Hita taratra mihitsy ny alakamisy masina 9 avrily 2009 fa manana ny lohany tsy azo ahodikodina mihitsy ireto vahoaka mitokona etsy Ambohijatovo ireto. Tsy afa-mibaiko azy mihitsy ny mpitarika hany ka tena sahirana mihitsy maminavina izay tena ao an-dohan'ny ireto olona ireto. Efa noheverina ihany omaly fa aroso aloha ny fotoana noho ny maha alakamisy masina ny fotoana indrindra saingy tsy tontosa izany fampandrosoana ny fotoana izany. Nahoana angaha?
Nisy ny rodobe notanterahin'ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna miaraka amin'ny vadi-miaramila sy zandary ary polisy (aoka homarihina fa tsy tena maro ireo vadin'ny foloalindahy lazaina ireo fa ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna no tena maro) hitetezana masoivoho samihafa eto Antananarivo saingy ny teny Andraharo, misy ny masoivohon'ny Firenena Mikambana ihany no tena naleha. Hitondra taratasy mitaky ny hamerenana ny ara-dalàna no atao amin'izany. Azo heverina fa lalan-davitra no vitan'ireto vehivavy ireto satria eo amin'ny tokotany malalaka ampitan'ny fiangonana Jesosy Mamonjy ny fotoana. Mahavariana ihany koa fa betsaka noho izay nampoizina ry zareo no nanatontosa ity rodobe ity. Betsaka ihany koa manko ny vehivavy no nieritreritra fa famoanoan-tena izany handeha hamakivaky tanàna izany indrindra fa be ny mpankahala te-hanendaka. Kanjo dia marina tokoa ilay ohabolana vaovao manao hoe ny mitabe tsy lanin'ny foza ary maro ny lehilahy no niaiky ity hetsika nataon'ny vehivavy ity ary nifanontany hoe ahoana kosa indray ny antsika lehilahy?
Tonga teny Andraharo, sadaikatra ny mpitandro ny filaminana satria vehivavy maro no manatrika ny tena. Olona milamina rahateo no mifanatrika amin'ny tena. Vehivavy mitafy akanjo fotsy ambony sy foloara fotsy rahateo ho mariky ny filaminana sy ny fandriampahalemana. Tsy mandeha irery koa ireo olona ireo fa misy manara-maso ary ny mpanao gazety koa tsy ambakan'izany. Tsy maintsy naterina tany ambaravaran'ny masoivoho ihany ny solontena na ny mpitondra tenin'ireto vehivavy ireto, tsy misy tsy vitan'ny fifampiresahana tokoa! dia raikitra indray ny dia hizotra ho eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo. Dia niniana natao ny nandalo ny kianjan'ny 13 mey fa tsy nisy ny nanakatsakana ary dia nijery fotsiny ireo nahiana hanao fanakorontanana. Tsy nisy intsony ve ny vola nanakaramana ireo mpiambina ny kianjan'ny 13 mey amin'ny fomba rehetra, sa noho ireto mandalo ireto vehivavy miara-dia no tsy nikasihana azy ireo? Horakora-pifaliana tsy nisy tahaka izany moa no nandraisan'ny teny amin'ny kianjan'Ambohijatovo ireto vehivavy maherifo ireto ary na ny fanamafisam-peo aza dia takona tanteraka manoloana izany horaka tsy nifandrenesana nandritra ny minitra vitsivitsy izany. Efa ho amin'ny iray ora nokasaina hamaranana ny fotoana no nahatongavan'ireto vehivavy ireto sy hanombohan'ny fotoana amin'izay.
Nandritra izany fotoana izany kosa dia tsy nanaiky ny hanombohan'ny fotoana mihitsy ny olona niatrika teto Ambohijatovo raha tsy tonga aloha ireto vehivavy mandala ny ara-dalàna ireto. Saiky hatomboka tamin'ny ora nolazaina fa tsy neken'ny olona mihitsy, nanandrana hanomboka indray ora iray taty aoriana fa mbola fandavana mavaivay no nisetra ny mpitarika. Voatery nionona tamin'ny fanentanana madinidinika ny mpitarika efa vaka dia vaka... Midika izany fihetsika izany amiko fa saro-piaro amin'ny fiaraha-mientana ireto olona mitokona ireto ary heveriny ho adidy masina no nataon'ny vehivavy maherifo ka tsy mety kosa raha antenatenam-potoana vao miditra ry zareo ka hisy ny zavatra tsy ho arany. Feno hipoka toy ny tamin'ny nahamaro isa azy indrindra hatramin'izay indray ny kianjan'Ambohijatovo androany, farafaharatsiny nitovy isa tamin'ireo tonga tamin'ny 28 marsa 2009. Nandeha avy eo ny Hiram-pirenena andininy telo sy ny Madagasikara tanindrazanay andininy telo (miaraka amin'ny totohondry mivonkona miaramisandratra sy miaramidina toy ny manao famindra miaraka) ary ny fotoam-pivavahana izay tena voahaja tokoa (tsy nisy nisiotsioka na niresadresaka loatra). Ary dia nandeha ny kabary vitsivitsy izay nandehanan'ny antso am-pinday tampoka nataon'ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana nankasitraka ihany koa ny nataon'ny vehivavy tamin'ity alakamisy masina ity.
Hitamberina kely ny tamin'ny andro avy orana indray aho nefa dia mbola niatrika teto Ambohijatovo ihany ny olona. Be dia be tokoa ny elo ary dia nisy ihany koa ny fihetsika nahafinaritra nanaovana ny elo. Teo aloha ny nahofahofa toy ny fanao tamin'ny tanana ihany ary teo ihany koa fiarahamanodina ny elo toy ny tandrimo hany ka toy ny manao fety anaty orana izany avokoa ny olona. Tsy nampoizina ihany koa ny fahamaroan'ny olona tamin'iny fotoana iny ary izay no mety nandrisika ireto olona ireto ho avy maro ihany koa io alakamisy io. Ireo dia efa ampy ilazana fa na tsy misy aza ny mpitarika dia mahafantatra tsara ny ataony ny olona vory eto ary mahafantatra ihany koa ny tanjona nokendreny.
Tena nandrasan'ny maro ny fanendrena praiminisitra vaovao nefa moa dia iaraha-mahalala fa tsy nisy izany fanendrena izany. Nanao fampanantenana poak'aty ve ny mpitarika sa inona no nahatonga ny fanendrena tsy ho tontosa indray? Vakio indray mandeha izay nosoratako tamin'ny farany fa hoy aho hoe: "Ny dingana sarotra manaraka dia ny fanendrena izay ho praiminisitra, voakabary teny Ambohijatovo, fa hataon'ny filoha Ravalomanana amin'ity herinandro ity rehefa tsy hisy ny dinika eo amin'ny roa tonta". Soa ihany fa efa nosoratako ary dia avoitrako mazava tsara ny soratra manao hoe "rehefa tsy hisy ny dinika eo amin'ny roa tonta". Eo no nisy tsy fahaizan'ny mpitarika niteny tamin'ny alakamisy masina, tsy hainy ny nampitamberina an-tsain'ny olona fa rehefa tsy misy ny dinika vao hatsagana ny praiminisitra vaovao, noho izany tokony hisy lanjany tsara ny tenin'ny mpitondra tenin'ny TIM hoe: "nanaiky hifampidinika ny ankilany". Efa voalaza tsara manko fa hitohy ny fifampidinihana eo amin'ny roa tonta ny Zoma 10 avrily 2009, noho izany tsy dia mahamaika indray ny hanendrena izany praiminisitry ny governemanta mandala ny ara-dalàna izany. Izay no fihevitry ny mpitarika ny hetsika amin'izao fotoana izao nefa mba tsara ihany ny hahalalan'ny mpitarika ny resaka sy teny ataon'ny olo-tsotra mpanaraka ity tolona hamerenana ny ara-dalàna hanjaka eto amin'ny firenena ity.
Eo amin'ny olona amin'ny ankapobeny dia heveriny fa fahadisoana ny mifampiraharaha amin'ny mpandrobam-pahefana sy mpampihorohoro. Efa izay ny fahadisoana nahazo ny filoha dia toa ikirizana ihany ny hanaovana fifampiraharahana. Tsotra ny takian'ny olona. Miverina amin'ny toerany ny andrim-panjakana nofoanana tamin'ity lazaina fa "tetezamita" ity, indrindra fa ny fahefan'ny filoham-pirenena izay nofidiam-bahoaka tamin'ny alalan'ny fifidianana. Tsy zakan'ny olona mihitsy ny mieritreritra hoe ho fanao rehefa misy ny tsy mankasitraka izay ataon'ny mpitondra ny mampiasa hery hanonganam-panjakana ka manitsakitsaka ankitsirano ny zon'ny mpifidy manerana ny nosy. Tsy te-hahalala ny olona fa izay ihany ny azy no takiany ary vonona ny hiaro ny tarigetrany ireo olona ireo ho anatra ho an'izay mitady hieritreritra fanonganam-panjakana eto Madagasikara any aoriana any. Izaho manokana dia mahita fa fisainana tena demaokratika mihitsy izany fomba fisainana izany ary mety tsy nampoizin'ny mpahay politika maro nihevitra ny hitondra ny vahoaka amin'ny sangany.
Dia ahoana indray ny amin'i Tabera Randriamanantsoa nolazaina fa nantsoin'ny filoham-pirenena ho praiminisitra. Tao amin'ny vaovao Tvplus ihany moa izy ity no tena nasongadina. Nilaza moa io lehilahy io fa tsy Ravalomanana mivantana no niantso azy fa ny mpitarika ny tolona teny amin'ny kianjan'ny demaokrasia no nifampiresaka taminy, nametraka fepetra izy fa mbola miandry ny faneken'ny filoha Ratsiraka sy ny filoha Zafy vao mety hiditra amin'izany ary tsy maintsy mitoetra ho PHAT ihany i Andry Rajoelina. Mbola vao resaka no natao nefa dia natatatata sahady ho karazana fanakorontanana ny sain'ny olona, ataon'ny tvplus, araka ny fijeriko azy.
Izay indray aloha no voasoratra, fa azo lazaina fa efa voarain'ny mpitarika ihany ny hafatra fa fepetra tsy azo ihodivirana ny famerenana ny ara-dalàna sy ny andrim-panjakana eken'ny lalàna vao mety hizotra ny fifampiresahana. Voamariko ihany koa fa tsy tena tsy azo ifampiresahana ny amin'ny hijanonan'ny HAT ny olona fa ny ara-dalàna mijoro indray ihany no tena takian'ny olona.
jentilisa zoma 10 avrily 2009 amin'ny 1:01
Misy ny manoratra any ho any hoe: "tsy vahaolana ny mikiry biby!" (le jusqu'au boutisme n'est pas une solution). Misy ny mamerimberina mandrakariva any amin'ny fampielezam-peo milaza ho mpanao famakafakana politika sy toe-karena ary sosialy any fa efa mihamilamina sy mihamiverina amin'ny laoniny ny fiainana andavanandron'olona. Lazainy fa toerana vitsivitsy kely tsy dia manao ahoana sisa no mbola miezaka ny manakorontana ny toe-draharaha eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Minia mijery ivelany araka izay azo atao izy ao anatin'izany famakafakana izany fa ny iniany tsy jerena dia toerana manan-danja eo amin'ny lafiny politika sy sosialy indrindra ireo toerana lazainy fa vitsy tsy dia manao ahoana ireo. Ny fivezivezen'ny olona eny an-dalana mihamaro sy ny fitohanan'ny fiarakodia manerana an'Antananarivo, izay lasa voninahitra indray fa tsy henatra noho ny tsy fahaiza-mandamina sy tsy fahaiza-mitsinjo ny fandaminana ny fifamoivoizana, no tiana asongadina mandrakariva. Minia tsy mijery izay any an-tranon'ny olona any izy mamelabelatra izay tiany tenenina. Izaho koa etsy andanin'izany tsy afaka mihambo ho mahalala izay any an-tokatranon'ny olona tsirairay any fa dia tery hilaza izay fantatro kosa.
Ny asanay mpiray tampo... mihapotika avokoa!
Tsy nahazo alalana tamin'ny rahalahiko aho manoratra izao zavatra izao. Telo mirahalahy izahay no mpiray tampo, tsy manana anabavy. Samy nanana ny asanay avokoa izahay. Tsy misy itovizany avokoa ireo asanay ireo ary samy manana ny lehibeny ihany koa. Ny iray dia (cadre) miasa amina orinasa malagasy manana ny lazany (efa hotononina hoe nanana ny lazany atsy ho atsy raha tsy misy ny fiovana). Ny vadiny dia niasa tamina orinasa frantsay manana ny lazany eto Madagasikara saingy niala roa taona lasa izay noho ny karazam-paneriterena isan-karazany sy noho ny karama kely loatra indrindra indrindra (manontany izay Malagasy rehetra miasa amina frantsay eto Madagasikara aho, mba manao ahoana tokoa ny karamanao raha miohatra amin'ny andraikitra sahaninao?) ... ampy namelomana ihany manko ny karaman'ny lahy fa mivadika moa ny tantara ankehitriny... Ny iray hafa kosa indray (cadre) miasa amina tetikasa eto Madagasikara, mpitaintaina isaky ny faran'ny taona fa mety ho voaroaka noho ny vokatra mety tsy hahafa-po araka ny fijerin'ny lehibe azy. Noho ny toe-draharaha politika misy amin'izao fotoana izao dia tapaka tarangana ny famatsiam-bola ho amin'izany tetikasa izany. Nitsahatra izany ny asany amin'izao fotoana izao ary tsy fantany intsony izay mety ho avin'ny tetikasa sy ny ho avin'ny fiainany, tsy miasa intsony izy amin'izao fotoana izao. Any ivelan'Antananarivo avokoa ireo rahalahiko roa ireo no miasa sy monina. Ary izaho kosa mba manao ahoana?
Ianareo mpamaky dia mahafantatra tsara fa tena tsy tiako velively ny milaza ny mombamomba ny asako ary tsy tokony atao velively ihany koa aza izany. Mampisy olana eo amin'ny mpiara-miasa sy ny mpampiasa manko izany toe-javatra izany ( ary mety hisy fiantraikany amin'ny mety ho asako rahampitso ihany koa) , ny tena loza dia efa nampiseho ny sariko aho ka mety misy ihany koa ny mahafantatra hoe aiza moa aho no miasa. Halohalika anefa ny ranombary hoy ny fitenenana izay, tsy fantatro intsony izay hitranga rahampitso. Koa raisiko ho andraikitro manontolo ny zavatra soratako etoana. Miasa amina orinasa frantsay aho, lazaina hoe (cadre) saingy anarany fotsiny aho (azo hanambakana amin'ny ora iasana nefa tsy handraisana "ora fanampiny") . Amin'izao fotoana izao dia mbola mihazohazo eo ambony hatokay ny antsoina hoe "chômage technique", fa efa mifandimby maka "congé" avokoa moa izahay amin'izao fotoana izao mandrapahalanin'ny zonay amin'io zavatra iray io, tapitra izay dia tonga ny "tsy fisian'asa" ary dia tsy mandray karama araka ny andro tsy iasana mazava loatra ary mety hiafara amin'ny "fandroahana tanteraka" rehefa avy eo. Ao ambadik'izany rehetra izany dia voatery hiasa mafy ny rehetra raha tsy te-ho voaroaka, dia mety ho adino tsikelikely ihany koa ny zon'ny mpiasa (sanatriavina). Azo lazaina ihany koa eto fa mihozongozona ny asako amin'izao fotoana izao. Dia raha sanatria moa izany...? nefa dia lazaina fa ny (fitondram-panjakana) frantsay no ao ambadiky ny fanonganam-panjakana nisy teto Madagasikara sy miezaka mafy mba haneken'izao tontolo izao ny "tetezamita" ankehitriny, izany hoe ny orinasa frantsay no hahazo vahana sy tombony indrindra mandritra izany fotoana izany farafahakeliny.
Ny azo lazaina ho tigetranay teo amin'ny fiainana
Efa nosoratako ihany tany aloha tany fa tsy mba nanofinofy izay hivoaka any ivelan'i Madagasikara mihitsy izahay telo mirahalahy ireo. Tsy fantatro loatra ny anton'izany fa tsy mba nampitsiriritra anay mihitsy izany hivoaka an'i Madagasikara izany, ary tsy nihevitra velively ny any ivelan'i Madagasikara ho paradisa izahay, noho ny fitaizana angamba. Ny mety ho tsy zakanay ihany koa dia ny fanandratana ny teny frantsay ho ambony indrindra, koa na tsy mahay na inona na inona aza nefa mahay teny frantsay dia izay no atao hoe mahay. Nampianarina teny frantsay manokana mihitsy anefa izahay telo mirahalahy ary tahaka ny mihaino teny Malagasy ihany ny hihainoanay teny frantsay amin'ny ankapobeny. Nefa dia karazana fahafinaretana ho anay mihitsy izany fandaharana niresaka Madagasikara tamin'ny fahitalavitra izany taloha. Andeha ataonay hoe faharesen-dahatra tao anatinay ny fahitana fa eto amin'ity Madagasikara ity ihany no tena ahitana zavatra maro mahafinaritra.
Etsy ankilan'izany ihany koa, tsy nampazoto anay velively izany hiasa amin'ny fanjakana izany na dia nandresy lahatra anay matetika aza ny rainay, any manko azo antoka ny karama sy ny retirety. Asa! Ahoana koa angaha ny anton'izany? Izy mivady ray aman-dreninay dia samy mpiasam-panjakana avokoa, mpiasam-panjakana niasa amin-joto fa tsy mba irony nanao hoe telopolo andro ny iray volana irony. Renay matetika fahakely ny menomenona ny afera maizina ataon'olona sasany, halatra mivantana amina miliara, nefa dia afaka eny amin'ny fitsarana hatrany rehefa toriana sady misy fanampiny hoe tsy maintsy averina amin'ny asany ary omena azy avokoa ny karama sy ny tambin-karama rehetra izay tsy mbola azony fa fotoana nampigadra azy ireny. Mety hialanay amin'izany fositra mety hiteraka lonilony izany angamba no tena nandrisika anay tsy te-hiditra ho mpiasam-panjakana mihitsy... Nefa amin'izao fotoana izao toa iniana ampanjakaina miharihary eto amin'ny firenena izany gaboraraka izany ary tadiavina tsinontsinoavina ny lanjan'ny asa sy ny fahazotoana miasa, fa ny mangalatra sy ny manendaka ary ny mandroba no fomba mora sy tsotra indrindra hampanakarena, ary ny mpanao izany no ampanjakaina eo amin'ny fiainana andavanandro!
Raha ireo no tantaraiko aminao, tsapanao ve fa nahazo tombontsoa izahay nandritra ny fotoana nitondran-dRavalomanana? Koa raha andeha ihany atao hoe izany, toa ny antom-pivelomanay mihitsy no potehina amin'izao fotoana izao? Mba azonareo eritreretina ve ny fiantraikan'izany hoe niasa izahay teo, nefa samy tsy hanana asa avokoa (100%) rehefa avy eo (izaho irery sisa nefa efa ambivitra ihany koa!)? Dia tahaka ny ahoana araka ny fijerinareo ny mety ho fihevitray raha mahita soratra manao hoe "tsy vahaolana ny mikiry biby!" (le jusqu'au boutisme n'est pas une solution) izahay? Azonareo vinaniana ve ny zavatra mety ho vitako rehefa tonga ilay sanatria? Noho izany, raha mandray anjara mavitrika amin'ny fihetsiketsehana aho (terena haka congé tsinona) dia ny hamerenana ny hasin'ny asa sy ny ezaka ataon'ny tsirairay no anton'izany fa tsy ny halatra no ampanjakaina eto amin'ny firenena. Raha mandray anjara mavitrika amin'ny fihetsiketsehana aho, noho ny tsy fanekeko na oviana na oviana ny fanitsakitsahana zoko tamin'ny fifidianana ary tsy hampazoto hifidy mihitsy raha toa ka tafatombina izao fitondrana nangalarina mivantana izao satria ho zary fanao eto amin'ny firenena. Izay tian'ny firenena hafa atao eto Madagasikara ihany ve izany no tsy maintsy tanterahina? Izany hoe miverina ho zanatany izany i Madagasikara! Fitaovana lehibe nampanjanahana an'i Madagasikara dia ny Malagasy ihany ary ny lohalaharana amin'izany dia ny avara-pianarana mihitsy... indrisy, ary ahiako ho mizaka ny zom-pirenena frantsay avokoa ireo rehetra ireo.
Dia hanaiky lembenana ary ve?
Mety hisy aloha aminareo mpamaky ny hieritreritra hoe, mafy toy izany ve dia nahoana no mbola afaka mivoivoy amin'ny aterineto ihany? Efa nambarako hatrany fa ny lesoka lehibe eo amin'ny mpitolona hiverenan'ny "ara-dalàna" dia ny tsy nahaizana nifehy ny fifandraisana sy ny serasera ary anatin'izany ny aterineto, raha mbola manana izay kely anananako aho ka ahafahako mitolona izany dia ataoko soa aman-tsara, raha sanatria tonga ny tsy fidiny tsy afaka mivoivoy intsony akory atao fa efa karazan'ny resy tanteraka izany. Sao koa misy mieritreritra fa mandray vola aho mamelona ity bolongana ity? Eto no maharesy lahatra ahy amin'ny fandraisako anjara amin'ny famerenana ny ara-dalàna ka dia ikirizako hatrany raha mbola azoko atao ihany koa. Eto ihany koa aho no miteny tsy misorona ho an'ny hafa rehetra! Ataoko fa tsapanareo amin'ny gazety ihany ny fivakisana efa nolazaiko teto mialoha ny nivoahan'ireo gazety ireo. Manao arofanina aho raha manoratra ireny fa tsy voatery hoe manoratra noho ny fahakiviana!
Ny ampaham-piainanay ihany no notantaraiko anareo teo, fa mba manao ahoana avokoa ny fiainan'ireo manao fihetsiketsehana amin'izao fotoana izao ireo? Fa inona ny tombotsoa azonay tamin-dRavalomanana raha lazaina fa nangoniny ho azy samirery ny tombotsoa teto Madagasikara? Raha nangoniny ho azy samirery anie ny tombotsoa dia mba tsy nahazo tombotsoa ihany koa izahay e! Ny hita aza dia nivadika tamin-dRavalomanana avokoa ny mety ho nahazo tombotsoa taminy rehetra nefa very teny antenantenany teny izany tombotsoa izany. Koa nahoana moa izahay no tsy mba nivadika tahaka ireny very tombotsoa ireny? Ny antony hitolomanay tsy hamerina an-dRavalomanana amin'ny maha-Ravalomanana azy loatra (izay aloha no hitako amin'ny ankamaroanay) eo amin'ny toeran'ny filohan'ny Repoblika loatra fa ny hamerenena ny hasin'ny fiandrianam-pirenena nohosihosen'ny vola sy ny famerenana sata repoblikana navadiky ny miaramila tena mpamadika ny tanindrazana tsotra izao noho ny tombotsoa frantsay ary ny hanajana ny lanjan'ny demaokrasia nataonay tamin'ny alalan'ny latsa-bato fanao amin'ny alalan'ny fifidianana. Koa diso hevitra izay mihevitra fa hihena tsikelikely ny mpanao fihetsiketsehana satria "tsy misy intsony ny vola hamatsiana ny tolona", tsy nisy nandray vola noho ny fandraisana anjara amin'ny fihetsiketsehana mihitsy ireo olona ireo, fa ny herisetra mihatra amin'izy ireo isan'andro ihany no mety hampihemotra azy, saingy mihemotra amin'ny fandraisana anjara hita maso fotsiny izy fa mety tsy ho zakanao kosa ny fanapahan-kevitra mety ho vitany rehefa avy eo. Aza maniry ny hahalala izany fanapahan-kevitra izany velively anefa!
Manao ahoana ny dingana manaraka?
Voatery nilaza tamin'ny kabariny Atoa Tata Ambroise Ravonison fa tsy mivakivaky velively ny hetsika atao amin'izao fotoana izao. Mampiahiahy be ihany anefa ny zavatra ataony indrindra fa ny fiantsoana mpanao gazety manokana ataony amin'ny alalan'ny CSD_M (Comité Supérieur de la Démocratie à Madagascar). Azo heverina manko fa izy no manana vola nafafy be indrindra amin'ity tolona ity, mieritreritra ny fifidianana ho avy angaha izy! Tokony hieritreritra izy ny tsy hisehoseho be loatra fa manjary manimba ny tolona. Manahirana ahy ihany koa ny fitatatatany sahady ny zavatra tsy mbola tokony havoaka akory toy ny fialzana fa efa an-dalana ny filoha Ravalomanana. Tahaka ny manome sopapa ny miaramila izy hoe miasà ianareo miaramila sao tonga tokoa ny "Dada"n-dry zalahy ireto. Mba mahalala tsiambaratelo ihany koa anie izahay nefa izany tsy ihazakazahana holazaina mihitsy toa anambarana amin'ny besinimaro fa akaiky an'i "Dada" anie aho e! Sa natao hampitaintaina ny miaramilan'ny Capsat no anaovana ireny fanmbarana ireny? Mba heno ihany manko fa vao nosimbain'ny miaramila fatratra ny lalan'ny (piste) seranana fidinana sy fialan'ny fiaramanidina ao Antsirabe eo an-dalam-panamboarana io saingy raisiko ho tsaho ihany aloha izany.
Ny dingana sarotra manaraka dia ny fanendrena izay ho praiminisitra, voakabary teny Ambohijatovo, fa hataon'ny filoha Ravalomanana amin'ity herinandro ity rehefa tsy hisy ny dinika eo amin'ny roa tonta. Amin'ity fotoana ity dia tsy maintsy mametraka ny fifandanjam-paritra ihany koa ny filoha Ravalomanana fa tsy azony atao intsony ny manendry olona avy eto afovoantany. Tsy azony atao intsony ihany koa ny manendry olona efa hita fa "nivadika" taminy. Mora sarotra ny mitady olona avy any anindra-tany hotendreny amin'izany toeran'ny praiminisitra izany. Mora raha toa ka fantatra fa tsy mbola nivadika taminy izany olona izany, sarotra kosa raha toa ka efa mivadika aminy na matahotra ny handray andraikitra kosa izany olona izany... eto manko dia tsy mbola fantatra mihitsy ny ho avy politikan'izay hotendreny ho praiminisitra izay. Mety hisy ny hanana soso-kevitra amin'ny olona tokony hotendreny fa ny hitako aloha izao, raha mbola tsy nivadika izy dia Atoa Mahafaritsy Samuel, ilay nasolo an'i Lahiniriko Jean. Asa ianareo mpamaky,iza no heverina fa tokony ho praiminisitra?
Avelao hirehareha foana eo!
Hiresaka zavatra hafa indray aho. Efa niarahan'ny rehetra namaky angamba ny vaovao nilaza fa nisy miaramilan'ny praiminisitra voatifitry ny zandary tao Mahitsy tao. Tsy nanafina ny fitaovam-piadiany izy na dia efa tsy nanao fanamiana intsony aza (naderadera aza!) ary fandikana ny fifampifehezana eo amin'ny samy miaramila sahady izany. Manaraka izany dia tsy niraharaha ny sakana nataon'ny zandary tany an-toerana ihany koa, ny lalany ihany no notohizany. Porofo manambara ny fanjakazakany eto amin'ny firenena izany fihetsika nataony izany. Marika ihany koa hampitana amin'ny olona ny fihoaram-pefy ataon'izy ireo. Ny ahy moa lasa lavitra dia lavitra mihitsy ny saiko hieritreritra fa saika "hanao mission" indray ry zalahy miaraka amin'ny pick up mahazatra (nahamarika aho fa betsaka amin'ny fiaran-dry zalahy no tsy mipetaka ny laharan'ny fiara entiny).
Zavatra hafa ihany koa ny fandrahonana nahazo ny mpiasan'ny SAF FJKM nataon'ny miaramila hatrany, noho ny fanadihadiana ny loharanombolan'ity Sampan'Asa Fampandrosoana tantanin'ny FJKM ity. Asa hanao ahoana re ny mety ho fiantraikan'ny raharaha raha toa ka ny Akamasoan'i Pere Pedro no anaovan'ny miaramila toy izany? saingy tsy hisy izany satria manohana ny fitondrana tetezamita ry zareo! Tsy anjaran'ny miaramila mihitsy ny manao izany fanadihadiana izany e! Fa inona moa no tena kendren'ireto miaramila ireto? Ny hahalao monina izay tsy mifanaraka amin'ny heviny sy ny tadiaviny. Tetika hialan'ny QMM ireny mody fisavana ny orinasa manontolo sy ny entana rehetra tany Faradofay ireny. Efa andala-piasana manko izy ity ka tian'ny Frantsay horombahina amin'izay. Sotasota hanaovana izay hikatonan'ny tiko ireny fisavana ny fiaran'ny tiko noahiahina ho mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika ireny (fa noho ny zavatra nokitikitihan'ny saofera tao anaty fiara tao dia lasa nivadika glace ny basy? Eisy aho hoe e). Ary fanenjehana mivantana ny FJKM ny fisavana ny entana sy ny fanadihadiana ny fihavian'ny vola hamelomana ny SAF FJKM.
Efa mba renay ihany koa fa efa nalaina ny vary sy ny zavatra hafa any amin'ny birao misahana ny loza voajanahary (toy ny rivodoza) satria manko efa hifarana ihany izany fotoanan'ny rivodoza izany kanjo moa dia indro tonga tampoka i Jade... Hisy ve ny sakafo fanampiana izay mety ho tra-boina amin'ity rivodoza ity? Efa mba renay ihany koa ny fakana ny varin'ny voafonja (vary nambolen'ny voafonja) mba hohaniny tahaka ny any amin'ny faritra boeny, saingy mbola ambany zo noho ireto mitady hovelomim-potsiny ireto moa ny voafonja ka dia adino teo ny mba fisasaran'ny hafa. Mba nosainina ve fa mety haharesy lahatra ireto voafonja ireto indray izany zaatra mihatra aminy izany ka hiheverany hoe aleo ihany mangalatra raha izany fa izay mba nisasarana ity toa alaina aminay ihany koa? Na izany aza aloha, aleo hisokatra ny fanadihadiana fa mba manome sopapa ny mpanao gazety izahay raha mahasahy miditra lalina ry zareo. Efa lava loatra ihany koa izany lahatsoratra izany fa aleo indray amin'ny manaraka. Averiko indray: raha hametraka hevitra ianao dia soraty vakiraoka (brouillon) aloha izay tianao ampitaina dia ankotriho (actualiser) ny lahatsoratra vao apetakao ny solon'anarana sy ny hafatra ary averinao ny marika angatahin'ny authimage.
jentilisa, talata 7 avrily 2009 amin'ny 01: 06 maraina
Ahitan-javatra mihitsy ny toe-javatra amin'izao fotoana izao. Tsy maintsy ho gaga daholo ihany izay nahita ny filohan'ny Antenimieran-doholona teo aloha lasa masoivoho any Suisse amin'izao fotoana izao, Atoa Rajemison Rakotomaharo, nanatrika ny fihaonam-be karakarain'ny fitondrana tetezamita afak'omaly sy omaly zoma 3 avrily 2009. Tena nanana fahasosorana anaty tokoa ve matoa mahavita miseho vahoaka tahaka ireny? Tsy lazaina intsony ny an'i Zenaide Ramampy anisan'ny birao foiben'ny TIM ihany koa. Raha ny fijery azy amin'izao fotoana izao dia vita tokoa ny tantaran'ny TIM. Antoko hafa indray angamba no hijoro raha hisy izany fa tsy nety mihitsy ny rafitr'ilay teo raha izao zava-mitranga ankehitriny izao no tarafina. Izaho koa moa efa nahita fa tsy demaokratika mihitsy iny antoko TIM iny. Efa hitako hatrany ampiandohana sahady manko fa misy ny vondron'olona tsy afaka hofidiana na oviana na oviana fa izay tapaky ny any amin'ny foibe ihany no tena izy ary izay fepetra izay no tsy nidirako tao amin'io antoko io mihitsy. Dia mety ho gaga ihany koa angamba ny mpamaky manaohoe ary toa mihamivadika tsikelikely koa i jentilisa izany? Tsia tompoko! Manana ny hevitro aho ka mijoro hatrany amin'izao hevitra nandresy lahatra ahy izay.
Hatrizay dia heverina fa ny eto Antananarivo sy Antsirabe, ary ny vao tsy ela akory izay no nanampy koa i Ambatondrazaka ihany no misy mpanao fihetsiketsehana mitsipaka ity tetezamita ity. Aoka anefa holazaina fa maro ihany koa ny avy any amin'ny faritra no te-haneho izany heviny manohitra ny fitondrana nangalarina izany saingy, voalohany miandry mpitarika izy ireny; faharoa, mba nisy ny natao hitarika tahaka ny tany Moramanga, saingy noho ny fandrahonana azo avy amin'ny mpanohana ny tetezamita dia nihemotra, fa tsy tia gidragidra loatra moa ny olona amin'ny ankapobeny. Ny mpamadika ihany koa moa efa maro dia maro, ka tsy fantatra intsony na entin'ny fo fotsiny na efa paika tafapetraka hatry ny ela no atrehina. Ny olona fanta-bahoaka fotsiny no hitan'ny rehetra, fa misy dia misy ny te-hanakorontana fotsiny izao ny hetsika fanoherana ny tetezamita, ary ao niainana indrindra izany nandritra ny fanomanana io fikaonandoha nokarakaraina teny amin'ny Carlton tamin'ny alakamisy 2 avrily 2009 io. Marihina mazava tsara fa ny fotoam-panomanana no lazaiko eto fa tsy ny andro nandritra ny fikaonan-doha notontosaina ny 3 avrily 2009.
Raha mba nanana fotoana ihany aho ny alakamisy voalaza io dia nanapa-kevitra ny ho eny amin'ny Carlton. Tonga tany tokoa ny tena ny folakandro tokony ho tamin'ny efatra ora tany ho any. Vao teo amin'ny fiantsonan'ny fiara aho dia ny fiara roa an'ny polisim-pirenena avy hatrany no hitako. Zendana ihany aho, nihevitra avy hatrany moa aho fa mety ho efa nisy fisamborana tao, saingy diso izany fihevitro izany. Hitako hatraty ivelany ihany manko ireo olona mijorojoro sy mivorivory eo amin'ny rihana voalohany. Noho izany, nandroso aho, niditra ny varavarana, niakatra ny tohatra ary nandeha nankeo amin'ny mpandray olona handray anjara amin'ny fikaonan-doha karakarain'ny parlemantera. Mazava loatra fa efa voafandrika sy efa voazara avokoa ny fanasana. Efa tsy tafiditra intsony ny tena, sady hisolo tena an'iza ihany koa moa? ny hitati-baovao no tena masaka tao an-dohako fa tsy matanjaka loatra moa ny sampan'ny fifandraisana sy ny serasera amin'ity vondron'olona mitsipaka ny tetezamita ity. Dia lasa koa ny tena nihainohaino tamin'ny resaky ny olona amin'ny ankapobeny. Mazava loatra fa tsy afaka hilaza ny antsipirian-javatra mety hanohintohina ny hetsika aho. Matoa aho manoratra dia ho aro-fanina ho an'ny rehetra, hilaza fa vakivaky sahady ny tolona iaraha-manana.
Noho ity hetsika ity niainga tamin'ny olo-tsotra aloha voalohany indrindra dia olona samy manana ny heviny no mihaona sy mifampiresaka. Ny tanjona amin'ny ankapobeny dia mitovy ihany fa ny fomba hanatanterahana azy no tahaka ny tsy mba misy marimaritra iraisana loatra. Tsy mahagaga raha mipoitra sahady ny fisarahan-kevitra nefa ny tanjona ity mbola lavitra ihany. Ny maro amin'ny mpitarika amin'ny ankapobeny, resy lahatra amin'ny fanaovana ity fikaonan-doha hivoahana amin'ny krizy ity, avy eo mahita ny dingana manaraka irosoana. Misy ny mihevitra mafy ny fahafahana manao fihetsiketsehana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ihany, eo moa ny milaza fa tsy tokony ajanona mihitsy na ahoana na ahoana ity eto amin'ny kianjan'ny 13 mey ity. Eo ihany koa ny mametraka hoe maninona raha miainga hatreny Ambohijatovo indray? Fa ankoatra izay dia misy ireo mihevitra fa efa anaty ady isika koa tokony idirana tanteraka mihitsy izany ady izany. Ireo no mihevitra fa tsy tokony atahorana mihitsy izany miaramila izany. Milaza tsotra aho fa tsy mahafantatra izay antsipiriany tian-dry zalahy ahatongavana kosa. Mieritreritra aho fa mety ho avy amin-dry zareo ireto ny nahavita nitoraka grenady tany Ambohitsorohitra ny alin'ny alarobia hifoha alakamisy iny, ary mety ho ry zareo ihany koa no mbola nahavita ihany koa ny fanafihana alin'ny alakamisy hifoha zoma saingy tsy nahare ny akony afa-tsy tany amin'ny forum moov moa aho; tsy fantatro mazava loatra ihany koa na mbola Ambohitsorohitra ihany no notafihina na toeran-kafa indray. Raha ity vondrona farany lazaiko ity moa dia efa karazana 'ady anaty akata' mihitsy no efa idirany. Ny tanjona iraisan'ireo rehetra tsy mety mifanara-kevitra ireo dia ny hampisehoana hoe "tsy milamina velively eto Antananarivo".
Mety ho lasa eritreritra ihany angamba ianao hanao hoe: mety ho samy manana ny anjara asany fotsiny ireo olona ireo fa anaty fandrindrana fotsiny izany. Tsia! efa hita ho mifampisintasintaka araka ny heviny mihitsy ny mpitsipaka ny tetezamita. Taratr'izany fisarahan-kevitra izany ny zavatra saiky hatao omaly zoma: efa mba noheverina ihany fa rehefa misy ilay fikaonan-doha teny Anosy, dia nisy ny nikiry hoe tokony hasiana fihetsiketsehana hatrany eo amin'ny kianjan'ny 13 mey. Nekena tsy fidiny io hevitra io noho ny feo niha-niakatra... ary dia nolazaina fa ho fotoam-pivavahana hahatsiarovana ny maratra sy ny maty hatramin'izay no hamoriana ny olona. Efa azontsika vinaniana amin'izany ny fisamatsamahana misy. Dia mbola azo tarafina ihany koa ny fotoana telo samihafa voalaza fa hanatontosana ny hetsika ny Sabotsy 4 avrily 2009. Misy ny milaza hamory olona eny Ambohijatovo satria eo no heverina ho azo antoka indrindra rehefa mivory nefa tsy misy fiantohana intsony raha vao miala eo an-toerana, eo ireo te-hifampigidraka amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpandroba eo Analakely tsotra izao, fa ny narahin'ny besinimaro kokoa sy hany nolazaina tao amin'ny radio mada dia ny sit in hatao eny Andraharo manoloana ny biraon'ny Firenena Mikambana ary ny heviny moa dia hoe dingana hanairana ny Fiarahamonina Iraisam-pirenena no hatao fa tsy ny hanaiky halatsa-dra eny amin'ny 13 mey isan'andro.
Marihina fa SAMBANY indray teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, taorian'ny tifitra nataon'ny FRS tamin'ny 13 mey 1972 no nahasahy nitifitra olona efa tafavory teo an-kianja (13 mey) ity ny mpitandro ny filaminana tamin'ny 2 avrily 2009. Tsy nanao izany Ratsiraka tamin'ny 1991 na dia nalaza aza fa mety hahavita izany ny RESEP. Tsy nanao izany ihany koa Ravalomanana na dia malaza ho mpanao didijadona aza, fa nahavita izany kosa i Andry Rajoelina satria tsy zakan'ny miaramila mihitsy ny mieritreritra ny mety hiverenan-dRavalomanana takian'ny mpanao fihetsiketsehana ankehitriny, noho no sazy fantany fa hiandry azy. Marihina kosa fa tsy milaza ny fanakanana olona tsy ahatongavana eny kosa aho. Ataoko fa efa saiky nanao izany fihetsika izany kosa ny mpitondra nifandimby rehetra teto. Marihina fa faritra roa no nokendren'ny zalahy tamin'io 2 avrily io; ny faritra iray teo afovoan'ny mpanao fihetsiketsehana efa tafapetraka amin'ny tany mihitsy; ny faritra iray kosa teny amin'ny mpanentana ka anisan'ny voa mafy ihany ny iray amin'ny mpanentana ny fihetsiketsehana hatramin'ny sabotsy 21 marsa 2009 lasa teo. Mazava loatra fa ny hamotika hatramin'ny fakany ny tolona no tanjona, ary tsy atao mahagaga raha nafangaron-dry zalahy potiby hiparitaka ny baomba tokony hakarenintsofina fotsiny sy handatsa-dranomaso fotsiny.
jentilisa, sabotsy 4 avrily 2009 amin'ny 1:44 maraina
Hatry ny ela no nahitako fa toa niaina anaty tantara mahatsikaiky ny Malagasy hatramin'ny niandohan'ity taona ity. Ny nanahirana fotsiny dia noadinoiko hatrany ny nanasongadina izay lafiny mampihomehy izay. Ny fomba tsotra indrindra ahatsiarovana izany manko dia amin'ny alalan'ny fampitahana ny tolona teo aloha rehetra amin'ny tolona roa sosona natao tamin'ity taona 2009 ity. Omaly voalohany volana aprily aza moa hita indray izay lafiny mampihomehy izay eo anivon'ity fisiana faharatrana isan'andro ity. Vao maraina ny fanentanana tao amin'ny radio mada (izay marihina fa feo tsy fantatry ny olona intsony no tena manentana ao ankoatra ny famerimberenana ny tenin'ny filoha Ravalomanana ialohavana na ravahana ny hiram-panentanana tamin'ny 2001 sy ny "Madagasikara tanindrazanay" (Mdrm 1947) hatrany) milaza ny hahatongavana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey avy hatrany, fa efa nahazo alalana tamin'ny prefet de police (mba mahagaga ihany), ary efa arovan'ny Emmonat ( vondrona efa tsy misy intsony amin'izao fotoana izao) koa ny mpanaraka ny ara-dalàna.Nihomehy anaty ihany aho nandre ilay fanentanana nefa azoko tsara ny tiana ahatongavana. Raha mahomby ny antso (ary izany no nitranga) dia tsara ny paika, fa raha tsia kosa dia lazaina tsotra hoe fetin'ny lainga no nanaovana ny fanentanana. Ny mpanohana ny ara-dalàna moa tsy te-hahalala izany fa fotoana fanararaotra izany antso izany hisehoana indray.
Hanao fampahatsiahiana kely indray aloha na dia izany aza. Ny Asabotsy 28 marsa 2009 dia natao ny fanentanana teo Ambohijatovo mba handehanan'ny rehetra hanatrika ny fotoam-pivavahana tontosain'ny fjkm ny alahady 29 marsa 2009, na dia fantatra aza fa tsy fjkm daholo akory ny mpanao fihetsiketsehana hamerenana ny ara-dalàna. Etsy ankilan'izany, maro tamin'ny mpivavaka amin'ny fjkm tsy mankasitraka ny hamerenana ny ara-dalàna no nilaza fa tsy hankeny Mahamasina mihitsy amin'io fotoana karakarain'ny foibe fjkm io. Etsy ankilan'izany, misimisy ihany koa ny tsy fjkm no nizotra ho any amin'ity fotoan-dehibe teny Mahamasina ity. Ny fihetsiky ny mpanatrika rehetra teny koa dia azo itarafana fa fisehoana endrika hafa ny tolona fotsiny iny teny Mahamasina iny. Noho izany, na dia tsy naseho aza ny lafiny politika tamin'ity fotoana ity dia nataon'ny olona ho hetsika politika ihany ilay izy. Toy ny nataon'ny jina sy ny panama tao anatin'ny mdrm taona 1947 ihany izany no nataon'ny mpanao fihetsiketsehana hamerenana ny ara-dalàna tamin'ny andron'ny alahady. Nandritra io fotoana io dia nisy ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notontosaina teny Andohalo katediraly niaraka tamin'ny mpitondra tetezamita. Nobahanana avokoa ny lalana miakatra mankany rehetra, hatreny Ambohijatovo ka hatreny Ambohidahy (tsangambaton'ny firaisambe Afrikana). fa raha tarafina ny olona nanatrika teo Ambohijatovo tamin'io andro io dia azo itarafana fa efa tsy miova fa eo ho eo amin'ny 1500 eo hatrany ny manatrika ny fotoana tontosain'ny fitondrana tetezamita eto Antananarivo. Ny teny amin'ny fanokanana ny tsangambaton'ny 7 febroary 2009 teny amin'ny kianjan'ny 13 mey aza moa dia olona 50 no nanatontosa izany, ary endrika mpanendaka izany daholo no tena vory teo ankoatra an'i Alain Ramaroson sy Pierre Andrianantenaina. Indrisy moa fa tsy manana sary hanaporofoana izany aho.
Ny alatsinainy 30 marsa 2009 moa ireny iaraha-mahalala ireny fa fanendahana eran'Analakely tany amin'ny pavillons tany no nataon-dry zalahy rehefa tsy nidina nanaraka an'Analakely ny mpanao fihetsiketsehana hamerina ny ara-dalàna. Nihevitra avy hatrany moa ny rehetra fa solon-karama no anton'ireny fanendahana ataon'andian'olona mahatratra 20 ireny. Mazava loatra fa ireo no tena fanta-daza ho mpitolona mafana fo ao amin'ny TGV, ireo andian-jiolahy nivondrona noho ny toe-draharaha ireo izany lohalaharan'ny TGV izany. Izay rehetra somary fotsy fihodirana ka madiodio akanjo no endahina amin'izany ary todroina ho tim hatrany moa. Mazava loatra fa misy dia misy ny sorena amin'ny olo-tsotra mpanohana ny tgv satria olona fanta-daza loatra ao amin-dry zareo ihany no tena mpanohana sy mpanakarama ireto andian-jiolahy ireto.
Ny talata 31 marsa 2009, ny avy amin'ny gadra afaka indray no nahazo alalana hamory olona eo Ambohijatovo. Ny tanjona kendrena moa dia ny tsy hananan'ny mpanohana ny famerenana ny ara-dalàna toerana hivoriana intsony. Noho ny fanentanana natao ny alatsinainy fa tsy hiala eo Ambohijatovo ny mpanohana ny ara-dalàna dia mbola nisy ireo vitsivitsy tratran'ny mpanendaka tao anaty kianja. Voatery niaro tena ireo olona ireo na dia nandositra aza, vetivety ihany moa dia voafehin'ny gadra afaka sy ny higadra rahampitso (ex-detenus sy futur detenus) ny kianjan'Ambohijatovo. Nandritra ny fotoana nanaovan'ireto olona ireto ny fivoriana nataony dia maro dia maro ny olona voaendaka tamin'iny lalan'Ambohijatovo iny (na ambony na ambany), ary hatreny amin'ny carrefour Ambatonakanga (manoloana ny fjkm Ambatonakanga) moa dia maro ireo jiolahy ireo no manendaka izay varimbariana tsy nahatandrina ny fisian-dry zalahy teo. Maro ny fiara nandalo (indrindra fa ny fiarakaretsaka) no najanon-dry zalahy tgv ary dia nendahiny avokoa izay zavatra teny ankoditry ny olona tao anaty fiara. Izao sisa Antananarivo, ny jiolahy voavondrona no manjaka eran'ny tanàna, tsy sahy mikitika ny mpitandro ny filaminana satria nahazo alalana hivory tsinona ry zareo.
Tena mitovy loko ireo olona nivory teo Ambohijatovo tamin'ity andro ity, ary na dia izay somary fotsy fihodirana nefa mpanohana ny tgv aza dia mangovitra raha hankao izany. Hitandry zalahy ny namana iray fokontany amin'ny tena sady tena mpanentana ao amin'ny fikambanana tgv mihitsy, ary dia voadarodaroka avy hatrany, satria hoe "io ilay ra-bidon" nokaramaina hitarika ny gros bras araka ny filazan'ny radio viva, fony nisy nikasa hanafika teto 67ha avaratra andrefana ny andian-jiolahy. Hita izany ankehitriny fa hay ireto lohalaharan'ny tgv ireto ireo nikasa hanafika ny fokontany misy anay saingy tsy nahombiazana mihisy moa. Hay tsy "Ra-bidon" fantatry ny ety amin'ny tanàna ilay notondroina hatrizay fa ilay tena anisan'ny mpanentana ny tgv teto amin'ny fokontany ihany. Noho ny toerana azony moa dia tsy hampiala azy amin'ny tgv io vono sy daroka ary fanendahana ataon'ny mpiara-mitolona aminy io (nefa aleo koa ho tsapany ny fahoriana mahazo ny olona ka!). Mazava loatra izany fa rehefa tsy mahita olona torahana vato ry zalahy ireo dia raikitra amin'izay ny fanendahana eran'ny tanàna. Tena miditra tolona vaovao mihitsy ny vahoaka Malagasy raha mba mahatsapa ry zareo... nefa arakaraky ny tsirairay ihany na hanaiky ny fampihorohoroana izy na tsia.
Tonga ny alarobia, nandeha ny fanentanana tao amin'ny radio mada, tonga ny olona. Tratran'ny fahadisoana nataony ny mpanohana ny tetezamita. Nenjehiny avokoa tsinona i Babay sy Lohavohitra (Ambohijatovo sy Analakely). Tsy maintsy nizara ny mpandrava hetsika, zara raha nahatratra 100 sisa ny nanatrika ny fivoriana teny Ambohijatovo notarihan'i Merci Ratoabolamanana, efa mahazatra azy aloha ny mikabary amin'isan'olona tahaka izany izay nataony tany Antsirabe e! Tsy zakany rahateo moa ny mahita ireo mpanao fihetsiketsehana anarivony hamerenana ny ara-dalana eo anoloan'ny gara Antsirabe (tsangambaton'ny fahaleovantena) ka aleony mipetrapetraka aty Antananarivo. Tsy matahotra gidragidra sy ramatahora intsony ireo tonga nanatrika ny fotoana voalohany teny amin'ny kianjan'ny 13 mey fa efa fiainana andavanandro rahateo moa izany. mazava loatra fa vitsivitsy kokoa noho ny isan'nadro ireto tonga ireto satria ny vatan-dehilahy no tena niatrika teny fa vitsy kokoa ny vehivavy. Noravaina mialoha tsy nisy toraka baomba mandatsa-dranomaso moa ity fotoana ity fa natao ho santatra ambavarano fotsiny.
Ny tsikaritro teto 67ha kosa dia nandalo teto ny fiaran'ny filohan'ny tetezamita, soavaly vy roa sy fiaran'ny polisy tsy misy afa-tsy ny saofera no ao anatiny ary fiara pick up iray no miambina izany filoha izany. Tao anaty pick up no nahitana ireo mpitandro ny filaminana manao palitao sy pataloha manga antitra, ary tsy mitondra fitaovam-piadina izy rehetra ireo. Ny miaramila nanao fanamiana tao anatin'ny fiara misy soratra hoe "filoha" moa dia miaramila Frantsay iray izay. (vazaha be aloha no hitako fa heveriko fa frantsay avy hatrany izy e!). Tonga tao an-tsaiko avy hatrany fa lasa any Toliary sy Fianarantsoa avokoa izany ho'aho ireo tena mpitam-piadiana hita isan'andro ireny. Azo tarafina avy hatrany noho izany ny isan'ny miaramila tena manaraka ity fitondrana tetezamita ity.
Marihina moa fa efa nofoanan'ny fitondrana tetezamita ny Bianco sy ny CIS (Central Intelligence Service) ary nosoloana sampan-draharaha miankiana amin'ny filaminana anatiny hanao fanadihadiana ny fandrobana nialoha, nandritra, ary ny taorian'ny tolona ireo sampan-draharaha roa ireo ary manana ny foiben-toerany eny amin'ny Villa la Piscine Ambohibao ihany.
jentilisa 2 avrily 2009 amin'ny 10:31