Noely 2008: Fifaliana fa tsy mitady fahalavorariana

2008-12-25 @ 17:47 in Andavanandro


Mety hahagaga anareo izany lohateny izany. Efa nandalo ny krismasy 2008 avokoa ny ankamaroantsika rehetra ary irariana mba ho nahafinaritra izany. Ny maraina aloha dia tany am-piangonana, fety kristiana aloha izy voalohany indrindra vao fety araka izay itiavantsika azy. Raha ny vaovao televiziona frantsay mandeha eto Madagasikara no topazamaso dia ny resaka "pere noël" no tena nanjaka efa ho herinandro lasa izay. Mahay manandratra ny azy izy hany ka tsy mahagaga raha misy ny Ben'ny tanàna eto Madagasikara no mihazakazaka fandrao hahazo fanomezana avy any koa angaha, saingy vazivaziko izany fa mafana loatra angaha ny eto Madagasikara ka aleony maka hatsiaka kely any aloha. Maro ny olona mamonjy ny ambanivohitrany rehefa andro tahaka izao ka mety ho any ny ambanivohitrany na dia Malagasy jerena aza izy (ary mbola vazivazy ihany izany!).

Ny tolakandro amin'izay dia samy manana ny azy amin'izay. Eo ny mivorivory ka manala vazony amin'ny zava-pisotro mafana. Eo ny mijery televiziona izay tsy dia misy fandarahana tsara loatra raha ny eto Antananarivo, satria tsy misy VIVA (hehehe), ka raha manana film aleo izany no alefa na ny lahatsarim-pianakaviana. Tsy vitsy ny mamonjy ny any Analakely mivezivezy eny, ka angamba tsy tafaverina intsony izay ireny mpampiloka tsy ara-dalàna ireny, satria fandikan-dalàna roa avy hatrany no ataony: Voalohany, tsy mandoa ny haba mifanaraka amin'izany izy ireo; faharoa, mampilalao olona tsy ampy taona izy ireo... satria dia ny roa ampahatelon'ny manjifa eo aminy raha kely indrindra no tsy ampy taona, izay aloha ny lalàna eto Madagasikara. Zavatra tsara avy amin'ny Kaominina Antananarivo renivohitra aloha izany na dia minia mamono arabe tsy tokony hovonoina mandrakaria aza ny mpivarotra anaty arabe mampijanona tanteraka ny fifamoivoizana raha ny talata teo no nojerena. Toy ny nitaky ankolaka mihitsy ireo mpivarotra anaty arabe ireo mba hovonoina tanteraka ny arabe manerana an'Analakely, Ambodifilao, Behoririka ary Tsaralànana rehefa andro fety na inona izany na inona.

Ny ahy indray moa mba nijery ny hira sy ny tsianjerin'ankizy aho. Ankizy no resaka noho izany tsy hitady zavatra lavorary na oviana na oviana aho. Ny fifalian'izy ireo fotsiny dia ampy izay. Fifaliana indrindra ho azy ireo raha mba manatrika ny zavatra kely ataony ny rainy sy ny reniny na ny iray amin'ireo farafaharatsiny, ary tokony ho mba ho faly tahaka izany ihany koa ny  ray aman-drenin'ireo zaza ireo mahita ny fibadabadan'ny zanany eny an-tsehatra eny. Tsy ho raharahany izay havitsian'ny mpijery raha mijery eo ny olona tiany indrindra, ary tsy ho safononoka na oviana na oviana ny fifaliany sy ny zavatra tsara ataony raha tsy mba manatrika eo ny ray aman-dreniny na ny mpitaiza azy akaiky ihany koa.
 

Endrey izany hetaheta mahazo ny iray ka tsy misalasala velively izy midina amin'iny tohatra iny mba hisotro rano eny amin'ny reniny; ary tsy menatra ihany koa izy miakatra tsimoramora ny sehatra indray mba hanatontosa ny anjara hira sy tsianjeriny rehefa afak'hetaheta. Mba mifaly ery ny mpanatrika fa tokony ho efa tsianjery veloma no atao, nefa noho ny fahataran'ny ankizy vitsivitsy tsy nahatratra fanombohana dia nomena fahafaham-po ihany izy ireo hanao ny anjara tsianjeriny... Ny mpanolotra manonona ny hoe "veloma", ilay zaza voalohany nanao ny "arahaba". Tsy maintsy karohina ve ny lavorary? ataoko fa rehefa mifaly amin'ny fo madio dia efa tsara izany.

Sary nalaina teny Ivato nandritra ny fahamaizana hotely kintana dimy!

2008-12-22 @ 21:04 in Andavanandro

Alatsinainy 22 desambra 2008, tokony ho tamin'ny sivy ora maraina teo, noho ny antso nisesisesy tamin'ny kidaona maraina dia tsy tana ny tena fa lasa izao. Lasa tsy misy afa-tsy io no resaky ny olona. Ahoana ny fandehany? Fanontaniana no mifamahofaho satria tsy mahita mivantana avokoa tsinona. Misy milaza ny alahelony sahady ny avy any amin'ny farintany (araka ny nolazainy) satria toa karazana fanimbam-poto-drafitr'asa indray izao. Hamonjy ny fiara fitaterana mankeny Ivato. Hazakazaka madinika nankeny amin'ny Vatobe hiala amin'i 67ha ho any Andohatapenaka io. Teo no nandray fiara. Tsy fiara manokana no nandehanana fa dia manaraka ny onjany eny na dia maika dia maika aza. Azo lazaina fa tsy tokony ho tara loatra aho tsinona satria henjana dia henjana ny fitohanan'ny fiara amin'izao ankatoky ny fetin'ny faran'ny taona izao. Niresaka tamin'ny olona tao anatin'ny fiara aho fa tsy te-hino ny fijery azy rehetra.

Tonga eo amin'ny fiolahana ho eny Ambohitrinimanjaka iny amin'izay, nanomboka hita ilay hotely lehibe... io tokoa fa misy setroka mainty taty amin'ny lafiny andrefana. Tsy dia midonaka manao ahoana fa hita ihany. Tsy hitan'ny fakantsariko fa dia aleo mionona manakaiky azy araka izay azo atao ihany. Tena tsy rariny kosa izao, hoy ilay resevera, fa dia tsy azo asiana zavatra tsara mihitsy ve aty amin'ny tanàna? Tsy hanaiky an'izao kosa aho, hoy izy nanohy ny teniny. Samy miha-miakatra hafanana ihany izany ny tsirairay koa!

Tonga hanakaiky ny masoivoho Amerikana vaovao. Niantsona indray ny fiara. Indreny ny andiana fiaran'ny mpamonjy voina an'Antananarivo renivohitra voalohany hamonjy an'Ivato. "Ironie du sort" hoy ny tao amin'ny radio viva tamin'io fotoana io, satria araka ny hanilikilihana an'Antananarivo no hitadiavam-pamonjena avy aminy. Nandeha avy hatrany anefa ny fampitandremana, nataon'ny mpanentana sy ireo mpiantso mba tsy hilaza fifaliana amin'izao toe-javatra izao mihitsy isika na hilaza fa valim-bavaka izao manjo ny hotely kintana dimy izao (fa inona tokoa aloha ny anaran'izy io e?). Aoka, hoy ny mpanentana ho hendry mandrakariva, hilamina tsara fandrao avy amin'ny vava tsy ambina no hanakatonana ihany koa ity radio ity.

Eny an-dalan'ny eny Talatamaty, indreo ny zatovolahy mitodika avokoa any amin'ny heverina ho toerana misy ilay hotely. Mazava loatra fa eny ny masony. Ny resaka ataony indray aloha tsy fantatra ny amin'izay. Ela ny ela tonga akaikin'ny fiatoana ho eny amin'ny hotely ihany. Vao tafala ny fiara dia indreny indray ny fiaran'ny Mpamonjy voina an'Antananarivo renivohitra hafa midodododo avy any.

Vao tsy nandingana lavitra akory aho dia heno ihany koa ny hafa misasasasa aok'izany. Na iza na iza kosa tsy misy afaka ny mikimpy intsony amin'ny fikoropahana misy. Maneno avokoa manko ny karazana anjomara rehetra tamin'iny lalana mankeny Ivato iny. Eny ny an'ny mpamonjy voina, eo koa ny an'ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny, na vahiny na tompontany, miaramila sy sivily, nandalo koa manko ny an'ny etamazaoro. Ny mahatsikaiky aza dia mbola misy ny tsy mahalala ny fiviliana akory fa misosososo any ka efa lasa lavidavitra kely vao tonga saina miverindalana.

Tsy ny mpamonjy voinan'Antananarivo renivohitra ihany tsy akory no nandeha nankeny fa ny an'ny Asecna no tonga voalohany ary ity tazana amin'ny sary miloko mavomavo ity aza dia efa fiverenany fanindroany sahady. Soa ihany hoy ny anankiray izay fa nisy ireny famonoana afo mousse ireny ny azy ireto fa raha izay rano toa tsy hahavita hamono ilay afo mirehitra ao amin'ny hotely. Karazan'ny niara-nitontona tamin'ny masoivoho Shinoa ihany aho raha atao hoe ny vavahady no fetra.

Fa maninona i jentilisa no mbola tsy miditra foana? Tsy hoe tsy miditra izy fa tsy tafiditra. Tsy manana alalana hiditra aho satria tsy mpanao gazety. Lasan'eritreritra teo aho. Ahoana no ataoko? Andeha aho hamonjy iny lalana manoloana ny La Hutte Canadiennne iny. Hitady lalana na fidirana hafa aho izany. Toga teto amin'ity toerana amin'ny sary ity aho dia mahatadidy tsara amin'izay fa tsy misy lalankely mitsofoka miantsinana any fa lalana mizotra ho any an-tanànan'Ivato tsena izay lavitra dia lavitra ny mankeny. Hiverindalana aho dia nipika sary indray, asa raha mba tsikaritrareo ilay setroka na tsia fa nandrahona be koa moa ny andro ka ahiako tsy voaavaka an-tsary ilay izy.

Dia niverina nankeny amin'ny vavahady fidirana indray aho mieritreritra lalina izay fomba idirako amin'ity toerana ity. Nopihako indray aloha ny sary. Ataoko fa hitanareo ny setroka. Ny hita izany hatramin'izao dia setroka fa tsy mahita afo midedadeda izany isika. Vao teo ampiandohana rahateo ny afo dia efa velona ny fanairana. Ny rehetra aloha izany izao dia samy mahita fa misy raha ao, mifanontany amin'izay zavamisy marina nefa samy tsy mahalala ihany koa. mazava ho azy fa ny tombatombana no betsaka nefa tsy hahalalana izay tena marina izany. Afaka fotoana fohy toa efa nitsahatra ihany ilay setroka mainty teo. Dia ahoana? vita ve? levona ve ny afo?

Mbola mivezivezy ihany anefa ny mpamonjy voina roa tonta, Ivato sy Antananarivo renivohitra amin'ny fahatongavana sy fandehanana haka rano. Izay fiara lany rano na Antananarivo na Ivato dia samy mizotra ho any amin'ny seranana avokoa. Lavitra loatra kosa aloha raha hitodi-doha ho aty Antananarivo e!

Dia lasa indray aho nitady lalana ka tsy atoroko indray aloha ny lalana fa tsy maintsy hoe lalankely miatsinanana mitady izay hanakaikezana an'ilay trano avo ihany io. Nivezivezy tany aho ka gaga fa karazana cité ihany izao izorako izao fa izy lalantany, lalampotaka fotsiny no diavina. Nahita tamboho somary ivaiva izay aho. indro hitako tsara amin'izay ilay toerana. Nopihako ny sary raha vao nahatazana tsara aho. Efa milamina izany tanàna izany, hoy aho anankampo, saingy dia vitan'izay fotsiny ve?

Lasan'eritreritra lalina aho, sao dia fanodinan-dresaka ihany koa ary izy ity. Toa ny fanafenan-javatra tsinona no tena betsaka. Tsy misy na inona na inona fantatra amin'ity raharaha ity. Indreny eny ny praiminisitra sy ny mpiara-dia aminy fa mizotra manatona tsimoramora ilay toeram-pivoriana iraisam-pirenena. Sambany aho vao nahita an'io mivantana ary raha tsy ity toe-javatra ity tsy nieriteritra izay hahitana azy aho. Ary efa vonona eo ambaravarana ihany koa ny mpamonjy voina. Gaga aho, fa angaha ahiana ho may koa ity toeram-pivoriana ity no asiana io fantsona io sahady? Tena aleo tokoa aloha misoroka e! Mba manararaotra hitsidika ilay toeram-pivoriana indray angaha ny ry zareo izany, hoy aho.

Indreo indray koa ny mpiasa miakanjo jaky izay raha tazanin-davitra dia voavinavina ho Shinoa avokoa, anjatony maro fa nalahatra teo an-tokotaniben'ny toeram-pivoriana. Milahatra tokoa moa ry zalahy. Hay moa ny anton'izany rehefa narahina ny vaovao hariva dia noho ny sakatsakana ataon'izy rehetra na Shinoa ambony na mpiasa tsotra tsy hamelana hakana sary ny faritra. Nisy savorovoro kely mihitsy teo amin'ny mpanao gazety malagasy (izay narovan'ny mpiasa malagasy teo an-toerana tsy hokitihin-dry zalahy vahiny) sy ny mpiasa Shinoa na tompon'andraikitra Shinoa eo amin'ny fanamboarana izany na ireo mpiasa tsotra. Efa nisy fifanosehana mihitsy ka tompon'andraikitra ambony Shinoa iray no nampitony ireo mpiasa Shinoa vao nilamindamin-dratsy ny raharaha. Ny fampivoriana an-dry zalahy teo izany dia ny hanesorana azy tsy hanelingelina ny vahiny loatra satria mety ho tsy fantatry ry zalahy akory izay olona atosiny na Minisitra na mpanao gazety. Misy ry zalahy no lasa nivoaka ny faritra fanamboarana,moa misy ny namonjy nipetrapetraka lavidavitra teny.

Inona indray no hataoko? Hitsambikina ity tamboho ity ve aho? Jereko izay tao anatiny ka tsy misy taitra. Lasa izao, niditra tao anaty faritra aho. Tsy misy hazakazaka izany na dia aty amin'ny toerana tsy misy olona aza no misy ahy ary hotsikaritra avy hatrany aza ny fidirako. Tsy raharahako izany fa dia nizotra tsy taitra aho. Mizotra nankeny amin'ny fitobian'ny fiara aho. Nopihako sary vetivety ilay trano fandraisna fivoriana; ahiako ho tsy azo alaina sary manko io (ary tsy mamela tokoa ny mpiambina rehefa saiky haka sary izaho sy ireo mpanao gazety fantatro endrika). Io izany izy io e! mahafinaritra ihany ilay toerana! io koa ny baobab kely iray nalaina tany amin'ny faritra andrefana tany. Misy mpiandraikitra ny filaminana iray izay somary nivandravandra ahy, satria tsinjoko nahatsikaritra ny nakako ny sary izy. Mody tsy taitra mihitsy anefa aho.

Tsy afaka miroso lavitra intsony aho satria be vavahady koa hay ity toerana ity an! Anarany fotsiny aho no tafiditra tetsy fa tsy maintsy handika sakana maro hafa koa raha tena sahy. Nefa mety ho fahasahiam-poana izany fa ilaina ihany ny mitandrina. Lasa aho nitodi-doha nody amin'izay satria miandry koa ny asa ka ho tratra aoraina eo. Vao tafavoaka kely ny vavahay indray aho dianifanena tamina ankizy tao amin'ny foko blog club. Niara-niverina indray izahay. Tafiditra soa aman-tsara tamin'ny toerana akakiky indrindra aho. Saingy tsy mahita setroka intsony mazava loatra. Raikitra amin'izay ny fakana sary. Manararaotra araka izay mety eo.

Raha ny filazan'ny mpiandraikitra ny mpamonjy voina avy taty Antananarivo renivohitra ary (Kolonely Andrianaivo Jaona) dia miisa 25 eo ho eo ry zareo no nanao ny asany taty Ivato. Olona telo no sempotra tao ary shinoa avokoa ireo. Tsy nisy aloha ny aina nafoy. Heverina ho court circuit no nahatonga ny afo ka nahatratra ny (kidoro) eponge maro sy takela-kazo notehirizina tao amin'ny 2eme sous-sol na ny farany ambany indrindra araka ny filazany, izay no mahatonga io setroka be io. Azo lazaina izany fa efa nanenika ny trano iray manontolo ny setroka matoa efa tonga eny ambovonana araka ny fiteny mihitsy ny nivoahan'ny afo. Tsy maintsy nifandimby ny mpamonjy voina niditra satria tsy azo iaianana ao ka mitondra tavoahangivy misy rivotra iainana midina mamono afo any. Rehefa lany ny rivotra dia mivoaka iny ka misolo olona hafa indray. Tamin'ny 11 dia azo lazaina fa voafehy ny afo, tsy midika izany fa hoe maty tanteraka hoy ny tompon'andraikitra fa efa tsy miitatra intsony ilay izy aloha.


Tsy maintsy nody amin'izay aloha hisolo ankanjo hiasa... na dia maika aza ny hamoaka vaovao ny asa tsy maintsy vitaina ka izao vao nahavoaka sy nahatantara izao aminareo. Naleo ihany tara toy izay tsy nisy mihitsy e! Ka aza tsiny!

Ny antso finday no tena mifaninana

2008-12-13 @ 03:09 in Andavanandro

Tranga iray anisan'ny manova fijery ilay lalao nahoana no hamaham-bolongana ho an'i Afrika iny. Solontenan'ny eto an-tanindrazana ny tena ka manana andraikitra amin'ny fampahafantarana ny zavamisy eto an-toerana. Lavitry ny lalamben'ny serasera ka manjary zavadehibe loatra ho an'ny mieli-patrana manerana izao tontolo izao izay lazain'ny tena. Tsy mahagaga loatra raha nisy ny niangavy mba tsy ho matroka loatra amin'ny filazana ny zavamisy eto an-tanindrazana. Rariny kosa ny azy amin'iny lafiny iray iny.

Fiainana andavanandro ary ny holazaina satria efa tafiditra amin'ny fiainana mahazatra ny olona ny fifampiantsoana amin'ny alalan'ny sofindavitra. Tamin'ny voalohany dia gaga aho fa raha orange miantso orange aho dia Ar8 mahery ny vidin'ny segondra iray; Manakaiky ny Ar500 ny miantso iray minitra izany, kivy ny tena mahita izany. Variana ihany anefa etsy andaniny satria ny antso telma ilay hofain'ny olona ireny dia Ar300 ny antso iray minitra na inona mpandraharaha iantsoanao na inona (nindrana ny fomba fitenin'ny orange azy amin'ny teny malagasy aho eto). Matoa anefa mahavita izany ireny mpampanofa antso ireny dia tsy maty antoka velively izy, maty antoka Ar200 isa-minitra sahady aho izany nefa mpandraharaha mitovy ihany no iantsoako.

Niainga ary ny telma fa raha mampiditra fahana indroa ao anatin'ny andavanandron'ny herinandro ianao dia mahazo fahana maimai-poana Ar2000 iantsoanao mandritra ny faran'ny herinandro. Mifanindran-dalana amin'izany kosa ny Zain dia nanome ny tolotra antsoina hoe voky, izay antso tsy voafetra ataonao mandritra ny andro isoratanao anarana (iantsoana 636 ka miala avy hatrany ny Ar3000 ho sandan'ny antso) manomboka amin'ny 6 maraina ka hatramin'ny 6 hariva. Notohizan'ity mpandraharaha ity tamin'ny tolotra antsoina hoe Club zain ny tantara ka tahaka ny teo ihany fa miala Ar1000 isan'alina isaky ny misoratra anarana satria manomboka amin'ny 9 ora alina ka hatramin'ny 6 ora maraina kosa ity tolotra ity. Ireo izany no nikarakaran'ny zain fatratra ilay indray Sabotsy efa nosoratako iry ka nahahipoka tanteraka ny tambanjotra tamin'io fotoana io. Na dia somary mihena eo anatrehan'ny mpanjifa aza manko ny hery sy ny kalitaon'ny tambajotra (noho ny fitomboan'hamaroan'ny mpanjifa va?) dia tsy mampaninona ny mpanjifa loatra rehefa mahazo mora izy.

Eto dia ny mpampanofa antso indray no tena mahavoa satria lasa mifaninana mampidina ny saran'ny iray minitra raha miantso Zain ilay olona ry zareo. Niainga indray tamin'ny Ar150 izany ho an'ny sasany raha Ar100 isa-minitra kosa ho an'ny hafa ny andro voalohany. Nony tonga ny andro faharoa dia nisy ny nahasahy nampidina hatramin'ny Ar95 ny sasany ka raha mitohy izao dia tsy ho ela akory dia hihena hatramin'ny Ar50 ny isa-minitra satria voaefa ao anatin'ny ora iray ny mason-karenan'ny antso noho ilay sara Ar3000 voatazona mandritra ny 12 ora nolazaiko teo, Ar50 X 60 mn = Ar3000 sa izaho no diso fikajy? Eto ihany koa dia miaiky aho satria raha mividy fahana moov aho hoan'ny aterineto dia Ar20 000 maharitra 8 ora na 480 mn no fanaoko, ka raha kajiana io dia 41.666Ar ny sandan'ny 1mn amin'izany; izany hoe efa resin'ny saran'ny antso finday ny saran'ny aterineto fa raha miantso ora iray aho no atao hoe maty antoka indrindra mandritra ny andro; nefa raha ora folo no iantsoako foana dia lasa Ar5 ny iray minitra, fa raha alaiko daholo ny 12 ora dia Ar4.166 izany. Ny aterineto any amin'ny Cybercafe anefa dia Ar20 na Ar15 ny saran'ny iray minitran'ny serasera ary tsy mahazo latsaky ny Ar300 no aloanao. mahavariana! Eto aloha dia tsara atao iantsoana fotsiny ny findainao fa tsy tsara iantsoana loatra mieritreritra fatiantoka sahady raha tsy maintsy foana e!

Noho ny fifaninanana dia mba manao izay hitazonana ny mpanjifany ihany koa ny orange ka mody niainga amin'ny filazana heveriko ho diso avy hatrany fa olona iray amin'ny telo, hoy izy no tsy orange, ka tsy tokony adinoina ireo olona ireo fa antsoy. Ny azy? Raha miantso amin'ny orange roa minitra ianao dia mahazo antso maimai-poana iray minitra ny ampitso ho an'ny mpandraharaha hafa, izany hoe raha ny fahazoako azy raha miantso ora iray orange ianao dia mahazo atsasak'adiny maimai-poana iantsoana mpandraharaha hafa eto an-tanindrazana ny ampitson'iny antso iny. Tsara aloha rehefa samy miezaka fa mba hahazo tombony aloha ny mpiantso mandra-pahatongan'ny faran'ny taona...

Fa lasa ihany ny saina manoloana izany rehetra izany, inona no mahatonga ireo mpandraharaha amin'ny sofindavitra mikarakra fatratra ny mpanjifa tahaka izao? hisintonana mpanjifa hafa vaovao ve? sa dia izaho no diso fatra-piahiahy loatra amin'izay any ambadika any fa tokony hanana ilay fihevitra hoe hano aloha ny hena fa ho hita eo ihany izay any ambadik'izany na ho dumping na ho zavatra hafa? Nahare siosio, tsy voamarina sady tsy misy hanamarinako azy manko aho fa mety hisy mpandraharaha hafa vaovao hiditra amin'ity sehatra ity amin'io taona ho avy io ka avy any Dubai koa ilay mpandraharaha ary FINE (toa manakaiky ny Zain?) ny anarany. Fifaninanana masina aloha ny amin'iny fa mbola miandry izay avalin'ny mpandraharahan'ny solika eto an-tanindrazana koa ny mpanara-baovao amin'izay avaliny ny famelabelaran-kevitry ny OMH milaza fa mbola midangana loatra ny tombom-barotra azon-dry zareo amin'izao fotoana izao.

Telonohorefy hafa kely

2008-12-03 @ 09:49 in Andavanandro

 

Teo amin'ny tontolon'ny Ntaolo dia tangoron-kitana roa ihany no fantatro fa nomeny anarana Ikotokelimiadilaona sy Telonohorefy. Mazava loatra fa mety ho diso amin'izay fomba fijeriko izay aho. Ikotokelimiadilaona io dia tsy fantatro hoe firafitra manao ahoana no amantarana azy fa Telonohorefy kosa dia haiko tsara amin'ny filaharany telo mitandahatra ary kintana iray fahaefatra kosa no somary mifampijadona amin'ny telo voalohany eo atsimo maka ilany andrefana eo ka izay lafy tsy misy ity kintana fahaefatra ity izany no manondro ny avaratra amin'ny alina. Tsy nanary ahy mihitsy izay zavatra fantatro izay fony izaho nilasy ka mamantatra ny avaratra amin'ny alina. Ny alin'ny alatsinainy 1 novambra teo ary teto Antananarivo dia nahita zavatra hafakely teny amin'ny lanitra aho. Tsy dia fahita loatra satria nilahatra toy ny kintana telonohorefy ny kintana roa (planeta tarihin'ny masoandro ireo mazava loatra satria mazava be koa) ary eo afovoan'izy roa ny volana. Tena milahatra tsara mihitsy izy ireo. Nirava tamin'ny valo ora alina aho no nilazan'ny mpiara-mody amiko ny hitany ary dia sondriana koa ny anao lahy. Impiry hahita izao moa?

Mazava loatra fa fanararaotra ny mba maka sary azy saingy tsy arifomba ny fakantsary ary tsy kalaza loatra koa ny mpaka sary. Izay takany no atolony ka zarainy aminareo. Tokony ho intelo mihoatra noho izao no ijeren'ny maso azy tamin'ny habeny teny an-danitra. Mampahatsiahy sahady ny fanatonan'ny Noely. Tsy dia hoe milaza inona akory io satria mbamifanandrify tahaka izay ny fihazakazahan'ny natiora eny an-danitra fa mahafinaritra ny mitazana azy e! indroa nipika sary aho fa nahavariana ilay voalohany (nisy flash) no nety kokoa fa ilay faharoa tsy nisy flash kosa nanalavalava ny boribory. Tsy hita nanjavonana ilay telonohorefy hafa kely (na ny volana na ireo kintana tsy hita izay nalehany) raha mbola saiky haka sary aho tamin'ny sivy ora sy sasany alina io alatsinainy io. Nandalo ihany saingy moa tsy ny fotoana fohy nefa tsara toa ireny no tena mahamamy ny fiainana raha tsy variana miondrika amin'ny tany ao? sa mety hahita vola latsaka amin'nyalina ao ianao? Soa ihany fa tia mitondra ny fakantsariko aho mba manao izay vitany izy e!

Antsirabe sy ny hakantony: Manodidina ny gara

2008-11-13 @ 12:52 in Andavanandro

Izao ary dia mba hampiseho sary vitsivitsy tamin'ny nandalovako tany Antsirabe tamin'ny volana aogositra 2008 aho.

Manangasanga mampiavaka ny tanàna hatry ny ela ny tsangambaton'ny fahaleovantena.

Ny eo ampitan'ny tsangambato ihany koa manana ny fiavahany! ery ambadika ery ny gara

Ny eo anoloan'ny fidirana mankao amin'ny Hotel de Thermes no mba misy jet d'eau kely ho an'Antsirabe.

Trano manana ny lazany sy ny tantara izany trano izany!

Tranon'ny paositra anisan'ny kanto ihany koa. Fantatra avy hatrany hoe Paositra ao Antsirabe raha vao mahita azy ity.

Tranon'ny Paositra niorina nandritra ny fanjanahantany!

Ampitan'ny tsangambaton'ny fahaleovantena sy ny paositra ity ho an'izay tsy tany Antsirabe nandritra ny fotoana maharitra.

Hatreo aloha fa amin'ny manaraka indray e!

 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2025 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox