Tsy fitokonana fa fahatezerana ilay teto 67ha avaratra

2010-09-17 @ 22:10 in Andavanandro

Na dia tsy fotoana tokony hanoratako mihitsy aza izao noho ny zavatra tokony hokarakaraina dia tsy laitra fa nitendry ny solosaina ihany. Vao tsy ampy herinandro akory aho no nanoratra fa mety ho avy amin'ny fahatezeran'ny olona noho ny resaka zotra fitaterana no hampiongana ny fitondrana misy ankehitriny, dia hita androany teto 67ha avaratra ny sombitsombin'izany fampitandremana efa nosoratako izany. Marihina fa tsy hoe fampitandremana fampitahorana no nataoko fa filazana mialoha izay mety hitranga rehefa avy ny fotoana.

Marihina fa tsy nanatrika mivantana ny zava-misy aho noho ny asa izay notontosaina fa hagagana tanteraka fony nody raha niova lalana avokoa ny fiara rehetra sy ny fiara fitaterana no nahatonga ahy nanontany ny tato an-trano tamin'izay mety ho zava-misy. Toy ny an'ny maro eto amin'ny aterineto no mba hitako raha nijery ny vaovaon'ny tvplus sy matv ny tena, ary izay ihany no novonjena nojerena.

Fitantarana fohifohy araka ny nolazain'ny saofera no somary fintinina : Mbola tsy tafavoaka ny fiara ny vehivavy lehibe iray sy vehivavy mitaiza zaza iray tamin'ny zotra 183 niala teo amin'ny fiantsonana antsoina hoe tanimalalaka (ampitan'ny Biraon'ny hetra 67ha sy ny Madahotel 67ha) no nihazakazahan'ny polisin'ny boriborintany fahafito (Kaomisarià 67ha) nalaina ny taratasy momba ny fiara sy ny fahazoan-dalan'ny mpamily hitondra fiara. Niteny noho ny fihetsik'io polisy naka taratasy io ny mpandeha tao anatin'ny fiara, ka ny mpanampy ny mpamily indray no novandrahan'ilay polisy. Natsipin'io polisy io teo anoloan'ny fanamoriana ny taratasy rehetra no niteny izy hoe hahita ianareo androany. Dia lasa ny fiara, rehefa tafaverina teo amin'ilay fiantsonana indray ilay fiara ora vitsy taoriana dia nihazakazahan'ny polisy roalahy nosintonina avy tao amin'ny fiara nisy azy ilay mpanampy ny mpamily nahatezitra ilay polisy voalaza teo aloha ihany. Tonga dia nodarohan-dry zalahy tsy nananany antra teo ilay tovolahy. Nentiny tao amin'ny kaomisarià avy eo io mpanampy ny mpamily io ka ny manjò azy aloha dia tsy fantatra mihitsy. Hatreto ny fitantarana hita tamin'ny vaovao an-tsary.

Tezitra noho io zava-niseho io ny olona nanatri-maso ka dia raikitra amin'izay ny fitenenana ilay mpamily hiantso ny namany. Ny fiara 183 irery ihany no nilahatra nibahana ny lalana teo amin'ny toerana nisian'ny trangan-javatra. Tokony ho tamin'ny telo ora teo ho eo no nisian'izay tranga izay. Nihamaro dia nihamarony olona ary tapaka tanteraka tsy azo nalehan'ny fiara intsony ny "Arabe anankiroa" izay manomboka hatreo amin'ny minisiteran'ny asa mankany Ambodin'isotry ka hatreny anoloan'ny Ny Havana. Na dia natahotra ny fiarany saiky hanala ny zotrany aza ny saoferan'ny zotra 183, dia ny olona vory maro dia maro kosa no tsy nanaiky izany. Nanahy ny amin'ny fiara ireo saofera ireo nefa niteny ny olona hoe tsy hisy hikitika izany ny fiaranareo. Mariho hatreto fa ny olona anarivony tsy laitran'ny Emmoreg natosika na nokitikitihina tamin'ny andro mazava no naneho ny hatezerany, ny fiara "nanao fitokonana" kosa tsy tafahetsika noho ny tsy faneken'ireo olona teo ny hanalana ireo fiara ireo.

Na dia tezitra aza ireo olona teny dia horakoraka ihany, fibahanana ny lalana tamin'ny vato trottoir, no tena nataon'izy ireo fa tsy nisy nitora-bato mihitsy ireo mpitam-basy ireo. Ny miaramila no nanapoaka basy sy baomba mandatsa-dranomaso, izay tonga hatreny an-tokotaninay mihitsy ny fofony ka nahalatsaka ny ranomasoko, izaho efa nody alina tsy naharaka ny "action" rehetra fa efa voasavan'ny mpitam-basy ny lalana rehefa tonga teny aho. Nojereko mihitsy manko ny arabe rehetra sao misy potipoti-bato na toy izany fa tsy nahita mihitsy aho. Ny vato sisindalana nabahana ny arabe irery ihany no hitako nitandahatra tamin'ny lalana, sy ny kodiarana nodorana. Milaza izany fa tsy nisy fiomanana velively ity fanehoam-pahatezerana nasehon'ny olona manoloana ny fihoaram-pahefana nataon'ny polisy ity.

Efa nomarihiko mazava tsara taminareo fa izaho dia anisan'ny vavolombelona amin'ny fihoaram-pahefana ataon'ireo polisy ireo fa aman-tsegondra ihany no azon'ny fiara ijanonana amin'ny fiatoana natokana ho azy, misy aza ireo fantatra fa rehefa mijanona eo amin'ny fiatoana fotsiny ianao dia efa nandika lalàna ianao ka alaina avy hatrany ny taratasinao. Talohaloha raha nimenomenona noho ny ataony ny mpandeha dia mamono sofina fotsiny ireo polisy mpanotra ireo. Teto kosa nihoatra ny fihetsika nataon'ny polisy ary dia tsy nampoiziny ny valiny nataon'ny olona. Nijoro fotsiny ireo olona ireo fa tsy nanao na inona na inona, feno avokoa ny sisin-dalana rehetra hatreny Antohomadinika nandalovako fa tsy mbola tonga saina tsara aho tamin'io, tamin'ny hamaroan'ny olona.

Soa ihany fa nahita raha ny mpizaika nody avy tany Ivato tany ka tsy maintsy hifanontany amin'izay mety ho nitranga ary hanan-kotantaraina rehefa mody any amin'ny misy azy, na dia mpanohana ny fitondrana mijoro ankehitriny aza ry zareo (mariho fa tsy miteny hoe fitondrana tetezamita na fahefana avon'ny tetezamita mihitsy aho satria tsy tetezamita intsony ny ao an-dohan'izay mitondra. Nanoratra ihany aho satria efa resy tanteraka tsy te-hitantara intsony ny mpamaham-bolongana eto Madagasikara ka lasa mangetaheta ianareo rehetra any ivelan'i Madagasiakara any. Marihina fa tamin'ny fito ora hariva vao vakin'ny mpitam-basy (tsy manonona hoe mpitandro ny filaminana aho) ny lalana nobahan'ny olona.


Jentilisa, 18 septambra 2010 amin'ny 00:00



Ny zotra 119 no mety hampiongana ny fitondrana

2010-09-14 @ 23:07 in Andavanandro

Hiresaka raharaha momba ny tanàna eto an-drenivohitra na ilay niavian’ny teny hoe politika (polis) indray aho eto. Raha nitodika bebe kokoa teo amin’ny sehatra manerana ny firenena aho tao ho ao dia hitodika kely amin’ny tanànan’Antananarivo indray. Miezaka dia miezaka tokoa ny mpitantana ankehitriny amin’ny fikarakarana ity renivohitra ity. Renivohitra izay saro-tiavina toa landy mohaka, iriarivana sy ifanenan’ny karazan’olona maro avy amin’ny sehatra maro sy fiaviana isan-karazany, dia manaraka ho azy amin’izany ihany koa ny fomba tsy mitovy. Efa ankatoky ny fankalazana manetriketrika ny faha-400 taona nananganana ny tanànan’ Antananarivo rahateo ny mpitantana ka tsy mahagaga raha mba mikofokofoka kely.


Ny zaridainan’Analakely

Zavatra iray nampalahelo ny fo ny nahita ny fanitsakitsahana ny zaridainan’Analakely nahafinaritra sy nireharehana mihitsy taona vitsivitsy lasa izay ; ka efa maty hasina tanteraka saiky tsy nahitana izay endrika mahazaridaina azy izay intsony volana vitsivitsy lasa izay. Ireo mpandoto ny tanàna sy toy ny tsy manankatao afa-tsy ny mangataka no nigalabona nipetrapetraka, natoritory sy nilalao ary nanao maloto nanerana io zaridainan’Analakely io. Noho ny nanabeazana ny olona hanimba ny zava-bitan’ny teo aloha tamin’ny alalan’ny fanerena ny mpivarotra hanitsakitsaka ny bozaka  sy hamelatra ny varotra eo ambonin’io bozaka io no fomba voalohany namonoana ny endrik’io zaridaina io.
 

Ilay notendren’ny ben’ny tanàna teo aloha no karazany nampirisika ankolaka hanimba ny endriky ny afovoan’Antananarivo io, satria karazan’ny mpiambina ilay toera-manan-tantara ihany koa moa izy ireo tsy manan-kialofana na tsy te-hanana fialofana sady tsy te-hiala amin’ny afovoan-tanànan’Antananarivo ary tena nasiaka tamin’ny fiarovana ny kianja na andro na alina. Niova tanteraka anefa vokatr’izany ny fomba fijery ny afovoan-tanàna heverina ho fitaratr’i Madagasikara noho ireo karazan’olona tsy mety miala io faritra io. Nanahirana ny olon-kafa manaraka voatendry hitantana an’Antananarivo nisolo ny teo aloha ny hanala ireo olona efa manana anarana zary fanompana ireo satria nandray anjara mavitrika tamin’ny tolona koa izy ireo tsinona. Niova anefa izany tranga izany rehefa natsangana indray ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo.


Tamin’ny voalohany dia ny faritra manodidina ny Lapan’ny tanàna ihany no nofefena. Avy eo dia nofefena ihany koa ny fiantsonan’ny fiara manatrika ny Lapan’ny tanàna. Zara raha misy ny lalana andehanan’ny fiara amin’izany famefena ny manoloana ny Lapa izany. Heveriko fa anisan’ny paika iray hanalana ireo mpanao bizina amin’iny faritra iny no nanerena araka izay azo natao iny lalana iny. Tsy nahomby loatra anefa izany paika izany fa mbola nifikitra teo amin’ny toerana misy azy ihany ireo mpibizina amin’ny fanakalozam-bola sy fivarotana finday ary zavatra maro hafa isan-karazany ireo. Tamin’izany fotoana izany dia kianja filalaovan’ny 4mi (miloka, misotro, mifoka, mi…janga) hatrany ny zaridaina hafa manerana ny lalamben’Analakely iny. Somary tsy dia nahazatra anefa ny nahita ny endriky ny tanàna amin'ireo tafo fanitso atao fefy ireo. Sahala amin'ireny hoe sisintanim-pirenena roa samihafa ilay toerana.

 
Afaka kelikely, nofefena hazo avokoa ny zaridaina rehetra  tamin’iny faritra iny, ho fanamboarana ny zaridaina. Hoy moa aho anankampo hoe hamboarina dia sokafana hilalaovan-dry kamovelona kosa aloha dia fandaniam-bola amin’ny tsy antony. Kanjo, tsy nahita loatra izay fanamboarana na fanatsarana aho fa navela hiaina fotsiny tsy ho voaelingelina ireo zavamaniry amin’io zaridaina io. Efa volana vitsivitsy sahady no lasa fa hita ho velombelom-bolo tokoa raha tsikilovina ny zaridaina, na dia nandalo ny ririnina aza isika, ririnina nampaharingitra ny voary. Azo lazaina noho izany fa hevitra vonjimaika mety aloha ilay paika « nanakatonana » ny zaridaina, fa ny fahasahiana mandrara ireo « mpiambina » nandritra ny tolona sisa no andrasana rehefa hosokafana ho endrika kanton'ny tanàna indray ireo zaridaina notakonana ireo. Ny kilema lehibe an’ny mpitantana ankehitriny manko dia noho izy ireo tsy nolaniam-bahoaka tamin'ny alalan'ny fifidianana ka tsy dia omen’ny olona hasiny loatra na dia miezaka ny manao zavatra tsara aza.

 
Ny Mpivarotra amoron-dalana

Olana iray tsy mety voavaha ny amin’ireto mpivarotra amoron-dalana ireto. Maro tamin’izy ireo ihany koa no nanaraka ny tolona volomboasary satria karazandrazany nahazo fampanantenana hahazo hivarotra malalaka nandritra ny fitantanan’ny ben’ny tanàna voafidim-bahoaka tamin’ny isam-bato 66% raha tsy diso ny fitadidiako. Ireny koa moa no « vahoaka madinika » nahazoana ny ampaham-bato nandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna farany. Fandresena lehibe azon’izy ireo ny nanapahana ny lalana « petite vitesse » hahafahan-dry zareo mivarotra mahazo alalana anaty arabe. Tolona somary nahery vaika ihany no nahazoan-dry zareo io toerana io ka nahazoany fahafaham-po. Efa nozarina higidragidra tamin'ny mpitandro ny filaminana manko ka tsy mikoso-maso ihany koa (tombony lehibe ananan-dry zareo izany). Tsy ampy nitoeran’ny mpivarotra rehetra anefa ny toerana fa mbola henika azy ireo hatrany ny moron-dalana nisy azy ireo hatrizay.

 
Nisy ny fotoana, somary nanao fihetsika nahery vaika tamin’ny fandraofana ny entan’ny mpivarotra amoron-dalana ry zareo mpiasan'ny Kaominina,nahery dia nahery tokoa ny fifanenjehana. Maro tamin’ireo entana noraofin-dry zalahy mpiasan’ny Kaominina efa lasa « police de marchés » ireo anefa no tsy tafaverina tamin’ny tompony intsony ka lasa niheveran’ny mpivarotra fa mpanendaka sy mpangalatra nahazo alalana avy amin’ny fitantanan’Antananarivo ry zalahy ireto. Indray Asabotsy moa dia tena velona tokoa ny fifandonana satria efa masaka tokoa tamin’ny mpivarotra ny hoe mpangalatra ireo, ka mila faizina ny mpangalatra. Tratran’ny be noho ny vitsy ka tsy afa-nanoatra ry zalahy be sandry satria nisy mihitsy ny naratra araka ny fitantaran’ny mpivarotra. Voatery Narahana miaramila sy zandary mihitsy ry zalahy taorian’izany tranga izany ireo polisin’ny tsena ireo.

 
Noho ny tsikera mamaivay nahazo an-dry zalahy sy ny tondro-molotra ho mpangalatra angamba fa mety ho voatenin’ny mpitantana mafy dia mafy ry zalahy ka niova fomba fiasa. Tsy dia nanao fandraofana loatra intsony ry zalahy na dia tsy nambara ampahibemaso aza izany fa dia ny manala ireo mpivarotra amin’ny alalan’ny fahatongavana ihany no natao, ary karazany nanampy ny mpivarotra tsy manara-dalàna tamin'ny fanalana entana aza tamin'izay hitako teo Ifaliarivo Ambanidia. Tsy nisy mihitsy aloha ny fifampikasihan-tanana ao anatin’izany rehetra izany. Fantatry ny mpivarotra angamba fa tsy afa-mikasi-tanana azy ireo ny « polisy » ka dia toa tsy miraika loatra intsony ny mpivarotra. Ny hany vonjen'ny mpiasan'ny Kaominina dia ny tonga mialoha ny mpivarotra dia manakana azy ireo tsy hamelatra entana vao maraina amin’ny lalana fandehanan'ny olona sy ny fiara, toy izay natao ihany tamin'ny andro taloha.

 
Fiara fitaterana vaovao

Ny zavatra farany tantaraina nefa kosa anisan’izay tena tiana hahatongavana amin’ity lahatsoratra ity dia ny momba ny teti-panoron’ny fitantanana an’Antananarivo eo amin’ny ezaka hanatsara ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra amin'ny alalan'ny fametrahana karazana fiara « vaovao » natao hitatitra ny olona. Ainga iray ( Ainga vao II no anaran'ny koperativam-pitaterana mampitohy an'Ankatso amin'i 67ha) hanaovana izany fanatsarana ny fifamoivoizana amin'ny alalan'ny fifanampiana amin'ny mpitatitra izany ny fananganana zotra filamatra ka notsongaina manokana  ny 119. Petra-kevitra napetraky ny mpitantana hanatsarana ny fifamoivoizana ny fametrahana izay tena tokony ho fiara fitaterana an-drenivohitra ka rere fa ireo fiara mahazaka olona 30-40 no hivezivezy manerana ny tanàna misolo ireo fiara efa antitra. 


Tsy dia vahiny loatra amin'io zotram-pitaterana io anefa ny tena satria na fony nianatra, sy niasa tamina toerana iray manaraka iny lalana iny dia io zotra io hatrany no noraisiko. Raha misy koa ny toerana handehanako ka andalovan'io zotra io dia toy ny mahavantana ahy kokoa ny mandray io zotra io noho ny mandray zotra hafa. Noho izany, hiverina kely amin'ny tantarany aho hanambara fa fanamby goavana io ataon'ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo io ka avy amin'io tetikasa io, raha tsy mitandrina ry zareo, ny hampiongana ny fitondrana ankehitriny... ary tsy vitsy velively ny miandry izay ho tohiny. Resaka tamin'izay afa-nifampitafa tamiko no lasa ahasahiako miteny izay andrasan'olona sasantsasany izay.


Tantara kely 
 
Taona maro dia maro lasa izay dia fiara antonontonony no tsaroako manatontosa ny zotra teto Antananarivo. Nisisihana dia nisisihana tokoa ny fiara (zotra 7 Analakely 67ha no tadidiko voalohany ho fandehanana rehefa niaraka niantsena tamin'ny ray aman-dreny teny Analakely fony tena kilonga tokoa ny tena). Tadidiko fa tena isisihana tokoa ny fiara ary ny mitsangana no betsaka kokoa noho ny mipetraka. Tsaroako fa tamin'izany fotoana izany dia tsy voahaja loatra fahadiovana na dia mahazo tapakila isan'olona aza ny mpandeha rehefa mandoa saran-dalana. Tonga ny fotoana efa tafiditra tanatin'ny revolisiona sosialista tsara ny firenena, nisokatra kokoa tamin'ny tany Eoropeana tatsinanana ny mpitondra, ka dia nafarana avy tany Hongrie izany fiarabe marika Ikarus mahazaka olona hatramin'ny 80-100 izany.
 
FIBATA 
 
Nolokoina mavo misy tsipika lehibe manga tanora ary nantsoina hoe FI.BA.TA (FItateram-BAhoakan'anTAnanarivo) ireo fiarabe ireo. Fiara vaovao ve moa tsy ho tsara ny lokony ary mahafinaritra ny mijery azy? Finaritra tokoa ny tena, mbola zaza, nahita izany, saingy efa olana tamin'izany fotoana izany sahady ny tsy fisian'ny kojakoja hanolokoloana ny fiara. Vetivety ihany dia potika ny fiara ankoatra izay mety ho tsy fahombiazan'ny fitantanana. Mahatadidy koa angamba isika fa nisy trondro nafarana avy tany Korea natsoin'ny Malagasy hoe trondro FIBATA noho izy ireo toy ny amalona nefa mpihinana trondro gasy.

 
FIMA 
 
Fotoana vitsivitsy taoriana indray dia tonga indray ny andiany faharoa ny Ikarus, vita eoropeana tatsinanana ihany. Nolokoina mena midorehitra na jaky indray ireto fiara fitaterana vaovao ireto ary nampitondraina ny anarana hoe FI.MA (Fitaterana Malagasy) indray. Fiaran'ny Kaominina, mijaly fadiranovana hatrany isaky ny misy grevin'ny mpianatra satria ireny fiara ireny no enjehina hivezivezena manerana ny tanàna rehefa misy ny mahatezitra... mbola kely loatra angaha ny tena fa toa tsy nahatadidy loatra hoe inona moa no tena notakian'ny mpianatra ka nakàna ireny fiaram-panjakana teo imason'ny mpianatra ireny. Nijaly tokoa ny fiara 19 raha vao migrevy ny mpianatr'Ankatso satria ry zareo hatrany no lasibatra voalohany ka ny vahaolana tsotra indrindra dia ny mody ihany fa tsy manohy ny fitaterana intsony amin'iny andro iny. Dia mbola nitovy tamin'ireo voalohany ihany koa ny olana tsy fahampian'ny kojakoja fanolo tamin'ireny fiara izany. Tsy tsaroako tsara moa fa toa nahatadidy ratsy ihany aho fa misy fiara antonontonony nahazaka olona eo ho eo amin'ny 40-50 eo nanampy ireo fiarabe Ikarus ireo tao amin'ny FI.MA. Vokany niha-najavona tsikelikely ny koperativam-panjakana ka dia ny fiara tsy niankina mampalahelo kely ireny indray no nameno ny tanàna.

 
Antafita 
 
Vita indray ny amin'iny dia ny firenena Japoney indray no tadidiko nifanaraka tamin'ny fitondrana malagasy handefa fiara fitaterana teto an-tanindrazana. Fiara marika Japoney indray noho izany no ho tonga ary dia nantsoina indray hoe Antafita (Antananarivo Fitaterana) ireo fiara fitaterana ireo. Tsorina fa tsy tadidiko loatra intsony ny faharetan'ity koperativam-panjakana farany teto Antananarivo ity fa dia niserana navalon'ny tantara ihany koa ny momba azy taty aoriana. Tamin'izany fotoana izany tsy tsaroako mihitsy izany hoe polisy maka taratasin'ny fiara noho ny fandikan-dalàna izany. Tsy nisy maika handeha avokoa ny ankamaroan'ny fiara fitaterana tamin'izany fotoana izany na dia toa tsy naharaka ny isan'ny olona velively aza ny hamaroany rehefa firavan'ny mpiasa sy ny mpianatra indrindra. Mitokozihitra tsy mety handeha fa miandry ho feno kosa anefa ry zareo rehefa antenantenam-potoana. Nijaly tokoa ny olona niandry ny sitrapon'ireo fiara fitaterana ireo tsy maika velively.

 
Ny Papango 
 
Nisy ny vondron'olona nahita ny lesoka ka fiara somary madinika (504 sy 4O4 familiale na berline) no nanambatra mpandeha maromaro ka nanokatra saran-dalana vaovao avo noho ny fiara fitateram-bahoaka nefa nahafa-po ny olona noho ny hafainganany. Nisy vitsivitsy ny anaran'ireo fiara fitaterana vaovao tsy nanara-dalàna ireo ka misy ny manonona azy ho "taxi collectif" ary misy koa ny milaza azy ho "papango". Tery dia tery ny toerana nefa naleon'izay maika hody nihafy tamin'izany toy izay ho tratra alina. Niitatra tsikelikely na nihalehibe kokoa ny papango, ka ireo fiara marika japoney hatrano no maro nisafidy hanao ilay zotra vaovao. Tsy miandry na mijanona ela eny amin'ny fiantsonana ireo fiara ireo fa mameno dia lasa, teraka ho "buxi" indray ny fiantso azy tamin'izany fotoana izany. Tamin'izany fotoana izany dia ny mercedes 307 sy ny mazda na ny toyota no maro tamin'ireny zotra mandeha haingana kokoa ireny.
 
 
Ny nampiavaka ny 119 

Tao anatin'izany no nifaninanan'ny Mazda/Toyota tamin'ny mercedes 307 tao amin'ny zotra Ainga vao II (119). Raha somary niandry na nameno olona kokoa ny mercedes ka somary nitarazoka an-dalana, dia tsy niandry kosa ny mazda na dia tsy feno aza. Tsikaritry ny olona vetivety izay fomban'ny Mazda/Toyota izay ka naleon'ny maro niandry azy ireny toy izay hikafiry mercedes satria matetika no voasongona an-dalana ireo marika alemana. Faramparany dia tsy nisy mpandeha intsony, na tsy nety nandeha tamin'ny mercedes intsony ny mpandeha fa dia nionona tamin'ny Mazda/Toyota ny olona. Nisintaka tsikelikely tamin'ny zotra ainga vao II ny mpanana mercedes nifindra ho zotra hafa, hany ka nampiavaka ny zotra 119 ankehitriny ny tsy fisian'ny fiara ankoatra ny mazda sy toyota ary hyundai izay olona 18 eo ho eo ihany no zakan'ny fiara iray. Raha ny hafainganan'ny zotra angamba tsy nisy tahaka ny 119 ka tsy mila halalinina lavitra loatra intsony ny antony hifidianana azy ho zotra filamatra.


Izay mahatadidy dia hahatsiaro fa tetikasa efa niomanana hatramin'ny fampielezan-kevitra na fotoana fohy monja taorian'ny fifidianana ben'ny tanàna farany teo ity tetikasa heverina ho avy tsy ho ela iarahana amin'ny faritra iray any Frantsa miaraka akaiky amin'ny mpitantana ny eto Antananarivo amin'izao fotoana izao ity. Maro amin'ny olona mpandeha 119 no tsy resy lahatra loatra amin'ny fanovana ho lehibebe kokoa ny fiara fandehanan'izy ireo, satria manahy ny mpandeha fandrao hampitarazoka ny halakin'ny zotra ny fidiran'ireo lazaina fa fiara vaovao ireto, na ho tsikaritra avy hatrany fa homena tombondahiny aza izy ireto amin'ny fikarakarana manokana ny toeram-piantsonana. Anjaran'ny tompon'andraikitra ny mamaly na manome toky ny mpandeha ny amin'izay. Tsikaritra ho tsy mitodika loatra amin'ny tombotsoan'ny mpandeha manko ny fikasan'ny mpitantana an'Antananarivo.

 
Ny tsikaritra 
 
Voalohany, toa terena hosoloina ireo fiara efa niasa, raha ny vakiako avy amin'ny bolongan'ny tanàna ato. Hoy manko ny voasoratra mazava ato hoe:

Ny fanatsarana sy fanavaozana atao:

Foto-drafitr’asa momba ny fifamoivoizana (lalana, toeram-piantsoana),
Fanoloana ireo fiara fitaterana no ho voakasika.

Tsy mamorona velively aho eo fa io aloha no voasoratra nataoko dika sy petaka hovakianareo. Karazana tsy femelana hisian'ny fifaninana raha ny fahazoako io soratra io aloha, ary tsy mandehandeha foana ny soratra tahaka ireny. Mahavariana moa fa izaho angamba no tsy mahazo resaka tsara fa hitanareo tsara io hoe: "Samy hahazo tombony amin’ity tetikasa ity avokoa ireo ankoatra ny mpandeha." Tena fanaovana tsinontsinona ny mpandeha mihitsy raha ny famakiako azy fa asa ny hevitrareo...enga anie tsy hiova tampoka ny lahatsoratra.


Faharoa, mampiahiahy ihany koa ny lahatsoratra hafa avy amin'ny bolongan'ny kaominina Antananarivo renivohitra, mikasika ity resaka 119 ity ihany. Ary ny mahatalanjona ahy moa dia misongadina tsara ao anaty lahatsoratra ireo tsikeraiko. Hita mazava ao manko fa andrasana avy amin'ity famoronana sy fandrafetana ny endriky ny tanàna vaovao ity :

ny fanatsarana ny tanàna an’Antananarivo ;
ny fahafaham-po sy ny fitandroana ny ain’ny mpandeha ;
ny fandanjalanjana ny hafainganam-pandehin’ny fiara mpitatitra sy ny fihatsaran’ny fidiram-bolan’ireo mpandraharahan’ny sehatry ny fitaterana.


Fanorenana vaovao tokoa ve moa tsy ho endrika fanatsarana ny tanànan'Antananarivo izany. Voasoratra eto moa ny hoe fahafaham-po sy fitandroana ny ain'ny mpandeha, mampiavaka ny zotra 119 ny fandehanana mafy sy ny fisongosongonana eny an-dalana fa tsy milalao an-dalana izany. Raha any amin'ny zotra hafa no mety himenomenona amin'ny fandehanana haingana loatra, fa tsy amin'ny 119 kosa; ny ho tonga haingana ihany no fantatry ny mpandeha raha manandrana mandeha aminy ianao amin'ny ora fidirana indrindra indrindra. Mipetraka tsara eo ihany koa io ny hoe lanjalanjaina ny hafainganam-pandeha, io indrindra no mampanahy fa sao dia higorerarera no tena katsahin'ny mpitantana an'Antananarivo fa tsy ny hampisosa tsara ny fifamoivoizana. 


Tsaroako fony izaho andalo tany Chili fa tsy misy mahay mandeha mora ny fiara any fa maika dia maika avokoa na dia afovoan-tanàna aza, saingy miasa tsara kosa ny jiro telo soratra. Rehefa anjaran'ny fiara no mandeha dia diso avy hatrany ny mpandeha an-tongotra raha mbola mitady hisosososo hidina ny arabe hatrany ianao; maka tsoa-kevitra fotsiny tamin'izay hitako nahita izany fa tsy mahazo rariny ny mpandeha an-tongotra raha voadonan'ny fiara amin'izany. Rehefa anjaran'ny mpandeha an-tongotra indray ny miampita dia tsy misy mahazo mihetsika ny fiara, eny fa na dia tsy misy olona miampita intsony aza raha mbola tsy mivadika maitso ny loko. Mety ihany izany hoy aho anankampo fa tsy hoe omena rariny hatrany ny mpandeha an-tongotra na dia manao fanahy iniana aza indraindray. Voasoritra mazava moa ny toerana fiampitana amin'izany, ary tokony hisy fanatsarana ny lalàna ihany koa angamba.


Ny tahaka ny kisendrasendra, tamin'ity raharaha ity dia ny fampitandremana nataon'ny tompon'andraikitry ny mpitandro ny filaminana misahana ny fifamoivoizana fa horoahina avy hatrany izay polisy tratra manao kolikoly ary voasazy miaraka aminy ny saofera. Ao ambadik'izany eo anatrehan'ny olona dia hoe tsy azonareo polisy kitikitihina na tairina handeha ireo fiaranay ireo fa aleo hanao ny sitrapony na hijanona adiny iray eo amin'ny fiatoana aza. Kinga dia kinga amin'ny fakana taratasy manko ireto polisy ireto, na dia 10 segondra monja aza no ijanonan'ilay fiara eo amin'ny fiatoana iray ary mbola tsy tafavoaka ny fiara akory ny mpandeha hiala. Nahita izany matetika ny tena matoa mahasahy manoratra etoana. Te-hitango vola manko ry zalahy amin'iny fotoana iny. Eto kosa indray, toa hahazo alalana hanao "dona miala" na hoe tsy miainga ny fiara iray tsy feno raha tsy tonga ny fiara faharoa hameno eo amin'io toerana io ihany.

 
Tsoa-kevitra 
 
Eo no mahatonga ahy hiteny fa raha tsy mitandrina ny mpitantana dia avy amin'io fanovana amin'ny alalan'ny 119 io no hipoiran'ny fahatezeran'ny olona voalohany ka hiitatra amin-javatra hafa. Tsy tian'ny mpandeha 119 ny mirerarera ka raha vao mitady hanao izany ireo fiara vaovao dia mety hiteraka fifamaliana amin'ny olona. Manaraka izany, nisy ihany ny niteny fa tsy an'ny Kaominina velively ireo fiara ireo fa hovidian'ny olo-tsotra, saingy mety tsy hahalala izany ny olona ka raha avy ny sanatria dia ireo fiara vaovao ireo no ho lasibatra voalohany, aza misy anie izany. Nahoana no tsy zotra hafa tsy maharaka toy ny 115 mampitohy an'i 67ha Mandroseza no hanaovana fanandramana azy ity sa lavitra loatra ka mety hahafaty antoka? toa ny fidiram-bolan’ny mpandraharahan’ny sehatry ny fitaterana no tena tsinjovina raha ny voasoratra no asongadina... nefa dia hiaraha-mahita eo ihany moa ny tohiny.


Jentilisa, 15 septambra 2010 amin'ny 01:08


Na mihinana aza mbola ho noana!

2010-09-02 @ 22:26 in Andavanandro

Lohateny nalaina avy tamin'ny tononkiran'ny mpihira malagasy iray namerimberina fa: "izay manao ny marina na lavo aza mbola ho tafarina fa izay manaonao foana, na mihinana aza mbola ho noana". Resaka hanina indray aloha ka! Tena hafa mihitsy ho'aho isika Malagasy fa tsy mba mikorapadrapa-poana izany. Maka milamina hatrany satria iaraha-mizaka ny fisondrotry ny vidin'entana ary lazain'ny gazety fa tratran'izany amin'izao fotoana izao ny vidin'ny lafarinina sy ny vary. 


Re manko fa raikitra ny rotaka tao ampita andrefana tao raha nokasaina ny hanondrotana ny vidin'ny mofo, ankoatra ny fisondrotry ny vidin-jiro sy rano io ny androtry ny fanapahana hampanakery ny fanondrotana. Tsy voalohany moa io rotaka io fa fanindroany izay raha araka ny voalazan'ireo olo-tsotra mpitati-baovao avy any an-toerana. Ny nahavariana dia ny fomba nitateran'ny Haino Aman-Jery malaza sy fanaraky ny Malagasy maro azy, notaterin'ny namana iray atsy ambadika atsy. Efa misy samihafa sahady manko ny voalazan'ireo loharanom-baovao roa ireo. Ny voalohany manambara fa tsy nihetsika ny vidin'ny mofo efa roa taona izao fa ny fifampiantsoana tamin'ny alalan'ny finday sy ny serasera no tena nahafaingana ny hetsika sy ny rotaka. Ny faharoa kosa nanambara fa tsy mitsahatra ny misondrotra ny vidim-piainana ka tsy tantin'ny olona intsony no nahatonga ny rotaka. Izay ilay samy manana ny fijeriny fa anjaran'ny tsirairay no mamakafaka sy mandanjalanja. Ny tahaka izao ihany koa no tsy mahasasatra anay hitatitra mandrakariva izay tsikaritray. Ny somary nahavariana tamin'ilay notantarain'ny namana dia ny fitakiana hamerenana ny mpitondra teo aloha mpanelanelana ny raharaham-pirenentsika hamaha io olana any aminy io.


Hafa tanteraka kosa ny eto an-toerana, satria tsy tafiditra amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta loatra ny fanondrotana vidin'entana afa-tsy izay sahanin'ny fanjakana ihany angaha (toy ilay vidin-tsolika nahafahan'ny mpandraharahan'ny solika nividy ny vola vahiny amin'ny 2000ar ny dôlara iray raha tokony ho efa 2200ar izany nialoha ny fifanarahana tamin'ny fitondrana?). Noho izany angamba no tsy mahataitra ny Malagasy loatra hikorontana fa hiasa mafimafy kokoa angaha hahazoana vola bebe kokoa, nefa asa toy ny inona? Saingy hendry na ny mpanao mofo na ny olona satria lasa tsy ampy anjaran'olona iray izany mofo dipaina iray manontolo izany satria tsy nisondrotra ny vidiny, ary ny olona tsotra kosa mitady zavatra hafa asolo azy dia ny paty indrindra indrindra... hehehe... fa vita amin'ny inona moa ny mofo dipaina ary vita amin'ny inona kosa ny paty fihinana? Soa ihany aloha fa ny vidin'ny vary sy ny lafarinina ihany no miakatra fa tsy ireo e!...hehehe... ahitsio aho raha diso fa tena diso mihitsy.


Fa tsikaritro tokoa aloha fa nitombo ny mpivarotra hani-masaka mandehandeha ka ny miavaka indrindra amin'izany dia ireo mpivarotra paty efa masaka, ampiarahany amin'ny karazan-kanina samihafa izy ireny ka misy ny mampiaraka azy amin'ny atodiakoho, na karaoty sy ovy, na izay mety atao ho karazana laoka samihafa e! fa mora aloha ny vidiny sady samy manana ny azy rahateo, tsy miresaka ny fahatakaran'ny sarambamben'ny olona izany vidiny izany loatra aho satria azoko heverina fa ny vidin-tsakafo masaka no isan'ny mora indrindra manerana ny tsena fa tsy azo atao kosa ny mieritreritra ny fahadiovany. Amin'ny ankapobeny moa dia tahaka ny anaty koveta anaty sobika na anaty fitehirizan-kani-masaka anaty harona no fanaovan'ny mpivarotra ireny hanina ireny. Na izany aza lasa saina ihany aho indraindray ka manao hoe tena mahasolo ny vary tokoa ve ny paty feno manerana ny tanàna? Dinihina toa karazany aty Madagasikara indray no nanaraka ny torohevitry ny solontenam-panjakana ao ampita andrefana fa tsy vomanga sy saonjo mbamin'ny mangahazo no nampifanoloana fa zavatra vita amin'ny lafarinina ihany no asolo zavatra vita amin'ny lafarinina.



Jentilisa, Antananarivo 3 septambra 2010 amin'ny 00:26
 
 

Voakarama hanendaka? sa hanakorontana?

2010-09-01 @ 22:24 in Andavanandro

Efa somary lavalava ihany ny lahatsoratra nosaratako saika havoaka no najanona satria nisy tranga be ifandraisana aminy nefa tsy mety atsofoka eny an-tsefatsefany eny intsony. Lahatsoratra vaovao noho izany no natao satria miova ny fomba hamoahana ny hevitra na lohahevitra mitovy ihany aza no lazaina. 


Dia nisy, hono satria olona no niteny tamiko, haino amanjery iray sa vitsivitsy, nahenoana fa misy amin'izao fotoana izao bandin'i Manjakaray, 67ha (Ankasina), Andavamamba ary faritra hafa karamaina hanendaka sy hangalatra ary handroba, mba entina hanaporofoana fa tsy milamina ny tany... na tsy lazaina aza dia fantatra ny tian-ko lazaina ho manakarama satria isan'andro isan'andro ny fanasoketana ny anarany amin'ny haino aman-jery ary ny gazety mpivoaka eto Madagasikara, ary izaho naheno ilay vaovao indray manana anarana radio ao an-tsaina avy hatrany raha vaovao tahaka izany no mivoaka, saingy tsy afa-mitompo teny aho satria tsy naheno ilay vaovao mivantana... nefa kosa ambara fa tsy olona iray na roa no nilaza io "vaovao" io tamiko. Nihomehy anaty ihany aho satria karazam-baovao fampihorohoroana toy izany hatrany no nitaizana ny vahoaka efa nihoatra ny taonjato iray sahady izay. Ny talohan'izany moa tsy fantatra loatra fa ilàna mpandalina tantara manokana angaha.


Nalaza nandritra ny fotoana nahatongavan'ny vazaha maro teto Imerina, nialoha kely sy teo ampiandohan'ny vanim-potoanan'ny Fanjanahantany ny resaka mpaka fo. Heverina ho ny vazaha no tena maro amin'ireo mpaka fo ireo ary nisy koa ny fikambanana framasao no voasoketa amin'io tsaho io. Nisy fiantraikany tamin'ireo sarambaben'ny olona any ambanivohitra rehetra any tokoa ny lazan'io mpaka fo io ka raha mahita vazaha ny ankizy sy ny badobado dia mandositra avy hatrany. Ilay fomba fiteny ankolaka fa manao izay hanintonana ny fon'ny olona no nivadika ho zavatra mivantana ho mpaka fo hohanin'ny vazaha ohatra. Dia tsy nisy intsony ny olona sahy nivoaboaka tamin'ny alina satria ankoatra ny mety hifanenana amin'ny mpamosavy dia misy koa ny mpakafo izay mety hangalarany ny fon'ny olona mifanena aminy. Vokany, nandry fehizay ny tany rehefa amin'ny alina satria tsy re loatra ny fisiana halatra. Ny toy io angamba no iray amin'ny antony nampalaza ny taloha ho tsy nahenoana loatra izany hoe hala-botry izany... Mifanindran-dalana amin'izany tsaho toa tsy nampiraika ny vazaha mihitsy ny hanitsy azy izany dia napetraka ny lalàna fa tsy misy olona mahazo mipetra-drery any ankodahoda any fa tsy maintsy any an-tanàna avokoa no manorin-trano, fomba tsotra entina hanaraha-maso sy hifehezana ny olona moa io lalàna io. Marihina fa na amin'izao fotoana izao aza dia mbola malaza io resaka mpaka fo io any amin'ny sarambaben'ny olona sasany any miampy ny lazan'ny mpangalatra taova malaza manerantany ihany koa moa izy io na dia tsy henon'ny saranga antonony sy sarangan'ny mpanankarena an-tanandehibe loatra intsony aza.


Nandritra ny faramparan'ny fanjanahantany sy ny repoblika voalohany indray, tsy dia mahafantatra izay mety ho zava-nalaza ho nampatahotra ny olona loatra aho, na izaho no tsy manam-baovao loatra momba izay tsaho natahoran'ny olona. Ambarako mazava tsara aloha izay. Fa tsikaritro kosa, nisy gazety amin'ny teny malagasy sasantsasany, ary tsy miankina amin'antoko na amin'ny fiangonana, tia mamoaka ireo misitery isan-karazany ka tia manasongadina resaka matoatoa sy angatra mivezivezy manerana ny tanànan'Antananarivo amin'ny alina ary nambara ihany koa na tsy tadidiko loatra intsony tamin'ny namaky azy ireny ny ora fivoahan-dry zareo. Mamaky izany kosa aloha ny ankizy tena koditra mihitsy, raha ny fiantraikany amin'ny olon-dehibe indray tsy dia nandrenesana akony loatra ary anisan'ny manahirana ny mamantatra azy amin'ity Malagasy tsy tia namoaka loatra ny heviny ity. Fa mbola nanana ny lazany ihany fa tsy nisy nangalatra tamin'izany fotoana izany, raha ny an-tanan-dehibe no resahina, izany lamba nahahy teny an-davarangana izany. Izany hoe raha nitodika indray aho dia karazam-baovao entina hampipirina ny olona any an-tranony ihany koa ny karazan-gazety tahaka itony ary manahy aza aho fa ny fanjakana mihitsy no nanakarama azy ireny hampilamina hatrany ny tany sy ny firenena. Na nangina aza ny tanàna dia tsy natahorana loatra izany hoe mpanendaka izany, ary tsy nandrenesana loatra ny momba izany raha an-tanan-dehibe. Tsy fantatro kosa anefa raha efa fiteny tamin'izany fotoana izany na tsia ny hoe mpanakan-dalana.


Niova kosa ny toe-draharaha rehefa niditra ny Repoblika faharoa. Noho ny karazana korontana naharitra nandritra ny tetezamita nitondran-dRamanantsoa Gabriel kosa dia simba tsikelikely nanaraka izany ny soatoavina nampanjakan'ny Malagasy izany hoe fandriampahalemana sy fihavanana. Nalaza ny resaka madinika ary izay tsy manaja ny madinika dia mpanoha-riana sy kapitalista. Nanomboka nanao izay tiany atao amin'izay ny madinika. Nisy ny olona navondrona ho ao amin'izany Tary Tonga Saina izany hampivoarana ireo avy amin'ny sarangam-bahoaka mahantra saingy nisy nanodina ny sain'ireo Tary Tonga Saina ireo ho lasa fitaovam-pamoretana sy fiarovana ny sezan'ny mpitondra ka noadinoina tsikelikely ny manjò ny vahoaka. Ireo no fitaovana nentina nampihorohoroana sy nampanafihana ireo mpanankarena mety ho nanelingelina fitazonana ny fitondrana. Ireo no nalaza tamin'ny fanendahana sy ny fanafihana mitam-basy, ary tsy adinoina ihany koa fa naka tovovavy ankeriny ihany koa izy ireo ary nosafidiany mihitsy ireo vehivavy nalainy an-keriny sy niterahany ireo ho kazaran'ny valin'asany tamin'ny fitondrana tamin'izany fotoana izany. Niova tanteraka ny zava-nitranga satria tsy nanana tahotra intsony ny mpangalatra fa ny olo-tsotra kosa niaina tao anaty tahotra. Mazava loatra fa fady izany mandeha alina izay tsy dia nahazatra ny olona loatra eto an-drenivohitra moa (marihina fa tsy miresaka ny any amorontsiraka mihitsy aho eto). Nisinisy ny toerana malaza ho misy mpanendaka izay fady ny mandeha aminy amin'ny andro alina. Fa tsy nanana henatra ihany koa ireo jiolahy ireo na dia amin'ny andro atoandro aza, mivondrona ary manana paika entina hanakiviana ny olona izay tsy mety miray hina ihany koa moa raha eny an-dalana no misy tratran'ny fanendahana.


Ankehitriny, mbola tsy mahazatra ny olona mihitsy izany mandehandeha na mihaona na manao zavatra amin'ny alina an-drenivohitra izany ankoatra ny zoma mahafinaritra eny Analakely sy ny Cabaret angaha saingy ho an'ny olona manana fiara moa izany no tena marina. Misy ihany ny fiarakaretsaka saingy noho ny antony dia tsy hivoaka na handeha any amin'ny toerana somary sisintsisin'ny tanàna mihitsy izy ireny, marihina anefa fa tsy mifankaiza loatra amin'ny saran-dalana amin'ny atoandro izany saran-dalan'ny fiarakaretsaka amin'ny alina izany. Mirongatra dia mirongatra tokoa ny mpangalatra sy ny mpanafika any an-trano ary fitaovam-piadian'ny mpitandro ny filaminana ihany no ampiasain'ireny jiolahy ireny. Malaza moa fa ampanofaina ireny fitaovam-piadiana ireny, noho izany tsy zavatra kelikely no halain'ny mpangalatra fa tsy maintsy maka tombony amin'ny zavatra ataony izy. Vokany, tsy vitan'ny hoe eny an-dalana ihany no mety anamparan'ny jiolahy ny heriny fa na dia any an-trano aza dia tafihiny, ary na dia toerana misy zandary aza dia tsy mampihemotra an-dry zalahy. Very fanahy mbola velona ny vahoaka izay tsy manana fitaovam-piadiana raitra tahaka ny jiolahy. Vokany, mipirina rehefa misy toe-javatra manahirana ka mionona rehefa tsy ny tena aloha no tafihina. Noho izay toe-javatra tsy voafehy izay intsony angamba no mahatonga ny sasany hanasoketa olona fa manakarama bandy avy any amin'ny faritra mafana eto an-drenivohitra hanendaka sy handroba, fa mila karamaina ve ny mpangalatra (?), entina ilazana fa tsy milamina ny tany ary tsy mahafehy ny filaminana ny tompon'andraikitra. izaho kosa moa mieritreritra fa matoa tafahoatra tahaka izao ny fanafihana mitam-piadiana dia ao amin'ny mpiandraikitra ny famongorana ireny asa ratsy ireny mihitsy no fositra voalohany.


Rehefa namaky ilay lahatsoratra indray aho dia tsy afa-po tamin'izay voasoratra satria tsy izay nokasaiko hosoratana indray no voasoratra nefa efa vita ihany ilay izy dia navoaka ho anareo ihany aloha. Amin'ny manaraka angamba aho mamoaka izay tena tiako ahatongavana. 



Antananarivo 2 septambra 2010 amin'ny 00:22 (02/11/2010 @ 00:22)


An'i Dada ihany, hono, itony!

2010-08-25 @ 09:57 in Andavanandro

Hiresaka zava-misy andavanandro kely indray aloha aho. Misy Yaourt tsaratsara izany amidy eny am-pivarotana eny saingy somary lafolafo dia misy mitsatsaingoka avy eo: "An'i dada ihany ange, hono, itony fa mody novaina ny anarany e!". Misy glace ihany koa amidy manerana ny mpivarotra maro saingy hafa ny endriky ny tavy hametrahana azy sady ahatsiarovana ihany koa ny tsiron'ny an'ny tiko fahiny, dia lasa indray ny resaka hoe: "An'ny dada koa, hono, itony fa tsy maintsy novaina ny anarany". Nihomehy anaty ihany aho mahita izany fomba firesaka izany satria rehefa tsaratsara tsiro ny vokatra dia lazaina fa an'i dada izy io fa novaina anarana.

Tranga efa elaela kokoa fa noadinoiko ny nanoratra azy fa variana tamin'ny tolona politika loatra ny tena. Feno dibera sy margarina avy any Afrika any, raha ny fonony no jerena, ny tsena. Maro ny mpivarotra no te-handafo dia nilaza hoe: "diberan'i dada itony fa tsy maintsy nosoloina ny fonony hahafahana mivarotra azy". Vao nanandrana anefa ny tena dia mangidy sira ilay izy... tsy ny dibera na ny margarinan'i dada ho'aho no mangidy tahaka izany... raha mijanona andro vitsy aoriana ilay izy dia tena tahaka ny fotaka avy eo ny tsirony ary tena mankandoa mihitsy. Izany hoe ny vokatr'i dada no hanaovana dokambarotra hahalafosana entana, satria manko malaza ho tsara ny vokatra avy amin'ilay "mpanao didy jadona" sy "mpangalatra tany" iny. Izany hoe raha nisy karazany kokoa angamba ny vokatr'i dada dia nohararaotina handafosana entana avokoa satria tsara ny zavatra novokariny. Tahaka ny hoe rehefa avy amin'i dada dia tsara ary mbola ankafizin'ny maro ny novokariny...

Voaozona ve ny malagasy raha ny vokatra malagasy tsara no potika ankehitriny? Soa fa nisy fotoana nianohana zavatra tsara tamin'ny vita malagasy fa raha tsy izany tsy mbola betsaka ny mahatsiaro azy mandrakariva.


Jentilisa 25 aogositra 2010 mitataovovonana
 
 
 
 
 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox