoa Ravalomanana io trano nanafenana hazo sarobidy io, ary tsy fantatry ny tompon-trano izay lehiben'ny faritanin'Antananarivo tamin'ny andron-dRatsiraka atoa Rolland Ramahatra, ny fisian'ireo entana ireo. Ny ampitso indray ny gazety malaza nanambara fa nofain'ny zanaka vavin'ny filoha teo aloha Sarah Ravalomanana io trano io vao telovolana lasa izay. Tsy fantatro aloha na i Josoa ihany no Sarah fa naman'ny zanaky ny tompon-trano koa manko ny zanaky ny filoha Ravalomanana. Gaga aho fa tsy dia nisy nanamarika moa io tsikaritra io. Ny niniana tsy nolazaina tamin'ity raharaha ity dia tsy nanonona mihitsy ny tvplus hoe an-dRolland Ramahatra ny trano. Manaraka izany, nahatrarana kamiaon'ny tiko sy 4*4 Prado iray koa teny, araka ny voalaza. Ny tsy nolazaina fa hita dia notaomina tamin'io kamiao io ireo hazo ireo (mazava loatra fa na tany ihany ny lakile na efa misy moa ny mahay mampandefa fiara tsy ilàna lakile e!) ary dia tsy fantatro intsony aloha izay nandehan'ny entana kosa avy eo.
Tsikaritra hafa ihany koa, vao jerena kosa aloha ilay Ralitera Andrianandraina, talen'ny fiarovana Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, dia hita mihitsy hoe taizan'aretina ary hita fa tsy ho afaka ny hahery fihetsika intsony ihany koa. Mitady olona ampangaina fotsiny ry Komandà Charles ary dia afatratra any amin'io olona ampangaina io avokoa ny rihitra. Rehefa be loatra ny marina foronina dia vao maika mampitombo ny tsi-finoana izany. Ny tsikaritro anankiray dia ilay pasipaoro nosaronana taratasy hafa ny anaran'olona teo ary natao ngeza be avy eo ny anarana hoe RALITERA (sorabaventy sady lehibe)... asa inona angaha ny porofo tiana avoka amin'io pasipaoro io? Atsasaka segondra no nahitako io tamin'ny vaovaon'ny tvplus sangy maso manety ny aty ka tsy maintsy mampivandravandra ny tadiavina tsy holazalazaina amin'olona (vaovao alatsinainy 27 avrily 2009 no nisy an'io).
Lasa ny eritreritro avy eo hoe, matoa nahasahy nankeny Ambohidahy anoloan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana hatrany ny mandala ny ara-dalàna dia efa fantany mazava tsara fa tsy hitifitra azy velively ny miaramila tao amin'io toerana io. Eritreritra fotsiny ny ahy ny hoe mety ho efa nahazo baiko hitifitra ny miaramila tao fa tsy nisy nety nanatontosa izany baiko izany, dia izay no nahatezitra ny mpanome baiko sy nahatonga ny fanafihana... saingy eritreritra ihany aloha ny ahy izany fa tsy voatery ho marina na tsy voatery ho diso avy hatrany.
Faramparany, misy ny kivy fa toa nangina ny radio na dia efa nisy aza ny fiovana fantsona handrenesana azy, izaho kosa mieritreritra fa niniana nampanginina mihitsy izy mba hanarahan'ny mpitolona ny toromarika amin'ny manaraka. Hoy moa aho hoe namitsahatra aza ny fihetsiketsehana dia mitohy ny tolona ataoko manambara mandrakariva ny marina hitako sy reko ka atokisako kokoa ny fahamarinany.
jentilisa, alarobia 29 avrily 2009 amin'ny 00: 43
Mampieritreritra ihany ny toe-java-misy ka mila fitandremana tsara! Fanintelony izay no notafihina miaramila ny trano misy ny radio mada sy ny radio fahazavana. Ny fanafihana voalohany dia fisavana fotsiny ihany. Mikaroka ny fitaovan'ny radio mada tao amin'ny trano misy ny radio mada sy ny radio fahazavana izay mifanolo-bodirindrina amina trano iray ho an'izay tsy mahalala tsara ny toerana. Marihina fa na izaho aza, araka ny fitadidiako, dia indray mandeha ihany koa no niserana tany amin'io toerana io. Tsy natoky loatra ny fisian'ny fitaovan'ny radio mada tao amin'io toerana io ry zareo ka dia lasa fotsiny. Ny fanafihana faharoa no nandraofana ny fitaovan'ny radio sy tele mada, tsy azoko loatra na noraofina ny an'ny radio fahazavana tamin'io fotoana io na tsia fa ny fihainoko azy aloha dia novonoina tsy haneno ny radio fahazavana aloha. Somary naka kely ny fanaon'ny radio mada ny radio fahazavana tao anatin'ny fotoana fohy ary nampanantena sy nampitondra hafatra sahady ny teknisiana tao amin'ny radio mada fa eo am-pikarakarana ny famelomana ny radio indray ry zareo.
Nionona tamin'ny radio fahazavana tokoa aloha ny mpitolona sady tsy henon'ny mpitolona mitsipaka ny fanjakana nalaina an-keriny loatra ny fahabangan'ny radio mada. Mbola afaka nivory teo an-kianjan'Ambohijatovo mihitsy manko ry zareo tamin'io fotoana io. Inona tokoa? tsy ampy roa andro dia niverina tamin'ny laoniny tokoa ny radio mada. Lasa ny saina : naverina ve ny fitaovan'ny radio mada? Tsia, fitaovana vaovao indray no nampiasaina nanomboka tamin'io fotoana io. Hafaliana ny an'ny mpitolona satria hita ho hery lehibe tokoa ny fisian'ny radio, indrindra fa efa nanomboka amin'izay ny fandrarana tsy hidirana intsony ao Ambohijatovo. Nahavita hetsika aza ny mpitolona ka ny tena avahana amin'izany dia ny diabe nataon'ny vehivavy legalista niala avy teny Ambatoroka ho eny amin'ny lapan'i Mahazoarivo. Naharomotra ny miaramila sasany iny karazana fahombiazana iny na dia mbola anjatony metatra miala ny lapa aza no nisy ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna.
Raikitra indray ny fanafihana fanintelony ny trano fiasan'ny radio mada sy ny radio fahazavana teny Faravohitra. Noraofina avokoa indray ny fitaovana rehetra tao na ny an'ny Fahazavana na ny an'ny Mada. Izay tsy voaroaka dia nopotehina... mazava dia mazava ny tanjona dia ny hamotehina tanteraka ny tolona, hisaritaka tsy mahalala izay tokony atao intsony ny olona, samy hanao izay tiany atao noho ny fisaratsarahana ary dia halemy na tafiditra amin'ny herisetra hiandrasana kendritohina izay rehetra mbola sahy mijoro na dia nivandravandra aza ny fampihorohoroana tsy hiserantserana an-dalambe sao matimaty foana eo. Io no kihondalana nandrasana tamin'ny mpitolona, ary nahatonga ny tompon'andraikitra ambonin'ny filaminana nampitandrina ny "mpankorontana" izay tiana hotondroina ho mpitifitifitra olona an-dalambe nampitandrina mialoha tao amin'ny televiziona nasionaly. Rehefa miditra herisetra manko ny mpitolona dia afaka mampiasa basy soa aman-tsara, araka ny eritreriny, ka izay maty na maratra voatifiny dia voa noho ny "herisetra" nataony fa tsy noho ny tolona hampanjakana ny demaokrasia. Mpanao tetikady mahery vaika tokoa ry zareo aryhita ihany ny maha-manamboninahitra azy ireo. Niara-nopotehina ny radio mada sy ny radio fahazavana dia tsy hisy intsony ny mpampita hafatra sy toromarika hiarahan'ny mpitolona. Indrisy, mbola diso hevitra ihany ny mpitondra tetezamita. Samy nitsangana tamin'ny maty indray ireo radio roa tonta ireo, tsy naverina tsy akory ny fitaovana nalaina teo fa mbola misy fitaovana hafa ihany no nampiasaina indray, ora vitsivitsy fotsiny no nisaina dia injao henonao indray ny feon'ireo radio ireo. Hisy ho lasa adala eto marina, hoy aho anankampo, tsapako fa nitsiky naneso! Robao foana leity fa misy vaovao mitsangana foana eo a! Na dia hanadrohadroana ny "tetezamita" fotsiny aza.
Na izay aza dia efa misaritaka hatrany ny mpitolona raha vao maty ny radio mada indrindra fa ny sabotsy alina syny alahady maraina. Izaho kosa nahalala avy hatrany fa amin'ny andron'ny tolona ihany no tena hampiasana azy, ary mety hisy aza ny ora tsy handehanany dia tsy hanahy aho... naato tsindraindray ny fampielezam-peo hakan'ny mpiasa ao aminy aina e! Efa hitako sahady aza fa na dia ho tratra indray aza ireo fitaovana ireo dia mbola hisy hafa indray hijoro ho radio mada. Ho ela velona ilay radio mety hahalasa adala ireto tsy tia ny hampielezany feo nefa ny ady seza any amin-dry zareo mbola mafotaka dia mafotaka ihany koa e! Hatramin'izao aloha aho dia mampirisika ny rehetra tsy hiditra herisetra mihitsy aloha fa io no tena andrasany avy amintsika. Aleo ny samy miaramila ihany no hifampitady eo avy eo fa tsy maintsy hisy foana ny tsy hahatanty intsony ny fandripahana vahoaka ataon'ny miseho azy ho tsy tratran'ny aloka amin'izao fotoana izao.
Etsy andanin'izany, dia tsikaritro mihitsy amin'ny manodidina ahy sasany (fa tsy izay rehetra tsy mitovy hevitra amiko velively no ambarako etoana) fa misy dia misy (sivily izy ireo) ny maniry mihitsy ny handripahana ny mpitolona amin'ny alalan'ny toraka grenady be dia be dia tsy ho afa-mihetsika intsony izay sisa miangana. Aza maniry loza ho anay indrindra re fa tsy mety izany e! Raha izaho manokana, tsy naleo ve nivory isan'andro tao Ambohijatovo fotsiny ny mpitolona fa mety ho reraka tao fotsiny? sa hita ho miahamahazo hery sy mihamahazo vahana dia naleo kantsanana. Efa tsy nahomby ny fampanginana radio nataonareo, ary manantena hatrany izahay fa hisy vaovao hitsangana hatrany eo na dia ho tratranareo aza izay niasa tamin'iny fotoana iny dia hisy mandrakariva ny fifandaminana dia ho aiza izany ny lalankalehanareo? Fantatro tsara mihitsy fa mbola tsy afaka miritarita ny SADC amin'izao fotoana izao satria mbola tanaty fifidianana i Afrika Atsimo ary mbola ho avy ny fanendrena filoham-pirenena vaovao any aminy, fa rehefa tontosa tsara izany fotoam-pifidianana any Afrika Atsimo izany dia inona no hataonareo?
jentilisa, 26 avrily 2009 amin'ny 22: 18
16:35: Araka ny nolazain'ny radiomada dia nisy ny loholona sy ny depiote no nosamborin'ny Capsat teny Ambanidia. Anisany ny Loholona Rabenatoandro Lanto mpitari-tolona avy any Antsirabe.
15:30 Re fa miditra an-keriny ao amin'ny HJRA miaraka amin'ny baomba lacrymogene indray ny miaramila amin'izao fotoana izao.
Efa hatry ny ela no nanirian'ny mpihaino ny hiditra mivantana ao radio mada Antananarivo hifampahery amin'ny tolona ataony. Androany alina izany ao tanteraka ary dia tsy misy mihitsy ny fotoana very aloha hatramin'izay nanombohany nampiditra mpihainoizany fa dia toy ny hoe ny mpihaino fotsiny nomameno ny fotoana rehetra, hatramin'izao dia tsy nisy nibodo fotoana fa miezaka manafohy ny resany avokoa ny rehetra. Raha toa moa ianareo any Ivelan'i Madagasikara te-hiantso ihany koa dia omeko anareo ihany ny laharana azo iantsoana azy dia ny (+261) 33 28 500 41, laharana tokana ihany. Marihina fa efa hatry ny ela kosa ny radio mada Antsirabe no efa nampiditra ny feon'ny mpihaino ka mety ho mampafana ny tolona ao amin'io tanàna io izany toe-javatra izany.
Te-hanoratra mihitsy aho fa mamely ahy ny torimasoko, ary tsikaritro ihany koa fa mitady hitovy ny ora hamakiana ny vaovao rehetra famakiko avy amin'ny hafa sy ny ora laniko hanoratana izay vaovao fantatro ho anareo. Ny tiako asongadina aloha dia ny herimpon'ny olona niari-tory indrindra fa ny tanora nanatrika ilay maritiora nitondra ny anarana hoe "Randriamanjato Richard" nandritra ny alina ao anatin'izao hatsika be tampoka teto amin'ny tanàna izao, nefa dia any ivelan'ny trano no niareta-tory. Miaiky anareo rehetra izay niari-tory aho fa na hatsiaka na moka dia niaretanareo tao avokoa mandra-piposaky ny masoandro. Mari-pitiavana tena goavana no vitanareo ka dia mirary soa anareo rehetra indrindra.
Farany sahady fa mamely dia mamely ny torimaso, fa maninona ho'aho no tsy misy mpanao gazety mahasahy manontany an'Atoa Randriamanjato Richard Mahitsison, hoe ahoana ny fihetseham-ponao amin'izao misy olona nametraka ny anaran-janany tamin'ny anaranao nefa dia maty nitolona tany amin'ny vondron'olona manohitra ny zanakao amin'izao fotoana izao? Mba ampitampitaiko fandrao mba misy mpanao gazety afaka manontany iny mpitandrina iny ihany!
jentilisa, 22 avrily 2009 tamin'ny 23: 05
Araka ny re ao amin'ny radio fahazavana sy ny radio mada Antananarivo dia manenjika sy mitifitr'olona manerana an'Antananarivo ilany atsinanana ankehitriny ny miaramila. Ambohijatovo, Ankazotokana, Ambatonakanga, Mahamasina, Anosy, Ambanidia no fantatra aloha hatramin'izao hanenjehana sy itifiran'ireto miaramila ireto ny olona. Nisy toerana telo aloha no nolazaina ho fihaonan'ny mpanohana ny ara-dalàna dia Ankazotokana, Prinz Hotel ary Ankadimbahoaka... tsy mbola nandrenesam-baovao aloha ny any amin'ny faritra hafa. Efa nisy tovolahy iray indray no voatifitra teo amin'ny lohany ary efa mihoatra ny folo ny maratra. Ny eny Andrefan'Ambohijanahary koa dia voalaza (araka ny radio mada) fa ampidirina an-toby ireo olo-tsotra voasambotra, maratra ary maty. Heno moa fa nisy famoriana miaramila Malagasy sy Frantsay eny amin'ny Mess Betongolo io atoandro io... inona no nokonokononina tao?
12:40