Efa somary lavalava ihany ny lahatsoratra nosaratako saika havoaka no najanona satria nisy tranga be ifandraisana aminy nefa tsy mety atsofoka eny an-tsefatsefany eny intsony. Lahatsoratra vaovao noho izany no natao satria miova ny fomba hamoahana ny hevitra na lohahevitra mitovy ihany aza no lazaina.
Dia nisy, hono satria olona no niteny tamiko, haino amanjery iray sa vitsivitsy, nahenoana fa misy amin'izao fotoana izao bandin'i Manjakaray, 67ha (Ankasina), Andavamamba ary faritra hafa karamaina hanendaka sy hangalatra ary handroba, mba entina hanaporofoana fa tsy milamina ny tany... na tsy lazaina aza dia fantatra ny tian-ko lazaina ho manakarama satria isan'andro isan'andro ny fanasoketana ny anarany amin'ny haino aman-jery ary ny gazety mpivoaka eto Madagasikara, ary izaho naheno ilay vaovao indray manana anarana radio ao an-tsaina avy hatrany raha vaovao tahaka izany no mivoaka, saingy tsy afa-mitompo teny aho satria tsy naheno ilay vaovao mivantana... nefa kosa ambara fa tsy olona iray na roa no nilaza io "vaovao" io tamiko. Nihomehy anaty ihany aho satria karazam-baovao fampihorohoroana toy izany hatrany no nitaizana ny vahoaka efa nihoatra ny taonjato iray sahady izay. Ny talohan'izany moa tsy fantatra loatra fa ilàna mpandalina tantara manokana angaha.
Nalaza nandritra ny fotoana nahatongavan'ny vazaha maro teto Imerina, nialoha kely sy teo ampiandohan'ny vanim-potoanan'ny Fanjanahantany ny resaka mpaka fo. Heverina ho ny vazaha no tena maro amin'ireo mpaka fo ireo ary nisy koa ny fikambanana framasao no voasoketa amin'io tsaho io. Nisy fiantraikany tamin'ireo sarambaben'ny olona any ambanivohitra rehetra any tokoa ny lazan'io mpaka fo io ka raha mahita vazaha ny ankizy sy ny badobado dia mandositra avy hatrany. Ilay fomba fiteny ankolaka fa manao izay hanintonana ny fon'ny olona no nivadika ho zavatra mivantana ho mpaka fo hohanin'ny vazaha ohatra. Dia tsy nisy intsony ny olona sahy nivoaboaka tamin'ny alina satria ankoatra ny mety hifanenana amin'ny mpamosavy dia misy koa ny mpakafo izay mety hangalarany ny fon'ny olona mifanena aminy. Vokany, nandry fehizay ny tany rehefa amin'ny alina satria tsy re loatra ny fisiana halatra. Ny toy io angamba no iray amin'ny antony nampalaza ny taloha ho tsy nahenoana loatra izany hoe hala-botry izany... Mifanindran-dalana amin'izany tsaho toa tsy nampiraika ny vazaha mihitsy ny hanitsy azy izany dia napetraka ny lalàna fa tsy misy olona mahazo mipetra-drery any ankodahoda any fa tsy maintsy any an-tanàna avokoa no manorin-trano, fomba tsotra entina hanaraha-maso sy hifehezana ny olona moa io lalàna io. Marihina fa na amin'izao fotoana izao aza dia mbola malaza io resaka mpaka fo io any amin'ny sarambaben'ny olona sasany any miampy ny lazan'ny mpangalatra taova malaza manerantany ihany koa moa izy io na dia tsy henon'ny saranga antonony sy sarangan'ny mpanankarena an-tanandehibe loatra intsony aza.
Nandritra ny faramparan'ny fanjanahantany sy ny repoblika voalohany indray, tsy dia mahafantatra izay mety ho zava-nalaza ho nampatahotra ny olona loatra aho, na izaho no tsy manam-baovao loatra momba izay tsaho natahoran'ny olona. Ambarako mazava tsara aloha izay. Fa tsikaritro kosa, nisy gazety amin'ny teny malagasy sasantsasany, ary tsy miankina amin'antoko na amin'ny fiangonana, tia mamoaka ireo misitery isan-karazany ka tia manasongadina resaka matoatoa sy angatra mivezivezy manerana ny tanànan'Antananarivo amin'ny alina ary nambara ihany koa na tsy tadidiko loatra intsony tamin'ny namaky azy ireny ny ora fivoahan-dry zareo. Mamaky izany kosa aloha ny ankizy tena koditra mihitsy, raha ny fiantraikany amin'ny olon-dehibe indray tsy dia nandrenesana akony loatra ary anisan'ny manahirana ny mamantatra azy amin'ity Malagasy tsy tia namoaka loatra ny heviny ity. Fa mbola nanana ny lazany ihany fa tsy nisy nangalatra tamin'izany fotoana izany, raha ny an-tanan-dehibe no resahina, izany lamba nahahy teny an-davarangana izany. Izany hoe raha nitodika indray aho dia karazam-baovao entina hampipirina ny olona any an-tranony ihany koa ny karazan-gazety tahaka itony ary manahy aza aho fa ny fanjakana mihitsy no nanakarama azy ireny hampilamina hatrany ny tany sy ny firenena. Na nangina aza ny tanàna dia tsy natahorana loatra izany hoe mpanendaka izany, ary tsy nandrenesana loatra ny momba izany raha an-tanan-dehibe. Tsy fantatro kosa anefa raha efa fiteny tamin'izany fotoana izany na tsia ny hoe mpanakan-dalana.
Niova kosa ny toe-draharaha rehefa niditra ny Repoblika faharoa. Noho ny karazana korontana naharitra nandritra ny tetezamita nitondran-dRamanantsoa Gabriel kosa dia simba tsikelikely nanaraka izany ny soatoavina nampanjakan'ny Malagasy izany hoe fandriampahalemana sy fihavanana. Nalaza ny resaka madinika ary izay tsy manaja ny madinika dia mpanoha-riana sy kapitalista. Nanomboka nanao izay tiany atao amin'izay ny madinika. Nisy ny olona navondrona ho ao amin'izany Tary Tonga Saina izany hampivoarana ireo avy amin'ny sarangam-bahoaka mahantra saingy nisy nanodina ny sain'ireo Tary Tonga Saina ireo ho lasa fitaovam-pamoretana sy fiarovana ny sezan'ny mpitondra ka noadinoina tsikelikely ny manjò ny vahoaka. Ireo no fitaovana nentina nampihorohoroana sy nampanafihana ireo mpanankarena mety ho nanelingelina fitazonana ny fitondrana. Ireo no nalaza tamin'ny fanendahana sy ny fanafihana mitam-basy, ary tsy adinoina ihany koa fa naka tovovavy ankeriny ihany koa izy ireo ary nosafidiany mihitsy ireo vehivavy nalainy an-keriny sy niterahany ireo ho kazaran'ny valin'asany tamin'ny fitondrana tamin'izany fotoana izany. Niova tanteraka ny zava-nitranga satria tsy nanana tahotra intsony ny mpangalatra fa ny olo-tsotra kosa niaina tao anaty tahotra. Mazava loatra fa fady izany mandeha alina izay tsy dia nahazatra ny olona loatra eto an-drenivohitra moa (marihina fa tsy miresaka ny any amorontsiraka mihitsy aho eto). Nisinisy ny toerana malaza ho misy mpanendaka izay fady ny mandeha aminy amin'ny andro alina. Fa tsy nanana henatra ihany koa ireo jiolahy ireo na dia amin'ny andro atoandro aza, mivondrona ary manana paika entina hanakiviana ny olona izay tsy mety miray hina ihany koa moa raha eny an-dalana no misy tratran'ny fanendahana.
Ankehitriny, mbola tsy mahazatra ny olona mihitsy izany mandehandeha na mihaona na manao zavatra amin'ny alina an-drenivohitra izany ankoatra ny zoma mahafinaritra eny Analakely sy ny Cabaret angaha saingy ho an'ny olona manana fiara moa izany no tena marina. Misy ihany ny fiarakaretsaka saingy noho ny antony dia tsy hivoaka na handeha any amin'ny toerana somary sisintsisin'ny tanàna mihitsy izy ireny, marihina anefa fa tsy mifankaiza loatra amin'ny saran-dalana amin'ny atoandro izany saran-dalan'ny fiarakaretsaka amin'ny alina izany. Mirongatra dia mirongatra tokoa ny mpangalatra sy ny mpanafika any an-trano ary fitaovam-piadian'ny mpitandro ny filaminana ihany no ampiasain'ireny jiolahy ireny. Malaza moa fa ampanofaina ireny fitaovam-piadiana ireny, noho izany tsy zavatra kelikely no halain'ny mpangalatra fa tsy maintsy maka tombony amin'ny zavatra ataony izy. Vokany, tsy vitan'ny hoe eny an-dalana ihany no mety anamparan'ny jiolahy ny heriny fa na dia any an-trano aza dia tafihiny, ary na dia toerana misy zandary aza dia tsy mampihemotra an-dry zalahy. Very fanahy mbola velona ny vahoaka izay tsy manana fitaovam-piadiana raitra tahaka ny jiolahy. Vokany, mipirina rehefa misy toe-javatra manahirana ka mionona rehefa tsy ny tena aloha no tafihina. Noho izay toe-javatra tsy voafehy izay intsony angamba no mahatonga ny sasany hanasoketa olona fa manakarama bandy avy any amin'ny faritra mafana eto an-drenivohitra hanendaka sy handroba, fa mila karamaina ve ny mpangalatra (?), entina ilazana fa tsy milamina ny tany ary tsy mahafehy ny filaminana ny tompon'andraikitra. izaho kosa moa mieritreritra fa matoa tafahoatra tahaka izao ny fanafihana mitam-piadiana dia ao amin'ny mpiandraikitra ny famongorana ireny asa ratsy ireny mihitsy no fositra voalohany.
Rehefa namaky ilay lahatsoratra indray aho dia tsy afa-po tamin'izay voasoratra satria tsy izay nokasaiko hosoratana indray no voasoratra nefa efa vita ihany ilay izy dia navoaka ho anareo ihany aloha. Amin'ny manaraka angamba aho mamoaka izay tena tiako ahatongavana.
Antananarivo 2 septambra 2010 amin'ny 00:22 (02/11/2010 @ 00:22)
Hiresaka zava-misy andavanandro kely indray aloha aho. Misy Yaourt tsaratsara izany amidy eny am-pivarotana eny saingy somary lafolafo dia misy mitsatsaingoka avy eo: "An'i dada ihany ange, hono, itony fa mody novaina ny anarany e!". Misy glace ihany koa amidy manerana ny mpivarotra maro saingy hafa ny endriky ny tavy hametrahana azy sady ahatsiarovana ihany koa ny tsiron'ny an'ny tiko fahiny, dia lasa indray ny resaka hoe: "An'ny dada koa, hono, itony fa tsy maintsy novaina ny anarany". Nihomehy anaty ihany aho mahita izany fomba firesaka izany satria rehefa tsaratsara tsiro ny vokatra dia lazaina fa an'i dada izy io fa novaina anarana.
Tranga efa elaela kokoa fa noadinoiko ny nanoratra azy fa variana tamin'ny tolona politika loatra ny tena. Feno dibera sy margarina avy any Afrika any, raha ny fonony no jerena, ny tsena. Maro ny mpivarotra no te-handafo dia nilaza hoe: "diberan'i dada itony fa tsy maintsy nosoloina ny fonony hahafahana mivarotra azy". Vao nanandrana anefa ny tena dia mangidy sira ilay izy... tsy ny dibera na ny margarinan'i dada ho'aho no mangidy tahaka izany... raha mijanona andro vitsy aoriana ilay izy dia tena tahaka ny fotaka avy eo ny tsirony ary tena mankandoa mihitsy. Izany hoe ny vokatr'i dada no hanaovana dokambarotra hahalafosana entana, satria manko malaza ho tsara ny vokatra avy amin'ilay "mpanao didy jadona" sy "mpangalatra tany" iny. Izany hoe raha nisy karazany kokoa angamba ny vokatr'i dada dia nohararaotina handafosana entana avokoa satria tsara ny zavatra novokariny. Tahaka ny hoe rehefa avy amin'i dada dia tsara ary mbola ankafizin'ny maro ny novokariny...
Voaozona ve ny malagasy raha ny vokatra malagasy tsara no potika ankehitriny? Soa fa nisy fotoana nianohana zavatra tsara tamin'ny vita malagasy fa raha tsy izany tsy mbola betsaka ny mahatsiaro azy mandrakariva.
Jentilisa 25 aogositra 2010 mitataovovonana
Miditra eo amin'ny fetiben'ny baolina fandaka ny eran'izao tontolo izao nanomboka androany 10 jona 2010. Hiara-hianoka izany avokoa ny rehetra, eo ambodin'ny fahitalavitra indray no handanian'ny ankamaroan'ny lehilahy ny fotoanany mandritra ny iray volana. Raha mandritra ny andro voalohany isian'ny lalao no mahazatra ny olona hahitana ireo lanonam-panokafana sy ny fihetsiketsehana isan-karazany dia androany (alakamisy) kosa no hanombohana izany fety isan-karazany izany ao Afrika Atsimo ao, rahampitso (zoma) anefa no hanombohan'ny lalao fanokafana.
Marihina fa iniako soratana ny andro satria alina fanindroany misesy aho izao no tsy mahazo serasera mihitsy na ny bitika aza. Nanandrana nandefa ny solosaina indray aho tamin'ny atoandro ka nanandrana ny aterineto fa dia nandeha soa aman-tsara ilay izy. Ny atoandro anefa ny tena dia miasa any amin'ny orinasa ka tsy mampiasa loatra ny serasera ato an-trano. Nohararaotina ny namoahana ilay lahatsoratra nitaterako ny dia iray volana lasa izay. Ny alina no tena ilàna ny serasera saingy tsy misy na inona na inona azoko atao amin'izao fotoana anoratana izao. Noho izany, tsy afa-mitsara izay lahatsoratra tokony hivoaka ao amin'ny Global Voices Online aho ary tsy afa-manaraka ihany koa izay vaovao hafa tiana hovakiana hatraty an-trano. Fahasorenana tsy misy tahaka izany aloha fa dia toy ny hoe kamo angamba ny hiheveran'ny namana ahy rehefa tsy tafavoaka ny lahatsoratra tokony hivoaka na tokony handika lahatsoratra ho amin'ny teny malagasy ihany koa ny tena.
Hafahafa ihany ry zareo raha tsy afa-miserasera aho ny alina fa ny atoandro izay iseranako fotsiny indray no mandeha soa aman-tsara ilay aterineto. Resy lahatra tanteraka aho fa tsy avy aty amiko kosa angamba ny olana fa any amin'ny orinasa mpanolotra ny fahafahanay miserasera. Izaho kosa anefa tsy handeha ho any amin'ny cybercafe velively satria andoavam-bola ihany koa ity serasera an-trano ity ka efa voatokana ny vola hiseraserana. Tezitra aoka izany ny tena ka niantso ny laharan'ny sofin-davitra nomena hikarakara anay mpampiasa aterineto. Lany fotsiny ny telo minitra sy sasany amin'ilay feonkira famantarana azy iny vao nisy niteny fa mbola sahirana avokoa hoe ny mpiasa ka afaka kelikely indray miantso. Dikan'izany tsy izaho irery ihany no manana olana na tsy miraharaha mihitsy izay miasa alina ao amin'io orinasa io fa mety misy zavatra tiany atao ka ny aty aminay aty no analany vonkina tsy avelany miserasera. Na nahazo baiko mihitsy ity orinasa mpanolotra serasera ity hanakana ny fahafahan'ny olona rehetra mampiasa ny tolotra ataony ao anatin'ny andro (alina no marina kokoa) vitsivitsy. Ilay namana an-tserasera anankiray izay tsy mpitovy hevitra politika amiko matetika moa dia efa nanoratra tany amin'izy ireo mihitsy ka asa na efa nahazo fahafaham-po izay na tsia fa ny ahy dia izao mamoaka lahatsoratra izao no ataoko.
Saiky tsy hiraharaha loatra aho satria efa nametraka fotoana hijerena fahitalavitra hanaraka izany lanonam-panokafana mondial 2010 izany. Nandrasana ny tamin'ny tamin'ny enina ora hariva (18 ora) GMT na ny tamin'ny sivy ora alina (21 ora) eto Madagasikara mba handefa izany ny TVM kanjo moa ny fandraisan'ny filohan'ny FAT ireo Ambasadaoro no nataon'ny TVM ho rehareha tao... mbola vaovao an-tsary ihany hay. Hatezerana ny ahy nahita izany nefa faly indray aho fa tsy ho izaho irery no ho tezitra fa hiara-tezitra amiko avokoa ireo mpahara-baovao eto an-toerana ka mahalala io fotoana io na mpanohana izy na mpanohitra ny fitondrana. Dia notohizako ny eritreritro hoe tokony hataon'izy ireo tahaka izao hatrany isaky ny misy baolina ireny ka rehefa tapitra mihitsy ny vaovao an-tsary vao alefa ilay mivantana avy any Afrika Atsimo. Enga anie tsy ho sahy hanao izany ry zalahy ireto fa raha sahy... tsy haka lagy kosa angamba ny mpankafy fa mba manofa any amin'ireny mpampita azy ireny na mividy ireny tandrom-pandraisana (antenne) sahafabe mitentina 400 000 ariary ireny dia mahazo fahitalavitra an-jatony hojerena.
Fa dia inona loatra no anton'izao tahotra izao e? Tombatombana ihany no havoaka eto fa nisy ny gazety malagasy iray nanamarika fa nahazo fanasana hanatrika ny lanonam-panokafana ny filoha Ravalomanana Marc, koa ahiana dia ahiana ny hahitana azy mivantana amin'ny fahitalavitra ka aleo tsy alefa mihitsy ilay fandaharana fa mahadikidiky amin'ny olona. Dia faniriana miafina ao amiko indray ny hoe aleo hanatrika ny ankamaroan'ny lalao rehetra mihitsy ilay rangahy io dia ilay baolina mihitsy no tsy alefa. Ireny any amin'ny famaranana ireny indrindra no tena hanaovana izany fa dia asa fotsiny ny fanapatapahana ny mivantana dia mody lazaina avy eo fa tsy tonga teto Madagasikara ny sary avy any amin'ny zanabolana. Na izany na tsy izany aloha ny zava-misy dia sady tsy mahazo aterineto mihitsy aho no tsy hisy olona handray ahy hikarakara ny fahavoazako izao alina izao nefa mety handeha soa aman-tsara indray izy ny atoandro fa dia lasa lavitra ny fanahiana fandrao tena ny fahafahako miserasera mihitsy no sakanana tsy hahafahako mamoaka izay kasaiko ho hitan'ny besinimaro.
Jentilisa, Antananarivo 10 jona 2010 tamin'ny 22:44
Fanamarihana faramparany: Androany sabotsy maraina indray aho vao nahazo fiseraserana indray. Enga anie mba tsy ho marina ny ahiahiko hoe nosakanana amin'ny fmba ankolaka aho fa mba ho nisy fahavoazana tokoa nyhosinamitondra izany serasera izany ka izao vao tafaverina amin'ny laoniny izany serasera izany. Hatramin'ny alarobia mankamin'ny sabotsy izany dia tsy afa-niserasera loatra aho.
Tsy ny tsy mety izay ataon'ireo efa fandrentsika miteronterona eny amin'ny toerana avo no tiako tantaraina vetivety fa ireo eny amin'ny fototra kosa indray, izany hoe eny amin'ny fokontany sady eto an-drenivohitra mihitsy. Manjaka dia manjaka moa ny halatra tariby Jirama sy izay an'ny telma ka vaventiventy ankoatra izay mety ho halatra sy vakitrano isan-karazany any. Nisy aza moa fotoana fa nandrenesana poa-basy hatrany taty 67ha isan'alina ka nahatonga ny baiko hipetraka fa tsy maintsy mikatona ny Bar manomboka amin'ny sivy ora alina. Eo amin'ny halatra tariby moa efa nisy ny may teny ampangalarana tariby teny Soavina Atsimondrano teny. Dia avy ny sasany ka nanararaotra amin'ny lafiny fitiavana te-hahazo vola maika isam-bolana angaha.
Izaho dia miaina amin'ny fokontany iray amin'ny cité des 67ha. Ao anatin'ny fokontany iray dia misy quartiers maromaro na secteurs moa no filaza azy fahiny. Raha misy ny chef fokontany dia misy ihany koa ny chef quartier izay efa nofidiana taona maromaro lasa izay. Raha nisolo ny filohan'ny fokontany, tsy nosoloina kosa ny filohan'ny quartier. Taloha tany, rehefa be tamin'ny toerana fanariam-pako no nesorina fa navangongo tamina fanariam-pako somary lehibebe kokoa ny fako, dia nisy ny fifanarahana fa misy olona hanangona ny fako isan-tokantrano. Roanjato ariary ny fifanarahana voalohany fa efa dimanjato ariary izy amin'izao fotoana izao. Mitondra ny fako amin'ny boroety moa ireo olona azo atao hoe karamain'ny fokontany ireo. Dia misy ihany koa ny vola alaina hanadiovana ny tatatra isaky ny voalohan'ny taona, tsy dia lafo loatra ihany koa iny satria isan-taona ka tsy nampaninona ahy loatra fa ity tantaraiko manaraka ity no tsy aritro.
Indray mandeha, hono, tamin'ny faramparan'ny volana febroary 2010 iny... tena ataoko hono satria tsy nahare ny fisiany mihitsy aho... nisy fiantsoana fivoriana tampoka teto amin'ny quartier (singa ao anatin'ny fokontany fa tsy ny fokontany iray manontolo no lazaiko eto), tsy nisy na iray aza nanontaniako nahatadidy io fotoam-pivoriana io, eny fa na dia ireo nikarakara ilay fivoriana aza. Izao no natao: "Fivoriana izao dieny izao, ao amin'ny Tanimalalaka". Toerana efa fantatry ny rehetra izany fa ity no mahavariana. Tsy misy andraso andraso ilay fivoriana fa eo noho eo... tsy mifanaraka amin'ny hamehana anefa ny zavatra notapahina fa tetika hangalana na hitangosana vola ny tsirairay.
Resaka fandriampahalemana no anton'ny fivoriana. Nampanantsoin'ny tany ambonimboniny tany (atitany io) hoe ny filohan'ny quartier fa malaza dia malaza hoe izao halatra tariby Jirama eto 67ha izao ka nahazo fampitandremana ny fokontany, tokony hametraka na hanaitra ny olona hiambina isan'alina hoe. Izany hoe amin'ny atoandro miasa, amin'ny alina miambina, tsy misy ny fotoana atoriana ho an'ny lehilahy! Mazava loatra fa tsy misy ny hahavita izany ankoatra ny olona tanora na tsy misy atao loatra. Nilaza avy hatrany ny mpiteny fa efa misy tanora 26 vonona hanao izany fiambenana izany fa mba karakaraina kosa ry zareo; karazandrazany hoe karamaina izany. Natao avy hatrany ny tsanga-tanana raha manaiky ny handoa vola 3000ar isaky ny logement ny olona, ary dia zalahy vonona no nananga-tanana voalohany, miampy ny anabavy na sipan-dry zalahy, sy zaza tsy ampy taona maromaro teo, hoy ny afa-nanatrika. Raha nisy ny olona niteny fa tsy mety izany manapa-kevitra tampotampoka izany noho ny havitsian'ny olona tonga nefa idirana resa-bola dia kianina avy hatrany hoe ianao irery no tsy manaiky... izany hoe didin'ny tsy ampy taona sahady no iheverana azy nefa raharaha politika "visa A" no atao (polis=tanàna). Toy ny mpanoha-riana sy heverina ho fahavalom-bahoaka izany ireo izay mitady hiteny na hitsikera. Dia tapaka avy hatrany fa handoa 3000ar isam-bolana koa manomboka izao ny isaky ny logement.
Fa ity no mahatsikaiky : Efa fivoriana tampotampoka tsy nisy fampandrenesana mialoha izy ity, tsy nisy peta-drindrina tsy nisy megaphone ka kiririoka sy hoe mivory izao dieny izao no natao. Faharoa, tao anaty ora fiasan'ny mpiasa satria andavanandro no nanaovana ilay fivoriana, nokendrena mihitsy mba ho vitsy ny nanatrika fa ry zareo ihany no vavolombelona fa niarahan'ny besinimaro ny fanapahan-kevitra handoavana vola 3000ar isam-bolana. Fahatelo, ny fijerijerena ny taribin'ny Jirama ihany no asan-dry zalahy fa tsy misahana resaka halatra hafa izy... noho izany, tsy andraikitr'izy ireo raha misy ny vakitrano. Manaraka izany, tsy hisambotra ny mpangalatra izy ireo raha mahita fa ny mitsoka kiririoka ihany no ataony dia ny fokonolona no mandray adidy mifoha hisambotra ilay na ireo mpangalatra. Faramparany , angamba hatao mpiasa raikitra mihitsy izy ireo satria hoe handoavana fiantohana ihany koa ry zalahy. Ny tena nahasorena ny tena moa dia ry zalahy mieboebo amin'ny akanjo laoranjy avokoa, miseho ho tompontanàna irery, rehefa nitaky ny fandoa isam-bolana voalohany. Fanomezana asa ny TGV eto amin'ny tanàna izany izy ity nefa ny fokonolona iray manontolo no terena handoa ny karamany. Ahiako tsy hisy velively anefa ny tatitra ara-bola amin'izy ity.
Ny teto amin'ny quartier misy anay aza moa azoazo ihany izany tantaraiko izany ao anatin'izao tsy fanarahan-dalàna manjaka izao fa misy ny fokontany toy ny eny Andavamamba, misy olona mitaky vola 5000ar tampoka any an-tranonao satria tsy tonga nivory ianao. Ary natetitetika ilay fitakiana, ilay olona niresaka anefa tsy mahalala ny fisian'ilay fivoriana mihitsy na dia tsy niala teo amin'ny fokontany mihitsy aza noho ny hasembanana mahazo azy. Ny eto amin'ny misy ahy no fantatro koa asa re hanao ahoana ny any an-kafa any?
Jentilisa, alatsinainy 15 mars 2010 amin'ny 00:55 maraina
Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tokoa ny andron'ny alatsinainy 8 marsa 2010. Tsaroana tokoa fa tsy nisy loatra ny fotoana nahafahana nankalaza azy ity tamin'ny herintaona noho ny toe-draharaha tao anatin'ny hafanana politika indrindra. Efa niseho tamin'ny fikomiany manko ny miaramilan'ny Capsat tamin'izany fotoana izany. Fa toe-javatra hafa kosa no niseho tamin'ity taona ity fa dia nomarihina manokana tokoa ilay andron'ny 8 marsa.
Samy nankalaza ny andron'ny vehivavy amin'izay heveriny ho mety ny vehivavy, samy nanomana mangina ihany koa noho izany ny mpandray anjara rehetra na avy aiza na avy aiza, na ny ankolafy avy aiza na avy aiza. Eto no ahatsapan'ny mpanoratra fa toa tafavoaka tao anatin'ny hafanan'ny tolona izy fa difotry ny asa fanaony isan'andro. Tsy nahamarika, na tsy naheno loatra ny mpanoratra fa mety ho variana fa hay nanomana fambolen-kazo indray ny vehivavy mpandala ny ara-dalàna tamin'io andro io. Ny hitany kosa dia ny fiomanana teo amin'ny kianjan'ny Malacam hatry ny andron'ny zoma.
Kianjan'ny Malacam
Teo amin'ny kianjan'ny Malacam no nanomanan'ny eo amin'ny fitondrana ny Andron'ny vehivavy. Ny zoma maraina dia efa nitsidika ny toerana ireo nampiandraiketina hikarakara ny toerana. Tamin'io andro io dia efa notaterina tsikelikely ny fitaovana sy ny fanaka rehetra ho amin'izany. Nanomboka teo ihany koa dia noravahana fefy gony fotsy mangatsakatsaka ny sisin'ny kianja rehetra sy ny manoloana ny fidirana (tsy mbola ilay vavahady fa fidirana amin'ilay tsena izay nofoanana aloha nanomboka io andro io) hizotra mankany amin'io kianja io. Nasiana jiro be mampahajambena maso mihitsy moa io malaza ho "couloir de la mort" io hany ka mazava dia mazava aoka izany ny lalan-tongotra eo raha mitsapatsapa lalana no mahazatra ny mpandalo eo.
Teo amin'ny fikarakarana dia nandalo teo avokoa na mpiasan'ny kaominina, na mpiandraikitra ny prezidansa FAT, na ny mpamonjy voina (trano may) hanadio ny toerana ary indrindra indrindra ny miaramila izay nisahana sahady ny fiambenana ilay toerana. Tsy nahazo nivarotra intsony ireo mpivarotra teo amin'ity tsenakely ity, nanomboka ny alahady indrindra indrindra. Tsy nisy intsony koa noho izany ny lalao baolina lavalava izay fahita amin'ity toerana ity rehefa faran'ny herinandro. Mazava ho azy raha mety ho liana hijery ny fety hitranga ao ny manodidina mahita ilay fihetsiketsehana rehetra teo am-piomanana.
Rehefa tonga ny andro lehibe dia vory ihany ny olona fa tsy tena betsaka, petsa dia petsa ny sisin'ny kianja, izany hoe izay tsy nisy bozaka ary namotaka aoka izany. Vao nisy orana indrindra manko ny folakandron'ny alahady ka tsy maina intsony izany rehefa tonga ny alatsinainy. Vory lanona avokoa ny solontenan'ny vehivavy avy any amin'ny faritra rehetra, samy nanomana ho amin'ny fanamiana hanaovana filaharana ao anatin'ny kianja ihany. Filaharana izany no tena nanamarika ny tontolo andro marainan'ny Malacam, ka teo ny avy any amin'ny isam-paritra, nisy ihany koa anefa ny solontenan'ny antoko politika nilahatra ary tsy diso anjara ny vady miaramila.
Mba mihira ihany ny mpanakanto fa toa tsy dia noraharahian'ny mpampita mivantana izany. Angamba ny tena tanjona dia ny hanasohasoana ireo vehivavy mpitondra sy ny vadin'ny mpitondra amin'izao fotoana izao. Tsy ny teny amin'ny sehatra loatra manko no narahina fa tany amin'izay nandehanan-dramatoa vadin'ny filohan'ny FAT. Nisy aza moa notapahina na naato ny hiran'ny mpanakanto fa ny tenina vehivavy manazava ny fahandroan-tsakafo amin'ny alalan'ny vilany-sahafabe maka ny tara-masoandro no natao. Ramatoa kosa tsy dia niteny na nampiresaka, na nihaino izay mety holazain'ny mpitana ny tranoheva fa dia miaraba sy miserana fotsiny, fomba fifanajana e!
Notapahina ny lalana
Ny tsy nampoizina tamin'ity teny amin'ny kianjan'ny Malacam ity dia ny fanapahana ny lalana manomboka eo amin'ny fivilian-dalana mankany amin'ny rond-point Antanimena manoloana an'i sekoly Sully teo aloha (toa tsy sekoly intsony izy io manko) ka ny fiara rehetra avy any Behoririka dia avily mankany amin'iny manoloana ny NIAG izany hoe ny manoloana iny Ultima media iny; mihodina amin'ny rond-point vao mivily mankany amin'ny lalana anoloan'ny falda na impimerie catholique, na mandeha mandalo amin'ilay manoloana ny CEG Antanimena sy ny sekoly Saint François Xavier iny.
Taoriana tokony ho atsasak'adiny taorian'ny nanapahana ny avy any Behoririka io dia notapahina koa ny lalana avy aty Antanimena ho any Soarano na Behoririka. Tsy maintsy nivily mizotra mankany amin'ny edisiona takariva taloha iny na ny manaraka azy ny fiara rehetra fa tsy mahazo manitsy amin'ny arabe mahazatra. Dia eo amin'ny fakana solika (Shell io raha tsy diso aho) indray vao mipoitra ny fiara rehetra. Tsy nisy nanampo loatra io fanapahan-dalana io ny ankamaroan'ny mpandeha fiara hany ka nitohana izaitsizy ny lalana. Raha nanomboka tamin'ny valo ora maraina izany fanapahan-dalana izany dia tsy naverina tamin'ny laoniny raha tsy tamin'ny 12 ora sy sasany tany ho any, izany hoe efa lasa antsasak'adiny ireo manampahefana rehetra.
Magro mankany Ambatomanga
Efa notsoriko fa na izaho izay manoratra aza dia tsy nahalala akory ity fiomanana iray hafa ity hany ka talanjoona raha nahita ny fahavorian'ny olona, indrindra fa ny vehivavy, tamin'ny alalan'ny sary hita an-tserasera ihany. Tonga tany am-piasana maraina no nanontanian'ny olona hoe angaha tsy nandeha nankany Ambatomanga vao gaga hoe hay ve nisy izany fambolen-kazo niarahan'ny vehivavy izany. Tsy kely ihany koa ny fiomanana tamin'ity satria fiara sy fiarabe ampolony maro no nitanjozotra namonjy ny toerana nokasaina hanaovana izany. Mazava ho azy fa tsy maintsy nofaina avokoa ireo fiara fitaterana rehetra ireo.
Zavatra iray voamarika dia ny fahavonon'ny olona nandeha, nisy aza moa ny fivarotana teto an-tanàna no nikatona fa nandeha tamin'io fambolen-kazo io ry zareo. Amin'ny andro "tsotra" izany hoe rehefa eo amin'ny magro anefa dia tsy mandeha eny loatra ry zareo. Midika izany fa misy hatrany ny olona no miandry toe-javatra fotsiny dia tsy ampoizina ny ho fihetsehan'ny olona. Na dia noheverina ho fiarahan'ny ankolafy telo aza moa ny fotoana dia nanjakazaka aoka izany ny ankolafy Ravalomanana. Misy anefa ireo vehivavy no tsy mazoto loatra amin'izany fiarahan'ankolafy telo izany ka nijanona tany an-tokatranony ihany. Mahery fo tokoa ny vehivavy!
Samy niomana fatratra tamin'ny fanamarihana ity andro ity izany ny ankamaroan'ny vehivavy teto Antananarivo, tao ny nanao filaharana tanaty kianja ho fanehoana ny mahafety ny andro; tao ihany koa ny nanokana azy ho andro hanasoavana ny tanindrazana sady adidy eo amin'ny firenena rahateo izany.
Sivana tampoka
Araka ny voamariky ny eto an-drenivohitra dia tapaka tampoka ny radio fahazavana nanomboka tamin'ny 11 ora atoandro teo, rehefa handeha iny ny vaovao tapatapany. Ny ao amin'ny serasera mpandray antso no nilaza fa noho ny resaka fahatapahan'ny herinaratra no nahatonga io fahatapahana io ka tsy ho voaverina amin'io andron'ny 8 marsa io ny fandaharana raha ny fijery azy. Rehefa tsy azo teo amin'ny fanapahana ny onjam-peo mivantana izany ny radio dia tany amin'ny herinaratra indray no namelezana azy. Dia nangina tokoany tontolo aloha.
Ny nahatalanjona ny maro ihany koa dia ny tsy nanipazan'ny MaTV hany mampita izay vaovaon'ny Ankolafy telo amin'izao fotoana na dia indraim-bava aza ny fambolen-kazo natao tany Ambatomanga iny. Manahy dia manahy aho fa mety ho toy izany ihany koa no hitranga amin'ny gazety an-tsoratra raha izay zava-misy tamin'ity herinandro ity izay no jerena. Tsy hisy na dia gazety iray aza ve hitatitra ny fambolen-kazo teny Ambatomanga, izany hoe hampiseho ny hamaroana na havitsian'ny olona nandeha? Betsaka ihany manko ireo nolazaina ho mpanao gazety, sady nahazo fiara manokana izy ireo, no nandeha fa ny eo amin'ny fitateram-baovao sisa no hojerena izay hataony. Satria manko mety ho herinandro mangotraka ity herinandro ity dia ezahina ny hampangina izay mety hahazo hery hanozongozona ny fitondrana hmpifanaritaka ny tolona. Tsy dia ho voan'izany loatra anefa ny mpitolona raha jerena izay nitranga ny alatsinainy izay. Miatrika ady mangatsiaka faran'izay mamifirify indray ny eto an-toerana fa asa aloha raha tsapan'ny maro izany na tsia?
Ps: fa maninona i Jentilisa no tsy miarahaba ny vehivavy? Ka ny fomba hitako amin'ny haino amanjery dia ny vehivavy ihany no tena miarahaba ny vehivavy koa! Jereo fa ny vadin'ny filoha no miarahaba ny vehivavy fa tsy ny filoha. Matoa ny lehilahy miarahaba ny vehivavy dia mitady oroka ny ankamaroany izay, fa mety hisy ihany ny "exception" an!
Jentilisa, 09 marsa 2010, amin'ny 02:11