Voaompa nefa tsy mihemotra ny Mpitondra Fivavahana

2010-03-10 @ 21:01 in Finoana

Nivaly sahady mialoha ny famalian'ny Kaominina andrenivohitra Antananarivo ny valinteny avy amin'ny Prefektioran'ny polisin' Antananarivo. Araka ny nolazain'ny iray amin'ny mpitarika ao amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana dia tokony ho ny ao amin'ny fitantanana an'Antananarivo aloha no mamaly na tsia amin'ny hanekena ny fangatahan'ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana ny kianjan'Ambohijatovo, nefa moa dia tsy vitan'ny hoe nisongona namaly ny hafa ny Prefe fa anao teny an'avona sy maneso ary nihantsy mihitsy aza.


Rehefa nanaraka ny votoatiny novakian'ny mpitandrina iray aho dia misy toy izao: "...ekena tokoa fa ilaina ny fibebahan'ny firenena ary mila vavaka ny firenena, saingy efa misy ny toerana natokana ho amin'izany dia any amin'ny isam-piangonana tsirairay avy, koa tsy ilaina ny fanaovana vavaka ankalamanjana; fa raha mangataka ny hanao akalamanjana ihany ary dia aleo akatona ny fiangonana fa eny ankalamanjana indray no atao ny fiangonana..."  Dia tahatahaka izay no votoatin'ny valinteny nataon'ny Prefe araka ny fihaino azy tamin'ny radio fahazavana.


Mazava ny valintenin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana manoloana izany valinteny izany. Ampirisihana ny rehetra hiakanjo fotsy na hitondra famantarana fotsy ny tontolo andron'ny Alakamisy hiadiana amin'ny tsy fahamarinana fa hitady ny fahamarinana kosa. Hisy ny fotoam-pivavahana maraina manomboka amin'ny fito ora ao amin'ny FJKM Ambatomena izay eo ampitan'ny Consulat General de France io Alakamisy 11 marsa maraina io. Hotontosaina amin'ny Asabotsy 13 marsa fa tsy mbola misy fiovany ny fotoam-pivavahana eny Ambohijatovo... na dia efa mazava aza ny fanakanana avy amin'ny Prefektioran' Antananarivo. Efa ela, hoy ry zareo, ny nandeferana fa ny amin'ny Asabotsy 13 marsa kosa dia hotontosaina. Mazava manko ny fanakanana fa tsy ilaina mihitsy ilay fotoana ka tsy mila tanterahina. Samy hitana ny teniny ve ny roa tonta sa hisy ny hihemotra?


Marihiko fa mandeha dia mandeha mihitsy ny fifanentanana eo amin'ny samy olona hitondra izay mari-pamantarana fotsy izay na dia any amin'ny toerana heverina tsy ankasitrahan'ny mpivavaka loatra aza. Henoko tsara io ka tsy fantatro loatra na mifananihany ry zareo na tena matotra ny resaka satria olondehibe avokoa ireo miresaka ireo.



Jentilisa, 10 marsa 2010, amin'ny 23:10

Volana imaso tsy mba kilema

2010-02-20 @ 21:52 in Finoana

Misy ny ohabolan-drazana manao hoe manalasala toa vozon'akoho, ariana toa hena, hohanina toa taolana. Toa izany no fijeriko ny hamaroan'ny olona (na ny havitsiany, araka ny fomba fijery) tonga teny Antsonjombe ny andron'ny Asabotsy 20 febroary 2010. Izao manko: Afaka miteny soa aman-tsara sady maneso ireo izay tsy mankasitraka ny hetsika manao hoe vitsy ny olona nanatrika tany. Afaka miteny soa amantsara ihany koa anefa ireo mpanaraka ny hetsika milaza hoe betsaka ireo olona tonga ireo. Tsy diso velively ny mpitarika raha nilaza hoe: "Raha tany amin'ny kianjan'Antsahamanitra isika dia tsy antonona ny kianja" sy ny hoe "Efa betsaka isika ireo fa mbola tsy ampy!"


Marihina fa ny mpanoratra dia niserana ihany noho ny asa aman-draharaha tsy azo bangana olona. Efa tsy niasa ihany manko ny tena ny alakamisy 18 febroary 2010 tontolo andro nanatontosa ilay androm-bavaka sy fibebahana, ary nanao ny fifadian-kanina ihany koa. Tamin'ity andro Asabotsy ity kosa dia ny mitataovovonana ihany no teny nanomboka tamin'ny 12:10 ka hatramin'ny 13:35,izany hoe nandingana sakafo atoandro, nefa ny tena fotoana dia amin'ny 14:00 vao manomboka. Ny fanafanana fotoana sy ny asam-pandroahana ny asan'ny maizina ihany noho izany no natrehina. Indrisy moa fa maro tamin'ny namana fantatra ihany koa no tsy afaka tamin'ity fotoana iray lehibe ity.


Teo am-pahatongavana niala tamin'ny fiara fitaterana aho dia gaga tamin'ny hamaroan'ireto fiara lehibe dimy an'ny mpitandro ny filaminana feno an-dry zalahy sy fiara tsy mataho-dalana iray ka izy rehetra ireo dia mirongo fitaovam-piadiana fitondra miady fa tsy fitandroana filaminana velively. Ny fiara lehibe roa aza moa dia kely foana tsy nibahanany ny vavahady fidirana  mankao an-kianja izay tokana ihany moa. Ry zalahy koa mikarenjy etsy sy eroa miaraka amin'ny basy ka mahasadaikatra ny olona ny hifanena aminy. Nisy aza moa rehefa iny tonga teo iny ilay fiara fitaterana nitondra ahy no loa-pahatezerana mihitsy ny sasantsasany amin'ireo vehivavy tao anaty fiara nahita azy ireo. Tsy dia nahagaga loatra noho izany raha nadiodio izany hoe tsy nisy olo-tsotra loatra teo am-bavahady fidirana fa nihatakataka lavitra angaha. Ren'ny mpitondra fivavahana angaha izany toe-javatra izany, na nisy no niantso azy ireo tamin'ny finday manontany raha misy marina ny fotoana na tsia, ka nahatery azy ireo nizara programa ireo miaramila rehetra hitany teny ivelany ireo sy niangaviana ireo miaramila somary hihatakataka kokoa. Nanaiky izany ny mpitandro ny filaminana ka nanakisaka ireo kamiao tany ho any amin'ny 80 metatra andrefan'ny vavahady fidirana. Vita izany rehetra izany vao somary nisy olona nivezivezy teo am-bavahady.


Tahatahaka ny ahoana moa izany ireo karazan'olona tonga tamin'ity fotoam-pivavahana ankalamanjana ity? Raha atao indray mitopy maso ny nisongadina dia ireo efa zokiolona indrindra ny vehivavy no tena misongadina avy hatrany. Ireo no misy mpinamana angaha ka hitahita ho misy miarakaraka na manao andiany. Ny lehilahy efa zokiolona kosa matetika ny hita eny dia mandeha tsirairay no tena maro. Manaraka izany indray amin'ny hamaroana ireo somary fianakaviana kely ka olon-dehibe omban-janaka na zafikely, ary tena mbola zaza tokoa ireo manaraka ireo. Avy eo vao ny tanora matotra izany hoe ireo mananontanona na mihoatra ny 30 taona no maningatsingana teny ho eny ka miaraka amim-bady na main'olo-tiana fa tsy miaraka andiany toy ny mpinamana. Tsy tena tsipalotra kosa izany hoe tanora matotra mpinamana maromaro niaraka ho amin'ity fotoam-pivavahana ity izany.


Ny vitsy an'isa indrindra tadiavina mihitsy vao mety ahitana dia ny zatovo vatombatony feno taona hifidy na ankatoka ho amin'izany. Fahabangana lehibe ny tsy nahitana loatra ity sokajin'olona notononiko farany ity. Izany hoe azo heverina fa tsy vaindohan-draharaha ho azy ireo mihitsy ny karazan-javatra tahaka ny natao tamin'ny andron'ny Asabotsy ity. Isika Malagasy anefa dia firenena maro an'isa ny tanora ary mandrafitra ny ampahany betsaka mihitsy aza. Azo lazaina manko hoe fotoam- pivavahana kapomanta fotsiny no teny fa tsy nasiana na tsy nolazaina mihitsy kosa ny hisiana karazana rindran-kira evanjelika. Raha iretsy maro an'isa tonga iretsy dia mazava tsara fa tonga dia ny ventin-dresaka sy ny votoatin-draharaha no  tena anton-diany fa tsy miraharaha loatra intsony izay endrin-javatra manintona. Tsy mahasarika ny zatovo loatra anefa ny toy izany araka ny fijeriko, ka tsy mahagaga loatra raha tsy hita tamin-javatra tahaka itony ireo zatovo 20 ka hatramin'ny 30 taona eo ho eo ireo.


Aiza ho aiza noho izany ny heveriko ho lesoka mila harenina ho amin'ny manaraka? Sarotra be ny miresaka azy ity satria mety azo sokajiana hoe ravindraviny hanintonana fihetseham-po na mampientanentana no tsy natao mihitsy; singaniko amin'izany ny hira ataon'olo-tsotra na ataon'ny antoko mpihira. Ny karazana foto- pisainana protestanta, ananan'ny ankamaroan'ny mpitondra fivavahana mandrafitra ity hetsika ity, dia manifika avy hatrany izay mety ho tsy dia ilaina loatra ho amin'ny fanamafisana na fijoroana amin'ny finoana ary matetika moa dia ireny antsipirian-javatra ireny no mahatriatra ny dia mandrakariva. Azoko heverina anefa fa azo ifampiresahana tsara ry zareo hijery manokana ny eo amin'ity lafiny hira ity hahatonga ny zatovo hahatapa-kevitra sy hazoto fa hanatrika sy handray anjara amin'ny hetsika amin'ny manaraka.


Faharoa manarakaraka izany dia tsy ampy mihitsy ny fanentanana, ary fantatry ny ao amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana tsara izany. Ny radio fahazavana irery ihany no nanaovana fanentanana ho amin'ny fotoana tahaka itony, izany hoe mba manana ny lanjany ihany izany ilay radio na dia maro aza ny faritra tsy mahazo tsara azy io na dia eto an-drenivohitra izao aza, ka tsy atao mahagaga raha mismisy ihany ny tsy mahalala akory ny fisian'ity fotoam-pivavahana ity. Efa hitan-dry zareo mpitarika moa iny ka ho hita eo amin'ny manaraka. Mbola banga amin'ny fanentanana ihany koa ny fifanentanan'ny olona hanatrika ny fotoana. Izay tena resy lahatra sy mazoto ihany no tonga, saingy tsara halalinina kokoa angaha ny fahasahian'ny olona hitarika ny namana ho tonga amin'ny fotoana tahaka ireny... tsy hanery ny olona handeha na ho tezitra amin'izay tsy handeha fa handresy lahatra ho amin'ny fiaraha-mientana kosa.


Toro-hevitra ho an'ny mpitarika noho izany ny hakany tarika mpihira evanjelika mihitsy na handray an-tanana ny fanangonana sy fampivoriana ary fanentanana ireo tanora mety hananganana antoko mpihira "vonjimaika" ho an'ny hetsika fa heveriko ho lalana iray hahatonga fifanentanana eo amin'ny samy tanora io ka hameno tsikelikely ny banga sy hampiroborobo ny hetsika. Tsy maintsy manana mpitarika hisahana lafiny hira na zavakanto noho izany ny ao amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana raha mbola ho lalandavitra ity hetsika ho amin'ny fampijoroana ny fahamarinana ity. Izay aloha no voasoratro etoana ho fanavazavana ho anareo mamadibadika te-hahafantatra ny fandehan'ny zavamisy aty Madagasikara fa raha ny tena manokana aloha dia ao anatin'ireo tsy afa-po loatra... sady tsy afa-nanatrika ny ventim-potoana rahateo moa. Hofaranako amin'ny fomba fiteny malagasy indray angaha izy ity tahaka ny nanombohako azy ka hanoratako hoe ataovy toy ny voankazo an'ala izay voasoratra izay, ny mamy atelemo ary ny mangidy kosa aloavy. Sa inona hoy ianareo no tokony hatao?
 
 
 
jentilisa, Alahady 21 febroary 2010 amin'ny 00:00

Minoa fotsiny ihany

2010-02-16 @ 23:01 in Finoana

Nisy nametraka ny lohateny ho teny tarigetra, nisy kosa ny nanao azy ho tenim-panesoana. Olombelona va no hiankinana? Ny an'ny mpino dia Andriamanitra ihany no fiantehitra. Efa herintaona mahery izay no nanao sangodim-panina teto ny tontolom-bolongana Malagasy ary misy aza ireo mpiray tanindrazana no milaza fa leo sy boboky ny lohahevitra #madagascar mandeha any amin'ny valan-tserasera any. Misy ny namana no manambara fa toa fanasana atidoha no tena betsaka amin'io lohahevitra io, mibahan-toerana manko ny resaka politika. Samy manana ny vaindohan-draharahany ny tsirairay, ary mariky ny fahafahana izany, ka tsy tokony hisy ny hanome tsiny amin'izay safidy zon'ny tsirairay. Samy te-hampandroso an'ity Madagasikara ity ny tsirairay fa ny lasitra iaingana no tsy itovizan-kevitra amin'ny ankapobeny.



Efa ela aho no te-hamoaka lahatsoratra fa dia tahaka ny misy hatrany ny sakana sy ny sampona isan-karazany. Fikirizana sy fifantohana lehibe noho izany vao mahatafavoaka izany lahatsoratra iray izany. Hamoaka sy hamehy araka izay azoko atao ity nodinihako toa mifandraika amin'ny zava-misy eto Madagasikara ity aho satria tsy ady amin'ny alalan'ny hery sy ny saina no tena lehibe eto, araka ny fijeriko, fa ady ara-panahy indrindra indrindra. Izay no maharesy lahatra ahy fa lalam-paharesena ho antsika mpandala ny ara-dalàna izany lalana mampiasa hery sy tafika ary fitaovam-piadiana izany. Lasa mampiditra adihevitra sahady indray aho nefa tsy dia any loatra no foto-dahatsoratra. Indro ary ireo karazam-pahazavana azoko nandritra ny fifadian-kanina nataoko tamin'ny Asabotsy 30 janoary izay niraisana tamin'ireo nanatrika ny Hetsika Jesoa Kristy ho an'i Madagasikara nanerana an'i Madagasikara.



Ny fanazavan-kevitra apetrako dia miainga amin'izay hita ao amin'ny Filazantsaran'i Marka 9 : 14 - 29 izay azonao vakiana soa aman-tsara na tsy averiko etoana aza. Toy izao manaraka izao no tsipalotro :

1 _ Raha tonga Jesoa dia olona niady hevitra tamin'ny mpianany [mpanara-dia azy] no hitany fa tsy nisy resaka fihainoana na endrika fotoam-pivavahana na asam-panafahana [asam-panasitranana]. Fanaontsika mihitsy io indrindra amin'izao vanim- potoanan'ny fahalalahana izao, ary tsy misy antony mahadiso izany araka ny eritreritsika. Saingy izao, very andro fotsiny isika ary mandany fotoana izay mety ho sarobidy dia sarobidy amintsika. Mety hiainga ao anatin'izany adihevitra izany ny filazana hoe fandaniam-potoana fotsiny izany fivavahana izany fa tsy misy asany akory. Tsy hoe tsy nahavita nanasitrana ilay azom-panahy moana ny mpianatra dia tsy izy izay fivavahana nataony sy ny iraka nampanaovina azy fa ilay finoana no adino na ny eritreritr'izay tokony hanasitrana ihany koa no mety manao sahady any am-pony any hoe ho voavaha ve ity olana ity? Tsy nahagaga i Jesoa raha nanondro izay teo ho "taranaka tsy mino".

2 _ Toa tena aretina sarotra afaka [na olana saro-bahana] tokoa ity natrehina ary rehefa natao teo anoloan'i Jesoa ilay marary dia indro fa maneho ny heriny indray ilay krizy ary tena nanao izay hampitsikasikasina ilay olona sy hahatrotraka dia trotraka azy. Matetika ny olona no kivy ambony ihany raha vao miatrika ny hitany sy mahita ny herin'ilay olana atrehiny, manjera azy anaty afo sy manempotra azy any anaty rano hoe? Soa ihany fa tsy ny hijery ny hasarotan'ny olana na ny halehiben'ny aretina na ny herin'ny fanahy maloto no nahatongavan'i Jesoa teo amin'io fotoana io fa ny hanafaka ilay olona azom-pahoriana sy gejain'ny fanahy ratsy mamehy ilay olona ho moana tsy afa-miteny.

3 _ Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino : Matetika ny mpino dia heverina ho olona badobado na vendrambendrana. Betsaka ihany koa ireo olona no mampifanohitra ny finoana sy ny fahalalàna na fahaizana. Mahay miaraka tsara ny finoana sy ny fahaizana na dia natao matetika aza izay hampifandrafy azy. Afaka mifampisedra tsara anefa ny roa tonta fa ny hafatra mipetraka eto dia hoe "hay avokoa ny zavatra rehetra..." eny fa na dia ny heverina ho tsy azo tanterahina araka ny takatry ny sain'olombelona amin'iny vanim-potoana iny aza (impossible). Tsy tokony hitarika ny olona hanaotao foana na handositra sy tsy hanaiky ny zavamisy izany fa hisedra amim-pitokiana ny zava-tsarotra hodiavina rehetra.

4 _ Niteny tamim-pahefana ny fanahy moana sy marenina ny Tompo, tsy ilay fantatry ny olona hoe "moana" ihany no nobaikoana fa nitenenany ihany koa ilay "marenina". Sakana eo amin'ny fifampitan-kafatra izany fahasembanana eo amin'ny fihainoana na fitenenana saingy tsy nahasakana ny Tompo tsy hiteny izany. Fahadalàna ve no nataony mbola hiteny na dia lazaina fa marenina aza ilay nitenenana? Misy ny fombam-pitenenana manao hoe tsy misy marenina tahaka ny minia tsy te-hihaino. Mampitodika amin'ny zava-misy atrehina izy ity. Impiry impiry no niantsoantsoana olona hanao izatsy na izaroa nefa toa zary fandrangitana sy manao izay hahatezitra no setriny. Mety hanao hoe tsy ampy fahefana angaha ny mpiantso ka izany no tsy iraharahian'izay itenenana? Na izany aza nanaraka ny baiko nolazain'i Jesoa ihany ilay fanahy ninia nanentsi-tadìny ka afaka tery ilay olona voageja teo.

5 _ Amin'ny fotoana na fihetsika tsy ampoizina indrindra no nisian'ny famonjena ilay olona. Noheverina fa toa hanohitra araka izay tratry ny heriny no nataon'ilay fanahy maloto hay tsipaky ny miala aina araka ny filazan'ny olona. Noheverina fa tsy ho afa-misaraka intsony ilay olona sy ilay fanahy, rehefa nialan'ilay fanahy ilay olona dia tsy nihetsika intsony ka nampihoraka ny mpanatrika hoe "Maty". Saingy noraisin'i Jesoa ny tanan'ilay olona ary dia nitsangana. Mety hisy ny hihevitra fa rehefa tsy mahahetsika intsony ny olona rehefa nampijaliana nandritra ny fotoana maharitra dia izay no izy. Tsia! mbola eo ny tanan'ny Tompo hampitsagana azy azy haneho azy amin'iny olona hoe mbola velona. Fa izao anefa no tsarovy : rehefa nanontanian'ny mpianatra mangingina ny Tompo dia hoy ny navaliny hoe tsy misy fanafana ankoatra ny Fivavahana sy ny fifadian-kanina rehefa amin'ny karazany toy izany.


Koa ho an'ny mpino te-hanala ny tsy fifampihainoana manjaka eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao. Indro fa natoro anao ny lalana ivoahana amin'izao krizy izao. Nisy ireo nanentana ny olona hanao androm-pibebahana sy vavaka fifadian-kanina mandritra ny tontolo andron'ny 18 febroary 2010 ho avy izao izay mifanandrify indrindra amin'ny fihaonana hamahana ny krizy manjaka eto Madagasikara. Mahavariana fa na dia andro hafa aza no nokasain'ny mpikarakara hanaovana io dinika io dia nanjary nitontona tamin'ny androm-panentanana hanaovana izany vavaka fifadian-kanina sy fibebahana izany. Izaho manokana, tsy tereko velively ianao hitovy hevitra amiko, dia mahita izany ho asan-tanan'Andriamanitra hohararaotintsika Malagasy hanatanteraka ny fihetsika mialoha ny hanaovana tenim-pahefana handroahana ny fanahy maloto ho any an-davaky ny helo, koa atokany ny fotoananao amin'io andro iray io. Tsy adihevitra intsony no hapetraka fa ilay lohateny hoe "Minoa fotsiny ihany" fa dia ho fandaniam-potoana tokoa raha hanao ihany ianao neefa tsy hino ilay valim-bavaka hamoahana ity Madagasikara malalantsika ity hiala amin'ny kizo.


Jentilisa 17 febroary 2010  amin'ny 01:05

Fivavahana sy Politika

2010-01-14 @ 22:20 in Finoana

Andro vitsivitsy tsy nanoratana sahala amin'ny hoe efa be dia be sahady ny zava-nitranga. Izay tsy dia misy mpilaza loatra angaha no andeha tantaraina, mba hifameno amin'ny voasoratry ny hafa ka hahalalana bebe kokoa ny zava-misy eto Antananarivo amin'izao fotoana izao. Efa nandalo ny andiany faharoa tamin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana, tamin'ny Asabotsy lasa teo. Hita ho hetsika tsy niomanan'ny mpifehy ny fahefana amin'izao fotoana izao izy io matoa somary maherihery ny teny ataon'ny tsy manakasitraka ity hetsika ity sady mpanohana ny fehefana misy rahateo. Ny nahavariana moa dia ny setriny nataon'ny sasany tamin'ny alalan'ny famelabelaran-kevitra. Sady mitonona ho avy amin'ny faritany enina, no mitonona ho avy eny amin'ny Anjerimanontolo, nefa dia mitonona ho avy eny Ambany tanàna; izay hoe tiany ho voafoaka avokoa rehefa tanora rehetra. Dia mametraka fampitandremana ry zareo... izany hoe famaizana tsy amin'ny alalan'ny fisamborana ataon'ny manam-pahefana no tiany atao fa amin'ny alalan'ny fandefasana jiolahimboto hisotasota, hanendaka na hamono mihitsy aza. Te-hametraka izy fa tsy misy izay tsy vitan'ny hery ary ny tiany ampihorohoroana dia ny fanahy.

Eto aho dia mahatsiaro tampoka ny nahatafatsangana ny FFKM. Tsy nijoro ho fampiombonana ny fiangonana ihany io Fiombonana io ka hoe resa-pivavahana ihany no ifampidinihana ao fa mety hisandrahaka amin'ny lafim-piainana maro; ka tsy ambaka amin'izany ny Sehatra Fanaraha-maso ny fiainam-pirenena. Asa aloha na politika no resahina amin'izany sehatra izany na inona fa ny fantatro kosa dia karazana tsindrilentam-pahefana izy io tsy hanjakazakan'ny mpitondra tamin'izany fotoana izany (1980) izay tsy nanaiky ny hisian'ny antoko ivelan'ny foto-kevitra revolisionera na ivelan'ny Mandatehezana Miaro ny Tolompiavotana na FNDR (Front National de la Revolition fa tsy ilay Front National Frantsay tsy akory) . Aza atao mahagaga sady ho fampahatsiahiana izay efa nandalo vanim-potoana izany raha saiky nanana anarana fanampiny avokoa ny Antoko politika nijoro tamin'izany fotoana izany hanekena ny fisiany eo anatrehan'ny fanjakana ankoatra ny antoko Arema izay efa mitonona ny amin'ny maha-revolisionera azy ihany sy ny Monima nilaza azy ho Ka Mioviombio (tsy mivilivily). Ny MFM lasa niampy MFT tsy tadidiko intsony ny fanalavana azy na Mpitolona ho amin'ny fampanjakana ny Tolompiavotana (fa tsy Tetezamita velively kos aloha!) na inona. Ny AKFM nisy tohiny hoe KDRSM tsy ahiko intsony ihany koa ny tohiny fa angamba (angamba hoy aho mamerina fa iangaviana izay mahatadidy hametraka azy) Komity Demokratin'ny Revolisiona Sosialista Malagasy), ny VITM-KMTA na Vonjy iray tsy mivaky - Komity manohana ny Tolompiavotana. Noho ny nahasahian'ny FFKM nilaza ny fahasahiranana manjò ny olona sy ny faneriterena isan-karazany dia tsy nekena ara-panjakana, araka ny fitadidiako azy io Fiombonana ity saingy nandroso ihany. Noho ny Hery nananan'ny FFKM sahady dia tsy levon'ny Filoha nitondra tamin'izany fotoana izany ny fijoroany ka nahatonga azy tia hanasongadina ireo fiangonana na fikambanam-piavahana niorina taty aoriana. Nisy aza moa ny fifanarahana vitany tamin'ny Mpitarika ny Revolisiona Lybiana hanitarana ny ambaindain'ny finoana Islamo teto Madagasikara saingy nitsaha-kevitra io fa efa tafaomana tamin'izany ny fiangonana.

Nanomboka tamin'ny taona 1972 no nijoro ho mpanelanelana mandrakariva teo amin'ny sehatry ny fiainam-pirenena ny mpitondra fiangonana sy ny mpitondra fivavahana, ary nantsoina hatrany hametraka ny dinidinika sy tapatapak'ahitra rehefa misy olana eto amin'ny Firenena. Nijoro ho aron'ny malemy eo anatrehan'ny matanjaka sy mpihoa-pahefana, nohenointeny satria mahasahy milaza izay tsy sahin'ny olo-tsotra lazaina, noho ny tahotra ho tratran'ny antsojay amin'ny filazana azy ho mpanoha-riana, nefa tsy nitady seza velively ankoatra ireo efa fantatra ho mpanao politika mazava loatra. Tsy mahagaga raha nanankinana ny fitarihana Fihaonambem-pirenena sy ny fikaonandoham-pirenena tamin'ny 1990-1992. Dia toy izany ihany koa tamin'ny taona 2009, izay notarihan'ny mpitondra fiangonana efa-dahy tao amin'ny FFKM manokana, ary na dia ny Fiaraha-monina iraisam-pirenena aza dia nanankina izany. Nisy mizàna nitongilana be anefa tao anatiny ary hita fa lalana iray nandravana ny Fiombonana no nataon'ny sasany. Tsy ny Fiombonana ihany anefa no nokendrena fa tiana nopotehina tao ihany koa ny Fahefana sy Hery ara-panahy nananany hahasahy hiatrika sy hanambara amin'ny fahefana ara-politika ny tsy mety nefa mitranga eto amin'ny firenena. Tao ho ao no nitranga indray ny ezaka na hetsika hamerenan-kasina ny mpitondra fivavahana hijoro ho mpanelanelana indray eto amin'ny firenena, ka mba tsy voatery ho ny vahiny any ivelany no handamina ny tsy fetezan-javatra misy eto Madagasikara na hiampita Riaka vao hahavaha olana. Koa heloka ho an'ireo mpitondra fivavahana ireo ve raha miezaka hamerina ny hasiny izay izy ireo? 

Eto dia tsy azo adinoina ny fahalasanan'ny Kardinaly Armand Gaetan Razafindratandra, izay mpitari-dalana tamin'ny fananganana indrindra ny FFKM, sy saiky hanatontosa ny dingana famerenan-kasina ny mpitondra fivavahana izany amin'ny faha-23 janoary 2010 ho avy izao, izany hoe ao anatin'ny Herinandro Fiaraha-mivavaka manomboka ny 18 janoary isan-taona io, saingy hafa moa ny zava-misy ankehitriny tamin'izao nahalasanany izao. Mino dia mino aho fa io Herinandro Fiaraha-mivavaka fanao isan-taona io no "action" tian'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana hahatongavana mba hanjaka ao ny vavaka ho an'ny firenena, saingy tombatombana ihany ny ahy izay... Ny iray faharoa eritreretiko moa dia tsy mitombina loatra satria tsy fanaon'ny FJKM loatra indrindra indrindra ny "excommuniation" (tsy haiko na mety io fanoratana io na tsia!) haneren'ny fiangonana tsirairay ny mpitondra tsy mendrika hanaiky ny fahadisoany; nefa dia mahagaga fa nosoratako ihany. Eto dia mahavariana hoe nanaraka ny Kardinaly ve ny asany? Mitondra teny fiaraha-miory amin'ny EKAR hatrany ny tena amin'izao nahalasanany izao. Lehilahy voky andro ihany izy koa mbola hohalahelovina fatratra indray ve?

Dia miitatra hatrany ny fanoratana ka dia mitohy ny fanazavana. Ny Tsikera mahazo ny mpitondra fivavahana moa dia ny famerimberenana mandrakariva hoe miditra amin'ny resaka politika (fanjakan'ny tany) nefa ny asany dia ny manambara ny fanjakan'ny lanitra. Anjaran'izay mitsikera ny mamaly raha tafiditra amin'ny resaka politika ny fampanjakana ny halatra (toy ny fitrandrahana bolabola na andramena), tafiditra anatin'ny politika ve izany ny famotehana ny asan'ny sarambambem-bahoaka, tafiditra anatin'ny politikany sa tsia ny fandanindaniam-poana amin'ny fifaninanana mividy fiara raitra sy manao fety hihinanan-kanina mandrakariva? Tsy hay intsony na dia lasa lavitra loatra sain'ny Minisitry ny Fifandraisan-davitra sy teknolojia vaovao avy amin'ny FAT raha teny hoe "miara-miombon'antoka" no tokony nolazainy fa "Miara-miombon'heloka" no voateniny voalohany vao nahitsiny. Ny Mpamaky Baiboly dia tokony hahalala fa ny mpaminany ao dia matetika ny fihetsiky ny mpitondra hatrany no tsikerainy voalohany, vao manaraka koa ny fihetsiky ny sarambambem-bahoaka. Koa raha mitanisa ny tsy mety ataon'ny maro izy ka tafiditra ao sy lohalaharana amin'izany ny ataon'ny mpifehy ny fahefana dia manao ny asa maha-mpaminany araka izay fahita ao amin'ny Baiboly indrindra koa ireo mpitondra fivavahana ireo.

Fa ny mahavariana ny mpitsikera ny fitenitenenan'ny mpitondra fivavahana ny tsy mety ataon'ny rehetra, ka ao ihany koa ny ataon'ny mpitondra isan-tokony, eo amin'ny seha-piaraha-monina sy ny fiainam-pirenena tsy hanafangaro ny fivavahana amin'ny politika dia ny tsy fahitan'izy ireo ny fanafangaroan'ny mpifehy ny fahefana ara-politika ny fampidirana anaty kabary politika ny tenim-pivavahana sy anarana ivavahana. Moa ve tsy betsaka ireo mpitondra politika no maka andinin-tsoratra avy amin'ny bokim-pivavahana na manonona anarana ivavahan'ny olona? Vao tsy efa no nanao kabary misy izany ny filohan'ny FAT ary dia nanao kabary nifandraika ami'nizany ihany koa ny Praiminisitra FAT notendrena farany teo. Koa izy io moa resaka tapak'ahitra sy andribe amin'ny maso koa tsy azoko izay anton'ny tsikera ifampidiran'ny politika sy ny fivavahana. Miandry fanazavana avy amin'ny maro angaha ny tena hampahazva kokoa ity resaka ity.

Farany, misy ahiana mafy angaha ny mpitondra na te-hampiseho ny tanjany ka fiara 4x4 telo sy kamiao telo samy hipoka mpitandro ny filaminana sy mitana fitaovam-piadiana no atao mitomandavana mivezivezy manerana an'Antananarivo tao ho ao izay. Nisy moa ny nihevitra fa ny anton'ny fisavana ny tranon'ny filoha Ravalomanana dia ny fanahiana fandrao manao fanahy iniana tonga eto Madagasikara handevina ny Kardinaly ity filoha nitondra an'i Madagasikara ity ka alefa aloha ny ramatahora hikosehana tsikelieky ihany koa ny lazany.


Jentilisa, 15 janoary 2010 amin'ny 00:24



Ny herinandro taona mifarana

2009-12-30 @ 23:00 in Finoana

Nankalazaina fatratra indray fa fampiatoana ny adiady sy ny fifandirana eo amin'ny sehatra politika indrindra indrindra ity herinandro farany misy ny fetin'ny faran'ny taona ity. Tetikady avokoa anefa izany rehetra izany entina hametrahana milamina izay rehetra tiana apetraka ary ao anatin'izany ny hetsiketsika rehetra ataon'ny mpitondra FAT amin'izao fotoana izao. Koa izay angaha no nidiran'ny mpitondra fivavahana eo amin'ny sehatry ny fiainam-pirenena indray. Maro no tsy mankasitraka izany saingy ny marina eo amin'ny fiainan'ny Malagasy dia miankina mandrakariva amin'ny zava-misy hatrany.


Seraseran'ny tanora: tetika fandambolamboana

Nisy fihaonana nolazaina fa ara-koltoraly, miompana ho an'ny tanora, notontosaina tetsy amin'ny Lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena tamin'ny farany sy fiandohan'ny herinandro teo. Raha ny fijeriko dia fomba iray handambolamboana ny tanora sy handrefesana ny fitiavan'ny tanora ny mpitondra ankehitriny io fihaonana ara-koltoraly io. Azo lazaina tsy misy hambahamba fa nandamoka ity hetsika ity amin'ny ankapobeny. Voalohany amin'izany, tsy feno ny tranoheva natsangana teny amin'ity toerana ity. Faharoa, vitsy tsy araka ny noheverina ireo tanora niroboka teny. Nalalaka ny toerana, nalalaka ihany koa ny lalana nifamezivezen'ny olona. Ny loko manga sy laoranjy amin'ny afisy kosa aloha dia efa fambara amin'ny zavatra tian-ko tarafina amin'ity hetsika ity. Dia nanao tsoa-kevitra ny zaatra hitako aho aloha.

Raha nolazaina ho niompana ho an'ny tanora ny hetsika, ireo tranoheva kosa dia ny sampandraharahan'ny minisitera sy ny fikambanana tanora tokana, dia an'ny zanaky ny zandary avy etsy amin'ny cité-ny etsy Ivato seranana ihany no hita teny. Tsy nahitana fikambanana tanora tsy miankina hafa sy fikamban'ny tanora miankina amin'ny fiangonana kosa teny. Mivandravandra avy hatrany ny fahabangana toa mitaratra fa novonjivonjena ny fanaovana ity hetsika ity. Rezimanta-na zandary iray Kamiao ihany koa no nisahana ny filaminana teny, ary sahiko no milaza fa mitovy amin'ny isan'ireo olon-tsotra nitsidika ny toerana ny isan-dry zalahy ireo... azo itarafana ihany koa ny filaminana eto Antananarivo tamin'ny andron'ny alatsinainy maraina nitsidihako azy ity. Gaga aho hoe inona koa no antony mahabetsaka zandary ato anatin'ity fihaonana ity? Mbola tsy naheno izay nitranga teny Ampahibe aho tamin'io fotoana io.


Ilay fikomiana sandoka tetsy Ampahibe

Miala tsiny aho raha tonga dia mitsara ilay zava-nitranga tetsy amin'ny Régiment d'Appui et de Soutien ny maraimben'ny alatsinainy ho fikomiana sandoka avy hatrany. Nandalo teny aho, tanaty fiarakaretsaka, ny alahady hariva ary gaga raha nahatsikaritra fa tsy nahita na dia vata-miaramila iray aza niambina ny vavahadin'ireo toby rehetra teny sy ny vavahadin'ny biraon'ny minisiteran'ny Fiarovana. Mpijerijery hatrany ny zavamisy ny tena, noho izany, efa niahiahy zavatra hafahafa sahady aho raha nanana io tsikaritra io. Amin'ny fotoanan'ny hotakotaka indray ve vao tsy misy miambina ny toby? Na misy fandrika mivelatra eo na efa misy fifanarahana miafina eo amin'ny samy miaramila indrindra fa eo amin'ny lohandohan'ireto miaramila ireto. Efa nisy fanomezantoky eo amin'ny fifanarahana hatao sahady angamba hoe ataovy amin'izay ny iraka nampanaovina anareo fa navelanay malalaka ny toerana hanaovanareo azy!

Tsy tena gaga loatra aho ny maraina raha nandre fa nisy fikomiana nataona vatamiaramila notarihina manamboninahitra lefitra tamin'ny toby iray tetsy Ampahibe ity. Vao maika moa tsy gaga mihitsy aho raha nandre fa voafehy vetivety ihany ilay fikomiana sady nanaiky hosamborina mora foana ilay mpitarika ity fikomiana sandoka ity. Dia efa fandre sy mahazatra ihany koa raha malaza avy hatrany fa nahitana volabe teny an-toerana ary nanaiky avy hatrany ireo mpandray anjara fa nandray vola tamin'ny fanaovana ity fikomiana ity. Dia nisy koa ny solombavam-bahoaka notondroina no nanome ny vola hanaovana ilay hetsika. Hita avy hatrany fa fihetsiketsehana fotsiny no betsaka ary misy ny fandrihana. Raha misy olona manakarama amin'ny fanaovan-javatra toy itony tsy hisehoseho ho hitan'ny mpanatanteraka rehetra izy fa olona iray ihany raha be dia ny olona manelanelana azy sy ny lehiben'ny mpikomy no isehoany. Na iza na iza manao zavatra toy itony dia izany no fitandremana bitika indrindra tokony atao. Izay no ahafaha-milaza fa tetika handotoana olona sy hamandrihana andia-miaramila tsy manaiky hofehezin'ny mpitondra ao amin'ny FAT no nanaovana ity hetsika hafahafa ity. Taty aoriana moa dia nisy vohikala nilaza fa hay iray amin'ny niandry kendritohina ny minisitry ny fiarovana ny Amiraly Mamy Ranaivoniarivo tamin'ny volana marsa 2009 ity lehiben'ny mpikomy teny Ampahibe ity.

Mifanindran-dalana manamafy ny tetikady miaramila ihany koa ny famoriana nataon'i Vital tetsy amin'ny Tranom-Pivoriana Iraisam-pirenena Ivato ho an'ny mpitandro ny filaminana rehetra. Ity famoriana ity no miampanga tena ireo atidoha nikotrika ity fikomiana sandoka ity. Niantso indrindra indrindra ireo lehibe isan-tsokajiny eo amin'ny tafika sy ny zandary ary ny polisy manko ny lehilahy tamin'ity fotoana ity. Teo amin'izay no nambara fa iray tsy mivaky ny tafika sy ny mpitandro ny filaminana. Mihevitra manko ry zareo amin'io fotoana io fa tonga soa aman-tsara eo amin'ny tanjona notratrariny ny paika napetrak'izy ireo. Ilay fikomiana voafehy dia enti-maneho na amin'ny miaramila na amin'ny sivily fa tsy azo hozongozonina intsony ny rafitra efa napetraka amin'izao fotoana izao. Fampitandremana mialoha ireo izay manam-pikasana fa efa tsy mandeha ilalana intsony izany fanonganam-panjakana na fiokoana ankoatra ny efa vitany izany. Eo ihany koa ny fametrahana fifampiahiahiana eo amin'ny samy mpitandro ny filaminana fandrao misy ny mihevitra ny hanohintohina ny fahefan'izy ireo izany. Tsy dia sarotra vinaniana intsony noho izany izay mety ho nandehanan'ny Komandy voalohan'ny zandarimaria ny jeneraly Razafindrakoto Bruno Wilfrid teny amin'ny Tobin'ny Hery Vonjy Taitra Ivato rehefa tsy hitan'izy ireo tao amin'ny Tranom-Pivoriana Iraisam-pirenena ny Komandà Roger Luc. Diplaomasia ara-miaramila izany na dia mody lazaina aza fa tsy manao sy tsy mahay diplaomasia izany ny tafika. Hatreto izany dia azo ambara fa voafehy eo ambany fahefana tokana ny tafika iray manontolo.


Hetsiky ny mpitondra fivavahana

Nandritra ny andron'ny alatsinainy maraina ihany koa dia nisy fotoam-pivavahana lehibe nokarakaraina mpitandrina roa no niakatra telo, nahatratra sivy ary lasa ampolony vitsivitsy avy eo teo amin'ny kianjan'Antsahamanitra, 200 metatra eo ho eo miala ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Tsy azo lavina velively fa ny mpitandrina FJKM no maro an'isa amin'izy ireo na dia misy ihany koa aza ireo avy amin'ny fiangonana hafa. Antony maro no mahatonga izany fa izay tadidiko etoana ihany no ho voambara mazava loatra. Voalohany amin'izany, eo amin'ny lafiny ara-tantara : Ny Protestanta amin'ny ankapobeny dia tsy manaiky hofehezina na hoziogain'olona iray na vitsivitsy na oviana na oviana. Tsy anavahana na iza na iza io, indrindra fa avy amina mpitondra politika (ary tafiditra amin'izany tsy ekeny hanazioga azy izany ihany koa ny filoha Ravalomanana, ialana tsinyamin'ny mpanaraka satria izay no zava-misy). Mitady matetika ny fifandanjana izy ireo, koa tsy atao mahagaga loatra raha misy ny fiangonana (protestanta) no misedra olana noho izay fisainam-pahafahana tandroviny izay.

Faharoa : Tsy vitsy mihitsy ihany koa ny mpitondra fivavahana ao aminy no tsy manaiky ny isian'ny fifangaroana na fifampidirana eo amin'ny politika sy ny fiangonana, izany hoe diso ny filazana safobemantsina avy hatrany hoe Ravalomanana = FJKM satria nomena fahafahana ny olona tsirairay hanaraka ny safidy politika tiany arahina ary tsy manan-jò hanery ny mpivavaka ao aminy hanaraka ny safidy politikany ny mpitandrina. Tsy manaiky ny fiangonana raha idirana politika hitantana ny firenena ny anarany nefa tsy hain'ny fiangonana leferina mihitsy ihany koa ny fitsabahan'ny politika amin'ny resa-piangonana. Ohatra tsy misy mpahalala loatra amin'izany, tamin'ny Repoblika voalohany dia nisy ny fanerena nataon'ny fitondrana ny tsy maintsy hametrahana saina ao am-piangonana. Natahotra na nanoa izany baikon'ny fitondrana izany avokoa ny fiangonana rehetra ankoatra ireo izay nanorina ny FJKM. Nanao fandrahonana ny fitondrana fa hakatona avokoa izay fiangonana tsy manaikyny hametrahan sainam-pirenena ao am-piangonana fa tsy nampihontsona ny FJKM, "Akatony ary!" no valinteny nataony. Tsapan'ny mpitondra fanjakana fa tsy azo nahodi-doha ny protestanta reforme ka dia tsy nampihariny indray ny fandrahonana hanakatona ny fiangonana FJKM rehetra.

Koa nahoana ary ireto mpitondra fivavahana ireto no toa minia miditra an-tsehatra amin'ny resaka politika? Valiny: Niditra any amin'izay tsy tokony idirany ao amin'ny fiangonana ny mpitondra fanjakana mpanao politika ka niseho amin'ny maha-protestanta azy ny FJKM indrindra indrindra. Ohatra: efa nomena alalana hanitatra ny fiangonana ny FJKM Antanimena atsinanana (tsy miankina izy ity teo alohaloha teo) no norarana indray tsy hanao izany; efa natomboka anefa ny fandravana hanaovana ny fanitarana; inona no tena tadiavin'ny mpitondra fanjakana? Nitakian'ny fanjakana hetra ihany koa ny foibe FJKM ary tafiditra ao anatin'izany (araka ny gazety Tia Tanindrazana nivoaka 30 desambra 2009) ka ao anatin'izany ny IBS (Impots sur les bénéfices de la Société) taona 2006, 2007 ary 2008... izany hoe napetraky ny mpitondra fanjakana ho raharaham-barotra misy tombom-barotra izany ny raharaham-piangonana. Mafy loatra angaha ny fitadiavam-bola no tonga amin'izany izy ity. Efa saiky noadinoina ny saika hanaovana barofo ny fitaovam-panorenana ny sekoly FJKM tamina tanàna lehibe vitsivitsy teto Madagasikara. 

Manaraka izany, nandritra ny vavaka fifonana no netina nanambarana fa mangatsiaka tanteraka amin'izao fotoana izao ny fifandraisana eo anivon'ny FFKM, fomba enti-milaza izany fa anarana sisa izany FFKM izany fa nopotehina avy ao anatiny nandritra ny telovolana voalohan'ny taona 2009 ihany io sehatra nanana ny anjara toerany teo amin'ny fiainam-pirenena io, nefa tsy nitady toerana eo amin'ny fitondrana amin'ny maha-FFKM azy fa mpandamina sy mampihavana ary mpanelanelana mandrakariva rehefa tojo krizy ny firenena. Mahatsapa ho manana andraikitra hijoro ho mpandamina, tahaka ny nataon'ny FFKM nandritra ny andro nampalaza azy ireto mpitondra fivavahana ireto. Tsy mitady seza izy ireo saingy mitady kosa ny vahaolana ho an'ny firenena mba tsy idirana amin'ny ady an-trano sy ny fanaovana herisetra ary ny tsindry hazolena isan-karazany eo amin'ny fiaraha-monina.

Ity eto ity kosa dia hevitro manokana, miditra na mikasa ny hiditra eo amin'ny fitantanana ny firenena ny tafika izay mitazona ny fitaovam-piadiana eto amin'ny firenena. Sarotra ny hifehy na hanaramaso ny olona mitazona ny fitaovam-piadiana tsy hanakana ny fahafahan'ny tsirairay. Ho fisorohana izay mety ho fihoaram-pefy sy fikorisana mankany amin'ny tsy refesi-mandidy izay dia mety indrindra ny idiran'ny sehatra ara-panahy ho tsindry lentam-pahefana (hisian'ny fitovian-danja eo amin'ny mizana) amin'izao fiainam-pirenena latsaka lalina anaty krizy novolena izao. Azoko heverina fa singa tsy ampoizin'ny mpitondra fanjakana ny fijoroan'ireto mpitondra fivavahana ireto. Raha efa tadiavin-dry zareo amin'ny fomba rehetra manko ny hanagiazana ireo mpitari-tolona ao amin'ny ankolafy telo, ka anatin'ny teti-panorona ilay fikomiana sandoka tetsy Ampahibe, dia sarotra ihany satria hiteraka rikoriko ho an'ny sarambambem-bahoaka raha ireto mpitondra fivavahana ireto no hampangaina ho manao baomba ny mikasa ny hikomy ara-miaramila. Raha sanatria ka tsy afa-mikofoka intsony ny mpitaky ny ara-dalàna dia efa vonona sahady ireo sahy hifanandrina am-panahy ny fitondrana ankehitriny. Ao amin'ireto mpitondra fivavahana ireto aza no misy ny charisme tsy ampy teo amin'ny mpitari-tolon'ny ara-dalàna. Ny maha-hafa ireto indray kosa dia mifankafantatra avokoa ny ankamaroan'ny mpitondra fivavahana ka sarotra ihany ny hisian'ny mpitsikilo avy amin'ny fanjakana. Mety hisy ihany anefa izany mpitsikilo hanao tatitra ny fivoriana natao hanomanana ny hetsika izany fa mety ho mora fantatra.


Ilay fotoam-pivavahana teo Antsahamanitra

Ninia aho nanasaraka ny fotoam-pivavahana sy ny antony nanaovan'ny mpikarakara ity hetsika ity. Fanamarihana voalohany: tsy tao anaty fotoam-pivavahana velively no nanaovana ny fanambarana izay efa navoakako manontolo tsy nanampiana tsy nanalana teto ihany. Efa vita tanteraka ny tso-drano sy ny Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina vao nolazaina ny fanambarana. Diso ihany koa ny vaovao iniana aely fa tsy nivonona hiandry izany fanambarana izany velively ireo nanatrika ity fotoam-pivavahana ity. Tena niandry zavatra tamin'ireto mpitondra fivavahana ireto mihitsy ireo nanatrika tao ary porofon'izany ny tehaka sy ny horaka sesilany nisy nandritra ny nanaovana izany fanambarana izany. Ambarako sahady ary fa amin'ny Asabotsy 2 janoary amin'ny 2 sy sasany tolakandro ny fotoana manaraka hihaonan'ny olom-pirenena rehetra amin'ireto mpitondra fivavahana ireto eny Antsahamanitra ihany.

Betsaka ihany ny olona tonga teny amin'ny maha-andavanandro maraina ny fotoana tamin'ny alatsinainy teo satria fenony tsara ny antsasak' Antsahamanitra. Vao miditra ianao dia ny sora-baventy manao hoe "Dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry" Matio 9:36 no sora-baventy hitanao eo amin'ny sehatra. Ny tena maro an'isa amin'ireo olona nanatrika teo dia olona efa lehibe heverina ho efa retirety amin'ny asany avokoa, izaho kosa moa mba tsy niasa aho io alatsinainy maraina io ka nanararaotra nankeny, indrisy moa fa tsy ho afaka hanatrika ilay amin'ny Asabotsy aho noho ny asa ihany, nefa azo inoana sahady fa ho maro noho ny tamin'ny alatsinainy no ho avy amin'ny Asabotsy io.

Ireo teny novakiana tamin'io andro io dia hita ao amin'ny bokin'i Estera 4: 14 - 17 miaty ny resak'ilay Estera anisan'ny vadin'i Ahasoerosy (Xeres) nanjaka hatrany Etiopia ka hatrany India tamin'ny dadatoany antsoina hoe Mordekay fa misy ny tetika handringanana ny jiosy manerana ny fanjakana ka nahatonga an'i Estera hilaza hoe: " Mandehana Ary, vorio ny Jiosy rehetra izay hita ato Sosana, Ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; Ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, Ary amin’izany no hidirako ao amin’ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha sanatria maty aho dia izay izany no izy." izany hoe eo amin'ny fanapahan-kevitra lehibe izay hatao dia ny mivavaka no atao voalohany indrindra.

Ny vakinteny faharoa kosa dia izay hita ao amin'ny Matio 26: 36 - 46 milaza ny fitarihana nataon'i Jesoa tao Getsemane, fantany tsara fa hiatrika zava-dehibe eo amin'ny fiainany ihay koa izy ka nitokana nivavaka manao hoe: " Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao." Tao anaty fahoriana sy alahelo indrindra no nanaovany izany vavaka izany. Na ny vakinteny voalohany na ny vakinteny faharoa dia samy manambara ny anjara toeran'ny vavaka manoloana ny fanaphan-kevitr alehibe izay hatao ary mihatra aman'aina mihitsy izany. Ny mpamaky baiboly dia mahafantatra fa nivoaka nandresy fa tsy maty i Estera sy ny Jiosy tao amin'ny vakinteny voalohany nefa maty ihany i Jesoa na dia namerimberina ny vavaka nataony aza amin'ity vakinteny faharoa ity.

Ny vakinteny fahatelo kosa dia izay hita ao amin'ny  Asan'ny Apostoly 4: 23 - 31 ahitana ny vavaka mahery nataon'ny Apostoly sy ny mpianatra fa sahy tokoa izy ireo ny hijoro vavolombelona nitory ny tenin'Andriamanitra na dia norarana tamin'izany aza ary na dia nandrahona sy nampitahotra avokoa na ny jiosy na ny jentilisa na ny mpitondra. Ny fandrahonana natao tamin'ny mpitarika no niitaran'ny fitoriana hotanterahin'ny rehetra tamim-pahasahiana. Ny toriteny kosa moa dia niainga avy tamin'ilay andinin-tSoratra Masina efa malaza ao amin'ny bokin'i Estera 8:6 manao hoe: "Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko.

Raha fehezina ny toriteny dia toy izao: "Sahia mandray andraikitra". 1. Ny hetsika voalohany tokony atao dia ny tsy mihetsika... fa mivavaka.2. Rehefa hihetsika kosa amin'izay dia tsy ny tapany fotsiny no mihetsika fa ny vatatena manontolo no mihetsika.3. Manana tanjona mazava hotratrarina ho fijoroana vavolombelona. Ny hetsika tsy misy tanjona mazava manko dia ho ezaka verimaina ihany.4.Fahavononana hisedra ny mafy, hoy ilay mpitoriteny iray antsoina hoe Saddhu Seddhar  Sung hoe tsy misy ny La Couronne raha tsy misy aloha ny La Croix.5. Tsy voatery ho andraikitra lehibe no andraikitra omena antsika fa eo amin'ny toerana misy anao no iantsoan'Andriamanitra anao ho vavolombelona. Io dia araka ny tenin'ilay mpitondra fivavahana mainty hoditra Amerikana malaza iray antsoina hoe Martin Luther King hoe: "Na mpamafa lalana aza ianao, ataovy ho toy ny tsapan'ny anjely mety handalo eo fa olon'Andriamanitra no namafa ny lalana teo". Tsy misy olona noho izany ka hamaivanina ny anjara toerany.


Farany : resaka hafa mihitsy Araraoty fa ity faran'ny taona ity ihany koa no hanoloranao ny Best of Malagasy blogs ankafizinao. Na efa nisy nifidy aza dia apetaho ihany satria mikaonty ho anaty fisafidianana ny fahamaroan'ny bolongana na blaogy iray. Dia samy tratran'ny farany izany ary hiatrika Tolona vaovao indray anie e!



Jentilisa, 31 desambra 2009 amin'ny 01:05


Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox