Fanehoana ny safidim-bahoaka amin'ny 2 septambra 2009

2009-08-31 @ 22:02 in Politika

Tsahotsaho fotsiny eto amin'ny aterineto no nandrenesako fa misy izany fanangonan'olona hanatrika ny fotoanan'ny TGV izany ao Mahamasina amin'ny alarobia 02 septambra 2009, dia hoy aho hoe  raikitra amin'io fotoana io indrindra izany ny fanehoana ny safidim-bahoaka fa i Andry Rajoelina no ho filoha hitantana ny tetezamita iraisana ka tsy misy miala amin'ny toerany ny efa tafapetaka rehetra. Dia mihoraka am-pifaliana milaza izany fandresena goavana izany ny mpanohana azy. Efa nanomboka tamin'ny fitsenana ny PHAT teny Ivato saingy voahelingelin'ny zava-nitranga tamin'ny mpitarika ny delegasionan'ny mpanohana an'i Marc Ravalomanana moa io fitsenana tokony ho nakotroka io. Ary dia amin'io 02 septambra 2009 io no sady faradoboka iantsoana ny mpanohana azy haneho ny safidiny ho hivoaka ho mpandresy ay hatrany ry zareo rehefa mirava ao amin'ny kianjaben'i Mahamasina.

Na ahoana na ahoana, na tsy endrika demaokratika mihitsy aza ny fampitahana ny isan'ny olona hanatrika fivoriana ankalamanjana na eny amin'ny kianjabe, hijerena ny maro an'isa, dia tery ihany izay manana foto-kevitra hijoro amin'ireo ankolafiny "mandray anjara amin'ny fifidianana". Tsy maintsy hisy ny fanangonan'olona avy any amin'ny faritra hanabe isa ny mpiara-dia amin'ny tena. Efa nanao izany indroa miantoana ihany ny mpanohana an'i dada tamin'ny alarobia 11 febroary sy asabotsy 14 febroary saingy tsy nanakana azy velively tsy ho voaongan'ny miaramilan'ny Capsat izany. Ny Miaramila izay mbola mitana ny VETO aloha amin'ny safidim-bahoaka eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Fa na eo aza izany VETO ananany izany, tsy manakana ny hafa haneho ny safidiny loatra io.

Tsy misy fanentanana ity hoe mahaiza mifidy, tsy misy fandrotsaham-bato fa dia aseho amin'ny fandehanana any amin'ny fihaonana eny ankalamanjana ny safidy. Izay no tian'ny sasany hanaovana ny endri-pifidianana amin'izao fotoana koa dia aleo aseho azy ny fanehoana ny safidy e! milahatra eny amin'ny biraom-pifidianana vita ihany koa maninona raha mijoro maharitra eny amin'ny hain'andro moa, na raha mety dia mipetrapetraka? Izay tsy mandeha mamonjy eny moa dia efa manaiky izay rehetra mitranga eo no dikan'izany, sady hitako sarotra tarihina hankeny amin'ny kianjan'ny Magro rahateo ny mpandala ny ara-dalàna ka ho afaka manararaotra maneho ny hamaroany ny mpanohana ny FAT amin'izao fotoana izao.

Izaho moa na dia manohana an'i Monja Roindefo ho filohan'ny tetezamita dia eny amin'ny Magro ny fanehoako azy raha manam-potoana aho. Hay tokoa moa tsy manana anjara loatra amin'ity fanehoana ny safidim-bhoaka amin'ny alarobia ho avy io ny mpiasa amin'ny ankapobeny? Eee! raha mba hataon'ny FAT andro tsy iasana moa io andro io noho ny maha-andro fanehoana ny safidim-bahoaka azy! tsaroako ao an-tsaina indray  irony famindrana ny androm-pifidianana ho andro alarobia tamin'ireny fanombohan'ny Repoblika fahatelo ireny! Tsiaro sisa izany ankehitriny fa io ataon'ny ankehitriny amin'ny fomba ankolaka io.



jentilisa, talata 01 septambra 2009 amin'ny 00:05 maraina


Manohana an'i Monja Roindefo ho filohan'ny tetezamita iraisana aho!

2009-08-28 @ 11:06 in Politika

Amin'ny maha-mpandala ny ara-dalàna ahy teo amin'ny tolona ka mahafantampantatra avy hatrany ny antony nanoloran'ny ankolafy Ravalomanana an'i Monja Roindefo ho filohan'ny tetezamita iraisana dia tohanako feno io tolotra io. Koa mandrisika indrindra ny praiminisitry ny FAT aho, izay tsy mitovy firehana aminy, handresy lahatra ny mpiara-mitolona aminy fa lalana tokana ahafahany mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ho avy io, sady efa ampy taona tsara izy ny hirotsaka, tsy mila fanamboarana ny lalam-panorenana izany. Manentana ny fikambanana samihafa hanohana io tolotra hanaovana an'i Monja Roindefo ho filohan'ny tetezamita iraisana io.

Ho antsika namana rehetra mpandala ny ara-dalàna tia maneho hevitra an-tserasera ihany koa. Saino kely ny tanjona ao anatin'io fanohanana ataoko io fa aza sendaotra be ihany. Fanavotana ho antsika io sady misy rahateo fomba fitenenana manao hoe: "Rava ny firenena miady an-trano". Aelezo izao fomba fanohanana izao fa ho hitantsika ihany ny tohiny. Mbola mila fanazavana indray ve ianareo? Ento amin'ny saina ho'aho ity politika ity fa aza entina amin'ny fo.

Vaovao farany: nanemitra ny seranam-piaramanidina Ivato indray ny miaramila miisa 20 eo ho eo, "mitsena" ny delegasiona avy any Maputo, indrindra fa Atoa Manandafy. Loharanam-baovao dia ny Radio Nasionaly Malagasy. Araho ny Twitter.


jentilisa, Antananarivo 28 aogositra 2009, 01: 10 atoandro

Iza no te-ho sefo sahala amin-dRalava Bodo na eo am-piandrasana an'i Maputo

2009-08-27 @ 08:13 in Politika

Fanamarihana voalohany, tsy azo vakian'olona mora tohina. Fanamarihana faharoa: Aza avilivily ny eritreritra rehefa mamaky ny teny fa manahirana. Fanamarihana fahatelo: natokana ho an'ny tia miresaka politika amin'ny saina irery ihany, noho izany miangavy izay manao politika amin'ny fo hitsahatra amin'ny famakiana ny vakinteny ka isaorana amin'ny famakiana azy hatreto.

Mahagaga sy fa mahavariana  fa na dia liana amin'ny fahazoana vaovao avy any Maputo aza ny tena tsy mba mitaintaina akory fa mandray azy amin'ny alalan'ny kivazivazy zary tenany. Nahoana angaha? Rehefa nikatso ny fifampidinihana dia ity kivazivazy ratsy tsy firesaka am-pianakaviana ity no tao an-tsaiko koa miala tsiny miala fondro indrindra ho an'ny rehetra raha maro ianareo no ho tohina. Mifandraika amin'ny toe-java-misy amin'ny fotoana anoratana manko izy ity.

Niady izay ho sefo, hono, ireto singa samihafa tao amin'ity firenena iray antsoina hoe Olombelona. Raha miresaka hoe sefo aho eto dia tsy manivaiva na iza na iza fa resaka mba atao kosa ny antsika. Dia niteny, noho, ny iray antsoina hoe Ifu hoe: "izaho no sefo fa raha tsy velona aho tsy misy velona ianareo rehetra." Namaly izany kosa i Shain fa tokony izy no sefo satria izy no mipetraka amin'ny toerana avo indrindra ary avy aminy avokoa no iavihan'ny hevitra rehetra enti-mampandroso ny firenena. Nandresy lahatra kosa i Tan fa tokony ho izy no sefo satria izy no tena miasa indrindra. Tsy nampoizin'ny rehetra avy any kosa fa nibetroka dia nibetroka i Ralava Bodo hoe: "Mangìna daholo ianareo fa tsy maintsy izaho no sefo na tianareo na tsy tianareo." Anarana nomen'ny ray aman-dreniny azy io fa na lahy aza izy dia anaram-bavy no nomeny azy satria naniry vavy manko ny ray aman-dreniny tamin'ny bevohoka azy.

Nikakakaka daholo ny rehetra nandre izany trerona izany ka nanao hoe: "Dia ialahy ve letsy no hatao sefo? Mba mangina letsy fa tsy misy ilàna an'ialahy eo a!" Hay! rehefa izany ary dia hitokona tsy hanao na inona na inona aho dia ho hitantsika eo izay tena sefo amintsika rehetra. Dia nitokona tokoa ny anao lahy ka ny asa rehetra tokony ho nataony dia nangoniny teo amin'ny latabany fotsiny nefa tsy navelany hivoaka ny biraony ny asa rehetra. Tena nikatso tokoa ny raharaha. Nitohana avokoa ny asa aman-draharaha rehetra. Nanomboka narary ny toe-karena fa tsy noraharahiany mihitsy. Tsy misy na inona na inona mivoaka sy mandeha eto rehefa tsy izaho no sefo, hoy ihany Ralava Bodo. Nivoajamala tanteraka ny firenena Olombelona fa tsy mankaiza amin-dRalava Bodo izany.

Hitan'ny singa hafa rehetra ary fa tena tsy ho lasa izy ity ary tsy mifanaraka amin'ny sain'ny hafa ny fomba fieritreritr'i Bodo (misy koa ny manome anara-maneso azy hoe Koly ihany koa) dia nifanaraka ihany ny hafa rehetra hoe aleo omena an'ileiry ny fanononana hoe sefo fa tena manao izay tiany atao mihitsy ileiry sady tsy mitady afa-tsy ny antsoina hoe sefo izy. [nampiana: izany, hono, no nahatonga ny fiteny hoe "Manao Bodo Ngerona", noho ny fieron'i Bodo nitady ny fahefana antsoina hoe "sefo".]Mamerina indray aho hoe tsy ny sefo rehetra na ny antsoina hoe sefo rehetra dia tahaka izany fa mba tranga maningana fotsiny ity an-dRalava Bodo na antsoina hoe Koly ity. Farany, iangaviana izay hametraka hevitra rehetra tsy hisy hanompa na hiteny ratsy indrindra aza fady indrindra.

Angano, angano, à rire à rire, tsy izaho no namorona fa dia ny henoko faha-tanora no tantaraiko aminareo ihany koa. Fa dia maniry ny hivahan'ny olana izay tontosaina any Maputo ihany koa ny tena fa tsy maniry velively ny hisian'ny ady fifamonoana eto amin'ny firenena.


jentilisa, 27 aogositra amin'ny 10: 16

PS: Nikatso tanteraka ny fidirana aterineto tamin'izaho niditra fa dia kiry ihany koa ny ahy hivoahan'ny lahatsoratro.

Dinan'ny Tetezamita Maputo: zanatany amin'ny ahoana moa?

2009-08-22 @ 23:25 in Politika

Raha ny tena marina valin'ny hevitra iray any amin'ny vondrona mailaka serasera ity soratako etoana ity saingy navoakako bolongana no hitako metimety kokoa. Tsara ihany koa manko raha olona eto an-toerana no mamaly ny resaka fa rehefa Malagasy any ivelany matetika mahazo tsiny lazaina ho be petra-kevitra hatrany. Miaina eto Antananarivo aho, noho izany tsy very loatra amin'ny andavanandro politika eto Madagasikara.

Ny niandohan'ny adihevitra moa dia ny ao amin'ny andininy faha-36 (Charte de la Transition) manao hoe:

Titre  VII – Du  suivi  international
Article 36
La communauté internationale, témoin et garante des engagements pris dans le cadre de la Charte de la Transition, est appelée à appuyer le processus de transition, y compris l’organisation des élections
.

Araka ny dika nataon'Atoa Andriamihaja Solonavalona ihany sy ny heviny avy eo dia hoe:

"Ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena izany no mpanara-maso sy miantoka ny fampiharana ireo asa sy antsipiriany mikasika ny fananganana ny Tetezamita (mariho tsara : ny Tetezamita voalaza eto dia ny Tetezamitan’i Maputo fa tsy ny Tetezamitan’ny Malagasy, ilay Tetezamita nateraky ny 17 Marsa 2009 sy ny Tolom-bahoaka 13 May : eto dia misy fifanjevoana sahady ary ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena no mamaritra ny Tetezamita hodinihina dia ny an-dry zareo).

Eo amin’ny lafin’ny lalàna, rehefa miantoka dia tompon-kevitra sy tompon’andraikitra amin’ny raharaha atao : raha tsorina dia ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena no mifehy ny fitantanana eto Madagasikara fa tsy ny Fanjakana malagasy sy ireo rafitra ao aminy intsony. Ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena izany dia manao lalàna eo ambonin’ny lalàna tapahin’ny Firenena malagasy, izy no mibaiko, mifehy, mitantana ary mihevitra ho tsy misy Fanjakana mijoro eto (Tsy misy filazana mihitsy na indray mandeha aza, tsy misy fanononana ny teny hoe : Fanjakana malagasy na Fahefana Avon’ny Tetezamita na Governemanta malagasy ao amin’ireo antontan-kevitra rehetra notapahina tany Maputo ! Mahagaga izany).

Tsorina ny resaka fa tsy ahodikodina : miverina amin’ny fomba feno hafetsena ny fanjanahan-tany, toy ny miverina ho « Protectorat » i Madagasikara, toy ny tamin’ny taona 1895 – 96 : very tanteraka ny maha firenena mahaleotena ny Firenena malagasy, very ny fiandrianam- pirenena.
Porofon’izany, amin’ny andininy hafa ato amin’ny Fifanarahana dia voalaza fa hametraka masoivoho maharitra monina eto Antananarivo ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena."

Izay no nosoratany tao amin'ny vondro-tserasera iray. Amin'izao fotoana izao manko dia te-hitsipaka mafy ny fifanarahana tany Maputo ny ankolafy sasantsasany manohana an'i Andry Rajoelina indrindra fa heveriny ho fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena malagasy io andininy 36 io ka anadinoany ny manaraka manao hoe:

Article 37
En cas de non-respect par l’une ou l’autre des mouvances signataires des engagements souscrits au terme de la présente Charte, l’assistance de l’Equipe Conjointe de Médiation pour Madagascar sera sollicitée.

Koa satria moa te-haneho ny mariky ny fiandrianam-pirenena izy dia apetrany mazava tsara ny tsy tokony iverenan'i Andry Rajoelina intsony any Maputo, hanatontosa ny fikaonandoham-pirenena, ary hijoro amin'ny maha-mahaleo tena azy, hoy manko izy :"Ny fijoroan’ny Firenena Malagasy amin’ny maha firenena mahaleotena azy, manana ny fiandrianam- pireneny no takiana amintsika, Fanjakana efa mijoro io ary efa ekena ny fisiany eto Madagasikara".

Hamaly tsikelikely araka izay takatry ny lohako aho ary hiezaka ny tsy hanaratsy olona velively:

Voalohany: Faly tena faly ny tenako nahita ilay filazana nataon'ilay mpanoratra izay mpanohana mafana fo ny TGV hoe :"Tsy misy filazana mihitsy na indray mandeha aza, tsy misy fanononana ny teny hoe : "Fanjakana malagasy na Fahefana Avon’ny Tetezamita na Governemanta malagasy ao amin’ireo antontan-kevitra rehetra notapahina tany Maputo ! Mahagaga izany". Izy tenany dia mahalala tsara fa tsy manaiky ny ifandraisan'ny lazainy ho Fanjakana Malagasy mijoro amin'izao fotoana noho ny fanonganam-panjakana nataona miaramila mitam-piadiana indrindra indrindra ny tamin'ny 17 mars 2009 tao amin'ny Episcopat amin'ny firenena vahiny hafa ny mpanelanelana Afrikana. Tsy misy ary tsy hisy ny fanohanana rehefa mikiry handeha irery na mitady hifehy samirery ny familiana ny tetezamita izay mandalo izy. Koa raha mihevitra ho mahavita ny fanantanterahana ny tetezamita tokoa izy dia "Tohizo ny lalana", diso aho: Ataovy izay tianareo atao fa aza atao kosa izay hahatezitra ny olona ka hifotitra aminareo sy ny kiribiby ataonareo.

Faharoa: Mazava loatra fa heverina ho tsy misy antony avokoa ny zavatra rehetra efa natao sy kasaina hatao toy ny fihaonambem-pirenena (2 - 3 Avrily 2009), fikaonandoham-paritra (30 Mey - 3 jona 2009), ny Fifanarahan'ny Panorama ( 1 Aogositra 2009, Sa moa ireny dina voasonia tany Maputo ireny ka lasitra avy tao amin'ny dinik'i Panorama io avokoa ny 80%? Ny mahavariana manko dia mbola nolazaina tao amin'ny RNM hatrany tamin'ny vaovao atoandron'ny 22 aogositra 2009 fa io fifanarahan'ny Panorama io no fakan-kevitry ny GIC amin'ny fanelanelanana izay ataony). Efa nandaniam-bola sy fidiram-bola ho an'ny mpikarakara azy manko ny fivorivoriana tahaka ireny ka tsy mahagaga raha manangam-bovona ny voatendry hikarakara ny fikaonandoham-pirenena izay efa tokony hanomboka ity herinandro ity. Nibaiko mihitsy aza hanemorana ny Maputo II fa hampandrosoana kosa ny fikaonandoham-pirenena. Izay ve ilay fiandrianam-pirennea very sa aiza ho aiza ilay izy?

Fahatelo: Malagasy samy Malagasy no nifanaraka tany Maputo fa tsy ny Malagasy no nifanaraka tamin'ny Afrikana. Vavombelona manasonia sy manara-maso ny ffanarahana ny solontena mpanelanelana iraisam-pirenena, noho izany tsy misy itovizany tamin'ny soniam-pifanarahana nifanaovan'ny Mpanjaka "nisolo tena an'i" Madagasikara andaniny tamin'ny solontenan'ny fanjakana frantsay na tamin'ny ady "Hova-Frantsay" voalohany na tamin'ny fananiham-bohitra nataon'ny Frantsay ka nitifirany tafondro an'i Manjakamiadana ankilany velively ny fifanarahan'ny samy Malagasy. Olondehibe nifanaiky ireo nanasonia ireo fa tsy nisy nambanana basy tsy akory nandritra ny fifanaovan-tsonia, afa-tsy raha hoe mahatsapa ny Ankolafy Rajoelina fa mbola tsy ampy taona hanasonia iny Dinan'ny Tetezamita iny ny solontenany. Tsarovy tsara anefa fa ny solontenany indrindra no nametraka ny "Charte de Valeur" milaza fa tokony hajaina ny nifanekena. Koa hanangana ankolafy fahadimy ary ve ry zareo?

Fahaefatra : Ny andininy faha 42 amin'ity Dinan'ny tetezamita ity dia mametraka mazava tsara fa (Article 42 La présente Charte de la Transition constitue la loi constitutionnelle de la Transition) ity fifanarahana voasonia ity no maka ny toeran'ny Lalampanorenana Tetezamita, koa raha mitady hiala amin'ity fifanarahana ity ireo olona ao amin'ny ankolafy sasany dia mbola mametraka ny tenany hatrany ho "mpanitsakitsaka ny Lalampanorenana" ary mametraka ny hafa izay manaiky sy te-hampihatra ny Dinan'ny Tetezamita ho "mpandala ny ara-dalàna". Dia lasa manontany aho hoe tsy manaiky hofehezin-dalàna mihitsy ve ry zareo fa heveriny ho jadona ny fampiharan-dalàna tsy mifanaraka amin'ny sitrapony?

Fahadimy : Mihevitra ny hoe any aminy ve ny hery mitam-piadiana ry zareo dia nikasa ny tsy hiraharaha izay voasoratra ao amin'ity Lalampanorenana vaovao ity? Kanjo rehefa tratran'ny hoe ny mpanelanelana iraisam-pirenena no manara-maso sy miantoka ny fampiharana izay voasoratra, fa tsy ny miaramila na ny fiarahamonim-pirenena izay mampiahiahy tanteraka ny filazany ho tsy mirona atsy na aroa, dia lazaina fa mitsabaka na manjanaka ireo natao vavolombelona manasoania ny fifanarahan'ny samy Malagasy ireo, fa tsy fifanarahan'ny Malagasy amin'ny vahiny velively? Mazava loatra fa tsy misy "Fianakaviambe Iraisam-pirenena manao lalàna eo ambonin’ny lalàna tapahin’ny Firenena malagasy,mibaiko, mifehy ary mitantana" izany aloha  hatreto. Ny anjara asa nankinina aminy no tanterahiny tahaka ny tokony hanatanterahan'ny rehetra ny anjara adidiny sy ny anjara andraikiny fa tsy mitady fialana bala atsy sy aroa.

Fahaenina: Tsy tokony ho olana mihitsy raha :"hametraka masoivoho maharitra monina eto Antananarivo ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena". Efa nomena asa izy ary nanasonia izany avokoa ny ankolafy efatra sa tsy azo ataon'ny firenena vahiny intsony ny mametraka masoivoho eto Madagasikara? Aza averina any amin'ny andron-dRanavalona Reniny ny tantara fa tsy midika velively hoe lasa zanatany Madagasikara i Frantsa raha manana Masoivoho any Paris isika Malagasy. Sa tsy tokony hanaraka ny lalàna iraisam-pirenena isika fa "manana ny fiandrianam-pirenentsika"? Aza mamarika an-kady ny firenena tahaka izany lahy fa mba manan-taranaka ihany.

Izao aloha no takatry ny saiko teo noho eo. Adihevitra no natao ary fotoanany izao hitsakotsakoana tsara ny zavamisy fa sao dia manao tendro-po tsy mba namana ny sasany ka lasa manaonao foana. Efa nopotehina tao anatin'ny volana vitsivitsy ny toe-karena ka fomba tahaka ny ahoana re no ahafahana tsy miankin-doha vetivety?


jentilisa, Antananarivo faha-23 aogositra 2009 amin'ny 01:27

Tetezamita: Nahoana no tsy hahazo fanampiana?

2009-08-21 @ 11:15 in Politika

Efa elalela tokoa no tsy namaham-bolongana araka ny tokony ho izy. Tsy lany resaka velively fa tsy te-hampisy fifandirana amin'ny fitadiavam- bahaolana hikatsahana ny tombotsoa ambonin'ny firenena. Nisy lahatsoratra eo andalam-pamitana saingy tsy notohizana na navoaka fa miandry ny tohin'ny toe-draharaha. Mihetsiketsika fatratra ny ankolafy Andry Rajoelina mba hitazonany ny seza efa azony amin'izao fotoana izao. Sady te-hitazona ny filohan'ny tetezamita no te-hitana ihany koa ny praiminisitra, sarotra dia sarotra anefa izany tinady izany raha mbola hifanaraka ihany koa. Tsy lazaina intsony ny hoe matoa nitady ny fifanarahana ka nanasonia ny Maputo I dia nitady ahaolana araka izay azo atao hampandeha ny tetezamita, tsy maintsy mitelina ny fitakian'ny fiarahamonina iraisam-pirenena. Raha nihevi-tena fa hahatantana samirery ny tetezamita manko tsy niditra velively tamin'izay fifanarahana na inona izany na inona. Rehefa tafiditra anefa dia sarotra ny miala satria vavolombelona manara-maso ny iraisam-pirenena.

Fa naninona ary no nanaiky hifanaraka e?

Tsy te-hanoratra lava aho fa hampitodika ny saina amin'ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy ho variana mijery ny foitran'ny tena eto Madagasikara fotsiny. Nanana ny lazany tamin'ny fotoan'androny fa izay mpitondra any amin'ny tany an-dalam-pandrosoana nahazo fahefana dia miezaka hatrany hanatevina ny fiarovana ny sezany. Vokatr'izany, lasa any amin'ny fividianana fitaovam-piadiana hatrany ny ampahany betsaka amin'ny tetibola ary dia tavela hatrany ny fampandrosoana sy ny fotodrafitr'asam-pampandrosoana. Ohatra amin'izany, teto Madagasikara nandritra ny tolona tamin'ny 1991 ireny, mbola nikafiry ny nijanona tao amin'ny lapan'Iavoloha ny filoha Ratsiraka tamin'izay fotoana izay. NIsy ny resaka an-jorony teo amin'ny samy olona. Nisy nanontany ity manamboninahitra iray hoe maninona raha tafihina ao ilay rangahy io? novaliany fa angamba roa ora ihany raha be ny fifampitifirana dia ho lany bala ny miaramila mpanafika. Nahoana? Tany Iavoloha avokoa ny ankamaroan'ny fitehirizana ny bala sy ny fitaovam-piadiana fa ambiny kely ihany ny any amin'ny toby hafa. Izany hoe ny misahana ny fiarovana ny filoham-pirenena no tena ary fitaovana sy voaomana amin'ny zavatra rehetra.

Tsikaritry ny firenena mba te-hanampy ihany izany toe-javatra izany ka notadiaviny ny fomba hampihenana ny fandaniana amin'ny fiarovana sy ny fitaovam-piadiana ka ny teo amin'ny fomba fanomezana fanampiana no nametrahany fepetra. Mba handefasana ny tetibola any amin'ny fampandrosoana dia tsy eken'izy ireo raha ny fanomezana ataon'izy ireo no hividianana fitaovam-piadiana. Ho takalon'izay kosa, satria eo ihany ny ahiahy amin'ny hisian'ny fanonganam-panjakana, dia mifanaraka ny firenena maro fa tsy omena fanampiana mihitsy izay firenena itrangana fiovana mpitondra tsy amin'ny alalan'ny fifidianana malalaka sy tsy misy hosoka, indrindra indrindra fa ny tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana mitam-piadiana.

Tsy mahagaga raha tsikaritry ny ankolafy Rajoelina fa tsy misy fanohanana ny fitondran'izy ireo mihitsy avy amin'ny sehatra iraisam-pirenena na hilaza fahazato faharivo eo aza izy fa izay no safidin'ny vahoaka malagasy rehefa tsy tamin'ny alalan'ny fifidianana malalaka sy tsy misy hosoka no nahazoanao ny fahefana. Mazava loatra ihany koa fa ny any amin'ny fikarakarana ny fifidianana ihany no hanampian-dry zareo ny fitondrana tetezamita iraisan'ny rehetra (mba fifanarahana ankolafy lehibe eto amin'ny firenena), ary tsy tokony hisy resaka fampandrosoana na fitokanana zavabita izany mandritra ny tetezamita fa tokony hiompana amin'ny fanomanana ny fifidianana ihany izany.

Noho izany raha mihevitra ny hahavita samirery ny famitana ny tetezamita ny ankolafy Rajoelina dia tsy mila manaja ny fifanarahan'i Maputo ary tsy mila mankany akory aza, fa raha mihevitra fa tsy mety ity raharaha ity raha tsy iaraha-mitondra sy ialàna amin'ny fifoteran'ny hatezeram-bahoaka ny ankolafy Rajoelina dia tsy maintsy mandefitra dia mandefitra na mihevi-tena ho manana hery sy ny fitaovam-piadiana aza.

Resaka hafa madinika: Milaza ho mampanao fifaninanana hiofana ho manamboninahitra tsy nanana asa afa-tsy ny nanongam-panjakana indray ny Akademia Miaramila ao Antsirabe, rehefa hitan'ny filoha Ravalomanana tamin'ny androny fa toa vava mihinana fotsiny no ilàna an-dry zalahy ireto sady efa tsy tsiambaratelo intsony ny fahalalàna fa ny zanaka manamboninahitra ambony ihany no voalohan-daharana tafiditra ao. Antony iray nahatezitra ny miaramila koa iny fanapahan-kevitry ny filoha tsy hampiditra miaramila manamboninahitra iny intsony. Mbola ampiana isa indray ve ireto kolonely efa an-jatony fanadiam-bola fotsiny ho an'ny firenena ireto? Tena maika ny hampiditra ny havany hitavan-karama mihitsy ry zalahy mpanogam-panjakana hitazonany ny hery sy ny fiadiana hiarovany ny sezany sy ny tombotsoany tsy azo tsikeraina e!



jentilisa, zoma 21 aogositra 2009 amin'ny 13: 17

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox