Ny angolanao Ratsimamanga (tohiny)

2007-12-31 @ 10:11 in Kolontsaina

Ity mpihira ity dia teo ampihirana ny hiran'i Dama Mahaleo tsy haiko lohateny iny fa misy ilay andalana manao hoe "indro misonenika ratovovavy iny". Hira fanentanana ny lalaon'ny Nosy tamin'ny 1990 izy iny raha tsy diso aho, fa mety ho diso mihitsy.

Ny sary hafa amin'ity andiany ity dia azonao jerena eto

Tsy diso fanoratra akory aho ary tsy diso famaky ihany koa ianao. Tsy ny angolanao ry Analamanga akory io nosoratako io fa ny Angolanao Ratsimamanga. Notontosaina tamin'ny alahady teo (omaly 30 desambra) tao amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena tokoa ny fahatsiarovana ny fahazato taona nahaterahan-dRatsimamanga ary dia naverina tao avokoa ny ankamaroan'ny hira nankafiziny na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany.

 

 

Endrey ny mandre izany hira klasika tendrena amin'ny vahila sy ny gitara, ankoatra izay tsy maintsy hiraina amin'ny lokanga sy ny mozika be. Antokom-pitendry mozika roa samihafa rahateo no tsy miala eny ambony sehatra ka toy ny mizara roa miavaka tsara io sehatra ambony io.

 

Ny sary 15 hafa amin'ity andiany ity moa misy ireo mpihira  dia azonao jerena eto

Eo ambany kosa no diavin'ny mpanolotra sy ny mpiantsa tononkalo sy ny mpanolotra tarihin'ny filohan'ny Fimpima, sy ny Havatsa Upem ary ny mpanentana Atoa Lalao, heveriko ho filohan'ny fimpimi ihany koa nefa aleo angambaina fandrao diso izany (miala tsiny fa tsy tafiditro tanaty clé USB ny sarin'ny mpanolotra fa entiko amin'ny fiandohan'ny taona). Antsam-pitiavan-tanindrazana sy tantaran'i Madagasikara ary ny mombamomba an-dRatsimamanga no mibahan-toerana amin'izany tononkalo izany. Ny hira indray moa ankoatra ireo izay notiaviny dia saiky nalefa avokoa ny hiram-pitiavan-tanindrazana rehetra miandoha amin'ny hiram-pirenena, ny fanevan'ny mdrm ary ny "Madagasikara ho an'ny malagasy, malagasy ho an'i Madagasikara".

 

Ny sarin'ireo mpiantsa samihafa dia azonao jerena eto

Azo lazaina fa tsy manam-paharoa ny fampisehoana na dia tsy tonga avokoa na ny mpijery, ny mpitondra fanjakana ary na dia ny haino aman-jery aza ahiako ho toy izany ihany koa.

Fanamarihana: noho ny fanadinoana ny zava-dehibe amin'ny sary dia amin'ny fiandohan'ny taona ho avy io no entiko eto ny sary hafa manana ny lanjany noho ireto tongako ireto koa.

Nosoratana androany 31 desambra 2007.

Mirary fety sambatra ho antsika rehetra e!

Mibalady eny Anosy (sary15)

2007-12-29 @ 08:15 in Andavanandro

Efa nisy sary teny Anosy ihany nalaiko fony aho namoaka ny vokatry ny tiko hafakely iny. Tsy mbola afa-po aho ka dia nanampy sary hafa indray hianohana ny hakanton’ny tanàna miaraka amin’ny zaridaina sy ny toeram-pijerena azy mety tsy ampoizina loatra. Ny sary voalohany dia ny lalantsara manoloana ny tranon’ny fampielezam-peo Anosy iny. Ataoko fa tokony hahatadidy isika fa lalanamovoka fotsiny io lalana fandiavan’ny mpandeha tongotra io tany aloha tany.  

Ankehitriny efa vita tsara izy. Ho nofinofy sisa izany hoe manaraka ny moron’arabe no aleha tsy hahavovohana ny kiraro rehefa miala avy teo. Saingy raha somary mitodika miankavia toa hijery ny Lycee Moderne Ampefiloha isika nefa manohy ny fitodihana ihany dia hahatazana ny tranombokim-pirenena. Ela ny ela ka nahita azy niloko tahaka izao aho. Taloha manko dia tsy nolokoina mihitsy izy io araka ny fitadidiako. Ny Lycee moa nianarako fahiny. Ny tranombokim-pirenena kosa no niasako fony aho namita ny fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika. Tsy ampy taona manko aho ka tamin’izany ka tsy voatendry hivoaka an’Antananarivo.

 

Izay mpandalo eo amin’io tranomboky io dia hahita fa fanasan’ny olona fiara manoloana azy. Ataoko fa tsy antonona ny tokony ho hajan’ny toerana loatra izany hanaovana azy izany. Iriko mihitsy mba ho tokotany maitso na fiantsonan’ny fiara fa tsy fanasana fiara io toerana manoloana sy anatin’ny faritry ny tranombokim-pirenena io. Tsy hita eo amin’ny sary moa ilay trano boribory aoanatin’ny faritry ny tranombokim-pirenena izay tsy mety vita satria na lany na tsy hita ny nalehan’ny vola nanaovana azy. Tokony horavana rehefa tsy vita fa mahamenatra. Ary tokony hovitaina hatramin’ny farany ihany koa ny fandokoana ny tranombokim-pirenena fa toa nitsahatra ilay izy. Izany eo ihany fa andeha isika hizotra ho any amin’ny Lapan’ny fitsarana toerana iray ahafantarana an’Anosy ihany koa. Tsy ny trano loatra no topaza-maso fa ny zaridaina manoloana azy.

 

 

Tsy fahaizako maka sary angamba ka mety ho tsy nanintona fa nahafinaritra ahy tokoa ireo voninkazo nandravaka ity zaridaina ity. Mety ho efa teo foana angamba ity zaridaina ity nefa heveriko fa nisy fivoarana ny tahalan’ny zavamaitso teto na dia izany aza. Fa andeha isika toy ny hizotra hianandrefana rehefa avy manatrika ny vavahadiben’ny lapan’ny fitsarana, izany hoe hitodika hiankavanana toy ny ho any amin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny isika. Ireroa tazan-davitra ireroa ny tranon’ny fitsarana amin’ny ady amin’ny fanjakana sy ny resaka kaontim-bola.

  

 

Tao no namoahana ny didim-pitsarana fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolontsaina tanatin’ny fari-piadidian’Antananarivo. Mbola resabe moa hatramin’izao ny vokatry ny fitsarana tany amin’ny faritra ambanivohitra ka nahatonga ny tsy miankina matetika resy tampoka raha izy ireo no nitarika tany amin’ny afisy napetaka nanoloana ny biraon’ny Kaominina.

 

 

Samy miandry izay mety didy fanafoanana na fanovana na tsy fanovana indray moa ny mpanara-baovao politika amin’izao fotoana izao. Fa eo ampitan’io tribonalin’ny ady amin’ny fanjakana sy ny kaontim-bola io no misy trano lehibe eo an-dalam-panamboarana iray. Teo amin’ny nanorenan’i Sophie Ratsiraka trano (boribory) iny indrindra fa noesorina moa iny.

 

 

Nojereko ny takelaka fanorenana ary dia hitako tao fa Lapan’ny fitsarana faratampony io eoan-dalam-panamboarana io. Lehibe tokoa aloha no fitazana ny trano e! Fa mitohy ihany ny diantsika. Tahaka ny ela aho tsy nandeha tany amin’ny faritry ny raharaham-bahiny iny. Hay moa ka efa nisy fiovana ihany ny toerana. Voalohany amin’izany ny fitsanganan’ny ‘Institut medical de Madagascar’.  

 

Nahagaga ahy ihany hoe mbola nisy toerana nahafahana nananganana trano tahaka izao ihany ve teo? Dia vita aloha iny. Ny faharoa indray dia ny toerana misy ny Banky iraisam-pirenena, tsy azo sary (tsy azo alaina sary) tsara fa dia io anoloanan’ny Tongoben’ny Elefanta io. Fa nisy fivoarana be ny zaridaina an! Ny mampalahelo moa dia tsy ananako ny sarin’ny zaridaina taloha. 

 

Sady manome endrika meva ihany koa ireo miendrika elo toa fialofana amin’ny hain’andro indrindra indrindra. Toa azoko vinaniana ny mety hamaroan’ny olona misakafo eto rehefa atoandron’ny andro fiasana sy fianarana iny amin’ireo olona tsy afa-mody atoandro. Fa dia manana ny endriny ihany koa ny voninkazo eto na dia misy mora milamaka izany aza ny sasany amin’ireo voninkazo sady ravaka ireo. 

 

Tampina ny lalana ka hiverina indray aloha. Andeha hotohizana mankany amin’ny lalan’ny fitsarana indray ny dia

. 

 

Eto indray dia sarin’ny zaridaina mifefy manatrika ny tranon’ny antontanisa no nalaiko sary indray mandeha. Somary takotakona ny toerana sady voafefy rahateo ny zaridaina. Heveriko fa mila fanavaozana mihitsy ny tontolo maitso amin’ity toerana ity ka mila fahaiza-manao izany. Raha ny hevitro manokana manko dia toy ny vasoka ny zaridaina eto miohatra amin’ny manodidina azy. Jereo ohatra ny eo ampitany fotsiny izay misy ny tsangambaton’Ingahikama.

 

 

Ny mpikarakara sy ny tompon’andraikitra ihany moa no tompon-kevitra farany fa mba soso-kevitra ihany ny ahy.

 

 

Somary naka sisiny kely aho izany fa haka afovoany kokoa aloha 

 

Fa ity sary eto ambany ity dia sary tamin'ny mitataovovonana be izao

 

Raha sary nitodika niatsinanana no nalaiko andro maromaro lasa izay dia nitodika niakandrefana kosa indray aho teto. Ary dia faranana amina sary mendrika peta-drindrina tahaka ny voalohany ihany koa ny farany. Ny fotoana nakana ny ankamaroan’ny sary dia tamin’ny 12 desambra 2007 androm-pifidianana avokoa. Ary dia ny lalana mody ny asiana olona.

 

Fa na izany na tsy izany dia miarahaba an’I Avylavitra sy fcandy izany nanokatra bolongana ho azy tsirairay avy ary dia ahitana ireo sarin’Antananarivo amin’ny faritra isankarazany ihany koa e! araka ny nolazaiko azy moa dia saiky nitovy ny sary navoakanay fa samy manana ny hanitra ho azy na dia izany aza an!

Navoaka androany 29 desambra 2007

  

Hatraiza ny fetran'ny fankahalana?

2007-12-27 @ 15:54 in Ankapobeny

Dia tsy namelany raha tsy matiny ilay olona. Hatraiza ny fetran'ny fankahalana sa fetran'ny fitiavam-pahefana ka ahavitana hatramin'ny mamono ilay olona? Angaha moa vitan'ny hoe mamono na mampamono fa mamono tena amin'ny baomba ilay olona avy eo?

 Mampiaiky ahy ity tantara iray ity sady mampalahelo ahy mihitsy! vehivavy mahery fo Ramatoa Benazir Bhutto na izany aza. Nahasahy niverina an-tanindrazana na dia fantany mazava aza fa tandindonin-doza ny tenany manao izany. Raha vao nitodi-doha fotsiny izy tamin'ny volana oktobra iny dia efa nis ny nanapoaka baomba ny tenany saingy tsy nahavoa aloha tamin'ny fotoana iny. Fa ity kosa dia tena voakendry izy.

Noho ny mahavehivavy miozolmana azy ve no tsy ahazakan'ny sasany ny herimpony? Sa dia izay tokoa ny fepetran'ny lalao amin'itony firenena itony? Dia ahoana hoy ny USA amin'ity tranga ity? Mahereza Pakistana! Liam-pivoarana ve ianao?

Sary noelin’Analakely 14

2007-12-26 @ 07:13 in Andavanandro

 

Na dia fetim-piangonana aza no ahafantarana voalohany ny andro Noely dia miaraka amina toe-javatra sahala amin’ireny hatrany ny hanaovan’ny olona azy ho andro fialam-boly ialana vola ihany koa. Tomefy olona, tomefy tsena eny Analakely rehefa andro fety tahaka izao. Indreto misy sary vitsivitsy notsongaina tao anatin’ny andro telo dia ny 22 desambra, ny 24 desambra ary ny 25 desambra 2007 teny Analakely atolotra anao izay any ampielezana any. 

Rehefa mirotsaka maherihery iny ny orana dia ny mpivarotra an-tsisiny no tsy hita voalohany.

 

Indreo milahatra fotsifotsy manome endrika ny tanàna kosa ny tranolain'ny mpaka sary nomen'ny fujifilm.

Fa dia itangoronana tokoa anie ny mijery olona alaina sary e!Fa tahaka ny ahoana tokoa moa ny ao anatin'ny iray amin'ireny toerana fakan-tsary ireny.

Fa dia aleo ianareo no mijery ny ambin-tsary rehetra.

Ny fitohanana teny Isotry tamin'ny 22 desambra 2007.

Arahaba sy vaovao nampalahelo vitsivitsy

2007-12-24 @ 15:25 in Andavanandro

Miarahaba antsika rehetra nahatratra ity ankatoky ny fety ity. Mirary soa antsika rehetra hankalaza amim-pahamendrehana izao fetim-pivavahana izao. Mba hilaza vaovao vitsivitsy aminareo ihany koa satria amin’ny alarobia ho avy izao vao hisy vaovaon’ny gazety. Noho izany dia hisy zavatra mampalahelo soratana na dia fety aza no hatrehina.


Ny holazaina voalohany dia filazana loza roa sosona nitranga teto amin’ny firenena. Ny voalohany dia lozam-piarakodia lasan’ny rano raha nandeha tamin’ny “radier” tany amin’ny faritry Betroka saiky hiakatra ny renivohitra, olona 30 no maty tamin’izany araka ny vaovao farany heno. Maro dia maro ihany koa ny naratra mafy, fiara Tata io niharan-doza io. Ny faharoa dia lozam-piarakodia mitovy amin’io ihany fa Boeing kosa no nivadika tanteraka rehefa nitsimbadimbadika in’efatra: olona valo no maty teo no ho eo ary 30 mahery ihany koa no naratra mafy tsy maintsy nentina tany amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana. Fiara avy any Toamasina hiakatra ny renivohitra ihany koa io, ny fotoana nitrangan’ny loza dia ny Sabotsy hifoha alahady maraina tamin’ny 2 ora sy sasany maraina. Isika izay mahita Boeing dia eritereto izany hoe iny faritry ny fitaratra iny dia nikarepotra tanteraka tsy hita intsony sanatria lasa toy ny sardine ilay fiara.


Manaraka izany indray dia efa nolazaiko ihany fa tsy tokony hanantena hahazo olona mihitsy ny TGV tamin’ny fety izay nataony ny alahady teo tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Tena vitsy tokoa ny olona tonga, nangadihady tanteraka tsy nisy olona mihitsy teny an-kianja ary zara raha nisy olona sy fenofeno ny teo afovoan’ny gradins. Nanjary notapatapahan’ny Viva TV mihitsy ary najanona tanteraka mihitsy aza ny fampitana mivantana avy teo. Ny tantara teo aloha no efa nilazako ny hevitro, mbola sahirana amin’ny fetiny ny olona ka tsy hiraharaha izay Noely am-pifaliana izay nataonao tany, efa nanao io koa hoy aho tamin’ny Noelim-pandresena ny Tim tamin’ny 2001 fa dia mitovy ny isan’ny olona tonga. Ny nampalahelo dia nihazakazahan’ny Mbs mihitsy ilay fangadihadin’ny olona tonga tamin’io alohady io entina hamoaham-baovao fa tsy tena mamim-bahoaka akory ianao lany teo. Somary manao izay filazana izay aho satria misy olona mieritreritra fa ao amin’ny mbs aho, nahavariana ahy tokoa fa nisy hevitro vitsivitsy nalain-dry zareo ary navoakan-dry zareo tamin’ny gazety. Indray mandeha ihany aho nividy “le quotidien” ary dia gaga aho fa dia natao hoe nitovy hevitra ve izahay sa naka tahaka?zavatra toy io manko no mety hampieritreritra ny sasany hanombatombana fa mpanoratra ao amin’ny le quotidien aho. Antony iray nahatonga ahy hanakiana mivantana ny filoha ihany koa satria ataoko fa tsy ho sahy hanakiana toy ilay nataoko teo ny mpanao gazetin’ny mbs group.


Na izany na tsy izany dia irariana mandrakariva indrindra ny hahatrarantsika ny fety roa sosona ary hitandrina mandrakariva amin’ny fanamoriana fiarakodia e!

Ra8: Hay ve dia efa tsy te-hahalala!

2007-12-21 @ 10:16 in Politika

Iza no tsy ho taitra tamin'izany fomba fitenin-dRavalomanana izany? Toa tsy raharahany akory fa tena hafa dia hafa ny fandraisan'ny mponina io fiteniny io raha mazava tsara ny fanontaniana hoe moa ve tsy midika fampitandremana ny latsabato nataon'Antananarivo farany teo. Mba mihainoa tsara Atoa filoha ary mba mahaiza mamaly fa ho afo eo anoloanao ireo nifidy anao tamin'ny androny ireo. Tsy manana fomba hampitana hafatra taminao manko ny vahoaka raha tsy tamin'ny alalan'ny fifidianana nefa dia "mbola tsy raharahanao ihany"?

Tsy adala akory ny Ntaolo raha efa nanana fomba fiteny hoe "ny vava tsy ambina no ahitandoza" ary aza manilaka fa ny mpanao gazety indray no diso fampita resaka tamin'ny tafa nataon'izy ireo taminao. Ambava homana, ampo mieritra, tompoko. (Toa ho vetivety ihany dia ho tafala ianao raha izao fomba fiteninao izao! mba sanatriavina anie)

TGV - TIM: Ireo ho diso fanantenana sy tsy ho diso fanantenana

2007-12-20 @ 06:44 in Politika

Tsy hiditra amin’ny resaka faminaniana aho tsy akory fa mba famakafakana toy ny teo ihany no tohizako.Alohan’izany dia hiresaka zava-bitsivitsy aho aloha, ohatra: tapaka jiro aho teto am-panoratana. Tsy haiko intsony na delestazy na gafy fa efa nisy manko ny fahatapahana naharitra maherin’ny ora iray teo nefa dia mbola tapaka tampoka indray izany avy teo. Entiko anamarihako aminareo fa mbola mitohy soa aman-tsara ny delestazy eto Antananarivo fa tsy tapitra niaraka tamin’ny fotoam-pifidianana tsy akory. Ny fotoana tokana tsy nisian’izany delestazy izany taorian’ny fifidianana dia tamin’ny nisian’ny oram-batravatra tamin’ny alatsinainy ihany.

 (tohiny)

Antananarivo : Nahoana no resy ny TIM ?

2007-12-17 @ 06:39 in Politika

Tsy hoe mpahay politika aho fa mba lasa saina ihany tamin’ity fifidianana iray teto Antananarivo ity. Noho izany dia hadihady tsotra sy famoahana ny tsikaritra ihany noataoko eto. Hojerena avokoa ny lafiny rehetra nahatonga ity antoko lehibe ity ho resy.


Efa be no no nametraka tamin’ny mpanadihady fa tsy mba fanaon’Antananarivo loatra izany mifidy ny antoko eo amin’ny fitondrana izany ka mbola hifidy ny Ben’ny tanàna avy amin’io antoko io ihany. Noho izany dia karazana singa naningana ihany ny nahalany an’Atoa Patrick Ramiaramanana ho Ben’ny tanàna. Ny matetika moa ny iantefan’ny safidin’Antananarivo dia na any amin’ny mpanohitra na any amin’ireo antoko miaradia amin’ny antokon’ny mpitondra fa tsy amin’ny antokon’ny filoha. Tsy dia ivaramparana lava loatra angaha ny amin’iny.

 (tohiny)

Sarin’ny fifidianana teto Antananarivo 40 mahery

2007-12-13 @ 09:04 in Politika

Araka ny efa nampanantenaina dia hamoaka ny sary izay azoko aho. Tokana ny tena ka tsy ary ho tratra avokoa ny toerana rehetra. Ny teto amin’ny manodidina ahy ihany noho izany no tena nalehako.

Fitetezana ireo biraom-pifidianana vitsivitsy teto Antananarivo. 

Voalohany, na dia fifidianana aza ny andro ka natao ho andro tsy fiasana ny andro omaly nefa andraisan-karama dia nitombo kely aza ny habetsaky ny mpivarotra tety Ambodin’Isotry. Efa mananontanona tokoa angaha ny fetin’ny faran’ny taona ka manararaotra mivarotra anaty lalana indray aloha (efa milatsaka anaty lalana mihitsy tsinona fa tsy amorony intsony). Maro an’isa ihany ny tsy nifidy raha notombanana omaly ary mety hanamarina izany ny taham-pahavitrihana rehefa mivoaka amin’izay izy io. Noho ny fahasahiranana sa toetsaina mihitsy ? anjarantsika tsirairay ny mamaly. Tsikaritra ihany koa fa saiky nivoha avokoa ny tranombarotra Shinoa (mampiasa malagasy vitsivitsy ao aminy, toy ny orinasa ihany) teto amin'ny tanàna rehetra. Ahoana ny hevitry ny fanjakana momba an'io? avela hanjakazakana toy izao ve ny andron-tsafidy ananantsika Malagasy?
 (tohiny)

edit: 62 isanjato ny fandresen'ny TGV teto Antananarivo

2007-12-12 @ 15:19 in Politika

Aty amin'ny cyber moa izao no manoratra ka tsy misy sary aloha ny androany mazava loatra. Tsy dia hanao resaka lava ihany koa na dia izany aza fa hampahafantatra anareo fohifohy ny zava-misy amin'izao fotoana izao aloha.

Tamin'ny maraina tamin'ny 9 ora sy sasany no tratra ny 10%n'ny mpifidy eto 67ha avaratra izay misy ahy. Nilahatra vao maraina manko ny olona, mbola tsy nisokatra akory aza raha ny eto an-tanàna no jerena. Ary tamin'ny 5 ora teo no nahatratra ny atsasa-manila ny birao fandatsaham-bato roa raha mbola 40% kosa ny ao amin'ny birao fandatsaham-bato iray. Tamin'ny atoandro kosa dia somary nangingina ny birao rehetra nandalovako noho ny hafanana angaha. Fa nisy niverina kosa ny filaharana rehefa tolaka ny andro.

Dia izay aloha ny amin'ny taham-pahavitrihana. Mino aho fa tsy hitsahatra amin'ny 6 ora ity fifidianana ity. Rahampitso ny sary sy ny vokatra sasantsasany (raha tsy ny manontolo angaha).

Amin'ny valo sy folo alina eto amin'ny toeram-patako. Nandresy teo ho  eo amin'ny
57isanjato teo ny TGV. Na dia ao ambodin'isotry fonenan'ny kandida TIM aza dia tahaka izany ihany ny vokatra. o angamba no vokatry ny tsy nandraisana anjara tamin'ny adi-hevitra. Dia miarahaba an'i Andry TGV izany amin'izao fandreseny izao. Demokraty aho tsinona. Hikapa hahita ny tonony anie ianao ary handidy hahita ny vaniny. Ny dikan'izany dia vao fanombohana izao. Mbola ho mafy ny ady raha ny fihetsika mety hataon'ny fitondrana no heverina. Efa nilaza rahateo ny filohampirenena fa tsy hiariasa amin'izay TIM ary ny resaky ny olona niady hevitra koa no nahenoako fa tsy hiara-miasa na amin'iza na iza ary na amin'ny fitondrana ny TGV. Izany hoe tokony hivonona amin'ny tetibola azy amnokana ny TGV fa mety hangeja ny ny vola avy aminy ny fitondrana foibe.

Ikotofetsy sy Imahaka saiky hanao kapotandroka sy dontany

2007-12-11 @ 16:30 in Politika

Alohan’ny fitantarana dia mila hazavaina angamba aloha ity kapotandroka sy dontany ity. Fomba fianarana kabary izy io sady fifaninanana kabary rahateo. Ny olona hiditra ho tena mpikabary dia mandalo amin’io sehatra io. Rehefa vita ny anjaran’izy mirahalahy manao izany kapotandroka sy dontany izany dia misy ny elanelam-panahy avy eo mitsara ny resaka.


Ity tantara ity, hono, dia tamin’ny andro nanjakan-dRadama III, ary amin’ny mahaangano azy dia foronina ny fotoam-pitondrana e ! Indray mandeha, hono, dia nandrasan’ny olona fatratra ny kapotandroka sy dontany hataon’izy roalahy ireo, Ikotofetsy sy Imahaka izany. Imahaka dia efa niana-draharaha ho Sakaizambohitraihany fa Ikotofetsy koa efa niomana fatratra ho amin’izany toeram-boninahitra izany koa. Nitaky ny hanaovana ny dontany sy ny kapotandroka Ikotofetsy hahitana izay tian’ny olona kokoa sady fotoana hanendrena indray izay ho Sakaizambohitra io fotoana io. Nisy ary ny fotoana nanomezan’ny mpikarakara ny kianja filalaovana iray fa alatsinainy no hanaovana io kapotandroka sy dontany io. Niandry fatratra Ikotofetsy. Maro kosa ny manahy sahady fa tsy ho avy amin’io fotoana io Imahaka.

 (tohiny)

Sary somary lehibebe kokoa sy i Vanf

2007-12-10 @ 10:44 in Politika

Indreto ary misy sary roa heveriko fa tsy hita mihitsy tao amin'ny sary napetrako teo aloha. Sary nalaina avy teny Andohalo tamin'ny 9 ora maraina sy tamin'ny iray ora sy sasany ireo sary ireo.

 

Nandalo teto amin'ny tanàna teto 67ha ihany koa ny kandida Hery Rafalimanana omaly alahady. Sary vitsy ihany no nasehoko ary ny tena mahafnaritra ahy dia misy ny tsy menatra nitondra ny akanjon'ny mpifaninana taminy nefa dia nijery fety e!

 

Manaraka izany, somary nampihomehy fa nitroatra, noho ny tahotry ny hamaroan'ny olona nanatona azy angamba, ilay omby nomen'ny kandidà (azo atao angaha moa izany) ny mpandresy tamin'ny fifaninanana baolina. Nanjary nanao fanenjika kely manerana ny coum tao izahay. hahaha! sady faly ery ny mandositra! horakoraka re izao!

 

Ary ho anareo izay mety mbola tsy mahalala dia namoaka bolongana na vohikala ho azy tamin'ity fifidianana ity anie i Vanf e! Raha ny marina dia izy no saiky hofidiako saingy... dia jereo aloha izay soratany e!

Fihetseham-po ve no ifidianana?

2007-12-09 @ 13:25 in Politika

Tohin'ny sary 50 momba ny faradoboka nataon'ny kandida lazaina fa be mpifidy indrindra aho. Ho hitanareo manerana ny gazety malagasy rahampitso fa hoe nisy nitoraka grenady tany amin'ny tranony tany angaha! Mampalahelo tokoa raha izany toe-javatra izany. Saingy izao no nampanahy dia nampanahy be ihany! izaho, ireo izay mpamaham-bolongana efa nanatrika ny fihaonan'ny mpamaham-bolongana eto Antananarivo ireny dia tsy manana fiara manokana. Noho izany dia fiara fitateram-bahoaka no nialako avy teny Anosy ho eny Antsonjobe.

Tsy niandry iray minitra ho dia nahazo 165 sady tsy nisisika no tsy feno ny fiara. tonga teo Analakely dia ny fiara mihitsy no miandry olona. Nihevitra aho fa eny Antanimena ho eny Ankorondrano iny tsy maintsy feno ny fiara satria eny no fandraisan'ny olona fiara ho eny. Kanjo dia diso hevitra tanteraka aho. Tsy nety feno ny fiara nandehanako no tsy nahita olona nandeha an-tongotra hizotra ho eny Antsonjobe aho. Teny Alarobia vao feno izy satria nisy ny olona mbola tsy nahalala ny namindrana toerana ny hanaovana fara-doboka.

 Tamin'ny 10 sy sasany teo ho eo aho no tonga teny an-toerana (nolazaina fa tamin'ny folo no nanomboka ny fotoana). Nokendreko anefa ny hahatratra ny ora voalohany. Gaga dia gaga aho nahita ireo olona vory teny. Tena vitsy tsy araka ny nampoizina. Tsy naka sary mihitsy aho raha tsy tamin'ny 11 ora satria amin'ny 12 aho no hiainga hiasa (sabotsy hariva). Hatreo izany ny sary azoko. Efa nihira ny Pazzapa 5 izay nandrandrain'ny tanora maro tonga teny.

Akory ny hagagako raha nandre tamin'ny tenin'ny kandidà aho fa tsy niasa noho ny baiko (ataon'ny Kaominina hoe ny fiara fitaterana) nefa maro tamin'izy ireo aza no nijanona teo ambavahady mihitsy na dia tsy tokony handalo eo akory aza. Indrisy fa novonoiko ny sary nisy ireo fiara be dia be ireo satria noheveriko ho anelingelina ny sary nalaiko (tsy misy interet). Tsy miteny aho hoe lainga ny baomba fa ity filazana fa tsy nisy fiara ity kosa dia laviko marindrano ka nahatonga ahy hisalasala ny amin'ny grenady na dia nisy aza ny sary naseho... Tombotsoan'iza ihany koa moa ny fisian'ny zavatra toy izany?

Hitako fa tadiavina ampiasaina ny fihetseham-pon'ny vahoaka malagasy rehefa nihendanja ny olona nanatrika ny famoriana ( fa tsy ny isan'ny olona nifidy). Avelao ny olona hifidy amin'ny saina fa tsy amin'ny fo! tsy pazzapa akory ny hofidiana. Azonareo ompaina amin'ny safidiko aho nefa manaja soa aman-tsara ny safidinareo sady miarahaba izay rehetra lany eo na iza na iza!

 

Sarin'ny faradoboka maherin'ny 50

2007-12-08 @ 17:22 in Politika

Dia ataoko misy fizarana valo ity raharaha ity noho ny habetsaky ny sary izay halahatra eto. Ity ny andiany voalohany.

Ny fizarana voalohany dia ny sarin'ny teny Mahamasina niaraka tamin'ny Tim na hery Rafalimanana ny maraina sy ny sary teo ivelany. Tokony ho tamin'ny 9 ora maraina teo ho eo aho no naka ny maraina. Ary ny sary roa farany kosa dia ny tolakandro tamin'ny 2 ora.

 Tsindrio HRmaraive 

Ny fizarana faharoa kosa dia ny sary filaharana sy fandrombahana ny tee-shirt teny Mahamasina ihany.

Tsindrio teeshirt 

Ny fizarana fahatelo indray dia ny sary ny tolakandro tokony ho tamin'ny roa ora latsaka kely fotsiny. Mbola teny Mahamasina ihany. Ireto aloha raki-tsary maneho ny ankapobeny na tazan-davitra.

Tsindrio timtp 

Ny fizarana fahaefatra kosa indray dia maneho ny eny amin'ny gradins sy ny tribunes io folakandro io ihany.

Tsindrio timtg 

Ny fizarana fahadimy dia ny sarin'ireo teny ambony kianja na ny mpijery na ny mpanankanto.

Tsindrio timtt 

Ny fizarana fahaenina sy fahafito ary fahavalo dia mifindra eny Antsonjobe indray isika. Tsy teny Alarobia indray manko ny faradoboky ny TGV fa niverina teny Antsonjobe ihany. HItanareo kosa angamba ny mahasamihafa azy tamin'ny efa nasehoko teto e!

Tsindrio tgva sy tgvm ary tgvf. Dia mazotoa mijery ary eto ihany mamoaka hevitra e! Androany 8 desambra 2007 avokoa ireo sary ireo.

Ny sarin’ireo Kandida hafa

2007-12-06 @ 16:51 in Politika

Amin’ity fifidianana ho Ben’ny tanàna ity dia takon’ny fifidianana eto Antananarivo renivohitra avokoa ny fifidianana any amin’ny faritra hafa rehetra. Sahala ireny hoe fifidianana ho filoham-pirenena ireny mihitsy no atrehina ankehitriny. Amin’izany fotoana izany dia mbola takon’ny mpifaninana roalahy ihany koa ny hafa. Ireo moa no tena atao hoe mpampirevy raha izay no azo ilazana azy. I Hery Rafalimanana sy i Andry Rajoelina na Andry TGV moa no tena mibahantoerana satria ireo no samy manana ny haino aman-jery. Ilay mpifaninana fahatelo indray moa miteny hoe tsy manambitamby mpifidy amin’ny alalan’ny hirahira izany. Araka ny re moa dia amin’ny alahady izao no hanao faradoboka ity kandidà fahatelo ity, Marc Ramiarinjatovo.


Amin’ny Asabotsy ho avy izao indray moa dia hafana ny lanonana. Hamory olona eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina manko ny kandidà Hery Rafalimanana raha eny amin’ny kianjan’Alarobia kosa no hivorian’ny kandidà Andry TGV. Ho hita eo izay tena hahavory olona. Hiezaka aho ny hamoaka ny sary araka izay haingana amin’io andro io na ny eny Mahamasina na ny eny Alarobia raha tsy misy ny sampona.

Andry TGV Andohalo nirava aloha loatra

2007-12-05 @ 16:07 in Politika

 

Fa dia inona loatra re no nanjo ? Natao ho an’ny mpianatra ihany angaha ny famoriambahoaka nataon’ity kandidà iray ity ? Alarobia tolakandro izao ary heverina fa ho be ny mpianatra voavory ! Ny filazana tamin’ny gazety moa no nahitana fa manomboka amin’ny 1 ora tolakandro io fotoana io. Raha nokajikajiana tamin’ny natao tamin’ny Alahady lasa teo dia tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro izany no nanomboka ny kabarin’ity kandidà ity.


Tonga teny aho tamin’ny 4 ora latsaka fahatelony fa efa rava ny lanonana ! Vao nandalo teny anefa aho ny mitataovovonana ( ora iray mialoha ny fotoana nifanomezana)fa teo ampikarakarana indrindra ny sehatra teo afovoany eo alohan’ny tsangambaton’ny fahaleovantena ireo mpanohana mavitrika. Efa nisy vitsivitsy koa ireo mpanohana (mpandeha an-tongotra fa tsy ireo any anaty fiara mivezivezy) no mamonjy ny fipetrahana azo ipetrahana eny amin’ny manodidina. Izany hoe fony nandalo teny aho dia mbola tsy nisy mozika naneno teny. Rehefa niverina indray aho ny tolakandro efa tsy nisy mozika intsony ihany koa.


Be anefa no nihevitra fa amin’ny 5 folakandro any ho any vao tena hafana ny lanonana. Tokony ho 150 metatra tsy ahatongavana ny kianjan’Andohalo aho no nifanena tamin’ireo avy nanatrika ny lanonana voalohany nefa rehefa tonga teny aho dia kianjan’Andohalo (ilay kianja mamovoka be fa tsy mbola vitan’ny Kaominina io) efa babangoana sy ireo mpikarakara ny sehatra mangoron’entana sisa no tazana miaraka amin’ireo mbola tsy tafahetsika teo amin’ny toerana toa kivikivy mety mieritreritra hoe rava sahady ve rangahy nefa izahay mbola tsy afa-po mihitsy. Sa tena izay no mampiavaka ny atao hoe TGV ? vitaina haingana avokoa ny zava-drehetra ?


Ny tsikaritra ihany koa dia tsy mba mihirahira intsony ireo tanora mpandeha anaty fiara voaravaka manao fanentanana ho an’i Andry TGV. Tsy hoe manakivy ireo mpanohana dieny mialoha aho fa ahiako ho laharana fahatelo no misy azy rehefa mivoaka ny fifidianana ! Herinandro androany anie ny fotoana e ! 

Sary iray tantara telo

2007-12-04 @ 16:44 in Andavanandro

 (tohiny)

Ho an'iza ny fandresena na ireo sarin'Antsonjombe?

2007-12-03 @ 14:24 in Politika

Samy manana ny fijeriny tokoa ny tsirairay rehefa resaka politika. Izay no manahirana amin'izy ity. Raha tonga teny aho dia hampitaha ny vahoaka azony miohatra tamin'izay kandidà efa teo ihany koa. Ny voamarika dia izao: fony nirotsaka ho filoham-pirenena Atoa Herizo Razafimahaleo dia mitovitovy mihitsy ny isan'ny vahoaka nanatrika teo. Ny iray filoham-pirenena no nidirana ary ny faharoa kosa Ben'ny tanàna. Indrisy moa fa efa nofafako ilay tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena.

  (tohiny)

Fanafody angaha ny fimailo?

2007-12-01 @ 09:06 in Ankapobeny

Vao migadona ny voalohan'ny volana desambra dia ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny sida avy hatrany no ao an-tsaina. Midika izany fa efa tafiditra tsara ao an-tsain'ny olona ny fanentanana fanao isa-taona sy mandavantaona amin'ity raharaha ity. Nanadino ny lahatsoratro any an-trano aho fa novaiko ny anaran'ilay dosie dia zara aza ianareo mamaky fohifohy kokoa.

Trangan-javatra tany Boriziny (Port Bergé) , nisy nitatitra no mba tateriko eto ihany koa. Nosakanan'ny polisy tao an-toerana ny fiara iray. Nojereny avokoa ny mombamomba azy rehetra, ara-dalàna iny aloha. Dia nosavainy ihany koa ny taratasy rehetra, ara-dalàna ihany koa. Avy eo dia nosavainy ihany koa ny fitoeram-pitsaboana haingana raha misy vonjy taitra. noheverin'ny mpamily fa ara-dalàna ihany koa ilay izy, saingy nanotany ilay polisy: "Aiza ny fimailo? tokony hisy fimailo koa ato? tsy ampy ireo!". Tapitra ny fitantarako fa hoy aho hoe: Pasitera ô! raha mamily fiara ianao ampividiano olona mety tsy ho fantatry ny mpivarotra ny fimailo, mompera sy masera ô! aleo angaha aloha ianareo tsy mamily fa sarotra be ilay hiresaka fimailo tsy maintsy ilainareo ary hoy ilay hiran'i Henri Ratsimbazafy izay hamaranako azy manao hoe: Vola ô, hatraiza moa ny fetran'ny herinao? Fa izao rehetra izao manaiky anao!

Fa na izany na tsy izany efa tsy nahita dokambarotra momba ny sida eny amin'ny afisy lehibe eny an-dalana intsony ho'aho izaho e! ny tele sy ny radio sisa izany?

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Desambra 2007 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox