Ny sandam-bola malagasy

2010-12-02 @ 12:08 in Toekarena

Somary niato kely ny tena tao ho ao noho ny antony manokana. Hiverina vetivety indray anefa hametraka eto ny sandam-bola malagasy tao anatin'ny folo andro azo nalaina tamin'ny gazety teto an-toerana. Izany hoe somary ataoko mantamanta eo ilay tabilao noho ny hamehana. Ataoko fa ho azonareo ihany ny tiako lazaina avy eo na tsy hilaza zavatra betsaka aza aho satria tsikaritra fotsiny no aseho.


Dollar Euro

22 nov 1986,27 2715,57
23 nov 1982,34 2719,73
24 nov 1990,00 2703,43
25 nov 1997,84 2676,17
26 nov 1997,39 2675,31
29 nov 2006,00 2682,00
30 nov 2010,61 2691,95
01 des 2024,83 2703,69
02 des 2047,19 2730,24


Izany hoe ireo antontan'isa ireo dia amin'ny sandam-bola ariary avokoa. Napetraka ho tahiry ankoatra izay mety ho famoahanareo ny hevitrareo.


Jentilisa 02 desambra 2010 amin'ny 14:08



Solika tokoa ve no trandrahan'ny Shinoa ao Sakaraha?

2010-10-14 @ 10:16 in Toekarena

Somary rere tao ho ao fa hitrandraka solika ao Sakaraha hoe ny Shinoa. Sendra nisy namana nandeha nianatsimo ka nandalo iny faritra Sakaraha iny. Hitany ilay toerana lazaina fa hitrandrahan'ny Shinoa solika. Olo-tsotra ranamana ka sarotra ho azy ny hiditra any amina toby tahaka ireny. Na dia olo-tsotra aza anefa izy dia mba mahafanta-javatra ihany ka hitany tokoa tao an-toerana ny milina fandahavana tany hisintonana ny solika... fa mifanila amin'izany ihany koa dia nahita milina fanasivanana vato fahita any amin'ny toerana fitrandrahana vatosoa izy. Lasa ny sainy nanao hoe Solika ihany ve no trandrahiny eo amin'io toerana io sy voarakitra ao anaty fifanarahana sa mitrandraka vatosoa ao ihany koa ny Shinoa fa mody tsy tenenina? Fantatra ihany manko fa toerana malaza be safira iny toerana iny ary somary mavesatra ny solika amin'iny toerana iny ka manaitra ny rehetra ihany ny tena.


Jentilisa 14 oktobra 2010 , amin'ny 12: 17

Teti-panorona diabolika

2009-09-21 @ 04:51 in Toekarena

Lalao malagasy mampiasa saina ny fanorona, satria mampiasa saina dia misy tetika ao anatiny mba handresena ny mpifanandrina amin'ny tena ao anatin'ny lalao. Nanoratra ny teny hoe diabolika indray aho rehefa tsy hitako izay ilazana azy amin'ny teny malagasy fohy na voambolana malagasy tokana. Amin'ny lalaontsaina Japoney sudoku, izay lalaontsaina mahafinaritra ahy indrindra amin'izao fotoana izao na dia tsy manam-potoana loatra ialana voly aza aho, dia misy dingana efatra : Misy ny lalao ho an'izay vao mianatra (mora), misy ny ho an'ny eo ho eo ihany (antonony), misy ny ho an'ny efa mahay (sarotra) ary misy ny antsoina hoe diabolika (feno fandrika). Ny lalao diabolika izany dia lalao tena sarotra dia sarotra tokoa, mody maneho endrika mora izany ilay izy kanjo tena feno fampisafidianana ka raha kamokamo maika hahavita dia eo ianao no raisina. Tahaka izany indrindra ny paipaika misy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Miasa dia miasa ny teti-panorona diabolika hampandresena ny mitondra ankehitriny.

Diabolika satria rehefa mitodika eny amin'ny mpanohana ny FAT ny legalista dia ny "fozaorana" no tena eritreretiny bebe kokoa fa tsy ny mpibaiko ao ambadik'izy ireny. Toa minia mijery volonkoditra sy saranga, lazaina ho ambany na ivelan'ny seha-pihariana tsy mandoa ny hetra sy ny haba rehetra amin'ny fitondrana fa jamba kosa tsy mieritreritra fa misy ireo mpanankarena na olona tsongoinolombolo eo amin'ny fiaraha-monina mitango hatrany ny harem-pirenena.

Diabolika rehefa ny olona rehetra heverinao ho manana ny lanjany sy ny anjara toerany teto amin'ny firenena no mamerimberina mandrakariva fa tsy hita loatra ny heloky ny boaikely, na avelao aloha hitondra izay efa eo ahitana izay vitany, nefa ny lalana alehany aza mivarina mankany amin'ny hatsana fa tsy vitan'ny hoe misisika mankao amin'ny kizo. Olona nipetraka tsy tamin'ny alalan'ny safidim-bahoaka ve no avela hitondra, ary hita mivandravandra izao fa lasa manjaka dia manjaka tokoa ny andian-jiolahy?

Diabolika rehefa misy mampilalao ny fivondronan'ny "telo tonta" nitondra teo aloha ny mety tsy ho ao anatiny akory. Ohatra nivandravandra tamin'izany ny "hetsika lehibe" nodradradradraina ho tamin'ny 19 septambra 2009. Rehefa nitambatra ny telo tonta dia lasa ny ankolafy Zafy Albert avokoa no filoha isam-paritra. Ny maro amin'ny mpitarika legalista kosa anefa dia voatery niafina noho ny "raharaha 11 sy 12 septambra". Mampanontany tena ihany hoe tena mivondrona tokoa ve ny telo tonta na dia vonjimaika fotsiny aza? Tsy mahita olona manana ny antsoina hoe "charisme" rahateo aho ao amin'ny ankolafy legalista izay tena toavin'ny mpitolona. Efa nivelatra rahateo ny fandrika amin'izay hisian'ny andian-jatovo teo amin'ny vavahadin'ny magro hitoratoraka fiara mandalo raha nanao fivoriana tao Ankorondrano teo ny legalista.

Diabolika raha mbola misy ny minia fa tsy misy vondron'olona mahay stratejia goavana, mety karamaina na navondrona firenena goavana iray, ao ambadik'izao teti-panorona diabolika izao. Tsy manao na inona na inona fa mitazana kosa anefa ny firenena goavana hafa eo ankilan'izany. Na inona na inona filaza, tena midona any amin'ny sarambambe hatrany ilay hoe "lasa any New York i Andry Rajoelina". Misy fifandraisana diplaomatika goavana dia goavana miasa ao ambadika ao matoa tonga amin'izao sehatra izao ihany ry zareo. Aiza ho aiza kosa ny fivondronan'ny olona stratejy ankilany hilalao izao fanorona diabolika izao? Toa ny mandeha singatsingany no tena betsaka, nefa ny akanga maro tsy vakin'amboa!

Diabolika satria tsy maintsy ampiasaina ny faharetana "endurance", tsy maintsy ikipiana ny fahasahiranana ara-bola mihatra amin'ny isam-pianakaviana izay mahakivy ny maro tsy hanoratra loatra intsony amin'izao fotoana izao, raha tiana ny handresy na farafaharatsiny hifandanja amin-dry zareo eo amin'ity fanorona politika, mora mankaleo ny malagasy ity. Diabolika izay eritreritra milaza ho leo politika izay satria ho entin'ny olona amin'izay tiany anaovany anao foana ianao raha izay no ataonao. Mbola ho aiza, hoy i Kaina? Anjaran'ny tsirairay no manohy na mamakafaka.



jentilisa, 21 septambra 2009 amin'ny 06:53

Tiko, Savonnerie tropicale, Daewoo logistics.

2008-11-26 @ 22:17 in Toekarena

Ataoko fa tsy mbola nisy resaka mafana momba ny toe-karena tahaka ny amin'izao fotoana izao eto Madagasikara. Miezaka fatratra ny maneho ny heviny ny mpitantana orinasa André Ramaroson ary hita sy re mandrakariva tao ho ao.

Hiainga amin'ny orinasan'ny filoha ankehitriny indray aloha ny resaka androany, nalaza tamin'ny fe-potoana voalohany nitondran-dRavalomanana fa tsy navela hivoaka ny faritry Vakinankaratra ny ronono. Nitady lalana manko ireo tantsaha ireo fa mora loatra no sady mamaly ny volan'ny tantsaha ny tiko. Ny vidin-rononony anefa no takiany fa tsy inona loatra. Vao hitany fa mitady hivarotra ivelan'ny faritra ny tantsaha dia ny Lehiben'ny faritra mihitsy no manome baiko hisakana azy ireo. Manjary tsy mihodina manko ny orinasa raha mitsoaka avokoa ny akora ilainy.

Ankehitriny indray, niampy ny raharaha, any amin'ny menaka ankehitriny no misy ny olana. Olana manao ahoana moa? Hitan'ny mpitantana ny orinasa tiko indray angamba fa tsy dia mandeha ny varotra menaka any amin'iny faritry Vakinankaratra iny ihany raha oharina amin'ny faritra hafa dia miandry kendry tohina ireo mpandraharaha madinika misahana ny raharahana menaka indray ny mpitondra sasany any amin'iny faritra iny ihany. Nitaraina tany amin'ny Conecs,izay mihetsiketsika fatratra amin'izao fotoana, ny mpandraharaha momba ity menaka ity fa anaovana ramatahora izay rehetra mitondra akora ahodina ho menaka any amin-dry zareo, tsingolohana ihany koa ny zavatra rehetra ataony amin'izao fotoana izao. Izany hoe atao izay fomba hanakatonana ny orinasa mba hanjaka tokana ny tiko oil products. Raha misy manko ny tranga tahaka izany dia izay mahazo tombotsoa amin'ny fisian'ny tranga no jerena dia mazava ny mety ho fisian'ny baiko mahatonga izany toe-draharaha izany. loza tokoa anie rehetra tratran'ny ampihimamba te-hihinambe e!

Miresaka menaka ihany isika dia lasa any amin'ny menaka voanio ny saina. Hay tokoa moa toa samy mamboly voanio haodina ho menaka na ny tiko na ny savonnerie tropicale, ary mieritreritra ny hiditra amin'ity taranja iray ity ny orinasa efa fantatsika amin'izao fotoana dia ny Daewoo Logistics izany. Ny fantatry ny rehetra aloha dia mpanao savony ny savonnerie tropicale fa ny adinon'ny rehetra kosa dia mpamoly voanio ahodina ho menaka koa izy. Fa lasa ny saiko hoe sao dia izay no tena nikofohan'ny savonnerie tropicale manokana tamin'iny herinandro iny fa nahare siosio izy ny amin'ny hisian'ny mpifaninana vahiny aminy eto Madagasikara ka mety ho difotra izy raha tonga izany orinasa vahiny izany, na hampihena ny sandan'ny menaka voanio fanondrany izany raha be loatra ny vokatra izany hoe raha be loatra ny tolotra miohatra amin'ny tinady dia mody any amin'ny savony no resaka. Izaho izay mieritreritra hery vahiny ho mamingana nefa hay moa misy tombotsoa malagasy voantohintohina. Ny olana ho ahy etsy ankilan'izay dia ny tsiahy an-tsaina fa toa manana tanim-boanio koa ny tiko saingy misalasala ihany aho, heveriko fa misy antony manko matoa misy tiko oil products amin'iny faritra atsinanana iny.

Tsikaritra iray tamin'ny fanambaran'ny vondron'ny fiaraha-monim-pirenena kosa no hamaranako ny androany. Resaka momba ny harena an-kibon'ny tany, anaovana tolo-bidy iraisam-pirenena manko ny tahirim-by any amin'ny faritry Soalala, ka raha ny fijerin-dry zareo (Conecs, Sefafi, Fedmines, CDE, Kmf/Cnoe) azy dia azo tombanana ho mitovy amin'ny fampiasam-bola any Ambatovy sy Faradofay ny fampiasam-bola hitrandrahana an'i Soalala. Heverin-dry zareo fa noho ny krizy mihatra dia tsy fotoanan'ny fanaovana tolobidy mihitsy izao fa tokony ahemotra ny fanokafana ny tolo-bidy (izay tokony ho vita ny 18 novambra 2008 lasa teo raha araka ny fanambarana) satria matahotra hampiasa vola ny olona amin'izao fotoana izao, noho izany ahiana hivadika ho varoboba ilay tolobidy.

Manaraka izany ihany koa dia angatahin'izy ireo mba haka tahaka an'i Ginea, RDC ary Niger i Madagasikara ny hamerenana ny fandinihana ny fifanarahana amin'ireo orinasa iraisam-pirenena (Eto dia ny Sheritt sy ny QMM) satria varodraikiraiky no nifanaovana tamin'izy ireo ka matiantoka tanteraka isika. Dia hoy ny eritreritro hoe nahay nihetsika ny mpandraharaha ka toa hita hoe aiza ny fahalemen'ny filoha ary dia izay no mahatonga azy manome baiko ny Praiminisitra amin'ny hametrahana ny lasitra sy ny lalàna momba ny antoko politika (izay tsy hitako intsony ny heriny amin'izao fotoana izao) ho fanodinan-dresaka sy olana aloha!

Daewoo, Uranium, Andry Rajoelina samy raharaha mafana vay

2008-11-25 @ 21:01 in Toekarena

Ho fanombohana aloha dia mitohy toy ny tsy manam-pitsaharana fa mirotsaka isan'andro ny orana eto Antananarivo. Tsy misaraka amin'ny elo sy ny akanjo aro orana izany izay manana izany, fa ny matanjaka sy izay tsy mahatakatra kosa mionona amin'ny akanjo fitondrany mandrakariva.

Manaraka izany, nametraka ekipa vaovao fanta-daza indray Atoa Andry Rajoelina Ben'ny tanànan'Antananarivo. Niditra ho ekipany koa manko Atoa Ny Hasina Andriamanjato sy Rtoa Elia Ravelomanantsoa. Nahay nisafidy kosa ny lehilahy tamin'ity indray mitoraka ity satria olona mahalala tsara ny atao hoe fitantanana ireo olona nosafidiany ireo. Azoko lazaina fa tokony ho tsara aro amin'ny asa ataony i Andry TGV nisafidy ireo olona ireo.

Dieny mbola tadidy, ataoko fa manana fifandraisana amin'ny mpitantana ny madarail ity ekipan'i Andry TGV ity satria vao lany kelikely izy dia nampitsangatsangana ny ankizy tamin'ny masinina izay tsy mbola nitaingina izany hatrizay niainany. Ankehitriny, re siosio ny amin'ny hanitarana iny lalana manamorona ny fefin'i madarail eny Tsaralalàna iny (petite vitesse). Ravana ny fefy ary ahemotra mihitsy mba hahazaka fiara efatra miara-milahatra. Heveriko fa anisan'ny hevitra tsara dia tsara izany raha tontosa satria tena mampijaly ny mpandeha mihitsy iny lalana iny. Ny tena olana anie dia ny fiara mijanona anaty arabe ka tokana sisa no ahafaha-mizotra e! Fa na izany aza efa tena misy tsirin-kevitra mahafinaritra aloha izay.

Ny lesoka amin'izao fotoana izao aloha dia ny fako izay miely loatra indray fa toa hoe tsy misy mpaka hoe. Ny lesoka faharoa kosa hitako tamin'ny vohikalan'ny tanàna ny fihofahofan'ny saina USA nefa tsy nahitako ny saina Malagasy etsy ankilany. Tena hentitra aho amin'io lafiny io ka nahatonga ahy hanoratra hoe hanonofy inona tamin'ny alina nahalanian'i Obama iny.

Hiditra amin'ity resaka Daewoo ity amin'izay aho, raha nahavaky azy voalohany aho dia tsy nino. Nilazana aho fa gazety matotra anie izany Financial Times izany. Eny, hoy aho, fa ny tao an-tsaiko dia ny nanjò ny Serba ka nahatonga io Kôsôvô io hahaleo tena. Ny Mpanao gazety tandrefana no tena nampiely azy voalohany ary nitongilana avy hatrany tamin'ny Albaney: mody niainga tamin'ny hoe Kôsôvara miteny Albaney aloha ary etsy ankilan'izany ny Serba lazaina hoe Serban'ny Kôsôvô. Mametraka avy hatrany izay filaza izay fa ny Serba dia vahiny -nanjanaka- fa ny tena Kôsôvara dia ireo miteny albaney. Aty aoriana dia nekena ihany, rehefa tsy taitra intsony ny mpanara-baovao, fa Albaney hay ireo  nolazaina fa Kôsôvara tamin'ny voalohany ireo. Fiadiana nahery vaika nenti-nanosoram-potaka ny Serba na taiza na taiza ny Haino aman-jery Tandrefana tamin'ireny fotoana ireny. Tranga iray nahataitra ahy tamin'izany ny nilazana fa nodarohana baomba ny fiara fitaterana feno ankizy Miozolmana ka ny Serba no nidaroka baomba io fiara io. Rehefa natao anefa ny fandevenana ireo ankizy ireo dia fasana misy lakroa ôrtôdôksa no nandevenana ny ankizy tondroina eo amin'ny filazana fa Miozolmana. Misy lainga izy izany, hoy aho nahatsikaritra.

Toy izany ihany koa ity resaka Daewoo ity araka ny eritreritro, tafiditry ny mpikarama an'ady indray ny mpanao gazety tandrefana (mba tsy hanamelohako befahatany ny haino aman-jery tandrefana). Ny tena nampahomby ny lainga, araka ny fijeriko azy tsy maintsy misy ampahany marina ihany ny vaovao. Ny ampahany marina dia nihaona tamin'ny filoha Ravalomanana tokoa ny mpitantana ny Daewoo, ary ny tatitra nataon'ny tvm (sa mbs?) tamin'iny volana oktobra iny na fiandohan'ity volana novambra ity dia fifanarahana eo amin'ny fitrandrahana Oraniôma no notadiavina. Tsy nisy ny resaka fanofana tany henoko aloha tamin'io fotoana io. Heveriko fa nisy nialona ny Koreana tamin'ity lafiny iray ity raha io no itabatabana satria ity vaovao momba nyangovo iray ity mihitsy no tena kendreny ravana araka izay azony atao. Izay araka ny hevitro no nanaovana ilay vaovao "lainga" sady fihantsiana hoe "fanjanahantany vaovao". Fantatry ny mpanara-baovao eto an-toerana manko fa misy io fitadiavam-piaraha-miasa hitrandraka oraniôma io. Hatramin'izao aloha dia tena tsoriko fa tsy mino ny fisian'ilay fifanarahana fanofana maimai-poana ny tany aho. Fandranitana ranofotsiny io amiko hamelezana izy fifanarahana momba ny Oraniôma mety mbola tsy renareo any ivelany mba hahatonga ilay fitenenana hoe indray fa mbola koreana ihany.

Ny tena mahavariana amin'ity lafiny ity dia izao, toa tsy nisy ny nihorakoraka raha lasan'ny Frantsay (amin'ny alalan'ny total) ny ampaham-bola betsaka amin'ny fitrandrahana an'i Bemolanga izay solika kosa no trandrahana any. Raha tsy diso aho dia maro ny orinasa vahiny (izay Eoropeana tandrefana sy Amerikana Tavaratra no mahazo ny ampahany be raha tsy izy manontolo) mifampizara amin'ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany (solika no tena fantatro) manerana ny faritra andrefan'i Madagasikara tsy nisy ny nimenomenona (tena tsy faly kosa aho aloha tamin'izany saingy nangina, toetra gasy, sady fantatra fa tsy hahatrandraka samirery izany mihitsy ny Malagasy) koa tsy hitako intsony izay himenomenonana raha mba mahazo zaratany hitrandrahana ihany koa ny Koreana Tatsimo, tsy milaza velively izany soratro izany fa ankasitrahako ny fitrandrahana ataon'ny vahiny ny harena an-kibon'ny tany Malagasy. Tena mpitaky ny fiandrianam-pirenena madiorano amin'ity harena ankibon'ny tany ity aho fa tsy izaho moa no mitondra.

Fehiny, misy tombotsoa vahiny ninia nanaparitaka ity vaovao ity satria tsy azony ny tsena ary heveriny fa tokony ho izy no mitantana ny fitrandrahana ilay Oraniôma dia alainy baraka aloha ny mpifaninana aminy ary tifiriny ankolaka ihany koa ny mpitondra Malagasy. Tsaroako fa voalaza tamin'ny gazety lakroa ity na dia tamin'ny andron'ny sivana aza (repoblika faharoa). Nilaza fa hamantatra raha misy solika tamin'iny faritra avaratra andrefana iny ny Amerikana. Naka mpiasa malagasy izy hiasa ho azy amin'ny fikarohana izay mety ho fisian'ny solika. Rehefa somary tafatsoropaka anaty tany lalindalina tany anefa ilay fitaovam-pamantarana dia niato kely ny asa. Nasaina namonjy vady aman-janaka hiala sasatra vetivety ireo mpiasa malagasy. Nandritra izany anefa dia nanohy asa ihany ireo Amerikana ka rehefa azony izay nilainy dia nolaloriny simenitra ilay lavaka nohadiana. Nilaza ry zareo fa diso satria tsy nisy solika hay ilay toerana ka aleony mody satria tsy manan-kantenaina. Ireo mpiasa Malagasy nilaozana kosa nangaihay sady nahatsapa tany anatiny tany fa tsy solitany no nanakaramana azy ireo fa mety ho Oraniôma. Azony izay notadiaviny dia iny ny Amerikana fa nikopak'elatra. Tsiaroko amin'ny maha-mpamaky gazety malagasy ahy izay. Na iza na iza rehefa manao zavatra izy indrindra fa fandraharahana dia ny tombotsoany no tena katsahiny koa asakasak'izay tsy hiaro no rambony aloha!
 
Fanampiny: Efa nolazaiko fa tsy maintsy misy ny zavatra marina kely (na dia anaran'olona fotsiny aza) soratana mba hahombiazan'ny lainga. Nitsidika ny filoha Ravalomanana, araka ny nolazain'ny Madagascar Tribune tamin'ny faran'ny volana oktobra,ny delegasiona mpandraharaha Koreana Tatsimo notarihin'ny filohan'ny Orinasa Daewoo Madagascar, Kim Kwon Lin, niaraka tamin'ny PDG Kores Resources Corporation, Kim Sihng Jong, ary ny solontenan'ny Daewoo Logistics Corporation, Yong Nam Ahn, ary koa ny filoha lefitry ny orinasa Posco EC, Jeong Tae Hyun, izay nitatitra tamin'ny Filoham-pirenena ny fandroson'ny asa ampiasany vola eto Madagasikara. Araka ny loharano ofisialy moa dia mampiasa vola any amin'ny sehatry ny fananantany, harena ankibon'ny tany ary ny fitrandrahana Nickel any Ambatovy, ary koa eo amin'ny sehatry ny fiompiana sy ny fambolena ireo mpandraharaha ireo. Mikasa ny hiditra lalindalina kokoa amin'ny sehatra efa nidirany ry zareo. Na dia manana ny hevitro aza aho, ataoko fa azonareo tsara ny mamakafaka ny toe-java-misy avy amin'io fanampiny nosoratako io.
 
 
 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2021 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox