Alohan’ny fitantarana dia mila hazavaina angamba aloha ity kapotandroka sy dontany ity. Fomba fianarana kabary izy io sady fifaninanana kabary rahateo. Ny olona hiditra ho tena mpikabary dia mandalo amin’io sehatra io. Rehefa vita ny anjaran’izy mirahalahy manao izany kapotandroka sy dontany izany dia misy ny elanelam-panahy avy eo mitsara ny resaka.
Ity tantara ity, hono, dia tamin’ny andro nanjakan-dRadama III, ary amin’ny mahaangano azy dia foronina ny fotoam-pitondrana e ! Indray mandeha, hono, dia nandrasan’ny olona fatratra ny kapotandroka sy dontany hataon’izy roalahy ireo, Ikotofetsy sy Imahaka izany. Imahaka dia efa niana-draharaha ho Sakaizambohitraihany fa Ikotofetsy koa efa niomana fatratra ho amin’izany toeram-boninahitra izany koa. Nitaky ny hanaovana ny dontany sy ny kapotandroka Ikotofetsy hahitana izay tian’ny olona kokoa sady fotoana hanendrena indray izay ho Sakaizambohitra io fotoana io. Nisy ary ny fotoana nanomezan’ny mpikarakara ny kianja filalaovana iray fa alatsinainy no hanaovana io kapotandroka sy dontany io. Niandry fatratra Ikotofetsy. Maro kosa ny manahy sahady fa tsy ho avy amin’io fotoana io Imahaka.
(tohiny)
Indreto ary misy sary roa heveriko fa tsy hita mihitsy tao amin'ny sary napetrako teo aloha. Sary nalaina avy teny Andohalo tamin'ny 9 ora maraina sy tamin'ny iray ora sy sasany ireo sary ireo.
Nandalo teto amin'ny tanàna teto 67ha ihany koa ny kandida Hery Rafalimanana omaly alahady. Sary vitsy ihany no nasehoko ary ny tena mahafnaritra ahy dia misy ny tsy menatra nitondra ny akanjon'ny mpifaninana taminy nefa dia nijery fety e!
Manaraka izany, somary nampihomehy fa nitroatra, noho ny tahotry ny hamaroan'ny olona nanatona azy angamba, ilay omby nomen'ny kandidà (azo atao angaha moa izany) ny mpandresy tamin'ny fifaninanana baolina. Nanjary nanao fanenjika kely manerana ny coum tao izahay. hahaha! sady faly ery ny mandositra! horakoraka re izao!
Ary ho anareo izay mety mbola tsy mahalala dia namoaka bolongana na vohikala ho azy tamin'ity fifidianana ity anie i Vanf e! Raha ny marina dia izy no saiky hofidiako saingy... dia jereo aloha izay soratany e!
Tohin'ny sary 50 momba ny faradoboka nataon'ny kandida lazaina fa be mpifidy indrindra aho. Ho hitanareo manerana ny gazety malagasy rahampitso fa hoe nisy nitoraka grenady tany amin'ny tranony tany angaha! Mampalahelo tokoa raha izany toe-javatra izany. Saingy izao no nampanahy dia nampanahy be ihany! izaho, ireo izay mpamaham-bolongana efa nanatrika ny fihaonan'ny mpamaham-bolongana eto Antananarivo ireny dia tsy manana fiara manokana. Noho izany dia fiara fitateram-bahoaka no nialako avy teny Anosy ho eny Antsonjobe.
Tsy niandry iray minitra ho dia nahazo 165 sady tsy nisisika no tsy feno ny fiara. tonga teo Analakely dia ny fiara mihitsy no miandry olona. Nihevitra aho fa eny Antanimena ho eny Ankorondrano iny tsy maintsy feno ny fiara satria eny no fandraisan'ny olona fiara ho eny. Kanjo dia diso hevitra tanteraka aho. Tsy nety feno ny fiara nandehanako no tsy nahita olona nandeha an-tongotra hizotra ho eny Antsonjobe aho. Teny Alarobia vao feno izy satria nisy ny olona mbola tsy nahalala ny namindrana toerana ny hanaovana fara-doboka.
Tamin'ny 10 sy sasany teo ho eo aho no tonga teny an-toerana (nolazaina fa tamin'ny folo no nanomboka ny fotoana). Nokendreko anefa ny hahatratra ny ora voalohany. Gaga dia gaga aho nahita ireo olona vory teny. Tena vitsy tsy araka ny nampoizina. Tsy naka sary mihitsy aho raha tsy tamin'ny 11 ora satria amin'ny 12 aho no hiainga hiasa (sabotsy hariva). Hatreo izany ny sary azoko. Efa nihira ny Pazzapa 5 izay nandrandrain'ny tanora maro tonga teny.
Akory ny hagagako raha nandre tamin'ny tenin'ny kandidà aho fa tsy niasa noho ny baiko (ataon'ny Kaominina hoe ny fiara fitaterana) nefa maro tamin'izy ireo aza no nijanona teo ambavahady mihitsy na dia tsy tokony handalo eo akory aza. Indrisy fa novonoiko ny sary nisy ireo fiara be dia be ireo satria noheveriko ho anelingelina ny sary nalaiko (tsy misy interet). Tsy miteny aho hoe lainga ny baomba fa ity filazana fa tsy nisy fiara ity kosa dia laviko marindrano ka nahatonga ahy hisalasala ny amin'ny grenady na dia nisy aza ny sary naseho... Tombotsoan'iza ihany koa moa ny fisian'ny zavatra toy izany?
Hitako fa tadiavina ampiasaina ny fihetseham-pon'ny vahoaka malagasy rehefa nihendanja ny olona nanatrika ny famoriana ( fa tsy ny isan'ny olona nifidy). Avelao ny olona hifidy amin'ny saina fa tsy amin'ny fo! tsy pazzapa akory ny hofidiana. Azonareo ompaina amin'ny safidiko aho nefa manaja soa aman-tsara ny safidinareo sady miarahaba izay rehetra lany eo na iza na iza!
Dia ataoko misy fizarana valo ity raharaha ity noho ny habetsaky ny sary izay halahatra eto. Ity ny andiany voalohany.
Ny fizarana voalohany dia ny sarin'ny teny Mahamasina niaraka tamin'ny Tim na hery Rafalimanana ny maraina sy ny sary teo ivelany. Tokony ho tamin'ny 9 ora maraina teo ho eo aho no naka ny maraina. Ary ny sary roa farany kosa dia ny tolakandro tamin'ny 2 ora.
Tsindrio HRmaraive
Ny fizarana faharoa kosa dia ny sary filaharana sy fandrombahana ny tee-shirt teny Mahamasina ihany.
Tsindrio teeshirt
Ny fizarana fahatelo indray dia ny sary ny tolakandro tokony ho tamin'ny roa ora latsaka kely fotsiny. Mbola teny Mahamasina ihany. Ireto aloha raki-tsary maneho ny ankapobeny na tazan-davitra.
Tsindrio timtp
Ny fizarana fahaefatra kosa indray dia maneho ny eny amin'ny gradins sy ny tribunes io folakandro io ihany.
Tsindrio timtg
Ny fizarana fahadimy dia ny sarin'ireo teny ambony kianja na ny mpijery na ny mpanankanto.
Tsindrio timtt
Ny fizarana fahaenina sy fahafito ary fahavalo dia mifindra eny Antsonjobe indray isika. Tsy teny Alarobia indray manko ny faradoboky ny TGV fa niverina teny Antsonjobe ihany. HItanareo kosa angamba ny mahasamihafa azy tamin'ny efa nasehoko teto e!
Tsindrio tgva sy tgvm ary tgvf. Dia mazotoa mijery ary eto ihany mamoaka hevitra e! Androany 8 desambra 2007 avokoa ireo sary ireo.
Amin’ity fifidianana ho Ben’ny tanàna ity dia takon’ny fifidianana eto Antananarivo renivohitra avokoa ny fifidianana any amin’ny faritra hafa rehetra. Sahala ireny hoe fifidianana ho filoham-pirenena ireny mihitsy no atrehina ankehitriny. Amin’izany fotoana izany dia mbola takon’ny mpifaninana roalahy ihany koa ny hafa. Ireo moa no tena atao hoe mpampirevy raha izay no azo ilazana azy. I Hery Rafalimanana sy i Andry Rajoelina na Andry TGV moa no tena mibahantoerana satria ireo no samy manana ny haino aman-jery. Ilay mpifaninana fahatelo indray moa miteny hoe tsy manambitamby mpifidy amin’ny alalan’ny hirahira izany. Araka ny re moa dia amin’ny alahady izao no hanao faradoboka ity kandidà fahatelo ity, Marc Ramiarinjatovo.
Amin’ny Asabotsy ho avy izao indray moa dia hafana ny lanonana. Hamory olona eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina manko ny kandidà Hery Rafalimanana raha eny amin’ny kianjan’Alarobia kosa no hivorian’ny kandidà Andry TGV. Ho hita eo izay tena hahavory olona. Hiezaka aho ny hamoaka ny sary araka izay haingana amin’io andro io na ny eny Mahamasina na ny eny Alarobia raha tsy misy ny sampona.