Resaka andavanandro eto Iarivo ihany ity lazaiko etoana ity. Maro karazana ny soloky fandre sy fahitantsika fa misy endrika mbola tsy fandreko loatra no holazaiko eto izao. Ity dia tsy maintsy misy namana ny mpanao azy ary ny mpivarotra ihany no tena asiany voalohany.
Eto amintsika moa dia atao hoe tsy ampy loatra ny vola madinika hany ka any am-pivarotana no manakalo vola ny sarambambem-bahoaka. Eo amin’izay no idiran-dry zalahy amin’ny solokiny. Mody manakalo vola tokoa ry zalahy. Amin’ny ankapobeny dia vola vaventy hatrany no entina. Ny tena fanaony aza moa dia ny Ar10.000 no tiany atakalo ho roa fotsiny izany hoe Ar5000 roa no tadiaviny. Matetika dia tsy manome olana amin’izany loatra ny mpivarotra rehefa hitany fa tena vola io vola atakalo io.
Fa eo indrindra no ivoahan’ny haratsian-dohany. Olona roa hatrany no mifanakaiky eo, ny iray no mitondra ny vola atakalo moa ny iray tahaka ireny olona tsy fantany ireny na manao zavatra hafa « donendrinendrina » mitakisikisina amin’ilay namany eny. Raha vao manakalo (na mamerimbola be ihany koa !) ilay mpivarotra dia vetivety ny vaventy iray dia ifanakalozan’izy mirahalahy eo (efa nianarana mihitsy !). Tonga dia miteny ilay ranamana manakalo vola avy eo hoe mbola tsy ampy ity vola nomenao ity. Raha tsy efa mailo na efa tratra indray mandeha tsy mahita ny fanaovana azy.
Fanaon’ny efa zatra ny miteny hatrany hoe Ar10.000 ity volanareo ity an ! sady mipetraka eo ambony latabatra ifanatrehana ihany ny vola. Dia miteny indray avy eo hoe ireto Ar5000 roa ary takalony. Tsy mahita holazaina ry zareo amin’izay fotoana izay. Izay ny traikefa mahazatra fa mety mbola hitohy ny raharaha amin’ny sasany.
Mody miamboho kely ny mpivarotra indray izy. Eo anelanelan’izay fotoana izay indray efa niova vola sandoka mandehandeha be eto amin’ny tanàna ny iray amin’ny vola vao natakalo teo. Dia mody mitodika indray izy manao hoe aleo atao tokana ihany fa manahirana izy izany…amin’io fotoana io dia tsy mandray ny vola intsony ny mpivarotra fa mamaly hoe rehefa nanakalo ianareo dia tsy misy averina izany intsony fa ento any iny. Raha mandray manko ka miteny ny mpivarotra avy eo hoe tsy izy ity vola ity dia hamaly izy hoe iny ihany ny vola nomenao teo koa inona indray. Mety ho sarotra ho an’ny mpivarotra ny hamaly azy amin’izay fotoana izay ka ny tsy manaiky ny hamerenana ihany no fanafodiny.
Zavatra mety ho tsotsotra ihany izay nambarako izay nefa noho ny fahitako ilay mpangataka isan’alahady eo ambavahadim-piangonana mamolava izay lasa naman-dry zalahy mpisoloky ireto no nanoratako azy etoana. Mety ho lamaody manko ny fanaovana ity soloky mbola tsy fandre loatra ity izay mety ho efa tany an-tsain’ny mpanao ilay fandaharana « Aleo hihomehezana fotsiny » ( inona ary izany?) amin’ny teny frantsay izay mamandrika any Quebec matetika afaka kelikely eo !
Asa raha tadidinareo ilay fanaovam-pahatsiarovana an’i Ravinala iny. Asa na fifanandrifian-javatra na mpamaky ity blaogy ity ny mpitantana ao fa vao nanoratra iny aho, ny ampitso ihany dia nanjary nisy soratra hoe « bientôt chez vous » teo amin’ny fijerena azy teo aloha. Omaly raha tonga tao an-trano aho dia nandefa horonantsarimihetsika indray izy sady misy soratra hoe J-10. Azo heverina avy hatrany fa afaka folo andro omaly no handeha indray ilay haino aman-jery.
Tsy mbola nilaza ny anarany izy ao fa taiza kosa no nahitako ny anarany ? Dokambarotra eny amin’ny arabe amin’ireny tabilao lehibe ireny : Sarina tranoavo alaina sary avy aty ambany ka toy ny fotony ny sary tanana maromaro toy ireny mankalaza amin’ny fivavahana ireny. Mampahatsiahy sary avy hatrany rehefa mpamaky ny bokin’ny antokom-pivavahana sasany : Mankalaza an’i Babela ve ? Babela ilay malaza ao amin’ny baiboly ho nananganan’ny olona tilikambo avo manambara ny asan’olombelona sy fitadiavany rehareha.
Nefa sary nitsipelika tao anaty fotsiny iny fa tsy inona tsy akory. Viva no anarana lehibe napetrany teo ambony miaraka amin’ny tarigetra manao hoe « vivez l’evenement chez vous » ! Ra-vina-la izany no lasa Viva Amin’ny 26 mey izany mijery na tonga tokoa izy na tsia !
Efa saiky omaly moa izy ity no navoakako saingy ninia nihaino ny hevitry ny hafa ihany koa aho aloha. Efa hitan’ny rehetra satria natao lohatenim-baovao sy ngeza tokoa teo amin’ny pejy voalohany ny alahelon’ny fitondrana frantsay nanoloana ny fandroahana ilay mompera Zezoita hiala teto Madagasikara. Nanaitra ny hambom-pon’ny maro teto antanindrazana ilay filazana ofisialy nataon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny frantsay.
Raha nieritreritra ny mpanao gazety nametraka ny vaovaony ho tena matoany dia hafa dia hafa kosa ny nandraisan’ny mpamaky ilay vaovao. Ny mpanao gazety no mety hanao hoe hanimba ny fifandraisana amin’ny roa tonta io ary matoa ny frantsay miteny tahaka izay dia tena zavatra tsy rariny ilay fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana malagasy. Toy ny nametraka moa ry zareo fa noho ny famoahan-kevitra nataon’ilay teratany frantsay no nahatonga ny fandroahana azy. Eo dia tahaka ny hoe mahazo miteny sy mitsikera ny ataon’ny eto nefa mipetraka eto an-toerana ny teratany vahiny.
Ny mpanara-baovao kosa dia nametraka avy hatrany fa raha fandroahana amin’ny mahamisionera azy no natao taminy dia ny any Vatikana aza no tokony hiteny sy hilaza ny alahelony ary hanontany ny antony fa tsy ny frantsay na oviana na oviana. Ny hitory ny evanjely no tokony andehanany aty fa tsy ny hitsabaka amin’ny raharaha politika malagasy afa-tsy hoe mangataka izany ny manam-pahefana eto an-toerana. Vatikana araka ny heviny (izaho moa protestanta ka tsy tena mahalala ny ba sy bi…ny) no naniraka io olona io ho tonga teto Madagasikara. Tsy i Frantsa no tokony haneho ampahibemaso tahaka izao ny heviny manoloana ity raharaha ity.
Ny tsara marihana dia izao : tampoka no nandefasana ilay teratany frantsay ka azo eritreretina ihany fa noho ny hamehana sy zavatra tampoka izany no nandefasana ilay olona. Tamin’ny nandefasana ny mpiambina manokana ny filoha (JMK) iny dia ny laza fa nandona olona teny Talatamaty ny soavaliviny no nisy ihany koa fahatratrarana karazana soavalivy mitovy amin’ny azy teny amin’ireo olona mpaka takalon’aina nalaza tamin’izany fotoana (Lama sy Mahandry). Roa andro raha be indrindra dia tsy maintsy niala ny faritry Madagasikara ranamana raha vao niandoha ny fanadihadiana. Amin’izao fotoana izao moa dia efa mipetraka eto an-tanindrazana indray ranamana io na dia tsy miambina ny filoha aza.
Rehefa tsy nety nolazaina manko ny antony dia tonga daholo izao karazana tsahotsaho rehetra izao. Tsy fantatra intsony izay marina sy tsia fa misy moa ny resaka heno tena ratsy dia ratsy tokoa nefa tsy mendrika ny hosoratana eto izany. Anjaran’ny fitondram-panjakana ny mamoaka izany raha te-hamoaka izy fa angamba metimety kokoa raha mifampitony ny rehetra amin’ny zavatra tsy hahazoam-baliny intsony araka ny fahitako azy hatramin’izao.
Mba hiova filamatra kely amin’ity andro ity. Andro iraisam-pirenena momba ny fianakaviana manko ity andro ity. Ny fianakaviana tiana ho lazaina amin’ny fijery tandrefana dia ankohonana no izy kokoa amin’ny teny malagasy. Ny filazan’ny fanjakana moa dia fianakaviana fa izaho kosa hanoratra azy hoe ankohonana. Ny ray, ny reny ary ny zanaka no mandrafitra ny ankohonana. Io no rafitra kely indrindra eo amin’ny fiaraha-monina nefa io ihany koa no fotony na fehizorony.
Nahatsapa ny firenena mikambana fa raha io ankohonana io no tsizarizary na ratsy fototra dia ny fiaraha-monina avy hatrany no potika. Ny fifandraisana eo amin’ny mpiara-belona avy hatrany no simba. Mety hanam-pandrosoana ny firenena fa tsy hisy antoka na oviana na oviana fa hilamina io firenena io. Izany no nahatonga azy nametraka andro iray ho amin’io ankohonana io. Ny ray dia lahy, ny reny dia vavy ary ny zanaka misy lahy sy vavy. Ny fitaizan’ny lahy iray sy ny vavy iray ny zaza iray no hany antoka mahavanona ny fitaizana ny zanaka. Ankehitriny manko dia efa betsaka ny olona no ny iray ihany no mitaiza ny zaza ( ny lahy matetika no mandositra adidy). Na inona na inona fitiavana, na inona na inona fiezahana dia hisy fahabangana hatrany ny fitaizana io zanaka io. Ny lahy sy ny vavy manko dia natao hifameno fa tsy misy feno avy hatrany avy amin’ny lahy na avy amin’ny vavy. Dia tahaka izany no tsy dia mahaampy ny fitaizan’olona mihevitra ny hanangana fanambadiana eo amin’ny samy lahy na samy vavy ka maniry ny hitaiza zaza.
Raha ny ankohonana ary no fototra mampijoro ny fiaraha-monina rehetra dia tsara indrindra raha ara-dalàna io ankohonana io izany hoe manaja ny lalàna hiarovana ny tsirairay ao anatiny. Fenitra ny tsy handravana fahatany io ankohonana io ho toy ny kilalaon’ankizy ka azo ravana na manorina hafa indray. Ny fitaizana mitohy sy maharitra ihany no antoka tsara indrindra mahavanona ny fitaizana ny zanaka. Izany hoe ny ankohonana ihany no fototra mampijoro tsara ny firenena ho vanona sy hanana ny ho aviny. Eto Madagasikara dia betsaka ireo any ambanivolo any no tsy miditra amin’ny sehatry ny fisoratana eny amin’ny lapan’ny tanàna. Samy manana ny antony tsy andehanany eny fa heverin-dry zareo fa ny fomban-drazana dia efa ampy, sady ny fiaraha-monina rahateo dia efa vavolombelona avokoa. Amin’ny ankapobeny anefa dia lasa tsy manana kopia, antotan-taratasy ahafahana mianatra ny zaza teraka tao anatin’ny fomban-drazana tsy misy soratra. Mbola asa goavana no miandry ny mpiadidy amin’ity sehatra hahatonga ny olona nisora-panambadiana ity. Ny fiangonana kristiana rahateo tsy afa-manamasina na mitso-drano ny fanambadiana mbola tsy vita soratra raha tsy te-ho tratran’ny famaizan’ny lalàna.
Ny any ivelany indray indrindra fa ny any amin’ny tany mandroso dia efa tsy raharahiana ihany koa ny hasin’izany fanambadiana izany. Lamaody antitra sy fanerena nataon’ny fiangonana ihany izany araka ny fiheviny. Toy ny zavatra tsy misy dikany fa fiainana mandeha ho azy ny fanambadiana ary mifandraika amin’izany dia azo ovaovana ny vady. Izay tiany tokoa io ka tsy misy azo ferana amin’izany. Saingy mamotika tanteraka ny fisainan’ny ankizy nateraka izany ary mieritreritra aza ny maro amin’izy ireny fa noho ny nataony no nahatonga ny ray sy ny reny hisaraka. Rehefa lehibe koa ireny zaza ireny dia hanana fiheverana sahala amin’ny rainy sy ny reniny ihany koa.
Noho ireo tranga roa nambara ireo fotsiny dia kely dia kely ny tahan’izany olona anaty ankohonana feno izany. Lasa karazana idealy io ankohonana io fa tsy voatery tratrarina na fiatombohan’ny fiainana vaovao eo amin’ny olona iray. Misy mpitoriteny malagasy iray tsy mitsahatra ny mamerimberina fa ao an-tokantrano no tena mahakristiana ny kristiana iray fa tsy any ampiangonana. Any ampiangonana misy miseho ho masina nefa rehefa ao an-trano tena manahirana ny milaza ny toetrany amin’ny fampijaliana vady na zanaka sy amin’ny fitiavan-tena diso tafahoatra fotsiny. Moa tsy izany rahateo no antony nampisy ny fisafidianana izay olona hitondra ny fiangonana amin’ny alalan’ny fitarafana ny fiainan-tokatranon’ireo olona mitolo-tena ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ?Jerena avy amin'izany ny hoe manana vady firy izy ary manao ahoana ny fitondrany ny zanany.
Niara-nigadona tao amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena ny mpianatra tavaratra. Tonga tamin’ny fiara fitaterana ry zareo. 487 no isan-dry zareo nifampiandry teo fa hihaona amin’ny « ray aman-dreny » araka ny nifanarahana. Ny teny hoe tavaratra dia efa milaza zavatra hafahafa ihany saingy mbola tsy nisy sahy nanameloka hatramin’izao. Efa fisainana fampisarahana manko no ao ambadika na dia fivondronam-be aza no fijery azy amboalohany. Impiry impiry manko ny resaka fifandirana any amin’ny sekoly ambony tany aloha tany no nisy resaka hoe tavaratra sy tatsimo fa notsinotsinoavina hatrany aloha izany. Fifampiarovana manoloana ny hafa no tena antony, ny hafa izay Malagasy ihany fa tsy vahiny tsy akory.
Resaka samy varimbarina noho ny toaka no nihavian’ity raharaha ity voalohany. Dia nisy niady tamin’izany ka dimy lahy no namely iraika lahy. Naratra be ilay iraika lahy ary dia niantso namana hamonjy azy. Tsy namana fe namana fa ireo iray fikambanana aminy izay iray fihaviana aminy ihany koa. Ny zanaky ny atsimo atsinanana sy ny kintan’ny atsimo no nitaky tamin’ny zanak’avaratra ireo nidaroka ny iray fihaviana aminy. Milaza ho tsy mahalala ny tavaratra. Nanao takalon’aina (angaha fantatra intsony koa izay isa marina na folo na dimy e !) avy amin’ireo zanak’avaratra ny fivondronamben’ny tatsimo fa tsy maintsy fantatry ry zareo izay nidaroka ny namany. Tsy maintsy niditra an-tsehatra ny ray aman-dreny. Ny fitantarana no nilazana fa niaiky ireo avy amin’ny tavaratra fa nanam-pahadisoana ny zanany ka nanolotra omby dimy ho fampihavanana eo amin’ny roa tonta. Andro zoma maraina no nanaovana ny joro izay ambara amin’ny fomba mihaja hoe fomba malagasy.
Manomboka tamin’io andro io no nifamahofaho tanteraka ny raharaha. Tsy fantatra intsony izay tsaho sy marina. Tsy maintsy nisy ny nandainga. Resaka roa samihafa no ambarako etoana : ny voalohany dia ny filazan’ireo mpianatra nankeny Tsimbazaza izay nalaina sary sy feo hitan’ny mpijery fa naheno hoe ry zareo fa mbola nanafika ihany ny andaniny ka namaky ny fitaovana tratran-dry zareo tao an-trano toy ny vilia, vilany, ny tele sy ny lecteur. Te-hiaro ny ain-dry zareo ry zareo dia naleony nody. Ny gazety kosa dia sady nanambara ny fahagagan’ny olona any Fianarantsoa, ny amin’ny nahatonga azy ireo nody tampotampoka no nandre hoe nisy nanely tsaho fa maty hoe ilay noratrain-dry zalahy dimy nidaroka iry. Dia nifamotoana teny Tsimbazaza iny ry zareo. Ry zareo mbola nanda hatramin’ny farany fa tsy nisy nidaroka izany ny bandy avy aminy (fa niezaka nanao teny avy any avaratra ireo nidaroka hoy ilay niantso an-telefonina izay). Na ahoana nefa na ahoana efa nalaza eo anatrehan’ny hafa ihany koa (ialana tsiny indrindra fa maharary ity) ny rehareha sy ny hetraketraky ny avy any avaratra sasantsasany (tsy manao safobemantsina mihitsy aho fa aleo aza teteniko hoe vitsy an’isa izy ireo).
Ny mahavariana dia izao : Nanaiky ny mpitondra fanjakana fa hiantohana ny sara andehanan-dry zareo mody sy ny hiverenan-dry zareo mianatra indray rehefa milamina ny toe-draharaha. Dia efa tena mamono afo tokoa angaha no nataon’ny mpitondra fanjakana no dia nanaiky izay tolo-kevitra izay ry zareo. Ny hafa manko raha tratran’ny fandroahana na dia ankolaka aza samy miantoka ny tenany manao izay hialana eo amin’ny loza fa ry zareo kosa voatambitamby miaraka amin’ny fiara tsara tarehin’ny minisiteran’ny fampianarana. Mody toy ny vedety fa tsy mody toy ny nitsoaka. Ny ratsiratsy vava aza moa nanao hoe tsy mahazaka ry zareo ny atao hoe diso tamin’ny raharaha tamin’ny herinandro teo ka aleony mody sady manararaotra ity fitondrana efa manahy fatratra ny amin’ny resaka 13 may ity. Tsy izany tokoa manko fa nofoanana ilay fandaharana manokana momba ny 13 may 1972 saiky natao omaly alahady noho ny antony tsy fantatra (tsy fantatr’iza ?).
Manaraka izany ihany koa, efa nitondra tsy fidiny ireo fiara fitaterana avy any Fianarantsoa matoa nahatonga ireo mpianatra ireo hatrany amin’ny lapan’ny antenimiera eny Tsimbazaza amin’ny andro atoandro. Amin’ny fotoana mahazatra dia tsy mahazo mitondra mpandeha eny ny fiara ary tsy avelan’ny polisy mihitsy, voararan’ny lalàna rahateo izany. Mety noho ry zareo nanao tohivakana angaha no mety ho nandeferan’ny mpitandro ny filaminana tamin’ity indray mitoraka ity. Na izany na tsy izany dia ity raharaha ity no maneho amin’izay mahiratra fa tsy tena mifankahazo ny samy Malagasy fa miara-monina fotsiny noho ny toerana iraisana dia i Madagasikara izany. Zavatra maro moa no tiana ambara saingy izay angaha no sahaza ny androany.