« | »

Gilbert Raharizatovo: hamoaka boky momba an-dRavalomanana

2007-10-20 @ 07:37 in Kolontsaina

Iza moa no mahatadidy an’I Gilbert Raharizatovo ilay mpandray vahiny hiady hevitra tao amin’ny Radio nasionaly Malagasy isika tamin’ny fotoan’androny? Iza ihany koa isika no mahatadidy fa izy no nandresy tamin’ny fifidianana ho depiote tany amin’ny fari-pifidianana nisy azy ilay Malagasy nalaza tamin’ny resaka politika nandritra ny fotoana maro dia ny Pasitera Andriamanjato Richard izany? Ataoko fa efa nahare ny anarany farafaharatsiny ny Malagasy mpanara-baovao politika. Nangina ny lehilahy nandritra ny dimy taona, hay nikononkonona hamoaka boky somary lehibebe ihany. 

Vahinin’ny sampana fampahalala-baovaon’ny tvplus ny lehilahy tao amin’ny fandaharana mandeha isaky ny zoma alina tamin’ny heriny ary naverina omaly (androany raha izaho manoratra izao) io fandaharana io. Nantsoina hiresadresaka momba ny toe-draharaha politika ny lehilahy kanjo nilaza izy nandritra io fotoana io fa hamoaka boky amin’ny teny frantsay ny fiaimpianan’ny filoha Ravalomanana hatramin’ny fahakely ka hatramin’ny fotoana nandraisany ny fahefana mahafilohan’ny Repoblika azy. 

 

Nandritra ny fotoana nanazavany ny boky no nilazany fa fotoan-tsarotra tokoa no nodiaviny vao tonga amin’izao tanjona izao izy. Mazava loatra fa tsy maintsy manasongadina ny zavatra mety hahaliana ny be sy ny maro amin’ny boky izy entina hanavahana azy amin’ny boky tantaran’ny raharaha 2002 teto amin’ny firenena. Nambarany ohatra fa tsy nandeha bisikileta izany mihitsy io rangahy io hizara ronono tany amin’ny fahatanorany tany. Ny nahatonga io tantara lazainy fa tsy marina io moa dia noho ny ny filoha nalaina sary niaraka tamin’ny bisikileta misy sinin-dronono. 

 

Nambarany ihany koa tetsy ankilan’izany fa tena nifantoka be dia be tamin’ny resaka tany ny filoha hatramin’ny fahakeliny. Tamin’ny fahakeliny dia nalefa hianatra tany amin’ny sekoly momba ny fambolena sy ny fiompiana tany ambanivohitra tany izy saingy fotoana nampihen-danja be dia be ireny sekoly ireny tamin’izany fotoana izany ka nosintonin’ny ray aman-dreniny tany izy hampianarina tany Ambatomanga izay ataoko fa efa fantatry ny maro kosa. 

 

Ankoatra izay dia nilaza ny zavatra tsy fantatry ny be sy ny maro ihany koa izy. Ohatra: heverin’ny maro fa nipoitra avy amin’ny olona sahirana na olo-tsotra ny filoha, diso izany araka ny nambarany fa efa nanan-joky mpandraharaha goavana telo mirahalahy be izao izy fahakely. Nolazainy ny anarany saingy tsy mba mahatadidy anarana loatra aho. Manaraka izany ihany koa dia heverin’ny maro fa nijanona tsy nianatra intsony izy rehefa nahavita ny kilasy fahatelo. Tsia, hoy izy, fa nianatra tany andafin’ny riaka avy hatrany ny lehilahy nandritra ny dimy taona. Maro ny taranja nianarany tany ary fianarana isan-tranontaranja avy hatrany no natrehiny (formation modulaire). Notanisainy moa ny sasany fa resaka fandraharahana sy fitarihana olona avokoa ny ankamaroany. 

 

Nilaza koa ny lehilahy fa ao anatin’ny boky ny nahatonga ny fiantso azy ho “ramose” ary ao ihany koa ny mahatonga ny laharan’ny fiarany sy ny fiaran’ny orinasany hiafara amin’ny 77 avokoa. Tsy nolazainy teo kosa izany. Ary farany dia hevitreverina ho amin’ny fiandohany volana novambra ho avy io ny boky izay nomarihiny avy hatrany fa ho lafo vidy, nefa efa misy mangataka ny handika azy amin’ny teny anglisy sahady amin’izao fotoana izao. Raha fehezina dia kasainy ho karazana “succes story” no havoakany amin’ity “biographie” ity. 

 

Manankambara kely ihany aho amin’izao hamoahana ny boky izao. Efa nivoaka tamin’ny gazety, roa na telo taoona lasa izay fa mihatakataka amin’ireo olona mahafantampantatra ny tantarany ny filoha Ravalomanana. Isan’izany ohatra ny pasitera Rabemanahaka Jean Williberton izay efa nanao asana “Aumonier” tao amin’ny orinasa tiko ary namoaka boky momba an-dRavalomanana ihany koa tamin’ny taona 1993 izay mitondra ny lohateny hoe Fanamby. Dia miandry isika hoe hanao ahoana moa ny hataon’ny filoha amin’izao hamoahana boky momba ny fiainany mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny 6 mey 2002. izay ihany koa no tsara anoratana azy etoana.

Hevitra

fa ny famoahana ireny "biographie" ireny ve tsy mila alalana amin'ilay olona na dia am-bava fotsiny aza, sa mandeha ho azy amin'izao ?
Mila mividy ilay boky moa izany izay vao fantatra hoe avy aiza avy ny loharanon-tantara nentin'i Raharizatovo an-tsoratra ?

Nampidirin'i zety @ 10:44, 2007-10-20 [Valio]

Ny tantaran'ny olona "te-halaza" matetika somary misy mythomanie...

Nampidirin'i ikalamako @ 12:04, 2007-10-20 [Valio]

Efa nilaza mihitsy izy fa hampilaza ny filham-pirenena an-tsoratra ka!

Nampidirin'i jentilisa @ 14:57, 2007-10-20 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox