Fanatsarana ny tanàna

2007-04-17 @ 07:16 in Andavanandro

Karazany aty indray moa no mitohy ny fitantarako tany amin’ny andavanandron’Iarivo tany. Efa kendreko ho iray ihany moa raha azo atao ny blaogy atorako na dia be dia be aza ny zavatra tiana ampitaina. Efa nolazaiko tany moa fa be ny ezaka ataon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao. Ankehitriny dia efa vita tsara ihany koa ny fanavaozana ny zaridaina nasolo ny Lapan’ny tanàna may eo Analakely.

Nohavaozina tokoa satria tsaratsara kokoa noho ny zaridaina voalohany ny endriny ao no sady fenofeno kokoa. Milahatra tsara ny voanio ambolena amin’ny andaniny sy ny ankilany. Fenofeno kokoa ny zaridaina no tena maitso aok’izany ny ahitra. Azo lazaina fa tena reharehan’ny tanàna tokoa ny mahita azy. Na izany aza dia nasiana fefy zavaboary ihany koa io zaridaina io. Raozy no natao fefy. Mbola tsy misy vonikazo moa ilay raozy ka tsy fantatro izay lokony fa ny tsilo miranirany aloha no efa hita. Miaiky aho fa tena karazana artista na mpanolokolo zaridaina mihitsy no nahavita io zaridaina io. Fa ilay fakantsary moa dia tsy ananako mihitsy sady tsy misy mampihena ny vesany koa na mahazo aza noho ny tsy fananana logiciel e ! 

Rehefa vita io zaridaina nasolo ny Lapan’ny tanàna io dia ny zaridaina eo Analakely indray izao no hasiam-panamboarana. Izany hoe ho an’izay mahalala ny tsangambaton-dRalaimongo dia manomboka eo ka hatreny amin’ny Carole fleuris na Librairie Saint-Paul no dingana hatsaraina eo afovoan-tanàna. Efa voafefy hazo mihitsy moa ireo zaridaina roa ireo. Mino sy manantena aho fa ho tsara sy hifanahaka amin’ny zaridaina hatao amin’ny ilany atsinanana amin’ny zaridaina mamakivaky an’Analakely iny. Na izany aza dia tsy ny afovoantanàna ihany tsy akory no karakaraina toy izany fa na dia ny sisiny ihany koa aza tsy adino velively. Amin’iny lalana anoloan’ny Cenam iny na ny andaniny na ny ankilany dia ho gaga hahita ny zava-maitso amin’iny faritra iny. Vita ny zaridaina na dia mbola endriky ny ahitra ihany aza no mandravaka azy (tahatahaka ny zaridaina voalohany teo amin’ny lapan’ny tanàna ihany). Ny hazo ihany ka moa milahatra tsara fa misy voanio ihany koa eny an ! sady tena zavaboary fa tsy nataon-tanàna toy ny taloha intsony. Ho an’izay mandeha mijerijery tanàna moa no tena mahatsikaritra izany fa izay variana amin’ny fahasahiranana moa ho jamba tsy hahita izany e ! Amboarina tahaka izany ihany koa moa ny sisin-dalana amin’iny Amboniloha miakatra ho any Ivandry iny. Mbola eo ampanombohana moa ny Kaominina ka aleo aloha ho hita tsara ny vokatra.

Calumet lasan’ny Magro 

Farany dia tsy mifandraika amin’izany fa tsikaritra kosa dia lasan’ny Magro izany ilay tany nanorenana ny toeram-pandihizana Le Calumet eo Antanimena. Efa vita ny trano mbola tsy reko ny amin’ny fitokanana ny trano. Raharaha be teto amin’ny tanàna moa ity Le Calumet ity ho an’izay nanara-baovao tany alohabe tany. Ny nanamelohana ny tompony dia tahaka izao: Ny vola malagasy ratsy efa tokony potehina no naodiny ka nanaovany zavatra hafa ka anisan’izany ny fananganana ny Le Calumet. Mino indray aho amin’izao fotoana izao fa tsy maintsy ho avy ny fanadihadian’ny mpanara-baovao te-hahalala ny fomba nahazoan’ny Tiko group ity toerana ity. Na izaho koa aza moa te-hahafantatra toraka izany koa.

Fiangonana ho Mosquée?

2007-04-16 @ 10:23 in Finoana

Tsy aiza tsy aiza ity fa eto Antananarivo renivohitry Madagasikara ihany. Tsy angano na habobo fa mbola eo ampanorenana aloha. Efa rentsika ihany angamba fa hanorina fiangonana ny Fikambanana Apokalypsy eto Madagasikara. Eo Vinany Itaosy ho hanorenana azy raha sitrapon’Andriamanitra. Misy zavatra vitsivitsy nanaitra ahy nahatonga ahy hanoratra etoana.

Voalohany, ny endriny ankapobeny : raha jerena tampoka dia Mosquée no hitanao saingy ny tafo no ranombolamena tahaka ny Mosquée d’Al Aqsa ao Jerosalema. Andeha atao hoe mitovy endrika amin’ny fiangonana lehibe an’ny Ortodoksa ihany koa saingy be varavarankely be velarana toy ny fahita eny amin’ny Toeram-pivavahan’ny Silamo hitako eny Ankorondrano mihitsy. Tsy maintsy ho taitra ny tena raha mahita izany ka te-hijery ny zavatra manaraka ihany koa. Efa malaza fa ho lehibe fahatelo manerantany no eritreretin-dry zareo ary ho lehibe indrindra eto Afrika moa izy io. Mahatratra 135m ny halavany sy 42m ny hahavony ary eritreretina hahatafiditra mpivavaka 15.000 eo ho eo izy io, ny sakany moa maherin’ny 40m ihany koa saingy tsy mahatsizoro manko ilay izy fa miendrika roazodafy hafahafa izay ka asa izay ho fivoakany rehefa tena izy.

Misy rihana roa ity trano eritreretina haorina ity ary ny any ambony indrindra dia eritreretina hisy faritra ho fiantsonana angidimby anankiroa (Héliport). Manaraka izany, eritreretina ho parking na fiantsonan’ny fiarakodia mihoatra ny telonjato ny farany ambany. Tsy mikiraro ny miditra ao fa misy efitra ho fitoeran-kiraro fotsiny…ho heno ao izay manam-pofon-tongotra androany…fa hisy toeram-panasan-tongotra eo ampidirana. Io manko no nahataitra ahy faharoa, dia toy izany indrindra ny any amin’ny Mosquée ry zareo a ! saingy noho ny hevitra hafa izay mifandraika amin’izany no anton’ny tsy ampidirana kiraro io fiangonana io : Tsy dabilio no ipetrahana ao fa lafika mihaja, moquette.  Raha tombanana fotsiny amin’izao dia saiky ny fomba any amin’ny toeram-pivavahana Silamo no ho tsikaritrao ao anatin’izany fitantarana izany (fa maninona koa ary raha mba asiana sary ?). Saingy efa fantatsika ihany fa lafo dia lafo ny vidin’ny hazoala ankehitriny sady raha dabilio sahazo olona 15.000 izany tena ho goavana be ny fandaniana. Ho sahirana ny olona hitorevaka nefa atao ahoana moa ? Marihina eto ampamaranako ny lahatsoratra fa tsy mifangaro ny lahy sy ny vavy rehefa mivavaka ao amin’ity antokom-pinoana ity.

NIsy nikasa hamono hoe?

2007-04-14 @ 11:08 in Politika

Ambaran’ny gazety rehetra izany teny nambaran’ny Praiminisitra Charles Rabemananjara sady minisitry ny atitany izany tamin’ny fanambarana navoakany ho an’ny mpanao gazety omaly. Izany fikasan-dratsy izany dia saiky notontosaina ny alin’ny 3 hifoha 4 avrily lasa teo izany hoe ny alina mialoha indrindra ny fitsapa-kevi-bahoaka ary tany amin’ny trano fonenana mihitsy. Somary nahavaka ny maro ihany ilay filazana : folo andro taty aoriana manko vao nolazaina izany toe-javatra izany. Nifanindry ihany koa tamin’ny fotoana nivoriana sy nanaovan’ny mpanohitra fanambarana ihany koa ilay fotoana. Ary andron’ny Zoma faha-13 no nanaovana azy izay ananan’ny sasany finoanoam-poana na tahotra manokana moa.

Resaka politika moa izy ity ka tsy maintsy mizara ny hevitry ny mpanara-baovao. Be ireo mitaky ny amoahana ny sarin’ireo nosamborina na tratra tamin’izany heloka izany na dia tampenana aza ny masony ho karazana porofo fa tsy ho zavatra foromporonina fotsiny ao anatin’izao toe-draharaha izao. Fa ny mahavariana dia niakatra tampoka teo ny adi-hevitra hanohanana na hanoherana ny filoha Ravalomanana. Ny fanakianana sy ny fiarovana moa no tiako lazaina amin’izany adi-hevitra izany. Zavatra tsotra ihany no ambarako etoana ary karazana vaovao ihany koa moa.

Tsy fantatro izay nambara any anaty gazety any ary tsy nahavaky teny ny momba io raharaha io loatra aho aloha Tamin’ny Asabotsy 7 avrily atoandro lasa teo dia nidina tamin’iny Tranoprinty Imarivolanitra (Fjkm) iny aho  no nahatsikaritra ery ampita atsinanana ery Faravohitra misy ny tranofotsy ipetrahan’ny filoha Ravalomanana indrindra trano lavalava vao atsangana. Tena mifanila amin’ny tranon’ny fianakavian’ny filoha mihitsy io trano vao amboarina io. Lavalava ilay trano fa tsy hoe avoavo tsy akory.

Talanjona aho vantany vao nahita io trano vao aorina io. Vao novidian’ny filoha kosa angaha ny tany hanorenana ny  tranon’ny mpiambina azy, hoy aho nanontany tena anankampo. Nefa dia ho sarotra dia sarotra ny fiarovana amin’izay fotoana izay. Ho maromaro ny olona hanao ny trano, izay mifanakaiky loatra amin’ny tranon’ny filoha satria tena mifanolo vodirindrina araka ny fiteny. Hiasa mafy sy ho henjana kokoa izany ireo mpiambina azy mandra-pahavita ny trano. Tsy maintsy arahi-maso hatrany ny fasika sy ny fitaovana hafa ampidirina ao anatin’ny faritra fandrao misy zavatra mampiahiahy. Na izany na tsy izany tena mampidi-doza be amin’ny fiarovana ny filoha io fanorenan-trano io. Kanjo moa dia misy ity filazana hikasa hiditra amboletra sy hitifitra ity. Mety ho tsy mifampiditra ny resaka saingy hitako fa tena ho marefo mihitsy iny faritra iny mandra-pahavitan’ny trano, araka ny eritreritro izay tsy havanana loatra amin’ny resaka fiarovana.

Sarangotra

2007-04-13 @ 08:38 in Kolontsaina

Amin’izao fotoana izao moa dia misy ny fihetsiketsehana momba ny sarimihetsika malagasy. Fantatry ny rehetra fa miroborobo tokoa ity sehatra ity amin’izao fotoana izao na dia tsy azo atao aza ny mampitaha azy amin’ny an’ny frantsay na indrindra ny amerikana. Sakay malaho sy havozo, hoy ny fitenenana izay, ka samy manana ny hanitra ho azy.

 

Hevero anie ny sarimihetsika avoakan’i Bollywood any India. Tsy dia betsaka na dia mety hisy aza no hahalala izay sarimihetsika avoakan’ity faritra ity. Nefa dia tena mahazo vola tokoa ny mpilalao sarimihetsika amin’ity toerana ity. Inona ny antony ? Betsaka ny karana ary zavatra mifandraika amin’ny zava-misy na foto-pisainany no tena mivoaka any. Manana ny tsenany izy izany ary ny karana ihany koa anisan’ny mponina betsaka eto ambonin’ny tany. Tahatahaka izany ihany koa ny sarimihetsika malagasy fa tsy tahaka ny an’ny amerikana tiana halaza manerana izao tontolo izao. Marina kosa fa tena vitsy ny malagasy sy ny mahay teny malagasy ary mametra be dia be ny sarampandaniana amin’ny fanaovana sarimihetsika iray izany. Io matetika no antony ahenoana hoe roa volana dia vita ny sarimihetsika iray.

 

Tahaka ny nofinofy kosa izany hanafika ny tsena tandrefana izany afa-tsy hoe tandrefana no mpanatontosa ny tantara ary mifanaraka tsara amin’ny tontolo sy fisainana na kolontsaina tandrefana no avoaka na farafaharatsiny manintona olona maro ny zavatra avoaka. Nefa raha hanintona ny tandrefana ataoko fa ny horonantsary fanadihadiana no tena mety amin’izany fa tsy ny horonantsarimihetsika ilalaovana kosa.

Izaho aza mahatsikaritra fa raha misy oronana somary tsaratsara izay vitan’ny firenen-kafa na iza na iza ka hitan’ny Amerikana US iny dia tsy ho iny sarimihetsika iny mihitsy no alefany any Etazonia fa amboariny indray mandeha iny. Manao sarimihetsika hafa mihitsy izy nefa dia iny tantara iny mihitsy no averiny. Angamba tsy tiany loatra ilay fihetsiky ny molotra sy ny teny tsy mifanaraka loatra. Isika mpiteny amin’ny teny hafa moa dia miaritra mihaino fotsiny rehefa tsy maharaka ny fihetsiky ny molotra.

 

Sahala amin’ny an’ny rehetra ihany koa ny sarimihetsika malagasy. Misy noho ny fananany fitaovana fotsiny dia te-hamoaka izay vetsovetsom-pony ka maharikoriko mihitsy ny mijery azy. Misy kosa ny miezaka hampakatra ny sandan’ny vita malagasy ary ankasitrahana ny zavatra ataon’izy ireo. Dia misy karazany toy izany tokoa na dia ireo sarimihetsika ampidirina hisafidianan’ny olona aza. Ao anatin’ity fihetsiketsehana miaraka amin’ny rta ity no hisafidianan’ny olona izay sarimihetsika tsara, sy mpilalao mendrika ary mpanatontosa mahafatra-po, izaho avokoa no mametraka izany anarana izany fa teny frantsay moa no tena hanaovana azy amin’ny teny hoe meilleur.

Sarimihetsika sivy no isafidianana ary mpilalao vitsivitsy tsy ary ho tadidiko anarana aby no tena arahimaso. Ny hany fantatro moa dia ry Volatiana, ry Mija ary ry Akomba mazoto. Tsy hampita vaovao loatra no tena tiako atao fa ny hiteny izay tsikaritro fotsiny. Misy mandritra ny fanodinana no tsy miova akanjo mihitsy ny mpilalao (poabasy intelo) nefa misy hoe iray volana aty aoriana sy herintaona aty aoriana. Misy ny tsy mety tsara ny sary na ny feo, mazava loatra sy migobogobona fotsiny. Ao moa ny vao manomboka fotsiny ny tantara dia efa fantatra sahady ny farany. Io moa dia noho ilay hoe sarimihetsika malagasy e ! atao misy fananarana izany matetika. 

Fa ny sarimihetsika notontosain’i Volatiana sy nilalaovany hatramin’izao aloha no hitako hoe mety indrindra na dia manana ny lesoka ihany koa aza izy io. Io sarimihetsika io moa no nataoko lohateny eto. Ohatra : lasa nivoaka ny efitrano fihinana tsy nandoa vola i Tiavina (Volatiana) rehefa nihetsi-po be loatra. Misy ny sehatra tokony ho fohifohy kokoa no nohalavaina amin’ny tsy misy dikany. Be loatra ny fihinanana na fisotroana, tahaka ireny sarimihetsika frantsay ireny e ! na izany aza dia misy ihany koa ny tombo ananan’ity sarimihetsika ity. Tsy nampoizina ny fiafaran’ny tantara ka nahatonga ny sasany niteny hoe tsy tiany fa tsy misy tsoakevitra loatra. Tsy voatery no ny tsara hatrany manko no « mandresy » amin’ny farany na atao hoe tsara fiafara ny tantara. Notontosaina tany amin’ny tanànan’i Toamasina ity sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe sarangotra ity ary niafara teto Antananarivo ihany. Farany tsy zaza loatra aho ka hitantara aminareo izay fiafarany tao.

Nalahelo ny mpanao taozavatra

2007-04-12 @ 09:39 in Toekarena

Ataoko fa mahatadidy ilay hatezeran’ny filoha Ravalomanana isika tamin’ny varotra fampirantiana natokana ho an’ny mpanao asa tanana malagasy Salama iny. Nampanantena ny handoavana ny saram-panofana ny tranoheva moa ny filoha tamin’izany fotoana izany saingy mandraka ity androany toa tsy hita izay tohiny. Nanomboka tamin’iny fotoana iny ihany koa dia tsy nisy intsony ny Salama araka ny fitadidiako aloha. Nanao ny azy manokana amin’izay ireo mpanao asa tanana ireo.

Ny anarana entin-dry zareo ary rehefa miaraka mampiraty ry zareo dia antsoiny hoe Showgasy. Nandritra iny herinandron’ny Paska iny no nihetsiketsehan-dry zareo ary tao amin’ny kianjan’i Mahamasina ambadiky ny Tribune ry zareo no mampiraty ny vokatry ny asa tanana. Maimaipoana ny fidirana amin’izany fa tsy mba tahaka ny « varoboban’i entana sinoa » antsoina amin’ny teny mahazatra hoe Grande Braderie andrombahana ny friperia avy any ivelany izay Ar1000 ny fidirana.

Na dia izany aza dia tsy liana mihitsy ny olona, angamba noho ny fahenoana ny anarana fotsiny hoe Malagasy, fa dia mitovy hoy ny mpikarakara ny isan’ny vahiny sy ny Malagasy mitsidika ary ny zavatra mora entina ihany no vidian’ny olona. Izany tokoa ve no mahamasaka ny fiheverana hoe ny mora tsy mba tsara ka aleo ny mora an’ny vahiny toy izay ny maimaipoana an’ny Malagasy ?

Mety ho diso paika ihany koa angamba ny mpanao taozavatra. Rehefa tsy ny varotra eo no ho eo no azo dia tsara kokoa raha mitady fifanarahana maharitra handefasana ny entana, na handafosana ny entana no ilofosana ka rehefa tsy taitra ny Malagasy dia aleo ny vahiny ihany no ho mpanjifa e ! aleo ampitsiriritiny amin’ny vokatry ny tena ihany izay tsy mbola mahatsapa ny hasarobidin’ny asa  voakaly nataon’ny Malagasy.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2024 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox