Tany ampita andrefan'ny manodidina an'Alaotra iny ny tena, noho ny raharaham-pianakaviana, nanomboka ny zoma 25 septambra ka hatramin'ny alatsinainy 28 septambra koa aza tsiny indrindra raha heverinao ho elaela aho no tsy namaham-bolongana. Toa hafa ihany no nahazoana ny fandehan'ny raharaha tao amin'ny Firenena Mikambana (Misy lahatsoratra
Global Voices teny anglisy nadikako ho
teny malagasy rahateo ato) nandritra ny tontolon'ny Alakamisy sy ny Zoma tany lavitra tany.
Nanontany vaovao tamin'ny olona taty Antananarivo ny tena ny alin'ny Sabotsy, nanontany ny fandehan'ny raharaha, ary dia nitombina ny ahiahiko fa tsy hisy fivoriana vanona izany ao Mahamasina ao, fa mbola fandrika navelatra ihany iny. Natatatatako ho fanodikodinana ny sain'ny olona tsy hieritreritra izay hivory ao Ankorondrano Magro ireny toe-javatra ireny, sady izany rahateo no eritreritry ny nanatrika magro tamin'ny alakamisy nilaza ny tsy tokony ivoahana ny toerana intsony nihorakora-panoherana izany handeha toeran-kafa izany ny andro Sabotsy (Efa fisarahan-kevitra aloha izany!). Azo heverina ho nanaiky tsy sazoka fotsiny ny mpanatrika rehefa nanizingizina ny mpitarika fa efa ampelatanana ny taratasy fanekena hanaovana ilay fivoriana.
Nitantara ihany koa ilay olona nanontaniana fa henjana tokoa izao tenin'ny solontenan'i Kôngô tao amin'ny Firenena Mikambana izao nilaza ny solontena malagasy ho "sans qualité". Noheveriko fa tamin'ny alakamisy ihany no nisy tantara, hay hafa mihitsy ny tantaran'ny andro zoma ka tsy azoko ny resaka raha tsy tonga teto Antananarivo mihitsy aho. Ho tahaka ny ahoana re izany ny fahazoan'ny sarambambe Malagasy any ambanivohitra rehetra any raha izaho izay mpanaraka tsy tapaka ny vaovao aza no niala kely fotsiny dia very tanteraka?
Izay no ela fa hitodika any amin'ny lohatenin'ny lahatsoratra aho. Tohin'ilay fanentanana nataoko tamin'ny herinandroihany izy ity. Fomba iray hanehoana ampahibemaso sy an-dalambe ary any amin'ny birao sy ny toerana rehetra misy ahy ny fanoherako ny fanonganam-panjakana misy eto Madagasikara. Namakafaka hatrany izay tokony hatao ny tena hany ka nahita ity hevitra manaraka ity. Nanomboka ny talata 29-09-2009 aho dia mitondra pin's kely hatrany mipetaka amin'ny ankavian'ny akanjoko. Tsy maninona ilay pin's na maneho inona na maneho inona fa ny ao an'eritreritro raha mitondra io amin'ny toerana rehetra aho dia "manambara sy maneho amin'ny rehetra aho fa manohitra ny fanonganam- panjakana misy eto Madagasikara ary manohitra ihany koa ny herisetra amin'ny lafiny rehetra". Hevitro ahy manokana izay, koa raha resy lahatra ianao dia manaova toa ahy ihany koa. Rehefa pin's na insigne tsy voatery miresaka politika io fa mety no pin's an'ny orinasanao aza no atao amin'ny ankavian'ny akanjonao dia entinao maneho amin'ny manodidina anao io fa manohitra ny fanonganam-panjakana ianao ary miray fo amin'ireo izay mitolona isan'andro saingy mamita ny adidinao eo amin'ny fiainana an-davanandro.
Raha mbola mahamenatra anao kosa ny fanaovana io dia tsy hitako intsony izay azo atao ho anao fa aleo mitsotra hoe efa mety amiko ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao. Rehefa tsy manana pin's na insigne (toy ireny apetaka any ampiangonana ataon'ny sampana fitadiavam-bola ireny) dia ataovy bokotra tsotra izao zairina eo. Ampitampitao amin'ny namana sy ny mpitarika mihitsy aza izao hevitro izao fa tsy mahafantatra aloha aho hoe voarara an-dalambe ny fanaovana pin's e! Araho maso aho ary bedeso raha toa hitanao fa tsy mitondra pin's rehefa mifanena aminao.
jentilisa, 30 septambra 2009
P-S: 30 septambra 1895 : nitsangana ny saina fotsy teo Manjakamiadana. Resy ny tafika malagasy... koa hanangana ny saina fotsy ve ianao sa menatra ve ianao raha tsy mahasahy maneho ampahibemaso amin'ny fomba bitika dia bitika ny tsy fankasitrahanao ny fanonganam-panjakana?
Tratran'ny karazana hakamoana antsoina hoe miraviravy tanana aho amin'izao fotoana anoratako izao. Mba betsaka ihany anefa ny karazana fampaherezana ataon'ny namana isan-karazany na amin'ny fiainana andavanandro na an-tserasera. Tsy dia tratran'izany loatra ihany koa aho amin'ny ankapobeny fa dia azony aloha amin'izao fotoana izao.
Anarany aho no miala sasatra (noterena fa tsy voasazy tsy akory) tsy hiasa mba hananako fotoana bebe kokoa amin'ny fampitam-baovao an-tserasera saingy tena reraka tokoa angaha noho izay efa vita izay. Rehefa miasa any amin'ny asako andavanandro manko aho dia miasa 7 andro amin'ny fito andro. Tsy mino izany amin'ny ankapobeny izay tsy mahalala ny asako. Tena misy fiantraikany amin'ny toe-pahasalamana tokoa ilay izy raha ny fahatsapako azy amin'izao fotoana izao. Tsy mba manana izany andro alahady na asabotsy na andro fety igalabonana iarahana amin'ny fianakaviana izany ny tena, nefa tsy mifanaraka amin'izany akory ny karama... sady tsy mananjo hanana tambin-karama noho ny maha-andro tsy fiasana ny tena. Lasa olon-dratsy ny tena satria "ny adidy tsy an'olon-dratsy".
Ankehitriny, araka ny efa voasoratra etsy ambony, terena hanapitra ny "zonay amin'ny andro tsy iasanay rehetra izahay". Na dia ity taona ity aza dia tsy maintsy alaina avokoa. Ny ao ambadik'izany araka ny fahatsapako dia na handroaka mpiasa ny orinasa na hikatona ny orinasa afaka fotoana vitsivitsy. Na ho inona filaza azy na ho inona, misy dikany lehibe izany manapitra ny congé hatramin'ny taona 2009 izay diavina izany. Akory moa atao fa toa ny tena irery no tezitra fa ny sisan'izay samy miaro ny rambony tsy ho tapaka avokoa, nefa na izaho aza ve tsy mba tratran'izany ihany koa? Ao anatiko ao anefa manao hoe "izay te-hanavotra ny ainy no mahavery azy, fa izay mamery ny ainy...noho ny amiko... no hanavotra azy".
Ny mahavariana amin'ity tantara ity dia misy itovitovizany amin'izay mitranga ao amin'ny Telma ihany ny toe-javatra mihatra aminay. Efa hita tamin'ny haino aman-jery ihany manko fa mandroaka mpiasa maro ny ao amin'ity orinasa ity, nefa tsikaritry ny mpiasa fa mampiditra mpiasa vazaha hatrany koa ilay orinasa. Dia toa tahaka izany ihany koa ny fijeriko izay ato aminay. Tsy azo ampitomboina anefa ny fandaniana... noho izany, mba ho afaka mankaiza moa ny mpiasa malagasy kely?
Efa raisiko ho andraikitra izao soratako izao, tsy fanao velively fa mandika lalàna sy fitsipika maro nefa mba fanairana izay mpiasa mitsidika izany aterineto izany. Samy manana ny olany ny orinasa maro amin'izao fotoana izao ka samy mamaha azy araka izay tandrifiny. Efa maro ny mpiasa (eto Madagasikara) no efa mandray tapa-karama... ny fandaniana ataon'ny tena anefa tsy mihena raha miakatra kosa ny vidim-piainana. Misy aza moa (tafiditra amin'ity ny rahalahiko iray tampo amiko iray) no tsy mandray karama intsony na dia ariary aza, nefa manambady aman-janaka. Mitotongana ny fiainana e! Be aza ny mbola tsy voasoratra fa ireo rehetra ireo angamba no anisan'ny tena mahakivy ahy tanteraka amin'izao fotoana izao. Tolona sy avotra ity! Farany: Marihina fa tsy mitady fanampiana avy aminareo akory aho fa raha hanampy ianareo tsy trondro omena ahy fa harato na fintana!
Jentilisa, 20 mey 2009, amin'ny 00:27
Efa nisy nahare angamba ny nataon'ny miaramilan'ny Capsat nankeny Ankorondrano ny alatsinainy 4 mey 2009, raha ao tapitra kely foana ny fotoam-bavaka natao teny. Tamin'ny radio fahazavana moa no nakana ity soratra ity (miala tsiny aho fa tsy manana fahafahana mametraka ny teny amin'ny aterineto aloha amin'izao fotoana izao). Nahatratra roa minitra moa ny nakana feo azy koa vakio (fa tsy heo henoy) ny sombin'izay nolazaiko ka azo nohenoina, efa nesorina ny teny ratsy sy ny ompa hoy ny radio fahazavana.
Mbola tsy fantatra hoe aiza no halehanao iny raha tsy dia hoe hanao exil. Raveloson Constant (...) no resahiko. Menace de mort ny anareo manao hoe ataovy amin'ny fanaovana azy ianareo anaovako amin'ny fanaovako azy. Mba ahitako an'izany menace de mort-n'i leiry izany... ilay olona anie raha (jokotra?) ... fa izaho mila Raveloson Constant. Teneno ry midi : se rendre volontaire eny amin'ny tobinay eny Ambohibao (Fa iza kay no tadiavinao?) Izaho mitady Raveloson Constant. Be dia be ny anona, be dia be ny objet-ny mandat d'arret. Fa izaho mila Raveloson Constant. Cas plus particulier, ahitako le menace de mort-ny, Raha lehilahy izy tokony hifanatrika amiko. Qu'est-ce que je vais foutre avec satrobory? Heeinnn (mitovy amin'ny dein) c'est rien an! fa izaho mila Raveloson Constant. Rakotovazaha Olivier ve efa niseho koa? Mbola tsy niseho koa ve? Mba omeo an'ahy izy rangahy fa ilaiko ah! safosafoiko fotsiny izy fa tsy ataoko inona, izaho tsy hananona an'azy aho, tsy hamono azy aho, tsy hikapoka azy aho. Mifanatreha ianao fa mitady anao mafy izy. Interêt ho anao hoe ny mi-rejoindre eny emin'ny CNME eny Ambohibao. Raveloson constant! Raveloson Constant a interêt de rejoindre hi-se representer volontairement la Commission National Mixte d'enquete d'Ambohibao, sinon il aura chaud. J'aimerais avoir Raveloson Constant entre mes deux mains. , Il a a interêt de se rejoindre CNME Ambohibao, sinon il aura chaud an! Raha tratrako any amin'ny anona any iny dia vitan'ny kaofiboay iny an. Cette fois ci je le menace de mort iny fa tena misy declassement de peu (tena tsy azokoa aloha io teny io). Raha tsy te-ho maty any izy dia aleo interêt ho azy ny mi-rejoindre ery tonga dia atao any enquête dia izay anaovan'ny enquête azy any. Raha izaho cellule d'arrestation no mahazo azy dia il aura chaud. Dix fois plus que Theophile et Colonel Zakabe. Manandafy manko tsy nahazo. Rangahy iny efa 70. Izaho hatramin'izao mbola madio ity tanako ity fa tsy mbola nahafaty olona aho. Fa raha tadiavin-dRaveloson Constant ny hahafaty azy asaivo maka distance amiko koa izy. Azerako an'ity 7.62-ko ity mihitsy iny.
Araka ny hitanareo dia in-9 izy no nanonona ny anarana ravelosn Constant nandritra ny 2:16 nandrasam-peo ka nampitan'ny radio fahazavana azy. Mba inona loatra ary izao resaky ry zalahy tany ambadika izao?
jentilisa, 04 mey 2009 amin'ny 23: 47
Mitohy ny tolona fa amin'ny endrika hafa, na mitsahatra aza ny eny an-dalambe noho ny tsy fitiavan'ny ankamaroan'ny mpanohana ny famerenana ny ara-dalàna sy ny fitsipahana ny fanjakana nalaina tamin-kery GIDRAGIDRA dia mbola manohy azy kosa ny tsirairay. Tahaka izany ny tenako amin'ny fampahalalam-baovao madinidinika ho an'ny rehetra eny. Tena tiana tokoa ny mijery baolina fandaka ary dia ady sahala samy tsy nisy nitoko moa iny ny Barça sy ny Chelsea, ady an-kafetsena ireny. Mankafy zavatra mahafinaritra rahateo ny tena.
Misy ihany moa ny zavatra adino tsindraindray ka tsara ihany ny mampita azy, fa eto an-toerana koa tsy diso anjara amin'ny fanarahana vaovao. Voalaza moa tany Antsirabe fa tsy nisy ny famorian'olona tany ny talata 28 avrily 2009. Resaka tamin'izay olom-pantatra hafa tany no nahalalana fa izay ry zareo tany vao nifanehatra tamin'izany baomba mandatsa-dranomaso maro dia maro sy ny baomba mankarenintsofina maro izany. Tanàna milamina sy mangina ihany manko i Antsirabe amin'ny ankapobeny. Ny talata raha feno miaramila ny manodidina ny tsangambato (gara hatrany moa no ilazan'ny olona azy) dia tany Tsarasaotra kosa ny mpanohana ny ara-dalàna no namory olona ary tany ry zareo tsy nisy nanelingelina. Re ihany koa fa nisy ireny andian-jatovo mpihantsy mpitandro filaminana ireny koa tany Antsirabe ka izay no tena niasan'ny mpitandro ny filaminana. Izaho kosa moa nanao hoe efa voarara manerana an'i Madagasikara ny fihetsiketsehana an-dalambe ka izany no baiko azon'ny miaramila. Nitomany noho ny tsipoapoakan'olon-dehibe avokoa moa ny mpianatra madinika tany, ary mbola tsy nianatra ny mpianatra io andron'ny talata io. Asa hanao ahoana angaha ny ho tohin'ny tolona amin'ny manaraka (ny fantatro dia tsy isan'andro no anaovana ny tolona any fa andro mifandimby).
Ny vaovao manaraka nolazain'ny vaovaon'ny matv kosa indray moa dia ny fisodisodiana nanodidina ny tranon'i Avoko, mpitarika ny ANAWI, nataon'ny mpitandro ny filaminana hatry ny andron'ny alatsinainy folakandro ka hatramin'ny talata folakandro. Miverimberina matetika eny ry zareo, ary araka ny voalaza aza moa dia efa nisy fotoana teny am-bavahady mihitsy ny miaramila no nisy niantso tampoka indray. Siosion-dresaka moa no mandeha fa tahaka ny ao anatin'ny lisitry ny ho minisitra ao amin'ny governemantan'ny ara-dalàna no antony saiky hisamborana azy fa tsy noho ny fanakianana mivaivay nataon'ny tamin'ny mpitondran'ny HAT tao amin'ny fandaharana "resabe" (matv isaky ny zoma alina) loatra. Mpanara-baovao iray moa no nihevitra fa noho ny fisian'ny ordres sy contre-ordres (tahaka ny tamin'ny nanenjehana an'i Andry TGV fony nanao ny tolony) no mahatonga io tsy fahafaha-manapa-kevitra hentitra amin'ny fisamborana an'i Avoko io. Endri-pitarafana ny fivakisan'ny miaramila ihany koa io fa tsy mivandravandra loatra.
Fa mitady ho adino moa ny anton-dresaka, ady amin'ny lainga no lohateny ary tena miroborobo mihitsy izy io amin'izao fotoana izao. Misy moa dia tsy manana henatra intsony amin'ny fampielezan-dainga fa sao mba mahavoa ihany ny goavy manta, sady ny ohabolana malagasy rahateo manambara fa ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra. Ny nampihomehy ahy dia, tsikaritra ahy manokana hatrany izy ity an, ny fitovitovizan'ny vaovao mivoaka amin'ny haino aman-jery amin'izao fotoana izao, sy ny olona hita isan'andro amin'ny raharaha mafampana rehetra. Rehefa misy ny fisamborana olona somary malazalaza na ambonimbony dia misy dian'asan'izany Komandà Charles Randrianasoavina izany hatrany ao. Efa nisy moa ny sehatra nampalaza ny lehilahy hany ka izay lazainy rehetra lasa tsy misy azo inoina intsony, zatra ny mamoro-marina moa izy (eritrereto ilay fomba filazako azy!) nefa tena mahafalyny mpanohana ny tetezamita kosa aloha ny zava-bitany e!
Ohatra iray ary: ny vaovaon'ny tvplus indray mandeha no nanambara ny fisaina bois de rose amina trano iray eny Amboanjobe, Antananarivo atsimondrano. Nambara fa avo nofain'ny zanaka lahin'ny mpiutondra teo aloha Josoa Ravalomanana io trano nanafenana hazo sarobidy io, ary tsy fantatry ny tompon-trano izay lehiben'ny faritanin'Antananarivo tamin'ny andron-dRatsiraka atoa Rolland Ramahatra, ny fisian'ireo entana ireo. Ny ampitso indray ny gazety malaza nanambara fa nofain'ny zanaka vavin'ny filoha teo aloha Sarah Ravalomanana io trano io vao telovolana lasa izay. Tsy fantatro aloha na i Josoa ihany no Sarah fa naman'ny zanaky ny tompon-trano koa manko ny zanaky ny filoha Ravalomanana. Gaga aho fa tsy dia nisy nanamarika moa io tsikaritra io. Ny niniana tsy nolazaina tamin'ity raharaha ity dia tsy nanonona mihitsy ny tvplus hoe an-dRolland Ramahatra ny trano. Manaraka izany, nahatrarana kamiaon'ny tiko sy 4*4 Prado iray koa teny, araka ny voalaza. Ny tsy nolazaina fa hita dia notaomina tamin'io kamiao io ireo hazo ireo (mazava loatra fa na tany ihany ny lakile na efa misy moa ny mahay mampandefa fiara tsy ilàna lakile e!) ary dia tsy fantatro intsony aloha izay nandehan'ny entana kosa avy eo.
Tsikaritra hafa ihany koa, vao jerena kosa aloha ilay Ralitera Andrianandraina, talen'ny fiarovana Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana, dia hita mihitsy hoe taizan'aretina ary hita fa tsy ho afaka ny hahery fihetsika intsony ihany koa. Mitady olona ampangaina fotsiny ry Komandà Charles ary dia afatratra any amin'io olona ampangaina io avokoa ny rihitra. Rehefa be loatra ny marina foronina dia vao maika mampitombo ny tsi-finoana izany. Ny tsikaritro anankiray dia ilay pasipaoro nosaronana taratasy hafa ny anaran'olona teo ary natao ngeza be avy eo ny anarana hoe RALITERA (sorabaventy sady lehibe)... asa inona angaha ny porofo tiana avoka amin'io pasipaoro io? Atsasaka segondra no nahitako io tamin'ny vaovaon'ny tvplus sangy maso manety ny aty ka tsy maintsy mampivandravandra ny tadiavina tsy holazalazaina amin'olona (vaovao alatsinainy 27 avrily 2009 no nisy an'io).
Lasa ny eritreritro avy eo hoe, matoa nahasahy nankeny Ambohidahy anoloan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana hatrany ny mandala ny ara-dalàna dia efa fantany mazava tsara fa tsy hitifitra azy velively ny miaramila tao amin'io toerana io. Eritreritra fotsiny ny ahy ny hoe mety ho efa nahazo baiko hitifitra ny miaramila tao fa tsy nisy nety nanatontosa izany baiko izany, dia izay no nahatezitra ny mpanome baiko sy nahatonga ny fanafihana... saingy eritreritra ihany aloha ny ahy izany fa tsy voatery ho marina na tsy voatery ho diso avy hatrany.
Faramparany, misy ny kivy fa toa nangina ny radio na dia efa nisy aza ny fiovana fantsona handrenesana azy, izaho kosa mieritreritra fa niniana nampanginina mihitsy izy mba hanarahan'ny mpitolona ny toromarika amin'ny manaraka. Hoy moa aho hoe namitsahatra aza ny fihetsiketsehana dia mitohy ny tolona ataoko manambara mandrakariva ny marina hitako sy reko ka atokisako kokoa ny fahamarinany.
jentilisa, alarobia 29 avrily 2009 amin'ny 00: 43
Efa tsy takona afenina intsony. Vao nisy ny fiokoana miaramila milaza fa "miaraka amin'ny vahoaka" ka nampiseho ny talentany teny Ankadimbahoaka ny mpioko dia fandrobana ny score sy ny leader price avy hatrany no tao an-tsaiko omaly iny. Tsy te-hanoratra izay mihitsy aho omaly fandrao lazaina fa izaho no nampirisika, nitombina tanteraka ny ahiahiko fa ny Francepub sy ny Jumbo score ary ny courts mbamin'ny SFOI no tratra fa mba tsy vita kosa i Leader Price. Inona no nitranga? natsangana ny barazy hanakanana izay tsy fantatra fa ny tena tanjona voalohany dia ny hakana vola izay mandalo amin'ny fiara rehetra. Nanararaotra ny fisarahan'ny mpitandro ny filaminana ry zalahy dia nataony izay tiany. Mbola sahy mampirisika ny hananganana ny barazy ihany etsy ankilan'izany atoa Alain Ramaroson fa izany, hono, no antoka tokana hanakanana ny fandrobana... nefa moa efa lasa mivandravandra ho an'ny rehetra hoe avy amin'iza no tena mpamaky ny tranombarotra horobaina.
Koa satria tsy handray andraikitra ny mpitandro ny filaminana amin'izao fandrobana mahatsiravina, 26 janoary 2009-bis notontosaina androany 9 martsa 2009 izao, dia niantso ny mpanohana ny ara-dalàna sy tsy manaiky ny hisian'ny barazy arahina fandrobana ny tao amin'ny radio mada. Nolazaina ho nanomboka tamin'ny 11 moa ny antso, izay vao natao io hadiva ho atoandro io ka tampoka ihany dia nahazo olona ihany ny teny Mahamasina nanomboka tamin'ny 2 ora teo. Nahavariana moa fa tsy sahy nitsofoka lalina tany akaikikaiky tany ny mpanao gazety fa natahotra ny ho voadaroka angamba. Ny an'ny mpanohana ny TGV kosa moa dia ilay efa araka ny nosoratako teo ihany, tsy misy afa-tsy ny fanavoana barazy efa fitakiam-bola sy arahina fandrobana ihany no entiny hanoherana ny fandrobana. Samy manana ny heviny tokoa aloha.
Fa karazany tahaka ny ahoana ny tena nivorian'ny mpitady filaminana tetsy Mahamasina? toromarika ny teny ka tsy hitako loatra izay lazaina, na ny marina kokoa dia tsy afa-nankeny aho noho ny asako, ny vokany fotsiny no nisy henoko. Nandrava barazy teny Tsarafaritra Tsimbazaza ny mpanohana an-dRavalomanana araka ny filaza azy, nafana tokoa ny fifampitorahana, fa manana miaramila mitam-basy miaraka aminy ny mpanao barazy ary nalaza avy hatrany fa tamy ihany koa ny avy any amin'ny Capsat (mpioko) hanohitra an-kery ireto mpandrava barazy ireto. Dia lasa ny saiko... hiaro ny vahoaka tokoa ve? be loatra ve ny fampihorohoroana ny vahoaka? leon'ny fandatsahan-dra ve? toa tsy izany mihitsy no tsapako amin'ireto miaramila ireto. Samy mitsara koa ny tsirairay.
Na izany na tsy izany, lasa fakantahaka tampoka teo ny fokontany 67ha avaratra andrefana (aleo lazaina amin'izay fa efa nisy gazety nilaza tsinona) tsy manaiky na oviana na oviana izany barazy izany. Ka mahatonga ny faritra manodidina tsy ahitana izany barazy izany. Angamba tiana ny hampielezana ny "andrimasom-pokonolona tsy manaiky ny isiana barazy" manerana an'Antananarivo koa dia izay aloha no atao. Tsarovy anefa, ny eto aminay tsy misy idirana fanohanana olona fa tsy fanekena barazy fitakian'ny jiolahimboto vola no iraisana. Ataoko fa tsy mahavita ary tsy hanao izany ny mpanohana ny TGV satria handroba minisitera aza mety hatao raha vonona ny olony. Asa izay ho fipoaky ny ampitso aloha fa mihamafana ny toe-draharaha... tsy mahalala izay fahasahiranan'ny any ambony any fa fiarovana ny sisa mijoro tamin'ny fandalovan'ny rivodoza olombelona masiaka eto Antananarivo no nijoroan'ny teny Mahamasina.
Mialoha ny farany, na eo aza anefa izany fahavononana izany, samihafa ny mandeha an-tongotra sy ny mandeha fiara. Ny tany amin'ny score digue sy ny shoprite Talatamaty indray no novakian-dry lemaizina ny tolakandron'ity andro ity. Tena potehina Antananarivo sy ny toe-karenany e! Tsy azoko mihitsy indraindray ny mbola mahatonga ny hafa mbola mifikitra amin'ilay toe-tsaina te-handroba sy ny fanao mirona mandrakariva amin'ny fandrobana. Mbola aiza izany raha sanatria hitondra ny firenena?
Farany, faly aho fa maro tamin'ny sosokevitra nosoratako tany alohaloha tany no noraisin'ny fanapahan-kevitry ny fanelanelanana teny Ambohimanambola Le Hintsy ka ny roa tononiko tsara dia ny "Fiarovana an'i Andry Rajoelina" sy ny "Fanaovana fihaonambem-pirenena amin'ity volana martsa ity" ka hotanterahina indrindra izany amin'ny 12-14 martsa ho avy izao. Kisendrasendra ve sa nisy tamin'izy ireo ny namaky ny bolongako? Na izany na tsy izany, manana fifaliana anaty avy amin'izany fanapahan-kevitra izany aho.
jentilisa, alatsinainy 9 martsa 2009 amin'ny 23: 53