Manonjanonja moa ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao ka mandeha daholo amin'izay ny paik'ady rehetra. Tamin'iny hernandro iny no nisy do-tandroka nilazana fa mety hiala Ben'ny tanàna i Andry Rajoelina. Tsy naheno izany filazana izany mihitsy aho aloha satria tsy maharaka gazety loatra rehefa dinihina. Dia nanambara moa ny Ben-ny tanàna fa hamita hatramin'ny farany ny fe-potoana iasany izy. Dia asa raha raha ao anaty paik'ady amin'izao fotoana izao ihany koa ny filazana etsy sy eroa fa hamidin-dRavalomanana ny tiko (ilay mpanao ny yoghurt, ronono ary fromage). Tsy ialany ny menaka sy ny vary, tazoniny ny magro sy ny mbs fa ilay tiko ihany no alefany.
Aminao ary: azo inoana ve izany mety ialan-dRavalomanana amin'ny tiko izany?
Ekeko tokoa fa tsy dia tiako loatra ny loko sy ny mariky ny Zain fa raha ny tanjaka kosa dia tena manana izy araka ny fijeriko. Teny andalam-pivezivezena manko aho dia ninia nampitaha ny Zain sy ny Orange eo amin'ny fahazoana miserasera eny an-dalana eny. Efa reko ihany fa tsy misy fahatapahana mihitsy ny fahazoana miserasera Zain amin'ny lalam-pirenena faharoa. Dia nohamariniko kosa ny lalam-pirenena fahafito Antananarivo hatreo Antsirabe. Raha tsy tapaka mihitsy ny reseau ho an'ny Zain afa-tsy tamina faritra iray izay ihany dia zara raha manana ny reseau-ny kosa ny an'ny Orange.
Nojereko indray ny fifandraisana eo amin'ny roa tonta tamin'iny lalam-pirenena fahaefatra mampitohy an'i Mahajanga sy Antananarivo iny dia toraka izany hatrany. Vitsy loatra ny faritra ahafahana mifandray amin'ny alalan'ny orange nefa ny an'ny Zain dia betsaka tokoa no ahafahana mifandray aminy na dia misy toerana vitsy aza tsy ahazoana azy. Marihina fa tsy manana ny tambazotra telma aho ka tsy fantatro mihitsy ny azy. Raha amin'ny lalam-pirenena izany dia matanjaka kokoa ny Zain miohatra amin'i Orange. Fampitahana tsotra ny ahy fa tsy nisy nanakarama aho.
Mbola te-hiresaka ny amin'ity vatosoa ity ndray aho hatramin'ny niverenan'ity resaka ity ho adihevitra indray mandeha raha nanakana araka izay azony nataony ny fivarotana ilay emeraoda lehibe sy mavesatra indrindra manerantany avy eto Madagasikara efa nantsoin'ny tompony hoe Fanomezan'ny Lanitra aho.
Ekena fa miady mafy tokoa ny fitondram-panjakana malagasy mba hahazoana indray ilay vato lehibe Fanomezan'ny Lanitra sy hamerenana ihany koa ny fitsarana. Matoa tsy navela hivoaka ny firenena ny vadin'i Jeannot Le Quartz araka ny fahalalana azy dia mbola te-hanadihady ny ataon'ny orinasany sy izay rehetra tsy mety (fandikan-dalàna) nataony. Mandringa anefa ny fanadihadiana raha tsy fotorina ihany koa ny tany amin'izay nanome alalana ny fanomezana iny vato iny. Ny filazana moa no nanamarika fa sampan-draharahan'ny fari-piadidiana no nanome alalana.
Nafindra toerana (ho lasa depiote) ny Minisitra niandraikitra ny harena ankibon'ny tany tamin'ny herintaona nipoahan'ity raharaha ity. Nefa toa tsy mahakasika akory izay fahefana, na tsy mahalala ny hasarobidin'ny zavatra navelany hivoaka izay sarotra inoana satria asany io ka mametraka ahy hiahiahy fa mpiray tsikombakomba, nahazo vola be, tamin'ny famoahana an'i Fanomezan'ny Lanitra. Niniana tsy nolazaina ihany koa ny tatitra nataon'ny delegasiona nolazaina fa hanadihady momba an'i Fanomezana'ny Lanitra fony mbola tao La Reunion ka nahatonga ny maro hieritreritra fa nandray tsolotra ihany koa ireo delegasioona nalefa tany ireo, tsy mahalala izay tena zavanisy tany anefa isika.
Nandeha tamin'ny fitsarana (Firantsay) ny raharaha izay nitorian'ny fitondram-panjakana Malagasy fa nanao filazana tsy marina momba an'i Fanomezan'ny Lanitra ireo namoaka azy. Berila manko no anarana nivoahany, izay lazaina fa latsa-bidy kokoa, ary izay no fiarovantena nataon'ny notoriana satria fianakaviam-baton'ny berila ny emeraoda, nefa rehefa ivelan'ny fitsarana tabatabainy fa emeraoda io vato io. Izany tokoa angaha no atao hoe endrim-pitsarana Mahaleo tena Firantsay ka ny anarana hoe Berila dia tsy diso na ireharehan'ny lasa tompony fa emeraoda aza io. Izany rafi-pitsarana izany anefa no tahafintsika Malagasy, ka tsy mahagaga hoy aho raha avandravandrany ny filazana hoe ny marina mitavozavoza tsy maharesy ny lainga tsara lahatra. Ny mahalala kely ny amin'ny vato no milaza fa na atao hoe fianakaviana iray aza ny berila sy ny emeraoda (na dia ny anaran-tsamihafa aza dia tokony hampieritreritra) dia samihafa mihitsy ny taharon'ireo karazam-bato ireo.
Tsy maintsy mba liana kely ny momba ny vato ny tena ka nikaroka izay mombamomba azy tamin'ny aterineto (Gemmologie sy Gemmology) ary dia nahita tao amin'ny tranonkala iray fa rehefa vato (Gemme) dia vato. Tsy misy intsony antsoina hoe "pierre preciuese" na "pierre decorative" fa tokony hanana ny sandany avokoa ireo. Dia hoy aho hoe, izay ihany koa no nanambakana antsika hatry ny ela ary fototry ny fanondranana tsy nahazoan'ny fanjakana vola ny harena ankibon'ny tany teto amin'ny tanàna. Asa nahatsikaritra io ihany koa angaha ny tao amin'ny fitondram-panjakana ka nahatonga azy handray ny fahapahan-kevitra hampitsahatra hatreo, aloha, ny fanondranana ny vato rehetra. Soro-baton'ilay jamba ity ka voa vao mihilana!
Efa nanoratra aho fa raha nisy dia nisy dia enina ora no nianarana ny momba ny vato nandritra ny fotoana nianarako hatramin'ny fahazaza ka hatramin'ny ambaratonga ambony. Nitodika ny lasa ka nahatsiaro ny resaky ny olona fa ampihimamban'ny mpitondra taloha ity harena ankibon'ny tany ity. Nisy indray maka voromby nianjera tao Afirika tao. Nojerena ilay voromby ary tsikaritra fa feno vatosoa tao anatiny tao. Tonga dia nandeha ny tombana fa nitondra vesatra (asa teny hafahafa hoan'ny sasany ihany koa ve ny vesatra?) mihoatra noho izay zakany ilay voromby ka izany no nampianjera azy. Avy taty Madagasikara na nandalo taty Madagasikara io voromby io ary tsy nisy nitaky ho tompony ny vatosoa hita tao. Nisy ihany koa nahasahy nilaza fa orinasana mpitondra fanjakana teto madagasikara na niara-niasa akaiky dia akaiky no tompon'ity orinasa MATY ity, resaka vatosoa aloha no ataony ary tsy takona afenina intsony fa malaza amin'ny resaka vatosoa izao i Madagasikara ka izay ihany ny fifandraisana azoko raisina.
Koa raha ampihimamban'ny mpitondra ny resaka vato tsy mahagaga raha tsy hampianatra ny momba ny vato eto Madagasikara mihitsy izy satria toy ny miantso mpifaninana aminy. Resaka mody aderadera ihany koa amiko ny filazana nataon'ny gazety iray omaly milaza ny fikatonan'ny toerana fihadiana vato noho ny fitodihan'ny mason'ny maro aminy ankehitriny sy hanafenana ny tsy ara-dalàna maro efa vita fa rehefa miverina eo angamba ny fanondranana roboka daholo ihany ny rehetra, ary ireo Shinoa mpividy vato etsy ampita koa mbola mividy vato amin'izay mitondra ao aminy... avela ho tsenan'ny aziatika samirery foana koa ve izy ity e?
Neritreritra lalina ny amin'ny fampianarana ho teny malagasy na ho teny firantsay ny zaza malagasy aho dia nahita ny tsoa-kevitra fa tsy any amin'ny teny ampianarana ny zaza velively ny olana fa any amin'ny zavatra ampianarina ny zaza Malagasy.
Fifaliana sy reharehantsika hatramin'izay ny fananana zanaka tafita amin'ny fianarana na lasa ambonimbony ihany vao mijanona nefa ny tontolon'ny asa miandry azy mampahonena. Dia raikitra amin'izay ny fiampangana ny teny ampianarana ho fototry ny olana. Dia lazaina fa hafa ny fampianarana taloha hoy ny ray aman-dreny efa antitra amin'izao fotoana izao. Ny tena maridrefy nitsapana ny fahaizana anefa tamin'izany fotoana izany dia ny fahaizana teny firantsay. Ny vitsy anisa toa anay indray dia mikikitra mafy fa nanana izay fahaizanay ihany koa izahay na dia ambanimbaniana fatratra aza ny fampianarana tamin'ny teny malagasy tamin'ny androny ary na dia tsy nety resy lahatra ihany koa aza ny mpampianatra anay tamin'izany fotoana izany.
Rehefa nifandrombahana ny ho mpiasam-panjakana ambony na ho mpifehy sy mpitantana amin'ny orinasa dia izay tena havanana amin'ny teny firantsay tokoa sy izay efa manana mpanohana mialoha. Ankehitriny aza dia mbola ampanofinofisana ny ampitsangatsangana any andafy ny mpianatra mpanala fanadinana. Nefa bebe ihany araka ny hitako tamin'ny manodidina ahy no manana izany baccalaureat nefa dia "agent de securité" sisa na "planton" no sahaza azy any amin'ny ankamaroan'ny orinasa. Dia inona izany no mahasamihafa ny nianatra sy ny tsy nianatra?
Zavatra iray nahatalanjona ny saiko mandraka ity androany ny hitako eto amin'ny tanàna misy ahy. Malaza amin'ny fisian'ny karazam-piaviana rehetra moa ny tanàna misy ahy. Ankehitriny dia feno karana sy vazaha ary indrindra indrindra ny shinoa sy ny kely maso eto amin'ny tanàna. Rehefa miresaka vazaha aloha dia tsy fantatra mihitsy izay fototr'asan-dry zalahy sy izay tena ataon-dry zalahy. Dia ny mitilitily vehivavy ihany no tena anton-dia nefa enga anie ho diso izany fanombanako izany. Rehefa miresaka karana indray dia tsy ilay mpivarotra entana Analakely tsy akory fa mpivarotra hanimasaka indray. Saiky izay daholo ny ataon-dry zalahy sy ry zavavy. Fa rehefa Shinoa indray na dia mijorojoro eo ambaravarana fotsny aza izy dia fividianam-bato avy hatrany no ao an-tsain'ny manodidina. Tsy misy soratra akory aza eo anoloan'ny trano fa mahita latabatra sy seza ary fandanjana fotsiny ianao dia fantatra avy hatrany fa hividy vato no ataony eo. Andro roa voalohany ihany izy no toa nijorojoro fa nanomboka ny andro fahatelo dia mitanjozotra avokoa ny gasy tsy ampoizina rehetra mitondra ny vatony. Izaho amin'io mivanàka fotsiny, misy aza ny fotoana fa mitety trano mihitsy na entin'ny mpanera ireo shinoa ireo hanao raharaham-bato aminy.
Teo aho dia nitodika tany amin'ny lasa indray ny saiko, Ilakaka no toa nahatongavana an-tsaina. Ilakaka manamorona ny lalam-pirenena izany hoe tena fandalovana tsy maintsy nisy fanamboaran-dalana... fa fandraofana vato nataon'ankizy no nahafantarana fa hay feno safira ity toerana ity. Dia tsy hitan'ny Firantsay tamin'ny nanamboarana ny lalana ve ny safira nikararana tamin'io toerana io? Sa tsy fantatry ny Firantsay ny lanjan'ny safira eo amin'ny tsena? Efa voatonona ao amin'ny baiboly hatry ny ela ny fisiany fa volamena ihany angamba no akora voajanahary fantatry ny Firantsay, dia izay ihany koa no niononantsika. Jerena fa feno vato i Madagasikara, vato be vidy. Iza no nahalala raha toa ka efa nandakandaka 10 000 000Ar teny an-dalana teny aho fa tsy nahalala ny sandan'ilay vato nodakadakana? Nefa iza no nampianatra antsika ny vato sy ny lanjany? raha nisy tamin'ny fotoana nianarako manontolo dia ora enina ihany angamba farafahabetsany. Ampy hahalalana inona moa izany?
Teo aho no lasa lavitra ny saiko: fa dia inona no tena nampianarina ahy sy nandaniako ny androm-pahazazana? Fianarana mba ho mpiasam-panjakana sa ho mpiasam-bazaha sa ho mpiasa fotsiny ihany? Firifiry ny olona no nahay tamin'ny fianarana nefa variana fa toa ny tsy nianatra indray no toa manam-bola sy nahay nihary kokoa noho izy ireny? Misy moa dia zavatra tsy mifandraika amin'ny fianarana norantovina mihitsy no natao rehefa miasa? Dia inona izany no mahasamihaf any nianatra sy ny tsy nianatra? Teo aho resy lahatra tanteraka fa ny zavatra nampianarina no tena olana fa tsy ny teny ampianarana velively! dia mbola hotohizana ve ny fampianarana ny taranja toa tsy misy ifandraisana amin'ny zavamisy Malagasy sy tena ampandrosoana an'i Madagasikara? Soratra nataotao foana tao anatin'ny 20 minitra ihany ity fa ho hita ihany izay fivoarany.
Asa ianareo raha mahatsikaritra fa mbola manan-tsanda ihany (izany hoe misy valerany e!) ihany ny vola sandoka eto Madagasikara ary mino aho fa mbola betsaka noho ny dôlara tena izy Zimbaboeana ny sandan'ny vola sandoka ariary Malagasy.
Izao manko, any ambanivohitra lavitra any no tena fanakalozan-dry zalahy vola ariary sandoka amin'ny vola tena izy, mahazo ny atsasaky ny tena sanda ny vola sandoka rehefa voatakalo any ary indraindray mahatratra ny sanda mitovy mihitsy rehefa amin'ilay harivariva mahafitaka ny tsy mitandrina iny, na amin'ny fotoana mampikoropaka ny mpivarotra iny.
Fa ny tena manome sanda ambony ny vola sandoka malagasy dia ny mpanao gazety malagasy ihany. Miala tsiny raha mamely fantsy ny mpanao gazety amin'ity indray mitoraka ity satria fanitsiana fahazaran-dratsy ihany ity. Rehefa tratra manko ireny mitondra sy mampiasa vola sandoka ireny ka mitatitra ny mpanao gazety malagasy dia ilay sanda sandoka (tsy izy akory) no tena abaribary, vola sandoka 1.000.000 ariary no tratra tany amin-dranona... Vola sandoka ve dia hanana sanda sady amin'izay 1.000.000 ariary be izao? Azo ividianana inona io vola sandoka lazaina fa 1.000.000 ariary io? Fahitalavitra sa solosaina? Mba eritrereto ihany.Efa nahagaga ahy hatry ny ela manko io fanomezana sanda vola sandoka eto Madagasikara io ary efa tiako ahitsy fa tsy tadidy hahatery ahy hanoratra raha tsy nahatsikaritra ny fitateran'ny vahiny ny vaovao rehefa nisy nahatrarana vola sandoka. Ilay noeritreretiko mihitsy manko no nilazany azy: Ravi-taratasy 1000 natao vola sandoka no tratra tany amin-dranona... ary tsy nilaza sanda mihitsy izy satria taratasy tsotra nanaovana hosoka ihany no sandany. Marina fa tsy mandeha ny tsena raha tsy misy ny fanaitairana kely nefa anisan'ny filazana lainga ihany amiko raha omena sanda tsy azy akory ny vola sandoka. Sa tsy mety ny eritreritro?
Resaka vola ihany isika eto ka manararaotra kely hilaza ny amin'ity resaka lazaina fa fananganana ny sampan-draharaha miady amin'ny famotsiambola notokanana omaly ity aho (Samifin). Ny rehetra kosa hatramin'ny fitondram-panjakana no toroako eto. Araka ny hita moa dia ny tranon'i Sophie Ratsiraka, na nipetrahan'ny fianakaviana Ratsiraka, tao Faravohitra no misy ity sampan-draharaha vaovao ity. Filazana tsotra ny ahy fa tsy fantatro manko io na an'ny fanjakana na efa novidian'ny fianakaviana Ratsiraka. Aleo an'ny mpanadihady katraka no manao izay hamantarana ny tena tompon'ny trano.
Araka ny fahalalako manko dia eto Madagasikara no be vola maloto indrindra manerantany ka mila diovina maika ary beazina hanaja ny vola tsy ho simba sy haloto ny Malagasy. Tokony hisy lalàna mipetraka manafay izay tratra mandoto sy manimba ny vola malagasy mihitsy aza. Tsy io resaka vola simba sy maloto io tsy akory no tsy tian-dRavalomanana Marc, Filoham-pirenena Malagasy, iadiana ny famotsiana azy fa vola tsara tarehy sy madio nefa lazaina ho maloto noho ny teny frantsay manambara azy ho "argent sale" ka ilaina atao "blanchiment". Hita kosa eto ny fahasamihafan'ny kolontsaina frantsay lasa tahafin'ny teny malagasy nefa tsy mifanaraka fisaina sy fitenenana ary mahazatra malagasy.
Raha ny fomba fiteny mahazatra ny manampahaizana sy ny manampahefana Malagasy manko heverina dia toa vao maika hampirisika sarambambe malagasy hanimba sy handoto ny vola malagasy ny fomba filazana azy amin'ny teny Malagasy. Raha ny tokony ho fiteny sy izarana ny Malagasy rehetra dia ny fitenenana azy ho toy ny hoe fampiverenana ny vola azo tamin'ny tsy rariny sy tsy ara-dalàna (rongony, fanerena olona hivarotena, fivarotana olona,fitaovam-piadiana...) ho amin'ny tsenam-bola manara-penitra amin'ny fomba hafa. Lava tena lava izany filazana izany, azo atao fifaninanana ny itadiavana ny teny sy fomba filaza fohy, nefa tsy maintsy atao mba tsy hampifandiso ny fisainan'ny be sy ny maro mety tsy hahatakatra ity fomba vaovao manerantany ity. Fa angaha ity vola malagasy ity tadiavina hitoetra eny an-tsena mandrakariva e!