Hahazaka valin-kitsaka ve ny mpitandro ny filaminana?

2009-08-03 @ 12:40 in Ankapobeny


Fangaron-dahatsoratra vitsivitsy indray no alefa manaraka eto. Atao ahoana moa fa izay no mahazatra ny tena na dia efa mirona kokoa amin'ny famahanam-bolongana fohy (twitter, friendfeed) aza ny tena, sady manararaotra mandrisika anao hatrany hiditra amin'ireo tontolo vao haingana ireo, dia misy ihany ny ilàna lahatsoratra lavalava tahaka izay ataoko manaraka eto. Mazava loatra fa tsikaritra sy fomba fijeriko manokana no soratana eto fa tsy midika hoe hetahetam-bahoaka na hevitry ny vahoaka izay lazaiko. Mora manko ny mandainga saingy manimba fifampitokisana izany, sady sarotra dia sarotra ny hamerina ny fifampitokisana very.

Ny soratana voalohany ary dia izay lazain'ny lohateny aloha. Raha nandehandeha naka sary aho tamin'ny alakamisy 30 jolay 2009 nisy ilay raharaha fakantsary iny dia nihazo an'Analakely araka ny efa novakianareo. Raha nivezivezy tsimoramora ireo fiaran'ny FIS dia hitako misoritra amin'ny tavan'ireo mpijorojoro sy manan-draharaha ivelan'ny sehatra mpandoa hetra ny tahotra sy ny fahavinirana. Hafa dia hafa mihitsy ny fomba fijerin'izy ireo ny fiara mandehandeha. Ny resaka re ho an'izay sahy miteny ihany koa moa dia tena miandry kendri-tohina mihitsy hamelezana ny mpitandro ny filaminana ny olona. Ataoko fa efa fantatry ny sampam-pitsikilovan'ireny mpitandro filaminana ireny mihitsy ny hatezeran'ny olona sasany ireny nefa iniany mbola tsindriana hatramin'izao na dia miandry fotoana hiborahany aza ry zareo. Dia aza lazaina intsony fa tsy nampoizina ny zava-nitranga raha misy fipoahana "hatezeram-bahoaka" tampoka rehefa tonga izay fotoana izay. Dia aza gaga intsony rehefa sahy miatrika amin'ny mpitandro ny filaminana amin'izay ny olona indray andro any... ary tsy olona voakarama ireo.


Tsikaritra tany Alaotra

Tany amin'ny toerana vitsivitsy tany amin'ny faritra Alaotra iny aho tamin'ny herinandro fahaefatry ny volana jolay iny. Alaotra ilay lazaina ho sompitry ny vary, faritra mamokatra iankinan'ny toe-karena malagasy ihany koa. Tsara ny lalana any amin'ny ankapobeny ankoatra an'i Moramanga mankany Vohidiala izay azo iafiana ihany. Tsara dia tsara hoe iny lalana iny, na dia lalantany aza, teo aloha teo noho ny fikojakojana ny lalana fa vao haingana (am-bolana) izy no niharatsy toa io.

Raha mivezivezy any amin'iny faritra iny ianao dia ho gaga fa misimisy ihany ny olona no miakanjo t-shirt Ravalomanana nefa zara ianao raha mahita olona misalotra, na manao sarondoha na manao fehintanana loko laoranjy, ary tena mitady mihitsy ianao amin'io fotoana io sady amin'ny ankapobeny dia ny jiolahimboto ihany no ahitanao misy loko laoranjy amin'ny fitafiany any. Notsoahiko avy amin'io tsikaritra io fa eto Antananarivo sy ny manodidina no lamaody ny loko laoranjy fa tsy any Alaotra kosa.

Raha niresaka tamin'olona aho, tsy mahafantatra izay safidy politikako akory ry zareo fa dia misy ny sahy miteny avy hatrany fa na tsy hita mitolona aza izy (no tsy hita miakanjo Ravalomanana koa) dia aleony lavitra Ravalomanana no mitondra satria hita mipaka hatrany amin'ny misy azy ireo izay karazan'ny tany lavitra andriana ny nataony fa ireto mitondra ankehitriny kosa heveriny fa mangalatra no tena tanjony, araka ny fijerin'ny ankamaroan'izy ireo. Na izany na tsy izany, tsy nahita fivezivezena miaramila na zandary loatra aho tany ankoatra ny teo Vohidiala misy ny Silo.

Nisy zava-bitan'ny fitondrana teo aloha efa nihazakazahan'ny minisitry ny fitaterana ao amin'ny FAT Atoa Ranjatoelina Rolland notokanana tamin'ny 3 jolay eo ampidirana ho ao Ambatodrazaka dia ny fiatsonan'ny fiara zotra nasonaly izany. Mahafinaritra jerena avy hatrany ny toerana ary fantatry ny olona rahateo ny nanangana azy. Na izany aza, rehefa nojerena topimaso fotsiny dia tsy hitako izay misy ny toeram-pivoahana. Izaho aloha dia manitrikitrika fa raha te-hampiroborobo izany fizahan-tany eto Madagasikara izany dia ny momba ny fidiovana io hatrany no tena takiako manokana ny fikarakarana azy. Io manko no tena mahavoretra na mahadio ny tanàna araka ny fijeriko.
 

Serasera: Ariary zato ny iray minitra

Tany aho sady tsy nahita tele, tsy naheno radio, tsy namaky gazety, tsy nahalala solosaina ankoatra ilay fandalovana kely tao Ambatondrazaka, izany hoe tsy nahara-baovao toy ny teto Antananarivo; nefa rehefa tonga teto Antananarivo aho dia toy ireny nahara-baovao sahala amin'inona ireny raha vao nanokatra ny aterineto indray mandeha. Midika izany fa tsy misy fiovany loatra ny zavamisy eto Antananarivo. Ireo manana finday anefa dia manontany vaovao amin'ny olo-pantany tsindraindray eny ihany ary toy ny maharaka ihany izy ireo. Tsy miraharaha izay lazain'ny RNM sy ny TVM ny olona fa heveriny ho mandany angovo fotsiny ny fanarahana ireny. Misimisy ihany na izany aza ny manaraka RDB izay azo any an-toerana.

Fony izaho niezaka nijerijery tanàna tao Ambatondrazaka (nandritra ny iray andro) tao dia nijery izay ahafahana mijery aterineto ihany koa aho mazava loatra. Iray ihany no hitako tao (fa toa roa ry zareo no cyber ao fa tsy hitako ilay iray sady vahiny sambany ao nahita ny tanàna rahateo ny tena). Ninia mihitsy aho niditra tao hijery ny halakin-tserasera. Nanontany ny sanda aho dia gaga nandre hoe ariary zato ny iray minitra ary Arivo ariary ny sara farany ambany aloa. Mazava loatra fa tsy misy idiran'ny sarambambem-bahoaka amin'ny aterineto aloha raha amin'ity faritra ity. Nijery ary aho fa solosaina iray no maha-cyber ilay toerana. Mba 3G+ no ampiasainy fa lazaiko anareo: 15 minitra ny fotoana lany izany hoe 3000Ar ny sandan'izany nefa dia ilay soratra ao amin'ny twitter-ko iny ihany no mba vitany; tsy nahasokatra mailaka na dia iray aza aho no tsy nahasokatra vohikala hafa mihitsy. Mihevitra aho fa mbola fijaliana sy tena rendrarendra ho an'izay manana fahafaha-miserasera any aloha izany aterineto izany raha ny nanjo ahy no heverina.


Raha izaho no mpaminany?

Indray alina dia nanonofy aho tany amin'iny faritra Alaotra iny ihany. Tsy azoko loatra na nofy aloha io na fahitana ary tsy haiko izay ho fahamarinany any aoriana any fa dia ampitaiko ihany sao dia marina ilay izy ary tsy raharahako na dia diso aza satria nofy anie e! Voalohany ary dia nanonofy nijery tele aho ary nanaraka vaovao an-tsary. Tsy mbola fahitako ilay lehilahy nanolotra ny vaovao an-tsary. Nojereko ny logo ary dia gaga aho fa mbs ilay tele. Tapaka iny nofy iny fa nitohy avy hatrany tamin'ity manaraka ity.

Nijery karazana kilalaon-tsaina aho ary niezaka namaha olana. Hitako tsikelikely ny valiny tamin'ny teny frantsay saingy tsy vitako hatramin'ny farany tsara fa tahatahaka izao no hitako: Le Père Pedro (Opeka?) va être mis en vacance (ou va être révoqué?). Zavatra tsy eken'ny fisainana fotsiny izao izany valin-dalao izany saingy soratako ihany aloha. Omena safidy ve ity relijiozy katolika ity sa tena izay no izy? Azo heverina ho nisy toe-javatra henjana dia henjana nitranga aloha raha izany no "sanatria" tanteraka. Tapaka indray iny ary niditra tamin'ny nofy fahatelo avy hatrany indray.

Nijery praograman'hazakaza-tsoavaly PMU indray aho ary gaga fa nisy hazakazaka iray (mialoha ny farany) dia "écurie" iray avokoa no mpifaninana nefa maro dia maro ny soavaly nandray anjara. Araka ny fandikako ilay nofy dia hoe samy ao amin'ny hetsika TGV na ao amin'ny FAT amin'izao fotoana izao avokoa ny mpifaninana. Efa manakaiky ny 20 ny mpandray anjara nefa tsy azoko tsara fa toa tsy noraharahian'ny mpilalao (mpiloka) loatra ity hazakazaka ity fa ny hazakazaka farany no tena narahin'ny mpiloka na dia atsasa-manilan'ny mpandray anjara teo aloha aza ny mpandray anjara tamin'ity hazakazaka farany ity (toa zara raha nahatratra folo?). Ny nampiavaka ity hazakazaka ity dia ny nahatafiditra ilay jokey antsoina hoe Rahuit voalohany tamin'ny hazakazaka. Ireo tao amin'ny "écurie" voalaza teo aloha moa dia tany amin'ny faramparany no tena nifaninana. Nofy izany ry zareo ka nofy sady ririnina rahateo ny andro.


Ny kabinetran'i Madama

Hiverina eto Antananarivo indray aho. Andro fahatelo androany alatsinainy 3 aogositra 2009 nivoahan'ny fanambarana avy amin'ny "Cabinet de la Premiere Dame, Présidence de la Haute Autorité de la Transition, Ambohitsirohitra" (Sirohitra amin'ny ahoana moa?). Fanambarana fa misy ny olona mampiasa ny anaran-dRamatoa Mialy Rajoelina amin'ny asa fanararaotana sy fisandohana. Amin'io asa fanararaotana io moa dia fanodikodinana entana ilaina andavanandro no tena mahatafiditra ilay anarany araka ny voasoratra. Tsy tafiditra velively amin'io resaka io izy araka ny fanambarana. Ilay fisiana kabinetra moa dia efa nahavariana ahy satria sambany no nahitako fa manana kabinetra i Madama saingy ao anatin'ny fampandehanan-draharaha angaha ny amin'izay.

Ny fisiana fanambarana aloha dia manamarika avy hatrany fa malaza dia malaza ny fisian'ilay raharaha ary mety hanamaloka ny anarany rahateo. Ny tena malaza anefa dia tsy izy loatra no miditra amin'ilay raharaha fivarotana zavatra ilaina andavanandro fa tahatahaka izao manaraka izao: Ny rahalahin'i Andry (cousin) no mandraharaha, ny zaobaviny no mpanome ny "ordre de route" ary ny Capsat kosa no miambina ny entana mandrapahatonga any amin'ny mpamongady. Marihiko fa mitatitra ny tsaho malaza aho fa tsy milaza velively aho hoe marina izany. Tamin'ny voalohany dia nalaza ilay afera ary nisy ihany ny mpamongady no niditra, fa nivadika tampoka hoe ny miaramila indray mandeha dia maro indray no nisalasala. Fa ahoana moa? Tsy maintsy aloa mialoha manko ny vola vao alefa ny entana. Tsy naterin'ny miaramila tany amin'ny nandoa ny vola hoe indray mandeha ny entana fa nentin-dry zalahy nody dia ry zalahy ihany no nivarotra azy avy eo. Tsy sahy nitaraina sy nametraka fitoriana ilay mpivarotra hoe satria afera maizina rahateo no nidirana. Na izany na tsy izany dia malaza dia malaza, eo amin'ny tsaho tsy voatery ho marina nefa tsy voatery ho diso ihany koa, ho manao aferan-dafarinina tahaka izao ihany koa ny praiminisitra tetezamita ary ny tena malaza indrindra dia izany nanaterana lafarinina be dia be tao amin'izany mpanao mofo iray ao amin'ny manodidina an'i Mahamasina ao. Saingy araka ny averimberiko eto hatrany hoe tsahotsaho izany fa anjaran'ny mpanao famotorana no manadihady.


Laza adina BEPC

Nanana ny lazany tokoa ilay laza adina malagasy tamin'ny BEPC farany teo iny. Nandeha nankany ambanivohitra manko aho ny Zoma faran'ny volana jolay teo iny ary nandeha fiara fitaterana izay saiky tambanivohitra avokoa no mpandeha aminy. Nihevitra ary ity namana tandrenivohitra iray fa tambanivohitra no iresahina noho izany mora ny mandresy lahatra azy ireo. Tsy maninona mihitsy iny, hoy izy, fa zavatra azo atao tsara. Ny mety ho olana kely fotsny dia tsy tokony ho tany amin'ny taranja malagasy no nnovana azy fa tany amin'ny tantara. Tamin'izahay nanala BEPC tamin'ny 1978 aza resaka boky mena no nanadinana anay. Nisy nitsatsaingoka avy hatrany, efa misy telo taona izany fa ny an'ny tetezamita anie ka telo volana e! Azo antoka ve ny valinteny amin'izany? Nanome toky ranamana fa efa fantatry ny mpanadina ny fomba fitsarana iny laza adina manontany ny fampandrosoana vitan'ny fitondrana tetezamita iny.

Nifandrimbonan'ny niara-nipetraka taminy amin'izay ranamana. Ny ahy aloha raha izaho no anontaniana dia fandrobana sy fanonganana an-dRavalomanana no hitako voalohany. Nanampy ny sasany : sady hita fa be fialonana fotsiny ry zareo no tena marina. Nangina tsy nanohy ny resaka intsony moa izy rehefa hitany fa tsy nisy nitovy hevitra aminy loatra ny iray fiarakodia. Nitsahatra tsimoramora ny resaka dia nitohy tsimoramora ihany koa ny dia...



jentilisa, 3 aogositra 2009 amin'ny 14: 41

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2009 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox