Karapanondro biometrika? Hazavao aminay!

2009-10-29 @ 20:24 in Ankapobeny

Atao maresaka indray amin'izao fotoana izao ity karapanondro biometrika ity. Fampidirana letrezana ho an'ny vahoaka malagasy iray manontolo. Ny mahagaga dia amin'ny dinika (forum)  izy io no itabatabana fatratra fa tsy dia nahitako famakafakana matotra, sy apetraka ho hitan'ny besinimaro amin'ny fotoana maharitra  kosa amin'ny lahatsoratry ny vohikala na amin'ny bolongana fantatra. Tsy fantatro loatra aloha izay antony, fa raha izaho manokana dia tsy mahafehy azy mihitsy, fikarohana etsy sy eroa amin'ny aterineto ihany no hanaovana famintinana sy adika ho amin'ny teny malagasy.

Eto aho dia manamarika mazava fa tsy idirako loatra, na dia mety voaroritra ihany aza, ny amin'ny pasipaoro biometrika izay efa nidiran'i Madagasikara fa ny karapanondro biometrika eto no tiako hananganana ny adihevitra. Ny Pasipaoro biometrika moa misy resaka iraisam-pirenena iny fa ilay sehatra firenena tsy misy idiran'ny any ivelany loatra no tiako resahina. Ny lahatsoratra etoana izany dia te-hahalala (fa tsy hoe te-hampahalala) ny momba ity kara-panondro biometrika ity, tiako ho mismisy kokoa ny fampahafantarana azy bebe kokoa ary mangetaheta izany manokana ny tenako.


Natao noho ny raharaha 11 septambra 2001

Rehefa niserasera maharitraritra ary aho tao anatin'ny andro vitsivitsy , ka indraindray mifangaro eny ho eny ny resaka pasipaoro sy karapanondro samy biometrika, dia nahatsikaritra zava-bitsivitsy mbola tsy mahafa-po ahy hanekeko ny hanatanterahina ity kara-panondro biometrika ity. Ny fiandohan'ny fampiasana ity (pasipaoro) biometrika ity dia noho ny raharaha 11 septambra 2001, andro nanafihan'ny mpampihorohoro an'i Etazonia tamin'ny alalan'ny fanjerana voromby ny Manda Kambana (Twin Tower) Foiben'ny Raharahambarotra Manerantany (World Trade Center). Nametraka fepetra i Etazonia fa tsy maintsy biometrika avokoa ny pasipaoron'ny vahiny hitsidika any aminy. Nilefitra avokoa ny firenenkafa, notarihin'ny vondrona Eoropeana, ary dia indreo fa miditra tsikelikely amin'ny fanovana ny pasipaoro ho biometrika ny firenen-drehetra.


Ny antony nanaovana izany, araka ny voalaza dia isorohana ny fidirana sisintany an-tsokosoko, izany hoe sakanana araka izay tratra ny fifindra- monina tsy ara-dalàna. Ary ialàna amin'ny fanaovana hosoka ihany koa dia heverina fa tsara ny manamboatra zavatra tsy azo alain-tahaka koa dia nampidirina ny fampiasana puce électronique. Nampidirin'ny OACI (Organisation de l'Aviation Civile Interationale) ho fepetra vaovao ihany koa ny fampiasana ny pasipaoro biometrika. Tamin'ny voalohany dia ny biby fiompy no nanaovana fanandramana nametahana ireny puce électronique ireny (hanaraha-maso ny toerana misy ny biby fiompy raha sanatrika ka very na nisy nangalatra sy hamantarana ihany koa ny tompony araka ny fahazoako azy), ary efa nanaovan'ny filoha Ravalomanana fampanantenana ny hametahana puce életronique amin'ny omby eto Madagasikara, saingy tsy tanteraka moa izany fampanantenana izany.


Atao inona ny karapanondro biometrika?

Araka ny iaraha-mahita dia tsy nilaza na inona na inona momba ity karapanondro biometrika ity ankoatra ny hoe hikarakarana ny fanaovana azy ireo milaza tena ho mpitondra fanjakana amin'izao fotoana izao hanomanana ny fifidianana ho avy hangarahara tsara sy tsy misy hosoka. Taty aoriana moa dia hita amin'ny gazety nambaran'ny praiminisitra vonjy tavan'andro amin'izao fotoana izao fa misy karapanondro 30 000 "maniditsidina" mivezivezy eto Madagasikara ka izay no mahamaika ny hanovana ny karapanondro ho biometrika. Hatramin'izao aloha amiko dia hevitra taingina hanerena ny hikarakarana ny hanaovana izany karapanondro biometrika izany fotsiny io hevitra io.

Tsy sahy niteny aloha izy hoe hosoka ireo lazainy fa karapanondro 30 000 mandehandeha ireo. Fony fotoana nanovana ny karapanondro manko dia efa nolazaina ny karapanondro "vaovao" tamin'izany fotoana izany fa tsy mety hanaovana hosoka io karapanondro io. Koa hampiteraka ahiahy fanampiny ho anay mpanara-baovao hatry ny fahakely raha niteniteny foana teo hoe "hosoka" ireo karapanondro maniditsidina ireo. Ampahatsiahiviko anefa fa ny nikendrena hanaovana ny soratra tamin'ilay karapanondro "vaovao" efa tonta mila soloina ankehitriny dia soratra vita milina avokoa. Rehefa mifampijerirejy karapanondro amin'ny hafa, indrindra fa ireo izay any ambanivohitra anefa ianao dia ho gaga fa be dia be ny karapanondro nofenoina tamin'ny sora-tanana ihany. Tsy natao ho amin'izany ilay karapanondro saingy nekena ihany izany noho ny tsy fananan'ny kaominina milina fanoratana.

Hay tokoa, mbola misy ny kaominina tsy manana milina fanoratana? efa niova ve izany toe-javatra izany amin'izao fotoana izao? Koa raha "sanatria" mbola misy ny Kaominina tsy manana milina fanoratana, ary ahiako mbola betsaka ny kaominina tsy manana jiro (tsy miresaka rano madio aho eto), dia ahoana izany ny fomba hikarakaranao ny fakan'ny olona ny karapanondro biometrika? Araka ny reko, raha ny tokony ho izy, dia any amin'ny toerana onenan'ny olona (Kaominina) no tokony amoahana ilay karapanondro biometrika, izany hoe tokony hisy fitaovana hikarakarana ny karapanondron'olona any amin'ireo kaominina 1400 mahery misy eto Madagasikara. Kaominina mbola misy tsy manana milina fanoratana no mety hikirakira solosaina izany! Enga anie! Enga anie ka hisy ny malagasy hahay hikarakara izany raha ho tontosa ihany izy ity fa tsy voatery hanafatra vazaha (avy amin'ny SAGEM izany hoe Frantsay) hanonta ilay karapanondro.


Natao hitoerana maharitra eo amin'ny fitondrana sy fomba fakana vola

Araka ny efa natsidiko dia heveriny fa hanomanana fifidianana no hikarakarany ny hanovana ny karapanondro misy amin'izao fotoana izao. Resaka mandany jiro izany araka ny hevitro mba hitoerana maharitra eo amin'ny seza azo. Mba mijerijery ny tena fa izay mikarakara azy ity toa mba mila fotoana an-taonany ihany (telo taona ny salanisa), ny antsika ity tadiavina hatao maimaika fotsiny amin'izao. Ny any amin'ny firenen-dehibe misy adihevitra vao mety ho tonga amin'ny fampiharana azy mba ho mora kokoa ny handraisan'ny besinimaro azy. Rehefa mandeha manko ny adihevitra dia tsy maintsy nisy ny fanovana ny zavatra sasantsasany ifanekena amin'ny farany.

Ny antsika fanapahan-kevitra mandritra ny filankevitra dia vita kabary. Na ny fampahafantarana ny mombamomba azy sy ny tena tombotsoany ankoatra ny dradraina ho fifidianana madio dia tsy misy intsony. Tahaka ireny hoe mahay ny momba azy ity avy hatrany ny vahoaka malagasy iray manontolo. Tsy mbola miteny aho eto hoe hanaovana ny karatra fa ny fikarakarana na fiomanana ny hanaovana azy. Izay aloha hatreto no ahazoako teny hoe hakana 6 miliara ariary latsaka kely aty amin'ny voalohany io. Eto izany dia antony isintonam-bola amin'ny kitapom- bolam- panjakana izy amin'izao fotoana izao. Izany hoe vao ny dingana voalohany fotsiny io araka ny fijeriko fa tsy ny totalin'ny vola holaniana velively hamitana ny karapanondro biometrika ho an'ny olona rehetra.

Farany sahady fa efa lava be izay, hanomanana ny fifidianana ho avy ny hikarakarana ity karapanondro biometrika ity, araka ny lazain'ny mpitondra vonjy tavan'andro. Tsy mbola nilaza izy hatreto hoe tsy hampiasaina intsony ny kara-pifidianana fa vitan'ny karapanondro ny amin'izany. Efa nisy ihany fotoana tany aloha tany ny hitakiana ny hanaovana ny kara-panondro irery ho karatra ahafahana mifidy saingy nitohy hatrany ny fampiasana ny kara-pifidianana. Koa raha mbola hampiasa kara-pifidianana ihany amin'ny fifidianana ho avy nefa ny kara-panondro no soloina dia zavatra tsy misy itombenany mihitsy. Fehiny: hatramin'izao aloha dia fomba fakana vola amin'ny kitapom- bolam- panjakana ny mody ilazalazana na itenenana karapanondro biometrika eto Madagasikara. Zavatra hafa ihany koa rehefa mitady hiditra amin'ny fanatanterahana azy ry zareo, ho fitaovana hitoerana maharitra eo amin'ny fitondrana aloha, taorian'ny fanomezam-bola ny orinasa fantatra avy hatrany fa vahiny mety hisahana ny fanamboarana sy ny fitsinjarana azy.

Hatreto dia tsy mbola niditra mihitsy ny momba ny karapanondro biometrika aho na dia izany aza ny fkasana voalohany nanoratanaity lahatsoratra ity. Mety mbola hitohy noho izany ny filazalazana raha tsy hoe misy mpamaham-bolongana hafa mihitsy hanoka-tena ihany koa hiresaka ny momba ny karapanondro biometrika kasaina hatao eto Madagasikara sy ny tranga efa misy manerantany.



jentilisa, 29 oktobra 2009, amin'ny 22: 29

Amin'ny anaran'ny tolona

2009-10-24 @ 00:40 in Politika

Miala tsiny indrindra amin'ny tompon'anaram-bolongana fa dia tsy nahita lohateny hafa ankoatra io koa aho amin'ity lahatsoratro manaraka ity. Araka ny fahalalako, dia ny bolongana manana ny anarana hoe "Amin'ny anaran'ny tolona" no fantatro fa bolongana niteny malagasy voalohany indrindra. Mety tsy ho izay no marina saingy, io aloha no hitako hatramin'izao. Efa nisy izany teo alohako fa tsy izaho tsy akory no namoaka bolongana tamin'ny teny malagasy voalohany.

Manaraka izany indray, efa ela aho no te-hanoratra fa toa maromaro ihany ny sampona. Mahatsiaro mahita fahabangana amin'izay vakian'ny mpanara-baovao anefa rehefa mamaky fotsiny izay soratan'ny hafa ka manao anakampo hoe tsy maintsy mamoka lahatsoratra iray aho rahampitso fara-fahatarany, saingy nihemotra hatrany izany. Fandrika lehibe eo anoloako noho izany ny tsy mamoaka vaovao na ny hevitro eto amin'ity sehatra misy ahy ity. Mba eto an-toerana ihany tsinona ny tena ka afa-manaraka tsara ny zava-misy.

Mba mahatsikaritra ve ianareo? Moa tsy amin'ny anaran'ny vahoaka [madinika] sy tsy hahavery foana ny tolona no nandrombahan'ny sasany ny fahefana? [tsy fahefana nomena tamin'ny nahim-pony iny fa noterena tamin'ny alalan'ny fitaovam-piadiana, tsy voatery ho ambanana fa ialana amin'ny ady an-trano sy ny fandripahana ataon'ny miaramila mpikomy]. Noho ireo dingana isankarazany natao - indrindra fa ny nanomboka ny 25 janoary 2009 nitohy ny ampitsony sy ny afak'ampitsony ary ny tapa-bolana latsaka taorian'izay - no tsy hanekena ny ialana mora eo amin'ny fitondrana. Io ilay lazaiko hoe "Amin'ny anaran'ny tolona" satria tsy noho ny safidim-bahoaka manerana an'i Madagasikara no nahazoana ny fahefana fa tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana.

Raha namaky ny bolongan-dRabelazao [Amin'ny anaran'ny tolona] aho dia ny sarin'i El Che avy any Arzantina no hitako eo ankavanana eo. Tsy tany amin'ny toerana nihaviany anefa no tena nampalaza an'io mpitolona revolisionera io fa tany Kiobà. Rehefa Kiobà no resahina dia mitodika ho azy any amin'ingahy Fidel Castro koa ny eritreritra. Dia namaky sombin-tantaran'io firenena io ny tena ka nahatsikaritra fa nianjadian'ny fanonganam-panjakana nisesisesy ihany koa hay io firenena io nialoha ny an'i Fidel Castro. Dia olona 82 no notarihany voalohany hanangana hery mitam-piadiana nefa dia nahatarika olona maro hafa izy ka naharombaka ny tanànan'i Santa Clara, Kiobà [fa tsy ny Lapan' Ambohitsorohitra an!] tamin'ny faran'ny taona 1958. Ora 12 taorian'izay dia voatery nandositra i Batistà izay filohan'i Kiobà tamin'izany fotoana izany [sao dia mihevitra indray ianareo fa Ravalomanana no tiako lazaina amin'izany?]. Dia notapahina hatreo fa andron'ny Revolisiona Kiobana ihany koa ny 1 janoary 1959. Dia asa aloha ny eritreritry ny mpamaky fa manontany aho hoe fanonganam-panjakana ve no nataon'ny tarik'i Fidel sa tsia?

Nanapa-kevitra tamin'io fotoana io ny Fitsarana Tampony tany an-toerana fa ny Revolisiona no loharanon'ny Lalàna [fototry ny lalàna] ary ny mpitarika ny revolisiona no mandray ny fahefana. Tsy El Che [Che Guevarra] na ry Fidel mpitari-tolona revolisionera no lasa filoha avy hatrany fa izany Manuel Urrutia Lleó izany. Tsy mbola ireo mpitari-tolona ireo ihany koa no nandray ny toeran'ny praiminisitra fa izany José Miró Cardona izany. Inona no toerana noraisin'i Fidel Castro? Lehiben'ny tafika revolisionera na mitovitovy amin'ny CEMGAM eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Dia nieritreritra aho hoe fa iza tokoa moa no hahala ny CEMGAM sy ny Minisitry ny fiarovam-pirenena eto Madagasikara? Moa tsy efa nanambara ampahibemaso ve ny tao amin'ny Capsat rehefa azony ny minisiteran'ny Fiarovana Ampahibe fa tsy maintsy "ekeny aloha " vao mahazo mipetraka ho minisitry ny fiarovana sy CEMGAM? Moa ve tsy efa eritreritra fa tsisy hahala amin-dry zalahy ireo no mahatonga ny iray aminy niteny hoe tsy misy idiran'ny miaramila izany fifandirana politika misy eto Madagasikara izany fa mety ho tafapetrka eo mandrakizay ry zalahy raha tsy hoe mitady ny toerana ambonimbony kokoa avy eo? Nefa tsy misy ilàny izay toerana ambonimbony rehefa fantany fa eo ampelatanany ny fitaovam-piadiana eto Madagasikara, ka ny mandray ny fanampi-tambin-karama tamin'ny fiandohan'ny volana martsa 2009 sisa atao. Mipetraka tsara aloha eto fa "Amin'ny anaran'ny tolona" no nahazoana ny fahefana fa tsy amin'ny alalan'ny fifidianana.

Miverina kely amin'ny tantara indray aho, niala tampoka ilay praiminisitra José Miró Cardona rehefa niasa enina herinandro ka teo vao noraisin'i Fidel Castro io toerana io [13 febroary 1959]. Nisy ny filoha fa moa fantatry ny olona ivelan'i Kiobà amin'ny ankapobeny ve izany? Nandray ny toeran'ny praiminisitra i Fidel Castro [hatramin'ny joona 1976] nefa nahalatsa-danja azy niohatra tamin'ny filoha ve izany na tao an-toerana na taty ivelany? Raha ny eto Madagasikara aloha dia tsy mahay izany fa "Antsoy hoe Andriamatoa filoha aho manomboka izao" ihany no ady eo. Na dia sazian'ny lalàna iraisam-pirenena aza fa "tsy mahazo mitondra firenena izay nitarika na nanongam-panjakana tamin'ny alalan'ny hery" dia tsy henoina izany noho ny "Amin'ny anaran'ny tolona".

Mieritreritra aho, rehefa nahavita izay soratra izay, fa matoa isisihana hatrany ny hitadiavana ny toerana "Filoha" dia noho ny tahotra fa tsy manandanja miohatra amin'ny olon-kafa na dia mpiara-dia aminy aza izany olona izany. Na eo ihany koa ny fitiavan-kanafina izay tena naniraka tao ambadika tao. Raha tena mpitarika ny tolona ianao dia afaka mibaiko izay olona rehetra tendrenao amin'ny toerana iray fa tsy tokony hitokozihitra hoe tsy maintsy izaho no eto, ka miteraka ny ahiahin'ny olona manao hoe tsy maniraka tokoa ianao fa irahina.

Ankehitriny moa, toa efa ifampitadiavan'ny mpifanaritaka ao anatin'ny "Amin'ny anaran'ny tolona" izay ifandresena lahatra fa amin'ny anaran'ny lalàna amin'izay no itondrany ny firenena. Tahaka izany ny didim-pitsarana tao amin'ny Filakevim-panjakana manamarika fa ny filoha no manendry ny praiminisitra dia mihorakorak'hafaliana ny sasany fa efa filoha araka ny lalàna - tsy nandalo fifidianana - ny nisora-tena ho filoham-panjakana. Dia nisy izany filankevitry ny Minisitra izany manendry olona ho Praiminisitra vonjimaika ihany koa, tahaka ireny hoe efa nifanarahan'ny efa-tonta miandraikitra ny fanendrena io praiminisitra io. Misy zavatra hafahafa kononkononina ao!

Hitanareo koa moa fa misy ireo mampandresy lahatra fa tsy iadian-kevitra intsony ny mahafiloha an'Ilaikely nefa ny ankolafy iray nanamarika fa tsy misy filazana ao anaty fifanarahana efa voasonia fa izy no filoha. Dia eto isika miandry ny 3 ka hatramin'ny 5 novambra 2009. Ny mahavariana ahy fotsiny dia tahaka ny tsy misy mitaintaina ho'aho ny olona raha sanatria tsy tontosa amin'io fotoana io ny fampiharana ny fifanarahana, na ny ny 6 novambra aza no manapa-kevitra ny momba an'i Madagasikara ny vondrona Eoropeana. Sa efa azo antoka fa tsy ho tapaka intsony ny fanampiana [mbola iankinan'ny malagasy] avy amin'izy ireo?

Farany, fa efa lava izay. Faly ery ilay vohikala iray mpanohana ny FAT amin'izao fotoana izao milaza fa miara-milahatra sy anisan'ny mpitondra firenena folo goavana eto ambonin'ny tany Ilaikely dia lazaina fa miara-milahatra amin'i Barack Obama, Angela Merkel, Silvio Berlusconi, Ronald Reagan, Lula Da Silva, Arnold Schwarzenegger. Ny fomba filaza dia tahaka ny hoe tafiditra ho filoham-pirenena folo goavana manerantany Ilaikely no tadiavina asongadina hovakian'ny mpamaky, nefa ny filazan'ilay loharano dia mitantara ny lalana nodiavin'ireo olona folo tantarainy ireo. Vohikala frantsay koa moa no nahitana ilay izy ka mety ho ao anatin'ny paika fanambatambazana sy fampaherezana an'ilaikely sy ny mpanohana azy ireny  hoe jereo fa malaza erantany sahady ny filohanay. Narangaranga ihany ilay takelaka na dia misy teny hoe "fanonganam-panjakana notarihiny' izay tsy zakany aza ao anatin'ny lahatsoratra. Fa ny tena mampihomehy ahy zavatra hafa tanteraka no tiako soratana nefa dia hafa tanteraka no voasoratra, saingy tsy nosoloiko intsony ilay lohateny hoe "Amin'ny anaran'ny tolona".


jentilisa, 24 oktobra 2009 amin'ny 02:44 maraina.

Fandresena maimai-poana! Omeo anay! Omeo anay!

2009-10-18 @ 23:33 in Ankapobeny

Nandia fifaninanana iraisam-pirenena taranja Basket vehivavy ny teto Madagasikara nandritra ny herinandro mahery. Fiadiana ny ho tompondakan'i Afrika io fifaninanana iraisam-pirenena io. Zoma 16 oktobra 2009 ihany aho no mba afaka nijery ary dia io no nanararaotana nanarahana izany lalao izany. Ampaefa-dalana no natrehina tamin'io fotoana io ka nifanandrina tamin'izany ny Malagasy sy ny Maliana. Fantatsika ny vokatra fa resy isika saingy azo lazaina fa tsy dia nahatezitra ny mpijery loatra amin'ny ankapobeny ny fampisehoana natrehinay. Nandritra ny fizaram-potoana fahaefatra, rehefa hita ho nihareraka ny mpilalao malagasy dia nisy tovolahy teo akaikikaiky teo nihorakoraka tampoka hoe: "Fandresena maimai-poana! omeo anay ! omeo anay!" Niherika sady nihomehy avokoa ny teo akaiky teo nandre io kivazivazy zary tenany nataon'ilay tovolahy io. Ny zavatra toy izany no mahatonga ny fotoana ho mahafinaritra ny manatrika azy na dia faharesena aza no natrehina. Tena mendri-piderana tokoa ny mpijery rehetra, noho ny fanohanana natao hatramin'ny farany, nandritra ny lalao nanaovan'ny Malagasy rehetra, na dia hita izao aza fa tsy haharaka ny mpifanandrina aminy intsony aza ny ekipa notohanany.

Ny mpiserasera any ivelan'i Madagasikara dia mety tsy hahatakatra loatra ny lanjan'io fomba fitenenana nipoitra tampoka io ka aleo hazavaina fohifohy araka izay azo atao. Amin'ny haino aman-jery dia misy dokambarotra momba ny angovo azo avy amin'ny herin'ny masoandro izay ka somary mandray toe-draharaha mifandraika amin'ny zava-misy eto Madagasikara io dokambarotra io. Ny fanombohany dia toy ireny amin'ny vaovao an-tsary ireny, ka artista mpanao hatsikana fanta-daza no mpanolotra na mpilaza vaovao milaza fa hisy fanadihadihana harahina. Rehefa mivoaka ary ny sary fanadihadiana dia olona manao fihetsiketsehana sy mitondra sora-baventy no hita ka ny horaka ataon'izy ireo dia manao hoe: "Hazavana maimai-poana! Omeo anay! Omeo anay!" Dia iny no nanaovan'ilay tovolahy fomba fiteny mirazotra ka nihorakorahany hoe "Fandresena maimai-poana! Omeo anay! Omeo anay!" Tahaka ny tamin'ny tantara an-dahatsary malok'ila nampalaza ny "Tenenina foana fa He-e-eh! Anarina foana fa he-e-eh!" izany ka nankalazaina teny amin'ny kianjan'ny 13 mey tamin'ity taona ity.

Na dia dokambarotra aza iny! na lalao aza no jerena ka eto Madagasikara no tanterahina izany! tsy hisy hazavana azo avy amin'ny angovo vidiana maimaipoana izany fa tsy maintsy mividy ilay fitaovana aloha; tsy misy tompontanàna ka iangarana hahatafakatra azy fotsiny amin'izao raha mbola misy ny mahay sy kinga ary fetsy noho ny tena ankoatra ny tombony ara-batana. Fahamendrehana no mikaonty ary misy dingana arahina io. Dingana tokony arahin'ny mpanao politika rehetra ny hotsarain'ny mpifidy fa tsy ny famerimberenana hoe vahoaka vahoaka no midika fa mitondra ny tenin'io vahoaka io ianao na solontenan'io vahoaka io. Koa aza ataonao hahagaga raha misy ny antokon'olona tsy manaiky anao ho lasa mpitondra maimai-poana raha tsy mandalo fifidianana mifanentana amin'izany aloha ianao. Koa aza ataonao mahagaga raha horakorahan'ny mpijery ianao na ny vadinao raha misy ny fihetsika hisehosehoanao ho toy ny solontenan'i Madagasikara! Mbola izay aloha no vidin'ny nandrombahanao ny fahefana teto Madagasikara fa ny sisa manaraka ihany, araka ny kabarin-dRainisalama.

Marihina fa intelo izany izy mivady te-ho lohan'ny tetezamita eto Madagasikara ireto no nisedra ny horakoraka sy ny siotsioka ary ny rabirabin'ny mpijery tao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena nandritra ity fifaninanana "Afrobasket women 2009" ity. Ny voalohany nandritra ny fanokafana ka nikabarian'Ingahikely tao anatin'ny fotoana fohy. Fotoana fohy satria nahery dia nahery ny sioka sy ny horaka. Dia nitohy izany raha saiky hitoraka ny baolina tany anaty harato izy. Tsy natao mihitsy moa ny tsipy baolina tamin'ny farany fandrao tsy tafiditra ka vao maika hampihoraka ny mpijery sy hanaovana azy ho fanalan'andro nefa "mihevi-tena" ho mpitondra ny firenena ihany. Fifandraisan-tanana no natao dia iny no lasa.

Ny faharoa kosa dia nandritra ity Zoma natrehiko ity, ramatoa indray rehefa resy ny ekipa Malagasy, dia nandeha nanatona ny mpilalao malagasy izy. Sioka sy hora-pandavana re izany! Ataoko fa gaga mihitsy ny vahiny nanatrika teo ka mety ho nifangaro hoe ny ekipany ve no orahan'ireto mpijery ireto sa iza. Rehefa niverina handeha hivoaka ny Lapa moa i Madama kely dia uuuuuu lava dia lava no nataon'i Mahamasina azy. Marihina kosa fa tsy voatery ho 100% no nanao izany hetsika tsy fankasitrahana izany fa difotra tanteraka, nisy mpitehaka ihany koa teo akaikiko teo, miohatra tamin'ny ren'ny besinimaro.

Ary ny fahatelo dia tamin'ny nanoloran-drangahy ny amboara tamin'ny tompondaka. Mety mbola hifangaro amin'ny vahiny mety ho tsy mahalala ny toe-draharaha eto Madagasikara ihany ny horaka satria tsy hay hoe ny ekipa mpandresy ve no nanaovana ilay horaka sa iza? Ny nahatsikaiky dia vao nanazava mihitsy ny mpanentana teo amin'ny televiziona nasionaly hoe aza atao mahagaga anareo mpijery fahitalavitra raha tsy ny mpitondra ny firenena no manolotra ny medaily ho an'ny mpandresy satria anjaran'ny mpikarakara madiodio ny manao izany. Vita tsara ny fanazavana no nandeha ny filazana fa ny Filoha Avon'ny Tetezamita (FAT) no manolotra ny amboara. Dia hitan'ny havany eo amin'izay moa hoe fa inona no tena zavamisy eto Madagasikara, ary ahoana ny fahatsapan'ny vahiny sy ny mpijery avy any anindrana ireny fanehoan-kevitra mivantana avy eny Mahamasina ireny.

Izany koa dia ilazana aminao fa tsy maimai-poana ny fandaniam-potoana hanoratana aminao ny zavamisy sy ny eritreritra mifandraika amin'izany eto Madagasikara. Tsy hisy izany fandresena maimai-poana izany na dia tompom-baolina sy tompom-basy aza ianao. Endrika tolona no ataoko, satria misy dia misy tokoa ny vola lany na dia amin'ny fahana iseraserana amin'ny aterineto amoahana hevitra fotsiny aza. Anjara tolona nandresy lahatra ny tena io tsinona! Mba fampaherezana mety hisy fiantraikany amin'ny mpamoaka ny heviny sy mpitatitra ny hitany an-tserasera ihany noho izany ny karazam-pifaninanana fankaherezana tahaka ny BOMBS izay tsy ifaninanako fa idirako ho anisan'ny mpitsara kosa. Karakarain'ny Foko-Madagasikara ity fifaninanana ity.


Amin'izao fotoana anoratana izao dia misy sokajy enina ny anaovanao safidy handrisihanao ireo mpamaham-bolongana Malagasy na miresaka momba ny Malagasy na/sy Madagasikara ary anentanana anao isaky ny sokajy.


Ny Vita Gasy no isafidiananao ny bolongana miresaka ny andavanandrom-piainana sy izay fitantarana ny ezaky ny Malagasy amin'ny sehatra isan-karazany.


Ny Kolo Gasy no isafidiananao ny bolongana miompana amin'ny kolontsaina sy zava-kanto Malagasy na/sy eto Madagasikara


Ny Tanora Gasy (tsy misy tohiny hoe vonona hatreto) no isafidiananao bolongana miresaka indrindra indrindra ny tanora malagasy amin'ny ankapobeny sy ny tontolon'ny adolantsento an-tserasera.


Ny Teny Gasy isafidiananao ireo bolongana amin'ny teny Malagasy amin'ny ankamaroan'ny lahatsoratra avoakany,hampiroboroboana ny tenindrazantsika an-tserasera ary nahazoako ny loka rahateo tamin'ny fifaninanana voalohany (2007). Misimisy izy ireo fa ianao no misafidy aloha


Ary eo dia eo ny Mpivoy Gasy, natokana ho an'ireo bolongana mavitrika mety ho famakinao isan'andro amin'ny famoahany hevitra. Matoky aho fa tsy hitongilangilana fahatany akory ny mpitsara any amin'ny dingana famaranana any fa masontsivana maromaro no ampiharina itsarana ny bolongana tsirairay.


Koa dia manetana anao izahay handray anjara amin'ny fifantenana ireo bolongana miresaka Malagasy na/sy Madagasikara ary hifidy ihany koa ireo ankafizinao isan-taranja na isan-tsokajy. Hatramin'ny faha-29 novambra no anaovanao izao fifantenana izao ary efa nanomboka ny fotoam-pihazana.



jentilisa 19 oktobra 2009, amin'ny 1:37 maraina

Fanomanana ny saina amin ny loko

2009-10-16 @ 02:40 in Ankapobeny

Rehefa hanomana ny sain'ny olona dia amin'ny zavatra tsy tandrina no tena hanaovana azy ireny. Manana taletana amin'io ihany koa ny Malagasy. Ny zavatra tokony ho tsy tandrina no tena iaingan'izy ireny saingy rehefa tsikaritra dia mampisaina izay mahita.


Voalohany, loko manga sy mavo no tena manavaka ny lokon'Antananarivo. Namboarin'ny TGV ho loko laoranjy sy manga antitra kosa izany rehefa avy eo, ka na dia ny zava-bitan'ny teo alohany aza nolokoiny ireo loko roa ireo toy ny tsena, ny fijerem-baolin'i Mahamasina ary foto-drafitr'asa isan-karazany. Fa ity eto ity kosa dia loko manga sy mena arahin'ny fotsy eny an-tsefatsefany eny, loko frantsay sa loko amerikana? ny tsikaritro aloha dia misy toa sarina sainam-pirenena frantsay eo ambany ankavanan'ny sary famantarana an'Antananarivo. Kisendrasendra fotsiny io sa fanomanan-tsaina?


Dia taitra indray ny tena raha vao nisy fiovana kely monja ny sora-pamantarana ny gazety Tia Tanindrazana. Raha loko mena sy maitso no nandokoana ny anaran-gazety nahazatra ahy dia niova ho mena sy manga tampoka teo izany. Lasa ny saina mieritreritra hoe fa tsy ny nampitovitoviana ny loko tamin'ny faneva ve no nanaovana io anaran-gazety io ho loko mena sy maitso? sa lany ny ranomainty maitso? Sa mitsapa ry zareo raha misy mahatsikaritra ny fanovana ataony?

Saingy nampitsiry fanantenana kely ihany kosa ny loko nanaovana ny famantarana ny Best Of Malagasy Blogs tamin'ny loko maitso. Ny loko maitso tokoa no lokon'ny fanantenana. Maniry anao handray anjara hifidy ny bolongana [blaogy] malagasy tianao indrindra ho fampiroboroboana ny fifandraisana sy ny fampitan-kevitra an-tserasera malagasy aho. Marihina fa tsy mandray anjara intsony i Jentilisa satria efa izy no nandrombaka izany tamin'ny fifaninanana farany tamin'ny 2007, no efa ao anatin'ny mpitsara ihany koa izy amin'ity indray mitoraka ity. Ireo rehetra nanohy namoaka lahatsoratra na endrim-pamahanana bolongana hafa [sariitatra, saripika, lahatsary,...] tao anatin'ny enim-bolana farany no anaovanao ny safidinao. Efa nanomboka izany fifidianana izany, ary azoanao jerena ao ny andinindininy momba izany fifaninanana izany.

Fanamarihana 1: Mbola mitohy ihany ny fanoavana laingalainga amin'ny alalan'ny gazety. Efa herinandro izay no nanambara mivantana tamin'ny alalan'ny antso an-tarobia tamin'ny mpanohana azy ny filoha Ravalomanana fa tsy hanatrika ny fihaonana andaminana ny toe-draharaha eto Madagasikara ivelan'i Madagasikara sy Afrika. Efa nandre izany mivantana ny tena tamin'ny alatsinainy. Mahafantatra ny toetrany tsy mba mivadibadi-dela ny olona, nefa toa inian'ity gazety ity adinoina ny fanambarany, ka lazainy fa tamin'ny ora farany vao nisy ny fandavana. Indrisy manko fa ny gazety tahaka itony no eken'ny mpamaky teny kokoa fa tsy ny feo hafa miezaka manambara sy mampita ny zava-misy marina.

Fanamarihana 2: Anisan'ny manintona ny fifantohako ny vaovao mpitranga any amin'ny firenena nisiana fanonganam-panjakana na firenena enti-miaramila. Ity ohatra dia fijoroana vavolombelona nataona miaramila iray [teny malagasy] nandritra ny fandripaham-bahoaka nataon'ny miaramila tany Ginea tamin'ny 28 septambra lasa teo. Toa betsaka ihany, hoy ilay tsy mahay manisa ny fitoviana nisy tany sy teto. Ny hany niavahany dia lasa nandripaka olona ilay mpitondra nidehaka fa nahazo ny fahefana tsy nisy ra latsaka! Enga anie mba tsy hisy izany fandripahana olona izany eto Madagasikara.

jentilisa, 16 oktobra 2009 amin'ny 4: 44 maraina

Monja Roindefo, Maputo sy Dakar ary...

2009-10-11 @ 00:03 in Politika

Tontosan'i Monja Roindefo ihany ny fanambarany tamin'ny mpanao gazety ka nanehoany ny maha-mpilalao politika azy. Efa fantany tsara fa tsy hanasonia ny fifanarahana na ny fanambaran'ny GIC izany Atoa Marc Ravalomanana araka ny fanambarana nataon'ny filoha teo aloha, dia napetrany ho fepetra ihany koa iny ka nilazany hoe: "farafaharatsiny mba manao sonia iny fanambarana nivoaka tao amin'ny Carlton iny avokoa ny mpitarika ny ankolafy efatra" fa tsy ny telo ihany vao mety hanaiky ny fialany izy. Raha telo ihany manko dia mbola tsy mampiditra ny rehetra ihany izany araka ny filazany. Natsidiny indray mandeha ihany koa ny didy navoakan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana mametraka azy ho "Praiminisitra ara-dalàna" ka hanesorana azy fotsiny amin'izao. "Samy andrim-panjakana izao ihany ve dia hifanongana eto?"

Fametrahana teti-panorona tsara ihany koa ny nilazany sahady fa hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena izy ary mitaky ny hanaovana izay fifidianana izany araka izay haingana indrindra. Nolazainy manko fa ny fifidianana ihany no vahaolana hamahana izao krizy mihatra amin'ny firenena izao. Tsy hoe lasa mpanohana an'i Monja Roindefo tampoka ny tena raha manoratra voalaza ireo fa mijery azy amin'ny lafiny teti-panorona hitazonana sy hahazoana indray ny fitondrana. Amin'ny lafiny iray manko, karazany mampanome vahana ny legalista ihany koa ny fihetsika ataony tsy manaiky hiala fotsiny amin'izao na dia eo aza ny fifanarahana raha mbola mihevitra izy fa manana hery na vondro-kery afaka miaro azy tsara (miaramila). Olana iray mila vahana na idifiana, noho izany, ny fihetsika ataon'i Monja Roindefo.

Tokony ho lesona ho an'ny legalista ihany koa ny fitakiana fifidianana araka izay haingana indrindra sy ny hitakiana ny hizarana ny toeran'ny Ben'ny faritra amin'ny ankolafy efatra, izany hoe samy manana dimy avy... fa ny ambiny (izay vitsy mponina indrindra) kosa dia tantanin'ny fiaraha-monim-pirenena. Kendrena mba hifanahantsahana ny isan'ny mpifidy sahanin'ny isaky ny ankolafy efatra hampifandanja ny efa-tonta dia mety hivandravandra eo ny mpangala-bato. Miainga avy amin'ireny fitsinjaram-paritra ireny manko ny hala-bato ka ilaina ny fanaraham-aso azy ireny. Hadisoana bevava noho izany raha avela hosahanin'izay minisitry ny atitany irery ihany ny fanendrena olona amin'ireny fitsinjaram- pahefana notendrena any amin'ny faritra ireny.

Atrehina ary vahana ny olana raha fantatra fa tsy manana hery miaramila afaka hiaro azy i Monja Roindefo. Miditra amin'ny ady mivantana izany. Tsy ho vitan'ny rahom-bava intsony ny raharaha fa dia mety hiasa sanatrian'izany basy aman-tafondro. Hita eo izay mahery amin'izay fotoana izay. Efa nalaza ihany anefa ny tsahotsaho fa noezahina hatry ny ela ny hampanaiky an'ingahy Monja Roindefo hiala amin'ny toerany saingy tsy nisy nahombiazana izany rehetra izany. Ankehitriny efa hita miharihary ny fibodoany ny toerana. Etsy ankilany indray, mety ho azo atao ihany ny midify ity olana iray ity fa mametraka vahaolana hafa, dia toy ilay nambaran'i Manandafy tamin'ny fotoana nanendrena azy hoe eny amin'ny Lapan'Andafiavaratra indray no arafitra tsara ho Lapan'ny Praiminisitra vonjimaika ka eny izy no handray ny masoivoho vahiny, na araka ilay nataon'i Andry Rajoelina tamin'ny 7 febroary 2009 manao hoe "An'ny vahoaka ny Lapan'Ambohitsorohitra koa atolotro ho toeram-piasan'ny praiminisitra" fa ny tenany kosa dia handefitra amin'ny Lapan'Iavoloha ihany. Dia amin'izay Lapa vaovao no hametrahana ny praiminisitra nifanarahana Atoa Mangalaza Eugene raha bodoin'i Monja ny Lapan'i Mahazoarivo.

Nahavariana ihany ny nitsenan'ny masoivoho vahiny vitsivitsy miasa eto Madagasikara ity Praiminisitra nifanarahana ity. Efa karazana fanerena ankolaka ataon'ny "iraisam-pirenena" hampanakery ny "fanambaran'ny GIC" mbola tsy voasonia io fihetsika io, ary maneho fahavononana amin'ny hanampiana azy sahady. Satria tsy manana hery miaramila aloha amin'izao fotoana izao Atoa Ravalomanana dia hodinganin'ny "iraisam-pirenena" tsy hanao sonia tokoa izy. Rehefa tena ho sarotra ny raharaha dia atao "sorona" hanasonia ny fifanarahana farany i Fetison Rakoto Andrianirina na olona hafa manaiky atao izany, raha mbola i Andry Rajoelina ihany no tafapetraka eo. Hanampy amin'ny fanomanana ny fifidianana sy amin'ny fanampiana ara-tsosialy hatrany ny firenen-dehibe tarihin'i Frantsa sy i Etazonia fa tsy hanaiky hitarazohan'ny krizy velively. "Sorona" izay manasonia ny fifanarahana satria heverin'ny mpitolona legalista ho "mpamadika" ihany koa iny, ary ho sarotra ny hijanonany eto Madagasikara. Tsy ho afaka ny hangataka ny hampiatoana ny AGOA velively manko ny ankolafy Ravalomanana, satria tsy maintsy ho fantatry ny besinimaro foana raha misy ny fihetsika toy izany hiheveran'ny olona fa mamono ny malagasy tsy hanana asa izy, ary sarotra dia sarotra ny hieritreritra ny fiantraikan'izany fahaverezan'asa 100 000 mivantana izany.

Praiminisitra tsy ho voabaikon'i Andry Rajoelina ihany koa io raha ny fanombanana azy satria tsy i Andry Rajoelina samirery akory no nanendry azy. Any amin'ny ankolafy nandroso azy no hakany hevitra kokoa amin'ny fitantanana ny firenena fa tsy ho any amin'ingahikely velively. Ho tahaka izany ihany koa ireo minisitra tendren'ny ankolafy hafa. Raha avy manko izay baiko amin'ireo minisitra, nefa tsy ankasitrahan'ilay minisitra ny toromarika, dia metyhivoaka ny ampitson'iny amin'ny gazety ihany izay baiko izay. Dia mety hitombina ny hoe ho filoha anarany fotsiny sisa izany hoe filohan'ny tetezamita izany.

Maputo sy Dakar

Efa ela aho no te-hanoratra ity ka dia nanery tena mihitsy androany hamita azy. Misy hatrany manko ny mamerimberina fa nisy nandika ny fifanarahan'ny Dakar tamin'ny taona 2002 ka vali-fingìka fingàka. Mazava tsara ny fifanarahan'i Dakar tamin'ny 18 avrily 2002 hoe: Noho ny didim-pitsarana laharana faha-4 navoakan'ny Fitsarana miady amin'ny fanjakana ao amin'ny Fitsarana Tampony dia averina indray ny fanisam-bato. Ny voasoratra eo amin'ny andininy voalohany dia mametraka mazava tsara hoe: "raha toa ka tsy misy ny mahazo ny ampaham-bato ahafahana mandresy amin'ny fiodinana voalohany" vao mandeha avokoa ny fifanarahana hafa rehetra [dans l'hypothèse où aucun candidat n'a obtenu la majorité requise pour être élu au premier tour de scrutin]. Tsy izay anefa no napetraky ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana fa nandresy tamin'ny fiodinana voalohany, rava ho azy noho izany ny andininy manaraka rehetra.

Nilaza ny ankolafy Ratsiraka tamin'io fotoana io hoe "nisy ny fifanarahana am-bava nametraka hoe tsy misy atao mandresy amin'ny fiodinana voalohany". Hafahafa ihany izany voalaza izany fa misy manko ny teny malaza lazaina ho nataon'i Pilato izay manao hoe "Izay voasoratra dia voasoratra" sy ny fombam-pitenenana manao hoe "Ny teny mandalo, ny soratra mitoetra". Raha voarakitra moa ny teny dia tsara ihany ny mamoaka izany hanaporofoana fa "nandika ny fifanarahana ny ankolafy Ravalomanana" tamin'io fotoana io. Rehefa tsy izany kosa dia aza miteniteny foana intsony.

Ny toy ireny no nahamailo tsara ny mpifanandrina politika nandritra ny fifanarahan'ny Maputo voalohany, ka "nahavoafandrika" ihany koa an'i Andry Rajoelina nihevi-tena fa nekena ho filohan'ny tetezamita ny tenany. Amin'ity indray mitoraka ity moa dia mety hotontosaina tsy misy sonia ihany ny fifanarahana na eo ampandrasana isika mahita ny atiny.

Jiro tapaka tao amin'ny tranoben'ny Minisiteran'ny atitany tamin'ny desambra 2006

Ity tranga nandritra ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 3 desambra 2006 ity ihany koa dia lazaina fa fomba nentin'ny fitondrana Ravalomanana nentina nangala-bato hampandreseny ny tenany. Efa nanoratra ny momba io aho tamin'ny andro nanoratako tao amin'ny "Politika fanorona" ka tsara indray angamba ny hamerenana izany etoana. Soa ihany aza fa nanaraka mivantana sy nanoratra ireny aho tamin'izany fotoana izany. Horaisiko manontolo mihitsy ny lahatsoratro tamin'izany fotoana izany:

06 desambra 2006

31 isaky ny BV indray sisa dia…

Toy izao indray ny vokatra azo androany alarobia 06 desambra 06  tamin’ny 12 ora atoandro teo:
Isan’ny mpifidy voasoratra anarana : 5.012.419
Isan’ny birao fandatsaham-bato nahazoam-bokatra : 9149
Isan’ny birao fandatsaham-bato rehetra : 17.581
Isan’ny vato nanan-kery : 3.057.946
Toy izao kosa ny vokatra azon’ny tsirairay ao anatin’izany :
Ravalomanana Marc 1.871.641 manome 61.22%
Lahiniriko 227.799 na 7.45%
Ratsirahonana 154.661 na 5.06%
Ratsiraka 283.798 na 9.28%
Razafimahaleo 233.920 na 7.65%
Rakotoniaina 53.493 na 1.75%
Andrianjohary 24.683 na 0.81%
Rajakoba 13.585 na 0.44%
Andriamanjato 114.101 na 3.73%
Tsiranana 1.083 na 0.04%
Razakarimanana 38 na 0%
Monja Roindefo 8 na 0%
Manandafy 7.158 na 0.23%
Ravelomanantsoa 71.378 na 2.33%
Hatreto indray dia safidin’olona 1.937.956 sisa no andrasana amin’ny birao fandatsaham-bato 8432. Nataoko 62%n’ny mpifidy no salan’isan’ny vato manankery. Lasa safidin’olona 1.201.533 eo ho eo indray no tena andrasana. Raha io isa farany io no atambatra amin’ny vato manankery etsy ambony dia manome 4.259.479. Ny atsasa-manilan’io isa io dia 2.129.740. Hitantsika ery ambony fa ny isa efa azon-dRavalomanana dia 1.871.641. Ny isa andrasan’ny filoha am-perin’asa izany sisa hahazoany ny atsasa-manila dia ny fifanalan’ireo isa roa farany ireo izay manome 258.100 eo ho eo ka andrasana amin’ireo birao 8.432. Ny isa voalohany zaraina amin’ny isa faharoa izany no manome ny isam-bato isaky ny biraom-pifidianana tadiavina hibatana ny fandresena, izany hoe 31.
Nosoratan'i jentilisa

Azonareo veroka mazava tsara angamba ny safidiko tamin'ireny fotoana ireny, indrindra ho an'izay mpanara-baovao tao amin'ny "Politika Fanorona". Dia eto amin'izay no mila mandany fotoana kokoa ny rehetra. Ny lahatsoratro tamin'ity 7 desambra ity manko no nahitana toe-javatra mety ho nampiahiahy voalohany:

Hala-bato sa tsy fitandremana sa fanitsiana?

Somary nahavariana ny voka-pifidianana rehefa nampitahaina ny halina sy ny androany maraina. Dia izay ny nampanotany ny tenako hoe inona no tena zava-mitranga. Ny hafa moa raha nilazako dia namaly hoe mbola tsy ofisialy anie io fa ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ihany no tena tompon’ny teny farany. Tsy hoteneniko dieny eto ilay “fahadisoana” fa ianareo ihany no asaiko mahita azy. Tsy manam-pikasana ny hanafina azy rahateo aho matoa milaza azy dieny eto am-piandohana. Tsy ofisialy tokoa moa ny vokatra azo na dia mamoaka azy aza ny minisiteran’ny ati-tany. Indreto ary ny vokatra omaly hariva sy ny androany maraina dia mazotoa mamaky azy aloha:

Ny isan’ny mpifidy nisoratra anarana omaly dia 5.316.321 omaly ary 5.939.449 androany
Ny isan’ny vato nanankery dia 3.233.199 (62.10%) omaly ary 3.609.416 (60.77%) androany. Ny isan’ny vato manan-kery azo nandritra ny alina izany dia 376.217. Manomboka eto dia heveriko fa azonareo ny tiako soratana: ny vokatra voalohany dia ny azo omaly navoakan’ny minisitern’ny ati-tany tamin’ny enina ora hariva, ny vokatra faharoa kosa dia ny androany maraina tamin’ny enina latsaka 12 miniotra, ary ny fahatelo dia ny tombom-bato azo sy ny salan’isam-bato azo tamin’io tombom-bato io:

Marc 1.948.678 ( 60.27%) ; 2.096.935 (58.10%) ; 148.257 (39.40%)
Jean  248.243 (7.68%) ; 320.864 (8.89%) ; 72.621 (19.30%)
Norbert 159.820 (4.94%) ;167.021 (4.63%) ; 7.201 (1.91%)
Iarovana 316.303 (9.78%) ; 376.231(10.42%) ; 59.928(15.93%)
Herizo 252.304 (7.80%) ; 296.095(8.20%) ; 43.761(11.63%)
Pety 60.068 (1.861%) ; 63.921(1.77%) ; 3.853(1.02%)
Jules 25.891 ( 0.80%); 27.603(0.76%) ; 1712(0.45%)
Daniel  14.625 (0.45%); 18.861(0.52%) ; 4236(1.12%)
Ny Hasina 121.185 (3.75%); 141.056(3.91%) ; 19.871(5.28%)
Philippe 1056 (0.00%); 1038(0.03%) ilay isam-bato nihena
Ferdinand 46 (0%) ; 46(0%)
Roindefo 8 (0%) ; 8(0%)
Manandafy  8.849 (0.26%); 10.513(0.29%) ; 1664(0.44%)
Elia 76.523 (2.37%) ; 89.224(2.47%) ; 12.701(3.37%)

Ny fanampim-baovao moa dia efa mikonokonona ny andininy manaraka ny rehetra. May ny biraom-pokotanin’I Mahabibokely any Mahajanga omaly, toerana nandresen-dRavalomanana io. Nisy nilaza ihany koa fa nisy nandoro tahaka izany ihany koa ny tranon’Atoa Sajy Pierre ao Toliary, nisy rezervista voasambotra fa nizara trakta hanonganana an-dRavalo teo Anosy ary misy vondrona mpitsara mitaky ny hanafoanana ny fifidianana tamin’ny 3 desambra lasa teo.

Ny isan’ny birao fandatsaham-bato fantatra dia 14.439 (82.13%)
Ny isan’ny mpifidy nisoratra anarana voaray androany alakamisy atoandro dia 6.264.857 ary ny androany hariva kosa dia 6.651.337
Ny isan’ny vato nanankery dia 3.817.583(62.17%) ny atoandro ary 3.973.742 (60.94%) ny hariva.
Marc 2.177.267(57.03 %) ; 2.241.127(56.40%) ;  63.860(40.89%)
Jean  371.684(9.74%) ;  401.077(10.09%) ; 29.393 (18.82%)
Norbert  172.912(4.53%) ; 176.763(4.41%) ; 2.816 (1.81%)
Iarovana  398.261(10.43%) ; 412.951(10.35%) ; 14.690(9.41%)
Herizo 322.854(8.46%) ; 346.233(8.71%) ; 23.379(14.97%)
Pety 66.425(1.74%) ; 69.169(1.74%) ; 2.744(1.75%)
Jules  28.651( 0.75%); 29.901(%) ; 1.250(0.80%)
Daniel  21.015(0.55%); 23.314(0.59%) ; 2.299(1.47%)
Ny Hasina  151.583(3.97%); 160.259(4.03%) ; 8.676(5.55%)
Philippe 1.038(0.03%); 1.060(0.03%) ; 22(0%)
Ferdinand  46(0%) ; 46(%)
Roindefo 8 (0%) ; 8(0%)
Manandafy 11.494(0.30%); 12.609(%) ; 1.115(0.71%)
Elia  94.345(2.47%) ; 99.225(%) ; 4.880(3.12%)
 
Ny tombon’isam-bato azo izany dia 156.159. Hatreto dia mahazo mikajy isika tsirairay fa efa nahazo ny fandresena vonjimaika ny filoha Ravalomanana saingy ny HCC moa no mpanapa-kevitra farany. Raha amin’ny fitombon’ny vato dia Lahiniriko no faharoa manaraka an-dRavalomanana ary Herizo Razafimahaelo kosa no fahatelo. Amin’ny filaharana ankapobeny kosa indray dia I Ratsiraka no faharoa ary Lahiniriko no fahatelo.

Voamarika avy amin’io isa io fa samy nahery ny kandida Lahiniriko sy Ratsiraka any amin’ny faritra nihaviany. Tsy mba to izany loatra kosa I Herizo Razafimahaleo, io no lesoka lehibe ho azy. Ny tombon-dRatsiraka dia noho izy any amin’ny faritra be mponina.

Safidin’olona 299.038 sisa no andrasana avy amin’ny birao 3.142. Raha raisina ho tsy mahazo vato intsony Ravalo dia 53.92% no efa azony. Raha raisina kosa ny taha 40.89 % eo ambony dia tonga 55.68% ny salan’isa azony. Efa azontsika angamba ny tiako lazaina.

Efa tsy namoaka vokatra vao maraina intsony ny rnm…na ny ati-tany no marina kokoa.

Ny 89.95%n’ny Birao fandatsaham-bato no efa azo tamin’ny vokatra navoakan’ny ati-tany tamin’ny 3 ora sy 13 minitra androany Zoma 8 desambra 2006 :
Ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana dia 6.914.875
Ny isan’ny vato nanankery dia 4.189.498 ( 61.78%)
Ravalomanana Marc 2.325.199 ( 55.50%)
Lahiniriko Jean 464.671 (11.61%)
Ratsirahonana 183.000 (4.37%)
Ratsiraka Iarovana Rolland  427.915 (10.21%)
Razafimahaleo Herizo 368.839 (8.80%)
Rakotoniaina Pety 71.058 (1.70%)
Randrianjohary Jules 31.315 ( 0.15%)
Rajakoba Daniel  25.738 (0.11%)
Andriamanjato Ny Hasina 171.527 (%)
Tsiranana Philippe Madiomanana  1.068
Razakarimanana Ferdinand 64
Monja Roindefo 8
Manandafy Rakotonirina 13.199 (0.32%)
Elia Ravelomanantsoa 105.915 (2.53%)

Hita araka izao fa Atoa Lahiniriko indray no faharoa: na izany na tsy izany dia mazava kokoa fa manana ny heriny manerana ny nosy ity kandidà ity. Fantatra moa fa mitady ny fihodinana faharoa ry zareo. Ny mahavariana ahy dia tsy mitontona ny fanisana isaky ny kandida sy ny fitambaran’ireo isa amin’ny vato manan-kery! Nisy nodisoana ve ny famakian-teny?

Notapahiko hatreo aloha iny lahatsoratra iny fa dia hankeny amin'ny lahatsoratra nivoaka ny 11 desambra 2006 indray aho, dia indro indray ny nosoratako tamin'izany fotoana izany:

Misitery ve?

Nisy ihany ny olona lasa saina tamin’ny zava-nitranga tamin’ny Zoma lasa teo. Efa nambarako raha tsy diso aho fa nisy fikatonany ny biraon’ny minisiteran’ny ati-tany ny Zoma maraina teo. Nikatona tokony ho sivy ora izany hoy ny nilaza. Nisy ny fifanandrifian-javatra nahavariana tamin’io fotoana io.

Voalohany ny vato voangona nandritra ny alin’ny alakamisy mankamin’ny Zoma. Nahavariana fa tamin’io fotoana io dia tsy nikajy ihany koa aho. Nisy fihenany manko ny isan-jaton’ny vaton’ny filoha nefa mifanakaiky tamin’izany dia niakatra be ny isan-jaton’I Lahiniriko. Andeha soratako eto hampahazava kely antsika.
Ny tombon’isan’ny mpifidy voasoratra anarana dia 650017
Ny isan’ny vato nanankery dia 215.756 ( 57.22%)
Ravalomanana Marc______84.072  ( 38.97%)
Lahiniriko Jean __________63.594 (29.47%)
Ratsirahonana ____________6.237 (2.89%)
Ratsiraka Iarovana Rolland  14.963 (6.93%)
Razafimahaleo Herizo_____22.606 (10.48%)
Rakotoniaina Pety_________1889 (0.87%)
Randrianjohary Jules_______1414 ( 0.66%)
Rajakoba Daniel___________2.424 (1.12%)
Andriamanjato Ny Hasina___11.268 (5.22%)
Tsiranana Philippe____________8
Razakarimanana Ferdinand_____0
Monja Roindefo______________0
Manandafy Rakotonirina _____590 (0.27%)
Elia Ravelomanantsoa______6.690 (2.53%)

Jereo tsara ny isanjaton’ny filoha sy Lahiniriko fa tena tsy mifanalavitra loatra. Mety ho nahataitra ny minisiteran’ny ati-tany io zavatra iray io…

Etsy ankilany ihany koa dia efa be angamba ny nahita ilay naoty nataon’ny minisiteran’ny fampianarana nandidy ny sefo ZAP sy sefo CISCO ary ny DREN rehetra manerana ny nosy hanangona sy handefa any amin’ny minisitera ny vokatra any amin’ny kaominina ankodahoda rehetra any mialoha io andro Zoma io indrindra. Tsy ny PV akory no tadiavina fa ny fampitana ny vokatra ihany. Izany hoe raha marina io naoty io dia tokony ho efa nahafantatra ny vokatra ry Haja minisitry ny fampianarana sady talen’ny fampielezan-kevitra ary miandraikitra ilay orinasa malaza be fa miandraikitra ny fikirakirana ny voka-pifidianana (digit mg).

Dia lasa ny saina mieritreritra hoe niandry ny vokatra avy amin’ny Talen’ny fampielezakevitry ny filoha Ravalomanana ve ny ati-tany vao nanohy namoaka ny vokatra indray avy eo rehefa natoky fa ho azony fihodinana voalohany izy ity sa dia tena fifanandrifian-javatra fotsiny.

Ataoko fa efa hitan’ny rehetra ny vokatra farany. Nitombo 407.049 noho izay isa nomena tamin’ny voalohany ny isan’ny nisoratra anarana. Ny atsasa-manila izany dia lasa 4.434.877/2 = 2.217.439. Taiza ho aiza io isa io no nihoarana? Teo anelanelan’ny alakamisy atoandro sy ny alakamisy hariva no azo…eo anefa dia fotoana mbola tsy tena nahalalana marina hoe efa azo ve ny atsasa-manila sa tsia? Eritreritra tsy tana nefa ny ahiahy mamosavy hoy ny teny.
Nosoratan'i jentilisa

Ary ny averiko farany etoana dia ny nosoratako tamin'ny 12 desambra 2006 nanoratako ny tsy fahazakan'ny mpifaninana ho resy tamin'ity fifidianana ho filoham-pirenena ity

Hazakazaka

Eto ampanombohana aloha dia miarahaba etoana ny filoham-pirenena ankehitriny nahatratra ny faha-57 taona nahaterahany androany. Tahaka ny maro amin’ny mpiantso ao amin’ny karajia ihany aho eto amin’izany fiarahabana izany.
Manaraka izany, na dia efa tapitra aza ny fanisana ary efa nandresy tamin’ny isan-jato 54.80% aza ny filoha Ravalomanana dia manomboka miteny amin’izay ny kandida nifaninana taminy hafa. Voalohany tamin’izany ny filazan’Atoa Lahiniriko fa nampitomboana ny mpifidy teto Antananarivo ary nahena kosa ny mpifidy any amin’ny faritany. Narahin’ny kandida Ratsiraka moa ny lehilahy tamin’io fitarainana io. Mampahatsiahy ilay fanisana tamin’ny taona 1994 na 1995 tany ho any izay nahafantarana voalohany indrindra fa ny faritanin’Antananarivo no be mponina indrindra talohan’ny faritanin’ny Fianarantsoa.

Nialoha io fotoana io manko dia Fianarantsoa hatrany no be mponina indrindra. Taorian’ny raharaha 1947 no niandohan’izany fahabetsahan’ny mponina tao Fianarantsoa izany. Efa nentin’ny mpanjanatany Frantsay izy io nangalaram-bato tamin’izany fotoana izany (eny nangala-bato tokoa ry zareo taorian’ny raharaha 1947). Nitohy ny fanehoana ny isan’ny mpifidy ho Fianarantsoa no betsaka noho ny faritanin’Antananarivo nandritra ny Repoblika voalohany sy ny repoblika faharoa. Tao no tena nahazoan’ny teo amin’ny fitondrana vato be indrindra ihany koa afa-tsy izay nanjakan’ny MFM. Fa rehefa natao kosa ny fanisana tamin’ny fotoana nitondran’ny filoha Zafy Albert dia niharihary tamin’ny rehetra ny ahiahin’ny maro (nanodidina ahy indrindra indrindra).

Manaraka izany ny Kandida Lahiniriko moa nilaza fa tokony ho 13% ny vato azony araka ny fanisan-dry zareo azy ary 49.23% kosa ny an’ny filoha Ravalomanana. Izay ihany no fantatra fa tokony ho nasehony ny isan’ny mpifidy, ny isan’ny tonga nandatsa-bato ary ampitahaina avy eo ilay vokatra. Ny fitoriana moa dia tokony hipetraka any amin’ny HCC. Efa hita hatreo amin’ny distrika ny vokatra ary avy amin’ireny no hanaovana fampitahana ary hahitana izay kajikajy diso. Enga anie hanazava azy io bebe kokoa ry zareo. Io dia araka ny efa nosoratako taloha ihany. Rehefa tsy misy ny fampitam-baovao isan’andro amin’ny alalan’ny haino aman-jery ahafahan’ny olona manara-maso tsara ny fifidianana sy ny vokany dia sarotra ny hinoan’ny olona izay lazainao. Rehefa mipetraka hitan’ny be sy ny maro ny porofo mety hino anao ny maro an’isa. Raha tsy izany kosa dia heverin’ny maro ho mpanakorontana fotsiny ianao. Mahatonga ny olona hanampy ahiahy moa indrindra indrindra ny fiarahanao indray amin’ireo kandidan’ny 0% sy ingahy Razakavonison anisan’ny mpikarakara voalohany ilay nalaza ratsy tery amin’ny kianjan’Alarobia.

Etsy ankilany indray ny kandida Ratsiraka tao amin’ny RFI androany maraina nilaza fa nampitomboina taorian’ny fahatapahana tamin’ny Zoma lasa teo ny vato azon-dRavalomanana. Io fanampin’isa 407.049 efa voalazako io moa dia tsy mampiova loatra ny isam-bato azon’ny filoha loatra araka ny fijeriko azy. Andeha atao hoe tena tsy nahazo isa intsony izany ny filoha fa tena fanampin’isa tokoa ny 400.000 (350.000 aloha ny isa notenenin-dRatsiraka e! izay ary dia efa diso ny azy koa). Ny vokatra farany azon’ny filoha dia 2.430.489. Raha izaho no mampihena io ho 400.000 ( fa tsy 350.000) dia lasa 2.030.489 io izany. Io isa io anefa dia efa nihoarana tamin’ny vokatra alakamisy maraina satria 2.096.935 ny isa azony tamin’io fotoana io. Izay dia efa tsy mampitombina ny teniny saingy ny RFI moa dia efa mihazakazaka izaitsizy amin’ny resaka natao handany jiro hoy ny fitenenana izany.

Fa ny niteny fahatelo kosa ny mpanohana ny kandida Ratsirahonana. Nitaraina indray izy fa ny 80%n’ny tokony hifidy azy dia tsy tafiditra ao anaty lisitra. Dia resaky ny tsy mahatanty ny laharana misy azy koa angamba no tena marina. Efa saiky voasongon’ny kandida Ny Hasina Andriamanjato aza izy, nefa io kandida saiky nahatratra azy io dia tsy nandeha nanao ny fampielezan-keviny loatra. Ny hevitra naborany moa dia ny filazany fa ny mpikambana Avi aza efa mihoatra ny 300.000 ka dia gaga amin’io isa io izy. Mahavariana ilay teny! Aiza indray moa no tiany hahatongavana? Mihevitra amin’ny alalan’io isan’ny mpikambana io ve izy izany fa tokony ho izy ihany koa no faharoa fa tsy Lahiniriko na Ratsiraka? Ny Monima ihany koa dia nilaza Atoa Monja Roindefo fa 500.000 mahery ny mpikambana ao aminy. Fa lasa aiza avokoa ireo no 9 sisa hita? Marina kosa aloha fa tsy tafapetraka teny amin’ny biraom-pifidianana ny vatony nefa tsy mahazo manantena avy hatrany izy fa hahazo ny 500.000 isa. Samy manana ny safidiny ny tsirairay. Mino ihany koa ve izy fa raha hisy ny fihodinana faharoa ary ka mampifidy Lahiniriko na Ratsiraka ny Avi dia hanao izany tokoa ireo izany nifidy azy? Manao tsipaky ny miala aina angaha no azo heverina amin’ny fihetsiny mitsapa ny hevitry ny olona amin’ny alalan’ny depiote Liva Raharison ity.

Farany raha misy ny tratran’ny tsy fahatomombanan’ny lisitra sy ny karatra dia tafiditra avokoa ny rehetra ary hifandraindraika amin’io isan-jato io ihany.


Ny laharan’ny didy fisamborana ny Jeneraly fidy dia n° 21 315 RP/06 tamin’ny 19 novambra. (tamin'ny 13 desambra moa no tratra ny jeneraly Fidy)

Nosoratan'i jentilisa


Dia izay sy izay ny nosoratako etoana, lava dia lava ka mety ho namparary an-doha, nefa navelako hodinihinareo mianakavy. Marihiko indray fa raha te-hametraka hevitra ianareo dia soraty amin'ny vakiraoka aloha (brouillon) ny hevitrao. Rehefa hametraka ny hafatra mihitsy ianao vao ankotrihinao (actualiser-nao) aloha ny pejy hiovan'ny Authimage dia apetrakao ny hafatrao ary fenoina ny banga fa tokony hanaiky amin'izay izy. Aza fady ho an'izay tratran'io hoe tsy mahazo mametraka hevitra io raha elaela ianao mamaky teny na manoratra dia misy fe-potoana izay io dia lasa voasakana ny hafatra alefanao.



jentilisa, Antananarivo 11 oktobra 2009 amin'ny 2:06 maraina

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox