Mivavaha ka aza mitsahatra satria...

2010-12-20 @ 09:51 in Finoana

 

Antomotra ity ny faran'ny taona, ho tonga ny krisimasy... nentina hahatsiarovana ny nahaterahan'ny Mpamonjy eo amin'ny finoana kristiana na dia tsy voatery ho marina aza io andro io entina ho fahatsiarovana ny fahaterahana io. Ny krisimasy rahateo niainga avy tamin'ny anarana hoe "Lamesan'i Kristy" fa tsy hoe nahaterahan'i Kristy. Tsy manakana ahy hankalaza ny Tompo anefa izany rehefa fotoana ifanarahana io. Odiana tsy lazaina intsony ny fahasahiranana fa resaka ara-panahy aloha no tsidihana vetivety nefa tsy manakana anareo ho tezitra aho raha milaza hoe hifety satria ny fankalazana ny Tompo any am-piangonana no ataoko hoe fety eto.

 

 

 


Eo amin'ny resaka ara-panahy ihany dia tsy haiko na misy finoana na zavatra hafa ao ambadik'ilay faritra tsy azo itsahina sy tsy azo andehanana ao anatin'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo fa tsy maintsy lasa hatrany ny saina. Marina dia marina fa vita tamin'ny hazo ilay toerana raha vita rarivato tsara kosa ny manodidina nefa angaha moa manakana ny fahalovany na fahasimbany izany? Sa sao dia ianjeran'ilay lustre goavana mahatratra 750kg izay mandalo eo ambaniny ka ho faty tsy trà-drano? Raha anaty trano izany manko no tsy azo andehanana na tsy azo itsahina na iza na iza nefa dia mila ho eo an-tokonam-baravarana io faritra 5X4 metatra io dia hoy ny fanahiako hoe sao dia finoana kosa no antony na sanatria sanatria... tao no nametrahana ilay zavatra... hitanareo ihany ity finoana ananan'ny olombelona ity ary tsy mivaona amin'izany ny finoana ananan'ny Malagasy dia lasa lavitra ny eritreritra. Tsy voatery ho marina velively io fanahiako io fa mba zaraina aminareo fotsiny.

 

 


Na izany na tsy izany dia manentana izay mpivavaka rehetra aho hitodika hatrany amin'izay inoany ary fotoana izao hanokanana fotoana aminy sy hieritreretana lalina ny fiainam-panahintsika sy ny fiainana andavanandrontsika.


Jentilisa, 20 desambra 2010 amin'ny 11:50

PS: sa betsaka faritra an-trano tsy azon'ny na iza na iza itsahana sy tsy andehanana ankoatra ny faritra hanaovana fivavahana hitanareo?

Tafasaraka tamin'ny HMF ny Vondrona Kristiana

2010-10-21 @ 23:10 in Finoana

Mety ho hitantsika any amin'ny sehatra hafa any fa hisy fotoana nomen'ny fikambanana antsoina hoe Vondrona Kristiana lazaina ho misolo ny HMF hotontosaina ny Asabotsy 23 Oktobra 2010 ho avy izao eny Antsahamanitra. Maro moa no manontany tena hoe fa iza avy no ao amin'ity fikambanana ity ary manao ahoana ny tanjony? Ataoko fa amin'io andro io avokoa no mety hahafantarana bebe kokoa momba azy. Ny zavatra azo singanina kosa anefa dia tsy miara-dia amin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana intsony ity Vondrona Kristiana ity na dia misy aza ny gazety milaza fa misolo ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ny fikambanana.


Taorian'ny raharaha 20 mey 2010 dia voatery niafina avokoa ireo mpitarika tao amin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana. Ireo izay tsy notadiavina kosa nanohy tsimoramora ny hetsika na dia somary lefy kokoa aza ny heriny. Fotoana vitsy taty aoriana dia nanapa-kevitra ireto karazana vato namelan-kafatra fa misy amboarina kely ny rafitra nitantanana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana, ampandraisina anjara bebe kokoa amin'ny fitarihana ny Lahika, dia novaina ihany koa ny anarana ka natao hoe Hetsiky ny Mpitory Fahamarinana indray. Tsy nankasitraka izany fanovana anarana izany, sy ny karazana fanovana rafitra tsy nifampierana izany, ny mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana... sady nanorina rahateo ny Hetsika.


Tsy nitovy ny tadin-dokanga nanomboka teo satria karazana famadihana avy hatrany ny Hetsika ilay fanovana anarana tsy nifampierana tamin'ny mpikambana rehetra tao anatiny, ary tsy nifampierana tamin'ireo mpanorina indrindra indrindra. Faharoa, karazan'ny fampilazana fa vita hatreo ny amin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana no anton'ilay fanovana anarana nefa tsy novana ny famantarana. Notakian'ny tany ampiefenana ny hanambarana amin'izy ireo ny tatitra ara-bolan'ny Hetsika saingy fahatezerana sy fisintahana no setrin'izany. Amin'izao fotoana izao raha efa nanambara ny hiditra amin'ny Hetsika indray ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana dia ny Vondrona Kristiana novaina avy amin'ny Hetsiky ny Mpitory ny Fahamarinana indray no hanatontosa izany etsy Antsahamanitra. Dia miandry izay ho tohiny aho hoe hanao ahoana tokoa re ny hataony ary?


Jentilisa, Zoma 22 oktobra 2010 amin'ny 01:08



Advantista mahavita irery?

2010-07-16 @ 22:56 in Finoana

Tranga iray tsy dia ankalazaina loatra eto amin'ny serasera ny resaka fibodoana tany ataona andian'olona milaza tena ho vahoaka sady nahazo alalana avy amin'ny minisiteran'ny mponina araka ny voasoratra ao amin'ny gazety tia tanindrazana amin'ny tanin'ny fiangonana advantista mitandrina ny andro fahafito eny Soamanandrariny. Raha vao olona ambony eo amin'ny milaza tena ho mpitondra anefa no ifandonana dia sarotsarotra ihany ny hivoahan'ny raharaha. Manana ny eritreriny mikasika izany ity fiangonana ity amin'izay ataony.

Tafiditra lalina amin'ny politika angamba aho, eny fa na dia resaka fiangonana aza ny resaka eto, fa politika mitsabaka na manitsakitsaka ny toerana misy ny fiangonana no misy eto, ka ny setriny dia ny tsy maintsy hijoroana hanohitra izany toetran-jiolahimboto izany ka tsy hanjakazakany amin'izay olona na fikambanana izay fantany fa tsy hanao herisetra aminy tsy akory. Nieritreritra aho fa mba mety ho manana anjara ihany koa satria fanoherana ny halatra sy fibodoana tany no misy eto saingy sahiran-kevitra ihany. Niantso firaisankina eo amin'ny fiangonana sady milaza ny hamory ny mpiara-mivavaka aminy rehetra eny Soamanandrariny "Gradin III" tokoa ry zareo ny alahady 18 jolay saingy raha ny fijeriko azy dia ireo ao anatin'ny anaram-piangonana ihany no tena antsoiny.

Samy manana ny mahazatra azy sy ny mandresy lahatra azy tokoa ny tsirairay ka tsy azoko atao loatra ny mamelively na manome tsiny amin'izany. Efa mahazatra rahateo fa tsy tian-dry zareo loatra ny mifangaroharo amin'ny fiangonana hafa, fandrao manko manimba ny fahamasinan'ny fivavahana izany, ka na dia amin'ireny vondrom-bavaka ataon'olo-tsotra ireny aza dia manana ny azy manokana ny advantista fa tsy tia miaraka loatra amin'ireo tsy iray fiangonana aminy. Zavamisy izany ka raha misy ny toe-javatra tahaka izao dia sarotra ho an-dry zareo raha izao ry zareo vao hiantso fiarahana na fiaraisan-kina miaraka amin'ny hafa.

Izaho fotsiny no mieritreritra hoe, hay ve tsy fiangonana iray, intsony no iharan'ny antsojay tahaka izao fa itony koa ny hafa fa tràny ihany koa. Moa ve tsy fotoana izao iarahan'ny rehetra miara-mieritreritra sy mandanjalanja ny tokony hatao? Hatramin'izay manko ny FJKM irery ihany no tena heno ho lasibatra ka toa tsy nahataitra ny hafa loatra. Ankehitriny, misy koa ity fibodoana mahazo ny Advantista ity... moa ve tsy ahiana hiitatra amin'ny fiangonana hafa izao fanosihosena izao? Miantso ihany aho noho izany sao dia tsy fotoanan'ny fiolonolonana intsony izao fa tena avondrona tokoa ny hery ho enti-manohitra ny tsy rariny ka ny eto izao dia eo amin'ny fivavahana? Mbola hifanavakavaka ve ny samy fiangonana samy milaza tena ho kristiana?


Atsaharo ny ompa!

Tena tsorina fa efa elaela ihany no tsy namonjy ny fivoriana eny amin'ny tokotanin'ny Magro ny tena (mbola tsy tao amin'ny kianjan'ny finoana Behoririka mihitsy aho, izany dia noho ny asa atao mazava loatra). Miaiky ireo olona mazoto mankeny mandrakariva aho satria manana fikirizana izy ireo. Na izany aza dia mba maharaka ihany ny sombotsombin-java-misy ny tena noho itony aterineto itony afa-mihaino ny radio rindra (misy mpihaino tokoa ianareo ka aza manahy). Misy anefa ny manorisory ihany eo ampihainoana ny kabary mandeha eny fa lasa tsy mihaja loatra ny fitenenana.

Heno ihany manko fa misy ny fanivaivana tafahoatra ataon'ny sasany amin'ireo mandray fitenenana. Na inona na inona toetra sy haratsian'ny sasany, tsy mety kosa ny manompa azy ireny, indrindra fa toy ny manam-pahefana aminao, afa-misambotra anao noho ny teny tafahoatra ataonao izy fa tsy hoe noho ny tolona ataonao. Azo atao tsara ny mitsikera ny zavatra atao na hevitry ny sasany mifanandrina aminao fa ny manompa kosa tsy mety. Taloha toa mba nisy ihany ny famerana ny olona handray anjara fitenenana fa ankehitriny mitady hivadika ho gaboraraka ihany koa ny fifandaminana. Amiko manokana tsy olona masiaka no andrasan'ny maro na tadiavin'ny maro fa izay mahay mampivondrona ny maro sy mandresy lahatra olona betsaka indrindra ireo izay mihazohazon-kevitra amin'izao fotoana izao. Koa ahitsio, azafady indrindra, ny fomba fitenenana mba tsy ho menatra amin'ny tenin'ny mpikabary ny mpihaino azy.


Jentilisa 17 jolay 2010 amin'ny 00:57

Voaompa nefa tsy mihemotra ny Mpitondra Fivavahana

2010-03-10 @ 21:01 in Finoana

Nivaly sahady mialoha ny famalian'ny Kaominina andrenivohitra Antananarivo ny valinteny avy amin'ny Prefektioran'ny polisin' Antananarivo. Araka ny nolazain'ny iray amin'ny mpitarika ao amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana dia tokony ho ny ao amin'ny fitantanana an'Antananarivo aloha no mamaly na tsia amin'ny hanekena ny fangatahan'ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana ny kianjan'Ambohijatovo, nefa moa dia tsy vitan'ny hoe nisongona namaly ny hafa ny Prefe fa anao teny an'avona sy maneso ary nihantsy mihitsy aza.


Rehefa nanaraka ny votoatiny novakian'ny mpitandrina iray aho dia misy toy izao: "...ekena tokoa fa ilaina ny fibebahan'ny firenena ary mila vavaka ny firenena, saingy efa misy ny toerana natokana ho amin'izany dia any amin'ny isam-piangonana tsirairay avy, koa tsy ilaina ny fanaovana vavaka ankalamanjana; fa raha mangataka ny hanao akalamanjana ihany ary dia aleo akatona ny fiangonana fa eny ankalamanjana indray no atao ny fiangonana..."  Dia tahatahaka izay no votoatin'ny valinteny nataon'ny Prefe araka ny fihaino azy tamin'ny radio fahazavana.


Mazava ny valintenin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana manoloana izany valinteny izany. Ampirisihana ny rehetra hiakanjo fotsy na hitondra famantarana fotsy ny tontolo andron'ny Alakamisy hiadiana amin'ny tsy fahamarinana fa hitady ny fahamarinana kosa. Hisy ny fotoam-pivavahana maraina manomboka amin'ny fito ora ao amin'ny FJKM Ambatomena izay eo ampitan'ny Consulat General de France io Alakamisy 11 marsa maraina io. Hotontosaina amin'ny Asabotsy 13 marsa fa tsy mbola misy fiovany ny fotoam-pivavahana eny Ambohijatovo... na dia efa mazava aza ny fanakanana avy amin'ny Prefektioran' Antananarivo. Efa ela, hoy ry zareo, ny nandeferana fa ny amin'ny Asabotsy 13 marsa kosa dia hotontosaina. Mazava manko ny fanakanana fa tsy ilaina mihitsy ilay fotoana ka tsy mila tanterahina. Samy hitana ny teniny ve ny roa tonta sa hisy ny hihemotra?


Marihiko fa mandeha dia mandeha mihitsy ny fifanentanana eo amin'ny samy olona hitondra izay mari-pamantarana fotsy izay na dia any amin'ny toerana heverina tsy ankasitrahan'ny mpivavaka loatra aza. Henoko tsara io ka tsy fantatro loatra na mifananihany ry zareo na tena matotra ny resaka satria olondehibe avokoa ireo miresaka ireo.



Jentilisa, 10 marsa 2010, amin'ny 23:10

Volana imaso tsy mba kilema

2010-02-20 @ 21:52 in Finoana

Misy ny ohabolan-drazana manao hoe manalasala toa vozon'akoho, ariana toa hena, hohanina toa taolana. Toa izany no fijeriko ny hamaroan'ny olona (na ny havitsiany, araka ny fomba fijery) tonga teny Antsonjombe ny andron'ny Asabotsy 20 febroary 2010. Izao manko: Afaka miteny soa aman-tsara sady maneso ireo izay tsy mankasitraka ny hetsika manao hoe vitsy ny olona nanatrika tany. Afaka miteny soa amantsara ihany koa anefa ireo mpanaraka ny hetsika milaza hoe betsaka ireo olona tonga ireo. Tsy diso velively ny mpitarika raha nilaza hoe: "Raha tany amin'ny kianjan'Antsahamanitra isika dia tsy antonona ny kianja" sy ny hoe "Efa betsaka isika ireo fa mbola tsy ampy!"


Marihina fa ny mpanoratra dia niserana ihany noho ny asa aman-draharaha tsy azo bangana olona. Efa tsy niasa ihany manko ny tena ny alakamisy 18 febroary 2010 tontolo andro nanatontosa ilay androm-bavaka sy fibebahana, ary nanao ny fifadian-kanina ihany koa. Tamin'ity andro Asabotsy ity kosa dia ny mitataovovonana ihany no teny nanomboka tamin'ny 12:10 ka hatramin'ny 13:35,izany hoe nandingana sakafo atoandro, nefa ny tena fotoana dia amin'ny 14:00 vao manomboka. Ny fanafanana fotoana sy ny asam-pandroahana ny asan'ny maizina ihany noho izany no natrehina. Indrisy moa fa maro tamin'ny namana fantatra ihany koa no tsy afaka tamin'ity fotoana iray lehibe ity.


Teo am-pahatongavana niala tamin'ny fiara fitaterana aho dia gaga tamin'ny hamaroan'ireto fiara lehibe dimy an'ny mpitandro ny filaminana feno an-dry zalahy sy fiara tsy mataho-dalana iray ka izy rehetra ireo dia mirongo fitaovam-piadiana fitondra miady fa tsy fitandroana filaminana velively. Ny fiara lehibe roa aza moa dia kely foana tsy nibahanany ny vavahady fidirana  mankao an-kianja izay tokana ihany moa. Ry zalahy koa mikarenjy etsy sy eroa miaraka amin'ny basy ka mahasadaikatra ny olona ny hifanena aminy. Nisy aza moa rehefa iny tonga teo iny ilay fiara fitaterana nitondra ahy no loa-pahatezerana mihitsy ny sasantsasany amin'ireo vehivavy tao anaty fiara nahita azy ireo. Tsy dia nahagaga loatra noho izany raha nadiodio izany hoe tsy nisy olo-tsotra loatra teo am-bavahady fidirana fa nihatakataka lavitra angaha. Ren'ny mpitondra fivavahana angaha izany toe-javatra izany, na nisy no niantso azy ireo tamin'ny finday manontany raha misy marina ny fotoana na tsia, ka nahatery azy ireo nizara programa ireo miaramila rehetra hitany teny ivelany ireo sy niangaviana ireo miaramila somary hihatakataka kokoa. Nanaiky izany ny mpitandro ny filaminana ka nanakisaka ireo kamiao tany ho any amin'ny 80 metatra andrefan'ny vavahady fidirana. Vita izany rehetra izany vao somary nisy olona nivezivezy teo am-bavahady.


Tahatahaka ny ahoana moa izany ireo karazan'olona tonga tamin'ity fotoam-pivavahana ankalamanjana ity? Raha atao indray mitopy maso ny nisongadina dia ireo efa zokiolona indrindra ny vehivavy no tena misongadina avy hatrany. Ireo no misy mpinamana angaha ka hitahita ho misy miarakaraka na manao andiany. Ny lehilahy efa zokiolona kosa matetika ny hita eny dia mandeha tsirairay no tena maro. Manaraka izany indray amin'ny hamaroana ireo somary fianakaviana kely ka olon-dehibe omban-janaka na zafikely, ary tena mbola zaza tokoa ireo manaraka ireo. Avy eo vao ny tanora matotra izany hoe ireo mananontanona na mihoatra ny 30 taona no maningatsingana teny ho eny ka miaraka amim-bady na main'olo-tiana fa tsy miaraka andiany toy ny mpinamana. Tsy tena tsipalotra kosa izany hoe tanora matotra mpinamana maromaro niaraka ho amin'ity fotoam-pivavahana ity izany.


Ny vitsy an'isa indrindra tadiavina mihitsy vao mety ahitana dia ny zatovo vatombatony feno taona hifidy na ankatoka ho amin'izany. Fahabangana lehibe ny tsy nahitana loatra ity sokajin'olona notononiko farany ity. Izany hoe azo heverina fa tsy vaindohan-draharaha ho azy ireo mihitsy ny karazan-javatra tahaka ny natao tamin'ny andron'ny Asabotsy ity. Isika Malagasy anefa dia firenena maro an'isa ny tanora ary mandrafitra ny ampahany betsaka mihitsy aza. Azo lazaina manko hoe fotoam- pivavahana kapomanta fotsiny no teny fa tsy nasiana na tsy nolazaina mihitsy kosa ny hisiana karazana rindran-kira evanjelika. Raha iretsy maro an'isa tonga iretsy dia mazava tsara fa tonga dia ny ventin-dresaka sy ny votoatin-draharaha no  tena anton-diany fa tsy miraharaha loatra intsony izay endrin-javatra manintona. Tsy mahasarika ny zatovo loatra anefa ny toy izany araka ny fijeriko, ka tsy mahagaga loatra raha tsy hita tamin-javatra tahaka itony ireo zatovo 20 ka hatramin'ny 30 taona eo ho eo ireo.


Aiza ho aiza noho izany ny heveriko ho lesoka mila harenina ho amin'ny manaraka? Sarotra be ny miresaka azy ity satria mety azo sokajiana hoe ravindraviny hanintonana fihetseham-po na mampientanentana no tsy natao mihitsy; singaniko amin'izany ny hira ataon'olo-tsotra na ataon'ny antoko mpihira. Ny karazana foto- pisainana protestanta, ananan'ny ankamaroan'ny mpitondra fivavahana mandrafitra ity hetsika ity, dia manifika avy hatrany izay mety ho tsy dia ilaina loatra ho amin'ny fanamafisana na fijoroana amin'ny finoana ary matetika moa dia ireny antsipirian-javatra ireny no mahatriatra ny dia mandrakariva. Azoko heverina anefa fa azo ifampiresahana tsara ry zareo hijery manokana ny eo amin'ity lafiny hira ity hahatonga ny zatovo hahatapa-kevitra sy hazoto fa hanatrika sy handray anjara amin'ny hetsika amin'ny manaraka.


Faharoa manarakaraka izany dia tsy ampy mihitsy ny fanentanana, ary fantatry ny ao amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana tsara izany. Ny radio fahazavana irery ihany no nanaovana fanentanana ho amin'ny fotoana tahaka itony, izany hoe mba manana ny lanjany ihany izany ilay radio na dia maro aza ny faritra tsy mahazo tsara azy io na dia eto an-drenivohitra izao aza, ka tsy atao mahagaga raha mismisy ihany ny tsy mahalala akory ny fisian'ity fotoam-pivavahana ity. Efa hitan-dry zareo mpitarika moa iny ka ho hita eo amin'ny manaraka. Mbola banga amin'ny fanentanana ihany koa ny fifanentanan'ny olona hanatrika ny fotoana. Izay tena resy lahatra sy mazoto ihany no tonga, saingy tsara halalinina kokoa angaha ny fahasahian'ny olona hitarika ny namana ho tonga amin'ny fotoana tahaka ireny... tsy hanery ny olona handeha na ho tezitra amin'izay tsy handeha fa handresy lahatra ho amin'ny fiaraha-mientana kosa.


Toro-hevitra ho an'ny mpitarika noho izany ny hakany tarika mpihira evanjelika mihitsy na handray an-tanana ny fanangonana sy fampivoriana ary fanentanana ireo tanora mety hananganana antoko mpihira "vonjimaika" ho an'ny hetsika fa heveriko ho lalana iray hahatonga fifanentanana eo amin'ny samy tanora io ka hameno tsikelikely ny banga sy hampiroborobo ny hetsika. Tsy maintsy manana mpitarika hisahana lafiny hira na zavakanto noho izany ny ao amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana raha mbola ho lalandavitra ity hetsika ho amin'ny fampijoroana ny fahamarinana ity. Izay aloha no voasoratro etoana ho fanavazavana ho anareo mamadibadika te-hahafantatra ny fandehan'ny zavamisy aty Madagasikara fa raha ny tena manokana aloha dia ao anatin'ireo tsy afa-po loatra... sady tsy afa-nanatrika ny ventim-potoana rahateo moa. Hofaranako amin'ny fomba fiteny malagasy indray angaha izy ity tahaka ny nanombohako azy ka hanoratako hoe ataovy toy ny voankazo an'ala izay voasoratra izay, ny mamy atelemo ary ny mangidy kosa aloavy. Sa inona hoy ianareo no tokony hatao?
 
 
 
jentilisa, Alahady 21 febroary 2010 amin'ny 00:00

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox