Alfa: AS Adema 1 - 1 Uscafoot

2007-04-23 @ 08:33 in Spaoro

 Tsy fantatro loatra ny tena fanalavana ny Alfa fa ny fahazoako azy dia hoe Analamanga League Football Association. Resaka baolina fandaka izany no resako eto. Enina hatrany ny isan’ny lalao ao anatin’ny andron-dalao iray eto amin’ny Alfa maro ekipa indrindra. Mikantona moa amin’izao fotoana izao ny kianjaben’ny Mahamasina koa dia eny amin’ny kianjan’Alarobia avokoa no notanterahina ny fihaonana. Lalao telo no notanterahina ny Asabotsy ary Alahady koa telo toy izany. Tamin’ny lalao omaly ary dia resin’ny Japan actuel’s 2 noho 1 indray ny Ajesaia. Tsy mety afa-bela amin’ity ekipa iray ity noho izany ny tompon’ny amboaran’i Madagasikara tamin’ny herintaona (2006). Lalaon’ny tanora vao misandratra raha jerena amin’ny ankapobeny na dia manana ny traikefa kokoa aza ny Japan. 

Lalao setrasetra :

 Fa ny lalao natrehiko manontolo ihany no tena azoko resahina eto.Lalaon’ny mpirahalahy mifandrafy, lalaon’ireo mifankafantatra tsara nefa tahaka ireny tsy hahay hifandray ireny. Lalaon’ny samy ngeza raha ny tena marina. ny Uscafoot tsy maintsy mandresy raha te-hanana toerana tsara kokoa ahafahany miatrika ny dingana manaraka, ratsiratsy ihany manko ny laharana misy an-dry zareo hatramin’izao fotoana izao. Ny Adema kosa tsy hanaiky lembenana fotsiny amin’izao sady hiaro ny voninahiny hatrany.

 Fizaram-potoana voalohany :

 Ny Uscafoot manao fanamiana mavo manontolo avy avaratra no manafika mianatsimo. Ny Adema kosa miakanjo fotsy ranoiray avy aty atsimo no mitodika mianavaratra. Ny Uscafoot no nandaka ny baolina voalohany. Nihahenjana avy hatrany ny lalao ary nifamaliana ihany koa ny fanafihana saingy nanana ny tombony kokoa ny Adema. Nisy fanafihana iray an’ny Adema avy amin’ny ilany ankavia. Nanavatsava tao anaty tokonana lehibe ( surface de réparation) ilay mpanafika (angaha moa misy fantatro loatra ry zalahy e ! izaho koa moa variana amin’ny fijerem-baolina nefa manadino ny laharan’ilay mpilalao). Natsipiny ho any amin’ny mpanafika amin’ny ilany ankavanana indray izany.  Nijijijijy ihany koa iley io nefa tsy nahita lalana hitifirana koa dia nanolotra izany indray ho any amin’ny ankavia somary afovoany kokoa. Nalalaka dia nalalaka ranamana ka afaka nikendry tsara ny hampidirana ny baolina. Tany amin’ny ankavian’ny mpiandro tokonana no nampidirany ny baolina. Vao minitra fahafito monja tamin’izay fotoana izany. 1 noho 0 ny lalao ary dia nandresy ny Adema hatreo.

 Taitra tamin’ny torimasony ny ekipan’ny Kaominina. Niezaka ny nanindry saingy mailaka ihany koa ny fiarovan’Ivato seranana. Mandeha daholo na daka na kapakapa. Miha-tsy maharaka ny mpitsara. Miniotra faharoa, nanao fahadisoana ny Uscafoot saingy tsy hitan’ny mpitsara, tonga dia nikapa tongotra ny naman’ny Adema. Nivandravandra loatra ka hitan’ny mpitsara. Saiky raikitra avy hatrany ny ady amparimbona. Tsy maintsy namoaka karatra mena tsirairay avy ho an’ny mpilalaon’ny andaniny sy ny ankilany ny mpitsara. Samy nilalao folo ny ekipa roa nanomboka teo.

Niezaka ny nitady isa ny Uscafoot saingy voafehin’ny Adema kokoa ny lalao tamin’ity fizaram-potoana voalohany ity. Ny valim-panafihana no tena heriny teto.

 Antontanisan’ny fizaram-potoana voalohany : 

  • Ny isan’ny baolina tafiditra dia 1 ho an’ny Adema ary 0 ho an’ny Uscafoot.
  •  Ny isan’ny tifitra dia 2 ho an’ny Adema ary 4 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny baolina nivoaka fotsiny fa tsy tifitra dia 2 ho an’ny Adema ary 4 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny daka anjoro kosa dia 2 ho an’ny Adema ka 3 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny Position de hors jeu dia 4 ho an’ny Adema ary 1 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny karatra mavo dia 1 ho an’ny Adema ary 1 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny karatra mena dia 1 ho an’ny Adema ary 1 ho an’ny Uscafoot.

 Fizaram-potoana faharoa :

 Niezaka ny nifehy baolina amin’izay ny Uscafoot. Saiky nidongy tany amin’ny kianjan’ny Adema aza ny baolina nandritra ny dimy miniotra voalohany. Iray monja anefa ny tena mpanafika avy ao amin’ny Kaominina ka sarotra ho azy ireo ny mitady irika. Mahery vaika kosa ny fanafihan’ny Adema hany ka manao fihetsika mahery vaika hatrany ny fiarovana avy ao amin’ny Uscafoot. Izay no nahatonga ny karatra mavo betsaka kokoa ho an’ny Uscafoot tamin’ity fizaram-potoana faharoa ity. Fanafihana tany amin’ny ilany ankavanana, hazakazaka tsy misy tahaka izany no nahatonga ny fingana tanaty tokonana lehibe nahazoan’ny Uscafoot ny penalty. Tezitra ihany ny mpanazatra sy ny mpanohana ny Adema ka manao hoe ampiana fotsiny ny zanaky ny Patirao izany. Tsy manana mpampidi-baolina tokoa aloha ny Uscafoot e ! Io penalty io ihany koa izany no nahazoan’ny Uscafoot ny isa tokany. Miniotra faha-55 indrindra tamin’izay fotoana izay.

 Nifamaliana ihany ny fanafihana taorian’izany saingy tsy nahitam-bokany loatra intsony. Ny 15 miniotra farany no tena saiky nahatafidiran’ny andaniny sy ankilany baolina saingy tsy nisy nahay nanararaotra izany ry zareo. Mbola amin’izay aloha ny haavo teknikan’ny mpilalao malagasy hatramin’izao : tsy mahay mitifitra na dia baolina atosi-potsiny hiditra anaty harato aza tsy hay.

 Antontanisan’ny fizaram-potoana faharoa : 

  • Ny isan’ny baolina tafiditra dia 0 ho an’ny Adema ary 1 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny tifitra dia 6 ho an’ny Adema ary 6 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny baolina nivoaka fotsiny fa tsy tifitra dia 3 ho an’ny Adema ary 2 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny daka anjoro kosa dia 3 ho an’ny Adema ka 2 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny Position de hors jeu dia 1 ho an’ny Adema ary 0 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny karatra mavo dia 0 ho an’ny Adema ary 3 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny karatra mena dia 0 ho an’ny Adema ary 0 ho an’ny Uscafoot.

 Antontanisan’ny lalao manontolo 

  • Ny isan’ny baolina tafiditra dia 1 ho an’ny Adema ary 1 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny tifitra dia 8 ho an’ny Adema ary 10 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny baolina nivoaka fotsiny fa tsy tifitra dia 5 ho an’ny Adema ary 6 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny daka anjoro kosa dia 5 ho an’ny Adema ka 5 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny tsipy an-tanana dia 15 no nataon’ny Adema nefa 17 kosa ny nataon’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny Position de hors jeu dia 5 ho an’ny Adema ary 1 kosa ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny karatra mavo dia 1 ho an’ny Adema ary 4 ho an’ny Uscafoot.
  • Ny isan’ny karatra mena dia 1 ho an’ny Adema ary 1 ho an’ny Uscafoot.

Teritery ihany

2007-04-21 @ 10:03 in Andavanandro

Mahavariana ! zavatra niseho tokana monja dia nampitohana ny fifamoivoizana hatrany Tsimbazaza mandalo an’i Manakambahiny iny, mandalo an’Ambanidia ka mipaka hatrany Ampandrana ka mila hahatratra an’Antanimena. Tsy adino ny any Ambohitsoa sy ny manakaiky an’i Mandroseza amin’ny lalana ilany ary ny lalana mikatso mankany sy avy any Ambohipo ihany koa. Tsy mampino nefa dia nisy tokoa omaly Zoma 20 avrily 2007.

Nisy razana nentina am-piangonana teo amin’ny fiangonana kristiana iray ao Ambanidia alohan’ny andevenana azy any amin’ny fasan-drazany. Mba manana fametrahana fiarakodia ihany ny fiangonana fa tsy ampy izany noho ny hamaroan’ny fiara. Ankevitry ny ho olona manamanana matoa be fiara tahaka izao manaraka ity fianakaviana manamanjo ity. Rehefa manana toy izany indrindra anefa dia somary lavalava ny fotoana ao am-piangonana.

Izao anefa, rehefa tsy antonona ny fametrahana fiara ny tokotanim-piangonana (andeha atao hoe izay) dia mametraka ny fiara amin’ny ilan’ny arabe avokoa ireo manana fiara hafa rehetra. Tsy dia misy lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra loatra anefa amin’io faritra io hametrahana fiara koa dia eny amin’ny arabe ihany noho izany ny fiara ambiny tsy tafiditra an-tokontany no mijanona. Vokany lasa lala-tokana ilay lalana azo nifanenana teo. Manomboka misaritaka amin’izay ny fifamoivoizana.

Ny tena loza dia nanomboka mitaovovonana indrindra ny fotoana tao am-piangonana ka tsy nitsahatra raha tsy efa tamin’ny telo mahery tany ho any. Izany hoe tao anatin’ny fotoana firavana sy fidiran’ny mpiasa sy ny mpianatra indrindra no nampikatso ny fifamoivoizana. Tsy maintsy mifandimby mandeha ny andaniny sy ny ankilany mba hampirindra kokoa ny fifamoivoizana efa tery. Tsy misy afa-po ny rehetra ain’izany saingy aleo mikisaka toy izay tsy mandeha mihitsy. Ny mandeha an-tongotra indray no tonga aloha hatrany.

Dia lasa ny saina mahita ka manao hoe dia tsy misy vahaolana mihitsy ve eto amin’ity faritra ity ? Isak’izay misy manjo na mariazy ao amin’io fiangonana io dia mikatso hatrany ny lalana. Heveriko fa mba tokony hifanaraka amin’ny ivotoeram-pampianarana ambony katolika (izay Lycée français teo aloha) manana toera-malalaka azo lazaina fa lehibe ihany eo akaiky eo ry zareo amin’ny fametrahana fiara fa tsy hionona fotsiny amin’ny ilan’ny arabe izay hita mivandravandra fa mahasorena ny mpiara-monina ny fihetsika tahaka izany. Sa dia tena sarotra ve ny mifanaraka ?

"AlHikmat" ity!

2007-04-20 @ 09:35 in Finoana

Ary izay nomena ny fahendrena dia tena zavatsoa tokoa no nomena azy. Et celui a qui la sagesse est donnée, vraiment c’est un bien immense qui lui est donné. Ny teny fototra (loharano) dia teny arabo fa ireo teny roa ireo dia samy dikanteny avokoa. Izany andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Korany Masina amin’ny Silamo izany no hanombohako ity lahatsoratra ity. « Ny Fahendrena » no dikan’ny teny « AlHikmat », koa raha misy miteny aminao hoe ilay « AlHikmat » ity dia mety hoe ilay « Ny Fahendrena » ity no dikany fa aza mora sendaotra loatra aloha.

Io ary no anaran’ny gazety islamika misahana ny kolontsaina sy sosialy voalohany eto Madagasikara na io izany no gazetin’ny Silamo voalohany mivoaka sy ho an’ny eto Madagasikara. Mitandrina be aho manoratra azy satria tahaka ny tsy mbola sahiny ny manoratra hoe gazetin’ny Silamo Malagasy voalohany. Zavatra maneran-tany manko izany hoe Silamo izany fa tsy voafaritra amin’ny toerana iray fotsiny ihany. Araka ny fahalalako azy ihany koa dia mbola any ivelany no atonta ity gazety mivoaka isaky ny roa volana ity. Miara-dalana sy vondrona iray amin’ny Radio Feon’ny Fahendrena (Radio Voix de la Sagesse) io gazety io, ary mbola misy gazety-boky ihany koa aza miaraka aminy, izay manana ny foibeny etsy amin’ny Batiment 3-F5 etsy amin’ny Village des Jeux (ary tsy nanana anarana teny malagasy ihany koa ity toerana ity an !) etsy Ankorondrano.

 Ny nahitako azy voalohany.

 Raha nandeha nivezivezy teny an-tanàna aho ny alatsinainy tolakandro teo nijerijery ny zavamisy sy izay mety tsy ho tsikaritry ny olona dia gaga nahita ity gazety iray nihantona teo amin’ny mpivarotra ampitan’ny fiantsonan’ny fiara ho any Mahitsy etsy Ankazomanga. Tonga dia ilay soratra arabo aloha no nanaitra ahy dia niteny tany anatiko any aho hoe inona koa ity gazety arabo diso toerana aty Madagasikara ity. Noheveriko ho gazety Ejipsiana ilay izy aloha satria nisy lohateny (frantsay) hoe ny finoana nisy tany Egypta fahizany. Vao nijery ny sary teo ambany anefa aho dia ny sarin-dRavalomanana sy Didier Drogba teo Mahamasina no hitako. Hay gazety gasy ity izany, hoy aho anankampo. Volana marsa sy avrily 2007 ny daty nivoahany ary efa laharana 11 sahady ity hitako ity. Aleo mividy iray handinihana azy any an-trano, hoy aho.

 Rehefa tonga tany an-trano aho dia hitako fa manana ny toerany ny resaka finoana sy fivavahana. Tafiditra ihany koa ary tsy latsa-danja ny resaka fanatanjahan-tena. Eny atsisitsisiny eny ny lalaon-tsaina, ny hatsikana, ny ohabolana na andeha antsoina hoe voam-pahendrena. Dia somary nahaliana ahy ihany koa ny fanazavana hampifandray ny tontolo ao anaty sy ny tontolo ivelany indrindra rehefa mivavaka…izany hoe somary tsipalotro kely ny mahatonga ireo Silamo tsy ho menatra mihitsy mivavaka na aiza na aiza misy azy rehefa tonga ny ora fanaovana izany. Fanararaotra hahalalana ny tontolon’ny Silamo eto madagasikara ity ka dia nivonona avy hatrany aho hitady ny hividy ireo gazety folo talohany hahitana kokoa izay tena votoatin’ny gazety hatramin’izay.

 Ny laharana hafa talohany

 Ny ampitso ihany dia notadiaviko ny foiben-toerana misy ny famoahana ny gazety ary hitako tokoa. Any amin’ny farany ambony varavarana faha-8 no misy azy. Vao andondona aho dia hoy ilay mpandoko teo amin’ny ilany hoe midira avy hatrany fa aza mandondona intsony. Hay birao be dia be no ao anatiny ao. Dia niandry izay handray ahy aho. Hividy gazety rahateo no anton-diako. Izay fanombohana izay ihany no nosoratako tamin’izaho tao fandrao hihanahana eo ambaravarana fotsiny izay hafa mety ho liana. Tsy azoko avokoa izy folo notadiaviko fa ny dimy ihany sisa no niaingan’ny fanadihadiako.

 Toy izao avokoa ny ambangovangon’ny zavatra hitako tamin’ireo gazety rehefa fintinina. Ny voalohan’ny pejy aloha no ahitana ny lohatenin’ny lahatsoratra rehetra mety ho hita ao anatiny sy sary maro, toy ny gazety rehetra fahita aty Madagasikara ihany izany. Ny tao anatiny amin’izay no nahitana zavatra samihafa tahaka ny Voam-pahendrena efa nosoratako tery ambony, ny vavaka, ny tononkalo, ny lalao ary hatsikana vitsivitsy saiky tamin’ny teny frantsay avokoa. Fa ny tena betsaka kosa sady lehibe tao aminy dia ireo lahatsoratra momba ny vehivavy sy ny zony, ny mahasamihafa ny lehilahy sy ny vehivavy, ny fifandraisana eo amin’ny mpivady na ny fifandraisana ao an-tokantrano, psikolojia avy amin’ny fihetsiky ny zanaka na ny fahalalana ny ankizy. Ao ihany koa ny fikarakarana ny vatana indrindra amin’ny vehivavy. Ny fampianarana momba ny ordinatera ary ny torohevitra momba ny fandraharahana.

 Tsy ambakan’izany ihany koa ny fampianarana silamo, ny fombany sy ireo tantara kely be dia be mampieritreritra ary mihevitra aho fa na any amin’ny fiangonana kristiana aza dia mety hanaovana azy tsara mihitsy.  Ataoko fa izay mpikaroka ny zavatra tsy mahazatra azy dia hahita fahafinaretana ihany eo ampamakiana ny gazety indrindra fa tsy mitsara mialoha hoe gazety silamo no vakiana.

 Voam-pahendrena vitsivitsy.

 Tsy tana ny tanako fa manoratra voam-pahendrena vitsivitsy ho anareo ihany koa :

  •  On peut approuver un juste conseil, mais l’essentiel est de se corriger. Na afaka atao ny miaiky ny fahatsaran’ny torohevitra iray fa ny tena zava-dehibe dia ny manitsy ny tena.
  •  Le souvenir du bonheur n’est plus bonheur, le souvenir de la douleur est de la douleur encore. Ny fahatsiarovana ny fahasambarana efa tsy fahasambarana intsony, ny fahatsiarovana ny ratram-po kosa dia mbola ratram-po tsapa hatrany. Lord George Gordon Byron. 
  • Il se pourrait que l’echec, comme l’obscurité de la nuit, m’oblige à m’arreter. Mais l’aube reviendra, le soleil se remetta à briller et je repartirai. Mety ho nandamoka ny zavatra nataoko ka voatery aho nitsahatra (nijanona) tahaka ireny ao anatin’ny aizina mikitroky ny alina ireny. Fa mbola ho avy ny maraina, hiposaka indray ny masoandro ary dia hanohy ny diako indray aho.
  •  Les hommes se distinguent par ce qu’ils montrent et se ressemble par ce qu’ils cachent. Samy miavaka amin’izay asehony ny lehilahy fa mitovy amin’izay afeniny kosa. Paul Valery.
  •  La vie est faite d’illusions. Parmi ces illusions certains réussisent. Ce sont elles qui constituent la réalité. Feno alonalona (na/sy revirevy) ny fiainana. Amin’ireny revirevy ireny misy ny tanteraka. Ireny no manorina ny zavamisy. Jacques Audiberti.

EPT: mpiasa maro nampidirina MD

2007-04-19 @ 07:19 in Toekarena

Asa na efa mivoaka an-gazety ity raharaha ity fa tsy hitako amin’ny voalohan’ny pejy amin’ireo gazety hitako teny an-dalana moa. Somary nahavariana raha tsy mba tsikaritry ny gazety ny fisian’ity raharaha ity na dia izany aza ka tena tsy fantany tokoa. Mety ho tsy manana loharanombaovao momba io koa moa ry zareo na dia izany aza.

Ny EPT aloha dia « Engineering pour tous » no fanalavana azy. Ny fahazoan’ny olona azy dia saika ity no nasolon’ny filoha Ravalomanana ny Fid « Fonds d’intervention pour le développement » izay efa nijoro talohan’ny nahafiloha azy. Nieritreritra izy fa olon’ny fitondrana teo aloha ny maro miasa ao amin’ity Fid ity ka tsy nananany fitokisana loatra ilay orinasa. Noho izany niezaka izy nametraka ny olona noheveriny ho azo itokisana kokoa ho hisahana ilay orinasa aloha, dia niezaka ihany koa izy nanao karazana orinasa mirazotra (parallele) hampiasana araka ny tokony ho izy ny vola. Averiko indray, izay no fahazoan’ny olona azy nandritra ny taona vitsivitsy nijoroan’ity orinasa EPT ity. Nampanaovina ny ambinambin’asa fotsiny sisa ny Fid nandritra ny fe-potoana voalohany nahafiloha an-dRavalomanana. Hagagana moa ny an’ny manodidina raha « nizarana » fiara mahazaka lalantsarotra (4x4 na 4WD) ireo mpiasan’ny EPT ambonimbony tsirairay indray maka.

Kanjo dia nisy iny fisamborana ny lehiben’ny Fid nahitsy hoe raharaha EPT no nisamborana azy iny. Teo vao gaga ny rehetra, mbola misavoritaka an-tsain’ny maro ny raharaha hatramin’izao. Tsy fantatra intsony izay tena marina. Ny filoha ve sa Atoa Davida Rajaon no nanangana ny EPT ? Ny filoha sa ny DGn’ny EPT no nanome baiko hampiasa ny volan’ny Fid ho an’ny EPT ? orinasa tena mijoro ara-panjakana tokoa ve ny EPT ? taratra avy amin’izany fa politika avo no miasa ao anatin’izany rehetra izany.

Ankehitriny, nanomboka afak’omaly 17 avrily 2007 dia re fa mpiasa maro ao amin’ny EPT  no nampidirina Mandat de dépôt na MD. Eo no mampitombo ny fahagagana. Inona no helok’ireo mpiasa ireo raha mba voafitaka ihany koa izy ? Mety ho nanaraka ny fomba nakana mpiasa tsara no nakana azy ireo. Nandray ny karamany isam-bolana izy nefa hay orinasa zavona (tahaka ny Procoops) fotsiny ity orinasa ity, araka ny fahazoako azy amin’izao fotoana izao aloha. Raha fanadihadiana tsotra ny mpiasa dia aleoko ihany fa ny fampidirana am-ponja ny mpiasa kosa ataoko fa sao dia tafahoatra loatra ?

Ataoko fa noho ny raharaha Rolland Ratsiraka any Toamasina manarona ny raharaha hafa rehetra no mety tsy ahafantaran'ny maro loatra ity raharaha ity.

Ambany izany ny gasy?

2007-04-18 @ 06:54 in Kolontsaina

Nisy zavatra iray nahasorena ahy tsikaritro tamin’ny vaovao. Nisy fihetsiketsehana ara-kolontsaina izay notontosaina tao amin’ny Alliance française. Ny tena fitadidiako azy moa dia momba ireo mpanoratra malagasy amin’ny teny frantsay no tena naranty tao Andavamamba io. Samy manana ny aingam-panahiny tokoa ka tsy misy azo sakanana amin’izany na hanoratra amin’ny teny frantsay na hanoratra amin’ny teny malagasy. Ny mpanoratra amin’ny teny malagasy moa dia amin’ny mpiteny malagasy ihany izy no malaza raha tsy hoe misy mandika amin’ny teny vahiny malaza angaha ny asa-sorany. Ny mpanoratra amin’ny teny vahiny be mpiteny kosa dia malalaka kokoa ny tsenany ary ho betsaka kokoa ny mahafantatra azy.

Tsy dia any loatra aloha ny resako amin’izao fotoana izao. Tsy nankany an-toerana tsy akory aho fa ny hitako tao anaty vaovao ihany no ampitaiko etoana. Tsy voatery hoe latsaky ny iray minitra ny sary nampitaina tao anaty vaovao dia tsy hahita na inona na inona ihany koa. Fa inona loatra ary ilay hita ? Rehefa miresaka mpanoratra amin’ireny fampirantiana ireny dia afisy lehibe no ametrahana ny mombamomba azy tsirairay avy. Firenen-dehibe no mikarakara ny ranty ka tsy ho kitoatoa ny endriky ny afisy aseho ny mpijery amin’izany. Amin’izay fampirantiana mahafinaritra ny maso izay no misy ny indrokely na indrobe mahatohina ny olona toa anay indrindra indrindra.

Sary telo matetika no hita isaky ny afisy iray. Ny sarin’ilay mpanoratra aloha voalohany indrindra, ny sarin’ny Tour Eiffel hatrao ambaniny na fanambaniny na hatrety antokontaniny faharoa ary ny sarin’ireo zavatra manintona eny amin’ny rovan’i Manjakamiadana ny fahatelo. Ao ny sarin’ny tranovola, ny sarin’ny voromahery eo amin’ny vavahadin’ny rova, ny sarin’i Besakana (tranon’Andrianampoinimerina ho an’izay tsy mahalala) ary ny tranovato rova na fiangonana ihany koa aza. Ireo endrika fahatelo ireo izany no heverina ho mahamalagasy ny Malagasy. Hatreo aloha dia tsy misy ny olana.

Fa ny toerana ametrahana ny sary isaky ny afisy no saiky mitovitovy avokoa ary ametrahako olana. Ny sarin’ny mpanoratra eo ankavia tsy maninona loatra. Ny sary roa farany dia eo ambony ka ny sarin’i Tour Eiffel no ambony indrindra ka io no manaloka « ho ambany elany » ny sary tsirairay amin’izay hita ao amin’ny rovan’i Manjakamiadana. Io ilay endrika nanaitra ahy. Mpikambana ao amin’ny francophonie tokoa ve isika dia ao ambany elatry Frantsa avokoa izay rehetra mpikambana ao aminy indrindra fa ny kolontsaina ? Tsy toerana mitovy intsony izany no misy ny tsirairay fa misy ny patabe (Patirao)? Hanao ahoana re ny fihevitry ny manampahefana malagasy mahita izany ? eny fa na dia ny eritreritry ny mpiasa ao amin’ny Alliance française aza dia mba tiako ho fantatra ihany koa. Mety ho ao anatiny loatra koa ry zareo ka tsy mahatsapa izay mety hahatohina ny hafa izay mety ho vitsy an’isa tahaka ahy izay manoratra.

Mety ho tsy zanatany intsony tokoa isika fa mbola zanatsaina ihany raha tsy nahatsikaritra izany izay nitsidika io fampirantiana momba ny mpanoratra malagasy amin’ny teny frantsay io. Raha nankany aho ka misy ilay boky volamena mipetraka eo amin’ny fivoahan’ny efitra fampirantiana iny dia ho nosoratako izao hevitra nabosako taminareo izao.

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2025 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox