Fa dia inona loatra re no nanjo ? Natao ho an’ny mpianatra ihany angaha ny famoriambahoaka nataon’ity kandidà iray ity ? Alarobia tolakandro izao ary heverina fa ho be ny mpianatra voavory ! Ny filazana tamin’ny gazety moa no nahitana fa manomboka amin’ny 1 ora tolakandro io fotoana io. Raha nokajikajiana tamin’ny natao tamin’ny Alahady lasa teo dia tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro izany no nanomboka ny kabarin’ity kandidà ity.

Tonga teny aho tamin’ny 4 ora latsaka fahatelony fa efa rava ny lanonana ! Vao nandalo teny anefa aho ny mitataovovonana ( ora iray mialoha ny fotoana nifanomezana)fa teo ampikarakarana indrindra ny sehatra teo afovoany eo alohan’ny tsangambaton’ny fahaleovantena ireo mpanohana mavitrika. Efa nisy vitsivitsy koa ireo mpanohana (mpandeha an-tongotra fa tsy ireo any anaty fiara mivezivezy) no mamonjy ny fipetrahana azo ipetrahana eny amin’ny manodidina. Izany hoe fony nandalo teny aho dia mbola tsy nisy mozika naneno teny. Rehefa niverina indray aho ny tolakandro efa tsy nisy mozika intsony ihany koa.

Be anefa no nihevitra fa amin’ny 5 folakandro any ho any vao tena hafana ny lanonana. Tokony ho 150 metatra tsy ahatongavana ny kianjan’Andohalo aho no nifanena tamin’ireo avy nanatrika ny lanonana voalohany nefa rehefa tonga teny aho dia kianjan’Andohalo (ilay kianja mamovoka be fa tsy mbola vitan’ny Kaominina io) efa babangoana sy ireo mpikarakara ny sehatra mangoron’entana sisa no tazana miaraka amin’ireo mbola tsy tafahetsika teo amin’ny toerana toa kivikivy mety mieritreritra hoe rava sahady ve rangahy nefa izahay mbola tsy afa-po mihitsy. Sa tena izay no mampiavaka ny atao hoe TGV ? vitaina haingana avokoa ny zava-drehetra ?

Ny tsikaritra ihany koa dia tsy mba mihirahira intsony ireo tanora mpandeha anaty fiara voaravaka manao fanentanana ho an’i Andry TGV. Tsy hoe manakivy ireo mpanohana dieny mialoha aho fa ahiako ho laharana fahatelo no misy azy rehefa mivoaka ny fifidianana ! Herinandro androany anie ny fotoana e !
Samy manana ny fijeriny tokoa ny tsirairay rehefa resaka politika. Izay no manahirana amin'izy ity. Raha tonga teny aho dia hampitaha ny vahoaka azony miohatra tamin'izay kandidà efa teo ihany koa. Ny voamarika dia izao: fony nirotsaka ho filoham-pirenena Atoa Herizo Razafimahaleo dia mitovitovy mihitsy ny isan'ny vahoaka nanatrika teo. Ny iray filoham-pirenena no nidirana ary ny faharoa kosa Ben'ny tanàna. Indrisy moa fa efa nofafako ilay tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena.
(tohiny)
Ataoko fa efa nahenoheno kely ny momba ny anganon’Ikotofetsy sy Imahakà daholo isika. Ary ankoatra izay dia mety ho efa fandrentsika amin’ny angano malagasy maro hafa izany anarana Ranakombe izany. Any no fitarain’ny olona maro manana olana. Betsaka ny zavatra omen-dRanakombe tahaka ny fanafody, torohevitra maro isankarazany. Noho ny toerana misy azy dia hajain’ny olona fatratra Ranakombe sy ny fianakaviany. Tsapan’Ikotofetsy sy Imahaka indrindra izany ka dia samy nanana ny paikany indray izy mirahalahy.
(tohiny)
Miomana fatratra amin’ny fifidianana ho Ben’ny tanàna ny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Dia nahatsiaro Ikakimpitantara fa nisy angano miresaka fifidianana ho Ben’ny tanàna indrindra tsaroany ka mba hozarainy tamiko. Tsy tiako ho izaho irery no handre ilay tantara fa dia nosoratako mihitsy ilay izy mba ho an’ny fara aman-dimby ihany koa. Indray maka izay, hono, ry zareo dia hifaninana izay ho Ben’ny tanàna tao amin’ny tanàna lehibe antsoina hoe Vohitsara i Ikotofetsy sy Imahakà. Olona mifankafantatra tsara ry zareo ary tsy mifanalavitra loatra ny taonany. Toerana ho an’ny olona iray ihany manko no iadiana ka izay no mampifandrafy azy mirahalahy ireto tamin’ity indray mitoraka ity. Jereo amin’izay ange ny paika ataon’ny tsirairay hifidianan’ny olona azy e!
(tohiny)
Efa iaraha-mahalala fa solombavambahoaka vaovao no mivory eny Tsimbazaza amin’izao fotoana izao. Nisy dia nisy ny zavatra maro andrasana amin’izy ireo na dia ny fitaintainana ny hampiharana ilay volavolan-dalàna mikasika ilay fampihenana ny isan’ny andro ahafahan’ny mpiasa manao zavatra hafa ankoatra ny miasa any ampiasana fotsiny ihany aza. Entiko anampy izany koa ny adihevitra momba ny nampitomboana ny hetra alain’ny fanjakana amin’ny karama araka ny volavolan-dalàna amin’ny tetibolam-panjakana hampiasaina amin’ny taona 2008.
(tohiny)