Mihamafana mihamafana...

2010-01-05 @ 23:12 in Andavanandro

Tontosa iny ny fetin'ny faran'ny taona fanaon'ny daholobe fa ny asaramanitry ny mpitondra fanjakana sy ny fikambanana kosa mbola ao anatiny tsara mandritra ity volana janoary ity. Ny teto Antananarivo manokana dia niavaka tokoa izany fety izany. Tsy niavaka ho reharehan'ny renivohitr'i Madagasikara fa ho henatra ho azy kosa.


Asaramaimbo

Tsorina fa tsy Asaramanitra no niainana fa Asaramaimbo ara-bakinteny. Tsy nahate-hivoaka velively ny faran'ny taona fa mampihidy an-trano. Mpandalo ny afovoan-tananan'Antananarivo ny tena matoa mahasahy miteny izany. Mantsina tanteraka ny lalana andehananao miainga hatreny ambanin'ny zaridainan'Antaninarenina, Ambatomena, Tsaralalàna, Analakely (efa tsy ilay anoloan'ny lazaina ho metro intsony no ambarako eto fa Analakely amin'ny ankapobeny), Soarano... asa tsy fantatro intsony hoe hatraiza fa ireo ny afovoan-tanàna lazaiko aloha. Ny tena maharikoriko dia ny toerana somary mihataka ampolony metatra ny toeram-pidiovana no tena mantsina sy ifendrahan'ny loton'olombelona. Tsy ilay hoe tsy miditra any izahay fa eto ambaravarana ihany ity dia alefanay (miala tsiny indrindra raha mikaly ianao mamaky ny teny) fa hoe tsy todinay iny folo metatra iny fa mavesatra loatra ny rano entinay moa izahay rahateo kamo.

Raha tarafina dia avandravandrany fa tsy manana toeram-pidiovana izy any amin'ny tanàna misy azy any ka ampitoviana amin'ny any amin'ny niavian'ny tena ihany ny hanaovana an'Antananarivo afovoan-tanàna tokony ho fitaratra tsara ho an'ny Malagasy eo imason'ny vahiny. Tsy hoe fihatsarambelatsihy izany fa na aiza na aiza tokony hisy hatrany ny toerana tokony ho reharehan'ny mponina ka mendrika izany indrindra ny afovoan-tanàna izay aetrin'ireto tsy tamàna an-tranony ka mampiely ny malotony manerana ny tanàna ireto. Mba azonao vinaniana ve izany hoe anoloana sy anilan'ny Honey, Blanche Neige, Gastro Pizza no tena anaovan'ireto tsy mifaditrovana ireto ny hadalany? Tsy ho afa-miteny velively anefa ny tompon'ireo toeram-pisakafoanana sy fankafizana karazan-tsakafo izany raha tsy te-hahazo ny angaredon'ny "vahoaka madinika". Dia hoy ianao hoe aiza izany no hitsangatsangana? Aleo ny manana fiarakodia handehanana no hamaly fa tsy mahita valinteny loatra ankoatra ny toeram-pivavahana  na an-tokatrano izahay sarangan'ny antonony ihany.

Fa eto ampanoratana aho dia mahatsiahy ny vanim-potoanan'ny talohan'ny fanjanahantany izay novakiako tamin'ny boky tantara fahakely. Tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-19 tokoa anie dia tena Antananarivo iray manontolo mihitsy no mantsina satria eny amin'izay mahaporitra ihany no hanalana ny mavesatra. Efa nanomboka nisaritaka manko ny fanjakana tamn'izany fotoana izany ary efa nanomboka tsy voafehy intsony ny olona tamin'ny ankapobeny. Tsoriko fa raha namaky izany soratra izany aho tamin'ny voalohany dia kiriko sy tezitra satria nihevitra aho fa fanaratsiana ny Malagasy ihany ity nosoratana Malagasy  ity saingy niaiky ihany aho fa tena nisy izay tranga izay rehefa mijery ny ankehitriny aho. Izany hoe nihemotra 120 taona be izao ny Malagasy eto Antananarivo raha ny fahadiovana sy ny fikajiana toerana no heverina. Ny tena mampiaiky ahy moa dia ny fefy manamorona ny Lapan'ny tanàna an-dalam-panamboarana aza ve dia anaovana maloto toy izany? Tena maharikoriko. Soa aloha fa efa nitsahatsahatra kely izany ezaka fandotoana sy fanamaimboana an'Antananarivo izany saingy tsy midika izany hoe nifarana hatreo ny amin'izany.


Ny Genesisy (Jenezy) nahatonga ny loto sy ny fofona ary ny korontana ankehitriny

Tamin'ny andron-dRazanamasy Guy Willy no nandrenesako sy nahitako voalohany indrindra izany fandaminana ny tanànan'Antananarivo izany. Raha miresaka tanànan'Antananarivo anefa tamin'izany fotoana izany dia Analakely ihany no tena fantatry ny Besinimaro. Analakely izay nikorontana tanteraka isan-joma indrindra indrindra satria lasa toeram-pivarotana avokoa hatreny andohan'Analakely mandra-pahatonga ety amin'ny Garan'ny Soarano. Lazan'ny tanàna tamin'izany fotoana izany ny tsena saingy efa nahatsapa ny maro fa tsy lasa intsony ity savoritaka afovoan-tanàna ity. Samy nanana ny fampielezan-keviny ny antoko saingy izy aloha no nolanian'ny Besinimaro ka nanapahany hevitra fa foanana hatreo ny tsenan'Analakely. Nafindra tamin'ny toeran-kafa manodidina avokoa mpivarotra rehetra tamin'izany fotoana izany, ary nifanarahana tamin'ny Japoney fa tsy haverina eny intsony ny tsena. Ny volan'ny Japoney manko no nampiasaina hanatsarana ity toerana an'Antananarivo ity. Finaritra ery ny tena nijery ny hakanton'ny tanàna ka nanao hoe hay ve azo atao tahaka izao ity tanàna ity? Dia nokarakarain'ny Le Buffet du Jardin ihany koa ny zaridainan'Antaninarenina rehefa vitany ny fifanarahana tamin'ny Kaominina tamin'izany fotoana izany. Dia nireharehana mihitsy fa efa mitovy amin'ny zaridainan'ny Andafy amin'izay ity zaridaina ratsy endrika talohaloha ity.

Nifanindran-dalana tamin'izany ihany koa ny firoboroboan'ny orinasa afaka haba ka maro tamin'ireo mpivarotra no nihevitra fa ny any no hahazoam-bola kokoa. Vokany, nihavitsy sy nihafoana tsikelikely ny mpivarotra amoron-dalana ka nanamora ny asam-panamboarana ny tanàna izany. Tonga ny Ben'ny tanàna manaraka, nitohy hatrany ny fanadiovana sy ny fanatsarana na teo aza ny fifanandrinana mangina teo amin'ny fitondrana foibe sy ny mpitantana ny tanàna. Nisy ny hetsika teto amin'ny firenena saingy hita fa efa tafiditra tao anatin'ny mpitolona tsara izany fikajiana ny tanàna izany. Nahazo horakora-panoherana izany mbola mahasahisahy mivalandrano amin'ny rindrina izany ary ny ankizy mihitsy ny hanaraby anao. Mahatsiaro menatra ny olon-dehibe zatra ny lalan-dririnina amin'ny fanaony nandritra ny gaboraraka fahatanorany. Tamin'ny 2001 izany dia nanjaka kokoa teto Antananarivo ny mpikajy ny fahadiovana sy ny filaminana.

Nasiaka dia nasiaka tamin'ny fitandroana ny fahadiovana ny mpitantana ny tanàna nanomboka hatreo ka nanjary nifanenjika matetika ny mpivarotra amoron-dalana izay tsy nahazo avara-patana mihitsy nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha sy ny mpiasan'ny Kaominina isan'nadro fa ny hariva kosa dia misy ihany ny fiverenan'ny mpivarotra mameno ny amoron-dalana. Tena voatandro tokoa manko nandritra izany fotoana izany ny hoe an'ny mpandeha an-tongotra ny amoron-dalana fa tsy an'ny mpivarotra. Niova tokoa ny endriky ny tanàna fandalovako satria feno zaridaina izay nandalovana (izay indrisy potika avokoa amin'izao fotoana izao). Nisy ihany anefa ny sarangan'olona tsy faly ka nihevitra fa nanjaka ny jadona (satria tsy afa-nanao izay tiany natao ny olona!). Nivoaka izany fahatezerana izany nandritra ny fifidianana Ben'ny tanàna tamin'ny desambra 2007. Na dia nilefitra nandritra ny fampielezan-kevitra aza ny mpitantana notendrena vonjimaika tamin'ny toerany, namela ny mpivarotra amoron-dalana hibodo indray ny amoron-dalana indrindra fa nanaraka iny Isotry izay fandehanako niasa tamin'izany fotoana izany iny, tsy nampiova ny safidin'ny mpifidy izay efa nahazo fampanantenana hahazo mivarotra malalaka ireny toerana ireny "noho ny fahasahiranam-bahoaka" raha voafidy izay nampanantena. Resy tanteraka ny antokon'ny mpitondra, niova tsikelikely ihany koa ny toerana nahafinaritra rehetra vao haingana teo.

Teo aloha manko, tsy nisy nahasahy nanitsaka na dia ny bozaka amin'ny zaridaina aza, ankoatra ny fotoana vetivety hakana sary angaha, hany ka maitso mahafinaritra hatrany ny zaridaina nanerana ny tanàna. nanomboka teo kosa dia tsy nisy intsony ny nampitandrina tsy hanitsaka ny bozaka na ny zaridaina. Ny hita aza dia noezahin'ny mpitantana ny tanàna vaovao ny hanimbana ny zaridaina rehetra tamin'ny alalan'ny famaritana azy ireny hananganana tranoheva indrindra nandritra ny desambra 2008, tamin'ny nanesorana sy nitrongisana ny zaridaina nisolo toerana ny Lapan'ny tanànan'Antananarivo efa may tamin'ny 1972 fa hoe haorina indray ny Lapan'ny tanàna. Napetraka tsikelikely tamin'ny mponina fa tsy misy dikany ireny zaridaina ireny fa ravoravo natentina tsy mahavaha olana akory ny "fahasahiranan'ny mponina". Voavoly tao an-tsain'ny mponina tamin'ny ankapobeny nanomboka hatreo fa mahazo manao izay tiany atao amin'izay izy...

Tonga ny tolona laoranjy 2009. Notokanana ny kianjan'ny demokrasia hamoriana olona. Tiana haseho fa maro mpanaraka ny mpitolona. Niezaka ny nanangona ny azy ihany koa ny filoha tamin'izany fotoana izany tamin'ny alalan'ilay sarim-pitsenana tamin'ny 25 janoary 2009. Tsy nahazaka ny nahita ireto olona notaterina tany amin'ny manodidina an'Antananarivo ny mpomba ny TGV ka ho famaliana bontana izany dia nopotehina ilay tetezana fiampitan'ny olona tetsy amin'ny CENAM 67ha vita nahafinaritra sy naha-te-hijorojoro aza. Io no fanimbana fananana iombonana voalohany natao ankarihary... Ary dia nitohy izany ny alatsinainy 26 janoary 2009 izay tsy dia tiako hotantaraina aloha. Tafapetraka tanteraka indray ny toe-tsaina tsy miraharaha ny endrik'Antananarivo izay nilaozana 15 taona nialoha io fotoana io. Noho ny fifanarahana dia lasa mpiambina ny kianjan'ny 13 mey ireo tsy nanao na inona na inona fa mpanaraka sy mpangatangataka amin'ny vazaha sy manao rami mandritra ny andro (izay no mahakatry rami azy ireny)... efa manana ny anarana ahafantaran'ny maro azy aza izy ireny fa tsy averiko eto izany. Koa rehefa mpiambina ny kianjan'ny 13 izy ireny, indrindra rehefa nitolona ny mpomba an-dRavalomanana dia matoritory sy milalao eny amin'ny zaridaina izay norarana tsy itsahina  taona vitsivitsy nialoha io fotoana io. Dia manao izay tiany atao eny... Ka nifanaraka taminyianao koa! dia tonga amin'izao fenitra izao isika. Mitantara aho fa azonao tsikeraina izay nosoratako. Izaho koa mahafantatra tsara hoe iza no tena rangory nahatonga indray izao gaboraraka manimba ny tanànako izao.


Sarontava ny famitana  Lapan'ny tanàna

Tadiavina ho atao rehareha amin'izao fotoana izao ny fanamboarana sy ny fahavitan'ny Lapan'ny tanànan'Antananarivo. Nahoana kosa moa no tsy lazaina hoe tsara izany zavatra vita izany saingy tamin'ny fomba manao ahoana moa?

Voalohany, nandritra ny fampielezan-kevitra desambra 2007 dia tsy naheno mihitsy aho hoe hamboarina ny Lapan'ny tanàna satria mety horaisin'ny olona ho fampanantenana poak'aty avy hatrany izany. Vantany vao lany izy no nanambara izany fampanantenana izany. Nanokatra ny kaonty fandrotsaham-bola izy hirodorodoan'izay mety ho malala-tanana. naverina nofefena indray ny manodidina ny Lapan'ny tanàna. Tsapako avy hatrany tamin'izany fotoana izany fa tsy ny hanaboatra ny Lapa loatra no tena nahamaika fa misy zavatra hafahafa ketrehina eo. Ny nampihomehy irery ahy dia toa nisinda ilay ahiahiko rehefa naroso 20 metatra ny fefy nanaronana ny toerana. maika nanarona fotsiny ry zareo sy nitrongy tanteraka ny zaridaina tao fa toa mbola tsy vonona akory ny vola. Hay tokoa moa ka efa tetika vita paika tokoa ilay hoe hanangana ny Lapan'ny tanàna fa... efa fantatsika ny tohiny no tena nokendrena.

Rehefa tontosa izay nokendrena ka vita ny fanonganam-panjakana vao notadiavina indray ny hamitana ny Lapa. Ilay vola nangonina tsy hita nanjavonana fa dia nilaza handrotsaka vola 1 miliara ariary hamitana azy ny CUA raha 5 miliara ariary kosa ny avy amin'ny fitondrana foibe. Raha ny tokony ho izy anefa dia tsy tokony hahazo hanokana vola ho amin'ny famitana ny Lapan'ny tanàna izany ny mpitondra foibe satria tsy voasoratra tao anatin'ny tetibola izany. Ny Rovan'ny Manjakamiadana aza tsy azo nanaovan'ny fitondra foibe toy izany fa tsy maintsy avy amin'ny vola nomen'ny tsara sitrapo rehetra sy ny malala-tanana no namitana ny andiany voalohany izay vita amin'izao fotoana izao fa tsy misy tokotaniny kosa ny andiany faharoa. Hitantsika moa fa manao izay tiany atao ny mifehy ny tanàna amin'izao fotoana izao, ka izay no nahafahana mamita io Lapa io, fa raha tsy izany dia nivandravandra fa ilay tontosa tamin'ny janoary hatramin'ny marsa 2009 ihany no tena nilàny io toerana io. Na izany na tsy izany, tsy tahaka  izay tena tamin'ny endriny voalohany io fanamboarana natao io fa kely kokoa sy manify kokoa ny aty ambadika. Izany hoe tsy misy miraharaha ny amin'izany fa ny endriky ny Rovan'i Manjakamiadana ihany no tena tadidin'ny rehetra tsara ka tsy maintsy tafaverina amin'ny endriny teo aloha ny endrika hitan'ny Besinimaro imaso. Na izany na tsy izany tsy misy tsara tahaka ny vita e!

Tena zavatra hafa mihitsy no nokendreko hosoratana [ny resaka tolon'ny ankolafy telo sy ny hetsiky ny mpitondra fivavahana] fa dia lasa fanazavana hafa mihitsy no voavelabelatra. Raha te-hametraka hevitra ianao dia omany anaty brouillon aloha [notepad na Bloc-Notes] izay soratanao, dia rehefa vita izany no actualiser-nao ity takelaka ity, dia apetakao eo amin'ny hevitra ilay voasoratrao dia fenoina ny anarana, averina soratana eo anila ny marika hitanao dia alefaso amin'izay ny lahatsoratra.



jentilisa , 6 janoary 2010 amin'ny 01:16

Hotakiana hetra ny Ambasady vahiny eto Madagasikara???

2010-01-03 @ 20:59 in Andavanandro

Tsy mampino ny zavatra henoko, ka aleo apetraka eo amin'ny sehatry ny tsahotsaho, saingy ilay karazana tsaho sahala amin'itony ilay tena ahiako ho tanteraka rehefa heno ihany. Efa nanoratra ihany aho tamin'ny herintaona fa ny tsahotsaho tsy mampino fa toa fanaratsiana no iheverana azy no tontosa tokoa avy eo ka mitampim-bava fotsiny ireo naheno mialoha ka nilaza hoe resaka adala izany. Iza moa no nieritreritra hoe takiana IBS ny FJKM amin'izao fotoana izao? Mbola io irery aloha ny fiangonana mbola nilaza fa takiana io hetra natokana ho an'ny orinasa na tranombarotra io hatramin'izao... izay heverina ho antsojay manokana aloha hatramin'izao. Fa hay... raha amin'ity resaka henoko, mbola apetraka ho tsaho ity saingy aleo soratana sao tanterahin-dry zalahy tokoa, ity dia vao fanombohan-draharaha fotsiny io manjò ny FJKM io fa ho avy koa ny anjaran'ny hafa.

 
Re ary fa nanome (baiko tamina Minisitra hamoaka) naoty ingahy milaza ho filohan'ny FAT hitaky hetra amin'ny Masoivoho vahiny, sampan- draharaha iraisam-pirenena na/sy miankina amin'ny Firenena Mikambana, fikambanana vahiny tsy miankina manao asa soa fa hotakiana hetra koa ireto farany ireto. Raha manoratra aho dia mahafantatra tsara fa tahaka ny resaka adala izany, saingy efa nametraka tsara aho fa misy zava-kendrena ao matoa mivoaka ny zavatra sahala amin'itony. Izany hoe eto dia fomba mihaja handroahana ny vahiny rehetra ankoatra ny Frantsay no tanjona ary iny lalana iny no mizotra tokoa ho amin'ny fanjanahana indray an'i Madagasikara. Voararan'ny lalàna iraisam-pirenena na ny fifanarahana iraisam- pirenena ny famoahan-javatra tahaka izany, na ireo mpiasa nahita io naoty io aza dia nilaza izany hoe, saingy tsy noraharahiany izany fa tiany hotanterahina. Sahy milaza aho, fa raha vao nahare io siosion-dresaka io, dia nanao hoe tena sahiny ny mandray fanapahan-kevitra tahaka izany.

 
Tsy vao voalohany teo amin'ny tantaran'i Madagasikara manko no nisy toe-javatra sahala amin'izany fa efa nisy tokoa io tamin'ny taona 1975 tany ho any raha mody narangaranga ny antsoina hoe fitiavan-tanindrazana sady natao izay hamaritana fa ny fitiavan-tanindrazana dia midika hoe fankahalana ny vahiny rehetra sy ny fandroahana azy hiala an'i Madagasikara. Efa hitantsika amin'izao fotoana izao fa mandrangaranga ny antsoina hoe fiandrianam-pirenena ny FAT ary tsy sarotra ny hino fa vitany indray izany. Nanana ny lazany manko izany hopitalin'i Manambaro izany amin'iny faritra antsimon'ny nosy iny. Maro ny olona no nizotra nankany hotsaboina noho ny hatsaran'ny fitsaboana tany izay maimai-poana araka ny fahalalako azy. Ny Amerikana no nikarakara ny hopitaly na dia eo ambanin'ny anaran'ny FLM (Fiangonana Loterana malagasy) aza no nitantanana azy. Nanapa-kevitra ny filoha Ratsiraka tamin'izany fotoana izany, izay heverina fa noho ny soso-kevitry ny Past. Andriamanjato Richard Mahitsison izay mpanohana mavitrika ny TGV amin'izao fotoana izao, fa hakana hetra avokoa ny fanafody ampidirina rehetra eto Madagasikara na dia maimai-poana aza no hanomezana azy amin'ny marary. Ny Hopitalin'i Manambaro no tena kendrena tamin'io fanapahan-kevitra io, mba tsy hahavitany na inona na inona. Nahombiazana ilay tetika satria tsy tamana intsony ireo mpitsabo Amerikana fa lasa nody. Dia tetika tahaka izany indray no averina eto amin'izao fotoana izao hahalao monina ireo vahiny rehetra eto Madagasikara afa-tsy ilay efa nolazaiko ery ambony ka tsy mila averina intsony angamba.

 
Mbola mila hazavaina indray ve? Izany hoe raha toa mahatonga vary eto Madagasikara ny PAM (Programme Alimentaire Mondial) ohatra ka mitatitra ny fanampiany any amin'ny faritra atsimon'ny nosy dia andoavan'ny PAM habany ireo vary tongany hatao fanampiana ireo. Inona no antony hanaovany izany? Mety hihevitra avy hatrany isika fa noho ny tsy fahampian'ny vola ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana no hanaovana izany. Tsy voatery ho izay anefa no tena tetika ao ambadika na mody ampisainina amin'ny Besinimaro fa misoroka izay mety ho zavatra ampidirin'ny masoivoho vahiny na fikambanana iraisam-pirenena eto izy. Raha sanatria manko mby amin'ny fanavotana ny firenena tsy ho lasa zanatany indray ny Malagasy dia tsy manana lalana ampidirana izay fomba hanakanana ny hanjanahana an'i Madagasikara afa-tsy amin'ny alalan'ireo masoivoho efa misy eto Madagasikara. Efa tsinjon'ny sasany izay lalana izay, ka dia ny fomba hialan'ireo Masiovoho sy fikambanana iraisam-pirenena ireo no tetika atao amin'izao fotoana izao. Mariho hatrany fa eo amin'ny resaka stratejia amin'izao fotoana izao no tena ilaina fa tsy resaka fanoherana bontolo na amin'ny fo intsony. Anjaran'izay tokony hanana fanapahan-kevitra hentitra hanavotana an'i Madagasikara ny mieritreritra fa nanao ny anjara tandrifiko aho aloha izay androany.



jentilisa, alahady 03 janoary 23:03

Tononkira taombaovao

2010-01-01 @ 22:15 in Andavanandro

Endrey! Nahatratra ny taona vaovao, hono, isika rey olona a! taona vaovao hifampirariana soa eo amin'ny fianakaviana sy ny havana aman-tsakaiza ary ny mpiara-belona rehetra. Fomba fanao ve ka dia arahina? Mba andro manokana kosa e! Impiry hifampirary soa amin'ny hafa kosa ary moa? Dia inona ilay soa ifampirariana ary? Samy manana ny tiany io. Ny tena miverimberina moa amin'ny fotoana tahaka itony dia ny prospérité, santé, bonheur (fanahy iniako ny manao azy ho teny frantsay satria teny hainareo tsara izany ary azoko matetika rahateo)... Sahiran-kevitra mandrakariva aho rehefa mahazo hafatra toy ireo, nefa tsy efa tsara kosa ve ireo firariantsoa ireo? Ka samy manana izay tiany mihitsy io.

Sahirana aho, amin'ny maha-Malagasy ahy amin'izao fotoana izao, raha prospère satria hoy ihany ny teny malagasy hoe ny hazo avo halan-drivotra, dia velona ny fialonana miainga amin'ny hoe matoa manankohariana dia noho ny halatra sy ny fitsetsefana mbamin'ny fanambakana ary ny kolikoly izay nataony... Tsy mahagaga raha maro ny Malagasy any ambany ravinahitra any na dia manambola betsaka aza no tsy misehoseho loatra amin'izany, fandrao voatondro ho mpirehareha amin'izany toerana izany ihany koa. Amin'izao fotoana izao aza moa ny kely ananana mbola lazain-dry zalahy hoe aleo indray mba ho anay fa efa ela itony no anareo!

Sahirana aho, raha ilazana hoe santé satria toa manambara ahy ho tsy salama lalandava izany ka toy ny hoe farofy, nefa ny fahasalamana no voalohan-karena; ary efa tsy andrianina intsony ny marary fa ny aza tratrany ihany (aleo farafaharatsiny tendany? koa raha kenda amin'izany?). Ny fiarahabana Andriana teto Imerina no hoe  Tsarava... Tsy haiko intsony na niainga avy amin'ny teny hoe "Tsara va?", nefa mety ho firariana sahady mba ho tsara avy hatrany fa hosahirankevitra eo raha mandre hoe tsy dia salama... lanjalanjaina lalandava eny tokoa ve fa tsy mba mandeha tongotra loatra tsy ho farofy ihany e? Sa tsy mahazo manoratra tahaka izany moa aho?

Sahirana aho rehefa irariana ny bonheur satria toa petrakevitra tsy mety ho takatra (fa vano indray sa tararaka? tsy maninona ataovy vorompotsy hiara-dia, na vorondreo tsy mifanary, fa raha voromanga dia mahalala havana!), toa mametraka ahy avy hatrany ho dans le malheur... Tsy fahatsapana velively anefa izany bonheur izany ka entina ifaliana fa mitombina tsara ny hoe mijaly aho nefa sambatra. Aza tadiavina ela loatra ny hevitr'izany sao mahalasa adala anao eo... Fa torolalana kely ho anao fotsiny ilay filazana hoe: "Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa izy no hovokisana". Noana sy mangetaheta va ka ho sambatra? Minoa fotsiny ihany! Koa nahoana aho no mbola irariana bonheur nefa efa ao anatin'ilay bonheur? Dans le sens que ce bonheur me dirige vers le bonheur! Azafady! Salama tsara aho ka! mety mbola tsy ho takatrao fotsiny ny heviny!

Dia aza atao mahagaga anao nandefasako firariantsoa raha soratra manao hoe: "Ho aminareo (mandrakariva) anie ny fahasoavan'ny Tompo!" no vakianao. Satria samy manana ny Tompony io. Ao ny manana azy ho YHWH, na Jesoa, na Allah, na Bouddah, na Krishna, na Mammon... eny mety ho Moi na izaho ihany koa, tsy adino Ra-jeanne... tsia Razana no tokony ho fanoratra azy. Koa raha manonona anao hoe Tompo aho tsy ny Tompoko tsy akory no irariako hanasoa anao fa ny Tomponao ihany, mety ho miresaka tompo roa samihafa isika nefa mety miresaka tompo iray ihany koa. Fa tsy ny taona vaovao mihitsy kosa aloha no hitondra soa sy fanambinana ho anao na izany aza! Manahirana mihitsy ange ry zalahy ity teny malagasy ity nefa dia izany no malaza amin'ny olona... Toa tsianjery maimbo fotsiny.

Dia izay no ela fa dia inona loatra no nahatonga ny lohateny? Mijery ny zavamisy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao manko ny tena ka dia mahatsiaro ilay hiran'i Mahaleo mitondra ny lohateny hoe Bemolanga iny. Toa hira taombaovao izy iny raha jerena amin'ny tonony. Dia indro averina kely ho antsika rehetra ny sombiny:

Ny taona ity miherina,
Asa izay mba entin'iny
Ahiako mbola hiverina
toy ny tamin'ny taona lasa ny zavatra raiketin'iny

Fa ny fanantenana
Efa mihena, mitsilopy
Fa tsy misy fihatsarana
Na mba hisy fiovana f'efa zary nofinofy

...   ...   ...   ...

Rahoviana no hitranga
Asa angamba atsy ho atsy
No ho tonga i Bemolanga
Dia isika tsy ho lany vatsy

Mahavariana fa be tokoa ny mieritreritra ankehitriny fa ahiana ho toy ny tamin'ny taona 2009 lasa ihany no haverina horaiketin'ity taona vaovao 2010 ity. Na dia mitantara ny trangam-piainana tanatin'ny revolisiona sosialista tsy azo niresahana politika na nitsikerana fitondrana aza izany fotoana izany, itony hira Bemolanga fampanantenana natao tamin'ny olona itony no hiram-panoherana nasehon'ny olona ny tsy fahafaliany ka nohirain'ny tanora isan-tamboho. Mandraka ankehitriny, toy ny hiram-paminaniana indray fa toa hitohy amin'ny 2010 ny tolona natomboka tamin'ny 2009. Ankehitriny, rehefa hotrandrahina tokoa i Bemolanga hay ny orinasa vahiny ihany no hitavana azy fa tsy manambola hitrandrahana ny hareny i Madagasikara. Tahaka ny hoe naniry loza ho an'i Madagasikara ihany isika hitrandraka an'i Tsimiroro sy i Bemolanga fa ny angovo dia imatimatesan'ny firenena ambonin'ny tany, ary izay firenena trandrahin'ny vahiny ny angovo ao aminy toa miady an-trano avokoa... Ka ampiadiany izay manaiky miady tsy hanelingelina ny fitrandrahany azy, fa sombintsombiny ihany ny vola omeny ny mpitondra ho fanapena-maso ity farany. Koa tsy an-dalan'ny ho any koa ve izany isika? Indrisy manko...

Manahy aho fa tsy hisy hiova
Ny omaly tsy hiova volo (Aiza kosa? tsy maintsy hoe ihany orange ve?)
Toy ny fanaka eny an-dRova
Tsisy nanombinana fa efa may avokoa (na efa zary bobongolo)


jentilisa, 02 janoary 2010, amin'ny 00:20 maraina

Nifanafika ny samy mpivarotra [sary]

2009-12-02 @ 23:57 in Andavanandro

Raha sakoroka eo amin'ny mpivarotra sy ny polisin'ny kaominina tamin'ny ankapobeny no niheveran'ny maro tsy nahita ny zava-nitranga ny raharaha 2 desambra 2009 dia fifanenjanana teo amin'ny samy mpivarotra no nanamarika ny zavatra hitako teny Ambodifilao, Soarano, Behoririka.

Tsy nahita ny fanombohan'ny raharaha aho satria tsipalotra tamin'ny radio fahazavana nandritra ny fandaharana isa-maraina Vavolombelona no nahenoako hoe nisy sakoroka teny Soarano teny. Mpanara-baovao ny tena no sady tia mitatitra izay hita koa dia niolomay nankeny. Aleo manko mitantara toy izay itantarana sanatria toa tompon-trano mihono.


Tamin'ny 10:18 ny tena no tonga teny ka nanapika ny sary voalohany. Ireo fiara lehibe toa milahatra handray hazakaza-piarakodia nefa feno olona manatrika azy ireo no nahafantarako avy hatrany fa misy barazy eo anelanelan'ireo mpifanatrika ireo. Ny tena tsara andraisana sary dia teo amin'ny barazy mihitsy [miendrika arofanina] saingy mailo ihany aho ka naleo naka sary somary lavidavitra kely. Aza mihevitra fa vitsy kely ireo manakana ireo dia afaka ny ho fetsifetsy ny mpitondra fiara! Eo ny liana fotsiny nefa eo ihany koa ny anatin'ny tolona fa maka sisiny.



Nisy fiara fitaterana iray avy taty amin'ny ilan'ny tsenan'ny Pochard saiky hitsoriaka tamin'iny lalana iny saingy sioka be manadala sy horaka no nitsena azy. Niahanahana tampoka ny mpamily ny fiara ka naleony niolomay niverina tany amin'ny lalana nihaviany ihany. Na izany aza dia toa nisy famindram-po ihany nataon-dry zalahy tamin'ireo mpanamory soavalivy (môtô sy skotera) satria kodiaran-droa ireny fa tsy kodiarana efatra. Hita fa manakaiky ny toerana misy azy avokoa ny mpivarotra amoron-dalana hitako fa tsy namelatra ny entany amidiny kosa.



Mba nalalaka kosa ny lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra fa sady tsy nisy ny mpivarotra amoron-dalana no tsy nisy koa ny fiara mpanelingelina. Raha izao moa no atao hoe androm-pirenena tsy ampiasana fitaovana mamoaka gaza karbonika?



tamin'ny 10:21. Nifampitadiavan'ny tompon'ny fiara rehetra amin'izay ny lalan-kiverenana fa toa tsy azo ifandaminana mihitsy ry zalahy nibahan-dalana tao. Tsy maintsy nizotra tany amin'ny lalana tsy azo aleha ny fiara rehetra nefa tsy misy bedy amin'izany. Iza kosa moa no hijanona handany andro eo? Hita ho karazan'ny voafandrika avokoa ny fiara nandeha afovoan-tanàna rehetra sady toa tsy maharaka ny fandehan'ny raharaha avokoa izy rehetra.



Tamin'ny 10:24. Mbola vitsy ihany no hitanao mitondra sora-baventy manao hoe "Miala ny jadona dia tsy refesimandidy". Sorabaventy natao maimaika ary nosoratana tamin'ny stylo fa tsy tamin'ny loko velively. Toy ny hoe  nitroatra no fahita ireto olona ireto fa tsy hoe niomana ela. Ny reko tampoka teny antsefantsefany teny dia hoe aza misaraka amin'ny besinimaro loatra fa sao dia misy tsy ampoizina tampoka eo. Izany hoe nisy tahotra ihany tamin'ireto mpitolona ireto raha heveriny fa tafahataka amin'ny namany izy ireo.




Tamin'ny 10:26. Raha mbola feno fiara ity lalana ity dimy minitra lasa izay dia efa vitsy dia vitsy sisa ny fiara tazako tetoana ary fiara mijanona avokoa fa tsy fiara mandeha. Raha mahita fiara miloko volomboasary ny tapany ary fotsy ny tapany ianao dia tsarovy fa fiara mpivarotra hanimasaka ireny. Tsy nomena alalana hivarotra eny manko ry zareo raha tsy manao izay loko izay. Tokony ho fantatrao avy hatrany hoe iza moa no tompon'andraikitra nanao izay fanapahana izay.


Tsy hoe ny mpivarotra amoron-dalana rehetra dia nitokona tsy nivarotra ka nibahana ny lalana avokoa fa nisy dia nisy ny mpivarotra amoron-dalana tsy nanaiky hiara-dalana amin'izy ireo. Ny didin'ny be sandry sy ny maro an'isa anefa no nihatra ka dia lasan-dry zalahy ny entan'ilay mpiarotra amoron-dalana nitangoroanana teto anoloan'ny mpivaro-panafody teto. Nitabataba ilay lehilahy lasan'ny sasany ny entany hoe tsy mpitolona ianareo fa mpangalatra. Naverimberiny hatrany izany teniny izany. Nohorakorahan'ny hafa kosa izy tamin'izany teniny izany. Izany hoe tamin'ity fotoana ity dia mbola nandeha ihany ny "fifandresen-dahatra".

Marihina fa efa eo ampitan'ny Lisea Rabearielo io toe-javamisy io. Nandeha dia nandeha ny sioka sy ny kiririoka, mazava loatra fa tsy vanona ny fianaran'ny ankizy mpianatra saingy tsy navela hivoaka kosa izy ireo. Nandritra izany fotoana rehetra izany dia tsy nahita tamingana polisy sy ireo tovolahy karamain'ny kaominina handrava ny tsenan'ny mpivarotra amorondalana mihitsy aho. Efa nanakatom-baravarana kosa ny avokoa mpivarotra manana toera-pivarotana ara-dalàna rehetra. Heverina fa na fahamailoana no nahatonga izany na nisy nanery ny hanidy azy ireo mihitsy. Vao mahita fivialian-dalana amin'ny tsy lalan'ny mpitolona anefa ianao dia hahita mpivarotra misokatra ihany.


Tamin'ny 10:39. Nandroso nankeny Soarano ihany ireo mpilahatra, nanaraka azy ireo avy taty aoriana aho. Io fa mananontanona eo anoloan'ny Building... efa lasan'olon-kafa na dia mbola ny anarany ihany aza no ahafantaran'ny besinimaro azy ireo mpitondra sorabaventy. Hankaiza ny lalan'izy ireo? Iny fa hizotra hiditra ao amin'ny tsenan'ny Pochard. Nihevitra avy hatrany aho fa diso paika izy ireo. Tombontsoa mifanipaka ihany manko ny an'ny roa tonta ka tsy tokony hifanelingelina loatra. Efa manana fikambanana azy manokana manko ny mpivarotra ao anatin'ny tsenan'ny Pochard no efa anaty fefy rahateo ny fivarotan'izy ireo. Misy avy hatrany koa ny nihevitra fa tetika ampiadiana ny samy olona mihitsy no kinendry ao anatin'izao paika iray izao. Tsapako avy hatrany fa hisy sakoroka ihany koa eto.

Inona tokoa. Raha nihorakoraka tahaka ireny hoe ho tafiditra tao anaty tsena ireny ireo mpitolona dia nisyaloha ny fifanosehana teo ambavahady. Niala tany amin'izay ny fifampitorahana tapabiriky, vato, sezabory, seau sns... hazakazaka arahin-tosika ny an'ny mpanafika satria tsy nampoizin-dry zareo iny valibontana ay tamin'ny mpivarotry ny tsenan'ny Pochard iny. Nampaneno ny anjomarany avokoa ny fiara mbola nizotra tsimoramora tamin'iny lalana Ampanjaka Toera iny [anoloan'ny tsenan'ny Pochard mankeny anoloan'ny garan'i Soarano]. Teto izany dia olona samy olona mihitsy no nifampitoraka. Nadio vetivety ny teo amin'ny boulevard iray manontolo. Soa ihany fa tsy dia maro loatra ny zavatra azo nifampitorahana teto.



Nihemotra ny mpanafika. Nametraka fiarovan-tena vinaninany ny notafihina. Asa izay nanaraka ny vaovaon'ny TVM raha nahatsikaritra ny fifampitorahana miandahy miambavy nataon'ny andaniny sy ny ankilany fa tsy nisy fanazavana kosa aloha nataon'ny mpitantara. Izay teny Soarano no mahalala fa samy mpivarotra ireo nifampitoraka ireo.



Efa nivonona hamono lalana toy ny eto anilan'ny Magro Behoririka teto anefa ny CUA ho an'ireo mpivarotra amoron-dalana, efa vonona ny fefy saingy tsy nisy nankeny ihany ny mpivarotra amoron-dalana avy eo. Hatreo no hitako ka azoko tantaraina. Tamin'io fotoana io dia mbola tsy nisy Emmo-reg mihitsy teo amin'ny kianjan'ny 13 mey. Ny fitantaran'ny hafa moa no nilaza fa nandefasana baomba mandatsa-dranomaso ireo mpivarotra nitokona ireo raha nikasa hankeny amin'ity toerana ity. Tena toerana saropady tokoa ilay kianjan'ny 13 mey e! io ihany no arovana fatratra.


#hevitra:
Nanome fampitandremana mialoha ny fanapahan-kevitra henjana ho an'ireto mpivarotra amoron-dalana ireto ny tao amin'ny Kaominina ny talata. Ny an'ny mpivarotra amoron-dalana no tonga aloha ka ny kaominina indray no nahazo fampitandremana. Nokaramainao ireo hanotrona ny fitokonanao tamin'ny voalohan'ny taona ka dia nampianarinao hivondrona. Tafavondrona tokoa ry zareo izao ka manana hery na dia tsy ara-dalàna aza. Toa taratry ny zavamisy eto Madagasikara ny raharaha satria ny tsy ara-dalàna izao no manjaka. Tianao mbola hiampy anarivony hafa ve ny olona mety hahavita zavatra tsy ampoizina miaro ny hany fivelomany kely? Dia tena sahiny tokoa ve ny handrava ny fifanarahan'ny AGOA manana mpiasa aman'aliny eto Madagasikara? Tsy mankasitraka velively ny ataon'ny mpivarotra amoron-dalana aho saingy heveriko ho manamarika ny tantaran'i Madagasikara ihany ity hetsika iray ity ho fampisainana ny mpanao politika tia manome fampanantenana poak'aty. Saingy ny tsy mpanara-dalàna ihany ve no mahay mivondrona sy mahavita toy izao fa ny mpanara-dalàna sy ny mpandala ny ara-dalàna kosa mba manao ahoana?



jentilisa 03 desambra 2009 amin'ny 02:02

Pin's, bokotra ary insigne

2009-09-30 @ 11:14 in Andavanandro

Tany ampita andrefan'ny manodidina an'Alaotra iny ny tena, noho ny raharaham-pianakaviana, nanomboka ny zoma 25 septambra ka hatramin'ny alatsinainy 28 septambra koa aza tsiny indrindra raha heverinao ho elaela aho no tsy namaham-bolongana. Toa hafa ihany no nahazoana ny fandehan'ny raharaha tao amin'ny Firenena Mikambana (Misy lahatsoratra Global Voices teny anglisy nadikako ho teny malagasy rahateo ato) nandritra ny tontolon'ny Alakamisy sy ny Zoma tany lavitra tany.

Nanontany vaovao tamin'ny olona taty Antananarivo ny tena ny alin'ny Sabotsy, nanontany ny fandehan'ny raharaha, ary dia nitombina ny ahiahiko fa tsy hisy fivoriana vanona izany ao Mahamasina ao, fa mbola fandrika navelatra ihany iny. Natatatatako ho fanodikodinana ny sain'ny olona tsy hieritreritra izay hivory ao Ankorondrano Magro ireny toe-javatra ireny, sady izany rahateo no eritreritry ny nanatrika magro tamin'ny alakamisy nilaza ny tsy tokony ivoahana ny toerana intsony nihorakora-panoherana izany handeha toeran-kafa izany ny andro Sabotsy (Efa fisarahan-kevitra aloha izany!). Azo heverina ho nanaiky tsy sazoka fotsiny ny mpanatrika rehefa nanizingizina ny mpitarika fa efa ampelatanana ny taratasy fanekena hanaovana ilay fivoriana.

Nitantara ihany koa ilay olona nanontaniana fa henjana tokoa izao tenin'ny solontenan'i Kôngô tao amin'ny Firenena Mikambana izao nilaza ny solontena malagasy ho "sans qualité". Noheveriko fa tamin'ny alakamisy ihany no nisy tantara, hay hafa mihitsy ny tantaran'ny andro zoma ka tsy azoko ny resaka raha tsy tonga teto Antananarivo mihitsy aho. Ho tahaka ny ahoana re izany ny fahazoan'ny sarambambe Malagasy any ambanivohitra rehetra any raha izaho izay mpanaraka tsy tapaka ny vaovao aza no niala kely fotsiny dia very tanteraka?

Izay no ela fa hitodika any amin'ny lohatenin'ny lahatsoratra aho. Tohin'ilay fanentanana nataoko tamin'ny herinandroihany izy ity. Fomba iray hanehoana ampahibemaso sy an-dalambe ary any amin'ny birao sy ny toerana rehetra misy ahy ny fanoherako ny fanonganam-panjakana misy eto Madagasikara. Namakafaka hatrany izay tokony hatao ny tena hany ka nahita ity hevitra manaraka ity. Nanomboka ny talata 29-09-2009 aho dia mitondra pin's kely hatrany mipetaka amin'ny ankavian'ny akanjoko. Tsy maninona ilay pin's na maneho inona na maneho inona fa ny ao an'eritreritro raha mitondra io amin'ny toerana rehetra aho dia "manambara sy maneho amin'ny rehetra aho fa manohitra ny fanonganam- panjakana misy eto Madagasikara ary manohitra ihany koa ny herisetra amin'ny lafiny rehetra". Hevitro ahy manokana izay, koa raha resy lahatra ianao dia manaova toa ahy ihany koa. Rehefa pin's na insigne tsy voatery miresaka politika io fa mety no pin's an'ny orinasanao aza no atao amin'ny ankavian'ny akanjonao dia entinao maneho amin'ny manodidina anao io fa manohitra ny fanonganam-panjakana ianao ary miray fo amin'ireo izay mitolona isan'andro saingy mamita ny adidinao eo amin'ny fiainana an-davanandro.

Raha mbola mahamenatra anao kosa  ny fanaovana io dia tsy hitako intsony izay azo atao ho anao fa aleo mitsotra hoe efa mety amiko ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao. Rehefa tsy manana pin's na insigne (toy ireny apetaka any ampiangonana ataon'ny sampana fitadiavam-bola ireny) dia ataovy bokotra tsotra izao zairina eo. Ampitampitao amin'ny namana sy ny mpitarika mihitsy aza izao hevitro izao fa tsy mahafantatra aloha aho hoe voarara an-dalambe ny fanaovana pin's e! Araho maso aho ary bedeso raha toa hitanao fa tsy mitondra pin's rehefa mifanena aminao.


jentilisa, 30 septambra 2009

P-S: 30 septambra 1895 : nitsangana ny saina fotsy teo Manjakamiadana. Resy ny tafika malagasy... koa hanangana ny saina fotsy ve ianao sa menatra ve ianao raha tsy mahasahy maneho ampahibemaso amin'ny fomba bitika dia bitika ny tsy fankasitrahanao ny fanonganam-panjakana?


Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox