Dia izay tokoa aloha no soratako etoana! mba miala sasatra sy aka rivotra eo amin'ny iray volana mahery eo aho izany...koa raha manoratra aho dia eo amin'ny fandefasana hevitra eo ambany eo ihany. Mametraka ny mandra-pihaona sy mirary soa anareo rehetra. Tsy ahatafavoaka blaogy any amin'ny cyber mihitsy manko aho hatramin'izao fa tonga dia manjavona fotsiny ny takelaka amin'ny fotoana tokony hahafeno azy. Izay no anoratako eo amin'ny hevitra raha misy izay tiana hosoratana!!!
Bye dia Mbola ho avy ô!
Matoa aho manao izao lohateny izao dia mampilaza dieny mialoha fa tsy voamarina ilay vaovao. Ny tompon’andraikitra mivantana ihany no afaka manamarina na mandiso ny vaovao. Manaraka izany ihany koa dia tsy hisy hitabataba izany mialoha ireo tompon’andraikitra misahana izany. Teny mandeha roa ary no holazaiko etoana :
Ny voalohany tsy dia henjana amin’izany dia momba ny valimpanadinana Bepc ihany. Manahy ireo mpianatra tena nianatra teto Antananarivo renivohitra fa izay mahamarina manontolo ny matematika sy ny fizika dia heverina avy hatrany ho nahita mialoha ny lazaolana ka tsy afaka avy hatrany. Izaho izay manoratra dia efa nahavita valiny tsy misy diso amin’ireo taranja roa ireo tamin’io karazam-panadinana io ka raha izaho no tratran’izany dia ny ahy no be indrindra. Marihina moa fa rahampitso alahady vaoapeta-drindrina ny valim-panadinana Bepc eto Antananarivo. Manaraka izany ihany koa dia tsy homen’ny olona lanjany avy hatrany ihany koa ny fahafahana fanadinana Bepc amin’ity 2007 ity na dia ho afaka aza ny ankizy. Fahadisoana lehibe ho an’ny minisitera noho izany ny nanome hasina ilay fanadinana tsy ho eken’ny tontolon’ny asa fa tsy namerina azy manontolo noho ny fahihirana ihany.
Faharoa izay miantraika mivantana amin’ny toe-karena malagasy mihitsy indray raha sanatria ka marina dia momba ny entana sinoa miditra eto Madagasikara. Nisy ary olona nilaza (mpiasa tsotra ao amin’ny sampan-draharahan’ny hetra ranamana) fa manomboka amin’ny volana aogositra ho avy io dia miditra tsy mandoa haban-tseranana ny entana vita avy any Shina. Na hoe manomboka volana aogositra na hoe mandritra ny volana aogositra ihany raha entana avy any amin’ny firenena matanjaka no hiditra betsaka tsy misy haban-tseranana dia tena ho loza mitatao amin’ny mpanao taozavatra eto Madagasikara. Ny firenena vaventy aza mihorohoro amin’ny Shinoa ka raha izay isika tsy ampy hopotehiny ara-toe-karena.
Vao maika nampitombo ny ahiahy ihany koa ny fahenoana fa nanome (vonjimaika fa tsy maharitra) malalaka tsy mandoa vola fahafaha-mandefa mivantana amin’ny alalan’ny zana-bolana ny lalao rehetra hotanterahina mandritra ny lalaon’ny nosy ny fitondrana Shinoa. Dia nilaza, hitan’ny rehetra kosa tamin’ny tvplus omaly, ny tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny fikarakarana ity lalaon’ny nosy ity fa sambany no ho zana-bolana roa avy hatrany no hiasa hampita mivantana ny lalao ka afaka misafidy (amin’ny tvm sy ny mbs) ny mpijery amin’izay tiany arahina fa samy manana ny alefany ireo orinasa roa ireo. Tena maimai-poana tokoa ve ny tolotra sa misy takalony any ambadika any, tahaka ny nampidirana Shinoa maro noho ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ihany. Ny zana-bolana faharoa kosa moa dia an’ny Eutelsat izay nampitana mivantana ny lalao maro tamin’ny kitra fokontany ihany.
Tena sanatriaviko ny fahamarinan’ny vaovao anaty palitao nefa raha sanatria tokoa dia ho loza hafa no hanjo ny Malagasy.
Amin’izao fotoana fikarakarana fatratra ny lalaon’ny nosy fahafito hotanterahina eto Antananarivo izao dia manomana aok'izany (nahitsy) ny toerana manamorona ny kianja sy ny trano itoeran’ny mpilalao ny Kaominina. Mifanindran-dalana amin'izany dia misy koa ny fandravana sy fanesorana izay rehetra heverina ho manaratsy endrika ny tanàna.
Raha jerena maika amin’izao dia tahaka ny misosa tsara avokoa ny arabe mety ho fandehanan’ireo vahiny ireo. Saingy raha misy ny mianatranatry ny mandeha taxibe ka mandray azy na mandalo eo amin’ny fiantsonana manoloana ny fakana lasantsy Total ampitan’ny tranoben’ny Fiaro eo Ampefiloha dia hahatsapa tsara ny kintaontaona (lavaka ngeza be mangotatana) amin’io fiantsonana somary mihataka amin’ny arabe mahafinaritra io. Tahaka ny porofo manameloka fa te-ho tsara eo anatrehan’ny vahiny mpifanila sisintany amintsika isika saingy ny tena fahatsapan’ny mponina mandalo kosa dia hahare hatrany ny haratsin’ny lalana tsy raharahan’ny Kaominina. Na izany aza tsy manamaivana ny asa be dia be vitany amin’izao fotoana izao.
Fa fony mbola ampikarakarana ny dobo filomanosana hanaovana ny fifaninanana aho ka mitopy manodidina ny fakana sary dia ho hita akaiky eo ireo trano ratsy endrika tsy ara-dalàna manamorona ny lakandranon’Andriatany (ilay mifanila amin’ny lalamby no tiako lazaina). Dia lasa ny saiko tamin’izany hoe dia ho hitan’ny rehetra izany ireo trano ratsy endrika ireo. Kanjo dia rava trano ny Palestiniana androany maraina vao mifoha.
Ity fitondrana tia sehoseho tia tokoa ve dia hanaiky mora ho afa-baraka amin’ireo trano ireo ? Palestianiana moa no nilazako azy satria na dia mihalehibe aza ny trano vita sady amin’ny biriky sy mitafo fanitso dia tsy tompon’ny tany sy ny trano ry zareo ka tsy menatra ny Kaominina nitondra ny Bulldozer hanjera izay rehetra mijoro. Palestiniana satria na dia efa ampolo taona aza no nipetrahana miafinafina (tsy mitomandavana manaraka ny arabe tsinona fa manaraka ny rano) teny dia tsy mananjo hitaky zavatra loatra eo anatrehan’ny mahery. Saingy manantena ry zareo fa hatramin’ny fiafaran’ny lalaon’ny nosy ihany no tsy mahazo miserantserana eny fa raha vao lasa kosa ireo vahiny maro ireo dia iverenana indray no toerana. Isika Malagasy zatra vonjy tavanandro manko tsy hahafehy mandrakizay ny olona tsy hanangana ny trano indray avy eo. Toy ny tsenan’Isotry ihany e !
Hendratra avy hatrany aho androany nahita ny lohateny tamina gazety mpiseho isan’andro iray. Tsy dia raharahako loatra ny momba ny antenimieram-pirenena na dia mpanara-baovao politika mavitrika aza aho. Fiainam-pirenena iny ka rehefa ao anatin’ny zony ny filoha handrava dia efa ao anatin’ny lalàna neken’ny vahoaka nifidy azy izay. Fa ity kosa dia miantraika mivantana amin’ny tena ka tsy maintsy amoahako ny fitiavan-tenako ihany koa.
Mpiasa aho ary miasa enina andro anatin’ny herinandro. Ny mahazatra aty Madagasikara moa dia dimy andro isan-kerinandro. Ny ahy kosa ny andro fahaenina dia tsy andro fanampiny hahazoana tambin-karama mihitsy fa efa voafaritra anaty taratasy fifanarahan’asa. Noho izany dia tena ilaiko tokoa ny miala sasatra fotoana lavalava (iray volana amin’ny volana ho avy io) hamoriana hery sy hanaovana zavatra hafa ihany koa. Izao ka tadiavin’ny vondron’ny patirao tanora eto Madagasikara hahena ho 15 andro sisa io zo 30 andro isan-taona io. Pata tahaka azy ireo koa moa ny filoha amin’izao fotoana izao ka azo atao tsara ny manararaotra mampiditra ny hevitra any aminy.
Rehefa re fa kasaina akarina adiny 10 isan’andro ny fotoam-piasana dia ampifanarahana aminy kosa ny fampihenana ny fialan-tsasatry ny mpiasa. Loza ity marina mafy ! Ny siesta kely efa nofoanana amin’ny fotoam-piasana mitohy, ny ora kasaina ampitomboina dia mbola ampiana ity soso-kevitra ity ihany koa ! Sao dia tsy rariny ? sao dia efa tafahoatra ? Te-hiteny hoe mpiasa tsy mitsangana amin’izao efa miditra amin’ny fanandevozana maoderina nefa hatramin’ny oviana no nisy mpiasa malagasy nivondrona hanohitra lalàna manohintohina ny tombotsoany ?
Tsy maninona na somary mandany vola kely aza fa mifanentana amin’izany ny volon’andro. Mirevy amin’ny andro fety ? fety ho an’ny tanàna tsinona ka mety avokoa izay aloatry ny fientanam-po. Ho fantatry ny maro ihany ny anaran-tanàna. Hahagaga indray raha olona mipetraka eto Antananarivo sy mpijery televiziona na mpanara-baovao farafaharatsiny no tsy hahalala ihany an’i Morarano.
Nampidirina tao anatina taxibe nofana manokana mankany an-tanàna ny entan’ny boaikely rehetra, loka tamin’ny nahazoany voalohany sy nandrombahany ny amboara tamin’ny alahady teo. Tsy mampaninona na mety hifamadika aza satria zavatra mitovy avokoa no azo dia fahitalavitra sy fitaovana manontolo ho entina milalao baolina fandaka ary fitaovana mahavariana ny tanora isan-karazany. Nahazo tsirairay avokoa ny ekipa iray manontolo (12 ny fitambarany). Tsy misy mitaingina fiara fa manaraka avy ao aoriana avokoa mihazakazaka sy mihorakoraka. Mampahatsiahy ny eny an-tanàna rehefa mahazo omby mifahy avy milalao baolina lavalava iny. Tamin’ity kosa dia tanora 11-15 taona no nahazo loharanom-pifalian’ny tanàna iray manontolo. Ny fiara misy ny loka sy ny amboara no solon’omby…
Izay andalovana ihany koa efa nieritreritra ny haheno horakoraka ary izay tsy mahalala satria tsy liana amin’ity lalaon’ankizy ity ataony mahalala amin’izay. Iny Ankadilalana miakatra ho any Tsimbazaza iny dia mandeha toa ho any Manakambahiny amin’izay. Haheno ny horakoraky ny mpilalao sy ny mpanohana mahatratra anjatony mety hanakaiky ny anarivony mihitsy. Tsy mahalala reraky ny lalao nafana ny tovolahy fa mazoto hatrany noho ny zavatra azo. Na lahy na vavy toa mpanao fanatanjahantena vetivety teo avokoa.
Niavaka tokoa ny ekipan’ny Jsm Morarano. Voalohany : tsy mba naka anaran’ekipa vaventy sahala amin’ny hoe Barça, Juventus sy Olympique ary ny hafa izy fa tanora mpikotran’i Morarano ihany no anarany. Teny frantsay ny anarana nefa efa nataon’ny fitondram-panjakana ho teny ofisialy io sy ny teny anglisy. Manaraka izany ny mpanohana izay nafana fo hatrany nandritra ny fihaonana rehetra nataon’ny ekipany. Mivondrona tsara ka nanome hery lehibe ho an’ny zanany tsy hatahotra na kely na lehibe sy mahay mifandona aminy. Samy zanak’olona sahirana koa moa nefa mahay mifanohana. Ary farany ny mpanazatrany irery ihany no nianjaika tamin’ny lalao famaranana. Nanatrika teo avokoa manko ny mpanazatran’ny ekipa nilalao nandritra ny fifaninanana. Nanome hasina ny zavatra nataony izy ka mendrika azy ireo ny fandresena.
Alina vao tonga tany an-tanàna ka niara-nisakafo avokoa ny rehetra rehefa avy notsenan’izay nijanona tao an-tanàna ny avy niantafika nahazo amboara. Avy eo nisy alim-pifaliana nakotrokotroka niarahan’ny rehetra nitsinjaka fa izay no revy antonona ny vanim-potoana e ! Dia hotsaroan’ny boaikely sy ny tanàna fa efa nahazo fandresena sy nalaza teto an-tanàna ry zareo nandresy an’Andrady II tamin’ny kitifitifi-baolina rehefa nisaraka tsy nisy maratra tao anaty fotoana ara-dalàna.