Taolana ho an'i Taolagnaro

2007-06-02 @ 10:24 in Toekarena

Fitarainana mafy sy azo atao hoe ara-drariny ihany matoa efa mahare ny akony ny fitondram-panjakana amin’ny zavamisy miseho any Taolagnaro na Faradofay izay karazandrazan’ny tendro atsimo atsinanan’i Madagasikara.

 Raharaha efa ela nikonokononana moa ny resaka fasimainty any amin’ity faritra ity. Adihevitra tamin’izany ny fiantraikan’ny fitrandrahana amin’ny tontolo iainana sy ny manodidina. Ity fitondram-panjakana ity no tena nanafaingana araka izay azony natao ny fifanarahana tamin’ny vahiny amin’ny hitrandrahana azy. Io fahamehana io no antony iray mety ho tsy nahatsinjovana izay lesoka  hiarovana ny mponina amin’ireny faritra ireny.

 Niakatra izay tsy izy ny vidim-piainana any amin’iny faritra iny. Izany teny izany no malaza ankehitriny. Voasongony vetivety teo I Nosy-Be tamin’ny fahalafosam-piainana. Toy ny tanàna tsy natao ho an’ny malagasy intsony ilay tanàna. Inona angaha ny antony ? Heveriko fa maika ny hampandroso nanadino ny olona tao aminy ireo izay nifanaraka tamin’ny Qit Minerals Madagascar.

  Marina fa niezaka ny hanao lalana sy hikarakara foto-drafitr’asa toy ny fanorenana sekoly ny toeram-pitsaboana ny orinasa izay hisahana ny fitrandrahana fasimainty nefa tsy ampy izany ho an’ny mponina ary tsy misy tombotsoa ho azy mihitsy aza. Saiky adinoko koa moa ny fanorenana seranana nolazaina fa ho lehibe indrindra eto Afrika saingy tsy dia ninoan’ny olona loatra moa izay filaza ho lehibe indrindra manerana an’i Afrika izay. Voalohany tiako lazaina amin’ny tombotsoa tsy miantraika sarambambe, ireo mponina ao dia ho ambin’olona amin’ny fitrandrahana mivantana.

 Toa mpiasa avy any ivelany (Ivelan’i Madagasikara aza fa tsy mba hoe ivelan’ny faritra Anosy) no maro an’isa alaina. Heverina ho tsy manana ny fari-pahaizana hitrandraka hiasa ao aminy ireo Malagasy mponina any. Izay dia efa olana goavana tsy nojinery. Tsara raha nametraka fetr’isa farafahakeliny amin’ny mpiasa Malagasy ny fitondram-panjakana. Farafaharatsiny mba ny atsasany ahay no kely indrindra amin’ny avy eto an-toerana fa tsy ho vahiny 100% no hiasa ao. Tokony ho ny ampahaefany raha tena kely dia kely indrindra no Malagasy ao an-tanàna avokoa. Izany aza efa tsy misy dikany mihitsy. Manana adidy hanofana ireo mpiasa Malagasy ny orinasa fa tsy ho faly hitango vola mety hahatezitra ny tompontany fotsiny.

 Manaraka izany, malaza amin’izao fotoana izao fa miakatra dia miakatra tokoa ny hofantrano any an-toerana na dia trano hazo tsizarizary aza no ampanofaina. Antony, mazava loatra fa mihabetsaka ny olona tonga any nefa tsy dia ampy loatra ny fanorenana misy any amin’izao fotoana izao. Voalaza fa ny 75%n’ny efitra fiantranoana ao Taolagnaro dia efa karazany onenan’ireo mpiasa efa tonga hikarakara amin’ny fitrandrahana fasimainty. Ny 25% ambiny izany dia ifandroritan’ireo mpiasa mamita iraka any avy amin’ny orinasa hafa sy ireo mpizahatany te-hitsidika iny faritra iny. Tsy mahagaga raha miakatra be ny hofantrano.

 Izao anefa, mbola tsy ampy ampahafolon’ireo mpiasa hiasa any Taolagnaro no ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Aiza daholo no ametrahana ireo mpiasa hafa ? Eo no tokony hanery ny orinasa ny fanjakana malagasy amin’ny hanorenany trano be dia be hipetrahan’ireo mpiasany farafahakeliny fa tsy hameno hotely fotsiny. Trano manara-penitra fa tsy ho tsizarizary sanatria. Tokony ho hentitra ny fitondram-panjakana amin’io lafiny iray io.

Ankoatra izay moa ny olana amin’ny famatsiana sakafo sy ny zavatra hafa. Eo moa ilay filazana hoe ifaninanan’ny ankizivavy indrindra indrindra ny mividy finday hiaka farany aderadera any ampianarana. Fihetsika manosika ny ankamaroan’ireo mbola zazabodo hivarotena amin’ny vahiny sahady. Aiza moa no hahazoany vola aman’hetsiny vetivety eo ? Dia adino ny fianarana fa ny ravoravo natentina no tena zava-dehibe aminy. Tsy hisy dikany avy hatrany ny sekoly lazaina fa haorina na havaozina. Eriteritra ihany ny ahy na dia izany aza ka raha mihaino (na mamaky) ny ao amin’ny fitondram-panjakana vao maika tsara. 

Ceremony building at Iavoloha

2007-06-01 @ 08:39 in Ankapobeny

Tsy hoe lasa nanoratra amin’ny teny anglisy indray aho fa anarana trano iray eo ampanamboarana amin’izao fotoana izao ao ambadiky ny lapam-panjakana ao Iavoloha ihany. Tetikasa iray heverina ho vita afaka 15 andro mba hialoha ny fankalazana ny faha-47 taona niverenen’ny fahaleovantena amin’ny 26 jona 2007 ho avy izao.

 Nitsidika ny asam-panamboarana manko omaly ny filoham-pirenena miaraka amin’ireo orinasa manatontosa ny famitana io asa io. Ny filoha izay nanao ilay satroka sy fitafy ankapobeny mampiseho ny revy amerikana ao anatiny ao indray. Ilay anaran’ny trano koa moa tamin’ny teny anglisy rahateo izay fiteny fampiasa voalohany any Etazonia amin’izao fotoana izao aloha. Ny orinasa manatontosa ny famitana ny asa moa dia roa no fantatro dia ny Magrama sy ny Colas (hevero fa hatramin’izao aloha dia ny Colas no mahazo asa be indrindra tamin’ity fitondrana ity…raha ny Alma kosa no any an-tsain’ny hafa).

 Ny nandraisana ny orinasa Magrama ho anisan’ny mamita ny asa dia ahatsinjovana ny rafitry ny trano aorina ihany koa. Azo heverina fa trano horavahan’ny endri-bato ananan’i Madagasikara ity trano ity. Zavatra mahafinaritra izany satria matetika dia ny trano any ivelany no tena hita ho jenitra amin’ny vaton’i Gasikara. Ny orinasa Colas indray moa dia azo heverina fa ny fahamatoran’ny asa sy ny fe-potoana famitany azy no nahazoany ity tolotra iray ity. Ireo orinasa roa ireo ihany no reko na dia telo aza no nambara fa miara-mamita ny asa. Dia ankamantatra ho antsika rehetra izany hoe iza no fahatelo ?

 Eo ankilan’izay dia misy fiteny mahazatra ny olona eto Antananarivo amin’ny fananganana trano avo hita eo amin’ny anarana nefa ny trano aoriana amin’izao fotoana izao dia tsy misy rihana. Dia nanontany tena tany anaty tany izay nahita ny sary hoe hay ve ka azo atao tsy misy rihana ny trano dia efa azo lazaina hoe « building » e ! Na izany aza tsy kely akory ny fanamboarana fa trano mahazaka olona arivo no kendrena ho tafiditra ao anatiny. Tsy ho fipetrahana atao vonjimaika ho amin’ny fotoana manokana intsony no mijoro eo fa fanorenana maharitra sy ho tsara endrika ihany koa.

  Dia tena mihamaro tokoa anie izany fanorenana hamoriana olona maromaro eny amin’ny lapam-panjakana eny Iavoloha izany. Ao no misy ny foibe fampianarana Leadership. Efa misy efitra lasa fiangonana ihany koa. Dia avy koa ity trano vao naorina ity. Fa tsy nataon’ny filoha ankehitriny aloha ny nanangana ny foiben’ny rnm sy ny tvm tany amin’ity lapa ity araka ny fikasan’ny teo alohany e ! mba fikasana tsara avy aminy aloha iny. Azo tarafina amin’izany manko raha amin’ny fijery ivelany fa tsy mieritreritra ny hanidy ny vaovao ampitain’ny sary sy feo ho eo ambany fahefany velively ny filoha. Dia io hita eo anilan’ny rnm ankehitriny sy ampitan’ny Hilton Madagascar io ny foiben’ny tvm vaovao.

Omeo teny gasy mihitsy

2007-05-31 @ 15:41 in Andavanandro

Nisy mpitondra fiarakodia niresaka fa dia tahaka ny manao mizana tsindrian’ila ihany ny mpitandro ny filaminana indrindra fa ireo misahana ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Raha manao fahadisoana ny malagasy dia mihazakazaka aoka izany ry zalahy amin’ny fanatonana ny mpamily ary mitaky ny taratasy sy ny manome sazy. Fa raha vahiny (ny hatsatra mazava loatra) na eo imasony eo aza no manao fahadisoana dia tsy sakanan-dry zalahy mihitsy fa tazaniny tahaka ny flaorà jeren’ny omby fotsiny.

 Misy ny fitaratra ijerena any aoriana no faohin’ilay fiara, ilay mpamily miresaka amin’ny finday ao anatin’izany ary tsy mahalala ny hijanona mihitsy na dia hitany izao aza ny nifaohany ny fitaratry ny olona. Fantany manko fa tsy sahy hanakana azy ireo polisy ireo. Tezitra ny Malagasy mahita izany dia mivazavaza amin-dry zalahy hoe jereo ny zavatra nataony dia nojerenareo fotsiny. Amin’io dia ry zalahy indray no manangam-bovona amin’ny tsy fanajana manam-pahefana. Rehefa tsy manaiky hanome ny taratasy mihitsy ilay saofera Malagasy dia miezaka ny mandamina amin’ny hoe efa hitantsika iny ny fiara dia efa hitantsika ny nomeraony dia tsy hitako intsony izay olana fa azo antsoina hatrany ireny. Tsy manaiky izany valinteny izany ilay mpamily Malagasy ka niteny izy fa hakariny ho amin’ny sehatra ambonimbony kokoa ity raharaha ity.

 Inona no azo tsoahina amin’izany ? Azo heverina fa mihevitra ny tenany ho manan-danja afaka manao izay tiany hatao aloha ilay vahiny. Manana andraikitra ambonimbony any amin’izay misy azy angaha ka heveriny ho antsojay ataon’ny malagasy aminy mampihemotra mpandraharaha raha vao miseho hanembatsembana azy. Mety ho manana olona ambony fantany hanavotra azy ihany koa amin’ny raharaha « tsy dia misy dikany » sahala amin’izay notantaraiko teo. Tombatombana azo disoina ihany ireo noheveriko voalohany ireo fa mety ho zavatra hafa no tena antony. Io zavatra hafa io dia manakana ny fifandraisana eo amin’ny vahiny sy ny teratany. Ny olana dia tsy ny vahiny eto no miezaka hahay ny tenin’ny teratany fa ny mifamadika amin’izay no mpiseho. Ny antony dia efa nisy fotoana nanjanahan’ny vahiny antsika Malagasy. Ry zalahy manampahefana misolo tena ny malagasy anefa mety ho tsy havanana loatra amin’ilay teny vahiny ka tsy te-hanala-bara-tena amin’ny fibadabadana eny. Dia aleony manao izay tiany atao eny ireny vahiny ireny. Ireo mahay teny vahiny ihany no hahasahy hanakana an-dry zalahy fa vitsy ihany izany araka ny fahitako azy aloha. Mihevi-tena ho toy ny ambany manko raha tsy mahay ilay teny vahiny (afa-tsy oui m’sé).

 Dia lasa ny eritreritro manao hoe f’angaha dia tsy maintsy ny teniny no iresahana eto amin’ity tanàna ity ? angaha koa ianao any amin’ny biraony ka matahotra ny hiresaka na hibetroka azy mihitsy aza ? Raha menatra ny hiteny vahiny aminy (izany hoe haja ve izany ny miteny vahiny aminy sa tsy mahatonga azy ho kamo hianatra ny teny malagasy ?) maninona raha mibetroka azy amin’ny teny gasy fotsiny amin’izao. Izay ilay hoe omena teny gasy izy. Aleo izy indray no hihanahana fa raha mitaky permis aminy dia ny teny hoe permis ihany no atao teny vahiny fa ny ambiny rehetra atao amin’ny teny malagasy. Dia mety hiteny isika hoe ka teny ofisialy eto anie ny teny frantsay sy teny anglisy e ! dia valiako hoe marina izany fa tsy manakana ny malagasy hiteny malagasy izany. Avelao hisy mandika teny ho avy e ! f’angaha dia ny hamalifaly azy izao foana no hatao ? Ianao angaha raha any aminy ekeny izay teny malagasinao fa ny teniny ihany no iresahany aminao dia mba toy izany ihany koa e ! Toa isika indray no hisahirana aminy nefa izy ary mandika lalàna…

Iza no nahita "ny hafatry ny pentekosta"?

2007-05-30 @ 12:20 in Finoana

Mbola resaka pentekosta ihany na dia zavatra hafa indray aza. Efa fantatry ny mpanara-baovao tsara fa namoaka ny hafatry ny pentekosta ny filohan’ny fiangonana efatra mandrafitra ny ffkm. Tamin’ny alarobia (heriny) na alakamisy dia efa nambaran’ny gazety ambangovangony izany. Saingy iza moa no tena nahita na nahare ny votoatiny manontolo ?

 Raha vao nahatonga izany any amin’ny tonian’ny fanoratana any amin’ny fampahalalam-baovao isan-karazany ny gazety dia misintona izay azony tsoahina avy ao amin’ny hafatra. Tsy namoaka manontolo ny hafatra kosa ry zareo satria tsy nividy pejy manokana ho amin’izany i Vohipiraisana (ny foiben’ny ffpm natao ho foiben’ny ffkm vonjimaika ihany koa aloha). Izay no nampahafantarana ny vaovao fa tsy namakiana na nametrahana azy manontolo. Manaraka izany indray dia tsy novakiana tao am-piangonana nandehanako tamin’iny alahady ihany koa ilay hafatra avy amin’ny filoham-piangonana efatra mirahalahy. Tena nandrasana mihitsy tamin’ny filazan-draharahan’ny fiangonana fa niandry vasoka fotsiny. Eto Antananarivo ve dia mbola tsy naharay ny hafatra ihany koa ? gaga ihany ny tena amin’izany.

 Nanontaniana ny olom-pantatra raha naheno fa na tsy tandriny na tsy nalefa ihany koa ny tany aminy. Ny tao amin’ny fjkm Ambavahadimitafo ihany no reko fa namaky ilay hafatra. Vaka ny saina manoloana izany toe-javatra izany. Inona ny antony tsy namakiana ilay hafatra tany amin’ny fiangonana sasany ary namakiana azy kosa tany amin’ny fiangonana sasany. Nizara ve ny hevitra manoloana ilay fanambarana ? Fampiraisana no tena tanjona ka toa fisarahana no hita !

Androm-bavaka manera-tany

2007-05-29 @ 08:14 in Finoana

Efa rere tao ho ao ny momba ity teny hoe androm-bavaka manerantany ity(Global Day of prayer). Lazaina ombieny ombieny fa niainga tany Capetown ity fihetsiketsehana ity. Izany moa no lazainy ao amin’ny transformation africa ao. Raha ny marina anefa araka ny testamenta kristiana dia tany amin’ny andron’ny Apostoly mihitsy no efa nisy izany vavaka isan’andro nialoha ny tamin’ny alahady iny.

 Folo andro no niomanan’ireo mpikarakara tany amin’ny toerana samihafa (ary anisan’izany ny fiangonana loterana malagasy ao Ambatovinaky) teto an-tanàna. Nisy ny fotoam-bavaka maraina (tena maraina tokoa satria mbola mazavaratsy mihitsy) ary nisy ihany koa ny fotoana hariva samy adiny roa avy. Folo andro no nanatanterahana ny fikarakarana isam-paritra. Ny lohahevitra nobanjinina nandritra izany fotoana izany dia ny ao amin’ny 2 tantara 7 andininy faha-14 ao izay manomboka amin’ny teny hoe raha ny olona izay antsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka…

 Rehefa amin’ny filazana fa fiangonana maro no miara-misalahy amin’ity raharaha ity dia tsy miditra loatra ny fiangonana katolika. Ny somary mahagaga ahy aza noheveriko fa ny fiangonana pentekotista no tena lohalaharana amin’ity fihetsiketsehana ity. Mifanandrify amin’ny anarana pentekosta ihany manko ny anaram-piangonana. Ny teto Madagasikara anefa dia ny sasatsasany tamin’ireo lohandohan’ny fiangonana loterana ny fjkm (ary mavitrika ao amin’ny ffkm eto Antananarivo ihany koa) no tena nafana fo tamin’ny fikarakarana azy sy tamin’ny fanentanana ny mpiangona tao aminy. Azo heverina avy hatrany fa noho ny fifandraisana eo amin’ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny mpitarika eo anivon’ny fikambanana mpiara-mamaky ny baiboly sy ny fikambanana mampiely baiboly Malagasy no singa iray niteraka izany. Ireo fikambanana roa ireo tokoa manko no mpikarakara voalohany ity hetsika ity eto Madagasikara.

 Ireo fikambanana roa ireo ihany koa no tetezana ifandraisan’ny fiangonana ara-tantara sy ny fikambanam-pivavahana kristiana vaovao tsy manava-tena. Efa nanana fahazarana amin’ny fanaon’ny mpiara-mamaky ny baiboly ihany aho ka fantatro fahatsoran’ny fomba araka izay azo atao. Mora ho an’ireo fikambanana roa tsy hain’ny maro avahana ireo ny manatona ny andaniny sy ny ankilany avy.

 Ny andron’ny pentekosta tolakandro ary dia tao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no nanatanterahana ilay androm-bavaka maneratany anjaran’Antananarivo. Toerana tsy antonona intsony ny habetsaky  ny olona tonga tao saingy tsy nahazo ny toerana lehibebe kokoa manko. Nefa toerana sahala amin’ireny ihany no eken’ny rehetra fa tsy fiangonana lehibe izay manavahiny izay tsy mpiangona ao. Amin’izany maha androm-bavaka maneratany azy izany dia tena ny vavaka tokoa no nibahan-toerana.

 Tsy ny toriteny na ny filazan-draharaha no betsaka, ary tsy ny hira ihany koa aza fa dia ny fanandratana an’Andriamanitra sy ny fiantorahana taminy tamin’ny endrim-pivavahana rehetra. Koa taorian’ny toriteny fohifohy nalaina avy tao amin’ny Romana 14 :1 – 14 izay manambara amin’ny ankapobeny ny tsy tokony hifampihafahafana na dia samihafa fomba aza ary tsy ifampitsaratsarana foana dia nanomboka ny endrim-bavaka mety ho fantatra rehetra.

Voalohany tamin’izany ny vavaka ifamaliana izay heveriko fa mitovy avokoa amin’ireo firenena mahatratra 200 lazaina ho miara-manatontosa ity Global Day of Prayer ity fa ny teny no natao tamin’ny teny malagasy. Ny vavaka ifamaliana moa dia vavaka tononon’ny mpitarika sy valian’ny mpanatrika rehetra. Ny any amin’ny Katolika sy ny loterana ary ny anglikana no tena mahazo azy ity fa raha any amin’ny hafa dia mitovitovy karazana amin’ny famakiana ny salamo ifandimbiasan’ny mpitarika sy ny vahoaka ihany izany. Azoko lazaina fa tsy tsara dika ilay vavaka na tsy tafiditra loatra ilay fanandratana amin’ny mahagasy fa azo tsara ny tian-kambara ao anatiny. Nifandimby nitarika moa teto ny ankamaroan’ireo mpitari-pivavahana nanana solontena tonga tao.

 Efa izay dia lasa indray ny vavaka ho an’ireo sokajin-taona rehetra ka  samy nomena ny anjarany ny ankizy, ny tanora ny vehivavy ary ny lehilahy. Samy manana ny solontenany ireo sokajintaona ireo. Amin’ny ankapobeny moa rehefa tahaka ireny dia vavaka fifonana hatrany no manjaka. Ireo solontena moa dia misy ireo nanao vavaka novakiana ary misy kosa ny nivavaka tora-po. Asa fa noho ny mpanentana saiky lehilahy avokoa angaha ka mba naka toerana lavalava ny mpitarika nanana anjara ho an’ny vehivavy (Pst Rebeka izay ananana rohim-pihavanana ihany), nanao fanazavana aloha ny anao alohan’ny anaovana ny vavaka ary indroa miantoana ny nanaovany ny vavaka.

 Ary nenti-namaranana azy dia samy nivavaka avokoa ny rehetra nanatrika ka nanao faribolana kely nifamory isaky ny olona telo ka hatramin’ny olona enina teo ho eo. Efa nisy rahateo ny antom-bavaka napetraka dia ny hampazoto ny malagasy hivavaka sy hitodika amin’Andriamanitra, ny vavaka hanalana ny herin’i Satana tsy hanjaka amin’ny fon’ny olona ary ny mba handrosoan’i Madagasikara ara-toe-karena. Io lohahevitra farany io dia be ihany no tsy nankasitraka azy. Nibahana tao an-tsain’ny maro angaha ny teny hoe ny fivavahana tsy natao ho filan-karena ka tsy nisy loatra ny nivavaka ho amin’izany, ny ananan’ny malagasy fiadanana sy fahasambarana tsy voatery ho amin’ny alalan’ny vola no nihoraran’ny olona kokoa. Tsapa manko izany firoanan’ny nanatrika izany rehefa nomena ny fitenenana ny solombavam-bahoaka tonga teo niteny hoe tsy ilaina loatra fandrosoana tsy misy fanahy sy anjakan’ny faharatsiana ka nitehaka avokoa izy ireo (talohan’izay anefa dia tsy nisy tehaka loatra). 

Fehiny, tena ireo olona vontom-pinoana tokoa no nanatrika tao raha vavaka no nanjaka nefa dia roa ora sy sasany no nanaovana azy. Tsy nisy vidim-pidirana tahaka ny hitako tany amin’ny firenena sasany ny teto Madagasikara sady tsy hanisy vidim-pidirana mihitsy. Lesoka ihany koa ny nanadinoana mba hisian’ny solontenan’ny vahiny tsy mahazo loatra ny teny malagasy izay maromaro ihany ny nanatrika tao hanana anajara vavaka ihany koa. Eny fa na teny anglisy aza no nanaovany izany inona moa no tokony ho olana ? Nisy Japoney tonga koa anie tao e ! Amin'ny 11 mey 2008 indray izany ny androm-bavaka manerantany manaraka.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox