Aza andefasana entana aty Madagasikara sy tsy mamaky mailaka aho!

2008-12-07 @ 14:52 in Ankapobeny

Eto ampanombohana dia aleo miaiky fa tsy mpamaky ny mailako isan'andro mihitsy aho. Misy mailaka izay efa folo andro izay no niandrasana valiny ahy fa izao vao hitako, efa anjatony manko no tonga ao, lany anefa ny fahana raha any an-trano no hijery azy fa rehefa misy fahafahana mijery mailaka ihany ato am-piasana vao manararaotra ny mamaky aho. Koa aza tsiny indrindra ho anareo rehetra raha maika hahazo valiny ianareo no tsy voavaliko izany. Lasa eto aho no manao mea culpa. Dia inona izany no tena andaniako ny fahana any an-trano? Ianareo izay tsy mbola mahalala dia mandika ny lahatsoratra teny anglisy ao amin'ny Global Voices Online avadika ho amin'ny teny malagasy aho ka io no tena nakana ny fahana. Manararaotra ary aho eto milaza aminareo izay manana fahafahana kely sy fahalalana teny anglisy mba hifanampy amin'izany. Tsy voatery hoe maimai-poana moa izy io fa mba misy sitrany ahay izay ihany na dia hoe tsy ara-potoana aza ny fahatongavan'izy io teo alohaloha teo. Raha misy ny mazoto dia tsy maninona na manoratra aty aza ianareo (na dia tsy mpamaky loatra ny mailako aza aho) fa izaho no hampita azy any amin'ny tonia. Marihina fa izaho dia tsy havanana loatra amin'ny teny anglisy fa miezaka kosa ny hampahazava ny lahatsoratra amin'ny teny malagasy ihany. Manentana anareo, indrindra izay manana fahafaha-miserasera, hifanampy amin'io vohikala ahafahana mampiely vaovao amin'ny teny malagasy io.

 

Manaraka izany, faran'ny taona tokoa izao ka ho avy ny fifampiarahabana sy ny fifanolorana fanomezana. Dia mahatsiaro tampoka izay fahasahiranana nanjo ahy aho sy ireo izay efa nitaraina. Raha vola moa no alefanao aty Madagasikara ataoko fa tsy hitako loatra ny olana hatramin'izao aloha. Fa eo amin'ny entana dia tena tantara hafa, no tena reko. Eo akaiky eo manko ny mpiasan'ny fadintseranana, ka tonga dia misy vola aloa aloha arakaraky ny lanjan'ny entana eo ampandraisana azy... ny fanomezana io... rehefa avy eo azo ny entana dia iangaviany ianao hanokatra ilay entana azonao. Raha toa somary misy sanda izay dia lasa mitombo indray ny vola aloan'ilay mpandray entana. Nisy ny nikaikaika fa lasa lafo noho ny vidin'iny entana iny eto an-toerana aza ny vola aloanao, nefa dia olon-kafa no nividy azy ho anao tany ivelany tany hataony fanomezana ho anao. Dia mahatonga ilay fitenenana hoe aleo tsy andefasana entana aty Dago ity fa tahaka ny hanome fahasahiranana sy fandaniam-bola tsy ampoizina indray aza. Na izany na tsy izany dia mbola tsy fantatro izay fiovana aty aoriana aloha fa ... noho ny fanatonan'ny fetin'ny faran'ny taona no nandrisika ahy hanoratra ity aloha.

 

Marihina fa raha mazoto handika ny lahatsoratra ao amin'ny rohy nolazaiko ianareo dia tsara kokoa manoratra amin'i Lova Rakotomalala. Karohy amin'ny milina fikarohana raha tsy mahadiso aza fady.

Fa raha sanatria moa ny ratsy sy ny tsy izy no nofidian'ny Malagasy?

2008-12-05 @ 20:05 in Ankapobeny

Mivolon'andro fetin'ny faran'ny taona sahady ny tontolom-bolongana malagasy amin'izao fanombohan'ny volana farany amin'ny taona izao. Toa dradraina mandrakariva fa sahirana sy mijaly ity malagasy ity nefa raha ny tontolo no jerena tsy dia hita soritra loatra izany. Toa ny saina fotsiny no mibaiko hoe mijaly aho, sahirana aho, tsy rariny izao sy izao fa ny atao sy ny omanina kosa toa mifangarika amin'izany. Nefa etsy ankilan'izay koa ilay fisainan'ny besinimaro tsy nambara loatra fa na inona fahasahiranana na inona fijaliana, tsy maintsy omanina ny fety, tsy maintsy atao izay hahafinaritra ny tena. Matoa mahavita fety, matoa manao izay mahafa-po na dia mety ho ezaka be aza vao vita izany dia efa ao anatin'ny sokajin'ny manan-katao ianao izay. Fa moa tena mitombina ve izay fisainana izay?

Eo amin'ny andavanandron-dRamalagasy eto Antananarivo, feno mpivarotra ny amoron-dalana maro eto afovoan'ny tanàna. Soa ihany fa noho ny ezaka nataon'ny Kaominina dia efa mba tsy hita loatra aloha ny mpivarotra anaty lalana nanjaka tetsy Behoririka volana vitsivitsy lasa izay. Efa ezaka lehibe izay satria mba nisy ny fifehezana ny gaboraraka manjaka amin'ny olona. Ny olana aminy kosa dia kely loatra ny faritra natokana hoan'ny mpandeha an-tongotra nefa mbola lasan'ny mpivarotra ihany izany lalana efa kely izany. Vokany, ny fiara sy ny mpandeha an-tongotra no mandeha amin'ny arabe. Oadray, misy ezaka vitan'ny Kaominina ihany koa ka, efa voafehy tsy hivarotra amin'ny lalan'ny mpandeha an-tongotra efa voafefy koa ireo mpivarotra amoron-dalana ireo. Tena henjana ny fifehezana ireto olona ireto, indrindra fa ny mba ahafahany manao izay tiany atao no tena nifidianany anao, ka nankahalany ilay resy nofidianay satria tsy nanana antra ny mpivarotra amoron-dalana mihitsy ny ekipa teo aloha. Fa raha sanatria moa...?

Fa mba manao ahoana tokoa moa ny entana amidin'ireny mpivarotra amoron-dalana ireny amin'ny ankapobeny? Izany aho no tena manontany basy amin'ny anglisy! Fa iza indray no tsy mahalala fa entana vita shinoa no amidiny? Entana shinoa izay tsara endrika sy mora vidy ka manintona ery! ny endriny fotsiny anefa no tsara fa ny ankoatra izay mampanompa, ho ahy izay mitady ny hamafiny ohatra! Fa tsy mitovy hevitra amiko velively ny maro an'isa, ny azy ny mora vidy na dia mety ho simba rahariva ihany aza no tena ankafiziny... impiry lazaina fa tsy mety fay! hay tokoa moa vetivety ihany no ilany iny zavatra novidiany iny fa tsy natao hotehirizina iny. Fa raha sanatria moa...? Ka iny no mba takatry ny volany ka!

Endrika hita maso ihany ny fitobahan'ny entana shinoa fa tsy mampivandravandra kosa ny fahasimban'ny tsenan'ny asa tanana sy ny vokatra malagasy. Ny fampiakarana ny harin-karena shinoa na kelimaso no toa tena imasoan'ny mpanjifa na tsy tsapany aza izany, fa tsy tsapany akory fa mamotika tsikelikely hatrany ny fidiram-bolany anie izy raha mbola mividy ireny entana vahiny ireny. Amin'izao fotoana izao, tsy misy mampiavaka ny volon'andro fety intsony ny tsena isan'andro hita eny an-dalana, ankoatra ny fahazoan'ny mpivarotra alalana hanao gaboraraka hahazo hivarotra eny afovoan'ny arabe, ka hamono ny lalana mihitsy... indrindra moa fa iny manamoronany kianjan'ny Mahamasina iny, rehefa avy izay fotoana izay. Manonofy aho raha toa ka tsy hanaiky ny hisian'ny tsena faran'ny taona intsony ny Kaominina amin'ity indray mitoraka ity, fa nofy tsara izany amiko an!

Fa ny tena mahavariana dia ny hafetsen'ireto shinoa ireto amin'ny resaka varotra. Hitany fa ny lamba sy ny entana tonta avy any Eoropa no tena maharoboka ny mpanjifa dia fanahy iniany haka endrika ireny lamba tonta ireny, ary miaraka amin'ny fofona mahatonta mampiavaka azy izay ny entana atobany. Natao ihany ny tsy hiteny fa efa tsenan'ny shinoa tanteraka ny eto Antananarivo. Ary Jereo ireto trano vaovao sy goavana eto Behoririka sy ny manodidina ireto: Efa tena Shinatanàna mandroso sy maoderina mihitsy anie eto e! Ho gaga ianao izay tsy nandalo teto tao anatin'ny volana telo na efatra... fa efa mananika an'Ambodifilao indray ry zareo amin'izao fotoana izao. Ary mihavitsy ny trano ana-Malagasy amin'iny faritra iny an! Tsy ho zanataniny intsony isika avy eo fa tena taniny mihitsy ka ry zareo indray no hifandimby ho filohan'ity firenena ity, ry zareo no tena antsoina hoe malagasy. Ho teny ofisialy fahaefatra ny teny Shinoa. Aza hitako fa aleo sanatriavina...

Raha tsy mahazo ny resaka ataoko ianao, dia faly aho milaza aminao fa na izaho aza tsy mahazo ny resaka ataoko amin'izao fotoana izao. Fa efa manakaiky tokoa ny fetin'ny faran'ny taona e! Dia indro Ramalagasy fa hitady ny hazo tsy misy eto Madagasikara handravahana ny tranony. Dia ny hazo kesika mifanakaiky aminy no indramina horavahana. Efa impiry aho no niteny sy nanoratra fa ireny no mba zavamaniry velona amin'ny tany mangatsiaka ka mamelombelona ny endriky ny fety any aminy fa e-he! Tsy fety amin-dRamalagasy raha tsy misy ireny. Tsinontsinoavina ny toetr'andro sy ny voary natolotra azy. Voankazo anie izany omena antsika isaky ny faran'ny taona izany e! Maninona raha ireny no andravahana ny trano fa mba manana ny hanitra mampanentohento azy koa anie ireny e! Fa matoa mbola misisika hitady ny tsy misy eto Madagasikara isika, sady efa voarara rahateo ny manapatapaka hazo kesika amidy ho an'ny fety, dia mankalaza ny fety amin'ny mahafety Eoropeana azy sy fety Amerikana Tavaratra (mangatsiaka sy mamanala) azy no tena ankafizintsika fa tsy amin'ny mahafety kristiana azy velively.

Dia ahoana izany ireny hazo noely goavana atao ampiangonana ireny? Sao dia efa lasa sekta ary i jentilisa ity na sanatria nivadika ho tsy mpino? Izaho aloha dia tena mba gaga ny hampidirana ireny am-piangonana e! Inona no ifandraisan'iny hazo iny amin'ilay fety nahaterahan'ny Mpamonjy ho an'ny kristiana? Sa hazo fanomanana ny hanantonana azy sahady iny? hihomehy aho raha izay no valiny! Fa misy anganom-bazaha izay nolazaina tamiko fa isaky ny sasakalin'ny 24 desambra izay dia misy fety jentilisa fanaon'ny Eoropeana tsy nety resy lahatry ny filazantsara mandrak'ankehitriny ivavahan-dry zareo mba hampiverina ny masoandro mitady tsy hiverina hanazava ny tany intsony. Dia lazaina fa na mangatsiaka aza ny andro dia mananika iny tendrombohitra mideza iny ry zareo dia manao ny fivavahany. Misy ny milaza fa eo anoloan'ny sapins, izay sisa maniry sy maintso ry zareo no mivavaka sy midera. Tsy mahagaga raha misy ny hira malazan'ny Noely tsy ahitana akory ny anaran'ny Mpamonjy. Fa ny filazalazana hafa moa no niteny fa tany amin'ny taonjato faha XVII tany ho any tany Alsace vao nampidirina an-trano ny fandravahana ny hazo noely an-trano. Mbola baraingo amiko ihany na dia izany aza ny nampidirana io hazo io tao am-piangonana izay lazaina fa tranon'Andriamanitra.

Fa mbola misy zavatra mahavariana ahy ihany koa amin'io rohy ahitana ny tononkiran'ny Mon beau Sapin io. Toa miaraka tsy misy adihevitra ny hazo noely sy ingahy noely kely (petit papa noel sa dadabe noely e?) na i masindahy Claus. Natao hampanonofinofy ny ankizy moa ny fisian'izany ingahy noely kely izany fa rehefa lehibe dia atao tonga saina amin'ny tsy fisiany. Dia gaga amin'ny fianakaviana milaza ny tenany ho kristiana aho raha mampino an'ingahy noely kely ny zanany koa ry zareo? fa raha manao izany izy dia aza gaga intsony rehefa lehibe ny ankizy fa holazainy ho noforonina koa ny tantaran'izany Jesoa oadray Jesosy izany. Ka efa nandainganao izy tsinona koa! fa aza adinoina ilay hoe toa tsy misaraka eo imason'ny tandrefana (araka ny fijeriko ilay rohy) ingahy noely kely sy ny hazo noely izay tsy misy ifandraisany amin'ny nahaterahan'ny Mpamonjy an! Fa mirary mandrakariva ny hahatontosanareo ny fetyaraka izay mahadiavolana ny sainareo hatrany aho na dia izany aza.

Nahoana no hamaham-bolongana momba an'i Afrika[Pourquoi bloguer sur l'Afrique]?

2008-11-23 @ 10:14 in Ankapobeny

Notratrarin'i Jogany aho ka dia hiditra amin'ilay lalao ihany koa. Ataoko fahafinaretana na dia amin'ny teny malagasy aza no anaovako azy. Théophile Kouamouo izay Ivoariana, anisan'ny mpamaham-bolongana mpiteny frantsay manana ny lazany no nanainga indray ity karazan-dalao ity: "rojom-bolongana" hijery na/sy hiresaka momba an'i Afrika. Mandritra ny tapabolana no andrafetana izany rojo izany.

Hafa mandrakariva manko ny fijerin'ny hafa an'i Afrika. Tsy te-hitanisa lalina izay fijery matroka momba azy aho fa izay tadivina adinoina no havandravandrako. Vao miteny hoe Afrika manko dia olona mainty hoditra mandrakariva no ao an-tsaina voalohany, hany ka tsy mahagaga raha misy mandrakaviva ny miteny fa Madagasikara dia tsy Afrika. Ekena tokoa fa ny maro an'isa indrindra amin'ny Afrikana dia ny mainty hoditra nefa na dia ny loko mainty aza dia misy isan-karazany ihany koa fa misy ny ngizina ary misy ny somary mazavazava.

Azo lazaina ihany koa anefa fa manana ny volonkoditra isankarazany indrindra toy ny avana ihany ny mponina eto Afrika ary antsoina hoe Afrikana. Na dia taranak'olona melaziana aza aho ny faritra misy ahy dia Afrika, noho izany dia Afrikana aho. Ny Afrikana ihany koa misy fotsy hoditra avy tany Eoropa ka ny tapany tena atsimon'i Afrika no betsaka izany indrindra.Ny Afrikana ihany koa misy taranaka Arabo ka ny ilazana azy moa dia Magrebiana amin'ny ankapobeny. Ny Afrikana ihany koa misy taranaka aziatika sy karana, satria tsy eto Madagasikara ihany no be ny karana fa betsaka ny tany Afrikana no misy azy ireny fa ny mahamaro an'isa azy ireny indrindra aloha dia ny nosy Maorisy.

Tsy hoe izay monina eto Afrika ihany no Afrikana fa izay manana fo mitempo ho an'i Afrika ihany koa. Maro ireo hafa fihaviana izay tandrefana moa no tena maro an'isa no mahatsapa tena hanangana tetikasa ho amin'ny fampandrosoana, ho amin'ny fampivelarana ny mahaolona, ho amin'ny fampianarana, ho amin'ny fampianarana sy ny sisa maro tsy voatanisa. Na mandalo fotsiny ihany aza izy ireny, na tsy honina eto Afrika aza izy ireny, nitempo ho an'i Afrika ny fony satria nahatsapa ny mahaolona manampanahy azy izy.


Fa ny tena tsara indrindra amin'ny fieritreretana an'i Afrika araka ny eritreritro dia ny fitarihana ny olona ao aminy hahay hivelatra, hahay hitempo ho an'ny taniny ka hanolokolo azy, tsy hanonofy hitsoaka an'i Afrika mandrakariva fa hieritreritra ny mahatonga ny hafa hihazakazaka ho aty Afrika ary hametraka ao an-tsainy fa hay misy zavatra azo atao koa aty. Lalana sarotra mety ho nofinofy ihany izany saingy iza moa no nanampo fa hisy metisy Afrikana hitondra izany firenena tandrefana lehibe indrindra izany? Saingy mbola vao dimampolo taona monja manko no nitolona ho amin'ny fitoviana ny mainty [tonga dia Afrikana no ao an-tsaina amin'izany saingy Amerikana ireo ka] fa toy ny tsy nananjò teo aloha. Fa na izany na tsy izany dia naharesy lahatra ahy ihany koa ny fivorian'ny [justice et paix raha tsy diso aho] tany Afrika izay hoe: ny tena fanampiana an'i Afrika dia ny tsy manampy azy [hahatonga ny fiakinan-doha amin'ny fanampiana mahazatra azy] saingy ho be ny ho tezitra raha maheno izany.

Mangataka ny hevitr'ireto mpamaham-bolongana manaraka ireto aho hanohy ny rojom-bolongana ho an'i Afrika:

Kdaombaramita satria toa manimanina ny eto an-tanàna iny havako iny ka hahalala tsara ny fahafinaretana niainany tamin'ny faritra iray amin'i Afrika na dia mety ho madagasikara ihany aza no nodiaviny.

Dotmg satria toa mety indrindra amin'ny what if... ity rojom-bolongana iray ity.

Maintikely satria tsy menatra ny milaza ny mahamainty azy izy fa toa karazana rehareha aza izany.

Lomelle satria efa mihamazoto manoratra iny zandriko iray notsongaiko ao amin'ny foko blog club iny.Dia afaka mitagy ireo namana be dia be ao amin'ny foko-madagasikara ihany koa ianao.

Maro ianareo no tiako tagena (indrindra fa ny ato amin'ny blaogy.com saingy iray ihany no notsongaiko) saingy manjary tsy misy hotagena intsony ny namana hafa ka aleo aloha ajanona amin'ireo. Marihina fa azo atao amin'ny teny frantsay na teny anglisy tsara ity rojo ity ary izay no mbola namelako ny lohateniny amin'ny teny Frantsay ho eo ihany. Raha misy moa ianareo tonga dia mazoto ny hanoratra avy hatrany na tsy voatagy aza dia arahaba soa arahaba tsara. Roa herinandro ihany ny faharetan'ny lalao ô!

Barcamp Antananarivo 2008 Madagascar araka ny sisa tadidiko

2008-10-08 @ 06:00 in Ankapobeny

Tsy hohadinoina velively tsy akory ity vanim-potoana iray nandalo teto Antananarivo tamin'ny Asabotsy 4 oktobra 2008 ity. Sambany rahateo ka mety ho be ny ny tsy mahalala izay tena nitranga nandritra ny tontolo andro. Tsy nandray naoty na tamin'ny penina sy ny taratasy aho na tamin'ny findain-tsolosaina nefa hosoratako aloha ny fandehan'ny raharaha tao araka ny tadidiko.

Voalohany, miainga amin'ny zavatra somary mahatsikaiky ihany aho. Fantatro tsara fa ho maromaro ihany ny hitondra solosaina finday. Mazava loatra fa tsy entina miharihary iny fa entina anaty kitapo kosa. Izao anefa, na dia mihamora aza ny vidin'izy io noho ny fidinan'ny sandan'ny vola dôlara dia tsy mbola nividy aho no sady mety mbola tsy mahatakatra ihany koa. Ahoana ary ny nataoko. Nitondra kitapo ihany aho, fa boky lehibe misy izay nosoratako nandritra ny taona 2006 sy 2007 no nataoko tao. Mitovitovy habe nefa mety hitovy lanja amin'ny findan-tsolosaina io boky io ka nihomehy anaty ihany aho nitondra ilay izy. Sahala amin'ny nde mba hoe manko.

Ny nanokatra ny raharaha moa dia i Diana Chamia, tovovavy mpianatra mpanao gazety avy any Mahajangà any. Tiany ny manampy ny mpiara-belona aminy ka izay no nahatonga azy nanao izay hanampiana ny renin'i Kamba (Kamba izay misy toy ny trafo ao amin'ny handriny) tamin'ny alalan'ny bolongany aloha, hitan'ny Malagasy mpiara-belona manerantany iny ka nampihetsika ny fanampiana io zaza io sy ny reniny. Fikambanana maro no nihetsika fa ny fantatro aloha eto amin'ny serasera dia ny Namana serasera (na ampielezana na eto an-toerana) sy ny foko-madagascar. Fantampantatra ihany fa mbola misy ny hetsika hafa saingy misy moa no tsy dia loatra ny itantarana azy nefa dia isaorana mandrakariva ny karazan'olona tahaka ireny manampy ny mpiara-belona aminy sy manaporofo fa mahay mifanampy ihany koa ny samy Malagasy.

Nifandimby amin'izay ny mpampiasa ny software na mpandrindra ny momba ny rindrakajy (araka ny infogasynet sy i Mahefa) na ny rindrambaiko araka an'i Di... (Henry Rahaingoson). Ny tena tafalentika ao an-dohako aloha dia ny hoe hafa ny rindrambaiko na rindrankajy malalaka sy maimaipoana sy ny rindrankajy na rindrambaiko malalaka fotsiny (logiciel libre et gratuit sy ny logiciel libre fotsiny). Ny faharoa dia mety hoe amidy aminao ny entana ary omena anaoihany koa ny lakileny hifehezanao azy manontolo. Tsy lazaina moa amin'izany ny rindrambaiko na rindrankajy manatompo. Mihaino tsara fotsiny aho fa mety ho azoko ihany ny momba azy rehefa tena liana aho. Nifandimby niresaka teo ny avy amin'ny C3lf Fianarantsoa sy ny amul ary ny eboons. Mety hozokoa ihany manko izay nambara fa tsy ahiko kosa ny mampita azy rehefa tsy nisy ny fitaovana manokana ho amin'izany.

Ny tena tadidiko teto dia ny resaka nataon'i Haja Ramboasalama filohan'ny Amul araka ny reko momba ny IXP. Tsotra ny fanazavany azy: raha misy olona roa samy eto Madagasikara mampiasa FAI (Fournisseur d'Acces  l'Internet na mpanome tolotra ifaneraserana) samihafa dia izao no zavamisy: Mampiasa FAI iray i Koto hampita hafatra amin'i Soa mampiasa FAI hafa kosa. Mankaiza ny lalan'iny hafatra iny? Miainga eto Madagasikara ilay hafatra dia mankany amin'ilay FAI ampiasain'Ikoto dia lasa any Alemaina mandalo any Etazonia vao miverina eto Madagasikara mankao amin'ny FAI misy an'i Soa vao tonga any amin'i SOa. Izany hoe lasa lavitra ny lalana, elaela kokoa vao tonga ny hafatra sady lafolafo kokoa ny saran'izay. Tsy mahagaga raha sady vitsy mpampiasa aty Afrika no aty Afrika ihany koa no lafo indrindra ny saran'io serasera io. Arakaraky ny habetsaky ny mpampiasa rahateo izany. Tranga faharoa, Misy vitsivitsy maromaro ny FAI mifanaraka mba ho kely kokoa ny fandaniam-pifaneraserana. Misy hatrany anefa ny FAI tsy miditra anaty fifanarahana, mbola hisy ny olana rehefa tsy ny FAI no mifanaraka.

Inona ny vahaolana natolotra? io IXP io izay manana anarana hafa maromaro ihany koa saingy noadinoiko tanteraka. Eo amin'ny Besinimaro dia karazana foibe iray mitovy asa amin'ny Switch (internet) goavana dia goavana io IXP io ka izay te-hanamora ny fifandraisana rehetra dia mifandrohy aminy avokoa. Inona ny tombotsoa azo avy amin'ny fampiasana ny IXP? Tsy voatery mankany Alemaina, Frantsa, Etazonia ny lalankafatra vao hiverina eto Madagasikara indray fa eto Madagasikara ihany ny fivezivezeny. Faharoa, raha sanatria misy manapoaka na mikatso tanteraka ny zanabolana (mety mitranga izany ary azo heverina mihitsy ny hisiany) dia mbola afa-miasa ihany ny aterineto eto Madagasikara fa tsy hiaramaty amin'ny an'izao tontolo izao. Mbola afaka hiasa avokoa ny banky ny sy karatra solombola rehetra hifandraharahana ary ny orinasambarotra mampiasa serasera rehetra. Fanirian'ny mpanolotra mba tsy ho tratra aoriana tahaka ilay hazondamosin-tserasera (backbone) nandalo tao atsimon'i Faradofay folo taona lasa izay ny fieritreretana ity IXP izay tokony ho tombotsoa lehibe ho an'ny Malagasy manontolo io.

Nanaraka indray i Pierre Maury niresaka momba ny boky avoakany amin'ny alalan'ny aterineto, ka ireo boky efa tsy ananan'ny taranaky ny mpanoratra zo intsony, talohan'ny fitopolo taona lasa izay (1938) no avoakany. Mazava loatra fa noho ny tsy-fifehazany ny teny malagasy dia izay boky amin'ny teny frantsay ihany no avoakany ao amin'ny bolongany sy ny vohikalany. Asa, anjaran'ny hafa indray izany ny miresaka momba ny boky nivoaka tamin'ny teny malagasy. Mazava loatra fa mba tsy handikana ny lalàna dia izay efa lasa fananambahoaka ihany no azo avoaka, izany hoe izay rehetra talohan'ny fanjanahantany sy izany nandritra ny fanjanahantany hatramin'ny taona 1937.

Niditra indray i Avylavitra efa nahiako tsy hoavy, soa fa tonga na dia fantatra aza ny fahasahiranany, niresaka momba ny fahalalaham-pitenenana sy fahalalana mamoaka vaovao eto Madagasikara. Nolazainy fa miditra ho elanelam-panahy izy, tsy mpanohitra bontolo ary tsy mpanohana be fahatany. Resaka politika izany lazainy izany! Eto moa dia efa taratra sahady fa mifankahita tsara amin'izay ny mpampiasa ity kajimirindra ity nefa samihafa ny tontolo iainany sy ny fampiasany ny solosaina. Samy miezaka mahazo ny ataon'ny ankilany ny andaniny avy. Asehon'ny mpamaham-bolongana fa haingana kokoa ny famoaham-baovao avy amin'ny olotsotra mampita vaovao noho ny an'ny gazety izay mbola miandry fankatoavana avy amin'ny tonian'ny fanoratana. Ny mpamaham-bolongana kosa dia araka ny sitrapony ihany na hamoaka ny vaovao izy na tsia. Ny ahy moa tsy hitako loatra izay lazaina. Nilaza ny fivoriana vao natrehiny tany Brussels notohan'ny Rising Voices kosa i Pati (et toi).

Nilaza izay tokony atao raha tiana ho hita amin'ny aterineto kosa i Ariel ary nolazainy fa ny soratra na fihetsiketsehana iray dia telo volana mialoha ny fotoana no tsara anoratana azy mba ho hita tsara izy amin'ny andro ilàna azy.

Ny zavatra iray mila avoitra ihany koa dia ny ezaka manokana ataon'i Mahefa hametrahana tsikelikely ny fanitsiana ny teny malagasy izay mitady fanampiana amin'ny namana rehetra mahafehy ny teny malagasy sy ny rindrankajy na rindrambaiko hiara-manatontosa io tetikasa fampiroboroboana ny teny malagasy io. Asa izy raha afaka manome fanazavana bebe kokoa satria tsy tokony hiasa irery amin'io tetikasany io ary ho hitako ihany koa ny hanampiana azy. Izay sy izay aloha ny tena tadidiko, misy dia misy ny tsy voalazako toy ny an'i Herizo sy Tosoa saingy rehefa tsy voafehiko ny resaka aleo mangina.

Barcamp Antananarivo Madagascar 2008: Saiky nolazaiko fa novako!

2008-10-04 @ 21:02 in Ankapobeny

Izany tokoa angaha no atao hoe eo ampandrasana no mahita ny atiny. Nisy ihany manko ny fanomanana nataoko tamin'ity Barcamp notontosaina tao amin'ny Ivotel Ambohidahy manana ny kintana telo androany 4 oktobra ity. Efa nanomana soa amantsara ny amin'ny GlobalVoices Online sy ny mombamomba azy ary ny zavatra ataony aho; kanjo hitako amin'ny mpanatrika fa bebe ihany ireo tsy mahalala akory ny amin'ny atao hoe Blog na blaogy na bilaogy na bolongana. Tsapako mazava tsara anefa fa tsy ho azon'ny maro mpanatrika akory izay holazaiko raha tsy milaza ny amin'ny blog sy ny mpamaham-bolongana aho aloha. Karazana fifanakalozan-kevitry ny mpamaham-bolongana maromaro manko no mampiorina ny GVO. Tery aho noho izany hilaza tsotsotra ny fanaon'ny mpamaham-bolongana. Izany no tena atao hoe izay tonga ao an-tsaina fotsiny no lazaina, tsy fantatro izay fidonany any amin'ny mpanatrika fa tsapako ho be ihany ny zavatra noadinoiko indrindra fa ny fanentanana izay manana fahafahana kely hiara-dalana handika ny GVO ho amin'ny teny malagasy. Mety hitohy ny filazalazako ity Barcamp notanterahina teto Antananarivo ity.

Na izany aza nahafinaritra ny fiarahana tao. Ity napetrako eto ambany ity na dia izany aza ny saiky holazaiko tamin'io fotoana io izay novaina taminn'y fotoana farany mialoha indrindra ny handraisako fitenenana:



Misaotra izay rehetra nitoto nahafotsy nahandro nahamasaka ity fihaonana ity aho nahatonga antsika ho vory etoana - sy nanolotra anjara fotoana ho anay - hiara-mitapatapak’ahitra amin’ireto vato nasondrotry ny tany, trafo nasongadin’ny vozona eo amin’ny fikirakirana ny kajimirindra , ny serasera ary ny fifandraisana izao. Tsy ho afaka ny hihambo ho tahaka azy ireo izahay fa mpampiasa tsotra ihany ka izay kely fantatray ihany no holazalazainay. Koa aza tsiny indrindra re raha toy ny mipasoka ny efa malama izahay eto anatrehanareo. Aza fondro ihany koa raha amin’ny teny malagasy no hanaovanay izao famelabelarana izao fa io ihany no tsy mba mahavotsa vava anay. Hay renesina sy vakiana ihany manko ny teny frantsay sy ny teny anglisy fa mampiahotrahotra kosa ny miteny azy noho ny tsy fahazarana indrindra. –indrisy-

Manaraka izany, tsy tonga teto amim-pahatezerana akory izahay na nigadona teto tamim-pahavinirana ka hanadino ny fomba tsotra indrindra koa miarahaba ny andriambavilanitra sy ny andriandahin’ny tany rehetra na ny avy eto an-toerana na ny avy lavitra na ny avy any ampita. Miarahaba ry Malagasy,miarahaba ry vahiny.

Izay re no ela, fa ny lohahevitra lazaiko eto dia ny momba ny globalvoices online amin’ny teny malagasy. Tranokalan-tserasera anankiray izany no holazaiko aminareo. Tandra vadin-koditra amin’ny Globalvoices online amin’ny teny malagasy ny Globalvoices Online amin’ny ankapobeny ka tsy maintsy hazavaina etoana.

Nitsangana nandritra ny fihaonan’ny mpiserasera avy amin’ny vazantany efatra sy ny firenentsamihafa nangetaheta ny hanana sehatra iray ifampizarana sy ifanakalozankevitra tamin’ny volana desambra 2004 ny GVO.

Antom-pisian’ny GVO ny manangona, ny manadio na ny mifantina, ny mampivoitra ary ny mamoaka ny vaovaon’ny toerana sy ny vaovaon’ny mponina tsy voaresaky ny fampahalalambaovao lehibe sy malaza amin’ny ankapobeny (ny fampahalalam-baovao tandrefana izany). Izany no antony tsy ahitana loatra izay soratan’ny olona tia mampita vaovao sy hevitra avy any Eoropa andrefana sy Amerika avaratra ao amin’ny GVO. Kendreny izany izay hampisongadina ny vaovao heverina ho manan-danja sy lehibe amin’ny olona any amin’ny faritra tsy nosahanina na tsy hitan’ny mpampahalala vaovao lehibe tandrefana voalazako teo ihany. Amin’ny teny anglisy no amoahana ny lahatsoratra ao amin’ny GVO nefa ny loharanom-baovaony tsy voafetra ho teny anglisy ihany fa mety ho avy amin’ny teny frantsay, na esipaniolona, Paortigey, Swahili, persa, Shinoa eny fa na dia amin’ny teny malagasy aza. Tombony lehibe ho antsika manko ny fananantsika Malagasy roa mandray anjara ao. Olona samy mipetraka sy miasa any Etazonia ireo olona ireo. Koa aza atao mahagaga anao intsony rehefa mitsidika ny GVO ianao ka mahita ny vaovao na fifanakalozankevitra na adihevitra eo amin’ny Malagasy eto an-toerana na any ivelany izay misy Malagasy ihany koa.

Ahoana indray moa ny amin’ny fampitan’ny GVO vaovao sy resaka ? Isika eto Madagasikara aloha amin’ny ankapobeny dia mbola anatin’ny fari-tserasera miadam-pifandraisana. Misy ihany ny serasera haingam-pifandraisana saingy mbola nofinofy ho an’ny sarambambe ihany izany noho ny halafony. Noho izany antony izany no tsy ahitan’ny maro karazam-pampitam-pifandraisana ankoatra ny soratra sy ny saripika na ny sariitatra amin’ny Blog, bilaogy na Bolongana hoy aho izay. Misy isankarazany anefa ny fampitan-kafatra azo atao. Eo ny fampitam-peo, ny saripika ifampizarana efa voalaza teo sy ny lahatsary na oronantsary hoy isika. Io lahatsary io aloha no mbola olana manokana amintsika eto satria sakana ho antsika ny halakim-pifandraisana takatry ny besinimaro amin’izao fotoana izao. Ampiasain’ny GVO avokoa ireo fomba fampitan-kafatra fototra ireo.

Raha eo amin’ny endrika indray dia misy karazany roa ny lahatsoratra hita ao amin’ny GVO. Voalohany ny endri-dahatsoratra fohy antsoina hoe Link na Lien na Rohy izay mamintina avy hatrany ny ambaran’ny lahatsoratra na lahatsary na saripika na fandraisam-peo voarohy. Amin’ny ankapobeny dia eo anelanelan’ny 5 ka hatramin’ny 10 isan’andro eo ny Rohy avoakan’ny GVO. Ny endrin-dahatsoratra faharoa kosa indray dia somary lavalava kokoa antsoina hoe weblog ka mety ho hita ao avokoa ny karaza-pampitam-baovao rehetra ary mety hifandrohy amina lahatsoratra vitsivitsy maromaro ihany koa io weblog io.

Manana lahasa hafa ihany koa anefa ny GVO amin’ny alalan’ireo tetikasa ao aminy. Samihafa be ihany aloha ny fahaizana amam-pahalalan’ny olona rehetra. Noho izany misy ny lasa aloha ary misy ny tratra aoriana. Ny lasa aloha moa dia efa tombondalana ho azy izany. Ny GVO kosa dia mitodika amin’ireo tratra aoriana amin’ny fahalalana itony fitaovam-piseraserana itony. Manoro lalana sy manazatra ireo izay liana amin’ny fampitam-baovao ny GVO amin’ny alalan’ny sampana mpirotsaka an-tsehatra dia ny Rising Voices izany. Manorotoro ny fomba fampiasana ny fitaovam-mpampitam-baovaon-tserasera rehetra izy ka raha ny eto Madagasikara no resahina dia ny fikambanana tsy miankina FOKO no miara-miasa amin’ny Rising Voices. Fahasoavana ho antsika toy ny ilo mby an-doha izany ka enga anie tsy hiraraka foana hanala baraka antsika.

Manaraka izany, tsy mitovy fahalalaham-pitenenana sy fahalalahana hihaino ihany koa ny olon-drehetra manerantany. Mbola misy ireo mponina voageja tsy afa-miteny sy tsy omem-baovao any rehetra any. Enjehina, samborina, gadraina izay sahisahy miteny manambara izay tian-kafenina. Manana sampana misahana ny tranga-javatra tahaka izany ihany koa ny GVO dia ny GlobalVoices Advocacy izany. Karazana mpisolovava ny GVO amin’izay fotoana izay nefa manana torolalana ho an’ireo mpamaham-bolongana voatampim-bava ihany koa izy. Tsy dia ataontsika resaka lava loatra ny amin’iny raha tsy amin’ny fotoanany angaha satria mbola mahatsiaro afa-miteny na afa-manoratra aloha aho amin’izao fotoana izao.

Mamaramparana isika, nivoatra ny lahasan’ny GVO. Tsy nionona intsony tamin’ny famadihana izay teny fantany ho amin’ny teny anglisy ny GVO. Hetahetan’ny Mpamaham-bolongana Frantsay vitsivitsy nandritra ny fihaonamben’ny GVO tany Delhi tany Inde tamin’ny 2006 ny hananganana GVO ho amin’ny teny Frantsay tahaka ny amin’ny teny Shinoa izay nitari-dalana tamin’ity raharaha ity. Liana ny hanao tahaka izany ihany koa ireo amin’ny fiteny hafa toy ny Esipaniolona, ny Paortigey, ny teny Japoney. Nanomboka teo no nametrahana ny GVO Lingua. Iray ao anatin’ny 15 mamahana ny Lingua amin’izao fotoana izao ny Globalvoices amin’ny teny malagasy.

Tsara ny manamarika fa ny GVO amin’ny teny malagasy no fandikanteny voalohany ho an’ny tenin’ny mponina aty amin’ny ila-bolantany atsimo ka tokony ireharehantsika izany. Miezaka izahay mpandika teny hanao izay hahaliana anareo amin’ny vaovao rehetra manerana izao tontolo izao (indrindra fa ireo tsy dia misy miteny loatra). Tanjona napetrako manokana ny fanamby hahadika lahatsoratra amin’ny teny malagasy madiorano. Lalantsarotra sy lavitra dia lavitra anefa izany. Koa manentana anareo aho ; voalohany, hamaky ny GVO ka aza adinoina ny GVO amin’ny teny malagasy, mametraha hevitra na tsikera fa izany no fampirisihana masina ho anay indrindra. Faharoa, olombelona ihany izahay, manana ny fahalemenay sy ny harerahanay, ka mampirisika anareo izay manana fahaizana teny vahiny hanao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja amin’ny fandikanteny ho amin’ny teny malagasy ihany koa, na ho amin’ny teny frantsay, ataoko fa tsy mampaninona ny miteny izany. Ataoko fa raha maro isika no manolotena ho amin’ny fandikanteny, eny fa na dia ho iray isan-kerinandro monja aza izany dia karazan’ny fampiroboroboana ny teny malagasy ho tsy mena-mitaha amin’ny teny vahiny matanjaka amin’izao fotoana izao. Tsy afenina ry havana fa sarotra ny mandika teny, ary mijery rakibolana fandikanteny matetika aho isaky ny mamadika lahatsoratra ; nefa fanazarana ny tena ihany koa izany hahalala voambolana hafa noho izay fahitantsika na fandrentsika andavanandro. Koa alao hery ary tompokolahy, Mahereza ary tompokovavy fa fampiroboroboana ny teny malagasy haharaka ny zavamisy amin’izao fotoana izao ny famakiana arahin-tsikera ny GVO teny malagasy te-ho mpiray dia amin’ny famoaham-baovao misy eto an-toerana amin’izao fotoana izao. Mankasitraka Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2025 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox