Misy fotoana mivezivezy amin'iny faritra Ankadikely Ilafy iny aho. Manaraka ny arabe aloha no aleha. Rehefa mandalo ny lapan'ny tanàna na biraon'ny kaominina angaha dia mahita tabilaom-pifidianana misy sarina kandidà saingy efa mihitsankitsana avokoa ny afisy eo aminy ka tsy hita tsara ny sary. Talohan'ity fifidianana ho loholona ity anefa tsy mba tsikaritro mihitsy ny fisian'izy io. Lasa avy hatrany ny eritreritro: Mihevitra izany ny olona ato fa misy mpifidy vaventy mandalo mandrakariva amin'io faritra io matoa napetraka teo io tabilaom-pifidianana io. Natokana ho an'olona firy moa izy io sa ilaina ampahafantarina ny olon-drehetra satria fifidianana io na dia tsy fidian'ny be sy ny maro aza?
Ny fampielezan-kevitra mandeha amin'ny tele aza efa gohina na tiana na tsy tiana fa dia toa mahatsikaiky ihany ilay tabilaom-pifidianana heveriko fa diso toerana. Ny fampisehoana tsy azo atao amin'io alahady io ihany no hanamarika amin'ny olona fa hay ve misy izany fifidianana izany. Efa ela aho no te-hanoratra ity fa tsy maintsy androany satria karazan'ny andro farany amin'ny fampielezan-kevitra manko.
Mahavariana ny tenin'ny filoha RAVALOMANANA Marc raha nitafa tamin'ny mpanao gazety izy teny ampahatongavana teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena teny IVATO.
Asa na hevitra nomasahana tao anatiny tao na fitadiavana hiala amin'ny fanontaniana efa niomanan'ny mpanao gazety fa indroa izy no niteny hoe :"Aza terena handray fanapahan-kevitra mifanohitra amin'ny tombontsoam-bahoaka aho!". Anisan'ny namaliana ny antony tsy namelana ny hanatontosana ny fampisehoan'i Rossy manko io teny io. Mampieritreritra ahy io fomba filaza io.
Voalohany, izy ihany ve izany no mpanapa-kevitra amin'izay antsoina hoe tombotsoam-bahoaka? Sa heverina tokoa fa mety hiteraka fanakorontanana eto amin'ny tanàna tokoa ny fanatontosana ny fampisehoana anankiray nandrasan'ny mpankafy azy hatramin'ny ela? Lasa any amin'ny baolina fandaka ihany koa ny eritreritro avy eo: mazava izany fa fanapahan-keviny ihany koa io fanafoanana ny FMF io. Manahy ny mety hisian'ny korontana ve izy sa ny fialambolin'ny sarambambem-bahoaka mihitsy no tiany foanana?
Faharoa, angaha moa misy manery azy hanao izany fanapahan-kevitra manohitra ny tombontsoam-bahoaka izany? Raha ahenany tapabolana ve ny zon'ny mpiasa hiala sasatra isan-taona dia tena mino tokoa izy fa izay ilay tombontsoam-bahoaka? izay marina ilay antsoina hoe mpanao politika an! ny tombotsoany no lazainy hoe tombontsoam-bahoaka! Efa sitrapo mihitsy izany fa tsy fanerena mihitsy.
Dia aleo aloha atsahatra fa afa-manohy ihany koa ianareo raha te-hanohy!
Manamarika dieny mialoha aho fa hanafintohina olona maro
ity lahatsoratra manaraka ity. Noho izany dia mampitandrina ny be sy ny maro
avy hatrany aho tsy handray an-tendrony izay voasoratra eto. Nosoratana izy
ity, hiteraka adihevitra araka ny iheverako azy, nefa anairana indrindra
indrindra antsika rehetra handinika tokoa io vanim-potoana iray amin’ny tantara
io. Fanaikana antsika hamakafaka lalina, hijery ambony, hijery ambany.
Hitsipaka izay mihoapampana ary hifikitra amin’ny mari-pototra. Marihiko ihany
koa fa efatokony ho tamin’ny herinandro no nivoahan’izy ity saingy noho ny
fotoana tsy mifametra no nahatonga azy izao vao mety hivoaka.
Izay nahamarika no nahita fa tsy nisy nivoaka ny gazety
malagasy tamin’ny asabotsy 29 marsa 2008 teo afa-tsy ny gazety Taratra sy ny
Ngah zety ihany. Ny Ngah zety moa dia ho amin’ny fampihomehezana ka avelantsika
any fa ny gazety Taratra no tiako homarihina. Izaho ve no diso tia mamaky
gazety asabotsy ka nahatonga ahy hankasitraka anaty ny nivoahan’io gazety io
tamin’ny 29 marsa 2008 natao ho andro tsy iasana nefa andraisan-karama (ho
an’ny maro an’isa fa tsy natao ho ahy aloha)? Ny lohateny lehibe rahateo dia
mikasika ihany ity datin’andro ity ihany: “Ny marina momba ny 1947: Lasa
adihevitra goavana”. Faly aho tamin’ny nivoahan’io gazety io satria nisy
hovakiana aho sady niompana tanteraka tamin’iny raharaha iny rahateo ny
ankamaroan’ny takelaka tao anatiny. Manaraka izany dia hitako ihany koa fa
vetivety ihany ny gazety dia lany teny amin’ny fivarotana azy. Midika izany fa
liam-baovao ny olona, nefa etsy ankilan’izay dia azo heverina ve fa izahay
nividy gazety tamin’io andro io dia tena tsy niraharaha ny andro na tsy
niraharaha ny tantara nodiavin’ny firenena malagasy? Adihevitra atsangako
sahady ny amin’iny aloha.
Faharoa manaraka izany, sady mifampitohy tamin’ny lohateny
lehibe indrindra amin’ny gazety Taratra ihany, ny fiezahan’andian’olona
hampiely ny hevitra tokony hanafoanana ny fankalazana ity 29 marsa ity. Io no
tena raharaha satria karazany sambany raha olona “mpitaky ny fahaleovantena” no
nihaviany. Olona iray no tena nihetsiketsika nitondra ity hevitra ity dia ny
mpitarika ny Otrikafo Atoa Rajaonah Andrianjaka. Misy ihany koa anefa ireo
mitovitovy hevitra aminy. Mampieritreritra sy mampitodika hijery indray ny
fandehan’ny tantara. Tantara mbola mifamahofaho sy mifangaro tanteraka. Nisy
ireo voakaraman’ny mpanjanatany hampisy ilay korontana, hamotehana tanteraka ny
tolona tsy mitam-piadiana notarihin’ny MDRM. Nisy ihany koa ireo tsy nahandry
ny lalana manara-dalàna nataon’ny antoko MDRM ary nivonona ny handray fiadiana
noho ny likiliky tany anatiny tany. Voakendrin’ny voakarama ihany koa ireny
indrindra fa ireo miaramila malagasy nalefa tany amin’ny ady lehibe faharoa
tany Eoropa. Samy manana ny foto-pisainany ireo izay mety hifanohitra tanteraka
aza na samy mihevitra ny tenany ho tia tanindrazana aza. Nefa mihevitra ny
andaniny fa mpamadika ny ankilany.
Misy kosa olo-tokana izay noahiahian’ny mpitolona
(mitam-piadiana sy tsy nanaiky hitam-piadiana) maro ho voakaraman’ny
mpanjanatany dia Ravelonahina Edmond izany. Tsotra ny antony: Rangahy io no
nahafantaran’ny mpanjanatany fa nisy izany fikambanana miafina VVS izany
tamin’ny 1913. Nefa dia izy ihany koa no nampihorohoro ny tany amin’ny faritra
sasany tany atsimo atsinanana fa tsy maintsy tanterahina ny fikomiana ny 29
marsa 1947 na ho inona na ho inona mitranga, ka izay tsy miady dia heverina ho
mpamadika tsara vonoina. Nanery olona tamin’ny alalan’ny fanambanana basy
mihitsy aza izy indraindray. Tsy ho afa-manameloka na oviana na oviana izay
nandray fiadiana (lefona) tamin’izany fotoana izany anefa aho satria izay no
noheveriny fa mety sy noheveriny fa baikon-dRaseta sy Ravoahangy ary
Rabemananjara lohan’ny fitolomana. Raha raisina ohatra ny fitoloman’ny mainty
tany Etazonia dia toy ny tolon’i Martin Luther King sy Malcom Little tsy
nanaiky ny anarany ka nanova azy ho Malcom X izany. Ny vokatry ny tolona no
ahafantarana izay nahombiazana kokoa na nandamoka tamin’ny tolony.
Araka ny tsinjo avy amin’ny tsy firaharahian’ny olona ity
fifidianana izay ho mpanolontsainam-paritra ity dia vitsy dia vitsy ny olona
nandeha nifidy androany alahady. Somary hanao azy karazana tantara aho. Ny
maraina dia nampidirina hiteny avokoa ny solontenan’ny radio nanerana an’i
Madagasikara. Nilaza ny fivohan’ny birao tamin’ny fito ora maraina avokoa izy
rehetra. Dia nambara taorian’izay ny hatsaran’ny andro. Ny hany naningana dia
ny filazan’ny solontenan’i Nosy Boraha (Sainte Marie) tamin’ny fitenenana fa
mbola ny kara-pifidianana teo aloha ihany no nampiasaina satria tsy nifidy Ben’ny
Tanàna izy ireo tamin’ny fifidianana farany iny.
Tonga ny atoandro dia niverina niteny solontenan’ny radio
tamin’ny faritra sasany ankoatra ny nihainoana ny tenin’ny filoham-pirenena avy
nifidy teny Faravohitra. Ny nitovizana dia ny nanadinoana ny taham-pandraisana
anjara tany amin’ny faritra samihafa tany. Nidika avy hatrany io fa vitsy ny
nandray anjara tamin’io fotoana io ary karazan’ny nahazo baiko ireo solontena
ireo tsy hiteny io taha io mihitsy.
Ny hariva tamin’ny enina raha nanontany mpikambana tao
amin’ny biraom-pifidianana ny solontenan’ny RNM dia namaly io fa eo ho eo amin’ny
30% eo ho eo io taham-pandraisana anjara io eto amin’ny fokontany misy ahy.
Kapotandroka fotsiny izany fa raha birao telo no misy eto dia 19% no taha tamin’ny
birao roa raha 17% kosa izany tamin’ny birao iray.
Mbola tantara hafa indray ny amin’ny fandresen’ny TIM izay
tsy nisy mpifaninana satria tsy nisy akory ny biletan’i Malala Savaron tao amin’ny
birao. Na izany aza dia nifaninana ihany ny vato fotsy sy ny TIM tamin’ity
indray mitoraka ity na dia nanana tombony kely aza ny TIM. Raha natao
fanentanana be izao ny vato fotsy no sady noraisina ho vato manankery dia mety
ho hafa mihitsy ny fivoakan’io valim-pifidianana io. Raha manodidina ny 120
isaky ny birao manko ny vato azon’ny TIM dia manodidina ny 80 kosa ny vato
fotsy madio mangarangarana.
Sambany aho no tsy nifidy mihitsy hatrizay nisian’ny
fifidianana nananako zo hifidy izay. Tena tsy nazoto mihitsy aho, angamba noho
ny fiavahany mba tsy nandehanako namonjy birao andro alahady. Tsy nisy lanjany
tamiko mihitsy manko izany hifidy mpanolotsaina izany nefa ny lehiben’ny
mpanantanteraka dia hotendren’ny fitondrana foibe. Hanao ahoana tokoa re raha
hoe ny mpanolotsainan’ny filoha no hofidiana fa hanendry tena amin’ny
fanohizana ny asa ny filoham-pirenena e?
Marihina indray mandeha fa efa ao amin’ny lahatsoratra
talohan’ity ny filazalazana ny momba an’i jentilisa.
Raha mbola lamaody aty amin'ny tontolom-bolongana ny mitagataga dia ny mamoaka sary maro kosa, na manokana pejy manokana sary ranofotsiny no lamaodin'ny gazety amin'izao fotoana izao. Na izany fihetsiketsehana ara-java-kanto, na toy ireny tondra-drano na rivodoza ireny dia misy hatrany ny pejy manokana amin'ny sary. Misy aza mba mahita zavatra hafahafa dia avoaka ihany koa. Toa tahaka ny latsa-danja mihitsy ny gazety rehefa tsy maro sary. Ny mahasamihafa azy fotsiny dia misy ny sary mainty sy fotsy ary misy ny miloko.
Vaovao hafa manaraka dia namoaka gazety amin'ny teny malagasy ihany koa ny Madagascar tribune. Inona ny vaovao no anarany. Ariary zato, miarahaba azy aho na dia hitako tampoka fotsiny aza satria dia teny Soarano no nahitako raha niandry azy aho tany an-tanàna. Angamba mbola vitsy ny natonta.