Tsy hiditra any amin'ny fanjanahantany aho fa izay hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena ihany no raisiko. Hevitro ihany no mivoaka eto ka azon'ny mpamaky lavina. Asaina koa ny mpamaky hamakafaka raha mba mitombina sy azo raisina ihany ny zava-boasoratra eto.
Fahadisoana voalohany ny fanesorana ny karatra isan-dahy. Tsy maintsy mandoa karatra avokoa, izany hoe tsy maintsy mandoa hetra avokoa ny lehilahy rehetra tamin'izany fotoana izany, satria ny lehilahy no miasa sy mihary ao amin'ny ankohonana. Tsy maintsy aloa izany satria izay ihany koa ny ikarakarana ny sosialin'ny olona ary nahafahana nanaovana maimaimpoana ny fitsaboana sy ny fampianarana hatrany amin'ny tanàna kely lavitra andriana any.
Naninona no nesorina ny karatra isan-dahy? Tsy ampela-tanana ny lahatahiry fa izay sendra voavaky tamin'ny ranty na boky ihany no nahafahana nakana tsoa-kevitra. Satria tamin'ny voalohany dia isan'olona lehilahy no nampandoavan-ketra ary azo savaina mihitsy ny olona miakatra an-tanàna raha nahaloa ny hetrany... dia iny koa no nahatonga ny anarany ho karatra isan-dahy.
Misy anefa ny olona tsy mihevitra ny hiakatra an-tanandehibe ka tsy manahy ny ho voasava karatra, maro amin'ny Malagasy ihany koa no mametraka ny harenany amin'ny biby fiompy ka ny malaza indrindra amin'izany dia ny omby. Tsy maintsy mitady vola hampiodinana ny raharaham-panjakana anefa ny fitondram-panjakana dia nisy ny nahita hevitra hoe maninona ihany koa raha asiana hetra ny isan'omby? Izany hoe hetra miankina amin'ny haren'ilay olona io. Ny fahazoako ny tantara no nahafahana nihevitra fa tsy nanaiky io fampidirana hetra miankina amin'ny harena io ny mpiompy ary voalohan-daharana amin'izany ny any atsimon'i Madagasikara. Izay ihany koa no nikomian'ny olona tany niaraka tamin'ny MONIMA nahatonga ny Avrily 1971.
Rehefa nandray ny fitondrana ny Jly Ramanantsoa ka ho fakana ny fon'ny olona dia ny "karatra isan-dahy" no nofoanany voalohany indrindra. Noho ny fakàna ny fon'ny olona dia ny fidiram-bolan'ny faritany (mbola province no niantsoana azy tamin'izany) natao hikarakarana ny vahoaka no nesorina. Io ilay fahadisoana voalohany. Fomba ahoana no ahazoana mampihodina ny raharaham-panjakana nefa nofoanana ny fidiram-bola ho amin'izany?
Koa fepetra voalohany mba hahatonga ny olona ho tompon'andraikitra tsy maintsy manana adidy eo amin'ny firenena dia ny famerenana io karatra io ka tsy isan-dahy intsony fa isaky ny olon-dehibe na efa nisazy na tsia. Toy ny karatra miaraka amin'ny kara-panondro. Tsy mahazo miditra tanandehibe, tsy mahazo mivezivezy eo an-tanandehibe rehefa tsy nandoa hetra sy tsy manana ny karatra entina manaporofo izany. Mazava loatra fa ny mpiasa amin'ny orinasa dia ny orinasany no mikarakara ny karatry ny mpiasa ao aminy, mahalala ny IRSA, ary amin'izay fotoana izay ny mpiasa tena mahatsapa fa voaloa tokoa ny IRSA rehefa mahazo ny karany izy fa tsy zary soratana eo amin'ny taratasin-karama fotsiny.
Miharihary ny voka-dratsin'ny fanafoanana ny karatra isan-dahy. Anisan'ny mahery indrindra dia ny fiheverana fa afa-tsy mandoa hetra rehefa "kely karama", na misy toe-tsaina hoe tsy tokony handoa hetra satria kely ny vola miditra amiko. Izaho manao hoe na iza na iza, tsy misy anavahana, rehefa amin'ny fotoana tokony hiasany dia mila mandoa ny hetrany. Na dia ny mpianatra eny amin'ny Anjerimanontolo aza dia mila mandoa na dia mety hisy fampihenana aza rehefa mitozo amin'ny fianarana sy afaka fanadinana fiakaran-dingana ianarana, fa mitovy amin'ny olon-kafa rehetra raha vao tsy afaka fanadinana fiakaran-kilasy.
Miala ho azy amin'izay fotoana izay ny kivelombelona sy ny katsentsitra fotsiny satria ireny indrindra no maha-borona ny firenena.
Manaraka izany, efa misy ny hetra alaina amin'ny trano fa ilaina ihany koa ny fisian'ny hetra alaina amin'ny fiara (na miasa na tsy miasa), hetra amin'ny maha-harena lehibe azy fa tsy amin'ny maha-miasa na tsia azy. Io fiantohana amin'ny fiara rehetra io tokony ho fidiram-bolam-panjakana fa tsy fidiram-bolan'orinasa tsy miankina mahatonga ny fitenenana hoe "vol autorisé" (halatra nahazoana alalana). Amin'izay fotoana izay tsy "assurance" intsony no takiana miaraka amin'ny taratasin'ny fiara fa ny "hetra" naloa taminy isa-taona, atao arakaraka ny heriny (CV) sy ny haben'ny vesatra zakany (entana sy olona). Dia safidy sisa ny fanaovana na tsia izany "assurrance" izany. Ny nahavariana ahy tamin'ity toe-javatra ity, izay mahatsiaro no mahalala fa nisy hetra nalaina tamin'izany fahitalavitra izany tamin'ny Repoblika faharoa, satria mbola rendrarendra no niheverana azy tamin'izany... fa ny fiara ve tsy nisy hetra rehefa tsy natao itadiavam-bola?
Tsy tokony hahamenatra ihany koa ny fitakiana hetra amin'ny fikambanam-pivavahana na inona na inona ary lafo kokoa izany ho an'izay tsy manana trano raikitra naorina hanaovana izany fivavahana izany, fa tsy manofa aman'olona na orinasa na fikambanana hafa satria misy ny te-hitango vola vetivety fotsiny. Mazava loatra fa tsy maintsy manana fitantanam-bola mangarahara ny fiangonana na fikambanam-pivavahana fa tsy kobokobonina samirery any. Mazava loatra fa raha misy fikambanam-pivavahana iray mijoro eo amin'ny firenena na eo amin'ny faritra (kaominina sy fokontany) dia omena fe-potoana izy amin'ny fananganana trano ivavahany.
Tsy voatery noho izany ny isam-batan'olona, fikambanana, orinasa, sns hitady tombombarotra fa rehefa misy fidiram-bola na dia rakitra aza dia efa andoavan-ketra iny izay. Amin'izay fotoana izay manan-jo ny rehetra hitaky ny tamberin'andraikitra tamin'ny hetra naloany ary tsy maintsy manana kara-ketra avokoa na iza na iza, hatramin'ny fikambanana isan-karazany.
Hevitro iray amin'ity lohahevitra andiany voalohany amin'ireo fahadisoana nampahantra an'i Madagasikara satria ny vola fitady ary herim-po fanary, tsy hisy ny kisangisangy sady efa misy rahateo ny teknolojia (QR Code,...) ahafahana manamarina ny karatra tsirairay. Tsy maintsy hisaina amin'ny maha-olondehibe azy ny olompirenena ka tsy hisy intsony ny hihalangalana amin'ny andraikitra tokony horaisiny.
Misy ny gazety malagasy sasany no tsy fampahafantarana ny zavamisy intsony no ataony fa dia mamorona tsotra izao ary tena fanasoketana ranoiray no soratany. Orinasa iray eto Madagasikara tratran'ny fahasahiranana tao anatin'ity taona vaovao ity, ary tratran'ny fikatonana vetivety, no mbola nasiany mafy araka ny fitenenana, tonga amin'ilay fitenenana hoe tsindrio fa lavo. Tsy ferana ihany koa ny fisian'ny felaka ao ambadika avy amin'ny mpifaninana, izay henatra ho an'ny haino aman-jery malagasy amin'ny ankapobeny.
Azoko natao tsara ny miteny hoe tsy misy idirako ny amin'izany fa angaha izaho moa miasa ao intsony? Fa tsy mety ny saina, mody vazaha no soketaina ho mpisoloky, fa raha mahalala ny fizotran'ny asa, dia ny Malagasy ihany no tena afa-baraka sy lasibatra amin'ny lahatsoratra. Fa io moa tonga amin'ilay hoe alefa daholo ny lainga fanalam-baraka rehetra sao dia mahavoa sy maharesy lahatra ny mpamaky ihany.
Misy ireo anarana fantatry ny olona dia ireny no tena aderadera, saingy... efa nisy anaran'olona tsy misy ifandraisany amin'io orinasa io intsony notonontonina, entina handresena lahatra angamba hoe tena marina anie ity lazainay ity. Efa herintaona ilay vazaha iray voatonontonona no tsy mitantana ny orinasa intsony ary, raha izaho manokana, tsy mahalala izay misy azy hoe mbola eto Madagasikara ve sa tsia? Ary ny anaran'ny vazaha iray notononina faharoa indray dia tsy mipetraka eto Madagasikara, tsy manao asa ary tsy miditra amin'ny informatikan'ilay orinasa tiana alaina baraka.
Ny nandrafitra ny informatikan'ilay orinasa dia Malagasy ary efa nodimandry izy, telo taona lasa izay. Izaho izay manoratra dia efa tsy tao intsony herintaona taorian'ny nahalasa io Malagasy, sady tale tao amin'io orinasa io. Tsy mihevitra aho fa hahaova rafitra tao anatin'izay fotoana izay ireo "sisa tavela" tao amin'ny orinasa, sady ny fahamailoana amin'ny fitantanana ihany koa no mametraka fa tsy ataotao foana ny manova rafitra (informatika) raha tsy efa tena ilaina izany.
Izay fotsiny ihany dia ampy hamaliana fa lainga sy fanosoram-potaka no ataon'ilay gazety. Tsy mahasolo tena ilay orinasa aho ary tsy manana zo hanao setriny ao amin'ilay gazety, fa mampita izay ilaina ho fantatry ny hafa hoe gazety be mpamaky ve ianao dia tsy menatra ny hanoso-potaka? Kinendriny manko ny hanesorana ny fitokisan'ny mpanjifa amin'ilay orinasa... Dia lazaovy koa fa nomena vola aho namoaka izao lahatsoratra izao...
Efa tsy dia tia manara-baovao loatra fa toa resaka fifanilihana sy fifampiangana ankolaka no mameno izany. Izay no tsy dia nampazoto nanoratra loatra. Saingy tsy maintsy mangidihidy ny tanana rehefa misy ny toe-javatra tahaka izao.
Vao tamin'ny herinandro aho tao SabNam no mbola nahita menaka (amin'ny bidon mavo) eny amin'ny mpamongady, fa tsy nahita intsony aho androany maraina raha saika hividy. Toerana iray no hany nisy tao fa amin'ny vidiny nitombo 19,5% ka hatramin'ny 22% noho ny amin'ny vidiny nahazatra izany (arakaraka ny mpamongady mahazatra anao).
Vao haingana dia haingana no nisy fitarainana an-gazety amin'ny fandotoana ataon'ny orinasa mpanodina menaka iray ao Toamasina ao, saingy orinasa hafa vao nijoro tamin'ity taona ity indray no nahazo didy hitsivolana hakatona... satria, hono, Ravalomanana ihany no olona ao ambadik'ity orinasa vaovao ity. Tsy haiko izay fahamarinany fa mihevitra izany ho fisintonana lakolosy aho satria orinasa an'ny milaza tena ho Malagasy saingy tsy mbola eken'ny maro ho Malagasy noho ny tsy fanekeny hifanambady ara-dalàna amin'ny Malagasy hafa no lazaina ho tompon'ilay orinasa nanaovana fitarainana.
Dia misy izany ny manararaotra ny toe-javatra, satria ilay orinasa nanaovana fitarainana no manana ny ampahany be amin'ilay tsenan'ny menaka amin'ny bidon mavo raha aty amin'ny faritra misy anay. Mety ho avy ihany koa ny tsahotsaho izay tsy marina fanaon'ny te-hanatsafa fa mety nandoa vola tany amin'ny tompon'andraikitra ambony tany hanakatonana ny orinasan'ilay gasy kely ny tompon'ilay orinasa iray dia mamerim-bola izy ka alentika kely aloha ny menaka hitomboan'ny vidiny, fa tombatombana any amin'ny tsy izy izany.
Ny hany marina aloha dia tsy misy ny menaka, mipenimpenina daholo ireo mpividy amin'ny atsinjarany fa tsy mahazaka vidin'ny iray tavoahangy. Taorian'ny krizin'ny arina izany dia menaka indray no bizina ahazoana vola haingana eto amin'ny tanàna.
Tonga amin'ny fotoana lazain'ny olona ho Apokalipsa ny zavamisy eto (ao) Antananarivo. Loza no dikan'ny Pesta na niavian'ny teny hoe pesta, hoy ny mpandalina ny teny. Dia tery ny tena hanoratra, toy ny fanoratr'ilay nanoratra ny Apokalipsa hita ao amin'ny baiboly: "Soraty... Izao no lazaovy amin'Antananarivo". Saingy tsy hoe nifandray amin'Andriamanitra aho na nodidian'Andrimanitra hanoratra nefa toy ny misy manery izany. Tsy mety mahavita tsara ny zavatra tokony atao raha tsy vita izay tokony hosoratana, toy ny hoe ozona tsy afa-manao na inona na inona raha tsy vita izay tokony hosoratana. Izay ve ilay aingam-panahy?
Inona ilay hosoratana? Ny loton'Antananarivo, ny korontan'Antananarivo, ny gaborarak'Antananarivo. Tonga ny fotoana tsy maintsy ilazana fa raha te-hivoatra na te-handroso kokoa i Antananarivo dia tsy maintsy maka izao fanapahan-kevitra mety efa fantatrareo mpamaky izao: Miala eto Antananarivo ny tsena ankalamanjana, na anaty fefy na ivelan'ny fefy, ary miala hatrany amin'ny 20km any mihitsy. Efa voretra loatra ny mponina ka isaky ny alamina dia miverina amin'ny gaboraraka hatrany rehefa avy eo satria heveriny fa izay no "voajanahary" aminy.
Faramparan'ny volana septambra, andro talata, nalamin'ny polisy kaominaly tsy maintsy ho tafiditra anaty fefy avokoa ireo mpivarotra anaty arabe eo Andravoahangy... dia nanaiky ny halamina ry zareo, nifaneritrery tao anaty tsena tao, hay ve manana toerana ao ry zareo fa tsy tiany fotsiny izao satria maneritery ny fiainany sy heveriny ho tsy hahazoany mpividy? Andro tsena anefa ny alarobia ka dia rava avy hatrany ilay fandaminana nezahina ny omalin'iny. Natao inona fotsiny ilay fandaminana teo raha rava avy hatrany izany ny alarobia? Dia tsy nety intsony ny tohiny fa asabe ho an'izay tokony hanao ilay izy indray. Manao ahoana indray ilay ao an-tsena? Ilay arabe mankao amin'ny toby fitiliana aretina araka ny filazan'olona azy dia mirefy 4metatra ny sakany raha kely indrindra fa bahanan'ny mpivarotra tanteraka ny fidirana mankao ka lalan'olona iray zara raha antonona olona iray no tsy maintsy ifanosehan'izay te-hiditra avy eo. Azo atao tsara ny mampisy lalana fidirana roa na telo fa tena sakanan'ny mpivarotra tanteraka izany fa ilay lalana iray iny ihany no tsy maintsy izorana. Dia mihodikodina ao ianao.
Fa ao anatin'io tsena io koa feno kizo. Mandeha mahitsy ianao fa rehefa tonga any amin'ny farany dia tsy misy lalana intsony, tampina tampoka ny lalana. Raha misy zavatra nojerenao teo ka mihevitra ny hiverina eo ianao afaka kelikely dia tsy hitanao tampoka ny lalana mankeo amin'ilay saika iverenana. Tsy diso lalana anefa ianao fa nisy mpivarotra iray na roa nanisaka ny toeram-pivarotany antenantenany teo, lasa ry zareo tampoka no faran'ny lalana raha tokony amin'ny sisin'ny lalana no misy an-dry zareo izoran'ny olona eo afovoany. Be ihany koa ny lalana zara raha antonona olona iray fa tsy azo ifanenana, nefa ao ambadiky ny mpivarotra malalaka be azo ametrahana kamiao (tsy milaza mihitsy aho hoe misy mametraka kamiao ao). Izany hoe manao izay tiany ny mpivarotra ary manao izay metimety aminy na ho fanampenana ny lalana aza izany.
Rehefa tonga indray ny folakandro, indreny ny sarety maro mitatitra entana miala an'Andravoahangy ary mizotra ho any Behoririka sy Analakely, hamonjy tsimoramora ny tsenan'i Mahamasina izay hotontosaina ny alakamisy. Tsy izay rehetra nivarotra tao Andravoahangy no hihazakazaka ho any Mahamasina fa tsy vitsy ihany koa ry zareo na izany aza. Matiantoka ny fifamoivoizana fa tsy maintsy manaraka ny dian'ny sarety enti-tanana. Lazaina izany hilazana fa singa iray anisan'ny miteraka fitohanana indrindra eto Antananarivo ny fisian'ny tsena. Raha foanana any io tsena io, foanana fa tsy hoe afindra toerana, dia tsy misy loatra intsony ny ilàna ny sarety sy ny posy. Asabotsy izany moa dia tsy azon'ny fiara misy maotera idirana intsony ny izany Isotry izany. Fa na môtô aza ianao dia sahiranao raha mitetateta ny hitsofoka satria hoe arabe.
Asa raha efa hitanareo ilay lalana mankany amin'ny "Charlemagne" taloha iny fa mandeha ambonin'ny entambarotra ny sarety sy ny fiara, izany hoe sabakain'ny fiara ao anelanelany ao ny anana sy ny legioma amidy amin'ny tokony ladina an-tany. Dia mba mandingadingana ireo hanina amidy ireo ihany koa ny mpandeha an-tongotra. Izany ve no vahaolana amin'ny sady anaovana tsena ny arabe no handehanan'ny fiaran'ny olona mipetraka eo amin'ny manodidina ihany koa? Tsy maka lagy tokoa angamba isika nefa na izany aza dia tafahoatra... tsy maintsy apetraka ny fitsipika... ary tsy omena fakampanahy intsony ny olona hoe androany ihany io no milamindamina anaty fefy fa ny hariva ihany aza dia miparitaka manerana ny arabe indray. Sisa fanafodin'izany? Foanana tanteraka ny tsena ankalamanjana na anaty fefy iafiana tsindraindray rehefa te-handamina iny ny tompon'andraikitra na ivelan'ny fefy ivoahana rehefa reraka ny mandamina ny tompon'andraikitra.
Fepetra tsy maintsy raisina ihany koa ny fandrarana ireo fiara rehetra tarihim-biby na tarihin'olona, ary raràna ihany koa ny fidiran'ny kamiao be velarana na andro na alina fa tsy maintsy afindra amin'ny fiara antonontonony ny entana raha tiana ampidirina eto (ao) Antananarivo. Farany, tsy hoe tolo-kevitra ireo fa tsy maintsy atao raha tiana hivoatra ny tanàna, saingy efa safidintsika mihitsy ny ho gaboraraka satria izay no heverintsika ahafahana mivelona. Omeo tolokevitra hafa mahomby kokoa aho raha heverinao fa tsy mety mihitsy izany fanesorana ny tsena izany. Ho avy indray moa ny faran'ny taona dia hangatahana indray ny fepetra manokana ivarotana isan'andro amin'ny arabe? Eritrereto ihany fa ny Shinoa no mahazo tombontsoa voalohany amin'izany...
Tsy ho lava resaka aho raha mbola azo atao ihany koa. Misy ny zavatra mampiahiahy ahy, indrindra amin'izao fahatapahan'ny aterineto be mpiserasera indrindra izao raha jerena maika ny zava-misy. Tsikaritra voalohany raha vao tsy nisy fotoana elaela kely ny rano ary nolazaina fa ritra ny reniranon'Ikopa tamin'izany fotoana izany dia ny tabataban'ny gazety, noho ny fanazavana any ambadika any hoe afaka efatra andro dia ho ritra tanteraka ny ranon'i Mandroseza... Nikorontana ny olona ary dia niakatra tampoka ny vidin'ny daba fitehirizan-drano. Dia niresadresaka amin'ny mety ho tsy fahampian'ny vary indray ny minisiteran'ny varotra, fa toy ny iray indray ny gazety, nilaza fa manakaiky ny 2000 ariary na 1900 ariary ny iray kilaon'ny vary, ny harivan'iny ihany dia tafakatra 1800 ariary ny kilaon'ny vary 1600 ariary vao teo.
Ohatra fotsiny amin'ny taom-panararaotana ireo voalazako ireo fa fetsy koa ity mpanome tolotra aterineto-nay ity an! tapaka ny aterineto, nefa mandeha ny youtube, fa raha te-hampiditra ny anaranao sy ny tenimiafina ianao dia tsy hita nanjavonana ilay youtube. Dia tsy afa-mampita vaovao loatra izany izahay raha izany... Antitranteriko izany fa misy manao fetsifetsy manao izay hikorontanan'ny olona hatrany eto ary olona mahafehy ny gazety sy ny fifandraisana izy ireo matoa mahavita mampakatra ny vidin-javatra eo noho eo, sady manararaotra toy ny banga mihomehy alina, satria tsy mahateny ny governemanta sy ny mpitondra ankehitriny.
Jentilisa, Alahady 29 janoary 2017