Antsirabe

Eto indray isika dia mahita ny faritra kanto ahafantarana an'Antsirabe ihany koa. Iny lalana manamorona manatona an'Antsenakely avy any amin'ny biraon'ny kaominina iny no tena maro fa hitanao ihany koa ny Akademia ny antsika, Andraikiba ary ny toerana hafa izay mety tsy voalazako. Ho sondriana hatrany ianao ary izay mahalala dia hihoraka hoe itsy an'Anona e!

 

antsirabe 028.jpg

antsirabe 029.jpg

antsirabe 030.jpg

antsirabe 031.jpg

antsirabe 032.jpg

antsirabe 033.jpg

antsirabe 34.jpg

antsirabe 035.jpg
 
«Mialoha   1 2 3
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2024 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox