Resy tsy miady! mandra-pivoaka izay mety ho fanitsiana!

2021-10-19 @ 23:29 in Ankapobeny

Efa nosoratako any amin'ny tambajotran-tserasera any fa am-bolana aho izao no tsy manaraka vaovao mijery fahitalavitra. Rehefa dinihina dia ahitana vaovao haingana ny media sosialy na mety hisy fitongilanana sy tsy feno aza. Etsy ankilany dia toy ny zava-mahadomelina ihany koa io rehefa ijanonana ela loatra ao aminy ao, satria sarotra ny ivoahana avy ao rehefa mahatsikaritra fa lava ny fotoana nolaniana tao.

Ny nanaitra izao dia ny filazana fifampidinihana teo amin'ny mpitondra fanjakana sy ny mpitantana ny CFFA izay ekipa vao haingana saingy efa nisolotena an'i Madagasikara sahady eo amin'ny sehatra baolina fandaka afrikana. Iray amin'ny nampalaza azy ny nandraisany ny lokon'ny antokon'ny mpitondra. Niadian-kevitra teo amin'ny tontolon'ny mpankafy io ny amin'ny tsy tokony hampidirana politika ny fanatanjahantena.

Rehefa resin'ny Interclube avy ao Angola tamin'ny isa 0 sy 3 tao Mahamasina ny CFFA dia nanambara ny 19 oktobra 2021 fa hanambara ny ekipany ho "forfait" amin'ny lalao miverina. Nilaza kosa ny mpitondra fanjakana fa hanamboarana kianja manara-penitra ao Atsimondrano ny vola saika hampiondranana ity ekipa ity. Tezitra avy hatrany ny maro tamin'ireo nahazo ny vaovao hoe ahoana ity resy tsy miady ity, io ekipa io ve ilay nolazaina fa asolo ny Barea? Toe-tsain'ny mpanao fanatanjahantena ve izany? Efa nisy ny lalao nanan-tantara teo amin'ny baolina fandaka fa mbola afaka miady tsara amin'izany isa izany na dia hoe resy an-trano aza.

Iray amin'ny nahatonga ny resabe manko, ary izay no mety ho nandraisany ny lokon'ny mpitondra fanjakana, fa tokony ho roa ny solontena malagasy (tompondaka sy fiadana ny amboara) fa tonga dia tsy nandray anjara ny ADEMA satria tsy manambola ho enti-miatrika izany lalao iraisampirenena izany. Ity ekipan'i CFFA ity kosa indray nahazo fanohanana avy amin'ny mpitondra fanjakana fa... "mbola latsaka be ny haavom-pahaizan'ny ekipa" ka aleo milamina tsy manafika any Angola intsony. Be no mihevitra fa potika hatrany izay lalovan'ny politika ary tsy afa-miala amin'izany ny CFFA. Lesona ity sy ho fampahatsiahivana fa nisy izany toe-javatra izany.

Ny zavamisy dia mbola tsy afaka mihitsy ny baolina fandaka eto Madagasikara (tsy miresaka Barea aho eto) noho ny tsi-fetezan'ny rafitra fampidiram-bola ao aminy ka mampiankina azy amin'ny politika toy izao mitranga izao. Tsy mametraka mangarahara ny fivarotana tapakila sy ny vola azy avy amin'izany ary manjaka amin'ny sehatra iva loatra ny vola. Tsy tafiditra anaty rafitra ny baolim-pokontany izay mahazo olona sady maimaim-poana ny fijerena izany lalao izany. Fomba fitantanana tsy ho lasa lavitra mihitsy izany. Raha te-hampandroso ity taranjan'ny baolina fandaka ity dia tsy maintsy mijery ny rafitra fampidiram-bolan'ny ekipa sy ny ligy mbamin'ny federasiona mihitsy hahazaka tena fa raha mbola tsy mihevitra izany dia aza manantena vokatra tsara na hikarakara taniketsa sy katita aza.

Tsy ho mora mihitsy ny handresy an-dRajoelina

2021-10-17 @ 21:31 in Ankapobeny

Manoratra etoana aho, tsy tiako ny hanoratana azy ity any amin'ny tambajotra sosialy fa ny ho tahiry amin'ny zavatra hitranga rahatrizay no antony ametrahana azy eto. Rehefa hisy ny adihevitra dia any no ilazana azy fa raha any amin'ny tambajotra sosialy any ho very anjavony vetivety satria izay manaraka politika ihany no mety hamaky fa ny hafa tsy hiraharaha.

Tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny taona 2018 aho dia gaga mahita ireto olona avy amin'ny fokontany sy kaominina mifanila amin'ny anay. Misesisesy ry zareo manao fôtôkôkia ny kara-panondrony. Dia nisy ny nanontaniana fa tsy namaly mazava fa hoe misy ilaina azy fotsiny. Nisy ihany anefa ny nilaza ny antony ary niangavy mba tsy holazalazaina loatra, na dia mahafantatra aza ilay olona fa mpanohana an-dRavalomanana aho sady misy afisin-dRavalomanana rahateo ny varotro. Misoratra anarana ao amin'ny filohan'ny Mapar ao amin'ny fokotanin-dry zareo ry zareo fa handrotsa-bato ho an-dRajoelina ary dia omena valisoa ihany koa avy eo.

Nandalo tao amiko ihany koa io filohan'ny Mapar io fa ny mba hahazoan'ny fokontaniny tombondahiny no antony voalohany nanentanany ny mponina ao aminy hifidy Rajoelina. Voalohany amin'izany ny fangatahana hanorina tetezana iray tena ilain-dry zareo. Angamba nahare ny fisisihanay nanontany ny antony hanaovana fôtôkôpia no nahatonga azy nandalo. Efa mpanentana hatramin'ny andron-dRatsiraka izany olona izany.

Rehefa nandeha ny fifidianana ary dia nandresy be tao mihitsy Rajoelina, ary raha ny kaominina Ambohimanga Rova nisy azy aza dia tena nitarika lavitra Rajoelina. Azo heverina fa mety hisy fitoviana amin'ilay fokontany nolazaiko ireo fokontany telo hafa mifanila aminay izay avy ao amin'ny kaominina io.

Ny kaominina Anosy Avaratra misy anay izay mifanila aminy anefa dia Ravalomanana ihany no nitarika na dia niha-ety kokoa aza ny elanelam-bato satria ny ilany andrefana amin'ny fokontaninay dia nifanintsana ny isa azon-dRajoelina sy Ravalomanana (mba tsy ilazako hoe saika nitarika ry zareo). Nanana mpanentana na mpitarika olona matanjaka maromaro ry zareo amin'io faritra io. Ny faritra hafa amin'ny fokontany anefa dia mitovy amin'ny salanisam-baton'Antananarivo renivohitra ny salan'isan'ny roa tonta. Raha ireto mpanentana iray fokontany amiko ireto dia heveriko fa tsy hampandalo ao amiko mihitsy ny hanaovana fôtôkôpia tahaka ity amin'ny fokontany nolazaiko ity satria heveriny fa mety ho sahiko ny hamaky bantsila am-bava ny zavatra hitako. Tadidiko tsara fa nisy namboly korontana tao ivelan'ny biraom-pifidianana minitra iray monja talohan'ny fanisam-bato saingy efa voafehin'ny filohan'ny biraom-pifidianana mialoha ny zavatra azo natao sy tsy azo natao mandritra ny fanisam-bato ka dia tsy nisy ny fikorontanana tanaty birao na dia nifanaritaka aza ny tao ivelany tao.

Fa inona moa no antony nanoratako izany zavatra lava dia lava izany?

Amin'izao fotoana izao dia nahazo tosika fameno dimy alina ariary (50.000Ar) mandritra ny dimy volana avokoa tsy nisy adino ireo olona nandefa ny fôtôkôpian'ny karapanondrony tao amin'ilay fokontany notantaraiko. Dia nolazain'ilay nitantara ihany koa fa tsy misy misitraka na iray aza ny avy amin'ny fokontany misy anay satria Ravalomanana no nandresy taty aminay. Izany hoe raha toa ka nisy (tsy fantatro na nisy na tsy nisy) ny fomba fiasa mitovy tamin'ny nataon'ity fokontany ity tamin'ny fokontany nisy anay dia tsy mahazo na inona na inona ry zareo satria resy teto amin'ny fokontany misy anay (tsy hay ihany koa ny kaominina!) ry zareo.

Dia lasa ny saiko, ary raha toy izany avokoa moa amin'ireo faritra sy fokontany rehetra eto Madagasikara ny zavatra mitranga dia ahoana? Voararan'ny lalàna ve ny zavatra toa izany? Efa tsinjon'ny lalàna ve izany? Mariho mazava tsara fa tsy sisi-bola any ambadika no nanomezana vola ireo olona ireo fa ambara tsara hoe "tosika fameno" avy amin'ny fanjakana.

Ka raha izany no zavamisy sy tsikaritra dia hohelohina ve ireo nahazo tosika fameno ireo raha mbola handrotsa-bato ho an-dRajoelina amin'ny fifidianana ho avy? Nahazo vola avy amin'ny fanjakana ry zareo fa tsy hoe avy amin'ny Mapar, nahazo mivantana izy fa tsy hoe tombontsoa iraisan'ny besinimaro. Ho mora ve ny handresy lahatra olona nisitraka zavatra toy izao manerana an'i Madagasikara? Mazava amin'izao fa misy antony tsara matoa dradradradraina ho toy ny asa goavana ny fitokanana lalana iray tsy ampy roa kilaometatra vita tsara mba entina ilazana fa nahavita be teto amin'ny firenena izy ary nisy niditra ihany koa tany am-bilany.

Asa raha takatrareo ny tiako lazaina fa efa mipetrapetraka tsara ny lamina hampandresy azy indray amin'ny fifidianana manaraka fa anjaran'ny tsirairay ny mihevitra sy mikaroka fomba fampandresena hafa mifaninana amin'izany sady mahatonga ahy hanao ilay lohateny hoe: "tsy ho mora mihitsy ny handresy an-dRajoelina"

Mahay ny mpitondra, fa tsy amin'izay eritreretinao

2021-09-26 @ 21:03 in Ankapobeny

Matetika aho no te-hanitsy hatrany ao amin'ny media sosialy ao fa tsy vendrana mihitsy ny mpitondra amin'izao fotoana izao. Lazaina ho tsy mahalala ny laharam-pahamehana sy izay tokony atao alohan'ny zavatra iray izay ataony. Ho sasa-poana amin'izany anefa satria mety hiovaova ny olona iresahanao dia tsy hahare na hahavaky izay efa nolazainao na nosoratanao. Ny blaogy ihany no ahafahana mitahiry izay nosoratanao rehefa tsy foana ny mpitahiry votoaty.

Tena mahay mihitsy ry zareo, amin'ny fomba fakana vola sy ny lazaina ho fandaniana azy, saingy tsy izay lazaina anao na ilay werawera hakana ny fon'ny olona mbola hifidy azy amin'ny taona 2023 na dia ho valim-pifidianana efa vita pasoka aza no tena tanjona. Asaina misaritaka sy mifanantsam-bava ny olona fa ihomehezany fotsiny izany satria tsy hahitana izay tena katsahiny. Rehefa tsy voakitika sy tsy azo atao na inona na inona izay katsahiny dia tsy raharahany ianao. Iza no afaka manakana azy haka izay tiany halainy na dia ny vahoaka aza no hibaby ny trosa avy eo? Tsy ho atao lava intsony fa dia fehezina hoe tena mahay ny mpitondra, ary mahazo vola amin'ny fomba tsy ahafahanao manenjika azy mihitsy. Raha voasakanao ny tanany tsy haka izay tiany alaina no ho fahavalony ianao ary tsy ho afa-maina... fa tsy hisy hahasakana azy amin'izany.

Ataoko fa efa nanoratra mitovy amin'izao aho, fa tsy maninona izany. Fanamafisana!

Ireo fahadisoana nampahantra an'i Madagasikara (1)

2021-08-20 @ 23:46 in Toekarena

Tsy hiditra any amin'ny fanjanahantany aho fa izay hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena ihany no raisiko. Hevitro ihany no mivoaka eto ka azon'ny mpamaky lavina. Asaina koa ny mpamaky hamakafaka raha mba mitombina sy azo raisina ihany ny zava-boasoratra eto.

Fahadisoana voalohany ny fanesorana ny karatra isan-dahy. Tsy maintsy mandoa karatra avokoa, izany hoe tsy maintsy mandoa hetra avokoa ny lehilahy rehetra tamin'izany fotoana izany, satria ny lehilahy no miasa sy mihary ao amin'ny ankohonana. Tsy maintsy aloa izany satria izay ihany koa ny ikarakarana ny sosialin'ny olona ary nahafahana nanaovana maimaimpoana ny fitsaboana sy ny fampianarana hatrany amin'ny tanàna kely lavitra andriana any.

Naninona no nesorina ny karatra isan-dahy? Tsy ampela-tanana ny lahatahiry fa izay sendra voavaky tamin'ny ranty na boky ihany no nahafahana nakana tsoa-kevitra. Satria tamin'ny voalohany dia isan'olona lehilahy no nampandoavan-ketra ary azo savaina mihitsy ny olona miakatra an-tanàna raha nahaloa ny hetrany... dia iny koa no nahatonga ny anarany ho karatra isan-dahy.

Misy anefa ny olona tsy mihevitra ny hiakatra an-tanandehibe ka tsy manahy ny ho voasava karatra, maro amin'ny Malagasy ihany koa no mametraka ny harenany amin'ny biby fiompy ka ny malaza indrindra amin'izany dia ny omby. Tsy maintsy mitady vola hampiodinana ny raharaham-panjakana anefa ny fitondram-panjakana dia nisy ny nahita hevitra hoe maninona ihany koa raha asiana hetra ny isan'omby? Izany hoe hetra miankina amin'ny haren'ilay olona io. Ny fahazoako ny tantara no nahafahana nihevitra fa tsy nanaiky io fampidirana hetra miankina amin'ny harena io ny mpiompy ary voalohan-daharana amin'izany ny any atsimon'i Madagasikara. Izay ihany koa no nikomian'ny olona tany niaraka tamin'ny MONIMA nahatonga ny Avrily 1971.

Rehefa nandray ny fitondrana ny Jly Ramanantsoa ka ho fakana ny fon'ny olona dia ny "karatra isan-dahy" no nofoanany voalohany indrindra. Noho ny fakàna ny fon'ny olona dia ny fidiram-bolan'ny faritany (mbola province no niantsoana azy tamin'izany) natao hikarakarana ny vahoaka no nesorina. Io ilay fahadisoana voalohany. Fomba ahoana no ahazoana mampihodina ny raharaham-panjakana nefa nofoanana ny fidiram-bola ho amin'izany?

Koa fepetra voalohany mba hahatonga ny olona ho tompon'andraikitra tsy maintsy manana adidy eo amin'ny firenena dia ny famerenana io karatra io ka tsy isan-dahy intsony fa isaky ny olon-dehibe na efa nisazy na tsia. Toy ny karatra miaraka amin'ny kara-panondro. Tsy mahazo miditra tanandehibe, tsy mahazo mivezivezy eo an-tanandehibe rehefa tsy nandoa hetra sy tsy manana ny karatra entina manaporofo izany. Mazava loatra fa ny mpiasa amin'ny orinasa dia ny orinasany no mikarakara ny karatry ny mpiasa ao aminy, mahalala ny IRSA, ary amin'izay fotoana izay ny mpiasa tena  mahatsapa fa voaloa tokoa ny IRSA rehefa mahazo ny karany izy fa tsy zary soratana eo amin'ny taratasin-karama fotsiny.

Miharihary ny voka-dratsin'ny fanafoanana ny karatra isan-dahy. Anisan'ny mahery indrindra dia ny fiheverana fa afa-tsy mandoa hetra rehefa "kely karama", na misy toe-tsaina hoe tsy tokony handoa hetra satria kely ny vola miditra amiko. Izaho manao hoe na iza na iza, tsy misy anavahana, rehefa amin'ny fotoana tokony hiasany dia mila mandoa ny hetrany. Na dia ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo aza dia mila mandoa na dia mety hisy fampihenana aza rehefa mitozo amin'ny fianarana sy afaka fanadinana fiakaran-dingana ianarana, fa mitovy amin'ny olon-kafa rehetra raha vao tsy afaka fanadinana fiakaran-kilasy.

Miala ho azy amin'izay fotoana izay ny kivelombelona sy ny katsentsitra fotsiny satria ireny indrindra no maha-borona ny firenena.

Manaraka izany, efa misy ny hetra alaina amin'ny trano fa ilaina ihany koa ny fisian'ny hetra alaina amin'ny fiara (na miasa na tsy miasa), hetra amin'ny maha-harena lehibe azy fa tsy amin'ny maha-miasa na tsia azy. Io fiantohana amin'ny fiara rehetra io tokony ho fidiram-bolam-panjakana fa tsy fidiram-bolan'orinasa tsy miankina mahatonga ny fitenenana hoe "vol autorisé" (halatra nahazoana alalana). Amin'izay fotoana izay tsy "assurance" intsony no takiana miaraka amin'ny taratasin'ny fiara fa ny "hetra" naloa taminy isa-taona, atao arakaraka ny heriny (CV) sy ny haben'ny vesatra zakany (entana sy olona). Dia safidy sisa ny fanaovana na tsia izany "assurrance" izany. Ny nahavariana ahy tamin'ity toe-javatra ity, izay mahatsiaro no mahalala fa nisy hetra nalaina tamin'izany fahitalavitra izany tamin'ny Repoblika faharoa, satria mbola rendrarendra no niheverana azy tamin'izany... fa ny fiara ve tsy nisy hetra rehefa tsy natao itadiavam-bola?

Tsy tokony hahamenatra ihany koa ny fitakiana hetra amin'ny fikambanam-pivavahana na inona na inona ary lafo kokoa izany ho an'izay tsy manana trano raikitra naorina hanaovana izany fivavahana izany, fa tsy manofa aman'olona na orinasa na fikambanana hafa satria misy ny te-hitango vola vetivety fotsiny. Mazava loatra fa tsy maintsy manana fitantanam-bola mangarahara ny fiangonana na fikambanam-pivavahana fa tsy kobokobonina samirery any. Mazava loatra fa raha misy fikambanam-pivavahana iray mijoro eo amin'ny firenena na eo amin'ny faritra (kaominina sy fokontany) dia omena fe-potoana izy amin'ny fananganana trano ivavahany.

Tsy voatery noho izany ny isam-batan'olona, fikambanana, orinasa, sns hitady tombombarotra fa rehefa misy fidiram-bola na dia rakitra aza dia efa andoavan-ketra iny izay. Amin'izay fotoana izay manan-jo ny rehetra hitaky ny tamberin'andraikitra tamin'ny hetra naloany ary tsy maintsy manana kara-ketra avokoa na iza na iza, hatramin'ny fikambanana isan-karazany.

Hevitro iray amin'ity lohahevitra andiany voalohany amin'ireo fahadisoana nampahantra an'i Madagasikara satria ny vola fitady ary herim-po fanary, tsy hisy ny kisangisangy sady efa misy rahateo ny teknolojia (QR Code,...) ahafahana manamarina ny karatra tsirairay. Tsy maintsy hisaina amin'ny maha-olondehibe azy ny olompirenena ka tsy hisy intsony ny hihalangalana amin'ny andraikitra tokony horaisiny.


Sioka telo manamarina sinema

2021-08-09 @ 21:11 in Ankapobeny

Raha ninia tsy niresaka Apollo 21 ny Filoha Mamim-bahoaka nandritra ny kabariny dia mety ho resy lahatra ihany aho fa tsy sinema ilay zava-nitranga. Fa satria noresahany ilay izy mba hilalaovana ny fihetseham-pon'ny mpihaino dia tohin'ilay "drama" tiana hampiesonana vahoaka ilay izy amiko.

Vao maika indray niampy ireo sioka telo... diso andro... satria mbola tsy nandeha akory ny fotoam-pitsarana dia efa dradradradraina ho fanonganam-panjakana. Tsy misy mpiresaka ny fankalazana ny faharoa taona ny RMDM hotontosaina ao amin'ny Magro Behoririka. Fa any ny saiko raha vao nahita ireo sioka teo aho. Hotontosaina rahampitso manko izany. Izaho manokana tsy mihevitra izany hahazo olona, noho izy ao anaty ora fiasana.

Fa tsy azoko ho'aho ireo antso ataon'ny filoha mamim-bahoaka ireo, vao maika mametraka hoe tena ao anaty krizy mihitsy koa ry zareo raha manao antso tahaka izany. Toa ireny hoe hisy ady hitranga ireny. Sa ve tohin'ilay lazain'ny gazety iray fa fandroahana tsy nisy hatak'andro ny mpanolo-tsaina voalohany amin'ny Kaonsilà Jeneralin'i Frantsa ilay izy?

Ireo sioka telo


1/3 Je condamne avec fermeté tous les agissements qui portent atteinte à la sureté de l’État et la tentative de coup d’État qui a été préparée depuis des mois à #Madagascar.
Notre pays a besoin de paix et de stabilité pour avancer et se développer.


2/3 J’appelle tous les Malagasy à faire preuve de solidarité et d’unité lorsque la souveraineté nationale est menacée.


3/3 Nous avons confiance dans notre justice. Les investigations sur ces faits graves sont en cours. Elles doivent se faire avec sérénité et en toute indépendance.

Izaho kosa raha manao antso, dia hoe ampitao mivantana amin'ny fahitalavitra sy ny radiom-panjakana TVM/RNM ny fotoam-pitsarana mha hahitan'ny olona ny fandehan'izany fitsarana izany ary mba hitandrina ihany koa ny mpitsara fa tsy hoe atao any amin'ny takona dia manao didim-pitsarana baikon'ny mpanatanteraka.Efa nampiharina teto Madagasikara ny toa izany tamin'ny Repoblika faharoa dia mba ilaina ampiharina hany koa.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2024 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox