Dia miverina ve?

2007-04-11 @ 09:25 in Ankapobeny

Mahatsikaritra ve ianareo fa tena mivoatra be ny fijery ny blaogy.com? izaho ihany koa dia mahatsikaritra izany. Tsy mahalala loatra ny amin'ny resaka teknika aho aloha fa izay mahafinaritra kosa no lazaiko etoana e! Mety ho misy ny zavatra mahasosotra ato tsy ho vitany (mbola tsy hitako aloha) fa na ny endrika miseho hitanareo na ny endrika ato amin'ny fanoratana ato dia mahafinaritra avokoa. Hita tokoa ny fiezahana ataon'ny mpikarakara koa dia isaorana indrindra.

Ataoko fa tsy mitsanga-menatra mihitsy isika Malagasy mahita izao ezaka ataon'ny mpikarakara ny serasera.org izao. Maniry indrindra mba hitohy izao ezaka izao ary tsy ho kivin'ny mety ho fahasahiranana isankarazany isika. Koa asakasakareo izay tsy te-hanandrana aloha fa lasa ato indray aloha no tena mahafinaritra ahy e!

Antananarivo mibilaogy 3.0

2007-01-06 @ 17:43 in Ankapobeny

Efa nanoratra teto aho ny amin’ny fihaonan’ny mpitoraka blaogy nirian’I JoGanY ary notontosaina teto Antananarivo. Efa rentsika fa tao amin’ny Karibotel Papangoo tamin’ny Zoma 06 janoary 2007 io fihaonana io. Nisy ny olona tonga ary na ny tsy nampoizina aza dia tonga tao ihany koa.
 (tohiny)

Malagasy Kopia

2006-11-17 @ 17:56 in Ankapobeny

Androany no andro nifanarahana fa hijery ny Malagasy any amin’ny faritra misy azy any ny tsirairay mpitoraka blaogy ho an’izay nifanaiky ho amin’izany. Nanaiky ihany koa aho ka ataoko ho adidy ny fanekeko ny hanoratra ny momba ny malagasy ihany koa. Malagasy mipetraka eto Madagasikara aho ary tsy mieritreritra izany ho any Andafy izany. Tarazo avy amin’ny fianakavian’ny raiko aloha io. Ny avy amin’ny reniko indray dia ny zanaky zokiny vavimatoa no naningana, be manko ny mizaka zom-pirenena frantsay tamin’ny fianakavian’ny vadiny ka be ny maniry ho any amin’izany Andafy. Ny ankoatra izay dia mieli-patrana eran’ny Madagasikara ny taranaka.

 (tohiny)

Nanao ahoana ny fety?

2006-06-27 @ 03:40 in Ankapobeny

Miarahaba antsika rehetra aloha nahatratra sy nahadingana iny fetim-pirenena iny indray. Samy mifaly avokoa na ny olona na ny gisa na ny vorontsiloza. Ny olona satria na dia mafy aza ny fiainana dia atao hatrany ny fety. Ny gisa sy ny vorontsiloza satria be no tsy tratry ny fahafatesana noho ny tsy fisiam-bola handaniana ny amin'izany intsony. Vao haingana rahateo no nankalaza ny pentekosta ny maro (ho an(ny kristiana) ka handany vola sahady indray ve. Dia miverina amin'ny asa aman-draharaha indray aloha na dia mbola variana amin'ny baolina hatrany aza ny loha. Ka nanakory sy nanakory avy moa izany ny fetintsika rehetra ity?

fihaonan'ny bloggers Antananarivo!

2006-04-29 @ 02:33 in Ankapobeny

Tontosa soa aman-tsara ny fihaonana izay nanasan'i Tattum ireo mpitoraka bilaogy teto Antananarivo. Raha tsy dia nazoto loatra aho ny handeha tamin'io fihaonana io dia lasa ihany noho ny fiangavian'i Ravakamalala izay tsy mba afaka. Teo ihany koa moa ny nahitan'i Tattum ny filazana izay nataoko teto ka raha izaho izay nilaza teto indray no tsy tonga dia mba hafahafa ihany. (tohiny)

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2024 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox