Antsirabe

Eto indray isika dia mahita ny faritra kanto ahafantarana an'Antsirabe ihany koa. Iny lalana manamorona manatona an'Antsenakely avy any amin'ny biraon'ny kaominina iny no tena maro fa hitanao ihany koa ny Akademia ny antsika, Andraikiba ary ny toerana hafa izay mety tsy voalazako. Ho sondriana hatrany ianao ary izay mahalala dia hihoraka hoe itsy an'Anona e!

 
Fony mbola kely vao nigadona ny gara dia nangovitry ny hatsiaka matetika rehefa tonga eto Antsirabe. Mihomehy hatrany ny mpitsena rehefa mahita anao mivihivihy nefa ry zareo manao akanjo manifinify tsy maninona akory.
antsirabe 000.jpg
Ankehitriny kosa tsy maintsy fiara no andehanana mankany. Ity ilay toerana nandrodanana avy hatrany ny tranon'ny olona nefa tsy nandalo fitsarana akory. Tsy nahazo tambiny hoe ireo olona noravana trano na dia ariary aza. Tsy mampinoizany zavatra henoko izany. Ny any Antsirabe no aoka hanamarina na handiso izany vaovao henoko izany.
antsirabe 001.jpg
Eto hono no antsoina hoe jardin d'amour na sahan'ny fitiavana. Ny eo anoloan'ny residence kosa no atao hoe jardin des problemes na sahan'ny olana. Inona angaha ny antony?
antsirabe 002.jpg

antsirabe 003.jpg

antsirabe 004.jpg

antsirabe 004a.jpg
oadray! noadinoiko nynaka ny sarin'ilay sahan'ny olana eto amin'ny toerana hakako sary eto. Ny antsony ilazana azy hoe zaridainan'ny olana? manafosafo saoka matetika nyolona rehefa eto! mahatsikaritra zavatra ny gasy e
antsirabe 005.jpg

antsirabe 006.jpg

antsirabe 007.jpg

antsirabe 008.jpg

antsirabe 009.jpg

antsirabe 010.jpg

antsirabe 011.jpg

antsirabe 012.jpg
Fanahy inian'ity sipakely ity ny nalaina sary ka! alaiko sary manokana ianao an!
antsirabe 013.jpg
 
1 2 3  Manaraka»
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2024 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox