Mialoha ny zava-drehetra dia miarahaba ny mpamaky rehetra nahatratra ity taona vaovao 2011 ity indray. Enga anie mba ho taom-pahombiazana sy taona zina ho antsika ity taona izay diavina ity indray. Mirary soa ho antsika mpamaky rehetra ny mpanoratra noho ny fandinganana izao taona vaovao izao. Hiresaka momba ny tanànan'Antananarivo indray ny tena fa hisintaka kely amin'ny resaka politika feno fitapitaka sy fandrika ary fivadihana mandrakariva. Ny famoahan-kevitro andavanandro rahateo moa sady tsy dia lava dia lasa any amin'ny facebook amin'ny ankapobeny. Amiko manko ny maharesy lahatra ahy dia nivadihan'ireo notendrena hiara-mitantana ny antokony indray ny filoha teo aloha kanefa tsy afaka ny handà ny fihetsik'izy ireo intsony raha tsy te-hataon'ny olona fihomehezana hoe izay anankinana andraikitra rehetra ity mivadika avokoa ary ny antokon'ny tena ihany no tena mpamadika voalohany. Tazoniko ho ahy izay hevitra izay na dia habokaina ho foza aza aho, tsy azo fefena tsy hamoaka ny hevitro ihany koa aho tsinona; nefa izay ihany koa no tsy iresahako betsaka ny amin'izy ity ihany koa aloha.
Hiresaka momba an'Antananarivo indray aho. Hita sy tsapa tokoa ny ezaka ataon'ny mpitondra azy ankehitriny. Angamba noho ny fifanolanana misy eo aminy sy ny minisiteran'ny fanajariana ny tany dia nihasahisahy kokoa ny mpitantana. Tsy dia mampaninona azy intsony na hahatezitra ny "vahoaka madinika" aza ny zavatra ataony mandroaka ny mpivarotra amoron-dalana tsy hanelingenina ny fifamoivoizana sy tsy hanakorontana ny tanàna. Ny zavatra toy izany no tena nanohanako ny filoha Ravalomanana sy ireo notendreny taty aoriana. Fahadisoana lehibe teo anatrehako ny nileferan'i Hery Rafalimanana tsy nanelingelina ny mpivarotra anaty lalana intsony tamin'ny fifidianana ho Ben'ny tanàna izay nahamontsana ny TIM teto Antananarivo tamin'iny fotoana iny. Maniry kosa aho mba tsy hilefitra na oviana na oviana ny mpitantana ankehitriny na dia ho avy aza ny fifidianana ho Ben'ny tanàna.
Miala tsiny aho fa somary masiaka amin'ny fandaminana ny tanàna. Efa nomena toerana hivarotany ireo mpivarotra ireo nefa tsy tiany hono ny any fa tsy misy tsena. Vavabe nataon'ny mpivarotra anaty lalana tamiko indray maka ny hoe tanim-panjakana eto ka tsy hiala eto izahay raha tsy ny fanjakana no manala anay eto. Rehefa nanala azy indray ny Kaominina dia sahiny ny miteny fa tsy ny Kaominina no fanjakana... Marihina fa misy ny minia manery ny lalana hahafahana mangaro-paosy sy manendaka ary maro amin'ireny mpivarotra amoron-dalana (sy anaty lalana) ireny, fa tsy izy rehetra tsy akory, no tena mpiray tsikombakomba amin'ny mpangalatra ary ireny no tena mijery ny vola ananan'ny mpividy mitonantonana eny amin'izy ireny. Raha tena te-hivarotra ireo efa betsaka tokoa ny toerana efa natokana hivarotana no malalaka satria ny hivarotra eny an-dalana no ataony ary izaho aza dia mahasahy mihitsy ny mitaky ny fanagadrana noho ny fanelingenana ny fifamoivoizana sy ny fanakorontanana ny tanàna ary ny fandratrana ny mpitandro ny filaminana ireo mpivarotra tsy hanaiky na oviana na oviana ny hanara-dalàna ireo.
Jentilisa, 07 janoary 2011, amin'ny 11ora07mn
Nivadika sahady ny herinandro niainana toe-draharaha mafampana teto amin'ny firenena. Samy manana ny heviny mikasika ny fitsapa-kevi-bahoaka sy ilay lazaina fa fanonganam-panjakana avokoa ny tsirairay. Na izany aza misy ny zavatra tsara resahina ihany.
Fitsapa-kevi-bahoaka tsy misy mahalala izay valiny intsony
Asa noho izaho izay efa nihevitra iny fandatsaham-bato iny ho toy ny tsy misy angamba fa raha mihaino resadresaka ianao dia toy ny tsy misy mahalala intsony izany fitsapa-kevi-bahoaka izany fa takon'ilay fanonganam-panjakana ny raharaha. Na izany aza dia misy ny tsikaritra momba azy io tsy maintsy tantaraina.
Antsirabe tanàna faharoa eto Madagasikara raha ny habetsahan'ny olona no resahina dia tsy maintsy nolazaina tsirairay ny olona ny amin'izay tokony ataony rehefa handatsa-bato. Tsy fantatro aloha fa raha izaho izay olon-dehibe ve no toy ny ampianarina indray tsy lasa tondroina hatramin'ny tokony hosafidiako? Tsikaritry ny mpanao gazety tamin'ny fotoana nandalovany fohy tao amin'ny biraom-pifidianana iray ny fandrovitan'ny mpifidy iray ny vatom-pifidianana ka ilay ampahany misy ny ENY mangamanga no saiky arotsany. Fanamarihana roa avy hatrany, na telo akory aza: (1) toy ny voaramaso avy hatrany ny safidinao ka aleo tsy manao mahasosotra ny mpitondra. (2) Aty an-tanàndehibe aza mbola misy ny tsy mahalala mihitsy izay tokony atao no tsy ampy ny fampianarana tsy mitongilana amin'ny fombafomba atao rehefa anaty biraom-pifidianana ka aiza ho aiza ny any ambanivohitra any moa tsy tonga dia fanerena ankitsirano ny safidy no atao? (3) Fotoana fohy nandalovana dia nahitana zavatra tahaka izany ka aiza ho aiza mandra-pahatapitry ny fotoana tsy ho fihomehezana fotsiny va?
Dia nisy tampoka ny didim-pitondrana nanemotra ny fifidianana ho hatramin'ny enina ora hariva indray raha tamin'ny efatra ora folakandro no voafaritra mialoha. Nolazaina moa fa noho ny fahamaroan'ny mpifidy no nanaovana izany fanemorana izany ary hahafahan'izay tsy afa-nifidy noho ny tsy fananana kara-pifidianana sy tsy tafiditra anaty lisitra mifidy raha mitondra kara-pifidianana taloha na fanamarinam-ponenana sy kara-panondro mifidy. Mifanohitra sahady tamin'ny tanjona napetraka izany fepetra vaovao niova an-tenantenan-dalana izany.
Raha napetraka ny famerana ny ora ho hatramin'ny efatra ora hariva dia ny hialana mba tsy ho amin'ny alina tsy maintsy ampiasana jiro no hanaovana ny fanisam-bato... toy ny mametraka avy hatrany fa misy zavatra maizina katrohina ao ambadika ao. (1) Efa nahazatra nandritra ny fifidianana natao hatramin'izay fa raha tonga ny ora farany nefa mbola misy ny filaharana dia tsy azo rarana tsy hifidy ireo olona milahatra ireo fa tsy maintsy manefa ny adidiny avokoa. Eo izany dia efa tsy mitombina ny antony nanemorana ny fotoana ankoatra ny fitadiavana zavatra hafa mihitsy. (2) Mivadika zavatra hafa tanteraka ny fandehan'ny raharaha rehefa hoe afa-mifidy amin'ny alalan'ny taratasy fanamarinam-ponenana sy ny karinem-pokontany satria antontan-taratasy miankina tanteraka amin'ny fokontany izay toe-javatra izay, manaraka izany satria karazan'ny tsy tokony hisy intsony ilay hoe lisitra fanampiny amin'ny "ordonnance" dia karazan'ny isan'ny olona anaty lisitra ihany no isa apetraka nefa efa avela mifidy indray izay tsy anaty lisitra; fanerena an-kitsirano hampiakarana ny tahan'ny fandraisana anjara izany toy ny milaza fa maro no nifidy kokoa noho ny tsy nifidy tamin'izay voasoratra anarana, izany hoe lasa tsy mikaonty intsony ny fijerena ny tahan'ny fandraisana anjara noho ilay fanapahan-kevitra... nefa tsy nahafitaka ny fiarahamonina iraisam-pirenena izay toe-javatra izay (3) Noterena ho karazan'ny ao anaty aizina avokoa indray ny fanisam-bato rehetra ka tsy maintsy ampiasaina ny jiro. Ny voamarik'ireo nanatrika ny fanisam-bato, indrindra fa tany amin'ny toerana tsy maintsy nampiasana labozia dia ny mpanonona ny vato ihany no nahita izay nomarihin'ny mpifidy ao amin'ny biletà fa ny hafa dia tsy mahita na inona na inona, rehefa stylo no nanaovana ny tanam-bokovoko. Ny hafa rehetra dia mpihaino fotsiny ihany fa tsy tena mahita akory izay marika anaty biletà.
Hatreo ihany no tadidiko eto am-panoratana fa efa bebe ihany no nilaza ny tsy fahatomombanan'iny fitsapa-kevi-bahoaka tsy dia misy manaraka intsony izay valim-pifidianana avy aminy iny na mpanohana fitondrana izy na tsia.
Fanonganam-panjakana am-bava
Mbola miady hevitra tamin'izay tena nitranga marina tamin'ity raharahan'ny miaramila ity ny mpitafatafa na andavanandro io na an-tserasera. Ny famintinana amin'ny ankapobeny no mametraka fa (1) ny vola no tena niasa tamin'iny raharaha iny ka nahatonga ny fifampitifirana tsy nahitana naratra na maty teo amin'ny andaniny sy ny ankilany, fa zavatra hafa kosa indray ny any amin'ny fanadhiadiana any. (2) Efa nisy ny fikasana hisambotra manamboninahitra vitsivitsy nialoha ny fifidianana ka heverina fa ry zareo ireto izany kasaina hosamborina izany, dia tsy maintsy niditra tamin'ny dingana manaraka angamba ry zareo na dia mbola teo aza ny fifandirana amin'izay tokony hitarika avy eo raha ny filazan'ny
tananews no inoana. (3) tsy hoe rava iny fikomiana iny dia vita hatreo ny raharaha fa mbola hendratra avokoa ny rehetra sady mitaintaina satria tsy niravona hatreo akory ny krizy. (4) Ny fipoahana etsy sy eroa manaitaitra ny olona ka mitety toerana maro dia mety ho endrika tolona hafa indray mety hahery vaika kokoa noho ny teo aloha. Tsy fantatra anefa hatreto hoe iza no tena manao ireny fanaitairana ireny hatreto. Dia atsahatro kely aloha!
Jentilisa 22 novambra 2010 amin'ny 12:19
Dia raikitra indray ny sakoroka ny andron'ny alarobia 10 novambra 2010. Indrisy moa fa tsy nitondra fakantsary ny tena hamoahana an-tsary ny zava-nisy niainana androany. Na izany na tsy izany dia mety ho nanana olana lehibe izay mpaka sary rehetra ka tsy manana karatra maha-mpanao gazety, sahirana indray noho izany izay olo-tsotra tia mamoaka vaovao sy ny zavatra hitany an-davanandro raha tsy mahay miafina sy mipirina mandritra ny fotoana misy fihetsiketsehana ireny.
Azo lazaina ho tsara vintana ihany ny tena raha nahita imaso sy afa-nanaraka lavidavitra ny toe-javatra nisy teto Antananarivo satria nandritra ny fotoana niasana no nisian'ilay sakoroka ary somary nampivezivezy ihany ilay asa. Raha somary nandreraka ahy ilay asa tamin'io andro io dia nahafaly ahy kosa indray satria ahafahana mijoro vavolombelona. Ilaina ny manoratra izay sasinteny izay fandrao misy milaza indray fa nandao ny asako aho dia lasa nijerijery ny zavamisy.
Ny maraina raha somary nitohatohana izay ny arabe teny Andohan'Analakely ka teo anoloan'ny BNI-CA no nisy ny fiara nandehanan'ny tena tokony ho tamin'ny sivy ora maraina iny dia nahatazana
kamiaon'ny mpitandro ny filaminana heveriko ho ampolony samy feno avokoa niakatra ho any Ambohijatovo. Vantany vao nahita izany ny tena dia ny fitokonana tany Ankatso avy hatrany no tao an-tsaina. Nanontany tena ihany raha hahasahy handika ny fahafahan'ny Anjerimanontolo ireo ka handrava ny fihetsiketsehana misy ao. Etsy ankilany ihany koa dia mety hisy angamba ny fanahiana hoe hivoaka ny faritra misy azy ireo mpanao fihetsiketsehana ireo. Hay tsy diso loatra ny eritreritra saingy niandry lavidavitra kosa ry zareo fa nitoby teo anoloan'ny Shoprite Antanimora (misy an'izany koa eo fa mety mbola tsy fantatrareo na hitanareo). Etsy andaniny mety hisy koa ny mpanararaotra ka dia aleo misoroka raha azo atao.
Teny ampodiana atoandro ny tena dia nahatazana kamiao feno mpitandro ny filaminana miisa dimy manakaiky ny fitoeram-panafody etsy Antanimena, izany hoe efa latsaky ny 100m andrefan'ny Kianja Malacam hivorian'ny mpanaradia ny ankolafy telo. Efa hita mijorojoro eny ihany koa ny ireo olona hita mihitsy fa mivonona ny hiditra ao an-kianja na dia mikatona aza ny vavahady. Reko moa avy eo fa raikitra ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso tokony ho tamin'ny iray ora folakandro teo ho eo.
Rehefa namonjy asa indray anefa ny folakandro dia toy ny tsy nisy na inona na inona ireny nitranga fa dia mizotra milamina ny olona hamonjy ny fanaony. Rehefa tena teo akaikin'ny vavahady ny tena vao tena latsa-dranomaso tsy fidiny fa toy ny voantsakay ny maso. Mahery dia mahery ihany baomba mandatsa-dranomaso ry zareo a! nisy fotsiny ireo mpitandro ny filaminana no karazany miambina ny toerana tsy hidiran'ireo heveriny mety ho mpanao fihetsiketsehana fa mamela malalaka kosa ny olona handeha manaraka ny lalan-kely satria lala-manivaka rahateo io lalankelin'ny kianja Malacam io. Dia hitako ihany koa ireo mpanao fihetsiketsehana nameno ny arabe manoloana na nadrefan'ny Blueprint teo aloha fa magro eo akaiky moa no tena fantatry ny besinimaro. Mbola afaka nizotra soa amantsara avy any Antanimena nankany Soarano ny fiarakodia tamin'io fotoana io (efa amin'ny roa ora filakandro).
Nisy ny nanirahana ny tena ka dia lasa nankany. Teo amin'ny fiverenana no nahita toe-javatra. Teny Ambohijatovo mankeny Analakely aho dia gaga raha nikatso tampoka ny lalana nefa nalalaka ery avy any Antsahabe tany. Tia tsofotsofoka ny tena koa dia nitady lalana hatrany. Teo andrefan'ny mpivaro-boky na ampita atsimo atsinanan'ny tranon'ny Minisiteran'ny mponina sy ny tanora aho vao variana fa be dia be ny olona no mitazana miankandrefana toy ny hoe misy inona ireny. Hay ilay lalana Analakely misy zotra efatra iny ka ny roa miakandrefana ary ny roa miatsinana dia mivadika tsikelikely ho zotra efatra miatsinanana avokoa. Misy zavatra izany any ananonanona any saingy tsy hita hoe aiza fa ny fiara mirepirepy sy mampaneno ny anjombona no nahataitra ny olona. Mbola nisisika ihany aho ka teo ampitan'ny BNI-CL (indroa aho izay no nanoratra io orinasa io androany) ni niantsona kely. Tsy te-hiverina hiantsinanana velively ny tena satria efa mikatso tanteraka ny lalana. Niova ho lasa zotra tokana (sens unique) avokoa ny lalana rehetra. Tsy nahitana polisy intsony nandamina ny fifamoivoizana. Efa ho adiny iray angamba na latsaka kely vao nihanadiodio ny arabe dia mbola ninia ihany aho niakandrefana satria any no misy ny birao fiasako tsinona.
Nihanalalaka tanteraka ny arabe teny ampandehanana saingy tsy nitodi-doha ho any Ambodifilao ny lalako fa lasa aho namonjy ilay lalana fandehanan'ny olona ka iny ampita anoloan'ny Lapan'ny tanàna iny no nandehanako fa tsy ny arabe tsy akory. Dia tonga tany am-piasana ihany. Efa zatra ity mikatona sy misokatra isak'izay mihetsika ity moa hatramin'ny herintaona ka tsy maka lagy amin'izany intsony. Saika izaho irery no nitondra fiara (soavalivy) nandeha tamin'ilay arabe malalaka dia malalaka tsy nahitana fivezivezena fiara hafa intsony. Kanjo vao tonga kelikely aho dia nirahina indray ho any amin'ny faritra andrefan'Antananarivo any (efa tafavoaka ny faritry ny renivohitra).
Noho ny fitiavana mitsofotsofoka fa tsy hiaritra ny tsy fihetsehan'ny fiara dia lasa tany Faravohitra nanaraka ny Pavé indray ny zotra fa tsy nidina nankany Behoririka. Hay nisy zavatra nitranga tokoa tao Behoririka tao ka tsy hay na efa nisy ilay fiara may na tsia. Tonga manko dia tsy azon'ny fiara naleha intsony ny mankeny amin'ny Irresistible na Gauloise araka ny fahafantaran'ny taloha azy ka nitodi-doha niverina avokoa ny fiara rehetra. Hatreny Faravohitra aho no nidina namonjy an'Antaninandro sy Ankadifotsy. Nitohana tanteraka ny fifamoivoizana tamin'io fotoana io saingy afa-nandeha ihany aho satria tsy nahitana fiara loatra ny andaniny mpifanena. Nony tonga teo amin'ny tobin-dasantsy Ankadifotsy dia tsy maintsy niova lalana hizotra handalo ny FJKM ANkadifotsy indray satria nitohana tsy afa-nihetsika intsony ny fiara rehetra mikasa ho any Antanimena. Voatery nandeha tany Ambodivona noho izany ny tena ka ilay mandalo ny tobin'ny Jirama na centre Commercial iny no niafiana nandehanana. Feno olona ny sisindalana tamin'io mijery izay fivoaran'ny toe-draharaha fa tsy hoe mpandelo ireo tsy akory. Marihina fa nitohana tanteraka zara raha afa-nihetsika ny fiara tamin'ireo lalana ireo fa soavalivy moa no nentin'ny tena ka tia tsofotsofoka. Teny Ankorondrano Anoloan'ny Jesosy Mamonjy vao nalaladalaka kokoa ny lalana ary tsy voambahambahana loatra intsony ny fiara nandeha.
Niandry fotoana elaela mihitsy indray aho vao nikasa hitodi-doha ho any amin'ny birao fiasana indray. Nifanena tamin'ny kamiao iray sy fiara tsy mataho-dalana iray feno mpitandro ny filaminana aho teo Ambodimita dia nieritreritra fa efa milamina izay ny tany an-tanàna (Antanimena -Behoririka - Soarano) hay mbola diso fihevitra ny tena. Nizotra tsy dia nisy tomika loatra ny lalana nanaraka an'Ambohimanarina iny. Teo Antanimena amin'izay dia gaga nahita ireto zatovolahy nihazakazaka avy any atsinanana any. Ny andro amin'io efa amin'ny enina ora hariva teo ho eo. Hay mbola manala azy tsara mihitsy ny mpitandro ny filaminana nandefa baomba mandatsa-dranomaso. Mbola nidrikina nandeha tamin'iny lalana avy any Antanimena ho any Soarano iny ihany aho, izany hoe ilay mandalo Malacam io, fa tonga dia toy ny nahitsin'ilay miaramila iray izay ny basy fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ary natodiny taty amiko ka nalefany amin'izay. Tena kofona tanteraka sy nikohaka mihitsy aho ankoatra ny ranomaso latsaka fa tsy maintsy nalefako hatrany ny fiara. Nihevitra manko aho fa tsy ho azoko atao velively ny hijanona eo. Nialoha izany anefa dia hitako tsara ny miaramila nandefa baomba mandatsa-dranomaso tamin'ny olona anatin'iny lalan-kelin'ny kianja Malacam iny. Tsy misy lalana andehanan'ny olona anie izany hoy aho anankampo. Teny akaikin'ny Piment Cafe Behoririka amin'izay aho vao somary niato kely nanisin-delo sy namaoka ny ranomaso satria teo no somary mba nilamindamina dia nanohy ny dia amin'izay avy teo. Tonga tany amin'ny birao ihany avy eo.
Raha tonga aho dia mbola betsaka hay ny miaramila teo amin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana teo Soarano sady toy ny mifampihantsy vinany tamin'ny olona tia jerijery ihany. Tsy nahitana fiara betsaka intsony ny arabe fa betsaka tsy toy ny mahazatra kosa ny olona nandeha an-tongotra. Ireo rehetra tratran'ny voa manodidina avokoa angamba satria tsy misy ny fiara hitatitra azy ireo mody.
Rehefa nirava dia mbola nijerijery ny zavamisy tany Behoririka nisy ilay fiara may. Hay mbola tsy azon'ny fiara naleha tany fa ny mpandeha an-tongotra ihany no nizotra teny. Nalain-dry zalahy ny hazo heverina ho fefy na tranon'ny mpivaro-damba dia ireny no nodorany natao ho karazana barazy. Teo anoloan'ny Shell no nisy ny barazy voalohany, fefy afo avokoa no lazaina amin'izany ary rahonan-dry zalahy izay mitady hitondra fiara mankany. Mbola hita teo ilay fiara may ary maromaro ry zalahy no mitady piesy mety azo ampiasaina tamin'io fiara io. Efa voavadiky ry zalahy kosa ny fitoeram-pako teo ambany tetezan'i Behoririka ka nataony barazy ho azy koa. Nisy koa ny takelaka fanaovana dokambarotra nopotehin-dry zalahy ary nataony sakana ihany koa. Misy afo ihany koa moa teo. Teny amin'ny fiviliana ho any amin'ny fiantsonan'ny fiara eny Andravoahangy kosa ny sakana fahatelo ary sakan'afo hatrany. Tanora tsy ampy taona ny ankamaroan'ireo lazaina ho mpanao barazy ka toy ny manala azy fotsiny. Tsy ela moa fa dia hita tamy avy any ny fiara tsy mataho-dalan'ny mpitandro ny filaminana sy ny kamiao miaraka aminy misosososo toy ny manao befihavy hampandositra ny mpanao barazy angaha! nefa matetika dia tsy mitoetra ela eo ry zareo fa mandalo fotsiny hany ka miverina indray iretsy tsy mahita atao fa mamelona indray ny afo hanaovana barazy. Hay, hono, efa toy izany hatrany no nitranga nandritra ny ora vitsivitsy.
Nody ny tena avy eo ka gaga ihany fa betsaka indray ny fiara fitaterana mbola mitatitra olona tamin'izany ora izany ka mandeha mankany an-tanàna. Raha andro mahazatra anefa dia efa tsy hahita izany taxibe hankany an-tanàna izany intsony ianao. Betsaka ry zareo tamin'ity indray mitoraka ity. Asa inona no mbola nampazoto an-dry zalahy tamin'izany ora izany sa izay vao manenjika versement? Rehefa tonga teto an-tanàna indray aho dia nahita ireto polisy roa lahy namily lalana ny fiara rehetra tsy hankany aminay. Fantatro avy hatrany fa handalo eo izany i Andry Rajoelina ka tsy maintsy asiana karazana fiarovana ihany eny amin'ny lalana diaviny. Tsy ela tokoa dia indreo ry zareo miaraka amin'ny fiara mpialoha lalana sy fiaran'ny mpiambina mizotra amin'ilay lalana nefa tsy mitabataba na mandefa ny jiromangany loatra fa manao valala manjohy hatrany. Dia izay ary aloha ny notantaraina satria izay no hita (sy ny kely re)
Jentilisa, 11/11/10 amin'ny 01:39
Ela sahady izay tsy nifampitafana teto izay na dia maro dia maro aza ny toe-javatra nitranga teto amin'ny firenena, na teto an-drenivohitr'i Madagasikara no marina kokoa. Mety ho liana tanteraka ianareo any ivelan'i Madagasikara any ka hiezaka aho ny hanentsina araka izay tratrako ny banga sy hitantara ny zavatra andavanandro tsy voalaza nefa mety hidika zavatra ihany amin'ny ho tohin'ny tantara.
Lanonana ho avy TEDxAntananarivo
Lanonana ho avy afaka fotoana vitsivitsy aloha no hambara etoana satria maro rahateo ny tanàna na firenena efa nandray na nanomana ity karazan-danonana iray ity. Sehatra hifampizarana izay mety hanatsarana ny ampitso eo amin'ny sehatra manerana izao tontolo izao, mba tsy hitoetra ho nofinofy fotsiny ihany io ampitso io fa misy tokoa ny hevitra tsara zaraina sy tanterahina. Tsy diso anjara amin'izany sehatra hifampivelarana izany isika Malagasy sy ny eto Madagasikara, hany ka misy ireo Malagasy sy vahiny vitsivitsy hitondra ny anjara birikiny sy hampandray anjara an'i Madagasikara ao anatin'ity sehatra iray ity. Ny TEDxAntananarivo no hotanterahina amin'ity volana novambra 2010 ity avy hatrany.
Sehatra malalaka dia malalaka izy io ary tsongoin'olom-bolo sy vato nasondrotry ny tany no tena iriana handray anjara. Na dia miteny aza aho eto hoe malalaka ny sehatra dia ataoko fa tsy dia tsara loatra na diso toerana raha iresahana politika na fivavahana ao satria tsy Antananarivo na Madagasikara irery no voakasika amin'ny tafatafa fa ny firenen-drehetra ihany. Tetikasa tsy miankina amin'ny fanjakana rahateo izy io ka fifanentanana tsy miankina amin'ny fanjakana no hisongadina. Mety hisy ny lahatsoratra manokana hataoko momba azy io fa ho fiomanana dia amin'ny 26 novambra 2010 no hanatanterahana azy ao amin'ny Garan'i Soarano ary ato misy
lahatsoratra amin'ny teny malagasy tsara vakiana manazava dieny izao ny mombamomba azy.
Fefy fanitso manerana ny lalana
Hivadika tanteraka ny resaka eto fa dia ho politika sy fivavahana tsy misy idiran'ny TEDxAntananarivo amin'izay ny ankamaroan-dresaka. Na ahoana na ahoana dia hita taratra ny asan'ny kaominina Antananarivo renivohitra, na ny zava-bitany no marina kokoa. Efa noresahina ihany ny tetikasa 119, izay tokony hiainga amin'ny alalan'ny fametrahana Toeram-piatoana na toeram-piantsonan'ny fiara fitaterana misy ialofan'ny olona miandry bus. Ny voamarika eto an-tanàna aloha ny famefena sy fandravana foto-drafitrasa vitsivitsy heverina hananganana drafitrasa vaovao.
Hita izany manoloana ny Tsangambaton'ny Mpitolona tia tanindrazana Ambohijatovo (fitenitsika azy moa dia tsangambaton'ny MDRM). Faritra roa no misy fanitso eo ary ny iray kosa nolamahina dia ny manoloana ny fivarotamboky tonta eo Ambohijatovo. Ireo faritra misy fanitso sy efa vita fanapotehana ny ao anaty fefy moa dia ny fiantsonan'ny fiara fitaterana Ambohijatovo mitodika mankany amin'ny tonelina Ambanidia sy ny ilany avaratra amin'ny fefy fidirana mankao amin'ny zaridainan' Ambohijatovo. Mampanontany tena moa ity voafefy fanitso farany ity hoe inona no tena tiana apetraka eo satria raha fiantsonan'ny fiara fitaterana vaovao ilay izy dia lasa hatreny amin'ny arabe izany ny olona no miditra ao anaty fiara fa tsy hatreo amin'ny sisindalana. Angamba zavatra hafa no atao eo ankoatra ny hoe niova hevitra amin'ny toerana hametrahana ny fiatsonana vetivety ry zareo.
Ny heverina ho fanamboarana faharoa hita indray dia amin'iny faritra atsimon'ny farihin'Anosy izany. Ny marina kokoa dia ny ampitan'ny lapan'ny fitsarana sy ny manatrika ny foiben'ny fampielezam-peo sy sary an'ny fanjakana (RNM sy TVM). Tarafina ho te-hanitatra ny velaran'ny arabe ry zareo. Nahena be dia be ny sisindalana ho an'ny mpandeha an-tongotra amin'iny ampitan'ny Lapan'ny Fitsarana iny. Ny mpijery ny zavamisy ihany koa dia mahita ny fanalana ireo hazo somary akaiky arabe kokoa amin'ny fiatoana manoloana ny radio Anosy sy ny tsangamby ary heverina fa hanitarana arabe no antony na mety hananganana ilay fiatoana ao anatin'ny tetikasa 119 ihany. Mbola eo am-pandravana ihany koa ny mpikarakara eto fa tsy mbola tafiditra amin'ny fananganana.
Ny fandravana fahatelo hitako kosa indray dia ny eo amin'ny 67ha manoloana ny tranom-piantohana Ny Havana. Efa ho am-bolana sahady izay ny nanesorana ny fiantsonan'ny fiara fitaterana teo ka namindrana azy ireo ho ao 67ha afovoany andrefana ny sasany ary etsy Vassacos Antanimena kosa ny hafa. Ny hita dia nesorina avokoa ny faritra amin'ny sisindalana ka nahatery ny sisa amin'ny arabe. Noheveriko ho hevitra tsara, sady efa nosainiko nialoha ny nalamahana azy, ny fanesorana ny trottoir afovoany noheverina hatrany ho atao zaridaina nefa tsy misy voninkazo na zavamaitso mety vanona loatra teo nefa somary diso fanantenana ihany aho raha mbola averina indray ilay "sisindalana" afovoany nolazaiko teo. Heveriko manko fa mba mampalalaka kokoa ny arabe ny fanesorana tanteraka ireo zaridaina-sisindalana afovoany ireo fa atao toy ny eny Ampefiloha iny izy raha tsy maintsy sasahina ihany ny arabe. Marihana fa ireo faritra telo lazaiko ireo dia
Marihana fa izy telo ireo dia samy eo am-pandravana hatrany fa tsy mbola nahitana fanorenana mihitsy. Lasa ny eritreritra hoe tsy mbola tonga angaha ireo entana na kojakoja kasaina apetraka amin'ireo faritra voatonona ireo no avela hihanjahanja mampalahelo ny tanàna? Sa misy entana indray any ho any andrasana hivoaka hanaovana ny fananganana. Etsy ankilany anefa azo atao ihany koa ny mieritreritra hoe raha vao esorinareo eo aho dia tsy misy tohiny ireo foto-drafitrasa kasaina atsangana fa dia efa potiko aloha ny toerana vitsivitsy, nefa sao dia lasa lavitra loatra indray ny eriteritro.
Fa na dia te-hiresaka momba ny Hetsika nataon'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana sy ny tao amin'ny Malacam ary ny fihetsiketsehana nataon'i Andry Rajoelina momba ilay jamba mpamaky teny teo amin'ny tohatohabaton'Antaninarenina aza aho (izay tsy tokony hotsinontsinoavina velively araka ny hitako any amin'ny lahatsoratra hafa any) dia aleo asiana hoe hitohy fa tahaka ny lava sahady izany voasoratra izany ka sao monamonaina eo ianareo. Kasa hiakatra eny amin'ny Rovan'i Manjakamiadana ny Asabotsy 6 novambra raha mbola azo asisika ny fandaharam-potoana na dia ho sarotra aza ny hampahalalaka ahy
Jentilisa, 06 novambra 2010 amin'ny 00:30
Ireo mpamaky ahy hatramin'ny ela dia efa mahafantatra tsara ny fomba fanoratro. Angamba tsy dia mivaona amin'izay ity ataoko etoana ity. Gaga ihany ny tena raha nahita fa feno setroka sy mafana ratsy izany ny teto andrenivohitra omaly alahady. Tsy nahare vaovao loatra moa ny tena sady tsy niserasera, no tsy manaraka haino aman-jery rahateo fa hay nisy nandoro ny ala tokana any amin'ny Itasy antsoina hoe Ambatofolaka, araka ny nolazain'ny
namana iray tao amin'ny twitter, sady mpiara-mandika lahatsoratra ao amin'ny
GlobalVoicesOnline.org teny malagasy ihany koa moa. Raha ny vanim-potoana dia fanaovan'ny olona ny doro-tanety tokoa izao ary dia ataony ihany koa ny doro-ala. Saingy tena mampalahelo sy mahonena kosa ny toe-tsaina amin'ny fandoroana ny tanety sy ny ala ka mahatonga ny eritreritra indraindray adala ka manao anankampo hoe maninona raha ajedaka any ny olona tratra manao tsinontsinona ny firenena sy ny ho avin'ny taranaka tahaka izao?
Mitovitovy amin'izany ihany izay tantaraiko etoana. Nisy nandoro ny fako tao anaty daba fanariana azy, ka nitady hahatratra ny fefy voajanahary na fefy kipreso ana villa ipetrahana vazaha tale-na banky iray eto Antananarivo ny Asabotsy atoandro teo tamin'iny manodidina an'Ankatso iny. Nanao hazolava (nitady fanampiana) tamin'ny mpiara-monina manodidina io vazaha io hamono ilay afo. Tonga tokoa ny fokonolona satria mety ho tratran'ny afo rahateo ny tranon-dry zareo akaiky io afo tamina fanariam-pako io. Vao nahita ny firodorodon'ny olona anefa ramatoa metisy vazaha-malagasy (izay handraisanareo azy fa metisy gasy izy izany aloha!) vadin'ilay vazaha tale-na banky dia nandroandroaka ny olona sady nanompa izay averiko eto angamba satria tsy mampaninona loatra antsika mpamaky rehefa amin'ny teny frantsay ilay ompa: "Allez cochons! Couillons! Vous, les Malgaches, ne savez que voler!" Hatezerana ny an'ny olona ka dia lasa avokoa, samy niaro ny tranony tsy ho azon'ny afo sisa. Izany hoe rehefa amina toe-javatra sasany, toy ny hirotsaka hofidiana filoham-pirenena na solombavam-bahoaka ohatra, dia mihazakazaka ny ho Malagasy ny Metisy SASANY fa any no misy ny tombontsoa fa amin'ny toe-javatra hafa kosa indray dia manava-tena ho tsy Malagasy ny Metisy SASANY. Manahirana izany rehefa tsy Malagasy manontolo ilay olona amin'ny toe-javatra sarotsarotra ka mahasahy manompa ny Malagasy, izay tsy sahin'ny tena vahiny natao loatra.
Tonga ny Mpamonjy voina izay nanao sarimihetsika ihany koa. Fiara roa no hitan'ny fiarahamonina tonga fa mody najanona tery ambany lavidavitra tery ilay fiarabe mahazaka rano betsaka kokoa fa fiara somary kely kokoa no tonga teo an-toerana. Ireo mpamonjy voina "Sapeurs-pompiers" ireo ihany no afa-niditra tao amin'ny faritr'ilay villa izay efa may ny tranon'ny mpiambina ny tanàna fa efa niredaka tamin'ny hazo kypreso moa ny afo. Lany vetivety ny rano nentin'ny fiarabe voalohany dia mody niantso ny lehiben'ireo mpamonjy voina tonga tao an-toerana. Nampaneno anjombona amin'izay ilay fiarabe najanona tery lavidavitra somary takona tery ka nitabataba ery ry zalahy hoe iny fa tonga ny renfort, te-hiseho amin'ny tompon-trano izany ry zalahy fa tena manao ny asany sady vetivety amin'ny zavatra atao.
Maty ihany ny afo nony ela ny ela, lasa ny mpamonjy voina vao gaga ry tompontrano fa nisy entana sarobidy maromaro no nanjavona tao an-tranony izay tsy tena voakasiky ny afo loatra ankoatra ny manoloana ny trano sy ny lavarangana. Tsy nisy fokonolona tafiditra aloha tany fa ny mpamonjy voina sy ny tompontrano ihany no afaka nivezivezy tao. Dia lasa amin'izay ny eritreritra hoe efa fikasana mialoha ve ny hangalarana tao an-trano ka mody nandoroana fako teo akaiky teo hanasaritaka ny fifantohana amin'izay mpangalatra mety ho efa tafiditra tao an-trano; sa tamin'ireo mpamonjy voina no misy fainga-tanana satria raha efitra betsaka kokoa no may dia heverina hoe may koa ny zavatr'olona tsy hita? Dia ahoana moa izany fa marina ihany ny tenin'ilay vehivavy metisy malagasy mandà ny maha-malagasy ny tenany niteny hoe : "Allez cochons! Couillons! Vous, les Malgaches, ne savez que voler!". Tsy io kosa aloha ny nataoko ho lohateniny fa mba famelezana ny metisy no nataoko...
Jentilisa, alatsinainy 18 oktobra 2010