Omeo vehivavy hendry aho...

2008-10-15 @ 22:39 in Finoana

...hananganako firenena vanona. Noheveriko ho teny ao amin'ny baiboly izy io; kanjo diso hevitra aho. Tenin'olona tsotra izy io. Tsy nahita azy io tao amin'ny baiboly aho, na izaho no tsy nahay nikaroka azy...nefa nandany fotoana ihany hijery azy tao amin'ny kônkôrdansa. Amin'ny ankapobeny anefa dia nampidirina ho anisan'ny soatoavin'ny mpandala ny baiboly ny teny ary matetika no karazana atao ho lohahevitra mihitsy aza. Ekeko ny fahamarinan'ny teny sy ny lanjany. Tsy mba tahaka izany kosa anefa fa laviko kosa ny fanandratana ny teny hoe "Ampio ny tenanao dia hanampy anao ny lanitra"na ny "Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany". Fa mitady hivaona amin'ny resaka tiako fotorina aho izany.

Mametraka sahady fa ny vehivavy hendry no fototry ny firenena vanona. Ny vehivavy manko no miteraka ary mahatsapa ny vesatra sy ny fijalian'ny fiterahana. Rehefa tontosa anefa ny andro iterahana ka tonga ny zaza, iny no lasa mamy indrindra ho an'ilay niteraka azy. Mamy tena mamy raha zanaka niriana fa fanorisorenana kosa raha vohoka azo tsinahy noho ny fahafinaretana fotsiny ihany. Taonjato anjakan'ny fahafinaretana tokoa izao iainantsika izao nefa miara-dalana aminy ihany koa ny voninahitra. Matetika raha misy ny vohoka tsy nirina na ivelan'ny fanambadiana nefa mba manana ny hajany ihany ny ray aman-dreny no karohana mandrakariva izay hanalana iny zaza am-bohoka iny. Lasa ambany noho ny voninahitra na ny fahafinaretana ny aina. Ny aina izay sarobidy indrindra eo anatrehan'Andriamanitra. Te-hahalala anefa aho etsy ankilan'izay hoe firy isan-jaton'ireny nanala zaza ireny no nanenina tamin'izay nataony avy eo? Raha olona tsy mahalala afa-tsy ny fahafinaretana aloha mety tsy hanenina mihitsy, mitohy am-pilaminana indray manko ny revy. Fa raha olona notezaina ho olom-banona ihany na tonga amin'izay amin'ny faniriana hananjanaka amin'izay no lasa afa-jaza hatrany avy eo? Deraiko manokana noho izany ny vehivavy nisafidy ny hitazona ny zanany na dia nofitahin'ny sakaizany nanaovana filan-draha tsy mahita fotsiny aza. Tsy miresaka fandrindram-piterahana ivelan'ny voajanahary kosa indray aho.

Manaraka izany, eto ampanoratana aho no mahita fa toa mifandaka ny fahafinaretana sy ny fandraisana andraikitra hametraka fanorenana maharitra sy mitohy. Efa manjaka amin'ny Tandrefana sy ny mpandala faratampony ny kolontsainy miridana toa soavaly tapa-kofehy fa tsy maharitra velively izany fanambadiana izany. Resaka fahafinaretana ara-pananahana sy fianohana anaty vola aman-karena no heveriko ho fototr'izany. Ny tsapan'ny olon-dehibe ihany no lanjalanjainy, ny fitiavan-tenany hikaroka hatrany ny fahafinaretany no asandratra hany ka tsy noheverina velively tao anatiny ny ratram-po mahazo ny zanaka iharan'ny fisarahan'ny ray aman-dreny. Mizaka ny safidin'ny fitsarana amin'izay hitaiza ny zaza sisa no mba zon'ny ankizy.

Omeo vehivavy hendry aho hananganako firenena vanona. Toa mametraka fa andraikitry ny vehivavy ihany no hahavanona ny taranaka handrafitra ilay firenena rahampitso. Fahadisoan-kevitra izany: efa manamarika sahady ny fahavononan'ilay miteny heverina ho lehilahy mihevitra hanorina, hanangana, hanohy izay hahavanona ny firenena izany. Manambara fa tsy vitan'ny lehilahy irery ny manangana io firenena io fa tsy maintsy manana ny anjara toerany lehibe ny vehivavy. Tsy lehilahy sy lehilahy no hiandraikitra amin'ny fanorenana ilay ankohonana fototry ny firenena ary tsy vehivavy sy vehivavy ihany koa fa lehilahy sy vehivavy. Lehilahy iray sy vehivavy iray miara-mibanjina ny hoavy ho an'ny ampitsony sy ny taranany.

Ravalomanana: Aleoko miala tsy ho filohampirenena...

2008-08-21 @ 08:05 in Finoana

Nihazakazaka mihitsy aho hanoratra ity na dia hiserana ihany aza. Ataoko fa karazany tsy nampoizin'ny maro ihany ny nahalany ny filoham-pirenena Ravalomanana ho filoha lefitry ny FJKM indray. Izaho kosa efa tsy gaga intsony fa efa nilazana tsinona ka niandry ny fidonany fotsiny. Tsy nosoratako mialoha anefa izy ity fa nisy namana vitsivitsy nilazako azy ambava ihany.

Fotoana vitsivitsy lasa izay, tsy hiteny aho hoe andro vitsivitsy, na herinandro vitsivitsy, na volana vitsivitsy na taona vitsivitsy fa izay fotoana vitsivitsy tsy voafaritra mazava izay no ambarako. Nisy olona vitsivitsy ao anaty ny rafitry ny FJKM niangavy ny filoham-pirenena ankehitriny tsy hirotsaka hofidiana ho filoha lefitry ny FJKM intsony fa manjary manaratsy toerana ny FJKM ho mifamatotra loatra amin'ny fitondrana, ary manimba ny fitoriana ny Filazantsara, ny mbola fitoerany eo ihany. Tsotra ny navalin'ny filoha: Aleoko miala tsy ho filohampirenena toy izay tsy hirotsaka ho filoha lefitry ny FJKM. Tsy nahateny intsony ireo mpikambana vitsivitsy ao anatin'ny rafi-piangonana FJKM ireo.

Koa nahoana ary no fifaninanana Minisitra taloha sy amperinassa no heno omaly? Tsotra ny antony: Tarafin'ny filoham-pirenena mialoha ny safidin'ny mpizaika mahazo mifidy tamin'ny nametrahany ireo minisitra mirahalahy hifaninana amin'ilay minisitra noesorin-dRavalomanana. Manana mpanara-maso azy manokana mampita vaovao izy ka rehefa tsinjony fa mbola malalaka ny lalana dia asainy miala tsy hifaninana ny Minisitra Hajanirina Razafinjatovo sy ny Minisitra Ivohasina Razafimahefa ka izy indray no mirotsaka.Hain'ny filohampirenena tsara ny fomba fifidianana ka nampiasainy tokoa.

Toerana mbola heveriny ho andry iray lehibe hahalany azy ho filoham-pirenena amin'ny fifidianana manaraka io toerana io ka tsy hamelany mihitsy.

FLM: Lalampanorenana vaovao hanakanana olona iray?

2008-08-10 @ 08:39 in Finoana

Toy ny kinendriko mihitsy angaha ny mamoaka lahatsoratra rehefa alahady ary vaovao momba ny finoana sy ny fivavahana no avoaka araka izay azo atao amin'izany. Eto indray aho dia mitodika amin'ny Fiangonana Loterana Malagasy. Fantatra moa amin'izao fotoana izao fa mety hisy ny "fanovana" madinidinika amin'ny litorojia sy ny lalampanorenan'ny Fiangonana Loterana Malagasy. Fanovana Tekinika hoy ny iray amin'ny tompon'andraikitra lahika iray izay. Tafiditra amin'izany ny hampidirana anaty Litorojia ny fanekena mpiandraikitra sokoto (scout) sy ny an'ny Fifohazana. Tsy sahy miraparapa amin'ity farany ity aho. Fampidirana ny inona tokoa moa izany? Ampidirina anaty litorojia amin'izay ve ny asa sy fampaherezana sa ny fanokanana mpiandry any am-piangonana fa tsy voatery any amin'ny tobim-pifohazana ihany no tena lazaina?

Tafiditra anaty "fanovana" madinidinika ihany koa ny famerana ny fotoam-piasan'ny mpiasam-piangonana rehetra tsy ho 65 taona intsony fa ho 60 taona indray. Raha ny fahitako hatramin'izay any amin'ny sehatry ny fiangonana dia misy ihany ny mpitondra fivavahana mihoatra ireny fotoam-piasana ireny ny tena iasany any amin'ny sahan'ny fiangonana... fa amin'iny fotoana iny dia miandry ny anaovana jobily azy izy sisa (anokanan'ny fiangonana rakitra) fa tsy homena andraikitra vaovao intsony. Izany hoe tsy tokony hofidiana ho filohan'ny sinaodam-paritany (eveka) na ho filohan'ny anaram-pangonana FLM (arisheveka) intsony na hotendrena amina andraikitra anivon'ny sahan'ny fiangonana.

Eo indrindra isika. Misy ary ny miahiahy amin'io fampihenana ny taona handefasana retirety ny mpiasam-piangonana io ho fikendrena hanakanana pasitora iray heverina ho mifaninana amin'ny filohan'ny FLM amin'izao fotoana izao, Pst Dr,Rakoto Endor Modeste. Ahiahy satria mety ho resin'ny mpifaninana aminy izy, izay tsy iza fa ny Pst Dr Péri Rasolondraibe izany, na dia noho ny lazan'ilay pasitora fotsiny ihany aza. Heverina manko fa efa mihoatra ny 60 taona ny Pst Péri Rasolondraibe, efa nitondra ny fitandremana FLM toby fanantenana 67ha, nandalo kely tao amin'ny FLM Ambatovinaky mialoha ny nanilihana azy hitana andraikitra any Geneve (Suisse) ho talen'ny fampandrosoana anivon'ny FLET (Fiangonana Loterana Eran-Tany),mba hamerenana ny filohan'ny sinaodam-parintany teo ho amin'ny toerany teo aloha, araka ny fijeriko ihany izany.

Zavatra mba fantatro amin'ny Pasitora Péri Rasolondraibe ihany koa ny tolona ataony mba hahapasitora amin'izay ny vehivavy teolojiana...izany hoe ahafahan'ny vehivavy ho mpitondra fiangonana amin'izay. Izy manko no manao fampielezankevitra eken'ny fiangonana amin'izany raha ny filohan'ny sinaodam-paritany Antananarivo Pst Randrianarivelo Joseph kosa no manao fampielezankevitra eken'ny fiangonana hanemorana izany fanaovana ôridinasiona ny vehivavy izany. Ny amin'ny homosexuel indray moa dia tsy mila adihevitra mihitsy fa lavina avy hatrany. Iraisan'ny fiangonana aty amin'ny ila-bolantany atsimo io amin'ny ankapobeny. Lavina tsy ilàna adihevitra mihitsy.Ankoatra izany, ny Pst Péri ihany koa no fantatro anivon'ny FLM nitolona mandrakariva ho amin'ny fampitambarana ho iray ny FLM sy ny FJKM. Efa tsy reko intsony kosa aloha izay tolon'ny raharaha amin'ity fampitambarana ity.

Fahatsapako, izaho jentilisa, mahita ny zotram-piainan'ity pasitora nolazaiko ity dia ny sedra nahazo azy nandritra ny fotoana nitandremany hatramin'izay. Tsy tadidiko ho nahazo andraikitra ambonimbony anivon'ny sahan'ny FLM mihitsy izy fa raha any ivelany kosa dia efa nisy voasoratra ihany ery ambony ery. Miala tsiny aho amin'ny fitenenana somary masiaka fa toa atahoran'ny mpitondra fivavahana hafa izy noho ny herimpanahy (charisme) ananany ve? Koa raha ho voasakana tsy hahazo hirotsaka indray izy raha voaova ny lalampanorenana dia izay no fanakatsakanana faratampony heveriko fa faratampony indrindra nihatra taminy. Toy ny  nosakanana tsy hampisy fivoarana ny fiainam-piangonana mihitsy izy nandritra ny androm-piainany. Fahatsapako ihany anefa izany fa tsy voatery hitombina.Izy tenany sy Andriamanitra ihany no tena mahalala.

Raha mitombina ary ny ahiahy dia fanehoana ihany koa fa mbola ety an-tany ny fiangonana ary misy olona mitantana azy. Olona ihany ny mpitondra fivavahana. Mety mampihemotra olona ny mitranga fa efa nampianarina tsy hijery olona ny tena rehefa fivavahana no resahina, satria mpandiso fanantenana ny olona amin'ny ankapobeny, fa Andriamanitra ihany no banjinina.

Nailiky ny FJKM ry Ratovohery Eddy (Zoky Eddy)

2008-08-03 @ 21:57 in Finoana

Tsy tany amin'ny FJKM aho androany no namonjy fotoam-pivavahana fa tany amin'ny FLM Ambatovinaky. Miala sasatra moa ny Sekoly Alahady misy ahy ka dia naleoko niakatra tany an-tanàna ambony indray (intelo alahady androany).Noho izany tsy reko mivantana ny filazana tao amin'ny vaovaom-piangonana fa olona no nampita tamiko. Tsy nianona tamin'ny filazan'ny olona iray fa lasa nanontany olona hafa iray fiangonana mihitsy. Dia voamarina tokoa fa teny midina izy ity (avy aiza ary?) ary nolazaina fa "tsy miara-miasa amin'ny FJKM (Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara) intsony Ratovohery Eddy sy ireo mpiara-miasa aminy (iza no tena tompon'ny fanapahan-kevitra?). Hevitreverina fa naely nanerana ny sahan'ny FJKM ity filazana ity ka ny eto an-drenivohitra aloha no mahalala azy androany.

Loharanom-baovao hafa ihany koa no nandrenesana fa na Ratovohery Eddy aza dia mahalala tsara fa tsy mahazo mampianatra (manao seminera) any amin'ny FJKM intsony izy ka ny FLM (Fiangonana Loterana Malagasy) no miara-miasa aminy amin'izao fotoana izao (ankasitrahako ny FLM izany).Koa amin'izao ankatoky ny zaikabe sy ny fankalazana ny ivon'ny fankalazana ny faha-40 taona ny FJKM hotanterahina any Mahajanga izao dia te-hahalala aho hoe inona no anton'izao teny midina izao? Nisy fahotana mahafaty nataony ve? Nanevateva ny FJKM ve izy sa nandika ny lalàna fiorenan'ny FJKM? Sa tsy mifanaraka amin'ny foto-pinoan'ny FJKM ny zavatra ampianariny? Miandry fanazavana avy amin'ny Foibe na izay niandohan'ny teny midina aho. Naninona no tsy niandrasana Sinaoda Lehibe ny fanapahan-kevitra... Sa ity no karazana antso manao hoe Mivoaha! Mivoaha ao Babilaona ianareo oloko, fa Rava Babilaona lehibe?

Raha misy ny fitenenana hoe tsy miara-miasa dia karazany fandroahana ankolaka ihany izany. Ny fiangonana manko araka ny fihevitro misy ilay teny hoe tsinjaraina ho samihafa ny fanomezam-pahasoavana fa ny Fanahy dia iray ihany, tsy voatery ho maso avokoa ny momba ny tena, ary ny maso tsy mahazo miteny amin'ny tanana hoe satria tsy maso ianao dia tsy ekena ho momba ny tena (fiangonana). Koa raha misy singa amin'ny tena esorina dia tokony ho araka ny filazan'i Jesoa manao hoe raha ny tananao no mahavery anao, esory any fa aleo ianao voavonjy tapatanana toy izay very manontolo miaraka tamin'ilay nampanota anao. Fanomezam-pahasoavana ho azy ny mampianatra koa raha tsy mahazo mampianatra intsony izy dia tsy avela manao ny asam-pahasoavana nomena azy...midika ho fanalana azy ihany fa tsy inona tsy akory.

Tranga efa niainako manko ny nandrarana ahy tsy hahazo mampianatra sekoly alahady intsony tany amin'izay FJKM (tsy ilay ampianarako sekoly alahady amin'izao fotoana kosa aloha) iray izay. Tsy hoe nahabevohoka zanak'olona aho na nanodikodina zaza tsy ampy taona fa nianatra saikolojia tany amin'ny fiangonana tsy miankina iray izay (ny fiangonan-dRakotomalala Romain) no nisy nahita sady izaho koa tsy niafina ka ahiana mety hanao fampianaran-diso. Mazava loatra fa tsy manana na inona na inona mamatotra ahy aho ka raha izay kely tiako zaraina no andrarana ahy, misintaka soa aman-tsara aho mazava loatra.

Tsara ihany angamba ny mampahafantatra izay tsy mahalala hoe iza moa Ratovohery Eddy. Tsy afaka ny hihambo ho mahalala azy aho fa izay fantatry ny maro nanana fifaneraserana lavitra azy ihany no fantatro. Voalohany, tsy mpitondra fivavahana izy fa kirisitiana tsotra, izany hoe lahika. Tao amin'ny Fikambanan'ny Mpiara-mamaky ny Baiboly deparitemantan'ny fanolorantsaina ho an'ny mpivady no azo lazaina fa nipoiran'ny Mission Pour Le Salut et le Service de la Famille na Fikambanana Vonjeo ny Fianakaviana izay naoriny. Manana ny teny faneva manao hoe "Ringana ny oloko noho ny tsy fisian'ny fahalalana"izy ary dia io fandaharana Vonjeo ny Fianakaviana io no tena ahafantarana azy. Teny Firantsay ny famelabelarana nataony tamin'ny voalohany (noho izy nampianarina tamin'ny sekoly Firantsay fahatanora) fa taty aoriana vao naompany ho amin'ny teny Malagasy hahatratra ny sarambambem-bahoaka indrindra fa ny tanora.

Sahiko ijoroana ihany koa fa efa nanaraka ny seminerany aho indroa (sa intelo akory aza) izay. Ny voalohany tao amin'ny Radio sioka Vao izay tsy hita nanjavonana ankehitriny ary nifampitohy avy hatrany tamin'ny fanarahana mivantana ny seminera notontosaina tao amin'ny tranompokonolona Analakely (andiany faha-30) ary ny fahatelo dia vao tamin'ny herintaona tao amin'ny FJKM Ambatonakanga. Anisan'ny nampijoro ahy ho tsy ho voahozongozona tamin'ny finoana ny seminerany, ka nahafahako nijoro tamin'ny maridrefin'ny baiboly fa tsy izay lazain'ny olona sy ny ataony mifandaka tanteraka amin'ny torolalan'i Kirisity aza.

Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan'ny lanitra.

Vavaka manova zavatra (Misy hatsikana)

2008-07-20 @ 13:06 in Finoana

Alahady indray ny andro. Androm-pivavahana ho an'ny kristiana mahatsiaro ny andro alahady nitsanganan'i Jesoa Kristy avy amin'ny fahafatesana. Nandreseny ny fasana araka ny fiteny kristiana. Mba hitantara zavatra mifandraika amin'ny fivavahana aho amin'ity andro ity.

Tapa-bolana katroka izay dia izaho irery no tao an-trano. Lasa any amin'ny farintany avokoa ny fianakaviana rehetra. Izaho sisa karazany niambin-trano noho ny asa - miasa na dia alahady aza - miandry ny tolakandro. Raikitra indray ny hira tsinjatsinjaky ny trano somary ampitanay izay. Izaho amin'io mba te-hihaino hiram-panahy sy hiram-bavaka. Mazava loatra fa sorena aho. Isan'andro izao ny azy tsy mitsahatra mihitsy. Tahaka ny hoe izy irery no manana maneno. Izao amin'izay, hoy aho ny fotoana fanararaotra hanaovana izay nokasaiko hatry ny ela. Nalaiko ny radiô. Nataoko teo an-tokontany dia nokarohiko amin'izay ny maridrefy mandefa hiram-pivavahana fotsiny. MRE (Les Messagers Radio Evangelique) no nisy nifampitohy sady tsy nisy resaka firy. Nalefako mafy amin'izay. Izany hoe samy mitatatata izany ny anay roa tonta. Efa ela no niandrasako fotoana tahaka izao ka faly aho nanatontosa azy.

Nahagaga tamin'io fotoana io fa tena araka ny karazany tokoa ny hiram-pivavahana nandeha ary izay hira nandeha tery ampita toa vasoka hatrany raha miohatra noho izay nalefako. Nivoaka ireo ankizy tery ampita dia toa nivezivezy teo anoloan'ny trano teo. Te-hihaino ny hira nalefako ve? Nandeha amin'izay ilay hiram-pifohazana avy any Manolotrony mitondra ny lohateny hoe "Vavaka manova zavatra" iny. Ny ngadon'ny hiram-pifohazana sy ny hira zafindraony moa somary be itovizana izay nefa nahafinaritra io karazan-kira io. Atsasak'adiny na adiny iray latsaka fahefany teo ho eo no nifaninana hira izahay fa nahenany tsimoramora ny feo. Araka ny nampihenany ny azy no nampihenako ny feon'ny radioko ihany koa. Farany, tonga eo amin'ny tsy manorisory intsony ilay feo avy any. Nampidiriko ny radioko dia nalefako araka ny tokony ho izy ihany koa. Nanomboka tamin'io fotoana io (tapabolana izay) dia tsy nitabataba loatra intsony ny radion'io trano fivarotana nampiaiky ny manodidina io ny tabataban-kirany efa telo taona teo ho eo izao.

Hafa indray, matetika moa no mifanenjika ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo sy ny mpivarotra amoron-dalana. Ny mahatsikaiky dia mandraoka tokoa ry zalahy rehefa mandraoka entana izay, any anaty fiarabe avy hatrany avokoa fa ny an'ny mpivarotra baiboly ihany no tsy misy mikitika mihitsy. Manaja fivavahana angaha ry zalahy ka tsy sahy mikitika ireny mpivarotra baiboly ireny.

Farany, malaza dia malaza moa ny hiran'i Tsiliva mitondra ny lohateny hoe "oui, oui" iny. Misy ilay Jesoa manao karate amin'ny devoly iny. Tao amin'ny sekolim-pinoana iray teto Antananarivo no nisy boaikely roalahy nanao sarin'ady ka nampitangorina ny ankizy sy nampitabataba azy. Taitra ny surveillant ka lasa nankeny amin'ny ankizy hanasaraka sy haka azy ireo ho any amin'ny birao. Vantany vao tonga teny amin'ny ankizy anefa izy dia niala haingana izy roalahy nanao sarin'ady teo dia nitangorona nanodidina ilay surveillant dia nihorakorahan'ny ankizy sy nitehafany hoe "Jesosy, Jesosy" toy ilay amin'ny lahatsarin'i Tsiliva iny indrindra. Be volombava manko ranamana ka ataon'ny ankizy fa Rajesosy. Nampanantsoin'ny surveillant daholo ny ray aman-drenin'ny mpianatra rehetra...

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox